MATOA NY TOMPO MBOLA TSY TONGA, DIA SATRIA TIANY ISIKA REHETRA HO TONGA AMIN’NY FIBEBAHANA

« Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra ». 2 Petera 3 :9

MATOA NY TOMPO MBOLA TSY TONGA, DIA SATRIA TIANY ISIKA REHETRA HO TONGA AMIN’NY FIBEBAHANA
Izay ihany no antony tokana : « ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra ».
Olona ratsy fanahy, tena ratsy fanahy : tian’Andriamanitra ho tonga amin’ny fibebahana, izay vao alain’i Jesosy.

Andeha isika handinin-tena, fa ny antony mbola ahavelomantsika, tsy hoe hi-réalisé plan de carrière, tsy hoe hanana projet ohatran’izao sy ohatran’izao sy ohatran’izao. Fa isika rehetra, mila mibebaka matoa mbola velona.

Ny atao hoe mibebaka, dia hoe : tonga saina ny amin’ny ratsy natao – miaiky ny amin’ny ratsy natao – mifona amin’Andriamanitra ny amin’ny ratsy natao ary manapa-kevitra hiala amin’izany ratsy natao izany.