MARIKY NY FAHAVELOMANA NY FAHAZOANA MITENY

« Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny ». Lioka 7 :15

NY MARIKY NY FAHAVELOMANA DIA NY FAHAZOANA MITENY, NY FAHAZOANA MIRESAKA

Manao ahoana ao amin’ny ankohonantsika ? Ity mantsy izao, tovolahy iray natolotra ny reniny dia afaka miresaka amin’ny reniny. Fa misy ve eto amintsika eto, mahafantatra ve isika zanaka toy ny moana, ary moana marenina ao amin’ny ankohonany ao, ka toy ny maty ny fifandraisana, toy ny maty ny fifankatiavana ?
Eto izy niarina tamin’ny maty, dia niteny. Izany no zavatra nataony voalohany.
Ny maty ara-panahy koa ry havana, dia tsy mba maniry na mazoto, na manana fifaliana miteny amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny vavaka izany.
Te hanova an’izany Jesoa. Te hanangana antsika amin’izany karazana fahafatesana izany Izy. Ary raha mety kasihina ianao amin’izao hariva izao, ka hitenenany hoe : « Miarèna », dia fantaro fa afaka miteny amin’ny ray aman-dreny ianao, afaka miteny amin’ny vady ianao, afaka miteny amin’ny zanaka ianao, afaka miteny amin’ny mpiray tampo ianao, iray izay. Fa indrindra koa, afaka miteny amin’Andriamanitra ianao.

Andeha isika handinin-tena hoe izaho ve velona, ka afaka miteny ?