« L’Eternel mène tout à bonne fin pour moi »

Salamo 138 :8a : « Jehovah no hahatanteraka ny amiko ». Eto moa dia ilaina ilay mampitovy traduction. Teny mamy, tena mamy ny traduction française-ny Segond, hoe : « L’Eternel mène tout à bonne fin pour moi ». Izy no hahatanteraka ny amiko.

Zavatra 2 no tanterahin’Andriamanitra ny amiko, sy ny aminao ; zavatra roa :

  • Voalohany dia hoe : izay rehetra adidinao amin’Andriamanitra, izay rehetra devoir-nao amin’Andriamanitra : il va mener cela à bonne fin. Izy no hahatanteraka izany. Izay ny zavatra anankiray.
  • Ny zavatra faharoa dia mahakasika anao: izay nécessaire aminao, izay nécessaire ho anao : il va mener cela à bonne fin. Fa ianao ange no tsy mino an’izany e. Izay nécessaire aminao, izay zavatra tena hoe important aminao : il va mener cela à bonne fin. Tadidio ry havana ô : Jehovah no hahatanteraka ny amiko. Il va mener tout à bonne fin pour moi.

Misy Madama izay nandefa sms taty : mba ento am-bavaka aho Pasitera hoy Izy fa mitoe-jaza aho, tamin’ny 2020 aho nanao fausse couche, nefa nitandrina, nitandrina, nitandrina. Nomeko azy io Salamo 138 :8 io : Jésus, hoy aho, va mener cette grossesse à bonne fin pour toi. Dia nandefa emojis be dia be izy naneho ny hafaliany. Ny zavatra important aminao, ny zavatra nécessaire ho anao, ny adidinao amin’Andriamanitra : il va mener tout cela à bonne fin pour toi. Mino izany ve ianao ?

Derao Izy noho izany fitiavany mahagaga izany.

Hoy ilay Salamo 138 :8a : « Jehovah no hahatanteraka ny amiko ». Dia misy point-virgule eo. Dia tohizan’i Davida : « Jehovah ô, mandrakizay ny famindramponao ». Fa maninona moa Jehovah no hahatanteraka ny amiko ry havana ? Nahoana ? Tsy noho ny finoako, tsy noho ny fahatanjahan-tsaiko, tsy noho ny fahamatorako ara-panahy ; ary soa ihany ; fa ny finoako miovaova. Izany finoan’ny olombelona izany : miovaova izany. Fa hahatanteraka ny amiko Izy satria mazava ny tenin’i Davida hoe : satria mamindra fo Izy. Ary mamindra fo mandrakizay Izy. Izany ny base solide ary base azo antoka fa hahatanteraka ny amiko Izy ry havana. Izany ny base solide.

Namindra fo Izy tamin’ny 2000 taona lasa ary tsy mitsahatra ny mamindra fo Izy mandrakizay.

Nahafinaritra ahy ilay teny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray izay : isika hoy izy, zatra fankalazana, zatra jobily ; rehefa amin’ny jobily, rehefa amin’ny fankalazana dia fombantsika ny manao tsangambato, ahatsiarovana ny faha-25 taona, ahatsiarovana ny faha-150 taona. Asiana tsangambato. Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray izay : ianao ve tsangambaton’izany famindrampon’Andriamanitra maharitra mandrakizay izany ? Tsangambaton’ny famindrampon’Andriamanitra ve ianao ? Izany no antom-bavaka ho antsika ry havana, hoe : izaho, mamindra fo mandrakizay amiko Andriamanitra. Hanavotr’aina no nijaliany ; fa Izy nijaly io, Izy maty io, mbola hamindra fo amintsika ary hanome antsika izay rehetra mahasoa sy ilaintsika ry havana ô.

Derao Andriamanitra noho izany famindrampony mandrakizay izany, base-n’ilay asany. Ary mivavaha mba ho tsangambaton’ny famindrampon’Andriamanitra ry havana.