JESOA TIA MAMPIANATRA

« Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesoa; ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. Ary rehefa nitsahatra niteny Jesoa, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.». Lioka 5 :1-4

JESOA TIA MAMPIANATRA

Dia ilay fanontaniana hoe : mba manao ahoana kosa ny fitiavanao hianatra ny teniny ?

Ny olona nampianarin’i Jesoa eto, hoy ny and.1 hoe olona nifanizina taminy. Be dia be ny olona teo, dia nifanizina. Nifanizina haninona ? Hihaino ny tenin’Andriamanitra. Maninona isika no vitsy kely ohatran’io mianatra EB ry havana ô ? Maninona e, maninona e ?

Ary eto Jesoa mampianatra, and. 3, nipetraka teo amin’ny sambokely Izy. Fa Izy mampianatra, dia hoe nipetraka. Nipetraka Izy. Fa naninona Izy no nipetraka ? Satria mieritreritra Izy fa haharitra ny fampianarana ry havana ô ; dia hoe : aleo aloa Aho hipetraka. Fanaon’ny mpampianatra izany. Satria hoe haharitra ny fampianarana.

Tia fianarana ve ianao ? Ary maharitra amin’ny fampianarana ve ianao raha somary lava ny fampianarana ? Maharitra amin’ny fampianarana ve ianao ka hita régulièrement ve ianao rehefa Alarobia, rehefa Sabotsy ry havana ô.

Fa hoe izay no ohatra tsara hita eto :

  • Jesoa mampianatra an’ireto vahoaka nifanizina ireto
  • Nipetraka Izy satria haharitra ny fampianarana
  • Dia ny vahoaka naharitra, ny vahoaka nihaino.

Ary hita eo amin’ny and.3 rehefa miteny hoe « Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy », Simona Petera dia anisan’izay nianatra ry havana ô. Ary efa manomana an’i Simona, manomana an’i Petera Izy hanarato olona eto ry havana. Tsy misy olona hanarato olona izany ka tsy mianatra ry havana. Mianarà, mianarà tenin’Andriamanitra.

Ary eo amin’ny and.4 : ilay olona mianatra an’ilay LOGOS ry havana, eto, nomen’Andriamanitra ilay RHEMA. Tsy hahazo rhema izany ianao e, raha tsy mifantoka, raha tsy mifaka amin’ny logos. Fa dia hianatranatra eo fotsiny ianao, hamakimaky eo fotsiny ianao, fa tsy hitondra vokatra eo aminao ilay teny. Fa Simona eto anisan’ireo nianatra, dia Simona eto mahazo teny manokana.

Jesoa eto miteny hoe : « Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo ». Ilay hoe Mandrosoa ho any amin'ny lalina, rehefa jerena ny teny grika, dia hoe : « c’est un singulier qui s’adresse à Pierre ». Alatsaho ny haratonareo : hoe miaraka amin’ny namanao. Fa ianao, ianao no resahiko, ianao no omeko rhema amin’izao fotoana izao ry Simona Petera. Izay ilay izy.

Andeha isika handinin-tena ny amin’izany, hoe mba ho volen’ny Tompo ao am-pontsika ny fitiavana hianatra ny teniny. Maty antoka ianao raha hainao tsianjery hoe inona moa ny lohateny amin’ity volana ity, ny lohahevitra amin’ity volana Février ity, hoe : Mahatoky ny tenin’ny Tompo ; maty antoka ianao raha toa ianao tsy tia mianatra an’izany teny mahatoky izany. Ary mmampatsiahy ny toriteny tamin’ny Alahady : io logos io no iterahan’Andriamanitra anao ho amin’ny fahaterahana vaovao. Fa ny olona omen’Andriamanitra Logos, naterak’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny logos, dia omeny an’ilay rhema isan’andro isan’andro, fa fenoin’Andriamanitra amin’ilay rhema mba hampaharitra mandrakizay.

Noresahiko tamin’ny namana, asa tamin’ny herinandro teo, tany anaty gazety hoe misy mpanakanto malaza hoe maty tamin’ny faha-37taonany. Tsy haiko izay lazany, fa ny gazety rehetra dia milaza hoe : « trop jeune trop tôt ». Tsia ry havana. Maty ianao à 37ans : izay ny eto ; fa ilay mandrakizay idiranao amin’iny fahafatesana iny. Ary isika koa lavén’ny gazety, ilay gazety tsy mino ry havana.

Fa andeha isika handinin-tena hoe : « Tompo ô, tahaka ny niantsoanao an’i Simona Petera, hoe hanarato olona, hitondra vokatra be, izaho koa volavolao ary ho famolavolanao ahy, ampio aho hianatra ny logos-nao. Ary mba manantena aho tahaka izay nataonao tamin’i Petera, hoe omeo rhema isan’andro isan’andro hananako antoka fa haharitra mandrakizay aho.