« Ary taoriana kelin'izany Jesoa dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary nanaraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka. Ary rehefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin'ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan'ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy. Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany. Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesoa: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena. Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny ». Lioka 7 :11-15

JESOA REHEFA MANDINIKA ANAO KA MAHITA NY FAHORIANAO, DIA ONENA – JESOA ONENA

Mahita anao anaty fahoriana Jesoa dia onena. Ary rehefa onena Izy, dia foanany izay fototry ny ranomasonao.
Ny ohatra ahitantsika an’izany eto, dia fiainan’ny vehivavy anankiray maty zanaka. Tsy ilay zanaka maty no mampalahelo an’i Jesoa, fa ilay reny anaty fahoriana lalina. Anaty fahoriana lalina ilay reny satria ilay vehivavy io, efa maty vady, mpitondratena izy hoy ny Soratra Masina. Anaty fahoriana lalina ilay vehivavy io, satria maty indray koa izao ny zanaka lahy tokana. Anaty fahoriana lalina izy, ary izay no maha-onena an’i Jesoa.

Ao amin’ny Baiboly, teo amin’ny jiosy, izany hoe mpitondratena izany dia ohatrany hoe catégorie sociale faible, vulnérable. Fa ity vehivavy ity koa, dia hoe vao maika vulnérable, vao maika faible satria ilay hany zanaka, ary zanaka lahy tokana, izay mba hoe azo nianteherany, izay mba hoe afaka hamelona azy, dia nindaosin’ny fahafatesana ihany koa. Ary izay no nahatonga ny tenin’ny Soratra Masina hiteny mazava hoe : onena Jesoa mahita ny situation an’ity ramatoa ity.

Mahafinaritra ny fanazavana ny teny hoe : onena. Amin’ny teny frantsay izy tsy dia tena miteny loatra, hoe : « ému jusqu’aux entrailles » ; fa dia tena hoe : onena Izy, mikorontana hatrany amin’ny ati-tsinainy any, nahita an’ilay situation an’ilay vehivavy. Ary ilay vehivavy no probleman’i Jesoa eto, fa tsy ilay lehilahy maty. Hoy isika teo hoe mijery an’ilay vehivavy Izy, dia foanany ilay fototry ny ranomaso. Ahoana no anaovany an’izany ? And.14 : nanatona Izy dia nanedry an’ilay tranovorona. Eo izany, misy cortège 2 mifanena : ilay cortège misy an’ilay tranovorona arahin’ilay reny, dia ny cortège iray Jesoa sy ny mpianatra sy vahoaka betsaka ; dia fantatr’i Jesoa ilay situation dia nanendry ilay tranovorona, dia nijanona izay nilanja an’ilay tranovorona, ary hoy Jesoa : « zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena ». Dia niarina ilay maty ka natolon’i Jesoa tamin’ny reniny.

Inona no lesona ho antsika ry havana ? Jesoa mandinika antsika tsirairay avy, fantany izay maha-ory antsika, fantany izay mampitomany antsika. Voalohany indrindra, fantaro fa mahita anao Izy dia onena, ory ny fony. Hantenao Izy hanafoana ny fototry ny ranomasonao. Andeha isika handohalika handinin-tena ny amin’izay.