JEHOVAH MAMPODY FIADANANA

« Ary Jehovah nampody ny fiadanan’ i Joba, raha nivavaka ho an’ ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy ». Joba 42 :10

Ary Jehovah nampody ny fiadanan’ i Joba, raha nivavaka ho an’ ny sakaizany izy.

Eto ry havana i Joba mampiseho toe-po volamena : vavaka ho an’ny olona izay hoe fatra-panakiana ; ary nanakiana tamin’ny fomba masiaka, nanakiana sady nanamaivana ny finoan’i Job izy 3 lahy namany. Kanefa izao : nivavaka izy satria nasain’Andriamanitra nivavaka ho azy koa. Izay ilay finoana ry havana o : fankatoavana ny tenin’Andriamanitra. Nivavaka izy satria nasain’Andriamanitra nivavaka, ary nivavaka izy tamin’ny finoana sy ny fitiavana. Samy manana ny olany isika ato amin’ity Fiangonana ity, samy manana ny mpanakiana antsika, mpanenjika antsika, na mpankahala antsika, kanefa hoy Andriamanitra hoe : « ianao mivavaha ary mifonà ho an’ireo mba tsy hihatra amin’ireo ny fahatezerako noho ny fahadalany ». Isika tsy hiteny hoe : « ampiaro amin’ireo mihitsy Andriamanitra ô, aleo hihatra amin’ireo ilay fahatezeranao, adala be ireo ». Izay ilay zavatra.

Fa dia hoe nampiseho finoana sy fitiavana i Joba. Ary izy mampiseho finoana sy fitiavana ka mivavaka ho an’ireto olona mpanakiana ireto, na dia antsoin’ny Soratra Masina hoe sakaizany ary ; izay ilay tena fitiava-namana : tsy hoe olona manana affinité aminao ihany, fa hoe noho ny amin’ny Tompo dia mivavaka, ary tsy mivavaka amin’ny fihatsaram-belatsihy, dia zavatra hafa koa avy eo no ataon’Andriamanitra, and.10 : « Ary Jehovah nampody ny fiadanan’ i Joba ».  Nanam-potoana i Joba teo am-pivavahana ho an’ireto namany ireto, nositranin’Andriamanitra i Joba ry havana o : naverin’Andriamanitra tamin’ny laony ny fahasalamany, izay no dikan’ilay hoe nampodiany fiadanana. Izay ny zavatra voalohany. Teo am-pivavahana izy no nampodian’Andriamanitra ny fahasalamany, raha nivavaka ho an’ny sakaizany izy, hoy ny and.10, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy. Nosoloin’Andriamanitra daholo ny fananany simba, maty, very, norobaina ; ary tsy vitan’ny hoe nosoloin’Andriamanitra, fa hoe : nomeny azy indroa toraka izay nananany fahiny.

Asain’Andriamanitra mandinin-tena isika ry havana ny amin’ny hoe fankatoavantsika ny teniny, na mahafinaritra, na tsy mahafinaritra antsika. Ary asain’Andriamanitra maka ny ohatr’i Joba hoe mitombo amin’izany fitiavana olona manakiana, olona tsy tia : mety olona mamingana, ary dia hoe tena porofom-pitiavana dia hoe : mivavaka ho an’ny olona mandreraka anao io, na iza izy na iza, manomboka ao amin’ny ankohonanao izany : vady, zanaka, ray aman-dreny, mpiara-manompo, mpiara-miasa. Dia hoe : ny Tompo hampody tanteraka ny fiadananao

Fandinihan-tena : Finoana sy fitiavana mahatonga vavaka