HIDERA ANAO NY MPANJAKA REHETRA AMIN’NY TANY

« Jehovah o, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, Fa handre ny tenin'ny vavanao izy ». — Salamo 138 : 4.

HIDERA ANAO NY MPANJAKA REHETRA AMIN'NY TANY.

Davida miteny eto, hoe : « hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ny tany ». Satria maninona ? Satria handre ny tenin'ny vavan'i Jehovah izy.

Izany Davida izany ry havana, noho ny lazany, noho ny fahendreny, dia novangian'ny mpanjaka maro manodidina azy. Dia andao ange jerentsika ny Salamo 119 :46 e : « Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra ». Fantatr’i Davida izany fa rehefa ho avy hamangy azy ireo mpanjaka jentilisa ireo, ny ambentin-dresaka dia ny tenin’Andriamanitra. Izay ny zavatra anankiray : « hilaza ny teni-vavolombelonao ». Tena efa zava-dehibe izany, zava-dehibe izany.

Ny zavatra faharoa dia izao : fa maninona ireo mpanjaka ireo no manjary hoe hidera an’Andriamanitra noho ny teniny ? Satria ilay tenin’Andriamanitra izay tononin’i Davida amin’ireo mpanjaka, torian’i Davida amin’ireto mpanjaka, dia milaza teny fikasana ary hitan’ireo mpanjaka fa tanteraka izany.

Izao no fampieritreretana ho antsika izay tena hoe te hanana fiainam-piderana : rehefa misy olona manatona antsika, vatrantsika ve ny manambara tenin’Andriamanitra ? Sa variana amin’ny resaka bli bla isika ? Vatrantsika ve ny mitory ny tenin’Andriamanitra ? Ary tsaroantsika ve hoe oviana isika no mba hoe nijoro vavolombelona hoe : « nisy tenin’Andriamanitra, nisy teny fikasana ohatran’izao nomen’i Jesoa ahy, nozaraiko taminareo ilay izy tamin’ny azoko, ary tanteraka izany teny fikasana izany », ka nahatonga ilay jentilisa mba hidera an’Andriamanitra ?

Hoy hira FFPM 514 :1 : « Ry Jehovah Tomponay ! Olom-bery izahay ». Fantatry ny manodidina anao ve fa ianao io olom-bery taloha, tontakely  taloha, nefa novain’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga , ary ny teny torianao amin’ny havanao, amin’ny namanao, dia tena hoe tenin’Andriamanitra velona, tenin’Ilay Mpamonjy mbola te hamonjy ny olona rehetra mandrak’izao ?

Andao isika handinin-tena ny amin’izany, hoe : isika ve mba fatra-mpitort ky tenin’Andriamanitra, ary tsy théorie fotsiny, fa hitan’ny olona fa miasa ato amintsika izany tenin’Andriamanitra izany ?

Derao Izy ry havana, fa Andriamanitra azonao antsoina hoe Aba, Ray, ao amin’i Jesoa Kristy. Ary dia angatao Aminy, ho anao, ho antsika rehetra ireto, mba tena hoe ho mpitory ny tenin’ny Raintsika, amin’izay olona hampanatonany antsika ry havana ô.