HAMAMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Asan’ny Apostoly 13 :42-43 : « Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin’ ny Sabata manaraka. Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an’ Andriamanitra no nanaraka an’ i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ».

Fahamarinana 1 : TSARA SADY MAMY NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Hitantsika eo amin’ny and.42 fa rehefa nivoaka i Paoly sy Barnabasy dia nangatahin’ny vahoaka mba haverina ny toriteny. Satria tsara loatra ny toriteny nataony.

Mianara mihaino, mianara manongilan-tsofina ary imasoy ny hanatanterahana ny teny.

Inona no votoantin’ny toritenin’i Paoly sy Barnabasy teto ? Ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny fahasoavan’Andriamanitra izay nahatonga Azy hahafoy ny Zanany teo amin’ny hazo fijaliana, nahatonga Azy hamela heloka antsika, manoro antsika izay tsara sady ankasitrahana eo imasony.

Eo amin’ny and. 43 dia aseho fa rehefa nirava ny fiangonana dia nisy Jiosy sy proselyta, tsy manao ohatran’ny sasany amintsika hoe vao mirava ny Fiangonana dia maika hody, satria hoe mangatsiaka ny sakafo, na hoe efa amin’ny 12h45 ve vao mirava ny Fiangonana. Ny olona liana amin’ny tenin’Andriamanitra dia tsy mahita lera, manao étude biblique, liana amin’ny tenin’Andriamanitra amin’ny sehatra toy ny fanandratana tehina…
Isika izay lazaina hoe henoy ny tenin’ny Tompo : teny mamy io, teny tsara io raha henoinao amin’ny finiavana hitandrina azy.

Fandinihan-tena : Mangataha amin’Andriamanitra mba hanana an’izany fo mankafy ny teny izany, manao azy ho sarobidy, manao azy ho harena hampiravoravo satria henointsika amin’ny finiavana hanatanteraka – Mangataha, isika mpitory ny teny, mba hitory ny fahasoavan’Andriamanitra.

Asan’ny Apostoly 13 :44-45 : « Ary nony tamin’ ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna rehetra hihaino ny tenin’ Andriamanitra. Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’ i Paoly, sady niteny ratsy ».

Fahamarinana 2 : TANDREMO NY FIALONANA
Fialonana eo anivon’ny fiainam-piangonana no resahina eto. Hoy ny mpitoriteny iray : rehefa mivory ny mpanompon’Andriamanitra dia mandehandeha eny koa ny menarana. Isaky ny mivory izany ny Fiangonana dia misy menaranan’ny fialonana foana koa eo.

Io menaranan’ny fialonana io no manaikitra ny jiosy eto. Hoy ny and. 44 : «tafangona avokoa ny tao an-tanàna rehetra hihaino ny tenin’ Andriamanitra », ka izay no nampialona ny jiosy. Mialona ny fahombiazan’i Paoly sy Barnabasy ireto jiosy ireto. Dia inona no ataony ? And. 45 : nanohitra sady niteny ratsy. Ny fisehon’ny fo zatra manohitra, zatra mialona izany dia ny fitenenan-dratsy.

Mampitandrina antsika ny Soratra Masina, mampitandrina antsika ny Tompo: Fanahy inona no miasa ao aminao eo am-panatanterahana ny fanompoana? Raha Fanahin’i Kristy no miasa ao aminao dia ny fanahin’ny fanetrehan-tena izany. Fa raha fanahin’izao tontolo izao no miasa ao aminao mpanompon’Andriamanitra dia fanahin’ny fireharehana, ary tsy misaraka amin’ny fialonana, satria mirehareha ianao dia manakona anao ilay fahombiazan’ilay olona ary tsy maintsy miteraka fialonana izay, dia asa hanohitra ianao, lasa miteny ratsy ianao.

Fandinihan-tena : Sao dia misy tsimoka fialonana ny hafa ao amintsika ? Mangataha amin’ny Tompo mba hanongotany an’izany.

Asan’ny Apostoly 13 :50 : « Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin’ i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin’ ny taniny ».

Fahamarinana 3 : AOKA ISIKA TSARA FANAHY HANANA NY FAHAZOTOAN’NY RATSY FANAHY AMIN’NY FAMPIELEZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny ratsy fanahy manakana, ary mazoto izy manakana. Fa aoka isika hanana an’izay fahazotoan’ny ratsy fanahy manakana izay, hanana fahazotoana amin’ny fampielezana ny tenin’Andriamanitra.
Araka ny hita teo, hitan’ny jiosy fa resy lahatra ny vahoaka maro be dia tsy hitany mihitsy izay fomba hampiemorana. Dia rehefa tsy nahomby ilay fanoherana dia nampitaitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka tao izy.