FANTARO FA MANORITRA LALANA HO ANAO JEHOVAH

« Eny hihira ny amin’ny lalan’i Jehovah izy ; Fa lehibe ny voninahitr’i Jehovah ». — Salamo 138 : 5

Ilay mpanjaka no resahina eto, hoe : « eny hihira ny amin’i lalan’i Jehovah izy ». Inona ary izany hoe « lalan’i Jehovah » izany, raha eritreretina hoe Davida no mijoro vavolombelona, ary mijoro vavolombelona amin’ny mpanjaka namany ?

Jerentsika ny 2 Samoela 7 :8 : Jehovah maniraka an’i Samoela hiteny amin’i Davida. « Koa lazao amin’i Davida mpanompoko hoe : Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro : Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin’ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko ». Izay ilay lalan’Andriamanitra hideran’ny mpanjaka jentilisa an’i Jehovah.

Inona no nataon’Andriamanitra tamin’i Davida ? Hoe : Izy no naka azy avy tany an-tsaha ; mpiandry ondry izy.

Variana ianao ry havana, rehefa mijery télé, dia ohatrany tsy toriana pour diffusion de fausses nouvelles, hoe : raha te ho minisitra ianao dia 500M an. Gaga fotsiny maheno izany. Dia angamba ato misy olona hanao hoe : izaho hanao économie 500M dia angamba amin’ny 2023 mba te ho minisitra. Ianao mery diplômé amin’izao, na diplômé amin’izao ; fa Davida nalain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Tompon’ny fahefana rehetra avy taiza ? Avy tany an-tsaha. Dia avy tamin’ny inona ? Teny am-piandrasana ondry. Nalainy haninona ? Ho mpanapaka ny Isiraely. Izany ny lalan’Andriamanitra ry havana. Ary Andriamanitra miteny antsika amin’izao : « Izaho manana lalana ho anao ». Fa ny problemanao : ianao ihany no manoritra ny lalanao. Izany no mampa-ohatran’izao ny fiainanao. Avelao Izy hanoritra lalana ho anao, izay efa nataony. Ary meteza ho tarihiny amin’izany lalana izany e. Ho sambatra ianao, ary ho derain’ny manodidina anao ianao ry havana ô.

Hoy ny Hira FFPM 514 :2 : « Lehibe ny indrafo ; iza re no nanampo ? ». Ho entin'Andriamanitra amin’ny lalana sy toerana tsy ampoizinao ianao.

Fantaro ry havana, fa nanoritra lalana ho anao Izy, ary manana hevitra hiheverana anao Izy, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Ary dia derao Izy ny amin’izany fikasany tsara izany.

Mino aho fa maro amintsika, tamin’ny 01/01, mandinika ny fiainany androany, tsy nanam-po ho lasa ohatran’izao. Misy amintsika koa ry havana, raha nieritreritra ny fiainany tamin’ny 01/01/2021, tsy nieritreritra hoe ho anaty fizahan-toetra na fahoriana. Fa rehefa tontaliana, atao indray mitopy maso ny fiainantsika ry havana, ny tontalin’ny fiainantsika dia fahasoavana. Fa indraindray misy fizahan-toetra na fahoriana ; fa raha tontaliana, dia fitahiana sy fanambinana. Derao Izy noho ny famindram-pony.