AZA MANAO IZAY MAHAMENATRA – AZA MANAMBANY TENA

« Misy aminareo va, raha manana ady amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan'ny olona masina? Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. Koa raha misy hotsarainareo ny amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara? Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin'ny rahalahiny? ». 1 Korintiana 6 :1-5

AZA MANAO IZAY MAHAMENATRA – AZA MANAMBANY TENA
Aza manambany tena ry havana ô, aza manambany tena. Fa iza ianao izay resahin’ny Tompo amin’izao hariva izao ? Olona hiray seza fiandrianana Aminy. Dia hoy ilay and.2 hoe : hitsara izao tontolo izao. Izany ianao.
Aza manambany tena e ! Olona hiray seza fiandrianana Aminy araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe hitsara anjely. Izany izaho, izany ianao e. Aza manao izay mahamenatra, aza manambany tena.

Ahoana ny fomba hanambanian’ireto korintiana ireto tena ? Manana ady amin’ny namany izy, tsy mahay mifandamina izy.

Ahoana ny fandaminana rehefa misy ady ao am-piangonana ? Matio 18 :15-17 : « Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo (Deoteronomia 19 : 15). Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana ». Ato amin’ny Fiangonana. Ary alohan’ny itondrana azy ao amin’ny Fiangonana, vavolombelona roa, olona zoky anti-panahy no hitondrana an’ilay olana ry havana ô.

Fa ireto korintiana ireto, manana ady izy, dia entiny any amin’ny tribonaly. Izay ilay hoe manambany tena, manao izay mahamenatra ry havana ô. Ianao izay miray voninahitra amin’Andriamanitra, manana ny fanahy masin’Andriamanitra, dia hoy Paoly eo amin’ny and.1 : maninona ianao no manaiky hotsarain’ny olona tsy marina e ? Izay ilay izy. Ery amin’ny and.4 : maninona ianao no manaiy hoe tsarain’ny olona ataon’ny Fiangonana ho tsinontsinona e ? Ireo jentilisa ireo anie ka ataon’ny Fiangonana hoe tsinontsinona e. Izany ve no hitsara anao ? Aza manao izay mahamenatra, aza manambany tena, aza manaiky tsarain’ny jentilisa ry havana ô, ianao izay miray voninahitra ary hiray seza fiandrianana amin’i Jesoa Kristy.

Andeha isika handinin-tena ry havana ô, ny amin’izany valeur omen’ny Tompo antsika, ampatsiahivin’ny Tompo antsika izany. Ary aoka isika : tsy hanao izay hahamenatra, hanambany tena ary indrindra indrindra hoe hanaiky hotsarain’ny jentilisa, hotsarain’ny tsy marina, hotsarain’ny olona ataon’ny Fiangonana tsinontsinona.