AOKA ISIKA HANANA FIAINANA FOCALISE AMIN’ANDRIAMANITRA

Salamo 81 : 10 : « Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta». Izaho no Jehovah Andriamanitrao. Mampahatsiahy antsika fahamarinana fototra ny Salamo. Zavatra tokana no hi- se focalisé-n’ny Baiboly iray manontolo ry havana ; ny Baiboly iray manontolo dia focalisé amin’Andriamanitra. Focalisé amin’Andriamanitra. Tsy amin’olombelona, fa amin’Andriamanitra.

Ny fampieritreretana sy ny hafatra ho antsika Fiangonana dia hoe : raha izany no focus-ny Baiboly, IANAO KOA AOKA HANANA FIAINANA FOCALISÉ AMIN’ANDRIAMANITRA. Izay ny hafatra ho antsika ry havana ô : AOKA ISIKA HANANA FIAINANA FOCALISÉ AMIN’ANDRIAMANITRA.

Ny votoantin’ny fahotana dia hoe ny fikisahan’izay focus izay avy amin’Andriamanitra, ny fikisahan’izay focus izay avy amin’Andriamanitra, mankany amin’ilay « izaho ». Izany, ary izany isika mianakavy : manana fiainana focalisé amin’ilay « izaho », ilay « égoïsme », ilay « égocentrisme ». Izay no atao hoe fahotana.

Ny votoantin’izany hoe fahamasinam-piainana izany dia tsy inona fa hoe:famonoana an’ilay « izaho » io ; famonoana an’ilay « izaho » io. Dia ahoana no ahafantarako hoe efa maty ilay « izaho » ? Ny fisainako rehetra, ny eritreritro rehetra  dia hoe : mihevitra an’Andriamanitra, manontany an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.

Mampieritreritra mampihomehy ilay ohatra fakan’ny mpitoriteny : ahoana no ahafantarana hoe maty ilay saka anankiray ? Ampandalovanao trondro eo na sardine : tsy rototra intsony izy, maty izy izay. Izay ilay hoe : maty ilay « izaho ». Dia ny eritreritra sisa : eritreritra momba an’Andriamanitra, misaina an’Andriamanitra. Izay no itomboantsika amin’ny fahamasinam-piainana ry havana ô. Ka rehefa focalisé amin’Andriamanitra tahaka izany ny fiainantsika,fa tsy focalisé amin’olombelona, tsy focalisé amin’ny asa, tsy focalisé amin’ny ray aman-dreny akory ary, fa focalisé amin'Andriamanitra, dia afaka maneho ny toetrany Andriamanitra : Mpanao ny tsara ; afaka maneho ny heriny Andriamanitra ao amin’ny fiainantsika ry havana ô.

Izao no fampandinihan-tena ho antsika : « Tompo ô, mifona aho ny amin’ny fiainako focalisé tamiko e. Fa mba omeo ahy izany fiainana focalisé Aminao izany ».

Inona no andrasan’Andriamanitra amin’ny olona, amin’ny mpino manana fiainana focalisé Aminy tahaka izay namaritana azy teo ? Ny andrasan’Andriamanitra dia ny mihaino Azy, mihaino an’Andriamanitra.

Mihaino = mitandrina ny teniny. Mihaino = manaraka Azy. Mihaino = manahaka an’Andriamanitra.