AO ANATINAREO JESOA KRISTY

« Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesoa Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ? » 2 Korintiana 13 :5

Ny fahamarinana hosainintsika sy handinihantsika tena dia ilay filazana eo an-tenantenan’ny and.5 io hoe : « ao anatinareo Jesoa Kristy ».

Ao anatinareo Jesoa Kristy = Ao anatin’ny tenanareo Jesoa Kristy.

Oviana moa Jesoa Kristy no tonga tao anatin’ny tenako, satria mazava be ny tenin’ny Apostoly Paoly hoe « ao anatin’ny tenanareo Jesoa Kristy » ? Tonga tao Izy ry havana, mipetraka ao Izy ry havana, ao anatintsika ao Izy an, nanomboka tamin’ny batisantsika.

Izay no maha-zava-dehibe ny batisa. Ary ampatsiahiviko fa ny fanoloran-jaza tsy mahatonga an’i Jesoa ao anatin’ny olona anankiray ; fa ny batisa ihany. Ao anatintsika Izy nanomboka tamin’izay fotoana izay.

Inona no maha-zava-dehibe an’izay ? Mihindrana sary nampiasain’ny mpanompon’Andriamanitra anankiray, hoe Izy ao anatintsika, dia toy ny mametraka ao anatintsika ny ADN-ny, ny maha-Jesoa Azy. Ny ADN ry havana no ahafantarana hoe zanak’i Ra-anona marina, na mpirahalahy izaho sy Ra-anona : tsy mandainga iny ADN iny. Ary ny olona miteny fa fiable à 99,9% ny ADN. Ka Jesoa tonga ao anatiko io ry havana, dia toy ny nanome ahy ilay ADN.

Ary inona no maha-zava-dehibe ilay asan’ny Fanahy Masina ? Ny Fanahy Masina no mampiasa an’iny ADN iny hitomboako amin’ny fanahafana an’i Jesoa. Ny ADN tsy hita maso ; fa ilay asan’ny Fanahy Masina no mampitombo ahy amin’ny fanahafana an’i Jesoa Kristy izay efa ao anatiko.

Fandinihan-tena :

  • Misaora an’Andriamanitra amin’izany fahamarinana ampahafantariny antsika izany hoe : Jesoa ao anatin’ny tenananareo
  • Mifonà ny amin’ny tsy nahafantaranao an’izany, na ny amin’ny nanaovanao an’izany ho zava-maivana
  • Mivavaka isika mba hiasa tokoa ny Fanahy Masina araka izay fikasany sy faniriany tamin’ny andron’ny batisa, ary tsy hitsahatra izay raha tsy amin’ny fara-fofon’ainao, hampitombo anao amin’ny fanahafana an’i Jesoa, mba ho tena rahalahiny, anabaviny ianao, sans discussion.