ANDRIAMANITRA MANGATAKA ANTSIKA FIANGONANA MBA HITONDRA FANATITRA HO AZY

"Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy. Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy varahina". Eksodosy 25:1-3

ANDRIAMANITRA MANGATAKA ANTSIKA FIANGONANA MBA HITONDRA FANATITRA HO AZY

Amin'ity volana handinihantsika ny lohahevitra hoe:"Manatrika ny mpino ny Tompo", ny mpino mahafantatra hoe manatrika azy ny Tompo, dia mahafantatra koa fa io Andriamanitra manatrika azy io dia Andriamanitra miteny. Izay no ambaran'ny Eksodosy 25:1: Andriamanitra miteny. Ary eto amin'ny 25-40 Izy dia miresaka momban'ny zava-dehibe dia ny tabernakely sy ny tranolay fihaonana, ahazoany mihaona amin'ny vahoakany izany.
Ny olona mahafantatra fa hoe Andriamanitra manatrika azy, dia mahafantatra fa miteny io Andriamanitra io rehefa manatrika azy. Dia mihaino izy. Ny dikan'izany mihaino izany dia hoe mankatoa. Ary ny zavatra ambara amintsika androany, dia zavatra faran'izay tsy tiantsika Fiangonana, satria asainy isika manao fanatitra.
Ny fanatitra ry havana amin'ny teny frantsay dia hoe:"sacrifice". HANATERO SACRIFICE AHO, HOY ANDRIAMANITRA. Inona no atao sacrifice? And.3: "volamena sy volafotsy ary varahina". ZAVATRA SAROBIDY NO ANGATAHIN'ANDRIAMANITRA ry havana o; tsy mila afa-tsy izay Izy. Tsy mila ny ambinambin-javatra Izy, tsy mila fakofakon-javatra Izy, fa hoy Izy hoe: ny volamenanao, raha maheno ny feoko ianao, dia ataovy sacrifice ho Ahy.
Ry havana o, io teny io, fanilon'ny tongotsika, fanilon'ny diantsika ety an-tany ambara-pahatongatsika any, hifanatrehantsika tava mandrakizay Aminy.
Andeha isika angataka Aminy hanavao ny saintsika ahatakarantsika an'izany sitrapony izany, ary hanome antsika fo nofo Izy, mitempo fitiavana ho Azy, ka manomboka izao, rehefa manome, tsy manome fe manome, fa manome amin'ny fomba-na sacrifice ary manome volamena, volafotsy, varahina, ary zavatra sarobidy nisasarantsika.