ANDRIAMANITRA HERINTSIKA

« Mihobia ho an'Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an'Andriamanitr'i Jakoba. Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny valiha ». — Salamo 81 : 1 – 2

Ny titre-ny Salamo 81 dia hoe : Fiantsoana ny Isiraelita hifaly. Ry havana ô, ny Andriamanitra inoantsika dia Andriamanitra miantso antsika hifaly. Ary manome antony Izy hifaliana. Tsy hoe akory mijery antsika malagasy Izy androany, dia hoe : Sabotsy, 26 Juin, dia mifalia ianareo. Fifaliana mandalo izany. Fa hoe : « manaova feo fifaliana ho an'Andriamanitr'i Jakoba ». Dia manome ny antony Izy eto amin’ity Salamo 81 ity, antony izay hoe ampiorenana ny finoantsika, hoe : « Mihobia ho an'Andriamanitra herintsika ». Izay ilay antony hoe hifaliana sy hihobiana. Ny Fanahy Masina anie ry havana, ny Fanahy Masina hiasa ao amintsika ahatakarantsika an’izany hoe : Andriamanitra herintsika e. ANDRIAMANITRA HERINTSIKA.

Ary izany heriny izany no nampiasainy amoahana ny vahoakany avy tany Egypta. Izany hoe ilay hery tsy ambaran’ny Soratra Masina fotsiny ; fa ilay hery nasehony maso mihitsy. Niasa ilay hery.

Dia ahoana izany hoe mpino mahafantatra ny herin’Andriamanitra, mifaly noho ny herin’Andriamanitra ? Jerentsika ny Salamo 28 :7 : «Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho ». Ny fontsika io ry havana, mila ampaherezina, mila ampaherezina io. Dia ny mpanao Salamo eto, Davida eto amin’ny Salamo 28 eto, dia hoe : Izy no nitokian’ny foko, Izy no nametrahako ny foko. Fitokiana.

Salamo 22 :19 : « Fa Ianao, Jehovah o, aza manalavitra; ry Heriko o, faingana hamonjy ahy ». Hitanareo, rehefa mahatsiaro malemy ianao, faible, mahatsiaro matahotra ianao, noho ny toe-javatra eo amin’ny fiainana, dia miteny aminao ny olona ; mety zanaka io miteny aminao io, mety vady io miteny aminao io, mety namana io miteny aminao io : « aza manalavitra ahy ianao. Eo akaikiko ihany ianao an ». Mizara ry havana ô, miteny amin’Andriamanitra hoe : « Jesoa an, aza manalavitra ahy e ». Dia tena tsy hanalavitra anao tokoa Izy. Fa tsy andinin-tsoratra Masina ao amin’ny Salamo fotsiny izany.

Farany, Salamo 46 :1 : « Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy ». Mora azp Izy, mora azo Izy, mora azo Izy. Indraindray miantso olona isika, fa tsy azo ilay olona., injoignable ilay olona. Mpamonjy mora azo Izy, indrindra amin’ny fahoriana. Izay ny dikan-teny protestanta hoe « Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana ». Ny dikan-teny Segond manao hoe : « Un secours qui se trouve toujours dans la détresse ».

ANDRIAMANITRA HERY HO ANTSIKA. ARY REHEFA RESY LAHATRA ISIKA HOE IZY NO HERINTSIKA AMIN’IZAO FIAINANA IZAO DIA TENA HOE HIFALY ISIKA N’INON’INONA CIRCONSTANCE-PIAINANA, DIA HIANTSO AZY ISIKA SATRIA MPAMONJY MORA AZO IZY, INDRINDRA AMIN’NY FAHORIANA.

DERAO ANDRIAMANITRA FA IZY HERINTSIKA. ARY AOKA ISIKA HIFALY, HIHOBY HO AN’ANDRIAMANITRA.