ANDRIAMANITRA DIA ANDRIAMANITRA ETY AKAIKY ETY, FA ANDRIAMANITRA DIA ANDRIAMANITRA ANY LAVITRA KOA

« Moa Andriamanitra ety akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa? ». Jeremia 23 :23

Mifandahatra amin’ny mpaminany sandoka i Jeremia eto ; ny mpaminany sandoka dia tahaka ny mpanompo sampy, milaza hoe Andriamanitra dia voafetra amina toerana na amina faritra anankiray. Tsia ! Tsia ! Tsy tahak’izany Andriamanitra hoy Jeremia mpaminany, fa hoy izy eo amin’y and.23 : « Moa Andriamanitra ety akaiky ihany va Aho? ». Sous-entendu hoe Andriamanitra toy ny sampy amin’ny faritra iray. Fa hoy Jeremia hoe : « Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa? ».

Izay no fahamarinana volamena ry havana asain’ny Tompo sainintsika amin’izao hariva izao : ANDRIAMANITRA DIA ANDRIAMANITRA ETY AKAIKY ETY, FA ANDRIAMANITRA DIA ANDRIAMANITRA ANY LAVITRA KOA. Io ilay ataon’ny teolojiana hoe : Andriamanitra dia omniprésent : présent partout ; Andriamanitra dia omniscient : mahalala ny zavatra rehetra ; Andriamanitra dia omnipotent : mahay ny zavatra rehetra, na ny ety akaiky, na any lavitra.

Izay no asain’Andriamanitra sainintsika ry havana ô : na ety akaiky Izy, na eny lavitra Izy : mahita ny zavatra rehetra, mahay ny zavatra rehetra, maha-isa ny volon-dohantsika. Tsy manao ohatran’ny afrikana sasany hoe mahita ny fahantran’i Afrika dia miteny hoe : « an an an, mba hividiano GPS Andriamanitra fa toa adinony, toa tsy hitany ny misy an’izany Afrika izany ». Andriamanitra ety akaiky Izy e, Andriamanitra any lavitra Izy ry havana ô.

Fa izao : raha ianao no alaim-panahy hoe nanalavitra anao Andriamanitra, dia jereo ilay tenin’ny mpanao Salamo hoe : « Vonjeo aho Andriamanitra ô ». Ary raha tsy mamonjy anao Andriamanitra, sao dia ianao ilay tsy mifidy ny didiny, ianao ilay tsy miravoravo amin’ny lalàny. Izay no lazain’ny Salamo 119 ry havana.

Andeha isika hisaotra Azy ny amin’ny anambarany amintsika ny tenany hoe Andriamanitra ety akaiky ary Andriamanitra eny lavitra, ary mitsinjo antsika Izy na aiza na aiza misy antsika ; fa rahavte hahita ny famonjeny isika, raha te hahita ny tanany mitsotra isika, dia andao hisafidy ny didiny indray amin’izao hariva izao, ary hiravoravo amin’ny lalàny.