ANDRAIKITRA 3 NY MPAMINANY

« Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda. Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tanan'i Jabina, mpanjakan'i
Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan'ny Jentilisa, no komandin'ny miaramilany ». Mpitsara 4 :1-2

NY MPAMINANIN’NY TESTAMENTA TALOHA DIA NOMEN’ANDRIAMANITRA ANDRAIKITRA 3 MAZAVA BE.
Azontsika Fiangonana handinihan-tena izany, isika izay nahazo baiko hoe : Maniria ny haminany. Inona ireo andraikitra 3 ireo ?
1. Mampianatra – Mananatra – Mampitandrina
2. Manambara famaizana
3. Manambara fampiononana

Ireo no asan’ny mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha ry havana : Mampianatra – Mananatra – Mampitandrina : mialà ianareo amin’ireo sampinareo ireo ; fa rehefa tsy hiala amin’ny sampinareo ianareo, ho faiziko ; rehefa tsy hiala amin’ny sampinareo ianareo, alefako sesi-tany, any an-dafin’i Damaskosy na any Babylona : mampitandrina e, mampitandrina, mampitandrina. Eto, and.1 : « Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda. Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tanan'i Jabina ». Jehovah mivarotra anao e ! Jehovah mivarotra anao eo an-tanan’ny fahavalo satria ianao tsy nihaino anatra. Fa avy eo ny mpaminany, manambara teny fampiononana, rehefa tonga saina ianao.

Izay no asa 3 ny mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha :
1. Mampianatra – Mananatra – Mampitandrina
2. Manambara famaizana rehefa manao izay ratsy ianao ka tsy miala amin’ny ratsy fanaonao
3. Avy eo izy manambara fampiononana, Isaia 40 :1-2 : « Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo; Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny ».

Mahafinaritra ilay fitiavan’Andriamanitra antsika ry havana ô ; fa ny olona izay maniry haminany, dia eo izy, Pasitera, biraom-piangonana, responsable sampana, mpandray ny fanasan’ny Tompo, eo izy dia mitsoatra hoe : « ianao, mananatra anao aho, mialà amin’io ratsy fanaonao io e, raha tsy izany ianao hahazo famaizana :hahato ianao, hatsahatra ianao amin’ny andraikitrao »; ary rehefa atsahatra izy, rehefa mihato izy, ampiononina izy : « miverena amin’izay ». Izany ny mpiandraikitra responsable.

Dia ny olona entina koa ry havana ô, mahafantatra an’izany, fa tsy hoe : « io indray Pasitera, io indray ny biraom-piangonana, miseho milay ; biraon-tsampana ohatran’izao sy ohatran’izao ; ka izao ka… ka izao ka… ka izao ka… ».

Ry havana ô, maniria ny haminany, maniria ny haminany e. Ny mpaminany dia hoe : Mampianatra – Mananatra – Mampitandrina ; ny mpaminany dia milaza hoe : ianao faizina nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah ka tsy nety nanarina ; ary ao anaty famaizana no anambaran’Andriamanitra ny fitiavany anao. Aoka izay, ampy izay. Mampiverina anao avy any Babylona aho ho any Jerosalema ». Tsy fahasiahana izany, tsy fahateren-tsaina izany, fa izany no fomba fijerin’Andriamanitra ny fiainan’ny Fiangonana.

Andeha isika haniry ny haminany ry havana ô – Ary isika Fiangonana kosa hanaiky ny mpaminany.