RESAKA STYLE DE VIE

« Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra ». Hebreo 10 :36

Ny fanontaniana ry havana, dia hoe : MANAO AHOANA NY STYLE DE VIE – NAO ?
Ny style de vie ry havana dia voafaritry ny tanjona apetraka ao amin’ny fiainana.
Raha apetraka ho tanjona hoe ataonao izay hahazoana izay lazain’ny teny fikasana, izay no lazain’ny and.36, izay hahazoanao mandova ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay any an-danitra : hita amin’ny style de vie-nao izany.
Ary raha mametraka tanjona ianao ny handova ny lanitra, sy ny fiainan-danitra, sy ny fiainana mandrakizay, dia lazaina mazava eto hoe : ny tenin’Andriamanitra, ny sitrapon’Andriamanitra no mamaritra ihany koa ny fomba fiainanao. Ary hita mazava izany.

Ry havana ô, ny style de vie-n’ny olona iray, tazaninao, dia fantatrao hoe inona ny tanjony eo amin’ny fiainany, ary inona no mamaritra an’izany fomba fiainana izany ?
Ianao kosa, MANAO AHOANA NY STYLE DE VIE – NAO ?

Amena