« Ary niditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra ». Lioka 19 : 45

Ilay fanontaniana ry havana dia izao : raha mandinika ny fiainanao Jesoa, sao dia mahita jiolahy tiany horoahina Izy ? Sao dia misy jiolahy ao amin’ny tempolin’ny fiainanao tian’i Jesoa horoahina ?

Ilay matoanteny hoe « Mandroaka » eto dia ilay matoanteny fampiasan’i Jesoa rehefa mandroaka devoly na mandroaka fanahy ratsy Izy. Sao dia misy jiolahy manao asan-devoly ao amin’ny fiainanao ka tian’i Jesoa horoahina ?

Karazany 3 ry havana amin’ity perikopa ity ny jiolahy tian’i Jesoa horoahina :

  • Voalohany indrindra, voalaza eto, dia ny mpivarotra izany. Manao asan-jiolahy ilay mpivarotra, manao asan-devoly ilay mpivarotra satria izy mivarotra an’ilay biby izay atao sorona ho an’izay olona tsy nahatondra an’izany avy any an-tranony, fa hoe biby misy kilema, biby misy devoly, nefa amidy lafo be. Sao dia ianao koa, amin’ny fandraharana ataonao, no mivarotra zavatra misy kilema, misy défaut ry havana ô ? Tsy mety izany, asan-jiolahy izany.
  • Ny jiolahy faharoa roahin’i Jesoa ato amin’ity perikopa ity dia ny mpanakalo vola. Satria vola tokana, karazam-bola tokana no azo ampiasaina ao anivon’ny tempoly izany. Dia izaho izany rehefa tonga avy any ivelany any, tsy maintsy manakalo vola. Dia ataon’ilay mpanakalo vola ambony be ilay taux de change. Ary izaho, teren’ny zava-misy dia manaiky ilay taux de change. Halatra izany eo imason’i Jesoa, asan-jiolahy izany, mila roahina, tahaka ny fandroahana asan-devoly.
  • Dia ny olona tenenin’i Jesoa na roahiny koa, dia ny mpividy. Tamin’ny voalohany izany dia ny mpivarotra ; avy eo dia ny mpanakalo vola ; avy eo ilay mpividy. Fa maninona koa ilay mpividy no roahiny ? Satria hoe eo izy izany vao hividy biby atao fanatitra izany e. Normalement izany tao amin’ny jiosy izany fanatitra izany, avy amin’ny zavatra nompianao izany. Zavatra sarobidy aminao izany no ataonao sacrifice, fa tsy hoe sanatria an’izany ny anao tazominao tsara any, kamo ianao hivingotra azy ho any Jerosalema dia hoe : «  any am-piangonana misy mivarotra foana e ». Ianao ve rehefa mahafoy ho an’Andriamanitra dia mahafoy zavatra tena hoe sacrifice aminao sa ny ambin’ambin-javatra ? Mentalité-na jiolahy izany hoe :  an an an ny ambin’ambin-javatra no omena fa ny sarobidy tazominao ho anao.

Miteny aminao ny Tompo, mampandinin-tena anao ny Tompo hoe : sao dia misy asan-jiolahy tian’i Jesoa roahina ao amin’ny fiainanao ? Hoy isika hoe asan-devoly. Raha ny fanahin’ny devoly no mibaiko antsika, ny asa vita fa hiteraka fahafatesana izany. Fa raha tena hoe olona mamonjy tranom-bavaka, trano fivavahana no mankaty am-piangonana ry havana, dia ho tafahoana amin’ilay Andriamanitra velona, dia hanana fiainana be dia be izy.

Ho amintsika ny fahasoavan’ny Tompo. Amena