« Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny ety an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia ». Jakoba 3 :15

Ny programan’Andriamanitra ho ahy sy ho anao ry havana dia ny ho hendry. Tiany isika ho hendry.
Ary raha ny faniriako koa, indrindra izaho Pasitera, kristiana, zandrikelin’i Jesoa, dia ny ho hendry.
Fa izao ry havana : Ity resaka fahendrena ity eto amin’ity perikopa ity dia manindry hoe tsy misy afa-tsy ny Fanahy Masina no hanome anao an’izany fahendrena izany. Isaia 11 rehefa miresaka ny Fanahy fiton’Andriamanitra, avy hatrany dia milaza hoe ny Fanahin’Andriamanitra, dia ny Fanahy Masina = Fanahin’ny fahendrena.
Raha te ho hendry ianao, tsotra be : angataho, angataho isan’andro io Fanahin’ny fahendrena io. Raha te ho hendry ianao, angataho isan’andro isan’andro ho fenoina ny Fanahy Masina.
Fa rehefa tsy angataka ny fahafenoin’ny Fanahy Masina ianao, raha tsy angataka ny fahafenoin’ny Fanahin’ny fahendrena ianao, ilay fahendrena ho hita eo aminao dia misy critère 3 : araka ny ety an-tany ihany : mety marina eto Imerina fa tsy marina any amin’ny Betsimisaraka, na any amin’ny Sakalava. Izay ilay fahendrena ety an-tany. Mety ho marina androany, fa tsy ho marina intsony afaka 50 taona izany fahendrena izany. Ary izany fahendrena izany, rehefa tsy fahendrena avy any ambony, dia fahendrena araka ny nofo. Rehefa jerena ny teny grika, c’est une sagesse animale. Fahendrena araka ny biby. Ny biby tsy manara-dalàna, ary ny biby manao araka izay herin’ny sandriny. Izay ilay izy : fahendrena araka ny tany : marina aty fa tsy marina aty ; fahendrena araka ny biby : mandeha amin-kery, tsy manara-dalàna ; ary mazava ho azy, fahendrena araka ny demonia : ny demonia dia mamono ; ary fahendrena tsy hananana fifaliana sy fiadanam-po, fa hanananao fiainana pôkaty, fiainana maina, fiainana tsy mahafa-po.
Hoy ny Tompo aminao hoe : Mba meteza amin’izay fenoina ny Fanahy Masina : angataho isaky ny mifoha maraina ianao izany hoe ho fenoina ny Fanahy Masina izany.
Amena