RESAKA ANDRO FARANY

« Ary amin'ny andro farany ». Asan’ny Apostoly 2 :17a
RESAKA ANDRO FARANY

Ny andro farany dia nosantarina tamin’ny andron’ny Pentekosta, ary mifarana amin’ny fiverenan’i Jesoa amin’ny faran’izao tontolo izao. Mifarana amin’ny faharavan’izao tontolo izao.
Mampitandrina antsika ny Soratra Masina, hoe : andro farany izao.
Ny problema ry havana amintsika malagasy, tsy sûr aho ho azontsika io ; satria amintsika malagasy rehefa miresaka ny farany, rehefa miteny ohatra ny mpitoriteny, dia hoe : « alohan’ny farany », « alohan’ny hamaranana » ; mazava izay hoe alohan’ny farany. Dia miteny indray ilay mpitoriteny na ilay mpandaha-teny : « Ary farany ». Dia matetika ihany ilay mpitoriteny ry havana mbola miteny hoe : « ity vao tena farany » ; dia misy mihitsy hoe : « farany tena farany tena farany ».

Ry havana ô, rehefa ho avy Jesoa amin’ny farany, tsy misy hoe : « tena farany », na « tena farany tena farany », fa dia tena hoe rava izao tontolo izao, rava ny tsena.

Amena