NY OLONA VOAVELA TAMIN’NY HELOKA BE, DIA BE FITIAVANA

« Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana ». Lioka 7 :47

NY OLONA VOAVELA TAMIN’NY HELOKA BE, DIA BE FITIAVANA

Ry havana ô, misy mpino kely fitiavana ; nefa ny ampianarina antsika eto dia hoe : izay manompo ny Tompo amin’ny fahamasinana, dia be fitiavana Azy izy aloa, ary be fitiavana ny namany.

Fa maninona ary no misy mpino kely fitiavana : kely fitiavana ny Tompo ary kely fitiavana ny namany ? Mazava, tsotra be ny antony, dia hoe : voavela tamin’ny heloka kely izy. Fa izay voavela tamin’ny heloka be no be fitiavana.


Fa maninona moa ny sasany no voavela tamin’ny heloka kely ? Satria tsy mahatsiaro tena ho meloka be izy ry havana ô. Vitsy ny mpino mahatsiaro hoe « izaho dia tena meloka, tsy mendrika, dia mifona Aminao Andriamanitra ». Fa isika rehetra mahatsiaro hoe : « eny e, izaho ohatran’izao » ; fa ohatrany hoe mi-stop eo ilay eritreritra sy ilay fisainana. Ekentsika ny heloka kely, dia voavela amin’ny kely isika, dia kely fitiavana.


Izay no fampieritreretena ho antsika ry havana ô. Andeha isika hangataka amin’ny Tompo ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hampiaiky antsika ny heloka izay tokony hihaikena, dia rehefa voavela amin’ny be isika, dia ho be fitiavana.


Fa jereo tsara anie ny fanehoana an’ilay fitiavana e : ity vehivavy ity, niditra ao amin’ilay trano, dia mahakotsa ny tongotr’i Jesoa amin’ny ranomasony ; iray izay : mahakotsa. Dia iny tongotra kotsa iny, fahony amin’ny lohany ; dia rehefa avy manafoaka ny tongotr’i Jesoa amin’ny lohany izy, dia hoe manoroka ny tongotr’i Jesoa. Ary rehefa avy manoroka ny tongotr’i Jesoa izy, manosotra Azy menaka manitra. Tena hoe be fitiavana an’i Jesoa izy satria voavela tamin’ny heloka be. Dia hoy ianao angamba hoe : « izaho anie raha teo Jesoa dia nataoko an’izany koa Izy e » . Fa hoy Jesoa : « Izay nataonareo amin’ireo kely ireo na nataonareo Amiko ».


Fa ny olona voavela tamin’ny heloka be ry havana ô, dia be fitiavana : tsy misafidy fomba anehoany fitiavana, ary tsy misafidy asa fanompoana.


Ho amintsika ny fahasoavan’ny Tompo. Amena