MANATRIKA ANAO NY TOMPO

Ao amin’ny Salamo 139 no hakana hafatra. Ny lohahevitra amin’ity volana Jolay ity dia hoe : « Manatrika ny mino ny Tompo ».

Ilay fampieritreretana dia hoe : MANATRIKA ANAO NY TOMPO E, FA SAO DIA IANAO NO TSY MANATRIKA AZY ? SAO DIA MANOME LAMOSINA AZY IANAO ?

Dia zaraiko aminareo fa rehefa nanomboka nandinika an’ity Salamo 139 ity aho, ka nanomboka tamin’ilay titre dia hoe : Fankalazana an’Andriamanitra,izay, voalohany, mahalala ny zavatra rehetra, and. 1-6 ; manerana ny zavatra rehetra. Manatrika anao Izy ka mahalala ny zavatra rehetra. Mandinika anao Izy ka mahalala anao : mahalala ny toetra tsaranao, mahalala ny force-nao, mahalala koa ny toetra ratsinao ; ary araka ny fitenin’ny mpitoriteny anankiray izay tena tiako, hoe : n’inon’inona haratsian-toetranao, fantatr’Andriamanitra izany , ary tsy mi-surprendre Azy izany. Mahalala anao Izy, mahalala ny hevitrao Izy ; fantany koa io hevitra hahatonga loza ao aminao io, fantany izany, ary te hiaro anao amin’izany Izy. Fantany io lalana alehanao io : fantany io raha hahasoa, fantany io raha tsy hahasoa. Mahalala ny zavatra rehetra momba anao Izy. Manatrika Izy ka mahalala ny zavatra rehetra momba anao.

Ary faharoa, manatrika anao Izy ka manerana izay rehetra misy anao.

Ilay voalohany ataon’ny teolojiana hoe : Andriamanitra omniscient, hoe mahalala ny zavatra rehetra. Dia eto amin’ilay faharoa indray, and.7-11 dia hoe : omniprésent. Izay ilay izy ry havana o. Na aiza na aiza misy anao, na any amin’ny fiainan-tsy hita aza, toa ny any amin’ny helo ny lalana lalovanao eo amin’ny fiainanao, eo amin’ny fiainan-tokantranonao, eo anilanao Izy, manatrika anao Izy ry havana o. Na mitoetra any am-paran’ny ranomasina, any lavitra be ; ary ny ranomasina izany fampitahorana : eo Izy, manatrika anao Izy ry havana o. Izay ilay Andriamanitra. Ao anatin’ny aizina, rehefa rakotry ny aizina ny fiainantsika : ny aizin’ny tsy finoana, ny aizin’ny fankahalana, ny aizin’ny fahoriana isan-karazany : manatrika anao eo Andriamanitra.

MANATRIKA ANAO IZY KA MAHALALA NY ZAVATRA REHETRA MOMBA ANAO. MANATRIKA ANAO IZY, EO AKAIKINAO MANDRAKARIVA , MANERANA IZAY TOERANA MISY ANAO IZY. SAO DIA IANAO NO TSY MANATRIKA AZY RY HAVANA O ?

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo.
Amena.