FIAINANA MANJOKO ARA-PANAHY

« Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra ». Lioka 13 :13

Ry havana, hitantsika ny tantaran’io vehivavy io : nanjoko izy, tsy afaka nitraka ; dia inona ny zavatra hitany nandritra ny 18 taona ? Ny tany, ny loton’ny tany.

Misy olona ry havana tsy manjoko ara-batana, fa manjoko ara-panahy. Ary ny zavatra hitany : ny zavatry ny tany, ny rendrarendra ety an-tany, ny loton’ity tany ity ; izany ny zavatra hitany. Dia indraindray izy mba te hitraka ihany, fa tsy afaka mitraka, ohatr’nity vehivavy ity. Asa, raha ianao ry havana ô, mety mahatsiaro tena hoe : « izaho tokoa izany tena mbola hoe manjoko, tsy mijery afa-tsy ny zavatry ny tany izany, mety tsy mitady akory ny Tompo na nitady fa tena mbola voafatotra ».

Fa izao no vaovao mahafaly : ny tana-maherin’Andriamanitra, ary Izy ihany no afaka mampitraka ; ny tana-maherin’Andriamanitra. Io tana-maherin’Andriamanitra io, adinontsika, fa io no efa natsotrany raha namorona ny lanitra sy ny tany Izy. Io tana-maherin’Andriamanitra io no efa natsotrany teo amin’ny hazo fijaliana raha namonjy antsika tamin’ny fatoran’ny fahotana Izy. Ary io tana-maherin’Andriamanitra io no mipetraka amin’ny lohantsika rehefa mankaty am-piangonana isika.

Ahoana koa moa no hoe hahitantsika an’izany tanan’Andriamanitra izany ka hihazonantsika azy ? Rehefa mankaty am-piangonana ianao, mankaty amin’ny Cellule ianao, mankany amin’ny EB ianao, manokatra Baiboly ianao, ka tena hoe mitady an’Andriamanitra. Ary rehefa hoa tafahoana Aminy ianao, dia araka ilay toriteny teo, hoe : tena manana faniriana lalina hamboly fifandraisana manokana Aminy. Izy haneho ny tana-maheriny tahaka ny tamin’ity vehivavy ity, ary ianao kosa hitraka amin’izay mampanjoko anao rehetra.

Ho an’Andriamanitra tokoa ny voninahitra. Amena