FANTATRAO VE NY LAKLEN’NY FAHOMBIAZANA?

« Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony ». Lioka 5 :6

FANTATRAO VE RY HAVANA NY LAKLEN’NY FAHOMBIAZANA ?
Fantatrao ve ny le laklen’ny fahombiazana ?
Raha anontaniana ianao izao : inona no laklen’ny fahombiazana ? Dia mety hanao izao isika ohatran’ny eo amin’ny and.5 eo hoe : expérience professionnelle no laklen’ny fahombiazana, ny faharetana, ny asa tao anatin’ny alina manontolo, ny fikelezana aina, ny fanaovana effort.
Expérience, persévérance, fanaovana effort : tsy nahazo na inona na inona Petera.

Fa inona ary ny laklen’ny fahombiazana eto ?
Voalohany indrindra, ny laklen’ny fahombiazana dia olona vonto fampianarana, olona nianatra. Izany no lazain’ny and.3 eto. Nampianatra i Jesoa, dia Petera anisan’ireo nianatra ry havana ô. Izay ny zavatra voalohany.

Faharoa, rehefa mahita olona mianatra i Jesoa dia manome teny, manome tari-dalana, hoe : mandehana alatsaho ny haratonareo. Manome tari-dalana Izy. Tsy ny expérience professionnelle ; Jesoa mpandrafitra ; ireto mpanarato no atorony an’izany.

Dia enga anie ka hoe hampitombo antsika amin’ny fitiavana fampianarana, fianarana Soratra Masina ; ary rehefa avy mianatra Soratra Masina isika dia hangataka tari-dalana ho an’ny fiainantsika. Izany no anton’ny fahombiazana.
Amena