AOKA IANAO HO MPANANDRATRA AN’I JEHOVAH

« Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina ». Salamo 99 :9a

Miteny amintsika mazava ny Tompo : AOKA IANAO HO MPANANDRATRA AN’I JEHOVAH. Asandrato Jehovah, asandrato Izy e !
Ahoana no fomba hanandratanao an’i Jehovah, hanandratantsika an’i Jehovah ? Amin’ny alalan’ny fiankohofana eo anatrehany. MIANARA MIANKOHOKA EO ANATREHAN’I JEHOVAH. Mianara mandohalika, aoka isika hanompo Azy amin’ny fo sy ny Fanahy zatra miankohoka ry havana ô.

Mahafinaritra ato Isotry Fitiavana, misy fotoana ny Fiangonana mandohalika, misy fotoana ny sampana mandohalika rehefa hoe hiara-hivavaka. Fa inoana ry havana, fa amin’ireo olona mandohalika ireo, ny vatabe-ny no mandohalika, fa ny fony sy ny fanahiny tena hoe tsy mandohalika fa mijaridona. Andeha isika hianatra izany hoe hiankohoka amin’ny fontsika, hanana fanahy miankohoka izany. Fa rehefa miankohoka ianao, dia asandratrao ho azy Andriamanitra. Asandrato Andriamanitra e, amin’ny alalan’ny fanahy miankohoka.

Ahoana ary no ahatongavana amin’izany fiankohofana, fo miankohoka izany ? Ny and.1 no milaza an’izany, ary izany no anombohana ilay Salamo. Fa maninona aho no manandratra an’i Jehovah, ary ahoana no ahatongavako amin’izany fiankohofana izany ? Amin’ny fahafantarako fa hoe Mpanjaka Izy (and.1) : raha fantatro Izy fa Mpanjaka, dia hangovitra aho eo anatrehany. Ny olona mahafantatra fa Mpanjaka Jehovah, dia naturellement mangovitra eo anatrehany.
Misy olona ry havana rehefa hoe antsoin’i Pasteur Solofo, antsoin’ny Pasitera hafa, dia mangovitra Izy. Dia mitantara izy rehefa lasa mifanerasera eo : izaho anie tamin’ny nantsoin’i Pasitera voalohany nangovitra. Na lahy, na vavy, mangovitra izy. Ny olona mahalala an’Andriamanitra dia mangovitra ohatran’izany.
Fa ny olona tsy mangovitra eo anatrehan’Andriamanitra dia olona tsy mahalala fa Andriamanitra Mpanjaka ary Andriamanitra Masina.
Ny olona mahalala an’i Jehovah dia mangovitra, matahotra. Ary miankohoka amin’ny fahatahorana, mandohalika amin’ny fahatahorana, manompo amin’ny fahatahorana, fa tsy amin’ny fombafomba ivelany.

Hoy isika hoe : ASANDRATO JEHOVAH – MIANARA MIANKOHOKA – MIZARA MANANA FANAHY MIANKOHOKA- NY FANAHY MIANKOHOKA DIA IZAY FANAHY MATAHOTRA, MANGOVITRA EO ANATREHAN’I JEHOVAH.

Isaia 11 :2 dia milaza ny Fanahy fiton’i Jehovah. Ary ireo Fanahy fito ireo lazain’ny Apostoly Jaona fa ankehitriny mipetraka eo anatrehan’ny seza fiandrianana any an-danitra. Mazava ho azy fa ny Fany Masina io Fanahy fito io. Ary anankiray ihany ny Fanahy Masina, fa endrika fito, na misy asa fito, na fomba fito, dia ery amin’ny faran’ny Isaia 11 :2 dia hoe ny Fanahy dia fanahin’ny fahalalana sy fanahin’ny fahatahorana an’i Jehovah.
Ry havana, ho anao izay te hanandratra an’i Jehovah ka te hanana fanahy miankohoka, miankohoka noho ny fahalalana Azy hoe Andriamanitra Mpanjaka sy Masina, mangovitra noho ny fahamasinany, tsy ho tonga amin’izany ianao raha tsy mangataka amin’ny Fanahy Masina hoe : « Fanahy Masina ô, miasà ato amin’ny fanahiko, omeo ahy izany hoe fanahin’ny fahalalana an’Andriamanitra izany dia ny fanahiko no mahalala, ny foko no mahalala, fa tsy ny saiko no mahalala ». Be dia be loatra ny mahalala an’Andriamanitra amin’ny saina fa tsy ny fanahiny no mahalala Azy ; manana connaissance intellectuelle fa tsy manana connaissance spirituelle, intime, izay azo avy amin’ny Fanahy Masina. Ary ny Fanahy Masina izay manakambana ny fanahin’ny fahalalana sy ny fanahin’ny fahatahorana hanome anao an’izany hoe fanahy sy fo mangovitra eo anatrehan’Ilay Mpanjaka Masina, ary hanome anao an’izany hoe fiainam-piankohofana, fanahy miankohoka, fo miankohoka, dia hanompo amin’ny fahamasinana ianao ho fankalazana sy fanandratana an’Andriamanitra ary ho fahasambaranao ry havana ô. Amena.