ANDRIAMANITRA DIA TOMPON’NY FIADANANA

« Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo ». 2 Tesaloniana 3 :16

Eto amin’ity 2 Tesaloniana 3 :16 ity ry havana, dia manambara ny tenany Andriamanitra, ho « Tompon’ny fiadanana ».

Ny fahamarinana 1 dia izao : Raha Tompon’ny fiadanana Izy aminao, dia angataho fiadanana ho anao.
Inona moa no dikan’izany hoe « Tompon’ny fiadanana » izany ? Azy ny fiadanana. Ary Azy irery ny fiadanana.
Raha hangataka any amin’ny hafa ianao, raha hitady any amin’ny hafa ianao, tsy hahazo fiadanana. Fa an’Andriamanitra irery ny fiadanana, Tompon’ny fiadanana.
Fa izao : rehefa fantatrao hoe angataho amin’ny alalan’ny vavaka miorina amin’izany hoe Tompon’ny fiadanana izany ny fiadanana, dia hoe : kendreo mba hahazo valim-bavaka ianao.
Ary hahazo valim-bavakao ianao raha mamirapiratra aminao ny tavan’Andriamanitra, dia hanome anao fiadanana Izy. Izany hoe : raha misy zavatra mampalahelo Azy eo amin’ny fiainanao, dia tsy hanome anao fiadanana Izy.
Izay ny fahamarinana 1.

Ny fahamarinana 2 lazain’i Paoly dia hoe : Hanome fiadanana amin’ny zavatra rehetra. Hanome fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra.
Misy zavatra mitondra fifaliana ao amintsika ry havana eo amin’ny fiainantsika.
Fa tsy vitan’ny hoe fifaliana mandalo, fifaliana vetivety ireny, fa fifaliana paokaty, ary tsy izay mihitsy no fiadanana.
Misy zavatra hafa kosa miteraka fanahiana, mamesatra, miteraka fampihorohoroana sy tahotry ny ho avy.
Fa izay ilay fiadanan’Andriamanitra e, mihoatra noho ny fahalalana rehetra, mihoatra noho ny logique rehetra.
Io fiadanana io mandroaka ny aizin’ny tahotra, ny fanahiana. Io fiadanana io miaro anao tsy hihemotra ry havana ô. Izay ilay fiadanan’Andriamanitra. Taizan’aretina ohatran’izao, nefa anaty fiadanana ; anatin’ny tsy fisiana, tsy fahampiana, nefa anaty fiadanan’Andriamanitra ry havana ô.
Izay ny fahamarinana 2.

Ny fahamarinana 3 dia hoe : Ny olona anaty fiadanana dia olona mahafantatra hoe miandany aminy mandrakariva Andriamanitra.
Mety anaty toe-javatra iainanao tsi-fahamarinana ianao, iainanao fahoriana, fampahoriana ianao ; tsy mahita mangirana mihitsy ianao, tsy mahita rariny.
Fa ny zava-dehibe dia hoe : « fantatro fa miandany amiko Andriamanitra, fantatro fa momba ahy Izy, fantatro fa tsy mahafoy na mandao ahy Izy ».
Tsarovy Andriamanitra Tompon’ny fiadanana ry havana ô : Tompon’ny fiadanana.

Amena