Ao amin’ny filazantsaran’i Jaona, Jaona 4 :28a : « Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ».
RESAKA SINY ILAOZANA ry havana ô. Ilaozana. Izany hoe avela eo.
RESAKA SINY ILAOZANA. Izay no hiompanan’ity toriteny ity, hoe : misy siny ao ilaozana. Ilay siny eto amin’ity Jaona 4 ity dia sarin’ny fiainan’ity vehivavy ity, sarin’ny zavatra tena hoe manan-danja ao amin’ny fiainany sy eo imasony ; ao amin’ny Jaona 4. Ilaozany izany. Dia ilay fampieritreretana antsika ry havana dia hoe : DINIHO SY FANTARO IZAY SINY TIAN’I JESOA AVELANAO AO AMIN’NY FIAINANAO.
Andao jerena ilay contexte- ilay tantara ry havana. Ilay vehivavy moa, vehivavy samaritana nihaona tamin’i Jesoa tao Samaria. Zava-dehibe izany, manana ny antony izany, matoa tany Samaria izy no nihaona tamin’i Jesoa. Ny Soratra Masina moa dia milaza eo amin’ny Jaona 4 :4 hoe « tsy maintsy mamaky an’i Samaria i Jesoa ». Fa maninona izy ry havana ô no tsy maintsy mamaky an’i Samaria ? Antony 2 no tsy maintsy namakiany an’i Samaria :
- Voalohany indrindra : nalahelo ny Samaritana Izy sy ny fahadisoana misy eo amin’ny finoan’ny Samaritana. Tsy maintsy nankany Samaria Izy.
- Ary faharoa, tsy latsak’izany na mihoatra an’izany, tsy maintsy namaky an’i Samaria Izy fa te hihaona amin’ity vehivavy samaritana ity.
Ny hoe te hamonjy ny Samaritana Izy, tsiahivina fohy ry havana, fa Samaria dia renivohitry ny foko folo tany avaratra. Ary Samaria dia nataon’ny Asyriana sy ny Babyloniana sesi-tany ; ireo foko avaratra ireo. Ary rehefa natao sesi-tany, dia nisy firenena vahiny nitondra ny fomban’ny jentilisa, nitondra ilay fombam-pivavahany monina tao Samaria izy, tamin’iny foko avaratra iny. Ary dia lasa nifangaro tamin’ny fomba jentilisa sy ny fomban’ny andriamani-kafa ny fomban’ny jiosy tavela tao Samaria, satria ireo jiosy tao Samaria ireo dia nifanambady tamin’ireo vehivavy vahiny ireo. Ary ren’ny jiosy tavela tany Jerosalema ny nataon-dry zareo tao Samaria, dia sady tezitra izy, no nanilika an’ireo jiosy tavela tao Samaria tao noho izany antony izany. Ary noho izany antony izany dia hoe tsy tamana tany amin’ny tempoly tany Jerosalema intsony ireto Samaritana ireto, fa teo amin’ny tendrombohitr’i Gerezima tao Samaria tao no nanorina tempoly ho azy izy. Ary mandraka androany, dia mbola misy secte samaritana mivavaka ao. Ny jiosy moa izany, dia hoe, miala tsiny amin’ilay fitenenana, fa hoe, ni-sozy ilay Samaritana. Ni-sozy azy ara-panahy. Ary mitovy foana ry havana ny zavatra mitranga rehefa misy olona mi-sozy. Amin’ny maha-olombelona angamba mety hoe logique ilay fisoziana ; fa tsy logique eo imason’Andriamanitra. Fa rehefa mi-sozy olona ianao, henoy ianao fa mi-sozy azy, dia mankahala anao izy, dia mivadika fifankahalana izany fomba fifampijerena izany. Izany no nitranga tamin’ireto Jiosy sy Samaritana ireto. Dia lazain’ny Soratra Masina hoe Jesoa niala avy taty Jodia ho any Galilia. Ary eo anelanelan’i Jodia sy Galilia : Samaria. Ka raha hoe tsy te hanapaka an’i Samaria, te hiala an’i Samaria, dia ohatrany miodina, dia lava kokoa ilay fotoana. Dia hoy ny mpandinika, ary tsy dia tena marina izany, fa azo heverina an’izany ihany, fa tsy izay ny antsika, dia hoe: nanapaka an’i Samaria Jesoa mba hoe tsy handaniana fotoana satria maika izy, hoe 3 taona monja no fotoana hitoriany filazantsara, dia hoe araraotina daholo. Tsia ry havana ô ! Azo lazaian fa hoe te hamonjy an’ireto Samaritana ireto izy amin’izany hoe fahadisoana hita ao amin’ny finoany izany. Satria ilay finoan’ny Samaritana tsy mitondra azy ho any amin’ny famonjena. Dia tian’i Jesoa ho vonjena amin’izany ireto Samaritana ireto e. Ary tian’i Jesoa koa hoe, ny heloky ny rainy eo anivon’ny Samaritana tsy hiampita, tsy ho lovain’ny zanany, izany hoe tsy ho lovain’ny zanany izany hevi-diso, fahadisoan-kevitra tao amin’ny finoan’ny Samaritana izany. Izany no tian’i Jesoa ry havana ô, hamonjena an’ireto Samaritana ireto e. Ary tian’i Jesoa ho vonjena koa ireto Samaritana ireto izay ahilikiliky ny Jiosy avy any Jodia, fa hoe ny olona eto izay hoe ahilikiliky ny Fiangonana, ahilikiliky ny fiaraha-monina : porofoin’i Jesoa fa hoe omeny lanja eo imasony ry havana ô.
Eo isika Malagasy, eo isika Kristiana Malagasy : azo antoka ry havana ô, fa eto amintsika mbola misy Kristiana Samaritana, Kristiana ny Alahady fa ny amin’ny Sabotsy na ny andro hafa amin’ny herinandro : mbola mandrafy an’Andriamanitra ary mampivady an’izany Christianisme izany amin’ny fomba jentilisa sy amin’ny fanompoana andriamani-kafa. Hitan’i Jesoa izany, ary te hamangy anao izy. Hoy Izy hoe : tsy maintsy mamaky an’ity trano ity Aho, tsy maintsy mivahiny ao amin’ity trano ity Aho amin’izao anio izao, fa misy Samaritana ao. Izany ny programan’i Jesoa ry havana ô.
Fa hoy isika, faharoa, rehefa miteny ny Soratra Masina hoe : tsy maintsy mamaky an’i Samaria Izy. Ary izay no maha-Andriamanitra an’i Jesoa ry havana. Fantany fa ao Samaria ao misy an’io vehivavy Samaritana tena hoe mangetaheta, tena mangetaheta fatratra ara-panahy. Izany no namakimakiany an’i Samaria ry havana ô. Ary eo amintsika izay mijery an’izao fandaharana izao, amin’ny Youtube sy Facebook ry havana, misy olona fantatr’i Jesoa hoe tena mangetaheta fatratra ara-panahy. Ahoana ary moa no ilazana hoe ity vehivavy ity, raha ny fijerin’i Jesoa azy, dia tena hoe vehivavy mangetaheta fatratra ara-panahy ka izany no nahatonga an’i Jesoa hiaritra ny fankahalan’ny Samaritana e ? Izaho hoy Izy tsy maintsy mihaona amin’io vehivavy io. Tonga tao Samaria Jesoa dia nitoetra teo amin’izay toerana hoe ahazoany antoka fa hifanenany amin’io vehivavy io. Tao Sikara hoy ny Soratra Masina ary teo amin’ny fatsakan’i Jakoba. Dia tonga Jesoa : mipetraka eo Izy. Dia nony amin’ny ora faha-enina, izany hoe amin’ny andro mitatao vovonana, amin’ny andro ilay atoandro migaingaina be iny ny masoandro : tonga eo ravehivavy. Fa maninona no andro atoandro ? Satria nitsoaka ny olona izy, menatra izy ny amin’ny tokantranony, dia izay ihany no tsy hifanenana amin’ny olona. Ny olona miala amin’ny masoandro, ny olona matsaka vao maraina koa. Izy mivoaka ny trano hatsaka, ny olona efa eo am-piketrehana sakafo na efa eo am-pirosoana amin’ny sakafo. Fa fantatr’i Jesoa ny momba ity vehivavy ity ry havana ô. Fantany tsara ny momba ity vehivavy ity. Efa nanambady in-dimy ity vehivavy ity ary ilay itoerany ankehitriny, ilay faha-enina, dia hoe tsy vadiny. Fantatr’i Jesoa. Fa raha miteraka tondro molotra eo amin’ny fiaraha-monina izany tokantranon’ity vehivavy ity izany : Jesoa tonga avy tany Jodia ho ato Samaria, ao amin’ity Sikara ity, mitady an’ity vehivavy ity Izy, satria hoe fantany fa misy hetaheta ara-panahy ao. Mbola tsy afa-po ity vehivavy ity amin’izany hetaheta ara-panahy izany, fa maharitra izy ; izany ny dikan’ilay hoe mitady lehilahy io, izany ny endrik’ilay hoe recherche spirituelle. Fa raha ny marina hoy Jesoa : tsy mitady lehilahy ity vehivavy ity e, fa mitady fifandraisana velona amin’ilay Andriamanitra velona. Izany no tadiavin’ity vehivavy ity. Ary izany no nankanesako avy any Jodia ho ato Samaria.
Na iza na iza ianao ry havana ô, hitan’i Jesoa io hetahetanao io. Hitany io. Hitany ianao leo an’izay fombafombam-pivavahana fa tena hoe te hanana fifandraisana velona Aminy amin’izay. Dia Izy ilay tena hoe loharano velona ry havana ô, hahafa-po ny hetahetanao rehetra.
Hoy isika hoe eo amin’ny fatsakan’i Jakoba ao Sikara no mitranga ilay fihaonana. Misy lesona ho antsika ao ry havana. Ho antsika izay manana an’izay hetaheta ara-panahy fatratra izany. Satria ity vehivavy ity tonga matsaka miaraka amin’ilay sininy, mangetaheta ara-panahy izy, nefa tsy fantany fa diso fatsakana. Diso fatsakana. Eny e, tsisy afa-tsy io moa ilay fatsakana ao an-tanàna angamba ; fa diso fatsakana izy, na dia io ihany ary ilay fatsakana fa tsy misy hafa. Na diso hevitra izy amin’ilay fatsakana. Rehefa mamaky ny soratry ny mpandinika ry havana, dia hoe : ilay hoe Sikara, tao Sikara manko ilay izy ; dia hoe : ilay Sikara dia azo adika hoe « ivresse » na « fahamamoana », na koa hoe « zavatra toxique ». Izany ny dikan’ilay hoe Sikara. Maro ry havana ny olona izany, satria diso fatsakana, ohatran’ity vehivavy ity, dia ny hamalianyn ny hetahetany : zavatra toxique, zavatra mahamamo, satria izay no heverina hoe hamonoana ny eritreritra. Ary ireo zavatra toxiques, tsy voatery zavatra sotroina ohatran’ny hoe alkôla ihany izany, fa izay hamalianao ny hetahetanao amin’ny fombanao rehetra, amin’ny fomba fanao, hoe : manenjika soirée ary, sy ny karazany e, etc… dia miteraka vazom-boana. Ary tsy vitan’ny hoe miteraka vazom-boana fotsiny, fa maika hoe mampitombo ilay fahatsapana hoe paokaty ilay fiainana ry havana ô. Izay ity hoe ao Sikara ity misy an’ilay fatsakana.
Ary io fatsakana io, lazain’ny Soratra Masina hoe fatsakan’i Jakoba. Ny anaran’i Jakoba ao amin’ny Genesisy, ny dikan’ny anaran’i Jakoba dia hoe : mpamingana. Izany hoe ianao misotro ny ranon’ny fatsakan’i Jakoba io, dia araka ilay efa notenenina teo hoe diso fatsakana ianao, fa hamitaka anao io rano sotroinao io, satria mieritreritra ianao hoe io no hahafaka ny hetahetanao, hanome fahafaham-po ny filànao rehetra. Hiteny an’izany amin’ity vehivavy ity ry havana ô, no niakaran’i Jesoa avy any Jodia any, ho ato Samaria sy ho ato Sikara. Izany no niakarany : noho ny fitiavana an’ity vehivavy ity. Ary Izy ilay mipetraka eo amin’ny moron’ilay fatsakana, dia miteny amin’ilay vehivavy Izy : Izaho milaza aminao, hoy Izy, fa izay misotro amin’io rano io dia mbola hangetaheta. Fa izao kosa : Izaho hoy Izy, Izaho no loharano miboiboika ; Izaho no loharano miboiboika, ary ny ràko izay omeko dia hoe ho loharano miboiboika ao anatiny, ho fiainana mandrakizay. Dia nahafinaritra ry havana, nahafinaritra ny tenin’ity vehivavy ity, nahafinaritra ny teny hoe : omeo aho. Izay ilay fo tsotra, vonona handray an’i Jesoa : « omeo amin’izany rano izany aho ».
Mampieritreritra antsika ny Tompo ry havana amin’izao fotoana izao. Tantara nitranga 2000taona lasa izao, fa mbola misy lesom-panahy ho antsika. Sao dia amintsika misy Kristiana moderina, milaza hoe : efa tamin’ny 2000taona lasa izany e, tany Sikara izany e, tao amin’ny fatsakan’i Jakoba izany e. Sao dia mbola misy Kristiana ohatran’ity vehivavy Samaritana ity mitonatonana any amin’ny fatsakana izay tsy izy, ka diso fanantenana, intoxiqué ary mamon’ny rendrarendran’izao fiainana izao ?
Tonga eo amin’ilay fahamarinana farany isika ry havana, ilay novakiantsika teo. Nandao ny sininy ravehivavy. Nandao ny sininy ravehivavy.
Ity siny ity, lazain’ny mpandinika hoe, satria siny lehibe, ary tena hoe siny ilain’ny olona ao an-tanàna, dia tena hoe lafo vidy. Ny zaavtra moa rehefa be mpangataka dia lafo vidy izany e. Ary io siny io, io siny hita eo io, dia sarin’ny fiainan’ilay vehivavy : ny problema-ny, amin’ilay mitatao vovonana ivohahany avy ao an-trano, dia io siny io, sy ny rano hatsakaina andrahoiny sakafo ho an’ny tokantranony. Io nefa no avelany. Izany hoe zavatra important ho azy, zaavtra important ho an’ny fiainany no avelany. Fa izao : avelany ilay izy ry havana, avelany ilay izy satria nifanena tamin’ilay Mesia Izy, nifanena tamin’ny Mesia izy. Nanambaran’i Jesoa ny tenany ho Mesia ity vehivavy ity. Raha tsaroantsika ao amin’ny Soratra Masina, tsy nanaiky mihitsy Jesoa hoe hanambara ny tenany ho Mesia. Satria raha vao nanambara ny tenany ho Mesia i Jesoa tamin’ny Jiosy tsotra, dia nadikan’ilay Jiosy izany hoe io izany Ilay Mpanjaka hanafaka amin’ny Romana. Tsy nanaiky nanambara ny tenany ho Mesia i Jesoa tamin’ny Fariseo, satria ireo, ny lahasany dia ny hamandrika an’i Jesoa. Fa ity vehivavy ity, tena hoe tamin’ny voalohany nanaiky an’i Jesoa ho Mpaminany satria nahafantatra momba ny fiainany, ny tantaran-tokantranony, ny tantaram-piainany ? Fa tsy vitan’ny hoe nahafantatra ny fiainany araka izay nitantarana azy teo fotsiny, fa tena hoe ho an’ny Samaritana, ny atao hoe mpaminany marina dia mpamerina amin’Andriamanitra velona. Ny atao hoe mpaminany dia mpanitsy ny fahadisoana eo amin’ny finoana. Izay no iheveran’ny Samaritana ny atao hoe mpaminany. Ny ataon’ny Samaritana hoe mpaminany, dia hoe olona manome toky sy mi-rassurer ny amin’izay mampisalasala ny Fiangonana. Mpaminany ity. Fa tsy ohatran’ireny mpaminany any amin’ny sekta isan-karazany ireny, izay ampiasain’ny devoly ry havana. Tena manana Fanahy mamantatra, Fanahy mahavaly hoe : ato amin’ity Fiangonana ity dia misy olona ohatran’izao, dia hampihorohoroana eo ilay olona, dia mitoetra ao ambany vahohon’i Satana, tsy ahitana famonjena. Fa ity vehivavy ity, itenenany hoe : ianao efa nanambady in-5 ary ilay vadinao ankehitriny, tsy vadinao. Fa dia hoe ampianariny ilay vehivavy. Hitanao, Izaho miteny anao an’izany :ampianariko anao hoe ho avy ny fotoana e, tsy amin’ity tendrombohitra eto Gerizima ity, na any Jerosalema intsony no hivavahana. Ampianariko ianao e : Andriamanitra dia Fanahy ka izay hivavaka marina amin’Andriamanitra dia hivavaka amin’ny Fanahy sy famaharinana. Izany no nampiaiky an’ity vehivavy ity, hoe : « atoroy ahy ny Mesia fa izaho hino Azy ». Nanambara tamin’ity vehivavy ity ny maha-Mesia Azy i Jesoa ry havana ô.
Tahaka ny tamin’ity vehivavy ity, te hanambara ny tenany ho Mesia aminao i Jesoa anio ry havana ô. Inona no nahatonga an’io vehivavy io handao an’ilay sininy ? Ilay masony nifanena tamin’ny mason’ny Mesia ry havana ô. Tian’i Jesoa hifanena ny masonareo amin’izao andro anio izao. Ary vitsy ny olona ry havana ô, vitsy ny olona afaka mijoro vavolombelona hoe : « Ny masoko efa nifanena tamin’ny finoana tamin’ny mason’i Jesoa ». Fa rehefa hoe mifanena amin’ny mason’i Jesoa ny masonao, dia ohatran’ny hita eto amin’ity perikopantsika ity : afoinao izay zavatra sarobidy aminao indrindra ao amin’ny fiainanao. Ampandeferinao izany. Misy miteny hoe : « adinony teo ilay siny » ; adinonao ilay zava-dehibe, ilay priorité tao amin’ny fiainanao rehefa mifanatri-maso, rehefa mifanena amin’ny mason’ilay Mesia ilay masonao ry havana ô. Ary izany no hirariana ho anao amin’izao maraina izao : ho tahaka an’ity vehivavy ity ; mandao ny sininao ry havana ô. Ny olona nifanatri-maso tamin’i Jesoa : tsy maintsy misy zavatra afoiny ary afoiny ho Azy.
Ireo mpianatra izay nifanena tamin’i Jesoa, ny mpianatra voalohany nifanena tamin’i Jesoa teny amoron’ny ranomasin’i Galilia : nahafoy ny sambony, nahafoy avy hatrany ny haratony.
Lioka, dokotera, nifanena tamin’i Jesoa : nafoiny ny cabinet de médecin-ny.
Paoly, nifanena tamin’i Jesoa, nandray an’i Jesoa : foiny ilay position sy ilay andraikitra teo amin’ny synedriona.
Etc…
Miandry anao ny Tompo e, te hifanatry maso aminao Izy, te hifanatry maso aminao Izy, ary rehefa nifanatry maso amin’ny Tompo ianao, dia afoinao ny sininao. Ary tsy vitan’ny hoe afoinao ilay sininao, fa mandeha araka ny sitrapon’ny Tompo ianao. Nandeha ity vehivavy ity, nandeha nihazakazaka tao an-tanàna : « avia, avia, avia ». Tsisy kajikajy hoe : « an an an, aleo aloa izaho ao an-tranoko ihany ka ; aleo teneniko ilay vadiko ao, ilay lehilahy ao fa nilaza ny marina momba anay Izy ». Ny iray tanàna nitoriany hoe : « avia hizaha fa ao angaha ilay Kristy ». Lasa mpanambara ilay vaovao mahafaly, ny fahatongavan’ny Mesia izy ry havana ô. Tsisy kajy, tsisy henatra. Izany fomban’ny olona izay nifanatri-maso tamin’ny Mesia : tsisy kajy, tsy mangatak’andro hoe : « aoka aloa, andraso aloa ».
Ry havana ô, hoy ny Tompo hoe : « tsy maintsy mivahiny ao an-tranonao Aho amin’izao fotoana izao ». Ary ianao izay mety mijery am-pahazarana, amin’ny ara-pomba izao fanompoam-pivavahana izao ry havana ô : te hamangy anao ny Tompo e. Mety ianao ilay Kristiana Samaritana, mety ianao ilay vehivavy Samaritana manana hetahetam-panahy tsy ahitanao fahafaham-po : te hamangy anao ny Tompo, te hikasika ny fonao ny Tompo, ary izao no hafatra farany ho anao : ny olona nifanatri-maso tamin’ny Tompo dia mikolokolo an’izany amin’ny famakiana Baiboly. Fantatrao tsara fa io Baiboly io ange e, io Baiboly io dia tsy iza fa Jesoa Kristy ilay teny tonga nofo, dia ilay teny noraiketina teo amin’ny taratasy sy ny ranomainty e, fa ny Fanahy no nanoratra an’izany e. Ovay ry havana ô, ny fomba famakianao Baiboly ary rehefa hivavaka ianao alohan’ny hamakiana Baiboly, manomboka anio : angataho ny Fanahy Masina. Ary rehefa mangataka ny Fanahy Masina, hoe : « sokafy ny masom-panahiko », dia hoe « Fanahy Masina ô, sokafy ny masoko, tena hoe amin’izay soratra rehetra vakiako, amin’izay teboka, amin’ny irigirika, amin’ny faingo : ahitako an’i Jeso, ahitako ny mason’i Jesoa, ahitako an’i Jesoa mipi-maso, ahitako an’i Jesoa mitsiky amiko ».
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo ry havana. Amena.