Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 15 APRILY 2018

Matio 7:13-14: "Midira amin’ ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny  làlana izay mankany amin’ ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy" .

ALAHADY 01 APRILY 2018 – PASKA

Marka 16:9:"Ary rehefa nitsangana tamin’ ny marain’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin’ i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy"

ALAKAMISY 29 MARSA 2018 – ALAKAMISY MASINA

RESAKA JODASY - ZANDRIKELIN’I JESOA VE IANAO SA ZANDRIKELIN’I JODASY ? »

Matio 26 :19 : «Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain’ i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska. »
Fahamarinana 1 : NY ZANDRIKELIN’I JESOA DIA FENO FANEKENA, FENO OBEISSANCE

Matio 26 : 21-25 : «Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy. Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko? Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin’ ny lovia, izy no hamadika Ahy. Ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra! tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory. Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao. »
Fahamarinana 2 : NY ZANDRIKELIN’I JODASY DIA MAFY FO KA MANAMARI-TENA

Matio 26 :26-29 : «Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny amin’ ny fanekena, izay alatsaka ho an’ ny maro ho famelan-keloka. Ary lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ ny fanjakan’ ny Raiko. »
Fahamarinana 3 : SAO DIA IANAO KOA IZANY MPANDRAY NY FANASAN’NY TOMPO ZANDRIKELIN’I JODASY IZANY SATRIA TSY MAHATSIARO AN’I JESOA REHEFA MANDRAY NY FANASAN’NY TOMPO ?

ALAHADY 25 MARSA 2018

  1. TE HO MPANJAKANAO JESOA
  2. TE HIDITRA AO JEROSALEMANAO ILAY MPANJAKAN'NY FIADANANA
  3. SAO MBOLA MANANA TOMPO HAFA IZAHO SY IANAO?