Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 03 JONA 2018

Jaona 8 :30-32 : « Raha nanao izany teny izany Jesosy, dia maro no nino Azy. Dia hoy Jesosy tamin’ ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo ».

Resaka finoan’ny mpianatra.

Fahamarinana 1 : NY MPIANATRA DIA MAHARITRA AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Fahamarinana 2 : NY MPIANATRA DIA MAHAFANTATRA NY MARINA

ALAHADY 27 MEY 2018

Lioka 11 :13 : « Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’ izay mangataka aminy? »

« ho an’ izay mangataka aminy »

Resaka fisalobonana
Fahamarinana 1 : TAPAHO NY HEVITRA MBA HIVAVAKA TSY HITSAHATRA AMBARA PAHITANAO SOMBINA VALIM-BAVAKA

Fahamarinana 2 : NY AHAFANTARANAO HOE VOAISOTRA ILAY FISALOBONANA DIA IZAO : HITANAO NY FITANJAHANAO SY NY FAHANTRANAO ARA-PANAHY EO ANATREHAN’NY TOMPO KA MANDRAY AN’IZANY HO VAOVAO MAHAFALY IANAO

Fahamarinana 3 : NY FIAINAN’NY OLONA IZAY VOAISOTRA NY FISALOBONANA MANARONA NY FONY DIA AVY AMIN’NY VONINAHITRA KA HO AMIN’NY VONINAHITRA

ALAHADY 20 MEY 2018

Asan’ny Apostoly 4 :31 : « Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahasahiana ».

Jaona 20 :22-23 : « Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina ; na helok’ iza na helok’ iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an’ iza na an’ iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany ».

Ianao ve olona OK ? Ianao ve mpino OK ?

Fahamarinana 1 : NY OLONA OK DIA MANAO HO PRIORITE DES PRIORITES NY FAMELAN-KELOKA
Fahamarinana 2 : NY OLONA OK DIA OLON’NY VAVAKA
Fahamarinana 3 : NY VAVAKY NY OLONA OK DIA VAVAKA MANGATAKA FAHASAHIANA

ALAHADY 13 MEY 2018

1 Korintiana 2 :16b : « Fa izahay manana ny sain’ i Kristy ».

Resaka saina (pensée na intelligence amin’ny teny frantsay) – Resaka sain’i Kristy.

Ny Apostoly Paoly no milaza hoe : « Fa izahay manana ny sain’ i Kristy ». Ny fanontaniana apetraka amintsika dia izao : IANAO VE MANANA NY SAIN’I KRISTY ?

Fahamarinana 1 : NY OLONA MANANA NY SAIN’I KRISTY DIA MAHALALA FA NY AO AM-PON’ANDRIAMANITRA LALINA DIA NAMBARANY TAMIN’NY APOSTOLY SY NY MPAMINANY

Fahamarinana 2 : NY OLONA MANANA NY SAIN’I KRISTY DIA MAHAFANTATRA FA MISY KARAZANY 2 NY OLONA, DIA NY OLONA ARAKA NY NOFO SY NY OLONA ARAKA NY FANAHY

Fahamarinana 3 : NY OLONA MANANA NY SAIN’I KRISTY DIA OLONA FENO FANKATOAVANA – OBEISSANCE ABSOLUE