Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 05 AOG 2018

Matio 26:49: "Ary niaraka tamin’ izay dia nanatona an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy".

RESAKA VAVAHADIN'NY LANITRA

ALAHADY 29 JOLAY 2018

Marka 11:15-18:"Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan’ ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala;  ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan’ ny tempoly.  Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra?; fa hianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.  Ary nahare izany ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany."

Pasteur RABEMANANJARA

Alahady 15 Jolay 2018

Asan’ny Apostoly 5 :5a : « Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy »
Asan’ny Apostoly 5 :10 : « Dia nikarapoka teo anoloan’ ny tongony niaraka tamin’ izay koa izy, ka afaka ny ainy »

Tantaran’i Ananiasy sy Safira vadiny. Maty aloa i Ananiasy, ary fotoana fohy kely taorian’izay dia maty koa Safira vadiny. Maty izy ireo satria tsy nety nanala ny masque-ny.
RESAKA MASQUE

Fahamarinana 1 : NY OLONA VONONA HANALA MASQUE DIA OLONA TONGA SAINA FA MPANOTA IZY

Fahamarinana 2 : REHEFA MANALA NY MASQUE IANAO DIA FALY JESOA HIDITRA AN-TSEHATRA EO AMIN’NY FIAINANAO, DIA AVELAO IZY HANEFY ANAO ARAKA IZAY HEVITRA HIHEVERANY ANAO

Fahamarinana 3 : AZON’I JESOA AMPIASAINA SAHADY IANAO

ALAHADY 08 JOLAY 2018

Matio 21 :23a : « Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra »

Fahamarinana 1 : ARARAOTY ILAY ANDRO FARAMPARANY HITORIANA NY FILAZANTSARA

Matio 21 :28-31 : « Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ ny tanimboaloboko anio. Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. Ka iza moa amin’ izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ».

Fahamarinana 2 : NATAO HO ANKATOAVINA NY HAFATR’I JESOA MANIRAKA HANARARAOTRA NY ANDRO FARANY HITORIANA NY FILAZANTSARA

(PASTEUR LANTO ANDRIAMIHAJA - STAGIAIRE)