Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 07 OKT 2018

« Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana) ». Efesiana 5 :8-9

Mandehana ao amin’ny mazava, na araka ny maha-zanaky ny mazava anareo, fa izany fahazavana izany dia ny fahazavan’ny Tompontsika.

Raha atao dikanteny mivantana ny and.8 avy amin’ny teny fototra dia hoe : fa aizina ianareo fahiny, ténèbre ianareo fahiny ; tsy obscurité, fa ténèbre ianareo fahiny, fa efa fahazavana, lumière ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny.Noho izany dia lazainy hoe mifohaza avy amin’izany ténèbre izany, fa Kristy no tonga fahazavana ao aminao, hampamirapiratra anao ; koa noho izany, mandehana amin’izany fahazavana izany. Ny asan’ny mazava dia ny mandresy ny fahamaizinana. Hita amin’ny epistilin’ny Apostoly Paoly rehetra izany foto-kevitra izany. Resahin’i Paoly ny amin’i Kristy fahazavana, izay manazava izao tontolo izao amin’ny fahamaizinana misy azy, ary koa mampahazava ny mino mba hiainany amin’ny fahazavana mahagaga. Faharoa resahin’i Paoly koa ny amin’ny zanaky ny mazava sy ny fiainan’ireo zanaky ny mazava ireo eto amin’izao tontolo izao. Resahiny fahatelo amin’izany ny amin’ny fiadian’ny mazava izay entin’ny fiangonana mandresy ny asan’ny maizina eto amin’izao fiainana izao.

Singa iray amin’izay antsoin’i Paoly hoe fiadian’ny mazava no ho jerentsika dia ny mandeha amin’ny hatsaram-panahy, ny rariny sy ny hitsiny (justice), ary ny fahamarinana (la vérité), araka ny Efesiana 5 :8-9.

Foto-pampianarana lehibe ao amin’ny soratry ny Apostoly Paoly izany hoe fiadian’ny mazava izany, izay lazainy koa ao amin’ny Romana 13 :12b-13a :« koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro ». Tamin’ny fotoana maro, varimbariana ny fiangonana ka tsy nandinika an’izany,kanefa mazava be ny soratry ny Apostoly Paoly ny amin’izany hoe fiadian’ny mazava izany. Marihina tsara amin’ozany fa ny fiadiana resahin’ny Apostoly Paoly eto dia fiadiana entina mandeha. Entina miroso manafika, fa tsy fiadiana entina mifahatra, toa izay lazainy ao amin’ny Efesiana 6 :10-18. Fa ny fiadiana resahiny ao amin’ny Efesiana 6 dia fiadiana défensives, ka ilazany hoe : « Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra ». Fiadiana fiarovan-tena izany. Fa ny laaaina eto kosa dia fiadiana fanafihana, offensives. Ary hoy izy : Mandehana.

Mandehana hoy izy, fa zanaky ny mazava ianao, mitondrà ireto fiadian’ny mazava ireto amin’ny fiainanao andavan’andro, dia ny hatsaram-panahy (bonté) hiadianao amin’ny haratsiam-panahy izay manenika ny tany, dia fankahalana, fialonana, fitsiriritana, fandrafiana, fofo aina. Ireo dia toetra ratsy avy amin’ny ténèbres, mamotika ny fiainan’ny olona tsirairay sy ny fiaraja-monina manontolo. Ireo dia toetra ratsy tsymba ianarana fa hay ho azy satria efa nolovaina tamin’ny fahotana fototra, dia ny fikomiana amin’Andriamanitra izany.

Raha vakiana ny Matio 12, ny contexte niainana dia ny haratsiam-panahin’ny olona izay tsy mahazaka ny asan’ny zanak’Andriamanitra, ilay mazava, izay mitondra fanasitranana, manome fiainana ka fofoiny ho faty. Mahavariana fa ao anivon’ny synagoga, ao anivon’ny tempoly no misy an’izany ténèbre manao fofo aina izany. Ny mino, ny fiangonana manontolo dia ilazan’ny Apostoly Paoly hoe mandehana ; fa ny fiangonan’i Kristy izay nomeny ny mazava dia tsy fiangonana mitoby ka mitakoko, na mitangorona amin’ny toerana iray, miandry ny ihavian’ny tompony, fa fiangonana mandeha : c’est une église en marche. Mandeha erak’izao tontolo izao ka mitsena ny fiavian’ny mpanjakany amin-kery sy ny voninahitra. Mandehana. Mandeha ny fiangonana mitondra ny vokatry ny mazava araka ny lazain’i Jesoa ao amin’ny Lioka 10 :3 hoe :« Mandehana;indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia ». Ary Matio 10 :16 dia manao hoe : « Indro, 
Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia
*; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà** tahaka ny voromailala. Ny zava-dehibe mahaliana sy tsara ankalazana ny Tompo eto doa izao : mandresy ilay zanak’ondry. Asa raha mieritreritra an’izay ianao : mandresy ireo ambodia manodidina azy ilay zanak’ondry. Nahoana ? Satria tsy ny ahi-adin’ny ondry na ny ahi-adin’ny ambodia no entiny miady, fa ny fahendrena sy ny fahamoràna. Ireo no fiadian’ny mazava. Singa iray ihany izany. Tsy ireo ihany no fiadian’ny mazava.

Namaky ny Salamo 66 :8-12 isika ary hita ao ny adin’ny olon’Andriamanitra eto amin’izal tontolo izao, misedra fizahan-toetra mahamay : fandrika, loza, kanefa hoy izy, tsy avelan’ny Tompo hangozohozo ny tongony  fa nitondra azy nivoaka amin’ny fitahiana mahatretrika Izy. Fiadian’ny mazava izany : fiadiana miavaka ao in’ny Tompo. Ny vokatry ny mazava koa, izay ho entinao miatrika ny amboadia maro izay mifanehitra aminao eo amin’ny fiaraha-monina, eoamin’ny toeram-piasana, toeram-pianarana, any amin’ny sehatra samihafa na ara-politika na ara-toe-karena dia ny hatsaram-panahymiseho ampisianao ny rariny sy ny hitsiny (justice) eto amin’izao tontolo izao. Fa tsy misaraka ny bonté sy ny justice. Ny zanaky ny mazava dia mabdeha araka ny rariny sy ny hitsiny ; tsy hoe mitaky izany ihany, fa mampisy izany indrindra koa. Raha miresaka ny rariny sy ny hitsiny anatin’ny hatsaram-panahyny Apostoly Paoly sy ny Soratra Masina manontolo, dia manondro nny fanekem-pihavanana izay naorin’i Jehovah tamin’ny Isiraely olony araka ny fahasoavana. Ny hilazany izany dia hoe «  Tsedaqah », justice na hoe rariny. Izany Tsedaqah izany dia iainan’ny olon’Andriamanitra ao amin’ny fanekem-pahasoavana sady fanekem-pihavanana, ka mahatonga ny olona ho marina, « Tsedeq » eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy araka ny hahelan’ny soratra anefa fa araka ny planin’Andriamanitra izay miasa ao aminy. Amin’izany, ny rariny sy ny hitsiny izay iainany dia kendrena fanatsaràna, fanasitranana ny fiainan’ny fiaraha-monina. Tsy fitakiana ny ho an’ny tena no zava-dehibe fanomezan fahafahana, fampaherezana, fitahiana ho an’ny ampahoriana sy ny verezin-jo.

Misy ohatra iray an’ity Tsedaqah, fiainan’ny olon’Andriamanitra ity izay voalaza ao amin’ny Deoteronomia 24 :10-13 :« Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.Mijanona eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka, fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana (Tsedaqah) ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao izany ».Aza miditra ao an-tranony hifidy izay ho ataonao ho antoka, fa izay entiny eo raisina. Raha lambany izany, aza hitafianao mandritra ny alina, fa rapitso maraina raisinao. Izay ny rariny sy ny hitsiny. Koa ho an’ny olon’ny fanekem-pihavanana, ny fandehanana amin’ny rariny sy ny hitsiny dia tsy ho fanindritsidriana ny ory sy ny malahelo eo amin’ny fiaraha-monina na inona na inona fahefana anananao, fa fiarovana ny fifanandratana. Moa tsy efa tazan’i Isaia, ao amin’ny Isaia 42 izay hampitain’i Matio 12 antsika ?Ny rariny sy ny hitsiny dia mihoatra noho izay takian’ny fanjakana na ny dinan’ny fiaraha-monina, fa fahamarinan’ny olona amin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay nifidy anaoho zanaky ny fanjakany mandrakizay,mandrakizay.

Ny fiadian’ny mazava izay mbola lazain’i Paoly amintsika dia ny marina, la vérité. Izany hoe zava-misy marina, ka ahariharin’ny mazava izany araka ny lazain’i Paoly Apostoly fa raha iantefan’ny mazava ny zavatra anankiray dia ho hita izy. Ny zanaky ny mazava dia mandeha amin’ny marina fa tsy amin’ny sandoka na fitaka na lainga. Ary izay rehetra ataony dia maneho izany marina izany avokoa. Noho izany dia ampifandraisin’ny Soratra Masina mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny, sy ny marina. Ary izany no antoka isian’ny fitsaràna marina, na ny lazain’ny Testamenta Taloha hoe « Mishpat ». Mbola fiainan’ny olon’ny fanekem-pihavanana koa izany. Ny mandeha araka ny zanaky ny mazava izany dia mitsara araka ny marina ; tsy ny mpitsara any amin’ny tribonaly ihany, fa isika rehetra, manao fitsaràna laro samihafa, dia mitsara araka ny marina, tsy manaiky hotarihin’ny hetsi-po, ny tahotra, ny filàna, ny avonavona na fireharehana ; fa tarihin’ny fanahin’Andriamanitra ka manana ny atao hoe intelligence emotionnelle na hakingan’ny hetsi-po. Ka amin’izany, tsy hotarihin’ireo hetsi-po diso lalana ireo ka hirona amin’ny fitsaràna mivilana, na fanamalehona tsy mari-pototra, ho voafandriky ny kolikoly, ny fahalovàna izay mampisy ny tsy maty manota.

Fa ny justice dia loharanom-pahasoavana izay hanamasinan’Andriamanitra antsika ao amin’i Kristy Jesoa. Ry havana, fanekena vaovao ao amin’ny fahazavan’i Kristy no efa naorin’Andriamanitra ho antsika amin’ny fahasoavana, araka ny efa nividianan’i Kristy antsika tamin’ny ràny mba ho zanaky ny mazava. Hoy ny Apostoly Paoly : « aizina ianareo fahiny fa efa fahazavana ao amin’i Kristy kosa ankehitriny ; mandehana araka ny maha-zanaky ny mazava ».

ALAHADY 30 SEPT 2018

Marka 10 :21 :  « Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: 
Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy ».

RESAKA ZAVATRA IRAY LOHA

Zavatra iray loha omen’ny Tompo anao, zavatra iray loha hamatsiany anao entinao hamakivaky ny fiainanao ety an-tany hatramin’ny fara-fofonainao. Ary zavatra iray loha hidiranao any an-danitra, hany ka zavatra iray loha hanova ny fiainanao.

Fahamarinana 1 : JESOA MIJERY TSARA, DIA TIA  NY OLONA IZAY SINCERE

Mpino no resahina eto. Mijery an’ity lehilahy ity ny Tompo dia hoe tia azy.

Mijery anao ny Tompo amin’izao maraina izao, mijery anao ny Tompo isan’andro, tia anao ve Izy ? Mijery anao ny Tompo isan’andro, azonao antoka ve fa tia anao Izy ?

Fa maninona no hoe tena tian’i Jesoa ity lehilahy mpanan-karena ity ? Satria lehilahy « sincère », lehilahy tsy mihatsaravelatsihy ity lehilahy ity.

Tia ny olona sincère Jesoa, na iza izy na iza. Ary rehefa nifanandrina tamin’ny fariseo izy, ary ny fariseo no nanaovany teny mahery indrindra ao amin’ny filazantsara, dia teny milaza loza, loza tamin’ny mpihatsaravelatsihy. Rehefa mijery olona mihatsaravelatsihy izany Jesoa, na iza izy na iza, dia loza no ambarany aminy. Ary tsy tia azy intsony Izy. Ary na dia hoe tiany aza iny avy eo, loza aloa no ambarany aminy.

Fampieritreretana : Rehefa mijery anao ve Jesoa dia mahita lehilahy na vehivavy sincère ? Izany ny zavatra iray loha tian’i Jesoa ho fantatrao. Sincère ve ianao amin’ny finoanao ? Ahoana no nanehoan’ity lehilahy ity ilay sincérité-ny ? Hoy ny and. 17 : « Ary nony vao nivoaka nankeny an-dàlana Jesoa, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: 
Mpampianatra tsara o, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? »
. Nihazakazaka izy, nampihazakazaka azy ny problemany. Ary nanatona an’i Jesoa izy ka nandohalika, nanetry tena : mpanan-karena nandohalika teo anatrehan’i Jesoa. Firy ny mpanan-karena ato zatra mandohalika ? Firy no mihazakazaka dia mandohalika ?

Dia rehefa teo amin’i Jesoa izy dia nozahan’i Jesoa toetraizy ny amin’ny didy 10. Dia hoy ilay tovolahy eo amin’ny and.20 : « Ary hoy izy taminy Mpampianatra o, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely ».Azo lazaina hoa manana obéissance absolue izy, notandremany ny didy rehetra, fa tsy toa ny mpino sasany hoe fatra-mpankatoa ny didy sasany, fa ny didy sasany tsy mety aminy dia ahiliny. Obéissance totale, fankatoavana tanteraka ; ary tsy vitan’ny hoe obéissance tanteraka fa efa hatry ny fahazazany, fony mbola kely. Ry ray aman-dreny, mandinika ny zanakao ianao, notezainao amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra ve ireo zanakao ireo ? Izany ve no zavatra kendrenao ? Ary faly ve ianao mitantara any amin’ny hafa fa ny zanakao dia mahay ny didy 10, ary miaina ny didy 10 fa tsy mihatsaravelatsihy? Izany ny zavatra iray loha ilaintsika.

Ary ankoatry ny fihazakazahana sy ny fanetren-tena, ankoatra ilay toetra moraly mahatonga an’i Jesoa hitia azy, ny zavatra fahatelo mahatonga an’i Jesoa hitia azy dia ny hetahetany handova fiainana mandrakizay : izay no mampihazakazaka azy any amin’i Jesoa. Manontany an’i Jesoa izy hoe ahoana no handovany ny fiainana mandrakizay ? Marina ity lehilahy ity, possiblement bon mari, bon père de famille ity lehilahy mpanan-karena ity : sambatra raha samy sambatra. Fa tian’i Jesoa izy satria fantany fa tsy ananany ny essentiel ao amin’ny fiainany, dia ny fiainana mandrakizay. Firy amin’izay mpanan-karena tahaka an’ity lehilahy ity, ary isika izay tsy manan-karena, firy no manana an’izany souci, manana an’izany hetahetan’ny fiainana mandrakizay izany ? Fa zavatra iray loha no ilaintsika, zavatra iray loha no itiavan’Andriamanitra antsika ka hoe atolony anao. Inona no ataonao ? Tsy misy asa ataonao, fa raha asa atao, dia ny fanatonana an’i Jesoa tahala izao, fanetren-tena tahaka izao ; ary isika mahafantatra izay tsy fantatr’ity lehilahy ity dia ny hoe mila mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy.

Ry havana,jereo : ny tsy mahasambatra anao dia ilay teny ao amin’ny Mpitoriteny 3 :11 : « ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony ». « Le Seigneur a mis dans notre cœur la pensée de l’Eternel ».Fa ianao, ny harenanao, ny asanao no manakona izay hetaheta izay.

Izay ilay fahamarinana 1 : Jesoa tia an’ity lehilahy ity satria sincère. Diso hevitra izy ny amin’ny fiainana mandrakizay : « il était dans l’erreur, mais il était sincèrement dans l’erreur ». Possible dans l’erreur ianao, fa enga anie la sincère ianao na dans l’erreur aza ; dia mijery tsara anao ny Tompo dia miteny hoe « tiako ianao io ».

Izay ilay fahamarinana 1 : mijery anao ny Tompo ary, azonao antoka ve fa tia anao Izy ? Sa tezitra aminao Izy  satria mihatsaravelatsihy ianao, tahaka ny fariseo ?

Fahamarinana 2 : JESOA MANONDRO IZAY DISO EO AMIN’NY FIAINAN’NY OLONA TIANY, REHEFA SINCERE AMINY IO OLONA IO

Amin’ny olona mihazakazaka mankany Aminy sy manetry tena, amin’ny olona izay sincère ka tian’i Jesoa, io fitiavan’i Jesoa azy io mahatonga an’i Jesoa hanondro mazava izay diso ao amin’ny fiainany.

Sarotra anarina isika amin’ny ankapobeany, noho ilay fo mararin’ny fahotana ka bokan’ny avonavom-po. Maika moa fa manam-bola kely izay, manana anarana kely izay, manana firazanana kely izay, sarotra anarina. Fa henoy ny fitiavan’i Jesoa anao, ary te hanoro izy eo amin’ny fiainanao hoe zavatra iray loha no mahadiso anao.

Misy mpanompon’Andriamanitra, malaza tamin’ny fitoriana ny filazantsara antsoina hoe GeorgeWhitefield. Dia mandeha tournée mitory filazantsara izy, dia nivahiny tany amin’ny olona manan-kaja izay, Général. Io Général io sy ny ankohonany dia malaza tao an-tanànà nisy azy amin’ny fitiavana mampiantrano vahiny, ary malaza ny amin’ny fahatsaram-panahiny. Ary fantany tsara koa ny amin’i George Whitefield dia ho azy, fifaliana tsy misy ohatr’izany ny hle hampiantrano sy hampatory an’i George Whitefield tao an-tokan-tranony. Ary mitantara i George Whitefield tamin’ny nitory teny hoe tonga tao izy dia tena fatratra ny fandraisan-dry zareo azy, fatratra ny fisahiranany, ary dia tena nahafinaritra mihitsy ny fandraisany tao.Dia mitantara i George Whitefield fa tratran’ny fakam-panahy tao. Ny fanaoko hoy izy, rehefa mivahiny any amin’olona, amin’ny fotoana hipetrapetrahana ao amin’ny salon, amin’ny fotoana fisakafoanana sy ny tahaka izany, fanaoko ny mananatra ilay olona mampiantrano ahy, na iza izy na iza. Fa tratry ny fakam-panahy aho tsy nanao an’izany ary hoy ny devoly tamiko hoe an an an, ireo anie nampiantrano anao e, ianao efa avy nitory teny tary amin’ny croisade tary, tany ireo ary teny tiany ny toriteninao, voarainy ilay toriteninao, tsy efa ampy ve izay. George Whitefield no mitantara : andeha hiakatra aho ny hariva hoy izy, ho any amin’ny efitranoko. Miakatra tohatra iny aho hoy izy, miteny amiko ny feon’ny Fanahy Masina : sûr ve ianao ry George fa afaka amin’ny ràn’ireo olona ireo raha anadinako anao ny ràn’ireo olona ireo ? Tsy nijoro vavolombelona ianao, tsy nampieritreritra ianao, fa asa inona ozzy eritreritra tao aminao. Nivarahontsana aho hoy George Whitefield tonga tao an’efitranoko. Dia inona ny zavatra nataony ? Nanana peratra misy diamant izay izy, dia nosoratany teo amin’ny varavarankelin’ny efitrano fandriany hoe : « Diso zavatra iray loha ianao ». Lasa izy ny maraina nanohy ny tournée-ny ; niakatra tao amin’ilay efitranony ilay Général, ny zavatra hitany voalohany, tsy hoe ny fandriana tsy vita sy ny karazany, fa ilay soratra hoe : « Diso zavatra iray loha ianao ». Taitra ilay rangahy, tena hoe voatsindrona tam-pony izy ary niantso ny vadiny ; nahita an’ilay izy ilay vadiny dia namaky, nitomany nigogogogo nandohalika, dia nandohalika koa ny vadiny ary dia nidera an’Andriamanitra. Tamin’io mpanompolahiny io, nampiteneniny tamin’ilay diamant nasiany soratra hoe : «  Diso zavatra iray loha ianal ».

Manontany anao ny Tompo amin’izao maraina izao : sao dia faly mihaino ny toriteny fotsiny ianao ry havana ? Zavatra iray loha inona no mahadiso anao ? Enga anie ka tsy ho tahaka izay nidiranao teto no ivohahanao rehefa avy eo ; fa rehefa hivoaka eto ianao, fantatrao mazava hoe zavatra iray loha no mbola mahadiso ahy amin’izao 30/09 izao. Fa raha tsy izany, aleo ianao tsy niangona e, rehefa tsy hankatoa ny teny. Sao ianao mieritreritra fa hoe tsy ho ahy izany ?

Misy ohatra vitsivitsy ireto :

  • Sao dia ianao no mieritreritra hoe tsara tarehy, tsara bika kanefa diso amin’ny zavatra iray loha ianao, rehefa jeren’ny Tompo ny fanahinao, ohatrany kilemaina ny fanahinao, tena ratsy velona ohatran’ny monstre ny fanahinao fa bogosy be ianao aty ivelany. Diso amin’ny zavatra iray loha ianao eo amin’ny fanahinao, kilemaina ianao.
  • Mba manana fo malahelo, manana fo sensible ihany ianao, mba miantra ny manodidina ihany ianao, eny e, efa manana fo sensible ianao, efa tsara izany ; fa zéro sensibilité ianao amin’ny fahotana : disoa zavatra iray loha ianao. Tsianjery efa fandre izany hoe mibebaha : diso zavatra iray loha ianao.
  • Sao dia ianao no lehilahy na vehivavy manan-tsaina indrindra ato am-piangonana na eo amin’ny fiaraha-monina, be diplaoma indrindra, kanefa dia tena hoe maizina ara-tsaina, donto velona ny amin’ny resaka zavatry ny fanahy, ny raharahan’Andriamanitra? Sao dia ianao izany ? Diso zavatra iray loha ianao.
  • Sao dia ianao, tahaka an’ity tovolahy ity, tena hoe mazoto amin’ny lafiny ara-pivavahana, tena mahavitrika amin’izay rehetra fombam-pivavahana, kanefa tonga amin’ny tenin’ny mpitandrina iray izay hoe : fantatrao ny Baiboly, fantatrao ny fahamarinana fa izay hoy izy : «  il est possible de connaitre la vérité sans l’aimer ». Est-ce que tu connais la vérité mais tu ne l’aimes pas ? Diso zavatra iray loha ianao. «  Il est possible d’entendre l’évangile, de prêcher l’évangile, mais de ne pas y croire ». Diso zavatra iray loha ianao,mazoto mamaky Baiboly nefa tsy mino Azy, mahafantatra ny fahamarinana nefa tsy tia azy na mampiatra azy.
  • Fampieritreretana farany : ianao no mety ilay olona mamy eo amin’ny fiaraha-monina, be namana, namana tsy fohy noho ny antony isa.-karazany, kaneda tsy minamana amin’ilay sakaiza tokana tena tia anao, nandatsaka ny ràny ho anao. Diso zavatra iray loha ianao.

Raha manetry tena ianao, tonga dia hitsian’i Jesoa hoe : Diso zavatra iray loha ianao

Fahamarinana 3 : ZAVATRA IRAY LOHA NO TIAN’NY TOMPO HIBAIKO NY FIAINANTSIKA, DIA NY FANANGONANA RAKITRA ANY AN-DANITRA

Resaka fananana rakitra any an-danitra. Io rakitra io amin’ny teny frantsay dia hoe « trésor » .

Manana rakitra any an-danitra ve ianao ? Maro angamba no tsy manana, fa mety mpanaraka fombam-pivavahana. Tia antsika ny Tompo, zavatra iray loha manomboka izao no tiany hibaiko ny fiainantsika, dia ny fanangonana rakitra any an-danitra. Aza manangona harena eto amin’ity tany ity fa tsy ampiditra anao any an-danitra izany. Fa na iza ianao na iza, satria ny fonao mararin’ny fahotana, hiraikitra amin’iny vola kely na vola be iny ny fonao dia ho hadinonao ny zavatra any an-danitra. Sakana iny idirana any an-danitra, sakana iny anarahana an’i Kristy, nefa ny fanarahana an’i Kristy ihany, ny fiaraha-dalana aminy ihany, ny fankatoavana ny tari-dalany isan’andro isan’andro no hampiditra antsika any an-danitra. Ary farany androany no hitenenan’ny Tompo amintsika hoe « aoka izay io fitiavam-bola io. Firy amintsika no nanapa-kevitra izao androaby 30/09 hoe aoka izay ny fitiavam-bola fa tsy idirana any an-danitra ?

Raha raisinao ho sérieux, raha raisinao ho zava-dehibe ny fisian’ny lanitra, normal be ianao, ary automatique ianao mangorona harena hovantaninao any.

Ahoana no fialana amin’izany fitiavana harena izany ? Mora anie ny miteny hoe mialà amin’ny fitiavana harena e, misy toe-tsaina efa novelarina tero ihany fa averina farany eto indray : tokony tonga sainao ianao fa izay rehetra anananao, tsy anao fa an’i Jesoa. Toe-tsaina izay.

Inona no dikan’izany ? Ny fotoananao, manomboka izao, ampiasao amib’ny fomba manome fifaliana an’Andriamanitra ; ny volanao, tsy anao io volanao io fa azy, ampiasao amin’izay fomba ampidirana olona any an-danitra. Ho fankalazana an’Andriamanitra izany fa tsy ho fankalazana anao. Zavatra iray loha no ilainao : manangona harena any an-danitra ary mahafantatra hoe izay zavatra ataoko hoy ahy, tsy ahy. Io fahaizanao io, aza ampifilaina ny fiangonana, aza ampifilaina i Jesoa ; omena fahaizana ianao, atolory ny fiangonana izany. Izany ny olona mangorona harena any an-danitra. Io ankohonanao io, tsy maintsy atolotrao an’i Jesoa, raha ankohonana kristiana. Ary izany no antom-pisianao. Ary rehefa izany no ataonao, rehefa izany no anovanao ny lasin-tsainao dia tena hoe ny zavatra iray loha eo amin’ny fiainanao : Jesoa no manana ny fitoerana voalohany eo amin’ny fiainanao, tena ho n°1 Izy. Satria zavatra iray  loha no mibaiko ny fiainanao, Izy no lalana mankany amin’ny lanitra ary mangorona harena any an-danitra ianao.

Raha mbola ety an-tany isika, manana ny asa aman-draharaha, manana ny fianarana, manana ny ankohonana, manana izay hoe fialam-boly etc… Fa rehefa hoe zavatra iray loha no mibaiko ny fiainantsika, dia Jesoa : fanangonana harena any an-danitra no ataontsika. Fa rehefa tsy manao an’izay ianao, mikorontana ny fiainanao. Rehefa tsy ataonao an’izay ilay izy dia toa ny famataran’andro maty ny fiainanao. Inona no dikan’izany ? Rehefa maty ny famataran’andro dia entina any amin’ny mpanamboatra, ary vahany. Dia jereny eo hoe inona ilay pièce tsy mampandeha azy. Dia matetika pièce anankiray, zavatra iray loha no tsy mampandeha an’ilay famataran’andro, ary iny no tsy maintsy soloina : zavatra iray loha. Sao sanatria an’izany, toa ny famataran’andro maty ianao, satria zavatra iray loha no tsy mampandeha ny famataran’andron’ny fiainanao ? Ary rehefa jerena, ohatrany mandeha ilay famataran’andro, fa manondro ora fanatanterahana ny zavatra ety an-tany : ora fandehanako miasa izao, ora fandehanako mianatra izao, ora fanaovako fialam-boly izao etc… Fa tsy ora hisaintsainanao isa-minitra hoe zavatra iray loha no ilainao dia ny mangorona harena any an-danitra, hanananao rakitra any an-danitra.

 

Alahady 23 Sept 2018

Jaona 12 :3 : « Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano ».

Fahamarinana 1 : TAHAKA AN’I MARIA, MBA TIAVO JESOA AMIN’NY FITIAVANA VOALOHANY ARY ASEHOY AMIN’NY VOLANAO IZANY

Manahirana antsika izany satria ny mitia Azy tsotra izao aza tsy vitantsika, vao maika ny hitia Azy amin’ny fitiavana voalohany, ary koa hoe aneho izany amin’ny vola. Fa tia antsika ny Tompo, miandry antsika any an-danitra Izy, ajanony ny kolikoly, ajanony ny fahihirana.

Tena mampitolagaga ary mampihetsi-po ny fitiavana voalohany nasehon’i Maria eto : manosotra menaka manitra ny tongotr’i Jesoa izy. Amin’ny fomba jiosy dia hosorana menaka ny lohan’ny vahiny izay tonga miantrano ao aminao ; ary sasàna ihany koa ny tongotry ny vahiny izay miantrano ao aminao. Fa ny an’i Maria, ny tongotr’i Jesoa no nosorany menaka manitra lafo vidy. Ary tsy vitan’izany fa mbola nofoahany tamin’ny volony ; volo izay milaza voninahitra, fahatsaran-tarehy : napetrany teo an-tongotr’i Jesoa ny voninahiny. Izay no nataon’i Maria.

Tia an’i Jesoa amin’ny fitiavana voalohany i Maria ka nanao tamin’i Jesoa, izay mety ho heverin’ny maro, ny mpino tsotra hoe tafahoatra ; tsy mahagaga izany.

Miantso anao ny Tompo androany mba ho tia Azy amin’izany fitiavana voalohany izany koa, dia aneho an’izany amin’ny fandaniana tafahoatra.

Ahoana no nahatonga an’i Maria ahafoy zavatra sarobidy ohatran’izany ? In-telo i Maria no asongadin’ny Tompo ao amin’ny Soratra Masina ary amin’ireo toerana telo ireo dia tsy aiza i Maria fa eo am-pototry ny tongotr’i Jesoa. Ary nandohalika teo am-pototry ny tongotr’i Jesoa izytao anaty  fifaliana, tao anaty fahoriana. Ary eto izy, mandohalika eo an-tongotr’i Jesoa izy raha manao izao fanatitra izao.

Oviana ianao no mba nandohalika farany teo an-tongotr’i Jesoa ? Sa tsy ho anao izany fa ho an’ny hafa? Sa tsy ho anao izany fa sahirana loatra ianao andohalika ? Sa tsy ho anao izany fa raha ara-pivavahana dia feno avonavona, feno fieveran-tena ho zavatra ? Sa tsy ho ana izany satria matoky ny tenanao, matoky ny herinao, matoky ny fahendrenao ianao ? Ho an’i Maria, araka ny tenin’ny mpitoriteny iray, teo an-tongotr’i Jesoa, c’était sa place favorite. Inona no place favorite-nao ? Aiza ny place favorite-nao ? Aiza no fitadiavan’ny Tompo anao ka ahitany anao ? Ary raha tsy handohalika ianao, jamais ianao hanetry tena, jamais ianao iaina izany fitiavana voalohany ho an’ny Tompo izany. Ary manontany anao ny Tompo : sao dia ianao, tamin’ireny fotoana nondohaliantsika tato am-piangonana ireny, no mbola tsy nandohalika mihitsy ? Miteny aminao ny Tompo izay miandry anao any an-danitra hoe : « Tiavo Aho amin’ny fitiavana voalohany ».

Rehefa miresaka an’ity tantaran’i Maria izay nnanosotra menaka manitra an’i Jesoa ity, dia tsy voalaza ato amin’i Jaona , fa ao amin’i Marka 14 :3 :Ary nony tany Betania Jesoa tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesoa ny menaka ». Rehefa andraraka an’ilay menaka manitra, dia vakiana ilay tavoara alabastara, izay vao afaka ahosotra ilay menaka ary dia mamerovero ao anatin’ilay toerana andrarahana azy ilay menaka manitra.

Fahamarinana 2 : AVELAO HOVAKIAN’NY TOMPO NY TAVOARA ALABASTARAN’NY FONAO DIA HAMEROVERO RANOMANITRA NY MANODIDINA ANAO.

Tian’ny Tompo ho vakiana ny tavoara alabastaran’ny foko sy ny fonao. Rehefa inona moa no hoe miezaka mamaky ny tavoara alabastaran’ny fontsika ny Tompo ? Rehefa misy zavatra mamaky ny fontsika ka itenenantsika hoe : « tena vaky mihitsy ny foko ». Ny Tompo izay no miasa ao aminao. Rehefa misy teny, zavatra, fihetsika mandratra anao, miasa ny Tompo izay, mamaky ny tavoara alabastaran’ny fonao.

Maria eto nanaiky nataony an’izany. Tsy fomba tamin’izany hoz vehivavy hiditra amin’ny toerana iray voatokana ho an’ny lehilahy, tsy fomba izany vehivavy mamaha ny fatoran’ny volony izany. Ary azo sary an-tsaina ny tondro molotra, teny fanesoana mandratra, fa tsy nahoan’i Maria izany.

Fa rehefa jerena ny tantaran’i Jodasy eto, tsy mba nanaiky izy ny hoe hovakian’i Jesoa ny tavoara alabastaran’ny fony. Nanao teny nandratra azy i Jesoa teto, nanao teny nanala baraka azy i Jesoa teto, ary any amin’ny synoptique any dia mitantara ny Soratra Masina eto hoe ny mpianatra no nanao fanamarihana hoe inona no anton’izao fandaniam-poana izao. Fa eto, précisé-ny Soratra Masina hoe Jodasy no niana-kendry, be morale, niteny fa raha tsy nolaniana foana teo ilay menaka manitra dia azo nanampiana ny mahantra. Dia vita ny tenin’i Jodasy, dia niteny Jesoa hoe avelao izy. Ilay tenin’i Jesoa dia azo lazaina hoe famaliana mivantana na famaliana an-kolaka an’i Jodasy, fanitsiana azy teo ampahibemaso teo. Ary azo antoka fa nahatsiaro ho afa-baraka i Jodasy teo anatrehan’ny tenin’i Jesoa. Afa-baraka izy satria nahariharin’i Jesoa teo ny fihatsaram-belatsihy, hoeody malahelo ny mahantra izy, nahariharin’i Jesoa teo ny fitiavam-bolany sy ny fahihirany. Nalahelo izy satria arakara ny hihenan’ny vola ao amin’ny kitapom-bola no hihenan’ny vola angalariny. Nahariharin’i  Jesoa ampahibemaso teo fa mpangalatra, mpiatsaravelatsihy i Jodasy.

Raha misy mpino iray angamba manao dinika any amin’ny biraon’i Pasitera ka tenenin’i Pasitera hoe ianao dia miatsaravelatsihy, ianao dia mpangalatra ny volam-piangonana, mety ho safotra ilay olona ; ary na dia hoe entretien voafehin’ny secret pastoral aza ny dinika natao, vao mivoaka ny biral izy dia mety hitantara hoe lalina anie ny nanaovan’i Pasitera ahy e. Fa ity, tsy dinika pastoral en tête à tête tao amin’ny biraon’i Jesoa fa teo ampahibemaso no ciblé-n’i Jesoa i Jodasy, ampahibemaso izy no afa-baraka, nahariharin’i Jesoa ny toetra ratsiny. Izay ilay hoe te hamaky ny tavoara alabastaran’ny fon’i Jodasy i Jesoa ahatonga saina azy.

Ny hafatra ho antsika dia hoe : avelao ny Tompo ampiasa izay fomba rehetra tiany ampiasaina mba hamakiany an’io tavoara alabastaran’ny fonao io. Mety teny mandratra izany, mety fihetsika mampiseho ny tsy rariny izany,mety teny mandratra eo anivon’ny tokantranonao izany, mety daroka izany ; fa ny Tompo te hamaky ny tavoara alabastaran’ny fonao. Fa une fois vaky ny tavoara alabastaran’ny fonaodia ilay fanahy izay ao aminao zanak’Andriamanitra, hamerovero : hemerovero fitiavana ianao, hamerovero fifaliana ianao, ary ho feno fifaliana izay toerana misy anao, miantomboka ao amin’ny ankohonanao.

Fahamarinana 3 : ASEHOY AMIN’NY VOLANAO FA JESOA DIA MESIA MATY HO ANAO

Hoy ny Jaona 11 :53 « Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo ». Signé ny arrêt de mort-n’i Jesoa eto. Ny nihendry hahafaty an’i Jesoa dia lohan’ny mpisorona sy ny fariseo. Ary dia izay no heverina fa ren’i Maria koa, hoe Jesoa ho faty. Ary dia efa alohavin’i Maria izany fahafatesan’i Jesoa izany : nosoran’i Maria menaka ny tongotr’i Jesoa. Ankoatra ny fanantren-tena, fanambarana izany fa fantany hoe ho faty i Jesoa. Satria teo amin’ny jiosy, ny olona maty ihany no hosorana menaka ny tongotra. Fa ny olona ohatran’i Jodasy, angamba koa ny mpianatra hafa, tsy nahafantatra an’i Jesoa ho Mesia ho faty, dia milaza an’izany ho fandaniam-poana.

Alaivo sary an-tsaina, ny vidin’ity menaka ity dia hoe karama 1 taona. Ny karamanao herintaona atolotrao an’i Jesoa. Hisy hiteny hoe «  sao dia trop izany Pasitera ? » Fa ny olona izay mahafantatra an’i Jesoa ho Mesia maty ho azy, no mahafoy vola ohatran’izany. Nahafinaritra ny tenin’ny mpitoriteny iray : « Marie reconnait que Jésus vaut mieux que tout l’or du monde », sarobidy lavitra ho an’i Maria i Jesoa noho izay volamena rehetra ety an-tany. Ary hoy ihany izy hoe : « Pour Marie, pour Dieu rien n’était trop beau ».

Angataho ny Fanahy Masina hitarika anao ho amin’ny marina rehetra, ary ahafantatra marina an’i Jesoa ianao, Jesoa voahombo ho anao manokana teo amin’ny hazo fijaliana noho ny fahotanao, ary nitsangana tamin’ny maty hanamarinana anao manokana. Tsy hoe tsy ahoan’i Jesoa ny mahantra, diso izany ; fa tiany aloa isika haneho fitiavana Azy amin’ny fitiavana voalohany ary ahafantatra Azy marina ho Mesia maty ho an’ny fahotantsika. Dia hoy ny mpitoriteny iray hoe ny Fanahy Masina izay mampidina ao am-ponao izany fitiavana voalohany izany, iny Fanahy Masina iny ihany no hitarika anao hitia marina ny malahelo sy hanome ho an’ny malahelo. Araraoty ohatran’i Maria ny opportunité spirituelle anehoanao ny fitiavanao ny Tomponao, amin’ny Mesianao : maty Jesoa ary velona mandrakizay Izy ankehitriny. Fa ny zavatra maika alohan’ny fara-fofon’ainao, dia hoe asehoy marina fa raisinao ho Mesia maty ho anao manokana i Jesoa ; asehoy amin’ny volanao izany ; asehoy amin’ny fanomezana manana endrika sacrifice izany : tsy ny tonom-bola no zava-dehibe, fa raha mbola ambin’ambim-bola no omenao, tsy ampiditra anao any an-danitra izany.

Miandry anao any an-danitra ny Tompo,aoka izay io fitiavam-bola io, aoka izay io kolikoly io.

ALAHADY 16 SEPT 2018

« Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory"   (Josoa 1: 5) ». Hebreo 13 :5

AOKA IZAY IO FITIAVAM-BOLA IO

Fahamarinana 1 : AZA MAMPIDITRA AN’I MAMONA AO AMIN’NY FIAINANAO FA TSY HIDIRANAO ANY AN- DANITRA NY ASAN’I MAMONA AO AMIN’NY FIAINANAO

Mamôna tsy miditra, fa izaho sy ianao no mampiditra azy. Fantatsika tsara mamôna fa andrialanitry ny vola, andriamanitry ny finances ; ary tsy ianarana any amin’ny école de finances na école de gestion izany, fa ao amin’ny Baiboly. Ary amin’ny maha-andriamanitra azy, amin’ny maha-fanahy azy, dia mi-influencé ny fiainan’ny olona mba hahatonga azy ho tia vola.Izany no mahatonga ny olona ho tia vola. Ary mifehy ny fiainan’ny olona izy mba hatoky vola, mba hatoky azy mamôna.Aza mampiditra an’i mamôna ao amin’ny fiainanao, aza tia vola.

Manao ahoana ny fiainan’ny olona tia vola ka nanjary nampiditra an’i mamôna ao amin’ny fiainana, mi-influencé ny fiainany, hifehy ny fiainany, hanankinany ny fiainany? Valiny : ny vola no ivo sy ambony indrindra ao amin’ny fiainany.

Asain’ny Tompo mandinin-tena ianao : sao dia ianao sao dia ianao ilay zanak’Andriamanitra manao an’i mamôna, manao ny vola ho ivo sy ambony ao amin’ny fiainanao, manao araka ny fiteny malagasy izay mifanohitra tanteraka amin’ny Baiboly hoe manao ny vola ho hozatry ny fiainana ? Ahitsio izany kolon-tsaina izany, aza atao ivo sy ambony intsony ny vola ao amin’ny fiainanao. Fa rehefa ataonao ivo sy ambony ny vola eo amin’ny fiainanao dia izao : tsy misy ny vola, mangovitra ianao ; misy ny vola, matahotra ianao sao dia very izany. Tsy manam-piadanana, tsy manana fifaliana, fa ao anaty tahotra ianao satria ny vola no ataona ivo ary nampiditra an’i mamôna ianao ao amin’ny fiainana.

Mandinika ny olona amin’ny andavan’androm-piainana isika entanin’i mamôna dia rehefa misy adidy kely tokony atao, tsy mahafoy satria matahotra ny tsy ho ampy vola. Fa ny tena mahavariana ihany koa anefa dia amin’ny adidy izy mahihitra, fa amin’ny andavan’andro izy dia tratry ny fividianana entana atao amin’ny haitraitra, « achat compulsif » : zavatra tsy ilaina akory fa vidiana vokatry ny haitraitra, tsy afaka manohitra ilay fakam-panahy, ary jereo anie firy ny olona mandeha mi-traine any amin’ireny grandes surfaces ireny, na tsy hividy aza fa hoe manonofy hividy. Ilay grandes surfaces dia azo lazaina hoe toa ny tempolin’i mamôna, dia faly ilay olona mankao. Ny olona manao ny vola ho ivo sy ambony, dia ny vola no mibaiko ny fiainany, ny fifandraisana dia baikon’ny vola, manao havana raha misy patsa ; ary hatrany am-piangonana dia kenakenaina ery rehefa olona manana ny maha-izy azy sy manam-bola, fa rehefa olona tsotsotra ianao ao amin’ny sampana dia atao ohatrany fako. Izany rehefa miasa mamôna ; ary hatraty am-piangonana,mamôna no miasa : manao fahafolon-karena ihany (fa soa fa tsy misy mahita hoe tena fahafolony marina ve fa anao sy ny Tompo izany) fa mandroba. Ary araka ny voalaza tamin’ny herinandro, tsy anao anie io vola io e, mpitantana anie ianao e ; fa rehefa iasan’i mamôna ny fanahy, ny fo, ny sain’ny olona iray dia hita ao aminy ilay hoe « tia kely », « avidité » hoy ny teny frantsay ; hita ao aminy ilay hoe fahihirana, « avarice », ary hita ao aminy ilay hoe fieremana, «  cupidité ».

Hoy ny Lioka 12 :15 : «Ary hoy Izy tamin'ny olona:Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany ».Ilay fieremana eto dia sady azo adika hoe cupidité no azo adika koa hoe fahihirana. Fahihirana amin’ny ankapobeny fa fahihirana ho an’Andriamanitra ; satria heverin’ny olona mahihitra fa ny ain’ny olona dia miankina amin’ny habetsahan’ny volany sy ny compte en banque-ny. Izay ilay mamôna miasa ao amin’ilay fieremana.

Hoy ny Efesiana 5 :5 : «Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina   (mpanompo sampy izany) ».Io ilay tenenin’i Lioka hoe « miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo ». Ilay cupidité na ilay avarice dia fanompoana an’i mamôna ary tsy andovàna ny fanjakan’ny lanitra.

Fahamarinana 2 : MIANARÀ MIANINA AMIN’IZAY ANANANAO

Rehefa tenenina isika hoe aza tia vola fa ny fitiavam-bola no mampiditra an’i mamôna ao amin’ny fiainanao, ny secret-ny fandresena ny fitiavam-bola, ny secret- ny fandresena ny fitiavana an’i mamôna dia ny fianarana mianina amin’izay ananana.

Misy karazany 2 ny olona ampianarina hianina amin’izay ananany ; ary izy 2 roa dia samy nampianarina ny secret-ny fandresena ny fitiavam-bola, dia ny fanomezana. Hoy ny Matio 6 :20 : «Fa miharia harena ho anareo any an-danitra ». Ary ahoana no fihariako harena any an-danitra ? Amin’ny alalan’ny fanomezana. Anankiroa no lalàna mibaiko ny fiainana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra dieny ety an-tany, dia ny fanomezana sy ny fandraisana : ao izay natao hanome, ary ao izay natao handray.

  • Ny karazan’olona voalohany tenenina hoe « mianarà mianina amin’izay anananao » dia ny olona manam-bola, ny olona manan-karena. Tsy tompon’io vola io ianao fa mpitantana ; ary io vola io dia natao ho omena : omena izay mila izany, omena anohanana ny asan’Andriamanitra.

Ry havana, io volanao io, io volabe anao io, natao omena an’Andriamanitra io, raha tianao ho lovaina rahatrizay any an-danitra, ary raha tsy tianao ho simban’ny kalalao sy lasan’ny mpangalatra ety an-tany.

Izay ity karazan’olona ity : manana be izy dia manome be. Ary averina indray fa fampianarana diabolique ny théologie de la prospérité milaza fa hoe rehefa tena zanak’Andriamanitra ianao, iasan’ny fanahy masina ianao, ankasitrahan’Andriamanitra ianao, dia manan-karena.

  • Ny karazan’olona faharoa dia ireo olona anaty fahoriana, olona anaty tsi-fisiana. Dia miteny izy hoe androany dia izao no lahatry ny Ray ho ahy. Izaho zanaka ary nanana ray aman-dreny aho, fa tsy takatro hatrany ny fomba fitantanany anay, fa fantatro ry zareo hoe tia ahy ; dia ohatran’izany koa ny lafiny ara-panahy : tsy takatrao amin’izao fotoana izao hoe fa maninona no anaty fahoriana sy fahantrana ianao. Fa John Wesley raha nanontaniana hoe ahoana ny secret-ny sérénité-nao, ny fiadanam-ponao, ny fifalianao mandrakariva, dia namaly hoe : « izao ilay secret : feheziko io masoko io ka isaky ny mitontona ny fahoriana, isaky ny mandalo lalan-tsarotra aho, efa nofeheziko ny masoko hibanjina ny lanitra, ataoko reflexe ny mibanjina ny lanitra, satria ao an-danitra ao dia fantatro fa ilay Andriamanitra inoako, izay antsoiko hoe Ray malala no nanendry an’izao ary fantany izay ataony ».

Andriamanitra no miahy ny fiainanao, izy mahafantatra izay rehetra momba anao, ary ho antsika izay anaty fahoriana na mandalo fahoriana, jereo ny exemple an’i John Wesley. Ary ho antsika izay manana, manontania ny Tompo hoe ampahany toa inona amin’io vola io no mbola ilain’ny Tompo ankoatra ny rakitra, ny adidy, ny fahafolon-karena… Dia ho tanana manolotra, hamonjy olona anaty fahoriana satria io olona io, eo am-piandrasana ahy dia efa nampianarin’ny Tompo ianina amin’izay ananany.

Mianarà mianina amin’izay anananao : raha manana ianao, mahafoiza bebe kokoa ; raha anaty fahoriana ianao, andrandrao ny tanan’Andriamanitra. Ary ho antsika rehetra, isika efa nandray ny Fanahy Masina, io Fanahy Masina io araka ny fahafantarantsika azy dia fanahin’ny fahononan-tena : avelao amin’izay mba hiasa ao amintsika io Fanahy Masina io hananantsika fahononan-tena, mba hoe hianina amin’izay ananantsika isika.

Ilay mianatra mianina amin’izay hananana hoy John Wesley dia toe-tsaina, toe-po, toe-panahy, izany hoe any anaty any. Dia izy any anaty io, miseho eo amin’ny tarehy hoy John Wesley ; ary ny tarehin’ny olona hoe mianina amin’izay ananany dia mitaratra fifaliana sy fiadanam-po. Ary tena mahafinaritra mihitsy hoy izy ny miara-monina amin’ny olona mianina amin’izay ananany.

I John Wesley ihany no miteny fa ny tarehy ratsy tsy azo ovaina, fa efa io izy, dia mizatra amin’ilay tarehy ratsy na izaho na ny hafa. Fa ny rehetra hoy izy, na dia ratsy tarehy, dia afaka manana izay tarehy mitaratra toe-po sy toe-panahy mianina amin’izay ananany izay.

Isika rehetra dia antsoin’ny Tompo hanana izany tarehy mitaratra izay fahaiza-mianina amin’izay ananana izay, mitondra fifaliana ary mitoetra anay fiadanam-po ka irian’ny mpiara-belona amintsika.

Fahamarinana 3 :HO ANAO TE HANATSAHATRA NY FITIAVAM-BOLA, TSAROVY NY FANATREHAN’ANDRIAMANITRA, NY PRESENCE DE DIEU AO AMIN’NY FIAINANAO

Hoy ny Soratra Masina hoe : « fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" ». Nanomboka nitoriteny momba an’iony Pasitera iray : «  ny zavatra mahamay antsika dia ny prévision, hoe hanao ahoana ny toetr’andro ? Hanao ahoana ny ho aviko ? Samy liana ary samy may amin’izany daholo raha mbola olombelona : manao prévision ohatran’izany. Fa izao hoy ilay Pasitera : izaho hanao prévision ho amin’ny ho avinareo ireo, ary izany prévision izany dia ho marina à 100%, hoe Andriamanitra hanatrika ny fiainanao. Tenin’Andriamanitra io, ary Izy tsy mandainga. Teny nomeny an’i Abrahama io tamin’ny fotoan’andro, teny nomeny an’i Mosesy io tamin’ny fotoan’andro, teny nomeny an’i Josoa io taorian’i Mosesy, ary teny omeny anao io anio : Hanatrika anao Andriamanitra ; tsy handao anao mihitsy izy ary tsy ahafoy anao akory. Izany ny toky, izany no teny fampanantenana omeny anao.

Aza diso hevitra anefa amin’izany hoe Andriamanitra manome toky ny amin’ny présence-ny ao amin’ny fiainanao izany : ilay présence-n’Andriamanitra ao amin’ny fiainanao tsy midika hoe tsy handalo fahoriana ianao; Jesosy niteny hoe eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana ; fa ao anatin’io fahorianao io, ianao very vola io, ianao anaty fisaonana io, ianao may trano io, ianao very asa io, ianao taizan’aretina io : milaza Izy aminao anio hoe : « eo amin’ny fanatrehako ianao », « tu es en ma présence et je suis avec toi dans l’épreuve ». Izany no vaovao mahafaly ho antsika izao. Ary fahadalana be ny antsika mpino ny tsy mahalala.