Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 04 NOV 2018

Hebreo 11 : 13 ;16 : « Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tety ambonin'ny tany izy. Fa amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo Izy ».

RESAKA TANINDRAZANA
Ny tonin’ny hiram-pirenentsika eo amin’ny fiatombohany, dia manao hoe : « Ry tanindrazanay malala, ry Madagasikara soa ». Raha izay dia afaka ovaina izany hoe : « Ry tanindrazanay malala, ry Jerosalema soa ». Izay ilay toriteny : fanovàna ny lasin-tsaina, hibanjina ny lanitra mandrakizay : Ry tanindrazanay malala, ry Jerosalema soa ». Ahoana ary no hanazavana misimisy kokoa izany hafatry ny Tompo izany ? Ilay Jerosalema soa io mantsy dia lazain’ny and.16 hoe tanàna namboarin’Andriamanitra ho an’ny olona izay nodimandry ao amin’ny finoana. Misy matoanteny 3 ao amin’ny and.13 azo anompanana izao hafatra izao. Ireo olon’ny finoana ambaran’ny and. 13 ireo dia miompana amin’ny matoanteny 3 ny fiainany, ny finoany :
- nahatazana ilay teny fikasana, ilay promesse
- niarahaba an’ilay promesse, amin’ny Segond dia hoe ni-saluer na ni-embrasser ilay promesse
- tsy mbola nahita ny teny fikasana, ny nahita ny fahatanterahan’izany teny fikasana izany.
Fa izy ireo, nodimandry ao amin’ny Tompo. Ny hirariana ho antsika izay antenaina fa hoe hanana ny tanindrazany manomboka izao, ny tena tanindrazany, any an-danitra, dia hoe samy hahatazana an’izany teny fikasàna izany, samy hiarahaba, hanoroka an’izany teny fikasana izany, na dia hoe mbola tsy nahazo an’izany teny fikasana izany aza.

Fahamarinana 1 : NY TENA MPINO DIA MAHATAZANA NY TENY FIKASANA
Anisan’ny andinin-tsoratra Masina malaza indrindra ary manampy amin’ny famaritana ny finoana, ny Hebreo 11 :1 : « Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita ». Izany no atao hoe finoana, ary izay koa ko lafin’ny finoana anankiray, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hoy ny Segond hoe : « démonstration des choses invisibles ». Ary soa isika fa manana ity tenin’Andriamanitra ity, izay ambarantsika isaky ny Alahady hoe tenin’ny fahamarinana, milaza amintsika hoe misy tanàna masina any, izay nomanin’Andriamanitra ho an’i Abrahama, sy Isaka ary Jakoba, fa nomaniny ho antsika koa. Mino an’izany ve ianao ? Asehonao ao amin’ny fiainanao ve izany fa misy tanàna tsy hita maso izay nomaniny ho anao ?
Raha ity Madagasikara ity no jerena dia azo lazaina hoe tany tondra-dronono sy tantely, azo lazaina hoe mirakitra harena sarobidy tsy tambo isaina, tsy tambo tononina. Ny rehetra rehefa mijery an’ity Madagasikara ity dia hoe tena manan-karena Madagasikara, tena tsara Madagasikara. Ry havana, misy ny tsara lavitra noho ity tanindrazantsika ety an-tany ity, dia ilay tanàna tsy natao tanana. Ary rehefa mijery ny Hebreo 11 :39-40, i Abrahama sy Isaka ary Jakoba izay nodimandry, maty tamin’ny finoana, dia miandry antsika ao an-danitra ao ankehitriny. Fa tsy mbola avelan’Andriamanitra hiditra ao amin’izany Jerosalema Vaovao izany izy, fa miandry ahy sy miandry anao, hiditra amin’izany tanàna masina izany, dia by renivohitry ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao. Mino an’izany ve ianao ? Sambatra ianao raha manana tany tsara ety, raha manana trano tsara ety, raha manana an’izao sy izao ety an-tany ; fa mivavaha mba tsy ho variana ianao ka hanadinoanao ny tena izy, dia ilay tanàna ao Jerosalema Vaovao.
Inona no atao mba ho isan’ny haharitra amin’izany finoana izany ianao, mba hahatoky ny zavatra antenainao ianao ? Tsy vitan’ny hoe mino ny zavatra tsy hitan’ny masoko, fa mino aho fa misy izany Jerosalema Vaovao izany, ary manantena aho fa ho tafiditra any amin’izany Jerosalema Vaovao izany. Ny teny no manambara aminao izany, ary ny olona mino dia mamaly ilay teny amin’ny alalan’ny vavaka. Ny olona izay manantena fa nanamboaran’Andriamanitra an’izany Jerosalema Vaovao izay dia olona vontom-bavaka ny fiainany. Raha finoana tsy miorina amin’ny Soratra Masina, raha finoana tsy mitarika anao hivavaka, dia fombam-pivavahana izany, ary tsy hampiditra anao any Jerosalema Vaovao.
Nahafinaritra ilay sary nampiasain’ny mpanompon’Andriamabitra iray izay momba ny vavaka. Hoy izy hoe fantatr’isika tsara ireny tao-plesy ireny. Ilay tao-plesy hoy izy dia azo antsoina hoe vavaka ; ny tanana maninjitra ilay fingotra dia ny finoana. Ilay vavaka izany dia ampiasaina amin’ny finoana. Ary ilay vatokely no teny fikasana omen’Andriamanitra anao. Dia alefanao hitifiranao any an-danitra hoe Ray malala o, misaotra anao aho androany 04/11/18 nomenao teny fikasana mazava, dia teny fikasana izay nomenao an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ; io fa mivavaka aho amin’ny tao-plesiko enjaniko amin’ny tanako feno finoana ity, alefako any aminao ny vavako, mba haharetako amin’ny fahatokiana, ny fanantenako ary ho tena fanehoana an’izany zavatra tsy hita maso izany ny fiainako. Ry havana, miovà ianao raha tokony hiova, aoka ho vontom-bavaka izany fiainanao izany.
Izay izany ilay hoe nahatazana ny teny fikasana, dia ny fisian’ny Jerosalema Vaovao nomanina ho antsika izany.

Fahamarinana 2 : NY TENA MPINO DIA MIARAHABA, MANOROKA NY TENY FIKASANA
Ny zavatra tiana, ny olona tiana no horohana, horokorohana, atao maty oroka ; ary miteraka fifaliana ho azy izany, ary miteraka fifaliana ho an’ilay manoroka.
Abrahama sy Isaka ary Jakoba dia niarahaba, nanoroka an’ilay teny fikasana. Inona no vokatr’izany hoe nanoroka ilay teny fikasana izany ? Nanova tanteraka ny fiainany izany. Ny zavatra tena niova tao amin’ny fiainan’i Abrahama, ny zavatra tena nisongadina : nahafoy ny zavatra rehetra ho an’Andriamanitra izy ; hatramin’i Isaka, ilay zanaka lahy tokana, ilay zanaky ny teny fikasana, ilay zanaky ny fahanterana, foiny ho an’Andriamanitra. Izany ny olona manoroka ny teny fikasana. Satria nahafantatra izy hoe vahiny sy mpivahiny izy, fa ny tanindrazany dia Jerosalema Vaovao.
Fa rehefa jerena ihany io Hebreo 11 io, misy modeli-na finoana hafa ao, izay tena hoe nampifanaraka ny fiainany tamin’izany finoana izany. Ny ohatra omen’ny Hebreo 11 :4 dia Abela, rahalahin’i Kaina. Fa naninona no nankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitr’i Abela ? Satria fanatitra niteraka fandatsahana rà . Raha tsy misy rà alatsaka, tsy misy fahamarinana, Izany no takatr’i Abela ; ny Soratra Masina tsy miteny hoe ahoana no nahafantaran’i Abela an’izany ; ary izany no tsy nankasitrahana ny fanatitr’i Kaina. Kaina manao fomba fombam-pivavahana fotsiny ; fa i Abela tena hoe nanao fanatitra alatsa-drà. Ary raha mbola velona izany Abela izany amin’izao fotoana izao ka hoe manantena Jerosalema Vaovao, tsy izany Abela izany no ho mpanao kolikoly amin’izao fotoana izao, fa mandeha amin’ny fahamarinana. Ary izany Abela izany, lazain’ny Hebreo 11 fa mbola miteny na dia maty aza.
Ny ohatry ny tena finoana omena antsika koa dia Enoka, niakatra velona any an-danitra. Fa alohan’ny niakarany velona any an-danitra, inona ny zavatra lazaina momba an’i Enoka ? Niara-nandeha na nandeha miaraka amin’Andriamanitra. Firy amintsika no lazaina, raha jerena avy any an-danitra, ka hoe mandeha miaraka amin’Andriamanitra ?
Sitrak’Andriamanitra, na i Abela, na i Enoka ry havana.
Fa olona hoe novain’Andriamanitra koa ny fiainany, dia i Noa. 70 taona izy nanamboatra ny sambo ; izany hoe ny fiainany dia tena natokany hanaovana tetik’asa ho an’Andriamanitra. Ny asanao ve ankasitrahan’Andriamanitra ? Ary io asanao io ve araka ny tenin’ny Apostoly Paoly, ataonao amin’ny finoana, fa tsy ataonao toa ny ho an’ny olona, fa hoe ho an’Andriamanitra ? Izany ny olona manoroka ilay teny fikasana hoe misy izany Jerosalema Vaovao izany, fa tsy hoe mody fotsiny na tonon-kira mampientanentana fotsiny. Teny fikasana manova fiainana.
Tsary ihany ny mampatsiahy na mipasoka ny efa malama : zavatra roa no tsaroana manokana eto amin’izao maraina izao, ho antsika izay manana an’izany hoe tanindrazana any an-danitra izany, ho antsika izay manana ny razambentsika any an-danitra,ny razambentsika mantsy dia Andriamanitra, ny razambentsika mantsy dia Jesoa, ny razambentsika dia ry Abrahama sy Isaka ary Jakoba ; zavatra roa no ampatsiahivina hoe tokony ialana :
1. Ny famadihana
30 taona, 40 taona lasa izay, lohahevitra niteraka ady hevitra mangotraka izany famadihana izany. Fa 30 taona, 40 taoba aty aoriana, raha isika Fjkm, efa niteny mazava mihitsy hoe tsy fanaon’ny olona nandre ny teny fikasana ny amin’ny Jerosalema Vaovao, izany mamadika izany. Satria raha ny mpino Fjkm dia tsy mikirakira faty maina (foto-dalàna).
2. Ny fandihizana (bal)
Pasteur Ammi nampatsiahy tamin’ny herintaona, ary tsy niteny an’izany izy, fa ao ambadik’io, fomban’izao tontolo izao ; niteny izy tamin’ny Août 2017 tany Diégo : ity, hoy izy, tsy didy, fa teny-na ray aman-dreny, hoe ialao amin’izay io bal io. Ka ny fomba nitenenany azy doa hoe : aoka ny FJKM rehefa mamory olona amin’ny anaran’ny FJKM, aoka tsy asiana bal, fandihizana. Fa izy moa maka mora, izy moa mitaiza, dia izany no nilazany azy. Fa rehefa zohina ny logique, rehefa tsy mety, dia tsy mety.Teny amin’ny olona manaiky ny teny fikasana izany, manoroka ny teny fikasana ka milaza hoe izaho efa anisan’ny voasoratra any Jerosalema Vaovao ny anarako. Ka hoe, raha fety-na batisa, fety-na fandraisana fanasan’ny Tompo, fetim-piangonana, aza asiana bal. Fa raha hanao bal ianareo, mandehana any amin’ny boîte, mandehana any amin’ny toerana fandihizana ; fa tsy hoe batisa dia hisy bal, katekomena dia hisy bal.

Fahamarinana 3 : NY TENA MPINO DIA MANANA FAHARETANA AMIN’NY FAHATOKISANA NY ZAVATRA ANTENAINY
Ireto mpino ireto, raha tonga ny andro nahafatesany, dia tsy nahazo ilay teny fikasana. Ny dikan’ilay hoe tsy nahazo dia hoe tsy nahita ny fahatanterahana tanteraka, ilay accomplissement total an’ilay promesse.
Ampaherezana antsika izany mba haharitra amin’ny fahatokisana ny zavatra antenaintsika isika, haharitra amin’ny finoana ny zavatra tsy hita isika, sao dia hoe misy teny fikasana omen’Andriamanitra anao, ka hitanao hoe mbola tsy tanteraka izany.
Ny teny fikasana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama, dia hoe : omen’Andriamanitra itoeran’Isiraely ny tany kanànà. Ny teny faharoa dia hoe :ny zanak’i Abrahama dia ho tonga firenena lehibe. Ary ny fikasana fahatelo dia hoe : hiteraka i Saraha vadiny, ka atao hoe Isaka ny anarany. Ary ny farany dia hoe : avy amin’ny firenena jiosy, izany hoe tamin’ny taranak’i Abrahama no hivoahan’ny Mesia. Ireo ny teny fikasana nomena an’i Abrahama. Raha nodimandry i Abrahama, fikasana iray tamin’ireo ihany no tanteraka tamin’ny fahavelony. Sao dia kivy ianao, araka ilay notenenina teo, mampiasa tao-plesy ihany, kanefa tsy mahazo valim-bavaka. Maharetà ! Maharetà amin’ny fiainam-bavaka, fa ny Tompo hahatanteraka izay rehetra ho anao. Ary manokafa Baiboly isan’andro, fa araka ny fitenin’ny mpandinika Baiboly : misy teny fikasana iray ho an’ny olona ao fara-fahakeliny isan’andro. « Il y a une promesse pour chaque jour ». Ampiasao ny tao-plesy handefasanao an’izany promesse izany, ampatsiahivanao an’Andriamanitra hoe :Jesoa, ity teny fikasana androany 04/11 ity, ahoana ny amin’io ? Manokafa Baiboly. Tsy misy olona hoe tsy manokatra Baiboly izany ka handre an’Andriamanitra hanome azy promesse : ça n’existe pas ! Ampiasao ny tao-plesy dia maharetà miandry ny valim-bavaka, fa efa fantatr’i Jesoa ihany izay hataony hamonjena anao.
Faranana izao teny izao : ireo mpanompon’Andriamanitra resahina eto ireo,Abrahama, Isaka ary Jakoba, naniry ny tsara lavitra, dia ny any an-danitra, nitondra tena tahaka ny vahiny sy mpivahiny izy teto amin’ity tany ity. Ary izy ireo dia maty tamin’ny finoana.
Tsy maintsy ho avy, na ho ela, na ho haingana, ny andro ahafatesako, ny andro ahafatesanao. Amin’izay fotoana izay ve, na afaka adiny iray, na afaka 100 taona, dia afaka miteny izay manatitra anao hoe : maty tamin’ny finoana izy io ?
Nijoro vavolombelona, ary tena sambatra ny zanak’i César Malan,mpamoron-kira tena nandray ny Tompo ary mpamoron-kira ara-pilazantsara malaza be ; manoratra ny biographie-ny dadany izy, dia sambatra izy manoratra izany, fa ilay dokotera nandeha ni-consulte ny dadany teo amin’ny fandriana nahafatesan’ilay dadany, tonga tao, dia niteny ilay dokotera : sambatra ianao manana ray ohatran’io, fa hitako maso ankehitriny ny zavatra henon’ny sofiko fotsiny hatramin’izay, hoe sambatra ny olona izay modimandry ao amin’ny Tompo. Efa ren’ny sofiko izany, fa nahita ny dadanao aho dia hitako izany hoe olona niomana modimandry ao amin’ny Tompo izany.
Ry fiangonana, manao ahoana ny finoanao ? Finoana ve ny anao sa sanatria an’izany fombam-pivavahana ? Enga anie ny Tompo hitahy izany teny izany ary samy ho hita voaomana ho amin’ny fihaonana amin’ny Tompontsika isika rahatrizay ho avy haka antsika izy.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo.

Amena

 

 

ALAHADY 28 OKT 2018

Asan’ny Apostoly 8 :12 : « Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesoa Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy ».

« Ary rehefa nino an’i Filipo ». Ny titre-ny toriteny dia hoe : IZAHO, IANAO, MPINO MANAO AHOANA ? Ary raha préciser-na ilay hoe mpino manao ahoana, dia hoe : MPINO CREDIBLE VE IANAO ? Izany hoe MPINO AZO INOANA VE IANAO ? MPINO AZO ITOKIANA VE IANAO ? Izay ilay fampieritreretana.

Pasitera crédible be aho ? Mpiandry crédible ve ianao ? Zanaky ny fifohazana crédible ve ianao ?...

Fahamarinana 1 : REHEFA MITENY IANAO, INOAN’NY OLONA VE ?

Nino an’i Filipo ny vahoaka rehetra teo. Hatramin’i Simona mpanao ody nikoizana nino an’i Filipo.

Filipo tsy Apostoly fa iray amin’ireo 7 lahy diakona voalohany, diakona crédible. Firy ny diakona crédible ato ? Hiroso amin’ny fifidianana mantsy isika izao. Filipo dia diakona ary nirahin’ny Fanahy Masina nankany Samaria izy ; Samaria izany tena hoe sakay sy maso amin’ny jiosy, satria ireto samaritana ireto raha tsy lazaina hoe jiosy, jiosy ihany ireo, taranaka jiosy. Raha lazaina hoe jentilisa, jentilisa ihany ireo satria nandray ny fomba jentilisa nentin’ny Asiriana sy ny Babiloniana. Ka sady jentilisa no jiosy izany, dia sakay sy maso izy sy ny jiosy fa tany no nitarihin’ny Fanahy Masina an’i Filipo hitory ny tenin’Andriamanitra. Ary teny ny Fanahy Masina no nitarika azy satria izao fitorian-teny nataon’i Filipo tao amin’ny tanàna iray tao Samaria tao, dia efa tena hoe nomanin’ilay fihaonan’i Jesoa tamin’ilay vehivavy samaritana, ilay nampahafantaran’i Jesoa ny tenany hoe mesia. Efa izany izany no ohatrany hoe voa nafafy tany, dia hoe notondrahan’i Filipo. Zavatra roa no votoantin’ny hafatr’i Filipo, sy ny votoantin’ny Baiboly : ny fanjakan’Andriamanitra. Andriamanitra dia Mpanjaka ary te hanjaka amin’ny fonao. Ary faharoa, ny anaran’i Jesoa no anarana tokana ety ambanin’ny lanitra ahazoana famonjena. Izay no notorian’i Filipo tao Samaria tao. Ilay fanontaniana dia hoe : ianao ve mpino crédible ? Azon’ny olona mihaino anao inoana ve ianao ?

Misy pasitera iray nitantaran’ny vehivavy 65 taona iray ny adalany, dia hoy izy hoe, izaho pasitera, asa na fantatrao na tsy fantatrao, fa izaho tena tia an’i Elvis Presley. Maty tamin’ny 1997 i Elvis Presley. Dia mitantara amin’ilay pasitera ilay ramatoa hoe izaho tena tia azy, ary ren’i pasitera angamba ny sonnerie-ny telefaonina-ko fa hiran’i Elvis Presley malaza be hoy izy. Ary izao, nanomboka tamin’ny 1997 hoy izy, isa-taona isa-taona, izaho, ny vadiko, dia ny anabavin’ny vadiko, dia mandeha mamangy ny tranon’i Elvis Presley any Etazonia sy manao pèlerinage ao amin’ny fasany. Dia mitantara izy hoe, pasitera o, izaho tsy milaza ny billet d’avion, fa raha ny sakafo sy ny hotely sy ny frais-nay fotsiny dia efa 8.000dollars. Ary dia hoy izy hoe, izao no izy pasitera, rehefa mankany aho dia manana fifaliana aok’izany aho, rehefa mankany aho dia tena mientanentana ny foko sy ny fanahiko, toa ny manovo fankaherezana izany aho ao amin’ny tananan’i Elvis Presley, hoe ndryyy, ity tranony e, ity fandrinany e, dia ato moa izany ny fasany izao. Dia hoy ilay pasitera anakampo hoe raha izaho no nanana 8.000dollars, tsy nankany aho fa tao an-tokotany ihany dia nataoko tao am paosiko ny 8.000dollars dia nampahery ahy. Dia hoy ilay pasitera : saika babony aho, saika voapitany tamiko ny fitiavany an’i Elvis Presley, satria tena hitanao mihitsy ilay olona tena tia, ary ny fony, ny fanahiny, ny sainy, dia natolony an’i Elvis Presley. Ary raha mbola sokafana angamba ny any anaty tsinainy any hoy izy dia misy soratra hoe Elvis Presley.

Ary ianao, mba ahoana rehefa miresaka an’i Jesoa ? Ohatran’izany ramatoa izany ve ianao ? Sa manana titre pasitera, titre mpiandry,  titre diakona, titre mpandray ny fanasan’ny Tompo ianao, fa tsy crédible ? Tsy crédible ianao rehefa miresaka an’i Jesoa , tsy contagieux, tsy mamindra ilay fitiavanao an’i Jesoa, tsy mifindra amin’ilay olona resahinao. Ary sao dia tsy crédible ianao, satria indray maka ianao, mba tena hoe nanolo tena marina ho an’i Jesoa, tamin’ianao noraisina ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, tamin’ianao notokanana ho diakona, tamin’ianao notokanana ho mpiandry : mba tao aminao ihany izany fitiavana voalohany izany,  fa nihemotra ianao. Tsy crédible ianao satria raha mba te hitory amin’ny mpiara-miasa aminao ianao, dia hoe izahay aloa ao Isotrt Fitiavana no miangona e, fa izaho indray mandeha ny indroa ihany no mivavaka : hihomehezan’ny mpiara-miasa aminao ianao, ary na dia miteny aza ianao hoe izaho indray dia isa-kerinandro ao Isotry Fitiavana no mivavaka, fa hoe izaho indray aloa dia tsy manokatra Baiboly izany mihitsy ny Alatsinainy hatramin’ny Asabotsy e… Tsy crédible ianao ry havana. Tsy crédible ianao satria mety nandray an’i Jesoa ianao, nanana fitiavana voalohany an’i Jesoa ianao, fa nihemotra ianao taty aoriana. Rehefa tsy mandroso isika mpino dia mihemotra. Araka ilay ohatra efa farehantsika hoe izany bisikileta izany, tsy mba manao sur place izany. Fa izany bisikileta izany, rehefa tsy mandroso izany, dia mianjera ianao. Ary mianjera ianao, tsy handeha amin’ny rariny sy ny hitsiny ianao, satria tsy hita ao aminao ilay engagement ho an’i Jesoa, tsy hita ao aminao izany excitation ho an’i Jesoa izany, tsy hitanao izany hoe nanaovana an’i Jesoa ho laharam-pahamehana izany, ary raha ny fandanianao vola, tsy hita hoe laharam-pahamehana izany hoe fandaniana ho an’i Jesoa izany. Ary raha maka ilay lohahevitra amin’ity volana ity, tsy ianao mihitsy no handeha amin’ny rariny sy ny hitsiny, tsy ianao mihitsy no hiady amin’ny kolikoly, satria tsy crédible ianao.

Izay ny fahamarinana voalohany : miteny amintsika ny Tompo hoe, hitanao Filipo io, nino azy ny olona. Ary ny aminao manokana, mino anao ve ny olona ?

Asan’ny Apostoly 8 : 14-17 : « Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy. Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olonamba handraisany nyFanahy Masina. Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesoa Tompo ihany izy.Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray nyFanahy Masina ireo ».

Fahamarinana 2 : MPINO EFA NANDRAY NY FANAHY MASINA VE IANAO ? MPINO MAMELA NY FANAHY MASINA HIASA AO AMIN’NY FIAINANAO VE IANAO ?

Hita eto ny asa tsara nataon’i Filipo. Nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahafenoana izy. Zava-dehibe ny mitory an’i Jesoa  sy ny famonjena amin’ny fahafenoana. Nanao batisa tamin’ny rano izy.Tsara be koa izany. Fa tamin’izany andro izany, tsy ny Apostoly irery, ary ity dia vanim-potoana manokana eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana izany, fa tsy azo généraliser-na amin’izao, tamin’izany andro izany, ny Apostoly irery no afaka mametra-tanana, ary mampidina ny Fanahy Masina. Dia ren’i Petera sy Jaona fa misy an’izany Filipo izany, nandeha nitory ny filazantsara tany Samaria, dia lasa ihany izy nandeha nijery tany, nandeha ni-supervisé tany, dia hitany tao hoe mbola tsy nahazo ly Fanahy Masina. Izay ny tamin’ny andron’ny Apostoly Paoly ; fa amin’izao androntsika izao, ianao izay nataon’ny ray aman-dreninao batisa, na fony fahakelinao aza, dia efa natao batisan’ny Fanahy Masina. Fahadisoan-kevitra tanteraka, fandrebireben’ny evanjelika sasany, fandrebireben’ny sekta, ny filazana fa iny batisa noraisinao tamin’ny mbola kely iny dia tsy izy. Fampianaran-demony izany. Fa ny problema dia izao : izaho sy ianao tamin’io batisa natao tato amin’ny FJKM io, samy efa vita batisan’ny Fanahy Masina, fa ny ankamaroan’ny mpino dia tsy mandeha araka izany fahafenoan’ny Fanahy Masina izany, tsy mamela ny Fanahy Masina hiasa ao aminy. Izay ny fahavoazantsika amin’izao fotoana izao ; ary izany no tian’ny Tompo ahitsy, izany no tian’ny Tompo ho réformé-na, izany no tian’ny Tompo ahatonga saina antsika, hoe avelao ny Fanahy Masina izay efa nanaovana batisa anao, raha efa natao batisa ianao ; avelao ny Fanahy Masina izay efa nanisiana tombokase anao, araka ny Efesiana 1 :13, avelao ny Fanahy Masina hiasa aminao.

Lasa ohatran’izao izany ilay fahamarinana faharoa ho fampieritreretana, hoe : MPINO MAMELA NY FANAHY MASINA HIASA AO AMINAO VE IANAO ?

Ary tena misy hery anie io Fanahy Masina io e ! Ary ity Simona mpanao ody ity, dia tena hoe nikohizana sy nigagana mihitsy tamin’ny faritry Samaria, ny fahefana sy ny herin’ny odiny. Tena réalité izany Ary izy nahita ny Fanahy Masina, dia mihoatra ny ahy sy mihoatra ny anao ny fahalalana an’izany hoe fahefana sy herin’ny Fanahy Masina izany. Ary ny problemantsika, ny mahatonga ny finoantsika ho matimaty, ny mahatonga ny fitiavantsika ho matimaty, satria tsy mamela ny herin’ny Fanahy Masina hiasa ao amintsika isika. Izany ny réalité antsika. Ary rehefa tsy miasa ao amintsika ny Fanahy Masina izay nanisiana tombokase antsika, dia lasa isika mifindra any amin’ny secte dia ataony hoe normal ianao raha tonga aty satria fiangonana tsy iasan’ny Fanahy Masina ny fiangonana misy anao. Tsia ! Tsy fahafantarana ny Baiboly no mahatonga ny olona hietsonentsona tahaka izany. Fa izao : ny fiainako sy ny fiainanao no mahatonga azy hiteny an’izany. Olona efa nasiana tombokase tamin’ny Fanahy Masina ianao, asehoy izany.

Ilay batisan’ny Fanahy Masina io, dia lazain’ny Soratra Masina any amin’i Matio any hoe batisan’ny afo. Izany afo izany, rehefa manao ny asany, dia hoe mandevona ilay zavatra, mandoro zavatra. Ny olona izay natao batisan’ny Fanahy Masina, ary te hiova, dia tokana ny zavatra ataony : mamela ny Fanahy Masina handevona, handoro izay rehetra hoe tokony holevonina sy tokony hodorana ao amin’ny fiainany. Raha tsy izany izy tsy handroso mihitsy.

Inona, ho antsika mianakavy, inona no tian’ny Fanahy Masina ho dorana sy levonina ? Io avonavom-pontsika io eo anatrehan’Andriamanitra, io fo sy saina mierimberona io, io fihatsarambelatsihy lazain’i Jesoa ao amin’ny Marka 12 io, io avonavona sy fandokafan-tena io. Ry havana, avelao ho doran’ny Fanahy Masina anio raha te handroso ianao. Ary avelao ho dorany ireo fakofakom-pahotana, sy ny fahalotoana rehetra, tahaka ny fandorana zaoridira. Avelao ho doran’ny Fanahy Masina ireo fahalotoana rehetra ao am-pontsika ireo.

Raha mpino nandray marina ny Fanahy Masina ianao, ka mamela ny Fanahy Masina hiasa ao aminao, aoka ny vavakao isan’andro dia ny hangataka ny Fanahy Masina ary hamela Azy handoro izay rehetra tokony ho dorana ao amin’ny fiainanao.

 

Asan’ny Apostoly 8 :21-24 : « Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra.Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao.Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.Ary Simona namaly ka nanao hoe: 
Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo ».

Fahamarinana 3 : SAO DIA MPINO MBOLA MITOETRA AMIN’NY FANGIDIAN’AFERO IANAO ?

Iza ity mpino mitoetra amin’ny fangidian’afero ambara eto ity ? Simona mpanao magie.

Simona mpanao magie izay lazaina ery ambony ery hoe raha nino daholo ny olona rehetra, Simona mba nino koa, Simona mba natao batisa koa (and.13). Fa inona ny zavatra nitranga ? Tena nahatezitra an’i Petera satria : Nahita an’i Petera sy Jaona nametra-tanana tamin’ireto samaritana i Simona, dia tena talanjona izy ny amin’ny fahazoan’i Petera sy Jaona nampita ny Fanahy Masina tamin’ilay olona nametrahan-tanana. Dia hoy Simona tamin’i Petera sy Jaona : ao fa omeko vola ianareo fa mba omeo ahy izany fahefana izany amin’izay mna hampitaiko amin’ny olona izay ametrahako tanana ( izay foana ilay herin’ny vola, izay foana ilay fitokiana amin’ny vola, izay foana ilay fitokiana amin’ny fahefan’ny vola). Tena tezitra i Petera. Azony natao ny niteny hoe mampalahelo ahy ianao, marina fa vao nino ianao, tena hoe ao anatin’ny tsy fahalalana ianao fa atoroko anao  fanomezan’Andriamanitra tsy vidiam-bola izany. Fa tena tezitra Petera sy Jaona satria ity Simona ity, hay mody mino, mody natao batisa, fa ny fony sy ny sainy dia mbola saina ody, saina fahefana, saina hery sy fisandratana eo anivon’ny fiaraha-monina. Dia mbola fitaovana fanampiny indray ny hananany ny Fanahy Masina mba hahazoany mametra-tanana sy mampita izany hery izany amin’ny olona izay ametrahany tanana. Hoy ny misionera iray tao amin’ny hevi-teny teo amin’ity Asan’ny Apostoly 8 ity : Simona eto dia mpanao ody vita batisa. Ilay hoe mpanao ody vita batisa, tsy mpanao ody nibebaka, fa mpanao ody nijanona mpanao ody kanefa nanaiky natao batisa. Sao dia misy mpino ato, toa izany Simona izany, tsy miala amin’ny fanaovana ody fa mpanao ody vita batisa ? Ho anao ny tenin’ny Tompo hoe hitako ianao izao fa mbola mitoetra amin’ny fangidian’afero sy ny fehin-keloka. Ary izay no hampieritreretan’ny Tompo anao hoe : mibebaha.

Inona moa izany hoe mpino mitoetra amin’ny fangidian’afero izany ? Ny afero, nataon’ny olona tany aloa tany ho fitoeran’ny poizina amin’ny biby manaikitra misy poizina. Zavatra roa no dikan’izany : ianao mitoetra ao amin’ny fangidian’afero satria hoe mpanao ody vita batisa, ny fiainanao dia mitoetra ao anaty fangidiana : amertume miampy amertume. Ianao faly fa mahavidy an’izao sy izao sy ny karazany ; fa anaty amertume, anaty fangidiana ny fiainanao. Ary tsy misy olona manana fiainana vanona izany, nefa anaty fangidiana ny fiainany. Ary tsy vitan’ny hoe anaty fangidiana izy, fa rehefa tsy miova izy, dia hiaratsy, hiaratsy hatrany. Izay no anitsian’Andriamanitra ny fiangonana, mba tsy hiaratsiana hatrany.

Ary ianao anaty fangidiana, miaina ao anaty poizina, miharatsy miharatsy ; fa ny tena zava-doza dia ianao tonga poizina manaikitra ny namanao, manaikitra ny ankohonanao, manaikitra ny fianakavianao, manaikitra ny mpiara-manompo aminao. Hpy ny Tompo : Sao dia mbola misy olona mitoetra ao anaty fangidian’afero ato ? Anao sy ny Tompo izany. Fa mialà amin’izany fangidian’afero izany.

Ianao hoy Petera, mitoetra ao anaty fangidian’afero ary mitoetra amin’ny fehin-keloka ianao. Rehefa jerena ny DIEM, dia hoy ny DIEM hoe « voafatotry ny heloka ny fiainanao », voafehin’ny heloka ny fiainanao. Izany ny fiainan’ny olona mpanao ody vita batisa. Ka inona no fiantraikan’izany amin’ny fiainany ? Izay zavatra saininy, izay zavatra eritreretiny, izay zavatra kasainy dia tsy mahakasika afa-tsy ny zavatra materialy. Izay ilay olona ao anaty fehin-keloka.

Ny olona ao anaty fehin-keloka, ny zavatra iraketan’ny fony, sy omeny lanja, dia tsy misy afa-tsy zavatra mikasika ny tany. Tsy misy fisainana ny lanitra izany,  tsy mba misy faniriana hiakatra any an-danitra izany. Zavatra vahiny aminy na zavatra katekisma aminy izany lanitra izany.

Ary ny olona izay voafehin’ny heloka, dia toa ny olona paralytique, voafatotra. Na inona na inona ataony, dia tsy afaka hanao zavatra tsara mihitsy izy , tsy afaka handeha amin’ny rariny izy, tsy afaka handeha amin’izany hitsiny izany izy ; fa dia tsy fahamarinana ary kolikoly ny fiainany. Hoy ny Tompo hoe : mieritrereta ihany sao dia izaho na ianao no mbola ao anaty fangidian’afero sy fehin-keloka.

Inona ary no asain’ny Tompo ataontsika rehefa notenenina mazava ohatran’izany ? Hoy Izy : mibebaha ianao, mibebaha ianareo. Ary ny atao hoe fibebahana eto, dia mamela ny Fanahy Masina hiasa ao amintsika :

  1. Hampiaiky antsika heloka
  2. Avelao Izy handoro ny fakan’io fahotana izay mety hankamamianao io. Fa rehefa tsy izany no ataonao, rehefa tsy mamela ny Fanahy Masina hiasa hampiaiky heloka anao ianao, handoro ny fakam-pahotana ao aminao, dia fanahin’i Simona mpanao magie no ao aminao. Ary tsy ho mpino crédible mihitsy ianao. Ary tsy ho mpino handova ny lanitra mihitsy ianao.
  3. Ny fibebahana dia miala amin’ny ratsy fanao : tsy manao ohatran’i Simona eto hoe rehefa tokony hozonin’i Petera izy dia hoe ento am-bavaka aho mba tsy ho tonga amiko izany. Tsia hoy Petera, tsy anjarako ny mivavaka ho anao, satria ianao, ny tahotry ny famaizana no atahoranao fa tsy ny fahatsapanao hoe ratsy. Fa mialà amin’ny ratsy ianao, dia tsy handalo famaizana izany ianao, tsy handalo fitsarana izany ianao.

Ry havana, tia antsika ny Tompo ary manontany antsika Izy eto am-pamaranana eto : MPINO INOANA VE IANAO ?

Manetre tena. Izay zavatra tena ilainao, izay zavatra mahasoa anao, izay zavatra ilainao, ny zavatra mahasoa anao, ilainao sady mahasoa anao ety an-tany ; fa ilainao sady mahasoa anao ho an’ny mandrakizay anao, tsy vidiana vola, tsy hisahiranana, fa fanomezana maimaim-poana.

Enga anie ka ho mpino crédible ianao satria hanetry tena, hahavatra hangataka amin’ny Tompo ny fiasan’ny Fanahy Masina ary hangataka amin’ny Tompo isan’andro isan’andro, eo am-panetren-tena, eo am-pandohaliana hoe : « Tompo o, omeo ahy izay ilaiko, ary omeo ahy izay mahasoa ahy mandrakizay »

ALAHADY 21 OKT 2018

2 Timoty 1 :8a : « Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika » Tenenina isika hoe « Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika », kanefa isika dia menatra ihany. Maninona no mbola menatra ihany ? Raha tena vonona ny hijoro tsy ho menatra ianao, inona ary ny tsiambaratelon’ny fahasahiana ?Vita izany io fotoana izao dia mivimbina fahasahiana vaovao ianao, fa hihintsana eto…
Tohiny

ALAHADY 14 OKT 2018

Lioka 10 :33-35 : « Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin'ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin'ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin'ny tranom-bahiny, dia notsaboiny. Ary nony ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon'ny…
Tohiny