Apokalypsy 7 :9-10 : « Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany, dia niantso tamin’ ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’ Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, sy ho an’ ny Zanak’ ondry ».
Ry havana malala, rehefa mihaino izany zavatra nitranga tany an-danitra araka ny fahitana nomena an’i Jaona izany isika amin’ity Alahady ity, dia ataoko fa manana hafatra roa sosona omena antsika Andriamanitra. Ny hafatra anankiray dia hafatra ho an’ny Mpitandrina mivady, satria moa fiaraha-miasan’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana, dia ny hafatra iray izany, tsy maintsy ho an’ny Mpitandrina. Ary ny hafatra iray izany, tsy maintsy ho an’iza ? Ho an’ny Fiangonana.
I. Hafatra ho an’ny Mpitandrina
Misy hafatra 3 mazava omena ny Mpitandrina. Ny hafatra voalohany dia izao :
1. Taomy hibanjina an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy ny olona
Rehefa mamaky mantsy isika ry havana malala, ny zavatra hitantsika dia izao : « Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina…. » nitsangana taiza ? « teo anoloan’ ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry ». Ny mason’izy rehetra nifantoka tery amin’ny seza fiandrianana, ny mason’izy rehetra nifantoka teo amin’izay mipetraka eo ambonin’ilay seza fiandrianana sy teo amin’ny Zanak’ondry. Taomy hibanjina an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy ny Fiangonana.
Tokony ambarako ry havana malala, izaho izay ratsy toerana indrindra rehefa miresaka an’izany ; ny fahalemen’ny olona manana fahefana sy toerana hitondra dia ny mitarika ny mason’ny olona hibanjina azy ; fahalemena mampidi-doza izany raha ato anatin’ny Fiangonana ry havana, satria Jesoa Kristy irery no lohan’ny Fiangonana, Jesoa Kristy irery no tompon’ny Fiangonana, Andriamanitra Ray irery no tompon’ny fahefana rehetra, izay naniraka ny Zanany ho Mpamonjy izao tontolo izao. Taomy hibanjina an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy ny olona.
Tsaroako eto izao, miresaka aminareo aho, ny vazivazy nataon’ny loholona anankiray tamiko indray maka. Pasitera hoy izy, niverina avy naka rivotra izahay, volana Aogositra ny fotoana fandehanana maka rivotra moa, niverina izahay Septambra : « Pasitera an, izaho te hanao tolo-kevitra anankiray ». Inona hoy aho ny tolo-kevitrao tompoko ? Ray aman-dreny lehibe izany. « Rehefa handeha hanao vacances ianao an, dia manamboara poster anao lehibe apetraka eo amin’ny pilopitra ». « Inona aty ity hoy aho ? Fa ahoana tompoko hoy aho ? » ; « Ka izao hoy izy : rehefa lasa manao vacances ianao Pasitera, very sasaka ny mpiangona tonga eto ». Eto Isotry Fitiavana moa tsy mba misy an’izany. Fa any amin’ny Fiangonana sasany izany, rehefa tsy eo Pasitera, dia tsy tonga miangona ny olona. Dia inona hoy aho no ataon-dry zareo ? « An an an, miverina manasa lamba Alahady ry zareo, miverina maka vilona ». Tany ambanivohitra moa izay. Ary izany zavatra izany, zavatra mampieritreritra ry havana malala : fa iza marina no andehanan’ny olona aty am-piangonana ? Iza marina no tena antony manentana sy fanoitra manentana antsika eo amin’izay mety ho fanompoana an’Andriamanitra ? Fa raha adinontsika fa Jesoa Kristy no lohan’ny Fiangonana, ary Izy no tompon’ny finoantsika sy manefa azy, dia diso ny iraka nampanaovina antsika. Ary izaho dia niteny an’izany, tamin’ny Fiangonana nentiko farany talohan’ny naha-filohan’ny Fjkm ahy, rehefa voatendry hitondra tao aho: izao ry havana malala hoy aho, « tandremo sao dia tia tia ahy eo an ! Jesoa ihany tiavina. Izaho akory tsy miteny aminareo hoe ankahalao aho dia hiadio dia vakio ny vavako ; tsy miteny an’izany aho, fa milaza aminareo aho : tsy izaho no tokony ho tiavina, Jesoa ihany no tiavina, ary Jesoa ihany no tena ametrahana ny fo ». Ny Mpitandrina mety mandalo, ny Mpitandrina mety maty, ny Mpitandrina manafintohina sns… Aza apetraka amin’ny Mpitandrina ny fonao fa apetrao amin’i Jesoa Kristy irery ihany. Ary manana adidy lehibe amin’izany isika mpitondra. Taomy hibanjina an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy ny olona. Izay ny voalohany.
Ny hafatra faharoa ho an’ny Mpitandrina dia izao :
2. Taomy ho any an-danitra ny olona
Ny zavatra hita eto mantsy ry havana malala, dia izao, manao hoe : ny fahitana hitan’i Jaona dia izao : indreo hoy izy misy olona betsaka tsy tambo isaina, ary ireo olona ireo olona avy amin’ ny firenena samy hafa, fokom-pirenena samy hafa, avy amin’ny fiteny samy hafa, olona tsy ankanavaka mihitsy, tonga avy any mankeo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anoloan’ny Zanak’ondry. Ary izany no iraka fototra izay nanirahana antsika, mba hitaona olona ho any an-danitra, ary hitaona maro araka izay azo atao. Tsaroako eto ny tenin’ny mpanoratra anankiray, rehefa milaza ny iraka ampanaovina antsika amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra ; Pasteur Ramaholimihaso Solofo moa dia, ataoko fa tsy hanahirana azy ny hitenenako an’izany, somary zana-bazaha ihany, dia teneniko araka ny teny ahazoany azy tsara ilay izy. Hoy ilay mpanoratra manao hoe : « Notre mission, c’est dépeupler l’enfer pour peupler le ciel ; dépeupler l’enfer pour peupler le ciel ». Izany no izy. Taomy ho any an-danitra ny olona, mba indray andro any, hisy olona betsaka avy eto Isotry Fitiavana hitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ ny Zanak’ondry. Izany no fifaliana, izany no tanjona lehibe indrindra tsy maintsy ao am-pon’ny mpanompon’Andriamanitra raha irahina. Ny zavatra lehibe izany ry havana malala, ny antony tokony ampatsiahivana an’izany, dia satria misy fakam-panahy makadiry mahazo izao taranaka indray mira izao ry havana : ohatran’ny hameno Fiangonana no mahamaika ny olona sasany : andao atao izay hahafeno ny Fiangonana, andao atao izay hahafeno ny Fiangonana ; zavatra tsy ratsy ho ahy izany, tsy ratsy ho ahy izany ; fa ny fanontaniana dia izao, manao hoe : olona mameno Fiangonana ireo sa olona hameno ny lanitra ? Ary izany fanontaniana izany ry havana malala, fanontaniana tsy azontsika hidivirana izany, fanontaniana tsy azoko hidivirana izany amin’ny maha-Mpitandrina sy tompon’andraikitry ny Fiangonana ahy. Tsaroako, tamin’ny Fiangonana nentiko tamin’izany fotoana izany, nanana vahiny frantsay izahay, ilay antsoina hoe VSN, Volontaire du Service National, dia tanora miasa aty Madagasikara izy ireo, miasa eo amin’ny sehatra samihafa dia teo amin’ny Sekoly izay niasanay. Dia niangona ny Alahady, dia hoy izy tamiko ny Alatsinainy : « Pasteur hoy izy, tena gaga mihitsy aho mijery, trano ngeza be ny trano Fiangonana nisy anay tamin’izany fotoana izany, feno ilay Fiangonana : tena gaga hoy izy, tena feno ilay Fiangonana ; ny Fiangonana hiaviako hoy izy, avy any Frantsa, zara raha misy olona efa antitra, fotsy volo, manomana ny mandrakizay-ny no mba mameno ny dabilio an’izany Fiangonana izany, ary tsy mahafeno akory aza ny Fiangonana. Ny anao hoy izy ity feno isaky ny Alahady ». Misaotra an’Andriamanitra hoy aho. « Fa misy fanontaniana hoy izy tiako atao aminao Pasteur ». « Eny hoy aho, inona ny fanontanianao ? » Ny fanontaniako hoy izy dia izao : « ireo olona vitsivitsy niara-nivavaka tamiko tany Eoropa ireo, tena vitsy mihitsy ireo, saingy tonga isak’Alahady mivavaka ireo, tonga ao am-piangonana izy ireo, mitondra Baiboly rehefa handeha hiangona e, tonga mivavaka eo. Rehefa mijery azy ireo ny mpiara-belona dia ohatrany olona sampona izy ireo : inona koa ireny, handeha hivavaka rehefa Alahady, indry ary toa mitondra Baiboly ; izany hoe eo imason’ny mpiara-belona taminay hoy izy, dia ohatrany olona sampona izahay, hoe mbola mivavaka rehefa Alahady, mbola mandeha miangona ihany rehefa Alahady. Satria ny mpiara-belona aminay, tsisy dikany aminy izany Alahady izany, tsisy dikany aminy izany mivavaka izany ; ny olona miara-belona aminay, naman’ny tsy misy Andriamanitra ao anatin’ny fehin-kevitr’izy ireo. Fa ireny olona ireny, mandeha mamonjy Fiangonana ara-dalana, mivavaka ara-dalana, satria ao anatiny ao misy faharesen-dahatra manao hoe : izaho tsy velona raha tsy mivavaka ; izaho tsy velona raha tsy miaraka amin’i Jesoa. Izany hoy izy ny faharesen-dahatra ; ireo olona vitsivitsy ao anatin’ny Fiangonana makakakaka tsy mahafeno ny dabiliom-piangonana ireo, manana faharesen-dahatra lalina toy izany hoe izaho tsy velona raha tsy manana an’i Jesoa sy mivavaka. Ny fanontaniko aminao hoy izy Pasteur, dia izao, manao hoe : ianao ve afaka milaza amiko hoe : ireo olona mameno ny trano Fiangonana entinao ireo, manana faharesen-dahatra ohatran’izany koa ? ». Dia nangina aho. Koa inona moa no lazaiko eo ? Hoy aho hoe : « ry zareo anontaniana ». Ka tsy izaho anie no iantefan’izany e, ianareo anie izany anontaniana izany e. Ianareo ve raha mameno ny trano Fiangonana, noho ny faharesen-dahatra ao anatinareo ve, manao hoe, hoe izaho tsy velona raha tsy manana an’i Jesoa, fa Jesoa no anton’ny ahavelomako, tahaka an’ireo olona vitsivitsy ireo, hoy izy ? « Izy anontaniana hoy aho ; izy anontaniana fa tsy izaho ». Ny anjarako dia mitaona ny olona ho any an-danitra, ary iraka lehibe izay atao izany.
Ny hafatra fahatelo farany ho an’ny Mpitandrina dia izao :
3. Taomy hanaiky ny fahefan’Andriamanitra ny olona
Marihin’i Jaona manokana eto ry havana amin’ilay fahitana ny teny hoe : nitsangana, eo anoloan’ny inona hoy izy ? Eo anoloan’ny seza fiandrianana. Ny seza fiandrianana ry havana malala dia milaza ny fahefana, ny maha-Mpanjaka an’Andriamanitra, tena Mpanjaka Andriamanitra, tena Tompo Andriamanitra. Ka ny iraka fototra anirahana antsika dia ny hitaona ny olona hanaiky izany fahefan’Andriamanitra izany, tena hanaiky ny maha-Tompo marina tokoa an’Andriamanitra Ray, izay nanambara ny tenany tao amin’i Jesoa Kristy, ka hanaiky marina an’i Jesoa Kristy ho Tompo eo amin’ny fiainany.
Ao anatin’ny fanekena izay ataon’ny Mpandray ny fanasan’ny Tompo Fjkm ry rahalahy sy anabavy malalako, dia manomboka amin’izao teny izao, manao hoe : « manaiky marina sy mino aho, fa Jesoa no Tompoko sy Mpamonjy ahy ». Jesoa no Tompoko sy Mpamonjy ahy. Izany hoe misy toetra anankiroa izay amantarana manokana an’i Jesoa : Tompo sy Mpamonjy, na Tompo sy Mpanavotra. Ny zavatra mahafinaritra dia izao : tena tian’ny olona mihitsy i Jesoa amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy, tena tiako mihitsy Jesoa. Tiako Jesoa r’ireto fa tena Mpamonjy an, tiako Jesoa fa tena Mpanavotra an, ka mamonjy ahy Izy : raha ohatra ka marary aho dia sitraniny ; raha manana olana aho dia vahany ; tsy manana asa aho fa very asa dia omeny asa ; tsy manana vady aho dia omeny vady e ; tiako Jesoa fa Mpamonjy ahy. Ie ; fa ny zavatra tsy maintsy eritreretina tsara, dia izao, manao hoe : sao mandeha ila ohatran’ny kiraron’i bemonahy ary ny finoantsika, ka Jesoa Mpamonjy ihany no tadiavina, Jesoa dokotera, Jesoa vaha-olana? Hoe tsy mihinana aho dia manome ahy sakafo Izy, tahaka ny zavatra nitranga tamin’ny andro: andao tadiavina atao mpanjaka rangahy iny, fa tsisy mihetsika isika rehetra, mofo dimy sy trondro firy moa ? dia voky isika dimy arivo. Ndry, aiza indray ianao no ahita président an’ny Repoblika ohatran’izany ! Mora daholo ny vary, mora daholo ny trondro ; ny andron’i Jesoa izany resahiko izany an. Andao atao mpanjaka io, andao atao mpanjaka io. Fa sao dia mandeha ila ny finoantsika ? Jesoa Mpamonjy toa izany ; fa rehefa tonga eo amin’ilay hoe Jesoa ekena ho Tompo, eo, dia manjary baraingo ry havana malala. Tena vonona hanaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo ve ny olona izay tezaintsika ato anatin’ny Fiangonana, ny olona izay misoratra ato amin’ny Fiangonana : tena vonona hanaiky an’i Jesoa ho Tompo ve ? Fanontaniana tena mampieritreritra izany ry havana malala, fanontaniana tena mampieritreritra, hoe : hatraiza ny fankatoavana ny fahefan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanan’ny olona ? Hatraiza ? Ohatra efa noresahiko teto aminareo izany, fa tsy maninona, tsy mahadiso ahy ny manao teny averina fa mahatsara anareo : hoy ny Apostoly Paoly, ary satria tsy misy Paoly andrasana intsony, dia izaho no mamerina azy : efa niteny taminareo aho hoe raha mieritreritra anie isika izao ohatra e, ny fahefan’iza marina ohatra no miasa ao anatin’ny tokantranontsika, ao anatin’ny tokantrano misy antsika ? Ohatra : ny Fiangonana dia mitaiza antsika mandrakariva ny amin’ny hoe ao anatin’izany tokantrano kristiana izany anie tokony mba hanam-potoana isika mba hihaonantsika amin’ny Tompo e, dia miaraka mivavaka isika, miaraka mandray ny tenin’Andriamanitra isika, raha tsy handray afa-tsy izay ohatra anankiray izay fotsiny aho. Fampianarana efa nomena izany, ary efa hatramin’ny ela, tarazo protestanta efa hatramin’izay izany ry havana malala, eny efa hatramin’ny taon-jato faha 16 akory aza, izany fiaraha-mivavaky ny mpianakavy izany. Fa manao ahoana anefa ny fiaraha-mivavaky ny mpianakavy kristiana ankehitriny ? Manontany tena ianao : miaraka mijery télé eo izy rehetra, miaraka misakafo eo, dia miteny ny anankiray hoe andao atao amin’izay ilay fiaraha-mivavaka, « aoka aloa fa izaho mbola mijery vaovao » ; dia mandeha kelikely, tapitra ny vaovao, andao, « izaho mbola mijery film » ; dia ny hiafarany, « an an an, izaho hatory fa reraka ». Dia ny hiafarany dia ny télé no nibaiko fa Jesoa nandefitra. Any amin’ny tokantranonareo moa tsisy an’izany mihitsy, izay no mahafinaritra ; fa any amin’ny tokantrano sasany, ankoatry ny anareo, dia izany no zavatra mitranga : ny télé no tompo mibaiko ao anatin’ny tokantrano, ny télé tsy maintsy alefa, ny télé tsy maintsy jerena, ny télé tsy maintsy henoina, Jesoa mahazo mandefitra : na tsy hiara-mivavaka aza isika mianakavy, na tsy misy famakiana Baiboly aza anio, ny télé tsy azo pihina. Izany no mitranga, any amin’ny tokantrano hafa, ankoatry ny anareo hoy aho. Dia eo ny fanontaniana : h atraiza marina ny fanekentsika hanaiky an’i Jesoa ho Tompo, ny fahefan’Andriamanitra ao anatin’ny fiainana? Azoko hitarina lava izany, ry havana malala, fa hijanona eo aho.
Dia izay ny hafatra Pasitera an :
- Voalohany : Taomy hibanjina an’Andriamanitra sy Jesoa ny olona
- Faharoa : Taomy ho any an-danitra ny olona
- Fahatelo : Taomy hanaiky ny fahefan’Andriamanitra ny olona
Izaho ohatrany mba te hangataka kely, hanao exercice kely miaraka aminareo Fiangonana. Ianareo izany izao no mba miaraka amiko e ! Mba miaraka miteny amin’i Pasitera, dia izao no lazaina : Pasitera ô, taomy hibanjina an’Andriamanitra sy Jesoa ny olona ; na hoe : taomy hibanjina an’Andriamanitra sy Jesoa izahay. Azonareo moa izany zavatra asaiko teneninareo izany ? Andao ary, averina ny volaohany, isa, roa, telo : « Pasitera ô, taomy hibanjina an’Andriamanitra sy Jesoa izahay ».
Dia tononiko ilay izy dia averinareo indray ny faharoa : « Pasitera ô, taomy ho any an-danitra izahay » ; dia ny fahatelo : « Pasitera ô, taomy hanaiky ny fahefan’Andriamanitra izahay ». Henonao izany Pasitera an ? Ndry, mahafinaritra ery ny mahita an’i Pasitera mitsikitsiky ; ka ny Fiangonana entinao ve no miteny an’izany, tena tretrika mihitsy ianao !
Fa inona ary ny hafatra ho an’ny Fiangonana ?
II. Hafatra ho an’ny Fiangonana
Manana hafatra telo avy amin’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana aho, fa omeko aloa ny foto-kevitra. Izao ilay izy ry havana malala : maneke ianareo Fiangonana ho Kristiana MMM – Kristiana MMM, araka izay hitantsika eo hoe : miakanjo fotsy lava, mitana sapam-drofia ary midera an’Andriamanitra. Kristiana MMM.
Fa toa inona no toetran’izany ? Ireto no toetra telon’izany kristiana MMM izany ry havana :
1. Madio
Ny zavatra izay hitantsika eto ry havana, rehefa milaza izy manao hoe : ireo olona ireo nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny zanak’ondry niakanjo akanjo fotsy lava ; io akanjo fotsy lava io, dia akanjo madio. Ary inona no antony nampahadio azy ? Azavainy ery amin’ny and. 14. Mbola misokatra moa ny Baibolinareo ? Ny sasany moa dia maika ery hanakombona azy ; fa izay mbola manana ny azy misokatra eo anatrehany, andao anie vakiana ilay Apokalypsy 7 :14, amin’ny anaran’i Jesoa manao hoe : « Fa hoy izaho taminy: Tompoko, hianao no mahalala. Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin’ ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry ». Manana akanjo madio izy ireo ; madio satria nosasany sy nofotsiany tamin’inona ? Tamin’ny ràn’ny Zanak’ondry, izay manambara amintsika, ary izay no mahatonga an’ilay hoe nitsangana teo anoloan’ny Zanak’ondry izy, satria io Zanak’ondry io, izay manambara an’i Jesoa Kristy, araka ny fanoroana mazava nambaran’i Jaona teo amin’ny fiandohan’ny iraka nampanaovina an’i Jesoa manao hoe : « indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ». Ary ilay Zanak’ondry, manambara ny Zanak’ondrin’ny Paska, ka ny ràny natao teo amin’ny tahotahom-baravarana sy ny tolana no niaro izay rehetra tao an-trano tsy iharan’ny fahafatesana ; io ràn’ny Zanak’ondry io, mbola azoko sy azonao ialofana ; mbola azoko sy azonao ianteherana mba hanadiovana ho afaka amin’ny heloko rehetra, ka tsy misy fahotana maro loatra mety ho nataoko, tsy misy fahotana ratsy loatra mety ho nataoko, tsy misy fahotana ela loatra mety ho nataoko ; fa ny ràn’ny Zanak’ondry, ampy tsara hanadio ahy, handraisako ny famelan-keloka, tolo-botsitra sy manontolo avy amin’Andriamanitra. Izany ry havana ny vaovao mahafaly. Ka antsoin’Andriamanitra isika ho Kristiana madio, hanaiky sy hino izany famonjena notanterahin’Andriamanitra ho antsika ao amin’i Jesoa Kristy, nandatsaka ny ràny ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana izany. Ary ny fanekena an’izany ry havana malala no andraisana ny tena fiadanana ao anatin’ny fiainana marina. Isika dia malagasy, ary manana ny teny manao hoe : aleo henjehin’ny omby masiaka toy izay enjehin’ny fieritreretana. Marina izany. Fa olona firy moa no mivadibadika eo amin’ny fiainana, enjehin’ny fieritreretany ny amin’ny ratsy rehetra natao ; Fa antsoin’Andriamanitra isika hoe : ianao io, afaka hanana ny fiadanana marina ianao raha miverina eo am-pototry ny hazo fijaliana, eo amin’ny ràn’ny Zanak’ondry indray, handray ny famelan-keloka ka ambaran’Andriamanitra aminao, n’inon’inona fahotana nataonao, na firy na firy fahotana nataonao, na toa inona na toa inona izany fahotana nataonao izany, rehefa tonga eo hibebaka ianao, rehefa tonga eo hibebaka marina ianao, dia hiteny aminao Izy manao hoe : « Izaho koa tsy manameloka anao, mandehana soa aman-tsara ary amin’izao sisa izao, aza manota intsony ». Izany teny famelan-keloka izany no tian’Andriamanitra omena ahy, tian’Andriamanitra omena anao izany.
Ny fahadiovantsika ry havana malala dia fahadiovana omena antsika rehefa manaiky hibebaka marina isika ; ary izany no tian’Andriamanitra iainantsika : meteza re ho Kristiana madio e ! Meteza re ho Kristiana madio e !
Ny zavatra mampieritreritra ry havana malala dia izao : na dia atolotr’Andriamanitra aza izany famonjena sy fanadiovana amin’ny ràn’i Kristy izany, ny zavatra mampieritreritra dia izao : marina mandrakariva ilay teny ao amin’i Jaona manao hoe : « Tonga teo amin’ny olona ny mazava, kanefa naleon’ny olona ny maizina, satria ratsy ny asany ». Ny fahadiovana efa eo, fa minia mijanona ao anatin’ny loto ny olona, tena mijanona ao anatin’ny loto mihitsy ; ary zavatra mampieritreritra izany, tena mampieritreritra : maninona no mifidy hijanona ao anatin’ny loto ianao e ? Maninona ianao no mijanona ao anatin’ny haizina kanefa efa tonga ny mazava ? Maninona ianao no mijanona ao anatin’ny ratsy kanefa efa tonga ny fahatsarana ? Maninona ianao no mijanona ao anatin’ny fahaverezana kanefa efa tonga ny famonjena ? Zavatra mampieritreritra lalina dia lalina dia lalina izany ry havana malala. Tena lalina mihitsy. Tokony hieritreritra an’izany isika, ary eritreritra tokony ho velona manokana amin’izao fotoanan’ny karemy sy ny fandinihan-tena izao, hoe, rehefa nomena anie Jesoa e, ny antony nanolorany ny tenany, nijaliany, ny nahafatesany anie ka noho io faharatsiana sy io loto ilomanosako mahatamana ahy io, tohizako ; efa fantatro izao fa ratsy mbola tohizako ihany. Io anie no antony nahafaty an’i Jesoa e. Ny epistily ho an’ny Hebreo dia miteny teny mahery mihitsy manao hoe : raha ilomana toy izany, izany faharatsian izany, miverina manombo indray ny Zanak’Andriamanitra eo amin’ny hazo fijaliana ianao.
Meteza re mba ho Kristiana madio e ! Dia mba hiala tokoa amin’izay fantatra fa ratsy. Betsaka ny zavatra fantatry ny olona fa ratsy, raha mijery izao isika eto Madagasiakara, ny zavatra mitranga dia izao, manao hoe : atao foana ny sonia ; omaly izao vao nisy sonia indray nataon’ny sehatra anankiray tamin’ny Bianco hoe hiady amin’ny fahalovana isika ; ie, efa 30 taona lasa Pasteur Razafiarison Emilien no niantsoantso hoe andeha re isika hanao ny chaîne d’honnêteté e, ilay tohivakan’ny fahamarinana, mba hiady amin’izany fahalovana izany. 30 taona aty aoriana, mbola manontany tena ihany ianao hoe aiza ihany ary izany ady amin’ny fahalovana izany ; nefa ny olona manao an’io fahalovana io, dia olona tompon’andraikitra samihafa. Ary ireo olona tompon’andraikitra ireo, tsy vitsy amin’ireo no Kristiana, tsy vitsy amin’ireo no Kristiana. Dia manontany tena ianao manao hoe : nahoana no omena ny fahadiovan’i Kristy kanefa mijanona ao anatin’ny loto ihany ny olona : rehefa Alahady izy dia mipetraka tsara ato am-piangonana, Kristiana masina sy soa, fa rehefa any ivelany izy dia jiolahy tokoa. Ary izay izany ny olana, izay ny olana. Fa raha mba tahaka ny toetran’ny olona ato am-piangonana ny toetran’ny olona any amin’ny birao rehetra sy ny toeram-piasana rehetra, hiova ny fiainan’ny firenena. Fa eto am-piangonana izy madio, fa rehefa any ivelany izy, apetrany tsara ato am-piangonana ilay akanjo fotsy, dia tonga amin’ny tenin’ilay rangaha anankiray nalehan’ilay Mpitandrina. Hoy ilay Pasitera tamiko : saika vaky ny foko hoy izy. Inona no nitranga hoy aho ? « Nandeha aho ny Alatsinainy namonjy birao ; hoy ny olona : ah, diakona ilay olona miasa ao amin’io birao io ». « Misaotra ny Tompo hoy aho ». Dia niteny : « izaho moa, hoy aho, tompoko, manana olana ohatran’izao, izao tsy manana eritreritra mihitsy hanao risoriso sy kolikoly aminao, fa ampio aho ahoana no anaovana azy io ». Ny valintenin’ilay rangaha diakona dia izao, manao hoe : « azafady Pasitera, tena Pasitera mihitsy ianao, fa tsy diakona aho eto no resahinao ». Andriamanitra ô ! Tena tsotra fotsiny. Saika tsy hitako ny varavarana nivoahana hoy ilay Pasitera. Hay moa izany no fanaon’ny olona sasany ; ianareo moa tsisy manao an’izany. Izany no fanaon’ny olona sasany : ato am-piangonana, diakona aho eto, mpandray ny fanasan’ny Tompo aho eto, Kristiana aho eto ; fa rehefa tonga ary aho an, azafady an, tsy Kristiana aho eto an, tsy Kristiana aho eto an.
Meteza re ho Kristiana madio e ! Izay ny M voalohany. Ny M faharoa : Mendrika
2. Mendrika
Taiza ary no nahitako an’izany teny izany ? Ao amin’ny Apokalypsy 3 :5 izay miresaka manokana ity resaka akanjo fotsy ity. Avadiho kely ny Baibolinareo rahavako, Apokalypsy 3 :4-5 : nanoratra ho an’ny Fiangonana tany Sardisy ny Tompo. Ny and. 4 sy 5. Ahoana no voasoratra ao, amin’ny anaran’ny Tompo : « Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy » ; hatreo. « Satria miendrika Izy » : izany ry havana no toetra andrasan’Andriamanitra amintsika : mendrika izy.
Ary inona no dikan’izany fahamendrehana izany ? Io ambaran’i Jesoa io, hoe : tsy nandoto ny fitafiany. Ny dikany izany, dia izao, manao hoe : miara-miaina eo anivon’ny olona maloto izy, miara-miaina eo anivona fiaraha-monina maloto izy, saingy nijoro izy ka tsy nanaiky handoto ny fitafiany. Ary ny olona ohatran’izany ry havana, no tian’Andriamanitra ho hita ihany koa. Tsy hoe maloto ianao teo aloa, dia nadio ianao ; izay mantsy ny dikan’ilay hoe madio. Tsy izay fotsiny ; fa izao : rehefa madio ianao, dia aza miverina maloto intsony. Ny olona mendrika dia izay efa miakanjo akanjo fotsy izy, dia miaro ny tenany tsy haloto. Ny Soratra Masina ry havana malala dia manan-karena ohatra mahafinaritra ny amin’izany : ohatra, handray ohatra iray aman-droa fotsiny isika : ohatra : malaza izany lehilahy anankiray antsoina hoe Noa izany. Ny fiaraha-monina nisy azy, fiaraha-monina izay naha-tofoka tanteraka an’Andriamanitra ka nilazany hoe efa tonga hatrany an-danitra ny fahavetavetan’ny mpiara-belona ka aringako ireo mponina ireo. Saingy Noa, hoy ny Soratra Masina, nahita fitia tamin’Andriamanitra : miara-miaina amin’ny olona lo, miara-miaina amin’ny olona tsy vanona, nefa vanona. Azo atao izany ry havana. Fa tsy hoe akory hoe tsy vanona daholo ny olona dia aleo koa aho mba ho tsy vanombanona. Tsy izany : mahazo mandeha amin’ny adalana daholo ny olona, fa ianao afaka mijoro ho hendry. Mety miteny ny olona : « ianao koa mba miana-kendry, tsy ampahafirin’izay Kristiana », satria misy mahazo an’izany mihitsy an. Dia ahoana hoy aho no ataonao ? Marary kely ihany ny foko hoy izy : tsy maninona e, tsy maninona. Avelao ny olona hiaina ao anatin’ny fahadalana, fa ianao, mijoroa amin’ny fahendrena. Aleo ny olona hiaina ao anatin’ny fahalotoana, fa ianao, mandehana amin’ny fahadiovana. Aleo ny olona hiaina amin’ny ratsy, fa ianao, mijoroa amin’ny tsara. Izany ny olona mendrika ry havana malala. Ary miandry olona ohatran’izany koa ny Tompo. Fa misy olona betsaka anie, atao ny Tafita Masina, « ianao ve handray ny Tompo ? », « Izaho nandray ny Tompo, izaho efa nanolo-tena ho an’i Jesoa, izaho efa nanaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ahy, izaho efa olom-baovao ». Olom-baovao hatraiza anefa ? Hatreto (molotra) : rehefa tafaverina miaraka amin’ny namana mpiteny ratsy, dia miteny ratsy ihany ; rehefa tafaverina amin’ny namana mpisotro toaka, eny e, ianareo misotro iray tavohangy fa izaho hisotro iray vera e.
Kristiana mendrika no andrasan’Andriamanitra ry havana malala. Hamarana azy aho. Ny M fahatelo, dia ilay voambara ao amin’io Apokalypsy 3 io ihany, ilay and.5. Ahoana no voasoratra ao amin’ny anaran’ny Tompo ? « Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ ny bokin’ ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ ny Raiko sy eo anatrehan’ ny anjeliny ». Izay maninona hoy izy ? Izay maharesy. Ary izay no izy ry havana malala : Maharesy.
3. Maharesy
Tsy Kristiana madio fotsiny, tsy Kristiana mendrika fotsiny, fa Kristiana manao ahoana koa ? Maharesy. Ary inona moa no dikan’izany ? Efa niteny an’izany teto aminareo teto koa aho, ianareo mantsy izao no anisan’ny Fiangonana voavangivangy matetika an, ary mialona kely anareo mihitsy ny sasany, fa tsy maninona, fa izay moa izany ny programan’ny Tompo ; efa niteny an’izany taminareo aho : matoa misy resaka hoe maharesy (satria efa nanazava teto ny teny fanevanareo aho mantsy) ; tsy misy fandresana raha tsy misy ady. Izay no izy : tsy misy fandresena marina raha tsy misy ady. Ka raha maharesy dia nisy ady natrehina izany. Tsy fandresena mihitsy, ny olona manao baolina, manao hoe : ahoana ianareo tao ? Izahay nandresy. Fa naninona ? Tsy tonga ny ekipa adverse. Tsy fandresena izany, tsy fandresena izany. Ny fandresena dia izay azo avy amin’ny ady ihany. Ary io no tena fandresena, io no tena fandresena ambaran’ny tenin’Andriamanitra : ny fandresena izay niaretana ny mafy, nihatra hatramin’ny aina mihitsy. Fa raha tsy fandresena ohatran’izany, tonga amin’izay lazain’i Georges Andriamanantena, Rado manao hoe : « Tsoka tsy namakin-taolona ka kely maso-karena ». Izany no izy ry havana. Ary ianareo zana-bazaha, mahay tsara ny teny tao amin’ny Le Cid fahiny izany, « A vaincre sans péril, on triomphe sans gloire ». Fandresena tsy nanano sarotra, fandresena tsy misy voninahitra. Ary izany no izy ry havana malala, ka raha antsoina isika ho Kristiana maharesy, dia antsoin’Andriamanitra koa izany isika ho Kristiana vonona hiatrika ady. Ary raha vao ady no resahina, mifanatrika amin’ny fahavalo ianao, miaritra ny mafy ianao, tonga daholo ny famelezan’ny fahavalo rehetra hamely anao, dia ataony izay haha-potika anao, ataony izay haha-simba anao ; izany ny zavatra kendren’ny fahavalo. Dia miaritra ianao amin’izany rehetra izany : misy fahoriana ao, misy fijaliana ao, misy adin-tsaina ao, misy tebiteby ao, misy ranomaso ao, saingy mijoro ianao, fa tsy hiteny manao hoe : « Jesoa ô, tsy nampoiziko ho mafy ohatran’izao izy ity ». Izay no izy. Dia inona no tohin’izay, raha tsy nampoizinao ho mafy, dia hiverina any amin’ny devoly ??? Hiverina any ve ianao ? Ary izany mihitsy no fanontaniana nataoko tamin’ny zanako ara-panahy anankiray : Pasitera hoy izy, hatramin’ny nanolorako tena ho an’i Jesoa, ohatrany be problème aho an ! Eny anaka hoy aho, izaho anie efa nampianatra anareo katekomena niteny an’izany e, izaho no nambaran’i Jesoa tamiko, ambara aminareo : « aty amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana ». Izy tsy niteny hoe : aty amin’izao tontolo izao no hahitanareo fifaliana. Tsy niteny an’izany Izy hoy aho ; aty amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana : Izy anie efa nampiomana e ! Izy efa nampiomana, ka raha mahita fahoriana ianao izao, ny zavatra tokony ambaranao anaka dia hoe « Aleloia, marina ny teninao Jesoa fa mahita aho ity ! » Fa tsy hoe : « Jesoa, inona ary ity ? ». Ilay nolazainy ihany anie io hitanao io e. Saingy izao anaka hoy aho, ny tohin’ny teny : « aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa matokia Izaho efa naharesy izao tontolo izao ». Ny fandresen’i Kristy dia momba anao ao anatin’io zavatra sarotra io, fa izao fotsiny ny fanontaniana manao hoe : vonona mbola hifikitra amin’i Jesoa ve ianao mandra-panehony ny fandresena?
Manomboka anio ny herinandro masina ry havana malala, mety tonga eto amin’ny andron’ny sampan-drofia ianao izao, fotoana mbola misy fiderana ; fa andro vitsivitsy aorian’izao, dia hosamborina ny Tompo dia hitsaoka avokoa ny mpianany rehetra. Ianao koa mety handalo lalana toy izany, izay hahatonga anao hifanehitra amin’ny fanapahan-kevitra sarotra : hiaraka aho sa hisaraka, hiaraka sa hisaraka amin’i Jesoa? Ny zavatra nitranga moa, dia indrisy, dia nitsoaka daholo ny mpianany, dia ny sasany nitsoaka natanjaka, ary ny anankiray nitsoaka nitanjaka. Ny filazantsara araka ny Marka dia mitantara an’izany ry havana, tsy filazantsara piraty mihitsy akory izany resahiko izany, fa hamarino ao amin’ny Baibolinareo izany. Dia eo ianao izany, hitsoaka aho sa hanara-dia an’i Jesoa ? Dia mbola misy moa izany mba nisisisisika ihany, tahaka an’i président Petera, satria président-ny 12 lahy izy ; tonga mba hatreny amin’ny hitsarana an’i Jesoa ihany, saingy nandà an’i Jesoa impiry ? in-telo. In-telo be izao. Président ange io e ! Président Petera io. Fa nandà an’i Jesoa in-telo be izao. Dia eo ianao izany, hifanehitra amin’ny fanapahan-kevitra : handà aho sa hanaiky ? Handà aho sa hanaiky ? Tovovavy kely no niteny hoe ianao koa niaraka taminy ; « tsy fantatro izay lazainao ». Ah ! Telo taona ngarangidina fara-fahakeliny no niarahan’i Petera tamin’i Jesoa : « tsy fantatro izany lehilahy izany ». Mba azonareo sary an-tsaina moa izany ry havana malala, fa izaho koa, ianao koa, mety hahita fotoana sarotra izay hametrahan’ny toe-javatra antsika eo anoloan’ny toe-javatra hanao hoe hanaiky aho sa handà an’i Jesoa eto amin’ity toe-javatra ity ? Avy eo, nentina Jesoa, notsaraina Jesoa tamin’ilay fitsarana tsy marina, ny mpitsara nanambara hoe : tsy hitako ny helok’ity lehilahy ity. Izay ny vokatry ny fanadihadiana rehetra natao, ny didim-pitsarana nivoaka : ento Izy ka omboy amin’ny hazo fijaliana. Ah zalahy e ! Fitsarana izany ! Eto Madagasiakara moa tsy misy fitsarana ohatran’izany, fa tamin’ny andron’i Pilato, izany izany ny fitsarana niseho ; izany ny fitsarana niseho. Olona tsy manan-tsiny izao, dia helohina, ombohona amin’ny hazo fijaliana. Dia Jesoa tsy niteny. Fa dia nanaiky Izy, nangiana, moana tahaka ny ondry vavy teo anoloan’ny mpanety azy, nohombohona teo amin’ny hazo fijaliana. Ary mety hahita toe-javatra ohatran’izany ianao, hoy Jesoa : maninona ianao no nangiana e ? Tsy rariny ange izao e ! Maninona ianao no mangiana ? Mandefitra fotsiny izao ? Maninona ary ireo no avela hanao izay tiany atao amin’ny adalany eo dia ianao mieritra eo fotsiny? Jesoa mangiana, Jesoa mangiana. Ary mety handalo an’izany koa isika ry havana malala : fiaretana izay iantsoan’Andriamanitra antsika izany. Ny zavatra mahafaly ry havana malala dia izao : io Jesoa nangiana io, nohombohona teo amin’ny hazo fijaliana, ary teo afovoana jiolahy anankiroa ; ny jiolahy anankiray, jiolahy nibebaka, nilazany hoe : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Ny anankiray jiolahy tsy nibebaka, mbola nilaza manao hoe : raha afaka hamonjy ny tenanao ianao, dia vonjeo ny tenanao dia vonjeo koa izahay. Ary izany no izy ry havana malala, izany ny zavatra atrehintsika mandrakariva, atrehintsika mandrakariva : Jesoa Kristy hatreo amin’ny fara-fofonainy, mbola vonona hamonjy. Saingy Jesoa Kristy hatreo amin’ny fara-fofonainy, mbola notevatevaina. Izany ange ny Jesoa antsika e. Ary ianao, raha vonona hiaraka amin’i Jesoa, dia mivonona koa hahita an’izany. Fa ny vaovao mahafaly dia izao : tsy nifarana teo an-tampon’i Kalvaria ny tantara, tsy nifarana teo amin’ny sahan’i Josefa avy any Armatia, nandevenana an’i Jesoa ny tantara ; fa nitohy ny tantara ary niposaka maraina koa ny Paska nanehoan’Andriamanitra fa nandresy Jesoa Kristy ; ary izaho koa, ianao koa, azony entina eo amin’izany fandresena izany dieny ankehitriny, fa tsy miandry ho any amin’ny mandrakizay akory. Azon’Andriamanitra ho entina amin’izany isika ; ka izay maharesy, maharesy satria nandresy ny fahotana noho ny ràn’i Kristy, ka nandray ny fahadiovany, ary nandresy ny fakam-panahy rehetra ianan’ny mpiara-belona aminy izay azony nihosonana foana, fa niady tamin’ireny, ka nijoro teo anivon’ireny faharatsiana ireny, tahaka ny nijoroan’i Noa, hoy aho taminareo teo, izany olona maharesy izany, ka tsy mihemotra mba hamonjy ny ainy, fa vonona hamoy ny ainy noho ny amin’ny Tompo sy ny filazantsara izany olona izany. Nomen’Andriamanitra koa ny voninahitry ny Fanjakany mandrakizay.
Ry havana malala, misaotra ny Tompo aho fa afaka nizara an’izany taminareo : Kristiana MMM hoy aho no ilain’Andriamanitra. Meteza re ianareo ho Kristiana MMM e ! Inona ireo toetra telo ireo ? Madio – Mendrika – Maharesy.
Ny Fanahy Masina anie hanoratra izany ao am-ponareo ; izaho moa tsy hampiteny an’i Pasitera hoe Pasitera o, avia dia teneno hoe : O ry Kristiana o, mba meteza re ianareo ho madio sy mendrika ary maharesy araka izany tenin’i Président izany. Fa tsy tenin’i Président izany an ! Iraka fotsiny aho eto, manefa ny iraka nampanaovina ahy, hampita aminareo izany hafatr’Andriamanitra izany. Ary hoya ho taminareo indray maka ary averiko indray satria tena mifanojo : tena manantena mihitsy hoe indray andro any, hahita anareo any an-danitra aho dia hiara-mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana isika.
Amena