Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 05 MEY 2019

« Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan’ ny mazava sy ny maizina? « Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo ». 2 Korintiana 6 : 14 ; 17

Manafatra antsika ny Tompo hoe : «  manànà amin’izay fahamarinana », na hoe : « mitomboa amin’ny fahamarinana eo anatrehako ». Baiko izany ry havana. Ary hahazoana manatanteraka an’izany, dia araka ilay and.17, hoe : misy zavatra ao tokony hisarahana, misy zavatra ao tokony hivoahana, tokony hialana. Baiko ny hoe : « Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy ».

Ny fanontaniana ry havana, apetraky ny Tompo aminao amin’izao maraina izao, dia hoe : avy amin’ny toerana inona no tokony hivoahanao ? Ary olona iza amin’ireo olona ifandraisanao ireo no tokony hisarahanao ? Misy mpitoriteny anankiray izay ry havana, nitory teny momba ity 2 Korintiana ity dia hoy izy hoe : misy olona, hoy izy, tokony isarahantsika, misy toerana tokony ialantsika, misy olona tokony isarahantsika, satria ireny ilay karazana olona, ilay karazana relation antsoina hoe : « relation toxique ». Toxique izany, toxine izany, poizina. Poizina izany. Misy relation toxique ry havana satria manimba, manimba an’ilay olona mifandray amin’iny relation toxique iny. Izay no lazain’ny Soratra Masina eto, ilay hoe :         « Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ ny tsy mino ».  Ny relation toxique, dia lasa toxique ilay izy satria olona avelanao hiray zioga aminao. Tsy ny olona rehetra eto an-tany akory no hoe relation toxique ; fa ilay olona izay hoe nosafidianao na apetraka hiray zioga aminao. Izany hoe, tena hoe hiara-dalana aminao, ary hiara-dalana akaiky isan’andro isan’andro. Hoy ny Tompo aminao hoe : « Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ ny tsy mino ». Ny zioga moa, dia amin’ireny omby ireny, ilay mamatotra ny omby anankiroa mba hahazoany miray lalana sy miara-dia : « Aza mety hasiana zioga tsy antonona : misaraha amin’ny relation toxique ».  RESAKA RELATION TOXIQUE – Mivoaha, misaraha.

Jerentsika ny Deoteronomia 22 :10 : efa fahamarinana hatrany amin’ny Testamenta Taloha ry havana io ilay hoe misy zioga tsy antonona, misy zioga tsy antonona. Deoteronomia 22 :10 « Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany ». Ao amin’ny Testamenta Taloha io, fa efa ao ny eritreritra hoe manakambana. Ny boriky, dia kilasian’ny Soratra Masina, satria ny Soratra Masina no milaza an’izany tao amin’ny Testamenta Taloha, dia hoe kilasiana biby maloto. Ka tsy mety, raha ny omby izay biby azo ampiasaina, biby madio, akambanao, ataonao iray zioga amin’ny biby maloto. Izay ilay foto-kevitra. Ary ilay vokatr’ilay fanakambanana an’ireo, satria tsy tokony akambana ny omby sy ny boriky, dia hoe : na ireo hiady, na ireo hifandratra. Izany ry havana ilay relation toxique. Izany ilay relation toxique izany. Manimba anao izany. Mifamono ilay olona manana relation toxique, mifandratra izy, ary tsy mifampandroso.

Misy sehatra 3 ry havana eo amin’ny fiaraha-monina andinihina an’izay hoe relation toxique izay, andinihina an’izay hoe zioga tsy antonona izay, dia tenenina hoe : « Aza mety asiana zioga tsy antonona. Ary aza ianao indray ary no mitady ilay zioga tsy antonona e ». Izay ilay zavatra.

  1. Sehatra voalohany ry havana, dia ny sehatry ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-monina

Aza mety asiana zioga, aza mitady associé, aza mitady mpiara-miasa izay tsy mino. Aza mitasdy associé, aza mitady mpiara-miasa, izay ilay iray zioga. Raha ao amina orinasa ngeza be moa ianao ka fantatrao fa ilay secrétaire, na ilay directeur, hoe tsy mino, tsy problemanao izany. Fa raha ianao, hamorona orinasa, na ianao manana projet, dia tsara be ilay projet, dia hoe : Pasitera, ento am-bavaka ity fa tsara be ity projet ity, saingy izao, izy mianakavy partenaires ao aloa dia tsisy mino e. Izay ilay zavatra : ialao izany, mivoaha amin’izany ry havana o, mivoaha amin’izany. Ka ilay izy Pasitera, projet amina miliara, izay aho vao nahita projet ohatran’izany : misaraha, mivoaha amin’izany ianao e. Izany no atao hoe mino ry havana o. Inona no iraisan’ny fahamarinana amin’ny tsy mino.

Misy tovolahy izay, katekomeniko, katekomena tato moa izany e, dia izy efa tany amin’ny faha-40 taonany tany vao nirotsaka catéchumène, ary satria izy efa 40 taona dia tamin’ny fandresen-dahatra tanteraka mihitsy no nanaovany catéchumène, ary tena nahafinaritra ny ni-accompagné azy, tena ni-accompagné-na manokana, nanaovana dinika manokana nandritra ny taona naha-katekomena azy izay ranamana izay, tena nahafinaritra mihitsy. Dia taty aoriana izy, herintaona sa roa taona taorian’ny nivoahany katekomena, dia : Pasitera an, vonjeo aho, vonjeo aho, vonjeo aho. Dia hoe, fa misy inona hoy aho ? Tena tapi-dalan-kaleha, tapi-dalan-kaleha : izaho efa katekomena iny dia nisy projet ngeza be izay tena hoe nahafinaritra ilay izy, tena hoe haiko ilay izy, olona mahay daholo, olona manana traikefa amin’ilay izy daholo ilay izy, nahita bailleurs izahay tamin’ilay izy. Fa izao, hoy izy : izahay mbola tsy nisy fotoana mihitsy mba hoe niara-nivavaka ho an’io projet io. Ary raha ny marina, ireo associé-ko ireo, tsisy mpiditra am-piangonana. Fa izao no tena nahakivy ahy hoy izy, mandroso ilay projet, mandroso ilay projet, nony efa tonga ny hoe hanao signature, misy étapes isan-karazany, tsy nety tanteraka mihitsy ilay signature Pasitera an. Tsy ahoan-tsy ahoana eo, tsy tanteraka ilay izy. Fa ahoana hoy aho ? Izao koa aloa no tantaraiko an’i Pasitera e, ao aminay ao, olona 4 izahay no associés ao, dia rehefa hoe hanao an’ilay signature, miteny ilay bailleur androany, hoe andao hanao signature, dia hoy ny anankiray hoe tsy mety io amin’ny zoma tondroinareo io. Dia hoe fa ahoana no tsy mety ? Tsy mety fotsiny io e. Maninona no tsy mety ? An an an, misy niteny tamiko hoe tsy mety io andro io, dia hoe iza. Hay, ilay mpitaiza an’ilay associé any ananon’anona any. Ry havana ô, izany ilay relation toxique izany. Milaza aminao izy hoe ny vola no zava-dehibe, misy projet ity ; fa ny hoe ho any amin’ny mpanandro sy ny karazany, tsy problema aminy, ary mitaona, mitaona, mitaona anao ho any izy. Hoy ny Tompo hoe : misaraha e ! Misaraha amin’izany ry havana ô. Mivoaha amin’izany projet izany e ! Fa toxique izany.

  1. Sehatra faharoa ry havana, hoe tokony hisarahana, tokony hivoahana, dia eo amin’ilay fiaraha-monina maha-mpinamana

Ilay olona atao hoe tena namana, ilay olona ho atao hoe namana akaiky, ilay olona ho atao hoe meilleur(e) ami(e) : ialao ny relation toxique ry havana ô, ialao ny relation toxique. Ahoana moa no ahafantarana olona, hoe tsy mino izy ry havana ?

Manomboka amin’ny abidy an’ny finoana sy ny pratikan’ny Fiangonana ry havana : ny olona tsy mino, tsy mba mpiditra am-piangonana, afa-tsy amin’ny mariage, afa-tsy amin’ny fandevenana : tsy mpiditra am-piangonana izy. Ary tsy mpiditra am-piangonana izy, ka rehefa miditra am-piangonana izy, ankoatra ny mariage sy ny fandevenana, dia raisiny hoe adidy mavesatra be izany, mahakamo be izany. Ny olona mino, ny olona mankaty am-piangonana, araka ny tenin’i Davida, hoe, tena faly, faly aho raha hoy izy ireo tamiko hoe andeha ho any an-tranon’i Jehovah. Faly izy, tena hoe tsy andriny izay ankanesana any am-piangonana ny Alahady. Ary faly izy mankaty am-piangonana, ary araka ny Salamo 100, tena hoe manompo amin’ny fifaliana. Izany ny olona mino ry havana o, izany ny olona mino.

Eo ianareo tanora e, eo koa isika lehibe, namana toxique ry havana, relation toxique manampoizina anao, manimba anao, izany hoe namana miteny hoe : andao lesy mba hanao programa amin’ny Alahady maraina an. Dia hoe ahoana ? Efa ela isika izay no tsy nanao kart, nanao karting ; andao lesy fa misy championnat-na fampiadiana akoho lahy ery an’anona ery an. Maraina isika dia efa mankany ; na andao lesy hanao moto kely an ; izany, fa tsy mankaty am-piangonana. Izay ilay izy ry havana, izay ilay izy. Isaraho izany olona izany, ialao izany olona izany, mivoaha amin’izany fifandraisana izany. Dia hoy ilay mpitoriteny anankiray izay hoe, ny dikan’izany ve dia avela eo fotsiny izy dia ahoana izany, abandonné-na eo ve izy ? Abandonné-na e ove izy ? Tsy abandonné-na izy ry havana ô, tsy abandonné-na izy, fa izao : raha hiaraka aminy ianao, ovay ny votoatin-dresaka, raha hiaraka aminy ianao, ovay ny toerana faleha, raha hiaraka aminy ianao, teneno hoe andao ary lesy an, mba hiara-hiangona amin’ny Alahady. Fa rehefa tsy izay, amitié toxique izany, fifandraisana manampoizina, manimba.

Nahafinaritra ahy, témoignage-na mpanompon’Andriamanitra tato, mitantara ny nifankahitan’izy mivady izy dia hoe izaho hoy izy engagée be ato am-piangonana, mianatra be en semaine, dia Alahady ihany izahay hoy izy vao mba afaka mihaona. Izaho anefa hoy izy manana engagement aty am-piangonana, dia izao no noteneniko taminy : adao, jereo any am-piangonana aho rehefa mirava. Dia tonga taty ilay ranamana mijery an’ilay ankizy vavy, dia mahatratra tso-drano izy, dia tiany be ilay tso-drano tato Isotry Fitiavana ; dia lasa tonga aloaloa kely izy, dia lasa nahatratra toriteny, dia teny be ilay toriteny tato Isotry Fitiavana, dia avy eo izy an, lasa nivavaka tato Isotry Fitiavana, dia lasa nivady izy roa. Ranamana io katolika izany. Azonareo ilay zavatra ? Izay : satria ilay ankizy vavy niteny tamin’ilay namany hoe any am-piangonana isika mifankahita.

Ry havana ô, jereo izay ho namana, ary fotoana hisafidiana izay ho namana izao fotoana izao. Tsy miavona izany, fa vonjy aina izany, vonjy Fanahy izany.

  1. Sehatra fahatelo tokony ialana ny relation toxique ry havana, dia ny fanambadiana

Ialao ny relation toxique rehefa hanambady ianao. Ary io ry havana ô, rehefa mbola hoe misaina tsara ianao ; inona no dikan’ny hoe misaina tsara ? Mbola tsy mitempo fitiavana ny fonao, eo ianao no afaka mamantatra hoe ity relation toxique, ary tsy tiako ho vadiko ity, na ray na renin-janako. Any, mbola tsy miteompo fitiavana. Fa rehefa mitempo fitiavana ianao dia izao no teneninao amin’ny ray aman-dreny, izao no teneninao amin’i Pasitera, izao no teneninao amin’ny olona mba mananatra anao : « izy tsara fanahy, izy manaja, izy ohatran’izao, izy mba efa miasa, izy mba izao, dia izay izy tsy mino izay ve dia ataonareo problema e ». Izany, izany isika mianakavy ry havana ; Ialao izany relation toxique izany ry havana ô, ialao izany.

Misy olona ry havana manamarina ny tenin’ny Soratra Masina hoe : ilay vady tsy mino iny, noho ny famindram-pon’ny Tompo manokana, dia tena hoe niova fo tao anatin’ny fanambadiana ; mais c’est l’exception qui confirme la règle. Aza manambady olona tsy mino e. Aza miray zioga amin’olona tsy antonona anao satria tsy mino, ao anatin’ny ziogan’ny fanambadiana ry havana ô : hanenenanao tongotra aman-tanana izany. Jerentsika ny Lioka 11 :11 : « Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ ny hazandrano? ». Ilay hazandrano ry havana dia hoe sarintsika zanaky ny Raintsika, sarintsika mpino, sarintsika Zanak’Andriamanitra. Ny menarana dia biby, ny menarana dia sarin’ny zanaky ny devoly. Ry havana ô, rehefa hijery izay hoe zioga apetraka eo aminao eo anivon’ny fanambadiana ianao, hazandrano ianao : jereo tsara rehefa mbola tsy mitempo fitiavana ny fonao, sao dia menarana no ataonao hiray zioga aminao. Ny menarana : mpanohitra ny tenin’Andriamanitra ; ny menarana : mpaniratsira an’Andriamanitra ; ny menarana : tsy manao ho loha-laharana an’Andriamanitra. Hanenenanao tongotra aman-tanana izany ; ialao, mivoaha amin’ny relation toxique.

Miverina amin’ny 2 Korintiana 6 isika ry havana, mamarana. Hoy ny and.17 hoe : « Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo ». Izaho dia handray anareo. Misaotra ny Tompo ny amin’ny olona izay mahare an’izany teny izany dia nanapa-kevitra hoe hiala, hivoaka amin’ny relation toxique. Mitondra am-bavaka ny hafa, mitondra am-bavaka ny hafa ry havana. Fa mazava ilay izy : baiko ilay izy. Fa izao ry havana no adinon’ny olona indraindray : ianao miala na misaraka, ianao mivoaka, ho aiza ianao ? Be dia be anie ny olona e, na olona tsy mivavaka aza miteny hoe ity relation toxique e. Ilay relation toxique anie tsy tena avy ao amin’ny Baiboly e, teny fampiasa any amin’ny psychologie sy ny karazany e. Fa izao : ny Tompontsika dia milaza hoe : mialà amin’io relation toxique io, mankanesa any amin’ny Rainao. Izay ilay iy : fa Izy handray anao. Be dia be ny olona mahafantatra hoe tokony hiala ato, dia miala ato izy, miraviravy tanana izy, tsy an-tany tsy am-parafara izy, satria tsy fantany hoe miandry azy ny Ray, tahaka ny fiandrasana an’ilay zanaka adala : vao nahita azy tery alavitra tery ilay rainy dia dodona, nihazakazaka namonjy ilay zanaka adala miverina ao an-trano, rehefa niala tamin’ny fiainana toxique ry havana ô. Izay ! Fa inona ny zavatra mitranga ry havana, rehefa hoe miala ato ianao ka tsy mahafantatra mazava hoe manapa-kevitra ny hiala ato aho an, satria ny Raiko niteny hoe mialà, mivoaha? Eto ianao, ary tsy hijanona ela eto ianao e, tsy hijanona ela tsy an-tany tsy am-parafara izany ianao : miverina mikoroso fahana moramora any amin’ny fahalotoana, sy ny tsy finoana, sy ny fiainan-demony, sy ny fiainana menarana ianao ry havana ô : Lalàna, lalàna ara-panahy izany.

Tapaho ny hevitra, tapaho ny hevitra e, angataho amin’ny Tompo ry havana ô, angataho amin’ny Tompo hoe : iza marina, na inona marina, iza marina ny relation toxique ao amin’ny fiainako kanefa mety efa mahazatra ahy, hatramin’ny taona maro : associé, namana. Ao anaty fanambadiana moa, mbola hafa ; fa ianareo mbola tsy tafiditra ao no afarana, dia angataho amin’ny Tompo e : Tompo ô, omeo ahy ny saina misikina hanapahako, hialako amin’io relation io. Fa te hanantona anao amin’izay aho, te hiverina aminao amin’izay aho ; fa fantatro fa Ray tia ahy Ianao, ary hahasoa ahy no hitenenanao hoe : misaraha amin’io, mivoaha amin’io ; hahasoa ahy no hitenenanao an’izany. Tapaho ny hevitra ry havana ô, tapaho ny hevitra. Ary tapaho ny hevitra hoe : Andriamanitra a, Andriamanitra ô, manaiky an’izay programanao ho ahy zanakao aho manomboka anio, fa ianao, ianao irery no hahasambatra ahy, hampitoetra ahy ao amin’ny fiadanana, hanome ahy ny fifalian’ny lanitra.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

ALAHADY 28 APR 2019

Misy hevi-dehibe telo indray ho tadidiantsiaka amin’ity Alahady faran’ny volana ity. Mba rehefa tonga any amin’ny tokantrano tsirairay isika ka hanontany hoe inona no hafatra, dia tadidinao e, hafatra anankitelo ilay izy. Ny voalohany dia hoe : Andeha hatoky ny Tompo fa mahay ny zavatra rehetra Izy. Ny faharoa : Andeha hiala amin’ny fahotana ka hiaina fiainam-baovao. Ary ny fahatelo farany : Andeha hanao asa tsara amin’ny fahamarinana. Ny perikopa rejetea novakiana tamintsika tamin’ity maraina ity nanambara izany avokoa.

Avadibadio ary ny Baibolinao ao amin’ny filazantsaran’i Jaona efa novakiana tamintsika hatreny am-boalohany, efa nitondrana fanazavana ; Jaona 21. Hojerentsika ao anatin’io indrindra ny hoe : ANDEHA HATOKY NY TOMPO FA MAHAY NY ZAVATRA REHETRA IZY.

Tantara efa haintsika rehetra, fa handeha ho verenina fintinina vetivety. Ny mpianatra eo, Simona Petera eo amin’ny ranomasin’i Galilia, ranomasin’i Tiberiasy moa no ilazana azy eto, satria nisy emperora anankiray, Tiberiasy ny anarany, dia ny ranomasin’i Galilia nanjary natao hoe ranomasin’i Tiberiasy. Nandeha ny mpianatra ; Simona Petera nitarika azy hoe andeha hanarato isika, 7 lahy araka ny voambara teo. Dia haintsika ny zavatra niseho : nandritra ny alina, efa mazava ratsy ny andro, mbola tsy nahazo n’inon’inona ihany. Ny mpandinika, mpanao hevi-teny dia mamakafaka hoe fa naninona moa izy ireto no nandeha niverina nanarato indray ? Niraviravi-tanana ve satria tsy teo ny Tompo ; dia hoe tamin’i Jesoa ilay maty an, tena niraviravi-tanana ny mpianatra. Fa efa nanomboka nisy aina vaovao ihany tany anatin’izy ireo, tamin’ilay hoe nitsangana tamin’ny maty ny Tompo ; fa mbola tsy hitany, aiza moa izany Jesoa nitsangana ? Aiza moa izany izao no mety ahitana Azy ? Mbola tsy nandray ny Fanahy Masina rahateo izy ireo, ka ambaran’ny mpanao hevi-teny hoe mety noana koa, « andao handeha hanarato aza » ; ary dia io eny Jesoa mipetraka eo amoron’ny ranomasina, mitsangana eo amoron’ny ranomasina. Tsy fantatry ry zareo hoe Jesoa io an. Fa mety ataon’izy ireo hoe mpanjono za-draharaha angaha, na efa teknisiana mahay satria efa hadiva maraina ny andro dia nanontany izy io, ao anie mba jereo kely ilay fanontaniana e, eo amin’ny and.5, inona no voasoratra eo ? « Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina va hianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia ». Dia nandeha ny toro-hevitra : izao ary e : alatsaho eo amin’ilay ankavanana indray ary. Tsy nandà izy ireo satria tonga dia nahatoky izy hoe teknisiana mahay ve izany ity, ry zareo rahateo koa efa reraka. Nalatsaka, dia haintsika ny tohiny : navesatra. Ilay mpianatra tian’ny Tompo indrindra voalaza eo, Jaona io, no milaza hoe f’angaha moa tsy ny Tompo iry ? Angaha tsy i Jesoa iry ? Nasalotr’i Petera indray ny fitafiany dia las aizy nihazakazaka namonjy an’i Jesoa. Fa rehefa namonjy an’i Jesoa izy dia gaga : inona ny zavatra nisy teo amoron’ny ranomasina ? Nisy afon’arina. Nandrehitra afo ve izany Jesoa ? Nisy sakafo teo. Dia nilaza taminy hoe ; andana kely, ampio kely koa ilay hazandrano ireto amin’ilay azonareo. Dia niverina indray Petera, dia firy ny isan’ny trondro lehibe hoy ny voalaza ao ? 153. Dia iny indray Jesoa mbola nametra-panontaniana indray, andao indray anie jerena e, and.12, ahoana indray no voalazan’i Jesoa ao ? « Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo ». Nasain’i Jesoa hisakafo izany izy. Izay ilay tantara. Inona no hevitr’izay ? Dia izao aloa e : Jesoa mihitsy izany eto no mandray an-tanana ny mpianany an. Fantany ilay hoe : « Anaka, manan-kanina va hianareo? ». Ny tena hevitry ny teny fototra teny am-piandohana dia hoe : ry sakaiza. Fantany fa efa noana izy ireo, tsy nahazo hanina akory satria niasa hatramin’ny marain’ny andro. Fa Izy mihitsy no mandray an-tanana mivantana manontany : noana moa ianareo e ? Tsy ampiampy moa e ? Dia avy eo, Izy mihitsy no manasa ny mpianatra hoe andao ary hiara-hisakafo e !

Zava-mahagaga 4 ry havako no hitantsika ao anatin’io fanoharana fohy io. Andao anie tanisaina e, inona ilay 4 : voalohany aloa dia izao : efa tsy nahazo hazandrano hatramin’ny nandritra ny alina anie izy ireo e. dia omen’i Jesoa toro-hevitra, eo amin’ny ankavanana. Iny eny nahazo trondro maro be. Zava-mahagaga iray izay. Zava-mahagaga faharoa : ilay harato anie kely e, hoy ny voalazan’izy ireo hoe :   « Raha vao niakatra teo an-tanety izy, dia nahita afon’ arina teo sy hazandrano » ary dia hoe « tsy triatra ny harato ». Harato kely anie ilay izy e. Raha mihindrana ny fitenin’ny zana-bazaha kely izany isika : impossible anie ilay zavatra mitranga eo e ! Harato kely fa trondro lehibe. Faritany mihitsy hoe 153 ; fa tsy rovitra ny harato. Ary ankoatr’izay, roa izany izay : ny nahazoana an’ilay hazandrano, ny isany dia, tsy rovitra akory ity harato ; fa ankoatr’izay : Jesoa ka. Zava-mahagaga anie e : Jesoa maty, nitsangana tamin’ny maty, fisehoana fanintelony ity hoe ny voalaza eo, taorian’ny nisehoany tamin’i Maria, ireo andiam-behivavy, Simona Petera. Eto izany izao, ireto mpianatra ireto. Eto izany izao Jesoa, matoatoa ve iny. An an an, tsy matoatoa iny an. Jesoa Kristy velona iny mifanena tampoka iny an. Zava-mahagaga izay, iza no nandeha naka kitay ? Sa nitondra charbon avy aiza ? Misy afon’arina mirehitra avy hatrany, dia Jesoa no niteny hoe : manasa hisakafo.

Ry havako, mahay ny zavatra rehetra ny Andriamanintsika e. Tamin’ny heriny isika nankalaza hoe naharesy ny zavatra mety sarotra indrindra amin’ny zanak’olombelona Izy, dia ny fahafatesana, ka maika ve ireny zavatra madinidinika amin’ny fiainana ireny e ! Eto izany izao, vitany anie ny miantoka ny sakafon’ny mpianatra, nandeha indrindra nampahery azy ireo mba tsy hisalasala, tsy hiraviravi-tanana hoe dia aiza ny Tompo e ? Ary asehon’ny Tompo fa Izy koa dia miantoka, tsy ny ara-panahy ihany, fa ny ara-noo indrindra indrindra koa. Ao mantsy ilay mieritreritra hoe ny Fanahy ihany. Fa ny ara-nofo mihitsy anie no iantohan’i Jesoa Kristy e. Raisiny an-tanana mivantana ny mpianatra eto. Ahoana no fampiarana an’izay ? Ny fampiarana azy izany dia tsotra : andeha hanao antso avo amintsika, aoka isika hatoky ny Tompo hoe inona daholo ny olana ara-piainana maro samihafa aminao any amin’ny fiainanao any ? Inona no mahatonga anao misalasala indraindray, fa mahay ny zavatra rehetra ani ilay Andriamanitra inoanao e. Tsisy zavatra izay tsy hainy ; ny olana fotsiny : ianao tsy mahatoky indraindray, ianao mivadibadika indraindray ; ka rehefa misy ny olana goavana ka miteny hoe « andao aloa entina am-bavaka », dia misy tezitra : « ahoana no efa izao no olana no mbola lazainareo fa vavaka e ? Mba réaliste tsara, mba mitombona tsara fa izao ve ny olana dia vavaka no iatrehinareo azy». Mampatsiahy ny Tompo : n’inon’inona olana eritreretinao, ny Andriamanitra inoanao anie mahay ny zavatra rehetra e.

Namaky tany amina boky, nahita boky fanazavana, tsy tadidiko ilay lohateniny, indray andro aho : tantara kely ilay izy ho an’ny mpianatra, fa hitako hoe ahazoana lesoan lehibe amin’izany : nisy ankizilahy kely hoy izy andeha hilalao. Rehefa hilalao izy dia nahita vato be. Dia nitomany izy. Dia lasa izy aloa : « nahoana moa no misy vato be ohatran’izao manakana ahy. Andraso, inona no ataoko : atosiko ». Nanosika izy, fa kely ny heriny dia tsy nety nihetsika ilay vato. « Andraso indray ary e : ihanihina ! ». Dia nihanika indray izy, dia nibolisatra. Dia hoy izy : « inona indray ? Andraso antsoina daholo ny namana atsy ambadika atsy : Lita a, Koto a, ampio kely aho fa jereo, misy vato ity, dadany izao efa hiteny amiko hoe modia amin’izay aho ». Natao daholo ny hevitra reheta, natsimbadika : tezitra ny namany : « an an an, ialahy koa, ela be. Aleo izahay handeha hody. Rehefa avy eo koa izao izahay tsy afaka handeha hilalao intsony ». Dia nitomany izy. Rehefa nitomany mafy izy, tonga ny dadany, dia nahita azy : « inona ilay mampitomany ? ». « Ity vato ity Dada a, efa ho antsoin’i Dada aho, natosiko izy ity, nihaniako ». « Nampiasan’ialahe ve ny fomba rehetra ? ». « Ka izany efa lazaiko an’i Dada izany ». « Nisy anankiray letsy tsy nampiasaina an ». Dia lasa ilay dadany nanosika an’ilay vato. Dia hoy izy : « hay moa izay no voalohany tokony nataoko aloa : niantso an’i Dada satria kay moa Dada mahery. Za miandry rery mampiasa ny fomba rehetra eto.» Dia hoy ilay dadany : « izay mihitsy, izay no tokony nataon’ise voalohany ».

Ry havako malala, ry Dorkasy malala, dia hoy isika hoe ny zavatra voalohany, ny lesona voalohany horaisintsika amin’ity maraina ity dia izao, hoe : samia matoky ny Tompo, mahay ny zavatra rehetra Izy io. Mety ho lany andro ianao hitady paik’ady etsy sy ery, adinonao ny tena vahaolana voalohany, ilay Jesoa Kristy mahay ny zavatra rehetra e. Matokia Azy hoy aho, fa tsy misy zavatra izay tsy hain’Andriamanitra atao.

Fa inona indray ary ny faharoa ? Raha izay ny voalohany, aoka hatoky ny Tompo fa mahay ny zavatra rehetra ny Andriamanitsika, andao indray, avadibadio kely indray ilay Baibolintsika teo any amin’ny Romana 6. Inona moa ilay hevitra faharoa hojerentsika izao ? AOKA HIALA AMIN’NY FAHOTANA KA HIAINA FIAINAM-BAOVAO. Andao ary vakiana e. Ny Apostoly Paoly no manoratra ny ao amin’ny bokin’ny Romana io, andao vakiantsika kely. Vakiantsika ny and.1, dia vakiantsika ny and.4, inona no voalaza ao ? « Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao ». Inona no voalaza ao ? Tsy manaiky mihitsy ny Apostoly Paoly, voalaza ny fahasoavan’Andriamanitra. Fa isika ve izany hoy izy dia hitombo hanao mpanota, hitombo ihany ny ota satria hoe misy ny fahasoavan’Andriamanitra ? Dia tohizana ao, efa maty ny amin’ny ota anie isika e, izay hoe tokony ho maty ny ao anatintsika fa tsy tokony ho velona amin’ny ota intsony isika. Dia mbola faranany : tamin’ny batisa, niaraka maty tamin’i Kristy, dia rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy, hoy izy, dia ho amin’ny voninahitra indray, dia voalahatra handeha amin’ny fiainam-baovao. Ahoana no dikan’izany ? Ny dikan’izany anie dia izao e : tsy manaiky izany ny Apostoly Paoly, fa izao : rehefa nitsangana Kristy, dia ianao koa efa olona nandresy, hatramin’ny ota aza, ka mila hita miavaka hoe ry izany an, ianao mbola tsy tao amin’i Jesoa Kristy, etsy kosa, ianao efa hiaina fiainam-baovao. Andao tonga dia haka fampiarana avy hatrany, fa tsy hijanona ela amin’ny hevitry ny teny. Raha izay izany no ambarany, dia izao hoe tokony ho samy hafa izany ny fiainana taloha fony mbola tsy nitsangana amin’ny maty Jesoa Kristy, sy nandray an’i Jesoa. Jesoa tsinona tsy ohatran’ny tantara rehetra, betsaka anie ny andriamanitra inoan’ny olona e, haintsika izao hoe i … dia tena nahare be mihitsy izy e. Vao teraka izy, ilay zaza teraka iny tonga dia nitsambikina teny amin’ny latabatra niterahan’ny reniny azy, dia nanenjika daholo ny olona rehetra : nankaiza ilay zaza vao teraka teo ? Nankaiza ilay zaza ? Dia nataon’ny olona Andriamanitra izy. Zava-mahagaha foana no natao. Fa ny mampiavaka ny Andriamanintsika, naninona ny antsika ? Nitsangana tamin’ny maty. Tsisy intsony hoe andao jereo ny fasany fa ao Izy, foana ny fasana. Dia hoy ny Apostoly Paoly hoe rehefa tahaka an’izay, nitsangana tamin’ny maty Jesoa Kristy, ianao koa, mandresy ny ota fa efa olom-baovao ao Aminy indray. Miverina amin’ny andalan-teny izany isika manao hoe : raha misy olona ao amin’ i Kristy, dia olom-baovao izy, efa lasa ny zavatra taloha ka indrao tonga vaovao ireo. Andao tena haka pratique mihitsy. Ny tena tadiavin’ny Soratra Masina izany, ilay hoe : mialà amin’ny fahotana hiaina amin’ny fiainam-baovao. Raha mpangalatra izany ianao taloha, dia tokony ahoana indray izany ianao ankehitriny ? Tsy mangalatra intsony an ! Raha ohatra ianao izany ka mpijangajanga taloha, rehefa naandray an’i Jesoa Kristy izany ianao, dia tsy tokony ho amin’izay. Tsy fiapangana akory izany ry havana sanatria, tsy fiapangana, fa antso avo ho amin’ny fibebahana, hoe hatramin’izay nandraisanao an’i Jesoa Kristy izay an, tokony ho vavolombelona ianao, miala amin’ny ota, fiainam-baovao, ho hitan’ireo tsy kristiana fa babon’i Kristy tanteraka ianao, dia efa hitanao mihitsy hoe ilay fiainako anie efa tsy ilay fiainako taloha intsony e, fa raha izaho taloha ve no lazaiko anareo… Fa efa izaho fiainam-baovao izao. Izay ilay hoe hazony ny famonjena, tsy havotsotra ny famonjena, andao hiala amin’ny ota ho fiainam-baovao.

Dia niresaka tamina mpanompon’Andriamanitra iray aho, dia hoy izy hoe théorie ihany anie, resaka ihany anie ity ilay hoe hiala amin’ny fahotana ity e ; fa rehefa ao am-piangonana, vonona tsara mihitsy : « ialalo daholo izany fahotako rehetra izany », fa rehefa mivoaka avy ao, tena sarotra ny manatanteraka azy. Marina ny voalazan’ilay mpanompon’Andriamanitra, sarotra tokoa ; fa misy tsiambaratelo any izany ahatonga anao ho tafala amin’ilay fahotana ka tena afaka hiazona ilay famonjena, hoe voavonjy ianao, fiainam-baovao no iainanao. Dia andeha anie, hanao fizarana fohy aminareo aho :  tamin’ny taona nalefan’ny tao amin’ny toera-panomanana ho mpitandrina aho tany Fiji. Fiji an, misy nosy efa ho 300 any. Fa nosy anankiray amin’ireo 300 ireo no nandehananay. Rehefa tonga izahay, tamin’izany mbola mpianatra mpitandrina, mpianatra mpitandrina maromaro dia ingahy lehibe iray izay no nandray anay. Dia tongasoa hoy izy, rapitso maraina rehefa maneno ny lokolosy dia mifoha. Mifampijery daholo izahay : izay izany ny fandraisana antsika, maneno ny lakolosy, mifoha. Dia hoy ilay namanay iray : andao tsy hiadiana hevitra e, rehefa maneno ny lokolosy dia mifoha izany. Dia hoy ny anankiray hoe : koa raha tsy rentsika dia ahoana ? Tonga tokoa ny maraina, hay ry zareo tsy manana an’ilay lakolosy akory satria ambanivohitra, tsy manana an’ilay cloche akory fa hazo no kapohina tamin’ny tendrombohitra dia manakoako eran’ilay vohitra sy tanànà. Tsy te hiteny mivantana ilay rangahy, fa kay ny tiany notenenina dia izao : rehefa maneno ny lakolosy dia mifohaza mivavaka satria nifoha daholo ny tao an-tokantrano. Ary ny renim-pianakaviana, amin’ilay fikarakarana sakafo moa izany, dia efa nifoha aloaloa. Izahay moa izany nipetraka, nivahiny anaty tokantranon’olona. Ny an-dry zareo izany aty amin’ny toerana fandraisam-bahiny, tsihy ; fa ny lakozia indray ny azy no ara-dalana : misy cuisinière à gaz, frigidaire, inona daholo ? Fa ny azy ny eo amin’ny salon dia miara miondrika eo mivavaka. Alefa amin’izay ary ilay vavaka : « Dia mosaotra anao zahay Andriamanitra o, tahio dadanay tahio ny asany ho ambininao, omenao hery sy tanjaka sy fahasalamana, dia arovy amin’ny vehivavy jejo indray androany tontolo andro ». Izay izany ny azy ny fomba hoe hampirindra ilay fiainan-tokantranony, mivavaka isan’andro isan’andro ohatran’izay izany. Dia nandeha indray : « Dia tahio… » Fa hatramin’ny zazakely hoy aho nentina am-bavaka daholo. Dia amin’izay ny entina am-bavaka : « tahio ny fianarany rahatrizay, tahio ny vadiny rahatrizay ». Dia mihomehy, fa rehefa tafahoana izahay dia hoe aty ange ambanivohitra e, aiza koa no hisy fotoana hivavahana ohatran’iny isan’andro isan’andro, hahay na inona na inona intsony ! Ary jereo ity izy, hoe entina am-bavaka daholo hatramin’izay zavatra rehetra. Fa nivadika fotoana maro taty aoriana, nizara loka iny océan pacifique iny isaky ny 2 taona, ilay firenena kely nisy anay no voalohany indrindra tao anatiny. Dia hoy ilay namanay : « Koa isan’andro ve akia ny lakolosy maneno foana, entina am-bavaka, koa tsy handaitra ve io vavaka tsy mitsahatra io ! Ahoana izy no tsy ho voalohany indrindra, jereo ny vavaka atao ao ». Fa teny an-dalana teny, izay amin’ny andavan’andro izany, misy 2 vavy mifamaly : ianao, ianao ; teny anglisy moa izany ilay hifamaliana ; tsisy sahy niteny izahay. Tonga ny ampitso, samy niandriandry, inona no hiseho : dia niteny ilay anankiray voalohany : « izaho aloa rahavavy dia mifona mihitsy an, tamin’ilay zavatra noteneniko omaly iny, tsy tokony niteny anao an’iny mihitsy aho, tsy haiko izay nahatonga ahy hiteny ohatran’ireny fa dia mifona re ». Ny anankiray koa, ny anankiray tsy niteny hoe : «  izay mihitsy no efa nandrasako, ianao mifona ». Fa hoy koa izy : « rehefa tena nodinihina, izaho ary anie no tena fototr’ilay izy e, mifona rahavavy ». Mifampijery izahay : jereo izy, amin’ny maha fiainana ny fiainana, misy ny ady ihany, misy ny fifamaliana ihany, fa noho ilay vavaka tanterahina isan’andro, miasa ny Fanahy Masina hoy aho ; ny dikan’ny hoe miady mantsy dia hoe izaho diso fa ianao marina ; fa eto dia izao, samy diso honoizany ry zareo. Hafa mihitsy. Ka eo izany isika mbola amin’ilay hoe hiala amin’ny ota ho amin’ny fiainam-baovao. Eo indray izany dia tena tsy vita mihitsy ilay fiainam-baovao raha tsy voky, voky inona ry havana ? Voky vavaka e. Ka ny devoly koa anie hoy aho tsy tamana rehefa voky vavaka loatra. Dia amin’izay fotoana izay, tanteraka io, efa olom-baovao ianareo, ao amin’i Kristy ianareo ; tsy ianao no nanao azy, fa ilay Fanahy Masina mitoetra ao anatinao, amin’ilay vavaka asandratra foana : miova ho azy ilay toetra, fa tsy ianao no nandrafitra azy. Nataon’ilay rahavavy anankiray hoe, io moa ilay malaza hoe ny lehilahy, naorin’Andriamanitra i Adama tamin’ny fao tany, fa ny vehivavy kosa avy amin’inona ? Avy amin’ny taolan-tehezan’i Adama ; izany hoe ny vehivavy izany dia avy amin’ny taolany. Ka raha vao manambady vehivavy aloa izany, dia tsy maintsy mikorintsana foana, tsy maintsy misy fitenenana foana. Dia ny rahavavy koa manao joe : izaho aloa tsy mijanona mihitsy rehefa misy zavatra raha tsy ataoko lava be mihitsy ny teny ambarako, amin’izay afaka tsara ny foko. Fa marary fo daholo anefa ny manodidina rehefa avy eo. Dia hoe : tsy izany intsony ianao, fa hoy ianao hoe : raha izaho taloha izay, fony izaho tsy tao amin’i Kristy an, tsy amelako ny ahy raha tsy afaka tsara ny foko ; fa izaho tao amin’i Jesoa ve : tsy ny akanjoko ihany no vaovao, ny voloko novaiko, ny kiraroko sy ny rehetra, fa ny foko mihitsy no efa lasan’i Jesoa Kristy, efa olom-baovao aho e.

Hafatra faharoa ry rahavavy o, inona ilay hafatra faharoa e ? ANDAO HIALA AMIN’NY FAHOTANA, HANANA FIAINAM-BAOVAO. Fa tsy ho an’ny Dorkasy ihany, fa ho antsika rehetra koa : tsy maintsy misy fijerena kely ao izany, tsy afaka manamarin-tena izany fa tsy maintsy mijery : inona avy ary no mbola ota mahatonga an’Andriamanitra alahelo ahy ? Indraindray tsy fantatro akory izy io fa mahatonga an’Andriamanitra halahelo amin’ny fiainako : ny toetrako ve sa inona ? Havaoziko isan’andro, vaovao isa-maraina ny famindram-ponao : ialako ireny toetrako ireny ; tsy izaho no manao azy, fa Jesoa mitoetra ato anatiko.

Andeha haingakaingana jerentsika ny hevitra fahatelo farany. Inona moa izy izay ? ANDEHA HANAO ASA TSARA AMIN’NY FAHAMARINANA. Avadibadio indray any amin’ny Salamo 82 nojerentsika teo. Tsy hiverenantsika hovakiana intsony ilay izy, fa resaka mpitsara aloa no tena misy ao e, resaka mpitsara tsy marina. Tezitra be ny mpanao Salamo eto, Salamo nataon’i Asafa : mandra-pahoviana ianareo hoy izy, vao tena hoe hanao ny zavatra rehetra amin’ny fahamarinana ? Dia lazainy ao : nareo anie mbola ho faty ihany e ; lazainy mihitsy hoe mety ho ratsy anie ny fiafaran’ny fiainana amin’io e. Fa eny an-tenantenany eny izy an, nanjary niteny kely hoe, voalazany ao, tandremo hoy izy, and.3-4 : « Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo; Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo ». Izany hoe ny olona eto amin’ny mpiara-monina, tena kamboty, malahelo, tena hiandanian’ny Soratra Masina mihitsy hoe tsy Jesoa Kristy tamin’ny androny ihany, fa hatramin’ny bokin’ny Testamenta taloha, no efa miandany amin’ny kamboty sy ny mpitondra tena ny Soratra Masina. Ary ireny no ampitandremany hoe : tandremo an, sao dia manao zavatra tsy marina eo amin’ny fitsarana, ka lasa latsaka ny amin’ireny indray an, fa Izy miandany amin’ireny. Raha tohizana ihany izany dia tahaka ny resaka asa soa izany no jerena eto hoe : tandremo an, tsy maintsy mitsinjo ireny kamboty sy mpitondra tena ireny ianareo an. Tsy maintsy mandeha amin’ny fahamarinana ianareo an.

Alahadin’ny TOPAZA indrindra ity andro ity, toera-pamonjena zaza, ery Ambohimitsimbona. Fa andeha hijery ny Dorkasy isika : iza moa ny sampana eo anivon’ny Fiangonana ka tena mitsinjo ireny, manao asa soa tsy mitsahatra amin’ireny karazan’olona ireny ? Dia mety hiteny ianareo hoe ny anay eto Isotry Fitiavana, ny anay manao daholo ka. Fa izany hoe hiteny manokana ny Dorkasy moa isika satria izy ireo izany no tena mpanohana indrindra raha eo anivon’ny foibe Fjkm. Manohana ny sampana rehetra, fa ry zareo izany tena mandray an-tanana mivantana mihitsy ireny mahantra, kamboty ireny. Hamangy hono ny dorkasy, ny dorkasy ao amin’ny Fiangonana an’anona hono dia hiaraka ho tonga hamangy satria Krismasy, Paska ny andro ery amin’ny TOPAZA. Dia hoy izahay hoe herezo rahavavy an ! Fa ny antsika mantsy Jesoa Kristy tsy misy hoe tena hita vatana ka hoe nifanena tamiko tatsy ambany tatsy Jesoa ; fa ny antsika, maniraka olona izy hiasa ary ireny olona ireny no nasainy niandany indrindra amin’ireny mahantra, malahelon’ny Tompo ireny, dia hoy izahay hoe : tohizo ny asa soa. Indraindray mety efa reradreraka ihany ny any an-tokantrano any dia mbola misy ihany hoe adidy ohatran’izao hono, dia karazany ohatran’izao. Fa ahoana ny filazan’ny Soratra Masina ? Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika, fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. Tsy mahazo reraka izany, fa mandeha manao asa tsara, mandeha manao asa soa araky ny karazany avy ; fa ao ambadik’izay, atao amin’ny fahamarinana ilay izy. Jodasy anie indray andro e, tezitra ihany izy tamin’ilay ramatoa andeha hanosotra ny tongotr’i Jesoa tamin’ilay menaka, ilay tamin’ny volon-dohany. Dia hoy izy : io izao, efa ohatrinona ny vidin’iny menaka manitra iny, raha iny izao no nanampiana ny kamboty sy ny mpitondratena, angaha tsy efa nahavitana betsaka. Ohatrany hoe tiany ery izany ny kamboty sy ny mpitondra tena ; fa tsy izay ilay izy : misy tetikady hafa ao ambadika ao, tsy amin’ny fahamarinana hoe andeha hanampy izy, fa tsy fahamarinana loatra no tao an-tsainy. Fa ianao kosa dia taomina : rahavavy, havaozy ny fanoloran-tena ; efa nataonay izany hoe ary avaozinay amin’ity andro ity, mbola ataonay foana ny asa soa. Fa tsy ho anareo ihany, fa ho antsika rehetra koa, manatrika an’izao fanompoam-pivavahana izao : isika an, isika kristiana, ny mampiavaka antsika, sambatra kokoa ny manome noho ny mandray. Dia lasa ianao, raha mbola misy azon’ny tananao atao koa dia manao asa soa ianao satria misaotra an’Andriamanitra ireny olona ireny, dia ny fitahian’Andriamanitra averiny aminao.

Fa mialohan’ny hamaranako ry havana dia izao : misaotra manokana ny FJKM Isotry Fitiavana aho ; ny Oniversite Ravelojaona izany an, dia mahatsiaro indrindra tohananareo. Amin’ny fomba ahoana ? Misy zanaka mpitandrina maromaro ao ; Ary ny mpitandrina amin’ny ankapobeny, raha fantatsika ny amin’ny fivelomana azony, indrindra raha any amin’ny toerana lavitra, any amin’ny dezaka hoy isika, tsy manana izay hanohizan’ireny zanany ireny, ny hidiran’ireny zanany ireny mianatra akory, hanohizany ny taom-pianarana. Fa ianareo eto Isotry Fitiavana, dia mamatsy manokana ny zanaka Mpitandrina ; rehefa nanontany aho hoe amin’ny fomba ahoana, amin’ny fahafolon-karena hono izy io, entinareo manohana ireny, ka zanaka mpitandrina maro no afaka manohy ny taom-pianarany ao anatin’ireny. Izahay manokana dia faly satria misy amin’izy ireny mianatra amin’ny toerana hafa, fa ny anay moa, ilay mahafaly anay, ilay hoe zanaka Mpitandrina mifidy ny Sekolin’ny Fiangonana ; fitaovana mivantana ianareo tompoko o, ao anatin’izany. Ary raha mbola izahay aza no hidongy, dia mbola ataonay ny fitarainana indray izao : hay izy ireo lazaina hoe Mpitandrina, hay izy ireo lazaina hoe katekista delege any ambanivohitra be ireny ; dia hoya ho hoe tsia tompoko. Ny mpitandrina aloa ankehitriny an dia hoy izahay hoe, rehefa kelikely, ahoana moa rehefa vita izao, sao mba azo tohizana any ; dia mety hiteny ianareo ho aleo indray ho an’ny Fiangonana hafa izany Pasitera an. Manonona ny fiadanan’Andriamanitra tompoko amin’ny fahafoizanareo ao anatin’izany ; fa raisinay satria amin’ny ankapobeany ny oniversity dia tokony ao anatin’izay izany an, tokony ohatrany hoe manao fandaminana manokana ho an’ny mpitandrina. Mbola tsy zakany anefa izany ankehitriny, mbola azo lazaina hoe kely ny saram-pianarana mihohatra amin’ny oniversity hafa ; tsy afaka izany hoe ny zanaka Pasitera rehetra tsy mandoa, efa misy zanaka Pasitera efa ho 50, dia atao ahoana moa ny tsy ampandoavana azy ireo ? Fa ianare indrindra, mandray an-tanana izany. Mankasitraka indrindra tompoko ; Fa lazainay anareo, ny oniversity izany tsy araka ilay ilazantsika azy hoe ka an’ny Fiangonana dia tsotsotra e ; Tamin’ny herintaona, nisy fifaninanana natao hidirana mpiasam-panjakana. Ny oniversity Ravelojaona Sampana Fahasalamana tompoko no voalohany indrindra teto Madagasikara. Fa maninona no hoe rehefa an’ny Fiangonana dia tsy maintsy ho kely foana e ? Tsia : misy zava-mahagaga ao anatin’ireny. Dia hoy izahay hoe misaotra amin’ny fanohananareo, mankasitraka an, ary dia tononina ny fiadanan’ny Tompo ; mbola atao ihany hoe : raha mbola misy, tohizo hatrany.

Ry havako malala, hamarana izao fampianarana izao ary isika. Hazony ny famonjen’ny Tompo no jerentsika. Hevitra 3 hiazonanao ilay famonjen’ny Tompo izay : efa voavonjy ianao fa mila hazoninao hatrany izany sao dia tonga ny farany ka tsy voavonjy. Inona ny hevitra 3 nojerentsika tamin’ity maraina ity ry havako ? Inona ilay voalohany teo ? Andeha hatoky ny Tompo fa mahay ny zavatra rehetra izy e ! Inona ny faharoa ? Andeha hiala amin’ny fahotana dia hanana fiainam-baovao. Inona ny fahatelo farany ? Andeha hanao asa tsara amin’ny fahamarinana. Amena

Alahady 21 Apr 2019

« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika ; ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana ».  1 Korintiana 5 :7-8

Ilay and.7 no iaingana : « Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo ». Ilay vongana toy ny hoe paty, paty fanaovana itony mofo itony, « mba ho vongana vaovao ianareo  araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika ». Ilay and.7 io ry havana, rehefa jerena ny dikantenin’ny DIEM, dikanteny iombonana eto Madagasikara, dia hoy ny and.7 hoe : « Esory io leviora tranainy io, izany hoe ny fahotana, mba ho madio tokoa ianareo; dia ho tonga koba vaovao ». Ilay dikanteny protestanta manao hoe « vongana vaovao », tsy dia azo tsara ilay izy, fa hoe « ho tonga koba, ilay paty moa izany, koba vaovao. Izay ilay hafatra amin’izao Paska izao ry havana o, hoe : RESAKA KOBA, ARY KOBA VAOVAO.

Misaotra ny Tompo isika amin’izany teny tsotra izany, indrindra isika aty Madagasikara, etsy izao misy mpivarotra koba, sady tsara ilay koba ; dia isaky ny maka koba, ilay manao gouter kely iny isika, amin’ny 4 iny, na amin’ny 12 iny, dia : hay, misaotra anao Tompo ô, ny amin’ity koba ity, ahatsiarovako fa « koba vaovao » izaho, « koba vaovao » izaho. Tsy mbola hampiteny anareo aho amin’ilay voisin anareo hijoro vavolombelona hoe « izaho koba vaovao », satria mety mbola tsy azonareo hoe ahoana no maha « koba vaovao » anareo, fa teneno ihany izy hoe : « ianao ange ka koba vaovao ». Teneno an’izany ilay voisin anao : « ianao ange ka « koba vaovao » e ! ». Ary izany ny vaovao mahafalin’ny Paska : KOBA VAOVAO IANAO RY HAVANA.

Inona no hafatra voalohany ho anao « koba vaovao » ? Satria izay no tenenina an : esory ny masirasira ela mba ho koba vaovao ianareo. Izay izany ny programan’Andriamanitra ho anao, fa tsy hoe : inona no izany hoe izaho ve dia koba vaovao izany ? Izany ny programan’Andriamanitra ho anao, ho « koba vaovao ».

Voalohany indrindra, ny « koba vaovao » dia mahalala tsara an’i Kristy. Hoy ilay and. 7b hoe : « Fa voavono Kristy, Paska ho antsika ». Izay no hafatra volamena voalohany ry havana.

Fahamarinana 1 : FA VOAVONO KRISTY, PASKA HO ANTSIKA

Rehefa mahare olona maty isika ry havana, dia malahelo ; normal izany. Fa rehefa mahare olona isika hoe, maty i anona, maty novonoin’olona, ary tena hoe novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, Kristy voavono, izay no lesona voalohany eto, dia tena hoe troublé isika, mivarahontsana isika, ary tsy zakan’ny eritreritra izany hoe nisy namono, ary nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana izany. Na olona tsy ananantsika fihavanana manokana, ilay eritreritra fotsiny hoe i anona anie hono ka maty e, novonoin’olona tao an-tranony. Ry havana ô, voavono, voavono Kristy, voavono Kristy ; izany no ampatsiahivina anao. Izany no ampatsiahivin’ny Soratra Masina, ary Izy maty io, nitsangana tamin’ny maty, ampatsiahivina izany, fa hoy ilay mpitoriteny anankiray izay : ny zava-doza anie e, ny drame ange amin’ny Fiangonana kristiana e, dia izao : ilay votoantin’ilay filazantsara hainy tsianjery : Voavono Kristy, Paska ho antsika ary nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana antsika. Hainy tsianjery izany ; fa rehefa mihaino eo izy an, tsy hainy ny mi-tiré ny conséquence an’izany hafatra volamena izany. Fa hainy tsianjery izany zavatra izany. Ry Fiangonana ô, hainao tsianjery izany zavatra izany, fa fantatrao ve ny conséquence izany ao amin’ny fiainanao e ? Manova ny fiainanao ve izany ry havana ô ? Raha « koba vaovao » ianao, efa nanova ny fiainanao tokoa izany. Sa koba tonta ianao ? Sa koba efa lo ianao ? Koba efa simba ireo ry havana ô. Ary mety tsy manova na inona na inona izany satria tsianjery be fotsiny. Rehefa miteny hoe : Voavono Kristy, Paska ho antsika, dia hoe mampahatsiaro ny Paska tamin’ny alin’ilay loza fahafolo nanafahan’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely tany Egypta, loza fahafolo izay nahafahana namonjy ny Zanak’Isiraely, dia hoe nanirahan’Andriamanitra ny anjeliny handringana ny lahimatoan’ny Egyptiana ; lahimatoan’ny Egyptiana, na zanaka izany, na biby fiompy, dia hoe aringana. Aringan’ny anjelin’Andriamanitra amin’io alin’ny Paska io. Fa hoe, ilay ràn’ny Zanak’ondry, izay hoe natentina tamin’ny tolam-baravarana roa sy ny tahotahom-baravarana no marika fa eo ambany fiarovan’i Jehovah ilay ankohonana amin’izany trano izany ; ka raha mandalo ilay anjely handringana, dia avotra, avotra ilay ankohonana ao. Ary ny fanafahana : ny Paska ; fa rehefa miteny isika hoe Paska = mandalo = fandalovana, Paska = fandalovana : izay no tena dikan’ny Paska, dia hoe mahatsiaro ilay fandalovan’ny anjelin’i Jehovah eo anoloan’ilay trano misy ny rà izay miaro. Izay  no dikan’ny Paska, hoe mandalo. Dia izao ry havana: izay no tao amin’ny jiosy izay ; fa ho antsika, mbola tsy azon’ny fandringanana isika, satria io rà nalatsaka teo amin’ny hazo fijaliana io, no mbola maha-toy izao antsika ry havana ô. Io rà nalatsaka teo amin’ny hazo fijaliana io, no mbola maha-toy izao antsika. Isika no tokony niakatra teo, fa Jesoa nisolo heloka antsika. Ary isan’andro isan’andro, mbola tsy ringana isika satria mbola tian’i Jesoa ho arovana amin’ny hazo fijaliana ianao. Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay : mandinika aho ny ankamaroan’ny Fiangonana kristiana, dia manontany tena aho hoy izy hoe tena Fiangonan’i Jesosy Kristy ve ireo Fiangonana ireo e ? Fa rehefa mandinika ny ankamaroan’ny Fiangonana aho, na ny Fiangonana kely indrindra any ambanivohitra na ny Fiangonana aty an-drenivohitra, aty an-tanan-dehibe, misy olona aman-jatony, aman’arivony miangona, feno activités tahak’izao ; manontany tena aho raha Fiangonan’i Jesoa Kristy ireny, na hoe association religieuse, club religieux : manao fomba fombam-pivavahana ohatran’ny zavatra nataon’ny Notre Dame tao Paris tao : mirehareha amin’ny Fiangonana, mirehareha ny amin’izao, fa tsy mirehareha ny amin’ilay mpamonjy sy ny rà nalatsaka teo amin’ny hazo fijaliana. Ny anton’izany hoy ity mpitoriteny ity, ny anton’izany dia farany tsotra : «  les chrétiens ont oublié qu’ils étaient des coupables passibles de la peine de mort ; ils ont oublié qu’ils étaient coupables et passibles de la peine de mort ». Izaho izany, ianao izany. Mahita aho ry havana any amin’ny gazety hoe nigadra hono i anona, nigadra izy noho ny nataony : mampalahelo, mampalahelo. Nigadra fa nanodina an’izao, nigadra fa nangalatra, nigadra fa namono, mampalahelo ; fa mampihontsona ihany, mampihetsi-po ihany rehefa mahita hoe passible de la peine de mort anie i anona e ; io heloka be vava nataony io, passible ; izaho sy ianao ry havana ô, hoy ilay toritenin’ilay mpanompon’Andriamanitra hoe : «  nous avions été passibles de la peine de mort ». Passible de la peine de mort isika ry havana ô, ary enga anie ka hanova ny finoantsika izany, hanova ny fifandraisantsika amin’i Jesoa izany, hanova ny fanompoantsika izany ary tsy ho club sy association religieuse intsony ny Fiangonantsika fa Fiangonan’Ilay Jesoa Kristy voavono ho Paska ho antsika. Enga anie ka hanova ry havana !

Ary io Jesoa Kristy io, izay nandoa ny vidin-drà, satria vidin-drà ihany no nahafahana namonjy antsika, Jesoa Kristy izay nandoa ny vidin-drà ho solon’ny helotsika ho fanavotana antsika, Jesoa Kristy ry havana, tamin’ny alalan’io rà io koa, no nanova antsika ho olom-baovao, nanome toetra vaovao ; nanome toetra vaovao, dia hoy ilay mpitoriteny teo ihany : ny tsy fantatry ny kristiana, ary tena dramatique izany, ny tsy fantatry ny kristiana ange e, fa io rà latsaka teo amin’ny hazo fijaliana io, nanova antsika ho « koba vaovao » : ny toetran’i Jesoa rehetra, afa-ts’ilay toetrany tsy capable manota,  ny toetran’i Jesoa rehetra, afa-ts’ilay toetrany tsy capable manota, dia nomeny ahy, nomeny anao ry havana ô, « koba vaovao ». Capable ianao tena mitia tahaka ny nitiavany anao ; capable ianao tena miantra olona, tahaka an’izay niantrany anao ; capable ianao mandefitra, capable ianao mamela heloka, tahaka izay nandeferany, sy namelany ny helokao. Izany ny vaovaon-ny Paska : nataony « koba vaovao » ianao, mitovy toetra Aminy ry havana ô, ianao ilay passible de la peine de mort teo aloha. Kristy no voavono nisolo heloka anao.

Izay no fahamarinana 1 : Voavono Kristy, Paska ho antsika. Ary io rà nalatsaka teo io, no mbola nahatonga ny mpandringana handalo, tsy nandringana, tsy nandringana, tsy nandringana anao ry havana ô.

Ny fahamarinana faharoa dia izao, eo amin’ny and. 7 : « Esory ny masirasira ela »

Fahamarinana 2 : ESORY NY MASIRASIRA ELA

Olona efa « koba vaovao » no hitenenana an’izany. Tsy ny jentilisa ry havana ô, tsy ny kristiana anarana ; fa olona efa « koba vaovao » : Esory amin’izay ny masirasira ela.

Ilay masirasira, amin’ny DIEM dia tenenina mihitsy hoe « leviora » ; izany mihitsy no ilazan’ny DIEM azy. Esory ilay leviora. Ilay leviora an, zavatra kely atao ao anatin’ilay koba, atao ao anatin’ilay paty dia mampibontsina an’ilay paty. Ka ilay leviora eto dia sary-na fahotana, izay moa ilay sary eto, kely, raha izay no ilazana azy, sary-na fahotana kely, raha tsy esorina amin’ilay koba vao, dia hibontsina, hibontsina eo amin’ny fiainanao, dia hanimba ny fiainam-panahinao, hiteraka fandringanana, hanimba ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy ry havana ô, io masirasira kely io, io leviora kely tsy mampaninona anao io, efa mahazatra anao io. Hanimba anao io, hanimba ny fiarahanao mandeha, fiarahan-dalana amin’i Jesoa Kristy. Hoy ny Tompo hoe : fantaro io masirasira kely io, fantaro ny leviora kely izay mbola tehirizinao ao am-ponao, fa Kristy efa voavono ho anao, ahazoanao manaisotra an’izany ; ary tsy hoe ahazoanao manaisotra an’izany masirasira izany, fa ddiy ny hoe : esory ny masirasira ela. Esory ny masirasira kely, esory ny ota kelin’ny fosafosa ; esory ny masirasira, ny otaotan’ny lainga lainga kely ; esory ny masirasiran’ny mauvaise foi kely, etc… Esory, esory izany leviora izany fa hanimba ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. Ary mbola manampy anao ny Tompo ry havana ô, manampy anao ny Tompo, fa ianao izay nataony « koba vaovao » io, dia hoe omeny fahatsapana vaovao ny amin’izany fahotana izany : omeny sensibilité vaovao ianao ny amin’ny fahotana e. Ka izay zavatra nahazatra anao, izay zavatra tsy nampaninona anao, satria efa « koba vaovao » ianao, dia hoy ianao hoe tsy toléré-nao intsony izao zavatra izao ao amin’ny fiainanao. Izany ve ianao ry havana ? Raha izany ianao anio, dia mankalaza Paska feno firavoravoana tsy misy masirasira ela intsony, satria efa nomen’ny Tompo ianao, amin’ny fanampiana anao, izay toetra vaova, izay sensibilité vaovao izay amin’ny fahotana. Esory, esory ry havana izany masirasira ela izany.

Inona ilay masirasira ary, tononon’ny Tompo manokana eto ? Misy masirasira vitsivitsy tononona amin’izao andron’ny Paska izao.

  1. Io hoe masirasira io, efa notenenin’i Jesoa io ry havana. Jerentsika ny Matio 16 : 11, mananatra mpianatra Izy : « Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo ». Ilay Jesoa nitsangana tamin’ny maty io izany, nanafatra Izy hoe fahiny : « tandremo ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo ». Ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo asain’i Jesoa ialantsika dia ilay hoe masirasiran’ny fombam- pivavahana ivelany, masirasiran’ny fihatsaram-belatsihy. Mifona aho miteny an’ity ry havana, rehefa misy havana, namana, avy any an-dafy, nahafantatra any tany, dia rehefa mandalo aty ireny dia manontany anay hoe inona Pasitera no tena maha samy hafa ny fitandremana Fiangonana aty Madagasikara sy ny fitandremana Fiangonana any an-dafy ? Tsisy fisalasalana ny valiny, tsotra ny valiny, ary fohy ny valiny: ny maha samy hafa ny any sy ny aty, ny fihatsaram-belatsihy. Samy mihatsara velatsihy ny any sy ny aty, fa aty, 15 taona aho no manamarina hoe champion du monde isika malagasy amin’izany fihatsaram-belatsihy izany, champion du monde. Esory izany ry « koba vaovao » e, esory izany ry « koba vaovao ». Tsy ho ahy, fa ho anao. Ary izany no namonoana ny Tompo teo amin’ny hazo fijaliana, ho Zanak’ondry hisolo heloka anao, ary io rà io hanadio anao amin’izany masirasira ela izany e.
  2. Fa ilay masirasira elan’ny Fariseo, dia ilay masirasira elan’ny fampianaran-diso, ary io mampahatsiaro ny secte izay miroborobo moa aty na any Frantsa ry havana. Ilay fampianaran’ny secte anie, misy vitsivitsy tena ohatran’izany ; fa ilay izy anie tsy ary ho diso daholo e. Fa hoe misy fampianarana kely misy lesona 10 eo, dia 1 diso, tsy fantatrao akory hoe diso iny. Fa iny masirasira kelin’ny lesona anankiray, fampianaran-diso anankiray iny, no hanimba ny fiainam-panahinao. Ary mety hamarina anao mivantana any anaty lavaky ny helo. Izay izany ilay masirasira hoe esory io ry « koba vaovao », esory, esory io hoy Ilay maty ka nitsangana tamin’ny maty ary mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra ankehitriny.
  3. Raha miverina ao amin’ny 1 Korintiana isika ry havana, dia misy masirasira anankiray mpahazo antsika ry havana, hoy ny 6 :« Tsy mety ny fireharehanareo ». Tsy mety ny fireharehanareo. Ireto Korintiana ireto no mpirehareha : tanan-dehibe Korinto, sy ny karazany. Dia mirehareha izy. Tsy mety io fireharehanareo io e, esory io masirasiran’ny fireharehana io e. Fa inona moa no tena nireharehan’ny Korintiana ? Jereo ao amin’ny Toko faha-4 ry havana, and.8 : « Efa afa-po sahady ianareo, efa manan-karena sahady ianareo, efa manjaka ianareo ». Ry havana ô, ny mampirehareha an’ireto Korintiana ireto ? Io and.8 io : afa-po amin’ny tenany izy, manan-karena izy, manjaka izy. Afa-po amin’ny tenany izy, manan-karena izy. Dia eo amin’izay isika vao mamaky ilay and.7 : « Fa iza no mampihoatra anao ? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao ? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray ? » Ry havana ô, tondron’ny Tompo manokana ao amintsika Fiangonana : esory io levioran’ny fireharehana io. Esory io levioran’ny fireharehana io. Fa maninona no tenenin’i Paoly hoe tsy mety anie io fireharehanareo io ry Korintiana, eo amin’ny and.6 ? Tsy mety io fa miteraka fireharehana, fiheveran-tena ho zavatra ; tsy mety io fa miteraka avonavom-po, avonavom-panahy. Dia ahoana no fisehon’ilay avonavom-panahy ato amin’ny 1 Korintiana 5 ? Mi-tolérer ota, mi-tolérer fijangajangana. Tsy mbola nahita fijangajangana ohatran’izao aho na dia tany amin’ny jentilisa aza hoy Paoly, izany hoe lehilahy mandry amin’ny vadin’ny rainy izany, fa toléré-nareo izany. Anarina ianareo, miavonavona ianareo, fa toléré-nareo ny fahotana. Fa mirehareha nareo amin’ny harenareo, mirehareha ianareo fa afa-po ianareo amin’ny fiainanareo. Esory, esory, esory izany masirasiran’ny fireharehana izany ry havana ô, dia asehonao fa tena hoe « koba vaovao » ianao. Ny « koba vaovao » ihany no afaka miaina fifaliana sy firavoravoana tsy misy fangarony ry havana ô.

Esory ny masirasiran’ny fampianaran-diso – Esory ny masirasiran’ny fihatsaram-belatsihy – Esory ny masirasiran’ny fireharehana. Misy masirasira 2 farany ry havana izay tondron’ny Tompo. Eto amin’ny and.8 : « ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ny masirasira ela, na amin’ny masirasira lolompo sy faharatsiana ».

  1. Masirasira lolompo : mahavariana ry havana ny nandikan’ny DIEM an’io hoe masirasira lolompo io. Hoy izy hoe : « masirasiran’ny fitondran-tena tsy valahara ». Mafy be izany, mafy be izany. Fa ny dikanteny protestant moa dia naka exemple anankiray-na fitondran-tena tsy valahara, dia ny lolompo. Ry « koba vaovao » ô, ry « koba vaovao », atomboy eo amin’ny ankohonanao, atomboy eo amin’ny ankohonanao : aoka ho tena Paska firavoravoana tsy misy masirasira lolompo ity Paska ity, ka hoe rehefa miala eto ianao, ka tonga any an-tranonao ao amin’ny ankohonanao, ao amin’ny fianakavianao, teneno izy hoe : esoriko ny masirasira lolompo noho ilay rà vidin’ilay fanavotana ahy teo amin’ny hazo fijaliana : mamela ny helokao aho, mamela ny helokao aho. Aza manao an-dolom-po e. Aza manao an-dolom-po intsony ry havana ô. Aza manao an-dolom-po, esory izany masirasira izany
  2. Ny masirasira farany dia ilay hoe masirasira faharatsiana, masirasira faharatsiana. Ilay faharatsiana resahina eto dia amin’ilay fifandraisana ihany koa amin’ny samy olombelona. Ary ny tena mahavariana ry havana amin’ilay hoe faharatsiana eto, ilay teny grika nadika hoe faharatsiana, dia adika amin’ny teny frantsay hoe : « pervers », na « perversité ». Aoka izany ny pervers e. Aoka izay io perversité io ny amin’ny fifandraisana e ! Tsy amin’ny samy kristiana fotsiny, fa amin’ny samy olombelona : esory e, esory io masirasiran’ny perversité, io masirasiran’ny perversion io ry havana ô, dia hanana ny fifaliana sy ny fahasambaran’ny « koba vaovao » ianao.

Ahoana no anesorako azy ? Efa fantatrao ny valiny : jerentsika ry havana ny 1 Jaona 1 :9 : « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra ». Ianao izay efa « koba vaovao », nomena sensibilité vaovao amin’ny fahotana, tapaho ary ny hevitra dia tonony eo anatrehan’ny Tompo ry havana ô : « Jesoa an, ny fiainako mihitsy no ao amin’io Baiboly io, ny fiainako mihitsy no noborahinao teny amin’ny pilopitra teny, entiko aminao aloa izao e, fa ny teninao no milaza hoe raha miaiky ny fahotako aho dia mamela ny fahotako rehetra ianao, ary io rà nalatsakao teo amin’ny hazo fijaliana io, afaka manadio ahy amin’izany tsy fahamarinako rehetra izany, afaka manadio ahy amin’izany masirasira ela rehetra izany ».

Ny fahamarinana 3 hamaranana an’izao toriteny izao ry havana.

Fahamarinana 3 : MITOMBOA AMIN’NY FANAHAFANA AN’I JESOA IANAO, RAHA KOBA VAOVAO

Mitomboa amin’ny fanahafana an’i Jesoa. Misy eritreritra diso ry havana eo amin’ny olombelona, indrindra ilay olona hoe athé, tsy miraika amin’ny fivavahana, tsy miraika amin’i Jesoa. Dia izay hevi-diso izay, hita ao amintsika Kristiana. Inona ilay hevi-diso ? Ilay hevi-diso dia eritreritra manao hoe : « an an an, ny ahy ny important dia ny tsy manao ratsy ; ny ahy ny important dia ny manao soa, manao zavatra tsara. Ary ny hiezahako eo amin’ny fiainako dia rehefa tontaliana, ny zavatra tsara nataoko, lehibe kokoa, be kokoa noho ny ratsy vitako ». Misy olona koa, Kristiana, tratran’izay hevi-diso izay, dia mijoro vavolombelona izy hoe : « an an an, izaho izao efa miezaka mijoro ho « koba vaovao », 6 jours sur 7 ». Tsy azoko aloa hoe maninona no tsy 7/7 fa 6 jours sur 7 e. Izay ilay zavatra. Fa hoe : efa zava-dehibe izany. Ilay hevitra mifandraika amin’izay dia hoe izaho efa miezaka ny ho « koba vaovao » à 80%. Ry havana, ry havana, tsy ny ho « koba vaovao » à 90%, tsy ny ho « koba vaovao » à 90% no iantsoan’ny Tompo anao, satria ilay 10% tavela io, io ilay leviora kely mbola mety hanimba ny fiainanao ara-panahy, ary mety hiteraka désastre, mety hiteraka loza amina tambo amin’izany fiainanao ara-panahy izany. Diso hevitra ianao, diso hevitra ianao, raha izay no tanjona. Ary izay no mahatonga antsika hiteny hoe, tsy hanisa ohatran’izany no zava-dehibe, fa ny hampiseho fa hoe « koba vaovao » ; ary dia hoe mitombo amin’ny fanahafana an’i Jesoa, mitombo amin’ny fanahafana an’i Jesoa. Izay ihany ry havana. Ary raha lavo ianao androany, mifonà e ! Raha solafaka ianao rahampitso, mifonà e ! Ary araka ilay teny teo, nomena toetra tahaka ny an’i Kristy isika, izay no maha-olom-baovao, izay no maha-koba vaovao antsika, afa-ts’ilay hoe tsy fahaizana manota ; hatramin’ny fara-fofon’aintsika isika dia ho mpanota ry havana ô. Fa araka ilay toriteny fanao eto : hafa ny hoe solafaka, lavo, dia mifona dia atsangan’i Jesoa ary dia miezaka ny tsy hanao intsony ; ary hafa ilay hoe solafaka, dia lavo, dia lavo, dia mitoetra amin’izany fahotana izany.

Mampieritreritra antsika ny Tompo ry havana ô, mampieritreritra antsika ny Tompo : esory izay masirasira fantatrao, na izay masirasira kely indrindra. Raha ampisotroina rano ianao, dia hoe io ilay vera ohatran’izao, dia efa nampidinina tao ilay izy hoe rano madio be ; fa nasiana goutte iray, goutte iray-na asidra, hisotro ve ianao ry havana ? Tsy hisy hisotro an’izany eto. Izay ilay masirasira an’ilay leviora kely mety hamono, mety hanimba. Fa hoy ny mpitoriteny : faran’izay mailo, faran’izay sarotiny isika, ny amin’ny fiainan’ny vatantsika, fa ny fiainam-panahintsika, amaivanintsika. Hoy ny Tompo hoe : « koba vaovao » ianao, esory izay masirasira ela rehetra ; fa amin’io masirasira kely io, io no haminganan’ny devoly anao. Mailo isika satria fantatsika fa hoe ny devoly dia mierona manodidina antsika mitady izay ho arapany, fa ny devoly hoy izy, tsy amin’ireny zavatra goavana be ireny anie no haminganany antsika e, fa hoe amin’ny masirasira kely : ireny no ahazoantsika manokatra varavarana ao amin’ny fiainantsika, miteraka dégâts amin’ny fiainantsika ara-panahy, ary mahatonga antsika mpino hiverin-dalana. Ary rehefa hoe mahatonga antsika mpino hiverin-dalana, miverin-dalana, tsy hoe amin’ny fangitsiam-po fotsiny, fa miverin-dalana ho any amin’ny devoloy ry havana ô. Esory ny masirasira kely.

Ary rehefa jerena io texte io hoe manaova firavoravoana, ilay teny grika dia hoe manaova firavoravoana isan’andro isan’andro, hatrany amin’ny fara-fofon’ainao. Aza manao firavoravoana fotsiny ny Alahady, androany Alahady 21 Avril 2019 ; isan’andro, manaova firavoravoana tsy misy masirasira. Ny Tompo ry havana, hamindra fo amintsika, Izy izay efa nandatsaka ny ràny ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana. Izy no hamindra fo ary dia Izy no hiasa ao amintsika, na ny fikasana na ny fanaovana, hanaisotra an’izany hoe masirasira ela izany, izany leviora mety hoe hanimba ny fiainam-panahintsika, ary hahatonga fandringanana ara-panahy sy fahafatesana mandrakizay ao amintsika.

Vaovao mahafaly : fantaro, saino mandrakariva, aza adinoina fa « koba vaovao » ianao. Amena

ALAKAMISY 18 APR 2019

"Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin’ ity ora ity. Ray ô, mankalazà ny anaranao". Jaona 12:27-28a

MBA MIVAVAHA AMIN'IZAY MOA E!