Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAKAMISY 30 MEY 2019

"Koa raha niara-natsangana tamin’ i Kristy hianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ ny itoeran’ i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan’ Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany". Kolosiana 3:1-2

RESAKA KRISTIANA MISAINA

ALAHADY 26 MEY 2019

« Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ ny lalàna hianareo, fa ambanin’ ny fahasoavana ». Romana 6 :14

Reny feno ny Fanahy Masina – Reny ambany Fahasoavana

Misy fahamarinana 2, izay ihany no noeritreretiko ho resahina amintsika amin’ity maraina ity.

Ny fahamarinana 1, efa noresadresahina tamin’ny fanombohana ny fotoana teo, dia ny ao amin’ny Romana izany : tsy manan-kery aminao izay eo ambany fahasoavana ny ota. Ny manan-kery aminao ny ota.

Inona moa ity ota ity ? Ny ota ry havana dia ilay poizina natelin’i Adama sy Eva tany amin’ny saha Edena, ka niteraka fahafatesana ho an’ny taranany rehetra. Io ilay fiodinana amin’Andriamanitra, « rebelle », tsy te hanaraka ny tenin’Andriamanitra fa nihaino ny feon’i satana, ary tao anatiny tao ny fizahozahoana : hitovy amin’Andriamanitra ianao raha mihinana an’ity. Izay ilay ota.

Ny ota sy ny asany dia mifanohitra tanteraka amin’ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olona. Ilay fahavalon’Andriamanitra fantatsika, mpanjakan’ny fahamaizinana, no nampiditra io ka nahatonga ny fahafatesana. Dia hoy ny Soratra Masina : « Fa fahafatesana no tambin’ ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika » Romana 6 :23. Izao anefa : noho i Jesoa dia azontsika atao ny afaka amin’izany fanagejan’ny ota izany, satria io ota io manandevo, mangeja ; tsy tompon’ny tenany ny olona fa tarihin’ny filana rehefa io ota io no mameno ny fiainany. Isaorantsika Andriamanitra, fa noho i Jesoa, Izy no nitady lalana ary nandrava an’izany herin’ny ota izany. Novakiana izany tao amin’ny Romana 6 :1-14, ny nadravan’i Jesoa an’izany ota izany. Ka hoy Paoly manao hoe : « Tsy fantatrao va ?» Misy fahamarinana izany tokony ho fantatrao, tokony iainanao isan’nadro isan’andro. Fa izao aloa e : tsy ho tanteraka aminao ilay izy an, raha tsy, voalohany, efa nanaiky an’i Jesoa sy ny avotra vitany teo amin’ny hazo fijaliana ianao. Izay ny voalohany, izay ny dingana voalohany : miaiky ianao fa mpanota, mivelona amin’ny faharatsiana ka mila vonjy : « vonjeo aho, vonjeo aho Tompo ô, mino aho fa ianao, ny avotra vitanao no mamonjy ahy, mifona amin’ny fiodinako aho ». Rehefa nanao an’izany tamin’ny fonao rehetra ianao dia mandray anao Jesoa : miditra eo amin’ny fiainanao Izy, ary manova ny toerana misy anao taloha : toeran’ny mpanota, hanjakan’ny ota, dia tonga amin’ny nouvelle situation, position vaovao ny fiainanao isan’andro. Ny fahasoavana mampiditra anao amin’izany toerana vaovao izany ary mampianatra anao handeha mendrika amin’izany toerana vaovao izany. Ny fahasoavan’Andriamanitra no manatanteraka an’izany : miaina fiainam-baovao, afaka amin’ny ota. Rehefa nandalo fibebahana ianao, dia fantatrao ny hevitry ny atao hoe batisa izay efa nanaovana anao, nandevenana anao sy nanombohana ny ota ka niara-maty tamin’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ianao ary nitsangana niaraka taminy. Tsy afaka hitoetra amin’ny ota intsony ianao, satria efa lasa miray amin’i Kristy, efa maty ny amin’ny ota ianao. Io ny fahamarinana : tamin’i Jesoa maty teo amin’ny hazo fijaliana, dia maty noho ny otantsika Izy, naka ny toerantsika Izy,  toerana mpanota, kanefa tsy maty nisolo toerana antsika mpanota fotsiny Izy, fa Izy mihitsy no solontsika ; ilay mihantona eo izany : izaho no mihantona eo : nisolo ahy Izy. Tsy naka ny toerako maha-mpanota ahy fotsiny Izy fa tena nisolo ahy mihitsy Izy ; koa ny fahafatesany, dia fahafatesako ; izany hoe, raha maty Izy, dia izaho no maty. Ny olana ny amin’ny ota dia voavahany avokoa ; izay ao amin’i Kristy Jesoa rehetra, amin’Andriamanitra, dia maty amin’ny ota izy. Koa tsy manan-kery aminao ny ota, rava ny heriny. Satria maty ny amin’ny ota i Kristy, dia maty ny amin’ny ota koa izay rehetra mino an’i Jesoa Kristy. Mety alaim-panahy angamba ianao hanao hoe : ny kristiana izany tsy manota intsony fa marina foana ; mety manota ny kristiana nefa tsy manana fifandraisana amin’ny fahotana izy, efa voahombo teo amin’ny hazo fijaliana ny ota. Lavo izy, fa tsy miray amin’ny ota ; ary izany no mahatonga ny ao amin’ny 1Jaona 1 :7-8 hoe mety manota ianao, mety lavo ianao, tsy miandry Alahady maraina ianao vao manao hoe : « raha miaiky ny fahotantsika isika » ; fa raha vao mianjera ianao, tsapanao fa diso ny zavatra nataonao, dia miaiky helokao ianao : diso. « Tsy nety iny lainga nataoko iny », « tsy nety ny tahaka an’izao, mifona aho Tompo ô, diovy amin’ny ranao aho ». Eo noho eo dia voadio amin’ny ran’ny Tompo ianao, dia miaina amin’ny fiainana voadio isan’andro isan’andro, noho ny ran’i Jesoa. Izany ny kristiana. Aza miandry Alahady vao hibebaka ; fa raha vao tsapanao fa nianjera ianao, diso, nanota ianao, eo noho eo ianao dia miaiky, fa hoy ny Soratra Masina hoe : « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra ». Izany ny olona ao amin’i Jesoa : voadio isan’andro, manana fiainana voadio, fa tsy miaina amin’ny ota fa efa maty ny amin’ny ota izy. Tsy afaka mitoetra amin’ny ota intsony izy satria miray amin’i Kristy. Maty ny amin’ny ota ny mpino ary velona ao amin’Andriamanitra.

Koa ny fahamarinana 1 ary : Tsy manan-kery aminao izay ao ambanin’ny fahasoavana ny ota. Ianao reny, reny mino, tsy manan-kery aminao ny ota satria miray amin’i Kristy ianao ; ary ianao reny izay efa voadion’ny ran’i Jesoa, ary miray amin’i Kristy, dia izao : matoa ianao mbola velona, manana mission spéciale voatokana ho anao ny Tompo. Tsy natao hoe ho tonga ao am-piangonana fotsiny ny reny, isika rehetra mantsy izany, ka hoe hanafana dabilio, azafady, fa misy mission ampanaovin’Andriamanitra ny reny rehetra.

Fahamarinana 2 : Manana mission voatokana ho anao Reny ny Tompo

Mahagaga ny famonjen’Andriamanitra ny reny. Raha lavo tamin’ny ota ny reny voalohany, ka niteraka fahafatesana ho an’ny taranaka manontolo, dia nifidy vehivavy tsotra iray tany Nazareta ny Tompo ho reny hananganana ny reny rehetra manaiky ho vonjena. Namangy an’izany vehivavy izany ny anjely Gabriela nirahin’Andriamanitra, ka hoy izy : arahaba ry ilay nohasoavina ; aza matahotra ry Maria fa efa nahita fitia tamin’Andriamanitra ianao. Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny tena voasoratra ao, dia lehilahy anankiray koa izay nahita fitia tamin’Andriamanitra, Genesisy 6 :8, tsy iza izany fa Noa, nahita fitia tamin’Andriamanitra ka narovany i Noa sy ny ankohonany tamin’ny safo-drano, raha nandripaka izao tontolo izao Izy, satria nahita fitia tamin’Andriamanitra. Tahaka an’izany koa i Maria, nahita fitia. Amin’ny teny frantsay hoe : « Noa trouva grâce aux yeux de l’Eternel ». Nahita grâce ; Maria dia nahita an’izany, nohasoavina, nahita fitia tamin’Andriamanitra. Ary tamin’ny fotoana izay nanambarany fa hoe hitoe-jaza avy amin’ny Fanahy Masina izy, dia feno ny Fanahy Masina i Maria ; ary raha namangy an’i Elizabeta havany izy, vao namangy fotsiny izy hoe : aody, tsy izany angamba ny fomba fiteniny, fa izany ny any aminay any hoe aody, nibitaka ny zaza tao an-kibon’i Elizabeta ; Elizabeta sy ny zanany feno ny Fanahy Masina, satria namangy tao Maria miaraka amin’i Jesoa tao an-kibony. Sady feno ny Fanahy Masina izy no teo ambanin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Maria dia nomena fahasoavana. Inona moa no atao hoe fahasoavana ? Ny fahasoavana dia fanomezana antsika izay tsy mendrika, tsy hoe mendrika omena zavatra ianao, fa nomena ianao na dia tsy mendrika aza. Izay no atao hoe fahasoavana. Andriamanitra nanome ny zanany hisolo antsika mpanota tsy mendrika : fahasoavana izany. Hoy Maria rehefa nandre ny tenin’ny anjely Gabriela ; hoy izy hoe : « inty ny ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao ». Inona moa izany teny nataon’i Maria izany ? Eto dia hitantsika ny toetran’i Maria : Maria nanetry tena : inty ny ankizivavin’ny Tompo, izany hoe : « je suis la servante du Seigneur », inty ny ankizivavin’ny Tompo : nanaiky ny fahambaniany izy, nanetry tena izy dia nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra. Izany ny toetran’i Maria. Dia nitoetra tao an-kibony ny zaza ; naissance virginale io an, zavatra mahagaga izany. Ary teo amin’ny Isiraely, zava-doza izany hoe tsy manambady nefa bevohoka izany. Nolanjain’i Maria izany fahafaham-baraka izany, hoe bevohoka tsy nanambady. Nanaiky izy satria fantany fa avy amin’Andriamanitra, zanak’Andriamanitra, mpamonjy izao tontolo izao, izany no tao an-kibony, io ilay zanak’olona.

Ry reny malala izay manatrika eto, ianao, isika no Maria, raha manaiky ilay fanomezana omen’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao, ka mamaly ny fanasana, satria hoy Izy : « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko ». Miditra ao anatinao Jesoa ary mitoetra ao anatinao Izy, rehefa ampidirinao ao, miditra ao Izy. Ka raha miditra ao Izy, ao anatinao, tahaka an’i Maria ; ny mission an’i Maria dia ny nitondra ny zanak’Andriamanitra tao an-kibony, hamonjy izao tontolo izao, hanatanterahina ny famonjena. Ianao, izaho, isika tsirairay avy, mitondra ny Mpamonjy eto amin’izao tontolo izao. Izay no mission voalohany. Moa tsy ao aminao va Jesoa ? Raha miray aminao Izy,ivelomanao, zarainao amin’ny vadinao, zarainao amin’ny zanakao, amin’ny ankohonanao, amin’ny manodidina anao, amin’ny mpiara-miasa aminao, tanteraho ny baiko izay nataon’i Jesoa taminao hoe : mandehana, mandehana. Izy tsy miteny hoe mijanona na miverena fa mandroso, mandroso.

Fantaro izay mission omen’Andriamanitra anao. Isika tsirairay avy ireto, reny feno ny Fanahy Masina , dia reny, araka ny Soratra Masina, hoe : « Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko ». Izay ny hevitr’io hoe hahazo hery : reny mijoro fa tsy mangozohozo satria efa nafahan’i Jesoa tamin’ny ota. Izany ny reny feno Fanahy Masina. Isika tsirairay avy ireto, omen’ny Tompo an’izany Fanahiny izany raha manokatra ny fanahinao ianao, ny fonao ianao, ka manao hoe : « inty aho Tompo o,  inty aho » : isan’andro ianao dia manolotra ny tenanao ho azy, inty aho Tompo o : manana mission omena anao ny Tompo, tsy maintsy tanterahinao. Ny zavatra fanaoko, isan’andro isan’andro, isaky ny mifoha ao am-pandriana aho, dia tsy maintsy miteny aho : « inty aho Tompo o, inty i Lilie, atolotro anao ny fiainako : atolotro anao ireto tanako ireto hanao soa, ny masoko mba hahita ny fijalian’ny olona ka hiantra, ny vavako mba hiteny fiainana, ny tongotro mba hanao izay sitraponao » : manolotra ny tena isan’andro isan’andro ho an’Andriamanitra. Izany ry reny malala, ny vehivavy feno ny Fanahy Masina. Dia eo ny Tompo maniraka anao amin’ny tiany atao.

Zavatra anankiray koa : reny vavolombelona ; « hahazo hery ka ho vavolombeloko » ; n’aiza n’aiza toerana misy azy, na ao an-tokantrano, na amin’ny fivoriam-pianakaviana, na toeram-piasana, na amin’ny manodidina : vavolombelona. Mino aho fa izany isika tsirairay avy : tsy mora voatoana amin’ny resaka kivanivany, votsivotsi-dratsy, fifosana, fanaratsiana, fa reny vavolombelona.Izay isika.

Reny feno fitiavana : ny vokatry ny Fanahy, raha reny feno ny Fanahy Masina isika, ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana, Galatiana 5 : 22-23 : feno fitiavana, sy ny vokatry ny Fanahy rehetra. Izay no porofo fa nandray ny Fanahy Masina ianao. Fête des mères androany : sao misy tsy voavangy, tsy namangy ny zanaka dia midongy : tsy tia ahy ny zanako, ary minoa aho fa noho ny vinantoko mihitsy no mahatonga ny zanako tsy mamangy ahy na tsy ni-téléphone. Aoka isika handeha araka ny Fanahy : esory ao anatin’ny fonao ny eritreri-dratsy, ny zavatra izay tsy mifanaraka amin’ny sitraponao, fa mahaiza misaotra.

Reny mahay antitra : efa somary zokinjokikiny daholo ; izaho izay miteny moa dia efa ao anatin’ilay izy, ilay hoe zokiolona. Ary misy boky iray izay izay tena nanampy ahy tokoa, boky efa ela, bokin’i Paul Tournier, raha mahita ianareo dia mba mividiana : « Apprendre à vieillir », izay ilay boky. Dia misy anankiray koa, boky anankiray koa, tsara : « Bien vieillir ». Mba mila mianatra ho antitra isika. Raha mbola eo amin’ny 50 taona ianao dia efa manomboha mianatra ho antitra, fa tena mandreraka be ilay antitra be kizitina, mizizo, azafady an. Mila mianatra ; tsy mbola tara re re olona e, na efa zokiolona aza ianao, dia mila mianatra. Fantaro ny kilemanao, fantaro ny toetra toetranao, angataho ny Fanahy Masina hifehy an’izany. Indraindray an, tarazo avy any amin’ny renibe-nao na ny reninao na ny dadabe na ny tsy fantatro tany aloa tany, io fa tonga ao aminao, ka rehefa antitra ianao dia mipoitra aminao, ary mipoitra matanjaka be : reraka ilay tanora, reraka ilay zanaka. Mila mianatra ho antitra isika : antitra mahafinaritra, antitra manome toky, antitra mivavaka ho an’ny taranany, tahaka ny nataon’i Joba, mivavaka ho an’ny taranany, nanao fanatitra ho an’ny zanany, sao dia misy manota ny zanako any, hifona ho an’izy ireny aho, izany no nataon’i Joba. Ianao koa ry havako, aoka mba ho antitra tahaka an’izany : mivavaka, fa tsy antitra sarotiny.

Neny o, aza fenoina hevi-dratsy ny saina sy ny fo, fa fenoy ny tenin’Andriamanitra : reny tia ny tenin’Andriamanitra, miaina amin’ny tenin’Andriamanitra : vakio ny mofon’aina e, vakio ny mana isan’andro e, dia ampiaro eo amin’ny fiainana izany. Izany no reny feno ny Fanahy Masina tadiavin’ny zanaka sy ny taranaka.

Ity koa anankiray : reny manana projet. Aza mieritreritra hoe efa antitra aho. Manànà vina, fa tsy mitety havana fotsiny hiresaka, hiady, sanatria ; fa manana mission tian’Andriamanitra ampanaovina anao ianao, izaho sy ianao.

Mba hijoro vavolombelona kely aho fa efa hifaramparana : maro ny mahafantatra ahy. Tena niara niara akaiky izahay mivady. Rehefa retraite dia nomen’ny Tompo projet vaovao : mandehana atsangano ny toby Kristy voahombo, 2007 io. Rava ny toby Kristy voahombo, ny ray aman-dreny tao tsy nisy, tsy nisy fanokanana, rava ny tanànà, nianjera ny Fiangonana. Tena direct : mandehana atsangano. Any amin’ny 360kilometatra misy lalan-dratsy eo amin’ny 5km avy eo amin’ny arabe goudron, sarety na tongotra no andehanana ; Dia hoya ho : fa nahoana ? Retraite aho ve hoy aho vao hanao an’izao ? Dia hoy ny Tompo hoe : ela izay nitorianao teny izay an : nandeha rôpilanina ianao, nandeha 4*4 ianao, nandeha tômôbile ianao, lalana tsara foana ; fa izao ; mandehana indray mba manao missionnaire dia ho hitanao, ho fantatrao hoe tahaka an’izao kay ny atao hoe missionnaire amin’izao fahanteranao izao. Eny ary, lasa aho. Ary lazaiko anareo fa raha misy aminareo faly, izaho faharoa na fahatelo, feno fifaliana aho any amin’izany toerana izany. Dia natao izay azo natao momba ny Tompo, lasa ny vady, vady niankinana an, 2012, dia hoy aho : dia ahoana izany, hijanona aho ve ? Dia hoy ny Tompo : « Izaho Jehovah no vadinao, no mpanavotra anao, Izaho no Jehovah izay miaraka aminao ; tsy mahafoy anao na mandao anao Aho ». Mahasahy mijoro vavolombelona aho fa tena marina tanteraka 100% izany teny izany, tena miaraka amiko ny Tompo. Rehefa malaheloelo aho, misy zavatra omeny ahy mampifaly ahy ; raha tsy manam-bola aho, satria izahay manao trano, mandehana anie mankany ianareo, fa feno trano any izao an, ary manao Fiangonana ngeza be izahay, izay mahazaka olona 2500, izao isika miteny izao. Teny baiko avy amin’ny Tompo io, ataovy io Fiangonana io. Mandeha, hanatanterahina izany. Tena mitahy ny Tompo, tena ara-bakiteny ; fa rehefa Izy no milaza aminao hoe : momba anao Aho, miaraka aminao, « je suis de ton côté », tena miaraka aminao Izy, manampy anao amin’ny zavatra rehetra, ary manaisotra ny alahelonao. Andriamanitry ny tany rehetra Izy. Dia tanteraka tokoa ny teniny an : nitsangana ny Sekoly, tsy nisy Sekoly tany an ; hatramin’izao an, hatramin’ny classe de 3è, eo ain’ny 300 eo ny mpianatra ; nitsangana ny Sekoly katekista izay isaorako anareo eto, 50 izao, amin’ny Octobre lasa 60, 2ans, hihantohana daholo na sakafo na inona izany Sekoly izany. Isaorana manokana anareo izany. Maro ny trano mitsangana, raha presque tsy nisy tao noho ny cyclone efa voalaza teo sy ny hai-trano. Isaorana ny Tompo. Ary isaorana ny Tompo, efa manana missionnaire 2 izahay any Betroka, ambanivohitr’i Betroka. Mba eritreretonareo izany zavatra ataon’ny Tompo izany. Lavitra izany Betroka izany raha oharina amin’i Kristy voahombo.

Maro ireo katekista manangana Fiangonana amin’ny faritra Sofia, Bealalana, Mandritsara ; Aoka mba tsy ho eto merina sy Antsirabe sy Fianarantsoa ihany no hitoriana ny filazantsara fa any amin’ny toerana maizina rehetra. Mitady anao reny feno Fanahy Masina ny Tompo hanatanteraka ny vision-ny Tompo, ny projet-ny : mitrakaha, mijoroa. Tsy misy izany hoe antitra izany e, ny taona rehetra dia ampiasain’Andriamanitra, na dia 80 taona aza ianao, ampiasainy, na 90 taona aza. Fa mitenenana tahaka an’i Maria hoe : « inty ny ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao ». Farany : vehivavy antitra 2 voaantso tany iles hébrides, hivavaka ho an’ny taniny, ho an’ny fireneny : mirehitra foana ny jirony satria mivavaka foana izy. Raha vao taitra, dia iny fa mivavaka : efa miha-kely mantsy ny torimaso rehefa manomboka antitra ; nino izy fa hamonjy ny Tompo ; feno kilalao sy faharatsiana ny tanànà misy azy,  izany iles hébrides izany. Indray alina, tsy nampoizina, nisy hiakiaka tao an-tokontany, eran’ny arabe, misy olona midabodaboka mandohalika, mitomany, mibebaka ny olona, dia nihitatra nihitatra, fa inona ? Tonga ny fifohazam-panahy ; namangy ny iles hébrides Andriamanitra : tonga ny fifohazam-panahy, satria nisy vehivavy 2 antitra nivavaka, nivavaka, nivavaka, tsy nitsahatra. Mamaly vavaka ny Tompo : vehivavy antitra tia vavaka nanatriatra ny lanitra ka nidina ny Fanahy Masina.

Ry reny malala ô, nahoana moa no tsy ianao izany vehivavy izany ? Tsy manan-kery aminao ny ota hoy ny fahamarinana voalohany, satria efa voahombo niaraka amin’i Kristy eo amin’ny hazo fijaliana ianao ; satana izany tsy manana affaire aminao intsony satrio io no fanindronan’i satana io ota io. Fa rehefa afaka aminao ny ota, tapaka, tsy voageja, dia manana fifandraisana mivantana amin’Andriamanitra ianao miaraka amin’i Kristy. Efa voahombo miaraka amin’i Kristy eo amin’ny hazo fijaliana aho, hoy Paoly, tsy ianao intsony, tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ary izay hivelomako ankehitriny amin’ny nofo dia hivelomako amin’ny finoana ilay zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy, ka maty nisolo ahy, hamonjy ahy, Galatiana 2 :20.

Aoka ho reny feno ny Fanahy Masina ianao, reny mametraka dian-tongotra ho an’ny taranakao, sy eto amin’ny Nosy, satria reny feno fitiavana, mandresy ny faharatsiana, ary manatanteraka mission napetraky ny Tompo ao am-ponao. Mahereza, mijoroa, fa momba anao hatramin’ny farany Andriamanitra ary tsy hisaraka aminao mandrakizay Izy, mahatoky ny anarany.

Amena.

ALAHADY 19 MEY 2019

« Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo ». Lioka 16 :13

Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.

Raha misy teny grika haintsika Isotry Fitiavana moa izany, dia ilay hoe manompo io. Ilay manompo, manompo ohatran’ny andevo. Izany io, Lioka 16 :13.

Raha lazaina amin’ny teny hafa izany ilay hafatry ny Tompo amintsika amin’izao maraina izao, dia hoe : ANDEVON’IZA IANAO ?

Mahafantatra  olona isika izao, tsy miara-mivavaka amintsika eto, dia rehefa tonga ny ratoandro dia manontany antsika hoe inona ilay toriteny tao, dia hoe : ANDEVON’IZA IANAO ? Ary 2 no possible ry havana, araka io Lioka 16 :13 io. Na ianao andevon’ny vola, izay mantsy ilay mamôna : vola sy harena ilay mamôna, fa atao te hitovy lenta amin’Andriamanitra izy, na ampitoviantsika mihitsy amin’Andriamanitra izy ; ANDEVON’NY VOLA VE IANAO SA ANDEVON’ANDRIAMANITRA ? Izay ihany ry havana o. Ary mizara roa pile ity Fiangonana ity anio : ao ny andevon’ny vola, ao ny efa andevon’Andriamanitra. Aiza ianao ? Tsy misy fahatelo, hoe izaho eo an-tenantenany eo. Rehefa hoe miresaka ny fiarahana amin’Andriamanitra, dia na ianao andevon’ny vola, na ianao andevon’Andriamanitra.

Koa miandry anao ny Tompo amin’izao maraina izao, hanapa-kevitra mazava ianao, ary hiteny tahaka an’i Josoa, tsy hoe ianao raim-pianakaviana irery no hanapa-kevitra hoe : « raha izaho sy ny ankohonako, manomboka anio dia hanompo, ho andevon’Andriamanitra ». Izay ilay vaovao mahafaly omen’ny Tompo antsika Fiangonana amin’izao maraina izao ry havana o.

Ilay hoe andevo manko : ny saina dia andevo, ny fieritreretana dia andevo, ny faniriana dia andevo, ny zavatra rehetra atao dia na andevon’ny vola, na andevon’Andriamanitra. Izay no maha-zava-dehibe an’io zavatra io. Ary mampitandrina Jesoa ry havana o, ny amin’ny tsy maintsy hanapahanao hevitra, fa rehefa tsy mazava hoe andevon’Andriamanitra ianao, automatiquement ianao andevon’ny vola. Ary raha andevon’ny vola ianao, malahelo aho miteny aminao fa hoe hanamavo an’Andriamanitr ianao. Raha lazaina amin’ny fiteny amin’izao fotoana izao, hanamavo izany, hoe : hi-sozy an’Andriamanitra ianao ohatran’ireo fariseo ao amin’ny Lioka 16 :14 izay hoe sakaizan’ny vola, ni-sozy an’i Jesoa izy, naneso an’i Jesoa izy momba an’ilay perikopantsika ; rehefa hoe tsy andevon’Andriamanitra ianao fa andevon’ny vola, hi-sozy an’Andriamanitra ianao. Ary ny grave lavitra amin’izany, rehefa hoe andevon’ny vola ianao, ho tia vola ianao, fa hoy Jesoa hoe hankahala, hankahala an’Andriamanitra ianao. Ry havana o, ny fomba fanomenao vola, ny fomba fahafoizanao vola sy harena amin’Andriamanitra no andrefesany sy andrefesan’ny Fiangonana izany fitiavanao an’Andriamanitra izany. Fa rehefa mahihitra ianao, be kajy ianao, dia kajin’ny olona andevon’i mamôna sy mankahala an’Andriamanitra izany.

Andeha ary isika ry havana handinin-tena hoe ahoana izany hoe saina sy fomba fanomezan’ny mpino andevon’i Jesoa na andevon’Andriamanitra izany ?

Fahamarinana 1 : MI-S’ENGAGER IZY, MANAIKY IZY HOE HANANA FAHATOKIANA  TANTERAKA AN’ANDRIAMANITRA

Raha raisina eo amin’ny namoahana, ny nanafahana ny zanak’Isiraely avy tany Egypta ny tantaran’ny famonjena ry havana, ny zavatra hita anie, dia hoe nivoaka avy tao Egypta ny zanak’Isiraely, dia tsy avy hatrany dia namantana tany Kanana, tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, tsia ry havana o. Nampandalovin’Andriamanitra taiza izy aloa ? Nampandalovin’Andriamanitra tany amin’ny efitra. Ary tsy nisy hoe avy any Egypta izy dia hoe nampandalovina tany amin’ny tany nahitana hoe fitoeram-bary sy vokatra ka hoe ahazoany misakafo milamina isan’andro. Tsia ry havana o. Fa io Andriamanitra io, io Andriamanitra io no nanome azy mana isan’andro isan’andro, nampianatra azy hahatoky an’izany fanomezana isan’andro isan’andro izany. Tsy miova io Andriamanitra io : ilay Andriamanitra nanome mana isan’andro ny zanak’Isiraely raha nivoaka ny tany Egypta, mbola te hanome anao mana isan’andro. Izany ry havana ô, mino an’izany ve ianao ? Manaiky ve ianao fa hatoky an’io Andriamanitra io ianao ? Izany ny fombany : miahy ny andavan’androm-piainantsika. Nanome mana Izy, nanome papelika isan’andro Izy, ary fantany aho, fantany ianao, hoe satria be dia be ilay latsaka eo, maninona raha mba manao réserve e ? Tsy fahamalinana ve izany, tsy prudence ve izany ? Tsia hoy Andriamanitra, omeko mana ianao ho an’ny anio. Fa ilay olona nianatra hoe nanangona mana ho an’ny ampitso, lo ilay mana, tsy azo hohanina ilay mana ry havana ô. Tsy kisendrasendra izany, ary mahafinaritra ny fitenin’ilay mpitoriteny anankiray izay : izy nivoaka avy any Egypta io, nasian’Andriamanitra hoe andri-afo nony alina. Any amin’ny désert izany, misy 40° ny elanelan’ny hafanana amin’ny atoandro sy amin’ny alina ry havana. Dia asian’Andriamanitra andri-afo amin’ny alina, mariky ny fanatrehan’Andriamanitra, fa indrindra indrindra koa, hoe hanafanan’Andriamanitra ny température ao amin’izany désert mangatsiaka izany. Izany  io Andriamanitra miahy ny fiainantsika io ry havana o. Mino an’izany ve ianao e ? nony atoandro, andri-rahona ; rahona. Dia hoy ny mpandinika hoe io rahona io koa, manome fraîcheur, manome fahatsiahana. Izay ilay Andriamanitra, izay ilay Andriamanitra ry havana, inoantsika. Ary io no tenenin’ny epistily ho an’ny Hebreo hoe Izy tsy ahafoy antsika e, tsy hanadino antsika e. Mahatsiaro antsika isan’andro isan’andro, maraina sy hariva Izy ry havana ô. Ary izay problème lalovanao androany 19 Mai, sao dia diso hevitra ianao, fantany io problemanao io, fa ianao no tsy mibanjina Azy, ianao no tsy matoky Azy. Tsy matoky Azy ianao e ! Tsy matoky Azy ianao. Fa izao : izay no fomba fanaon’Andriamanitra ry havana, dia araka ny fitenin’ny mpandinika, rehefa mandinika tsara ny totalité-ny Baiboly izy, dia misy fotoana Izy manao fahagagana manokana : eo izany ilay fitantanany ny fiainana andavan’andro, ilay désert jereo, dia manao fahagagana manokana Izy amin’ny fotoana sasany, ohatra hoe : nampisakafo olona tsy omby dimy arivo Izy ry havana o, tamin’ny mofo roa sy hazandrano dimy. Izany ny fahagagana manokana. Tsy misy zavatra tsy hain’Andriamanitra e, tsy misy zavatra tsy hain’Andriamanitra ry havana o.

Izay ny fahamarinana voalohany, hoe manapa-kevitra ve ianao amin’izao maraina izao fa hoe hatoky tanteraka an’Andriamanitra ? Fa Jesoa Kristy izay maty ary nitsangana tamin’ny maty, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, ary any an-danitra Izy, mibanjina ahy, mibanjina anao. Ary tsy misy zavatra tsy fantany ny fiainanao sy ny fahoriana andalovanao.

Fahamarinana 2 : NY OLONA IZAY MANAPA-KEVITRA KA MISAFIDY HO ANDEVON’ANDRIAMANITRA, REHEFA NANAIKY IZY FA HATOKY AN’ANDRIAMANITRA, FAHAROA, MANAIKY IZY, MI S’ENGAGER IZY, FA HITOMBO AMIN’NY FANOMEZANA, AMIN’NY FAHAFOIZANA HO AN’ANDRIAMANITRA

Tsy fantatro amin’ny antsipiriany isika mianakavy, fa ny zavatra azoko antoka ry havana, dia isika rehetra, na iza na iza, mila mitombo amin’izany fahafoizana vola sy harena ho an’Andriamanitra izany, mba ho hita hoe andevon’Andriamanitra.

Aoka hazava ry havana : tsy ny fahafoizanao vola no idiranao any an-danitra ; fa ny fahafoizanao vola dia famantarana hoe efa voasoratra any an-danitra ny anaranao, ary dia mahafoy ianao ho setrin’ny namonjena anao.

Izay ilay fahamarinana faharoa, hoe : ny olona andevon’Andriamanitra mitombo, mitombo hatramin’ny fara-fofon’aina, amin’ny fahafoizana vola sy harena ho an’Andriamanitra. Asiako kely parenthèse ity : débat mangotraky ny Fiangonana : tokony hanao fahafolon-karena sa tsy tokony hanao fahafolon-karena e ? Diso fametraka fanontaniana ianao ry havana o, raha miteny ianao hoe an’ny Testamenta  taloha izany, an’ny sekta izany. Tsy mijery ny efa nianarantsika ao amin’ny Lioka ry havana, dia ilay manao hoe : « Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro », donc faux débat, faux débat io 10% io ry havana o. Fa hoy ny Tompo hoe : raha andevoko ianao, andevoko Izaho Jesoa ianao, fantaro fa ny fanananao rehetra, ny volanao, ny tômôbilinao, ny tranonao rehetra, ny compte en banque-nao, Ahy io, ary tiako ianao, tezaiko amin’izany ianao. Tsy maninona e : anio ianao, afoizo ny 1% ; tsy maninona raha izany no zakanao. Afoizo ny 1% ; fa izao, aza mijanona amin’ny 1% : afoizo ny 2% avy eo, dia afoizo ny 10%. Io zavatra mampimenomenona anao lava io, oay, hay tena izany mihitsy, tena izany kay, tsy manao afa-tsy mamerina amin’i Jesoa izay Azy. Dia gaga ianao, manome 11, manome 12, manome 13, manome 20% etc… Izany anie io ry havana o. Izany ny andevon’Andriamanitra izany : izay azy, an’Andriamanitra ry havana o. Ary izay ilay hoe andevon’Andriamanitra ry havana : mitomba amin’ny fahafoizana vola sy harena. Ary ao anatin’izany fahafoizana izany, faly aho ry havana manararaotra an’ity perikopa ity, fa rehefa miteny ny Tompo hoe mitombo amin’ny fahafoizana, Izy koa anie manome anao ny moyen e, hitomboana amin’izany fahafoizana izany e. Oviana ianao izao no nahazo augmentation de salaire farany ? Sao dia mieritreritra ianao fa ny nanomezan’ny Tompo augmentation de salaire anao dia hoe ahazoanao miliba bebe kokoa sy manome fahafaham-po ny fahafinaretanao bebe kokoa :non, non. Ny nanomezan’Andriamanitra anao augmentation de salaire ry havana dia mba hahazoanao manome, mahafoy bebe kokoa ho an’Andriamanitra. Raha tsy izany ianao mpankahala Azy ; mi-risque ianao hoe mpankahala Azy, mpanamavo Azy, mi-sous estime Azy, nefa mba Pasitera, mpiandry, diakona ry havana o. Dia azo atao ny manontany tena hoe ahoana moa izany ? Hoy John Wesley, anarana fantatsika : izao hoy izy, raha ny amin’ny vola : ataovy izay ahazoana vola be indrindra araka izay azonao atao, vola madio. Mazava izay. Faharoa hoy izy, ataovy izay hanaovana économie be indrindra, aza lanilaniana amin’ny zava-poana ny volanao, aza lanilaniana amin’izay hoe hanomezana fahafaham-po ny filan’ny nofo ny volanao. Aza lanilaniana amin’izao tontolo izao ny volanao, aza lanilanianao amin’ny zavatra fampiderana taim-by amin’ny mpanan-karena hafa ny volanao, mitsitsihy vola araka izay azo atao hoy Wesley. Ataovy izay hananana vola araka izay azo atao an, tsitsiho araka izay azo atao ny volanao, ary mahafoiza, fahatelo, mahafoiza araka izay azonao atao ho an’Andriamanitra. Izany ny olona andevon’Andriamanitra, ary ianao no mahafantatra : andevon’ny vola ve ianao, andevon’i mamôna ve ianao, andevon’i satana ve ianao sa andevon’Andriamanitra ianao ? Tsotra ilay safidy ry havana o, tsotra ilay safidy.

Dia ahoana moa izany manome araka izay azo atao izany ? Resaka quantité ve izany ? Resaka quantité izany, fa resaka toe-tsaina ry havana sy motivation ihany koa.

  • Manome ve ianao satria resy lahatra tanteraka, izay no voalohany, fa hoe mpitandrina ianao, manager an’io vola io ianao fa tsy anao io vola io, ka izany no ahazoanao manome Azy, manome be dia be ho an’Andriamanitra ? Hoy ilay tanora anankiray izay : an an an, volako io Pasitera an,ary ny asan’ny tanako sy ny herin’ny sandriko no nihariako an’io vola io. Eny e, ny herin’ny tananao, sy ny sandrinao, sy ny fahaizanao. ; dia hoy ilay Pasitera : fa iza no nanome io sainao io ? Iza no nanome anao tanana anankiroa ? Iza no nanome anao sandry anankiroa ? Tsy anao io vola io fa an’Andriamanitra. Izay ilay fahamarinana voalohany hoe manome tahaka-na manager-na harena fa tsy tompon’ny harena, dia tsy sarotiny mamerina azy any amin’ny tompony ry havana o.
  • Faharoa manarakarak’izay, ilay fanomezana tian’ny Tompo, satria Andriamanitra Raintsika ry havana nahafoy izay sarobidy indrindra ho Azy dia ny zanany lahitokana. Nanao sacrifice Izy. Ny fanomezan’ny zanak’Andriamanitra ry havana dia fanomezana manana endrika sacrifice. Raha milliardaire ianao ry havana ka manao rakitra 10.000Fmg, dia anontanianao ny Fiangonanao hoe sacrifice ve izany ; ny iray Fiangonana hiteny anao hoe tsy sacrifice izany. Fa na tsy milliardaire ianao, hoy ny Tompo hoe ho antsika rehetra, ny fanomezana ankasitrahan’Andriamanitra avy amin’ny andevony, dia hoe fanomezana manana endrika sacrifice.
  • Ny fahamarinana fahatelo dia izao : isaky ny mamoaka vola avy ao am-paosy ianao, isaky ny hanao sonia chèque ianao, na carte : manontania tena ianao hoe ity ariary laniako ity ve ho fankalazana an’Andriamanitra sa ho fankalazana ny tenako ?

Izay no izy ry havana, izay no tokony handinihantsika tena, hoe mitomboa amin’ny fahafoizana ary aoka ianao hanome sy ahafoy tahaka ny manager an’Andriamanitra. Aoka ianao ahafoy ary hanana endrika sacrifice izany fanomezanao ara-bola izany. Ary aoka tsy hisy ariary lanianao eo amin’ny fiainanao, ka tsy vola fandaniana ho fankalazana an’Andriamanitra ry havana o.

Fa izao : mamôna io, miteny mandrakariva io, ary io mamôna io mety miteny aminao amin’izao fotoana izao : « tafahoatra loatra izany an’i Pasitera izany e, extrémiste loatra izany an’i Pasitera izany e ». Miteny amintsika manokana io isaky ny mba hanapa-kevitra isika hoe hanome bebe kokoa ho an’Andriamanitra ry havana o. Fa izao : safidio izay feo ho henoinao, na feon’i mamôna, na feon’Andriamanitra Rainao, izay miandry anao any an-danitra ry havana o.

Mifona aho ry havana raha hitodika aminareo manokana, aminareo izay manana compte en banque matevina, ny olona manana compte en banque matevina. Misy vitsivitsy ato. Fa ho antsika rehetra ilay teny. Jereo ihany ry havana o, jereo ihany ny compte en banque-nao sao sanatria matevina ohatran’izao, satria, araka ny tenin’i Malakia, misy vola ao izay norobainao tamin’Andriamanitra. Izany : sao dia sanatria misy vola ao norobainao tamin’Andriamanitra. Tsy izaho no miteny anao an’izany, fa izaho, araka ilay vavaka natao teo, mpitondra tenin’Andriamanitra ry havana o. Ary raha misy vola ao norobainao tamin’Andriamanitra hoy Malakia, hitondra ozona, hitondra ozona ho anao io vola io ry havana o, hitondra ozona ho anao io vola io.

Jerentsika ny Marka 4, mbola ho anareo izay manana compte en banque matevina ity, fa ho antsika izay tsy manana compte en banque matevina koa na izany aza ; Marka 4 :18-19 : « Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy ». Matevina ilay compte en banque-nao : sao dia izay ilay toe-tsaina feno fiahiahiana izao fiainana izao ry Fiangonana o ? Compte en banque matevina. Sao dia matevina ilay compte en banque-nao satria izao ilay endriky ny hoe fitaky ny harena ? Sao dia matevina io compte en banque-nao io eritreretanao ny filàna ny zavatra hafa hoy ny Soratra Masina ? Ny totalin’izany, hoy Jesoa ao amin’ny Marka, hoe : an an an, tsisy tenin’Andriamanitra haniry ao amin’ny fiainanao fa hangeja ny tenin’Andriamanitra izay afafy ao aminao izany, hangeja ny tenin’Andriamanitr afafy eo amin’ny fiainanao izany, ary hamono ny fanahinao izany ry havana o, hamono ny fanahinao izany. Mieritrereta e mieritrereta : hamono ny fanahinao izany ; ary automatiquement, rehefa maty ny fanahinao, normal be ianao mankahala an’Andriamanitra e. Ny vatabe anao no mpanompon’Andriamanitra sy ny karazany, fa hoe maty ny fanahinao e. Ary ny tena mampalahelo rehefa mahita olona ry havana hoe velona ohatran’izao, tsy tonga saina izy, ary tsy tonga saina izy hoe izany ve no mba ohatra omeny ny zanany, izany ve no fanao ho lovain’ny zanany : fanahin’olona izay hoe andevon’i mamôna nefa ianao mba ohatran’izao sy ohatran’izao ihany ny fiainanao ry havana, eo amin’ny Fiangonana.

Izay ny fahamarinana faharoa, hoe ny olona andevon’Andriamanitra dia manaiky hitombo amin’ny fahafoizana ; hitombo, hitombo, hitombo hatramin’ny fara-fofon’aina.

Fahamarinana 3 : NY OLONA ANDEVON’ANDRIAMANITRA DIA MANAIKY, MI- S’ENGAGER FA HITOMBO AMIN’NY FIVAVAHANA

Diso hevitra ianao ry havana o, diso hevitra ianao, rehefa mijery ny fiainanao ianao, raha heverinao fa ny vola no ala-olana amin’ny problemanao , amin’izay hoe tsy fisiana sy fahabangana. Rehefa réglé io vola io, dia hipoitra ny problema hafa. Tsy nampianatra mihitsy Jesoa hoe ny vola no solution amin’ny problema, fa ny vavaka ry havana o. « Aza manahy na inona na inona; hoy Paoly Apostoly, fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra ». Izay ilay izy ry havana o. Aza manahy na inona na inona, fa dia hoe mitomboa amin’ny fivavahana, mitomboa amin’ny fihainoana ny teny, mitomboa amin’ny fanokanana fotoana ho Azy e, mitomboa amin’ny fanokanana fotoana ho Azy ry havana o. Ny zavatra misy mantsy dia izao : izay anokananao fotoana, iny no lasa manapaka ny fiainanao. Misy olona ry havana dia hoe, isaky ny minitra, isan’ora, dia tsisy afa-tsy revy, azafady amin’ilay fitenenana, tsisy afa-tsy divertissement, tsisy afa-tsy lalao no ao an-tsainy ao. Andevon’ny lalao izy e. Tsisy mystère izany e, izay ilay izy. Fa raha te hanaeho ianao, ary hitombo amin’ny maha andevon’Andriamanitra anao, mitomboa amin’ny fotoana izay atokanao ho Azy, hivavahana, hiainoana ny teniny ry havana o. Ary tano amin’ny teniny Izy. Fantatrao moa ry havana, fa araka ny tenin’ny mpandinika, misy 215 ny isan’ny andinin-tsoratra Masina milaza manokana momba ny finoana, 215 ; misy 218 ny andinin-tsoratra Masina miresaka momba ny salut na ny famonjena ; fa misy 2.084, 10 fois plus, ny andinin-tsoratra Masina miresaka ny vola sy ny finances. Fantatrao ve izany ? Ianao miteny lava io hoe tsisy afa-tsy resa-bola ato amin’ity Fiangonana ity, Jesosy nanomboka an’io resa-bola io ; ary miresaka vola mihoatra lavitra noho ny helo sy ny lanitra Izy ry havana o. Satria io resa-bola io no ametrahantsika ny finoantsiaka ; ary rehefa io no ipetrahan’ny finoantsika, lasa any amin’ny helo isika fa tsy lasa any an-danitra.

Ry havana o, mitomboa amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra ary mitomboa amin’ny fivavahana. Henoy Izy miteny aminao hoe aza manahy ianareo. Aza miteny hoe inona no hohaniko, inona no hosotroiko, inona no hotafiako, fa ny jentilisa no manao an’izany. Mivavaha ianao e : afaho amiko Jesosy an, izany mentalité-ny jentilisa, sahirana amin’ny zavatra hohaniko sy hotafiako ; afaho amin’izany aho. Henoy Izy miteny aminao isan’andro hoe « Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy ». Tano amin’ny teniny io Rainao any an-danitra io hoe, « izao, henoko ny teninao, fa mihoatra, mihoatra, mihoatra lavitra noho ny voro-manidina aho. Ary Ianao ilay niteny hoe tsy hahafoy, tsy handao, fa miteny hoe aoka ianao hianatra hianina alin’izay anananao, ampio aho Jesosy an, hianina amin’izay ananako. Ampio amin’izany aho, ampio. Ampio aho ahafoy ho an’ny fanjakanao, tsyaraky ny fampianaran-dison’ny théologie de la prospérité ho valianao avo zato heny izany ; raha hamaly an’iny fanomezako avo zato heny iny, aza izaho no valiana avo zato heny, fa ny fanjakanao, ho an’ny fanjakanao no valio avo zato heny ny fanomezako ho an’ny fanjakanao ». Tano amin’ny teniny Izy ry havana o, tano amin’ny teniny Izy. Ary dia enga anie, enga anie ry havana o, ho maro no hitombo amin’izany hoe fanokanan-tena ho an’ny Tompony izany, dia ilay Ray tena tia azy any an-danitra. Ary Izy hitahy an’izao teny izao ka hamindra ny maro amintsika avy any amin’izany hoe fanandevozan’ny devoly izany, ho in’izany fanandevozan’Andriamanitra, ny fanjakany izany.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

ALAHADY 12 MEY 2019

Mihaino ny hiran’ny SLK teo aho ry havana dia nahafinaritra mihitsy ilay fiverenana hoe : « ho tena mpianatr’i Kristy ». Enga anie ka hoe tsy ho hira fotsiny izany m, fa tena hoe mpianatra ianareo rehetra ireo, « tena mpianatr’i Kristy ». Ary izay ilay asan’ny Fanahy Masina ry havana, ilay perikopa androany, dia tena hoe mamaofy izany atao hoe lehilahy tian’Andriamanitra izany. Enga anie ka ho lehilahy tian’Andriamanitra ianareo. Ary miankina aminareo izany e, miankina aminareo izany. Izy ve moa tsy ho tia ny olona rehetra, fa mba ho lehilahy, araka ny 5 minitra teo, ohatran’i Noa ianareo. Miankina aminareo izany ry havana o, miankina aminareo izany. Ary ny perikopa koa dia mamoafy ny hoe « tena mpianatra, tena mpianatr’i Kristy ». Ary dia ho izany tokoa ianareo ry havana o.

Ahoana ary izany hoe lehilahy tena mpianatr’i Kristy izany ?

Jerentsika ny Matio 10 :42 : «Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany ». Misy RESAKA MPIANATRA eto. Omena rano hosotroina, satria mpianatra izy.

Ny fanontaniana voalohany ry havana dia hoe : REHEFA MIJERY ANAREO VE NY FIANGONANA, DIA AFAKA MITENY IZY HOE NY SLK IRAY SAMPANA DIA MPIANATRA ? Eto mantsy, izay ilay izy : mijery ny mpianatr’i Jesoa ny Fiangonana dia hoe : ireo, mpianatry ny Tompo ireo, ireo sahirana ara-pivelomana ireo , andao omena rano kely anampiana azy. Ny rano tamin’io vanim-potoana io dia hoe sarotra, satria ilay ohatra alain’ny Tompo dia hoe rehefa tonga ny lohataona dia ritra ny rano. Maro ireo loharano ritra dia ohatran’ny hoe rare ilay rano. Dia ilay olona mantsaka, mivarotra azy eny an-tsisin-dalana dia somary lafo ilay izy na dia hoe rano eran’ny kaopy aza. Fa rehefa mahafantatra mpianatra ny vahoakan’Andriamanitra sy ny Fiangonana dia hoe, andeha omena maimaim-poana. Satria maninona ? Mpianatry ny Tompo io. Tsy ny fitiavana ny namana aloa, fa hoe omena rano izy satria mpianatra.

Ry SLK o, rehefa mijery anareo ve ny Fiangonana, dia mahita mpianatr’i Jesoa ? Ilay mpianatra eto : disciple ry havana o, disciple. Ary izay no firariana ho anareo mpianatry ny Tompo. Rehefa miteny ny Soratra Masina hoe, antsoin’ny Tompo hoe : hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika ireo, ilay madinika dia tena hoe tenim-pitiavana, tena tenim-pitiavana : ireo zandrikeliko ireo, ireo zanako ireo, ireo vao nantsoiko amin’ny mpianatra, mbola mareforefo finoana, mbola kely fahalalana. Mareforefo finoana ireo, kely fahalalana ireo ; isika rehetra no mareforefo finoana, kely fahalalana, fa antsoin’ny Tompo hoe : madiniky ny Tompo ianareo, ianareo mpianany. Tsy manameloka antsika ny Tompo ry havana amin’izao isika hoe mbola marefo finoana sy kely fahalalana izao, fa isika izao, ny SLK, isika rehetra no tiany atao hoe disciple ry havana o, tiany atao hoe disciple. Ary enga anie no hiteny hoe : izaho ilay nihira hoe tena mpianatr’i Kristy, fa izahay Fiangonana hiteny hoe, raha i raanona indray, dia tena disciple an’i Kristy ry havana o. Izay ilay antom-bavaka, izay ilay fanamby.

Ary ahoana no ahafantaran’ny olona fa disciple ianareo ? Tena hoe mahatsiaro nareo hoe solon’Andriamanitra, solon’i Kristy. Jerentsika anie ilay Matio 10 :40 teo e : « Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray
Izay naniraka Ahy ».
Izay mandray anareo ireo dia mandray an’i Jesoa, ary izay mandray an’i Jesoa dia mandray an’izay naniraka Azy. Sady solon’i Jesoa isika, solon’Andriamanitra isika rehefa mety ho mpianatra ry havana o. Mino aho, fa izaho mbola tsy tany amin’ny gouvernement sy ny karazany, fa rehefa misy olona irahina hisolo tena an’i Minisitra ary amin’ny hetsika ohatran’izao na hoe solotenan’ny filoham-pirenena, tretrika ery izy. Isika ry havana o, solotenan’ny Mpanjakan’ny mpanjaka isan’andro, isan’andro vaky izao. Tsy vaovao mahafaly ve izany ry havana, hoe solon’i Jesoa, solon’Andriamanitra. Fa izao : ny mpianatra ihany no solon’i Jesoa, ny mpianatra ihany no solon’Andriamanitra. Ny mpino tsotra tsy solon’Andriamanitra, Matio 10 :40-42 ry havana o.

Ary rehefa solon’i Jesoa ianao, solon’Andriamanitra ianao, solon’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka : ianao mpianatra, ianao disciple, mahita anao izy, dia faly ny Fiangonana, satria hoe mpampatsiahy an’i Jesoa ianao e. Jesoa izay tsy hita maso ; mpampatsiahy an’Andriamanitra ianao, hoe velona Andriamanitra ry havana o. Ary izaho disciple no porofon’izany. Fa irany aho, irany aho.

Mbola misy misalasala ihany ve ny amin’ny maha zava-dehibe ny antso hoe : mirotsaha e, meteza re ho mpianatra e ; meteza hanana finoan’ny mpianatra e. Fa raha finoana fotsiny, tsy mahavonjy e ! Satria tsy fantatrao ianao miteny hoe izaho mino io, raha minomino foana ianao, raha tsy azonao antoka hoe finoan’ny mpianatra ny finoanao ry havana o.

Mandinika anareo ny Fiangonana dia te hahita mpianatra, tena mpianatra, tena disciple izy ry havana o. Ary efa fantatsika ilay famaritana ny disciple, fa izao no zavatra lazaina farany momba an’ilay hoe maha-disciple, maha-mpianatra ry havana o : une fois ianareo tena nataonareo lehilahy kristiana loha-laharana ao amin’ny fiainanareo Jesoa, une fois hoy aho, ary après an’izay, une fois nareo milaza fa hoe noho Jesoa dia mankahala ny rainareo sy ny reninareo, ny vadinareo sy ny zanakareo, ny rahalahinareo sy ny anabavinareo, eny na ny ainareo aza, iray izay ; une fois nareo Slk manaiky hitondra ny hazofijalianareo, ary une fois nareo Slk manaiky ahafoy  izay rehetra anananareo, ho an’i Jesoa, dia ho mpianatra ianareo. Dia inona ny teny fampanantenana ? Jerentsika anie ny havana ny Jaona 6 :57, satria ianareo solon’i Jesoa, satria ianareo solon’Andriamanitra, satria ianareo irak’Andriamanitra, jereo ny teny fampanantenana ao amin’ny Jaona 6:57 ho an’ny mpianatra ry havana o : « Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko ». Satria nareo nirahin’ny Ray, manaiky ho mpianatra ianareo, nirahin’ny Ray ianareo, dia hoy Jesoa hoe « velona amin’ny Ray », manana qualité de vie hafa ianareo, fiainan’ny Ray no ho fiainanareo ry havana o. Ary fantatry ny Fiangonana izany, atonin’ny Fiangonana izany, tadiavin’ny Fiangonana izany, ny olona ohatran’izany, hoe tena hafa mihitsy ilay ranamana iny, hafa mihitsy iny Slk anankiray iny, fa tena hoe velona amin’Andriamanitra izy, ary velona amin’i Jesoa izy, ary ny disciple ihany no manana an’izany fiainana hafa indrindra izany ry rahalahy malala o.

Izay no fahamarinana voalohany, hoe : mandinia tena ianareo, rehefa mijery anareo ve ny Fiangonana dia hoe iry dia tena mpianatr’i Kristy fa ndeha ho ampiako ?

Ny fahamarinana faharoa ry havana dia izao : NY TENA MPIANATR’I KRISTY DIA TSY MANIMBA

Ny mpianatr’i Kristy, ny disciple, dia tsy manimba. Jerentsika ny Genesisy 6 :9-11 : « Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa. Ary
Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta. Ary simba ny tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza ».
Simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra, satria maninona ? Satria ratsy saina, ratsy eritreritra ny olombelona tamin’izany fotoana izany, isan’andro isan’andro, marain-tsy hariva. Fa Noa ry havana, tsy ao anatin’izay olona kilasin’Andriamanitra hoe mpanimba ny tany izay. Ny tena mpianatra dia tsy manimba ry havana o. Tsy manimba ny tany, tsy manimba Fiangonana, tsy manimba ny ankohonany. Ny tena mpianatra tsy manimba.

Inona no ohatra omen’i Noa eto ry havana ahafantarana hoe lehilahy tsy mba nanimba izy ? Mazava be eto. Ilay and.9 dia hoe : « Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa ». Niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa. Satria izy niara-nandeha tamin’Andriamanitra ry havana, dia araka ilay didy amin’ity volana ity, possible taminy ny nanana fahamarinana teo anatrehan’Andriamanitra, teo anatrehan’i Jesoa e ; satria izy niara-nandeha tamin’Andriamanitra, possible taminy ny nandeha tamin’ny fahitsiana, raha ny olona rehetra tao anaty tsy fahamarinana ka mpanimba ny tany, izy niara-nandeha tamin’Andriamanitra.

Misy teny voalohany hoe « lehilahy », fa araka ilay efa nolazaina, ny maha-samihafa an’ireto teny hebreo ireto dia ity faingo kely ity. Io ilay hoe « i » io amin’ny hebreo. Io « i » io tsy eo intsony amin’ilay faharoa. Ka io « i » io no maha lehilahy ny lehilahy. Ka rehefa tsy eo ilay « i » io, ilay lehilahy lasa afo ; afo mandevona isika lehilahy rehefa tsy eo io « i » io ; afo manimba isika lehilahy rehefa tsy eo io « i » io. Io « i » io, ny fanalavana an’io « i » io dia Jehovah ry havana, ny fanalavana an’io « i » io dia Jesoa. Lehilahy manana an’i Jesoa eo afovoan’ny fiainanao ve ianao ry Slk, ry Fiangonana o ? Eo amin’ny fiainanao ve Izy sa aty Izy, sa aty Izy ? Sa tsy eo mihitsy Izy, ka afo mandevona vady, afo manimba zanaka ianao, nefa aty am-piangonana mba ohatran’izao sy ohatran’izao ry havana o ?

Lehilahy tsy mmanimba, izany no tena mpianatr’i Kristy satria miara-mandeha amin’i Jehovah. Dia andao anie jerentsika hoe ahoana izany Noa miara-mandeha amin’i Jehovah izany. Jereo ilay Genesisy 7 ry havana, Genesisy 7:5 : «Ary
Noa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah azy ».
Izany ny olona mandeha miaraka amin’i Jehovah ry havana o, manao araka izay rehetra andidian’i Jehovah azy. Tsisy olona mandeha miaraka amin’i Jehovah ka manohitra ny teniny, tsisy olona afaka miteny hoe mandeha miaraka amin’i Jehovah ka tsy manokatra Baiboly na mankatoa e. Henontsika tamin’ny vakin-teny teo fa hoy Andriamanitra tamin’i Noa hoe ny alavan’io an, ataovy 300 hakiho, ny alavan’ilay sambo fiara izany :ataovy 300 hakiho. Dia eo ve ianao dia hiteny hoe Jehovah an, Jesoa an, izany hoe 300 hakiho izany mantsy dia hoe lava noho-na stade de foot-ball izany : « ahoana no ahavitana an’izany ry Jesosy an ? Atsasak’izany ve dia tsy ho ampy e ! ». Dia firy moa, 50 hakiho moa ilay largeur-ny teo, tsy tadidiko intsony, 300 hakiho – 50 , hakiho 30 ny ahavony. Hakiho 30 izany lazain’ny mpandinika hoe trano 4 étages izany. « Sao dia avo loatra e, raha 2 étages ve tsy efa ampy Jesosy an ! ». Dia raha ankinina amin’ny sampana Slk izany hoe amboary kely ilay fiaran’i Jehovah io, dia hoe : « o ry Pasitera an, aiza no ahavitanay Slk an’izany ? ». Ka izany no tenin’i Jehovah tompoko o. Hankatoa ve ianareo ? Hanetry tena ve ianareo e ? Izay ilay izy : hanetry tena, hanaiky ve ianareo Slk ? Isika Fiangonana no teneniny amin’ny alalan’ny Slk. Sa ianareo hiteny hoe : « an an an, ny antsika 20 hakiho ihany dia efa ampy izany e, fa io nge Pasitera tsy maintsy miteny, na ny devoly tsy maintsy manakana rehefa mandroso ny asan’Andriamanitra e. Tsia ry havana o. Ny olona mandeha miaraka amin’i Jehovah dia manao ohatran’i Noa : araka izay rehetra andidiana azy, n’inon’inona fahaizany, n’inon’inona fahendreny, n’inon’inona toe-panahiny : atao anaty fandaminana izany asam-piangonana izany. Fa izany hoe asam-piangonana tsy atao anaty fandaminana izany, tsy atao ho an’Andriamanitra izany, fa avy amin’ny devoly izany, ary ho an’ny devoly izany.

Dia milaza izy hoe 50 hakiho ny sakany : izay ilay izy ry havana o, dia nataon’i Noa, araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy. Tsy nahitana mihitsy commentaire fimenomenomana avy amin’i Noa ry havana o. Ary izy manao izany sambo faran’izay makadiry izany, tsy eny amoron-dranomasina anie Noa no manamboatra sambo e, ka hoe normal hoe misy planin’Andriamanitra ; fa ary afovoan-tany ary izy, ary amin’ny tany maina tsisy orana ary izy no asain’Andriamanitra manamboatra sambo fiara, fa hoe hisy safo-drano handringana ireo olona ratsy fanahy ireo. Izay ilay finoana ry havana o : mankatoa amin’ny antsipiriany izay tenin’Andriamanitra. Ary izay no vavaka atao ho aminareo Slk, ho antsika rehetra rehetra, tsy ho isika indray no mpanolana teny, ary tsy isika indray no hampianatra ny zanatsika, rehefa mba sendra mamaky Baiboly isika, hoe : an, io anie tsy ohatran’izany, tsy tokony ho raisina ara-bakiteny ohatran’izany io e, fa izao no hevitr’io ; tsia ry havana o. Tsia. Lehilahy mpanimba izany, mpanimba Fiangonana izany, mpanimba ankohonana izany. Enga anie ka tsy hisy lehilahy mpanimba eto amin’ity fitandremana ity.

Fa amarihana farany momba an’i Noa ry havana, dia izao : tsy mitovy hevitra ny mpandinika ny amin’ny fe-potoana nanamboaran’i Noa io sambo fiara io. Fantatra fa makadiry be, nanana mpanampy izy, fa dia mielanelana eo ami ‘ny 80 sy 100 taona ny nanamboarana an’io sambo fiara io ry havana. Ary ampovoan-tany izy ; fa Noa nino, Noa naharitra. Mba alaivo sary an-tsaina izany, hitan’ny iray tanàna anie raha ato Isoraka hanao sambo fiara ohatran’izany e, dia mandeha eny ny olona, dia efa manomboka maka endriny ilay izy , dia manamboatra azy eo Noa dia mandalo ve ilay voisin : «Ah, miarahaba dadatoa an, mandroso ve izy izao e ? » ; milamina fotsiny i Noa. Ny dikan’ny hoe Noa dia hoe « repos, tranquillité » : lehilahy milamina i Noa. Hadrohadroan’ny olona izy, milamina fotsiny : « ka ahoana zoky an, inona moa ity izany e, trano sa sambo fiara e ? » : milamina izy, milamina Noa ry havana. Fa izao : 80 taona hatramin’ny 100 taona izy no nanamboatra sambo fiara, firy polo taona no nampiasana ilay sambo fiara ry havana ? 40 andro, 40 andro. 40 andro monja no nampiasana ny sambo fiara namboarina nandritra ny 80 taona. Mampieritreritra izany ry havana, satria ilay fiainan’i Noa izany, ampahany betsaka amin’ilay fiainan’i Noa, natao mba hankatoavana an’Andriamanitra sy hialana amin’ny fandringanana azy Noa, ny ny fandringanana ny ankohonany ry havana o. Tsy Noa irery no vonjena, fa ny ankohonany koa voavonjy. Ny fiainanao, ny fiainanao tena mpianatr’i Kristy, ny fiainanao lehilahy tsy manimba, ampiasao ny 80 taona iainanao ety, mba hanomananao andro tokana, dia ilay andro fitsarana izay miandry ahy, sy miandry anao ry havana o. Ary aza diso kajy ianao, aza diso kajy ianao : raha ny hafa hivelona ao amin’ny tsy fahamarinana sy ny tsy fahitsiana, ianao fantaro fa hoe, satria miara-mandeha amin’Andriamanitra ianao, dia hisy izany andro iray izany, izay omanintsika mandritra ilay 60,70,80 taona iainantsika eto amin’ity tany ity.

Ny fahamarinana fahatelo farany ry havana dia ao amin’ny 3 Jaona 2 : « Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany ». NY TENA MPIANATRA DIA MPITONDRA AM-BAVAKA.

Ny Apostoly Jaona araka ny voalaza tsara tamin’ny louange teo, no manoratra an’ity epistily ity ho ana loholona anankiray, ho ana mpino anankiray antsoina hoe Gaio. Dia mijery an’i Gaio izy, dia hoe : Gaio an, tena ambinina ny fanahinao, salama ny fanahinao. Ary mivavaka izaho Jaona mba ho ambinina tahaka an’io fanahinao io ny vatanao, fa mareforefo ny toe-batanao, mararirary lava ianao, dia mivavaka aho mba ho ambinina ianao, mba ho ambinina ny fahasalaman’ny vatanao, tahaka ny efa hanambinana ny fahasalaman’ny fanahinao. Inona moa no dikan’izany ? Io Gaio io ry havana, Gaio dia valim-bavaka, Gaio : valim-bavaka. Ny fahasalaman’ny fanahin’i Gaio dia valim-bavaka. Izaho ohatran’izao, dia satria valim-bavaka – Ianao ohatran’izao, dia satria valim-bavaka ianao. Ary raha fantatrao fa valim-bavaka ianao ry havana o, zavatra tokana no ataon’ny olona valim-bavaka, izay mahatsiaro fa valim-bavaka izy : mba mpitondra am-bavaka koa izy, mpitondra am-bavaka koa izy.

Tsy anontany anareo Slk aho, tsy anontany antsika lehilahy aho, oviana marina loa isika izany no nitondra am-bavaka ny zanatsika e, ny vadintsika ? Izany ry havana o, izany no finoan’ny disciple izany, izany no fiainan’ny disciple izany : mpitondra am-bavaka, mpitondra am-bavaka. Entina am-bavaka izy mba ho salama ny fanahiny, entina am-bavaka izy mba haharitra amin’izany. Haintsika moa ilay eo amin’ny and.4, jereo anie ny 3 Jaona 4 : « Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako ». Io izany, tsy tsapantsika tsara ny maha-sarobidy an’io verset io e. Ilay izy efa hoe zava-dehibe , zava-dehibe ny mandray an’i Jesoa, zava-dehibe ny mandray an’i Jesoa ; fa zava-dehibe lavitra ry havana o, ny maharitra amin’ny fanarahana an’i Jesoa. Izany no ilazan’i Jaona hoe : « Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako ». Mbola mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. Hono hoy aho, misy zanatsika ve ato mbola tsy nandray an’i Jesoa ? Ento am-bavaka izy e, ento am-bavaka izy. Misy zanatsika ve efa nandray an’i Jesoa fa nihemotra noho ny antony ? Dia nihemotra any amin’ny lohany izy, hoy Petera amina teny masiaka be izay, nivarina any amin’ny fahalotoana izay efa nialana indray izy : ento am-bavaka izy, ento am-bavaka izy ; dia mba afaka hiteny ianao, hivavaka hidera an’Andriamanitra ianao : « tena faly aho Jesoa, ary tsy manana fifaliana ohatran’izao aho, dia ny andrenesako, ny andrenesako amin’ny alalan’ny Fiangonana, fa tsy izaho no mahita azy, fa mandeha araky ny fahamarinana ny zanako. Ary mifona aminao aho Jesoa an, ny amin’ny nitezaiko an’ireo zanako ireo : tiako ireo mba ho dokotera, tiako ireo mba ho ingénieur, tiako ireo mba ho comptable, tiako ireo mba ho ohatran’izao sy ohatran’izao sy ohatran’izao, tsy norarahiko izany hoe handeha araka ny fahamarinana izany izy, fa misaotra aho ny amin’ny efa namohazanao ahy ho amin’izany. Ary faly aho afaka miteny aminao hoe eny, eny, ary hahita an’izany maraina vaovao izany aho, mivoaka ao an-trano ny zanako, handeha ho any am-piangonana, ary tsy fomba fombam-pivavahana izany fa mandeha, mandeha araka ny fahamarinana izy

Misaotra ny Tompo ny amin’ny hafatra. Tian’ny Tompo ianareo Slk : fantatro fa misy mandray an’izao ny Slk, fa fantatro fa tsy ny 100% no mandray an’izao ny Slk. Fa mivavaka ho anareo ry havana o, mivavaka ho antsika Fiangonana. Fa izao ange, izao ange ry havana o : rehefa milaza amintsika lehilahy, ny vehivavy vadintsika, ny vehivavy vadintsika, tsy mitady président de la république izy ho vady, tsy mitady Pdg izy ho Dada, fa mitady lehilahy tena mpianatr’i Kristy. Ary izany no mission antsika, izany no mission antsika lehilahy ry havana o.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo.

Amena