Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 21 JOL 2019

«  Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety .Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesoa ka nikasa handalo azy. Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo. Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra. Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo. Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony. Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin'ny tany Genesareta ka niantsona teo. Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an'i Jesoa niaraka tamin'izay ny olona teo ka nihazakazaka tamin'izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa nitoerany. Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesoa, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy ». Marka 6 :47-56

Ny olona izay nifanerasera tamin’i Jesosy Kristy tamin’Izy tety an-tany ry havana dia samy nanana izay nanondroany an’i Jesoa hoe : iza marina moa io Jesoa io. Ary izany ihany koa no fanontaniana atao amintsika Fiangonana hanambarana mandrakariva, hanambarana matetika ny amin’i Jesoa Kristy izay lohan’ny Fiangonana, sady Tompon’ny Fiangonana ; ry Fiangonana o, ATAONAO HO IZA TOKOA MOA IO JESOA IO ? ATAONAO HO IZA TOKOA MOA IO JESOA KRISTY IO, IZAY LAZAINA AMINAO, IZAY ANTSOINAO IO ? Ataonao ho iza moa Jesoa ?

Eto amin’ity Soratra Masina ity ry havana dia misy karazan’olona, samy manana ny andraisany an’i Jesoa.

Marka 6 :49 : « Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo ». Nataony ho matoatoa. Misy olona izay mihevitra an’i Jesoa tahaka ny matoatoa, manao an’i Jesoa tahaka ny matoatoa. Ary eto ry havana, ny mahavariana dia : iza ireo nieritreritra an’i Jesoa ho matoatoa ireo ? Ny mpianatra, ny mpianany. Mihevitra an’i Jesoa ho matoatoa ny mpianatra. Eto amin’ity Soratra Masina ity no ahitantsika an’izany ry havana. Ary ireo mpianatra izay azo lazaina hoe niaraka tamin’i Jesoa, nanatrika ny asa fahagagana izay nataon’i Jesoa, ary eo aloha kelin’io perikopa novakiantsika io dia avy nampitombo ny mofo dimy sy ny hazandrano roa Jesoa Kristy, namoky olona maro Jesoa Kristy. Fahagagana goavana nataon’i Jesoa Kristy izany, ary izao no ilazan’i Marka azy rehefa mamintina ny amin’ireto mpianatra ireto izy ery amin’ny and.52 « Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony ». Izany hoe tsy nisy n’inon’inona azon’ny mpianatra, na dia fantany aza, na dia natrehiny aza ireo zavatra mahagaga nataon’i Jesoa hatrizay hatrizay. Ary ilay vao nataony teo aloha teo aza, dia tenenin’i Marka hoe mafy ny fony ka tsy fantany inona ny dikan’izany. Ka rehefa nahita an’i Jesoa nitsangatsangana teny ambony ranomasina izy : « matoatoa iny » ; izany no tao an-tsainy.

Ry havako malala ao amin’ny Tompo, raha ny fikasan’i Jesoa Kristy eto anie dia hoe nikasa handalo ireo mpianatra Izy, rehefa jerentsika eo amin’ny andininy eo aloha eo. Hoy ny mpanao hevi-teny mikasika miteny an’io hoe mikasa handalo ahoana moa Jesoa ? Mikasa hiseho tamin’ny mpianatra Jesoa, hilaza amin’ny mpianatra hoe indreo  ianareo izay manohitra ny rivotra, hitako anie ianareo e, ary indro aho eto akaikinareo. Te hiseho, hampiseho ny tenany, ny fanatrehany ao anatin’izany toe-javatra iainan’ny mpianatra izany i Jesoa. Fa inona no fahitan’ny mpianatra Azy ? Tahaka ny matoatoa. Ry havako malala ao amin’ny Tompo, moa ve tsy izay mahazo antsika Fiangonana ankehitriny ? Mety hiteny isika hoe mpianatra adaladala mihitsy ireto, fa Jesoa izao koa ataony matoatoa ; satria mantsy ianao mamaky tantara dia hitanao fa Jesoa io. Fa raha handeha isika hijery ny fiainam-pinoan’ny olona maro amin’izao fotoana izao ry havana, dia samy miaiky fa maro no manao an’i Jesoa ho matoatoa. Ary samy mandinin-tena isika rehetra eo anatrehan’izany, fa raha toa ka i Jesoa tsy miaraka aminao amin’ny fiainanao isan’andro, fa ny fieritreretanao an’izany Jesoa izany dia Jesoa « hono » e, nanao an’izao « hono » e. Ambara aminao ihany ny amin’i Jesoa, fa tsy tena azonao raisin-tanana, tsy hitanao hivelomana izay rehetra mahakasika an’i Jesoa Kristy, dia ianao, anisan’izay manao an’i Jesoa ho matoatoa koa ianao. Kanefa ry havana, misarika ny saintsika ao anatin’izany, fa i Jesoa tsy matoatoa ; tsy matoatoa Jesoa. Fa ireo olona izay mieritreritra an’i Jesoa ho matoatoa, izy mihitsy no matoatoa. Nahoana ? Satria izy, tsy mipetraka amin’ny tany ny tongony. Haintsika ny dikan’ny matoatoa an ? Mitsingevangevana moa izany, ary indrindra indrindra, indraindray hita, indraindray tsy hita. Tsy izany ve ny fiainan’ny kristiana maro amin’izao fiainana izao : indraindray hita, indraindray tsy hita. Rehefa te hipoitra, mipoitra ; rehefa tsy te hipoitra, milentika, hita mahalankalana amin’ny andraikitra. Ry havako malala ao amin’ny Tompo, izany no fiainan’ny olona izay mieritreritra an’i Jesoa Kristy ho tsy tena manatrika ny fiainany, fa Jesoa dia fantany ao an-tsainy fotsiny. Fantany ao an-tsainy, dia fantany ihany hoe Jesoa izany zanak’Andriamanitra, Jesoa izany izao ; fa rehefa tena jerena eo amin’ny fiainany, tsy velona eo amin’ny fiainany ilay Jesoa Kristy, tsy miara-mandeha aminy eo isan’andro ilay Jesoa Kristy, ary na miteny ary ilay Jesoa Kristy, dia tsy raisiny ho tonga nofo eo amin’ny fiainany ny teny izay ambaran’i Jesoa Kristy aminy. Mampitandrina antsika ry havana izany, ho antsika Kristiana : sao dia manao tahaka ny mpianatra izay niara-nihazakazaka tamin’i Jesoa, niara-nandeha tamin’i Jesoa, nanatrika ny asa maro izay nataon’i Jesoa, fa rehefa tonga ny andro sarotra, tsy mahita an’i Jesoa eo izy. Ary raha miseho ary Jesoa Kristy, miseho eo anoloany hoe eto Aho, dia tahaka ny nofinofy ihany, manjavozavo ny fahafantarany an’izany Jesoa Kristy Tompo izany. Ry havako malala ao amin’ny Tompo, tsy ho ianao anie, tsy ho ianao izay mavitrika amin’ny famonjena ny fotoam-bavaka isaky ny Alahady anie, tsy ianaobizay mihazakazaka manao ny asa fanompoana an’Andriamanitra anie no ieritreritra an’i Jesoa Kristy tahaka ny matoatoa, fa tahaka an’i Jesoa Kristy izay ambaran’ny Soratra Masina.

 

Ny faharoa ry havana, ny karazan’olona faharoa dia ny olona izay manao an’i Jesoa ho Ra-mpamaha olana. Hitantsika eo amin’ny and. 53-56 izany, hoe rehefa niantsona tery an-tanety ny sambokely izay nitondra an’i Jesoa sy ny mpianatra, dia nisy olona marobe nihazakazaka nanatona Azy nitondra ny marary rehetra tao Aminy. Jesoa Kristy, ny atao hoe Jesoa Kristy ho an’ireto olona ireto dia Ra-mpamaha olana. Inona ny olana ? Ny aretina. Dia nitady an’i Jesoa izy hamaha, hanasitrana an’izany aretina izany, hamaha ny olany. Ary izany ry havana no hita eto : ireto olona ireto izay mety hoe nandre hono hono momba an’i Jesoa ; fa vao teo ihany, koa, mety hoe anisan’ireo olona vao novokisan’i Jesoa tamin’ny hazandrano roa sy mofo dimy izy ireo. Mety voaisan’izany koa ireto olona ireto. Izany hoe efa nalaza Jesoa, hoe izany Jesoa izany mpanao fahagagana. Ka rehefa tonga Jesoa : andao ho any, fa misy vaha olana any hamaha an’ity olantsika ity. Ry havako malala ao amin’ny Tompo, fa firifiry tokoa moa ny olona amin’izao fotoana izao, ary toa ataon’ny sasany ivon’ny toriteniny aza izany fitaomana ny olona handray fahagagana, handray fanasitranana, hamaha ny olana eo amin’ny fiainany ao amin’i Jesoa Kristy. Angamba raha ampitaintsika amin’ny mpianatra dia hoe efa somary mandrosondroso kosa ireto vahoaka ireto e, satria mba manisy dikany ny fanatrehan’i Jesoa, hoe rehefa eo Jesoa dia manasitrana. Fa raha ny tena marina ry havana, eto amin’ity Soratra Masina ity, mbola azo lazaina ho fahadisoan-kevitra koa ny nataon’ireto vahoaka ireto izay nihazakazaka hila vonjy, hitady fanasitranana. Satria nahoana ? Ny fiainana tadiavin’ireto olona ireto dia miorina amin’ny nofony. Ao amin’ny nofony, ao amin’ny fahasahiranany ; izany no tiany idiran’i Jesoa. Ka rehefa sitrana izy, ny azo antoka : mandeha mody soa aman-tsara, mody any an-dainy ny Isiraely rehefa sitrana, rehefa mahazo ny ilainy. Ry havako malala ao amin’ny Tompo, andeha hanova an’izany fomba fijery, fomba fahafantarana an’i Jesoa Kristy izany isika, ka tsy hanao an’i Jesoa ho Ra-mpamaha olana ; fa ny azo antoka ao anatin’ny olona izay mitady an’i Jesoa hamaha ny olana eo amin’ny fiainany dia inona ? Rehefa mivaha ny olany dia iny koa ianao Jesoa no tsy hita, tsy hitanay akory ianao rehefa mivaha ny olanay. Ary firifiry ny olona tonga mitady an’Andriamanitra, mitady vaha olana fotsiny eo amin’ny fiainana fa tsy manana fifandraisana akaiky amin’i Jesoa ankoatran’ny hoe rehefa marary, rehefa misy olana, dia izay ihany no itadiavana an’i Jesoa. Ry havako malala ao amin’ny Tompo, aza atao Jesoa Ra-mpamaha olana i Jesoa, fa tsy izany Jesoa. Mamaha olana tokoa Izy, ary eto mahafinaritra ny lazain’ny Soratra Masina hoe izay rehetra tonga teo dia nahita fahasitranana. Sitrana izay rehetra tonga teo amin’i Jesoa ; eny, tsy avelan’i Jesoa miala maina tokoa anie ny tonga eo Aminy e. Fa ilay tena fiainana, ilay tena fiainana entin’io Jesoa io ve voarain’ireto olona ireto ?

 

Andeha ary isika ry havana hanao izay ambaran’ny Soratra Masina, izay anambaran’i Jesoa ny tenany kosa, Jesoa manambara ny tenany eo anatrehan’izany fiheveran’ny olona ; ny olona sasany mihevitra fa matoatoa io Jesoa io, izany hoe tsy tena manatrika ny fiainany ; ny olona sasany mihevitra fa io Jesoa io Ra-mpamaha olana ka tsy manatona an’io Jesoa io raha tsy manan’olana. Fa eto Jesoa manambara ny tenany ry havana. Andeha vakiantsika ny and.50b « Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra ». Tenin’i Jesoa izay manambara ny tenany, ilazan’i Jesoa hoe iza moa Izy ; i Jesoa manambara ny tenany, fa Izy dia Andriamanitra. Andriamanitra io Jesoa Kristy io ry havana. Ny teny hoe : « Izaho ihany », izay moa no andikantsika azy, « ego eimi ». Milaza ny maha-Izy azy i Jesoa ary misy ifandraisany amin’ilay teny ary amin’ny Eksodosy 3 :14 hoe : « Izaho izay izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay ». Manambara ny tenany Jesoa Kristy fa Izy ilay Andriamanitra, ary indro Izy mampiseho ny heriny sy ny fahefany. Ny hevitry ny teny hoe nitsangatsangana teny ambony ranomasina i Jesoa ry havana, raha ny fisainan’ny jiosy, izay voalazan’ny Baiboly, mahakasika ny hoe ranomasina, izany ranomasina izany, ny dikany dia hoe fahafatesana. Mifono hevitra hoe fahafatesana ny ranomasina. Ary raha nitsangatsangana teny ambony ranomasina i Jesoa dia midika sahady fa nandresy ny fahafatesana Izy, mandresy ny fahafatesana ; ary eto moa dia ohatran’ny hoe efa nitsangana tamin’ny maty sahady i Jesoa, eny ambony ranomasina, mifehy ny herin’ny fahafatesana Izy ; izany ilay Jesoa Kristy, Andriamanitra izay manatrika ny fiainantsika mino ry havana, ary ampaherezana antsika, i Jesoa Kristy izay miteny : « Matokia, aza matahotra ». Izany no teny entin’i Jesoa Kristy hampihiratra ny masontsika tsirairay avy izay mety diso tany amin’izay nahadiso azy, tao anatin’izay mety ho naharevo antsika ka tsy nahatsapantsika marina fa io Jesoa io dia Andriamanitra manatrika ny fiainantsika. Io Jesoa io dia tena Andriamanitra mifehy ny hery rehetra izay mety mampatahotra sy mampihovitra anao.

Fa eto ihany koa ry havana ny Soratra Masina milaza fa rehefa niakatra teo an-tsambokely Jesoa, and.51, naninona ny rivotra ? Nitsahatra ny rivotra. Eto tsy tahaka an’ilay hitantsika any amin’ny toko 4 hoe niteny Jesoa vao nitsahatra ny rivotra. Fa rehefa tonga tao an-tsambokely Jesoa, dia nitsahatra ny rivotra. Te ho ao an-tsambokelintsika Jesoa Kristy, ampitsahatra ny onja sy ny tafiotra maro. Ny fanontaniana izay miantefa amintsika ary dia izao : efa ao an-tsambokelintsika ve Jesoa, ilay Andriamanitra izay mifehy ny hery rehetra, ilay Andriamanitra izay manam-pahefana amin’izao rehetra izao, izay miteny hoe manatrika ny fiainantsika Izy ? Fa ny fanontaniana dia izao : efa mba niakatra ao ve Izy ? Sa mbola ianareo mianakavy ihany no mivoivoy ao, manao izay ampandehanana ny fiainana, miezaka mivoy mafy manohitra ny rivotra sy ny onja ? Sa mba efa tafakatra ao Jesoa Kristy ?Efa anisan’izay ao an-tsambokelinao ve Jesoa Kristy ? Fa ny fiakaran’i Jesoa Kristy ao no azo antoka fa hampitsahatra an’izay rehetra mampitahotra anao, hanala izay rehetra endri-pahafatesana eo amin’ny fiainanao ry havana.

Raha fintinina ary ry havana, fehezina ny hafatra omen’ny Tompo antsika amin’ity anio ity : ry Fiangonana o, ry Fiangonana izay mazoto miantso an’i Jesoa Kristy, raha te ho Fiangonan’i Jesoa Kristy, ny hafatra ho anao : aza ajanona ho anganongano, aoka tsy ho ataonao tahaka ny tantara sy ny angano mirindra, conte merveilleux izany momna an’i Jesoa Kristy izany. Fa rehefa lazaina anao ny momna an’i Jesoa Kristy, tena raiso ho fiainanao izany ka ataovy tonga nofo eo amin’ny fiainanao velona Jesoa ; raha tsy izany dia ho kristiana matoatoa ihany ianao, kristiana matoatoa ihany ianao satri1 fantatsika rehetra fa tsy matoatoa Jesoa, fa ianao indray no lasa matoatoa, mitsingevana, tsy tena mijoro amin’ny finoana ianao, raha mihevitra fa izay tantara milaza an’i Jesoa dia tantara fotsiny ihany. Raha tonga indray andro any ny fotoana izay, efa fantatsika moa amin’izao fotoana izao, aterin’ny olona eo aminao eo anie ny fanaporofoina rehetra, hita tary ny fatin’i Jesoa, dia inona no ho lazainao ? Inona no ho lazainao raha kristiana mihevaheva ianao ? Raha kristiana mihevaheva ianao dia ho resy lahatra satria voaporofo ara-siansa fa hita ny fatin’i Jesoa. Fa raha kristiana miorina, tena mandray ny tenin’Andriamanitra ho fiainanao ianao, dia hiteny amin’izay olona miteny an’izany hoe : « Jesoa anao izany, fa ny ahy ny Jesoa-ko miandry ahy any an-danitra, manao fotoana amiko any Izy, efa nialoha lalana ahy any Izy ; izay no lazain’ny teniny amiko ». Dia izany ry havana no ampaherezana antsika, mba tsy hanao an’i Jesoa Kristy ho hono hono, fa handray Azy ho tena fiainana, ary handray Azy ho tena Andriamanitra. Tsy filàna vonjy fotsiny ihany amin’ny andro mahory. Eny, Izy tokoa miteny aminao hoe : Antsoy Aho amin’ny andro fahorianao dia hamaly anao Aho ; fa tsy izany ihany, fa ilay Jesoa Kristy ilay tena Andriamanitra, ilay miteny aminao fa eto Izy, manatrika anao Izy, ka na dia tsy hanasitrana anao ary Izy amin’ny aretinao ; raha tsy sitranin’i Jesoa amin’ny aretinao ve ianao dia hiteny hoe tsy Andriamanitra i Jesoa ? Tsia ry havana. Andeha hianatra tahaka an’i Joba ka hiteny hoe : «  Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho », fa izany no finoana teny izy, tsy manery an’i Jesoa, tsy mitondra eo amin’i Jesoa : inty no ilako anao Jesoa an, ataovy izay ahavitan’ity ». Tsy izany Jesoa. Fa i Jesoa, Andriamanitra. Izy no mahafantatra, Izy no mitondra ny fiainan’ny olona. Ataovy ampy ho anao ny teniny manao hoe : « Matokia, Izaho ihany ; aza matahotra ».

Ho amin’ny fanahintsika anie ry havana ny fahasoavana sy ny fiadanana.

Amena

ALAHADY 14 JOL 2019

Efesiana 1 :13 : « Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana ».

Manohy ny zavatra voalaza tamin’ny 5mn ho an’ny tanora teo, dia hoe : Ao aminy isika no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina. Ao amin’i Jesoa isika no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina. RESAKA TOMBO-KASE

Izany no hohazavaina amin’ity toriteny ity ry havana : RESAKA TOMBO-KASE. Fa raha izay ilay votoantin’ilay toriteny, resaka tombo-kase ; manararaotra ny zavatra iainantsika eto aho dia tiana omena izao titre izao ity toriteny ity hoe : ALEFA BAREA ! Ary sûr aho fa ny rehetra eto, na ny matory, na ny tsy matory hahatadidy hoe : oay, nisy toriteny izay tao Isotry Fitiavana, hoe : ALEFA BAREA !

Izay ilay izy ry havana. Izao manko ry havana : iaraha-nahita ny zavatra nitranga tao anatin’izay 10 andro mahery izay, ary indrindra tamin’ity herinandro ity, ary indrindra omaly. Iaraha-mahita ireo olona an’hetsiny maro, asa moa nisy firy izy ireny, na an-tapitrisany aza, possiblement, toa nanisy tombo-kase ny tarehiny, ny handriny, ny akanjo, ny lamba moa tsy resahina, fa resaka tombo-kase mantsy : Ety amin’ny tarehy ety saina malagasy, ety amin’ny handrina ety saina malagasy, hitantsika izany. Ny sasany moa eny amin’ny ordi, eny amin’ny kitapo sy ny karazany. Fa mazava be izany zavatra tantaraiko izany. Ary inona moa, raha maka saina kely isika, inona moa no dikan’ireny hoe saina malagasy nataonao eny amin’ny tarehinao, eny amin’ny handrinao ireny, ety amin’ny tananao ety? Inona moa izany ? Ilay hoe : Fier ianao, fier manokana ianao tao anatin’izay 10 andro izay amin’ny maha-malagasy. Ary araka ny tenenenina ombieny ombieny, nosoratana tetsy ombieny ombieny, tena hoe : nanandratra ny ambom-po maha-malagasy ny Barea. Izay ny zavatra niainantsika ry havana o.

Ary dia misy tombo-kase hafa eto tian’ny Tompo resahina amin’izao 14 izao, ny ampitson’ny 13 nodian’ny Barea, dia tsy tombo-kase-ny saina malagasy intsony fa tombo-kase ny Fanahy Masina.

Ataoko milamina ilay toriteny mba ho azon’ny rehetra ry havana. Mandinika izany ianao ilay zavatra nitranga, ilay sainam-pirenena nipetraka tety, dia mahatsiaro, ry havana, teny-na mpandinika maromaro, tsy mikasika antsika malagasy loatra, fa mikasika ny olombelona amin’izao tontolo izao, ary ao anatin’izany ny kristiana hoy izy. Tena maro, amin’izao 21è siècle izao, hoy izy, ny olona manana crise d’identité. Izany hoe manana crise izy ny amin’ny fiziany, hoe iza moa izy, iza moa ianao ; tsy amin’ny fisiany, misy izy ; fa iza moa ianao ? Inona moa ny identité anao ? Ary rehefa dinihina hoy izy ny fiaraha-monina, maro ny olo-tsotra, maro ny kristiana manana an’izay crise d’identité izay. Ny identité mantsy rehefa jerena dia hoe arakaraky ny olona, ary samihafa justement ilay identité. Ny sasany, ny hamaritany ilay identité-ny, ilay fiziany, dia hoe ny fianakaviana nipoirana sy nitaizana azy ; ny sasany indray, ny asany, no hamaritany azy ; ny sasany indray, ny namany, izay fifandraisana na hoe cercle d’amis-ny no hamaritany azy. Ny tanora sy ny vehivavy matetika, ny hamaritany azy matetika dia ilay lamaody farany ; izay ilay identité-ny. Ary faly ery mampiseho ny lamaody farany, mampiseho ny coupe-na volo farany ; izay ilay zavatra. Samy mampiseho izay identité-ny na fiziany izay. Ary azo lazaina ihany ry havana, fa mety ao anatin’izay crise d’identité izay isika malagasy, ka nisy an’iny zavatra nataon’ny Barea mahagaga iny, dia nisongadina tampoka hoe hay tokoa moa isika malagasy, ary fiers amin’ny maha-malagasy, ary tsara izany malagasy izany.

Ka eo indrindra ry havana no mampieritreritra, satria miresaka tombo-kase avy amin’ny Fanahy Masina isika, ary io tombo-kase io mantsy milaza hoe an’iza ianao, milaza ny identité-nao, milaza ny fizianao, milaza hoe propriété privée an’iza ianao : propriété privée an’Andriamanitra ianao, ao amin’i Jesosy. Dia mandinika ianao justement hoe, ao anatin’izany crise d’identité izany hoe faly nisy fotoana nanasongadinana an’izay identité maha-malagasy izay. Dia eo ianao mandinika, vohizina ny maha-malagasy, tsy misy maharatsy an’izany, vohizina ny maha-malagasy etsy sy eroa : malagasy isika e, tsisy intsony ny andevo sy ny andriana sy ny tsy andevo e ; tsisy intsony ny ambony sy ny ambany e, tsy misy intsony ny avy any anindran-tany sy avy eto afovoan-tany e, sy ny karazany e ; tsy hampisaraka antsika intsony ny firehana politika etc… Ny zava-dehibe dia ny maha-malagasy.

Fa ny nampietitreritra ahy dia izao : nivavaka ny malagasy, nivavaka ; maro ny nanamarina an’izany : ny tsirairay, antokon’olona, fikambanana, namporisika hivavaka. Dia eo aho izany mieritreritra hoe ilay malagasy sy ilay kristiana mivavaka moa rehefa jerena ny identité-ny, dia hoe : malagasy kristiana ve ireo sa kristiana malagasy ? Sûr aho fa malagasy kristiana aloa ireo amin’ny lafiny anankiray satria araka ilay voalaza teo, nahindrahindra ny maha-malagasy, tsisy maharatsy an’izany. Fa kristiana ireo satria nanisinisy vavaka teny an’anona teny, ary possible mety ho valim-bavaka io 1/8è de final io. Fa izao ry havana no tena nampieritreritra : nivavaka, nivavaka, nivavaka ; fa hatramin’izay naharesena, tsy maro ohatran’ilay tamin’ny mbola am-perin’asa, tao anatin’ilay championnat ny olona miantso ho amin’ny vavaka. Ary surtout, tsy nahita aho hoe andao isika malagsy, ao anatin’izany hoe fanahindrahindrana ny maha-malagasy sy ny hoe fampivondronana antsika tamin’ny alalan’ny Barea izany, andeha isika ho ery amin’ny Palais des Sports hanao fanompoam-pivavahana iombonam-pinoana, tsy hanavahana mpitondra fivavahana, tsy hanavahana anaram-piangonana, fa andao isika hisaotra an’Andriamanitra noho ny parcours-ny Barea ; tsy nahare an’izany aho ry havana. Ary izay no ilazako hoe, henoy tsara aho : sao dia hoe malagasy kristiana ireny hitantsika ireny fa tsy hoe kristiana malagasy ? Samy hafa ilay tsindrim-peo : rehefa hoe malagasy no eo anoloana, manaraka izany ny maha-kristiana, na be, na kely ; fa manaraka izany. Fa rehefa hoe kristiana malagasy, ny laharam-pahamehana, ny priorité dia ny maha-kristiana ry havana o. Ka na resy aho na maharesy, isaorako foana Andriamanitra fa izay ny sitrapony ; fa sanatria an’izany ilay vavaka natao tamin’ny mbola en compétition ny malagasy, dia vavaky ny secte, satria hoe vavaka mila zavatra, vavaka mila zavatra. Fa tsy hoe vavaka fitondrana am-bavaka an’ireto zandry, zoky, rahalahy ireto apteraka eo ambany fahasoavan’Andriamanitra ; tapitra ny lalana nofaritan’Andriamanitra, isaorana, isaorana eram-po, isaorana eram-panahy Andriamanitra.

Fa izao ry havana, fa maninona moa ny titre ilay toriteny no natao hoe : ALEFA BAREA ! Satria tena hoe misaotra an’Andriamanitra, nampiasain’Andriamanitra ny Barea hanasongadinana an’izay ambom-po maha-malagasy izay. Raha izaho manokana, raha fenoiko ity toriteny ity, dia ataoko hoe : ALEFA BAREA ! Tsy parfait ilay exemple fa ataoko hoe : ALEFA BAREA ! ALEFA FANAHY MASINA ! Ilay Fanahy Masina tian’ny Tompo hanandratra an’izany ambom-po maha-kristiana izany ry havana o. Ary rôviana isika kristiana no hilahatra, toutes dénominations confondues, eny an’anona, amin’ny firy alina, mijery baolina ery, tsy misy hoe : « ka izahay Pasitera zone rouge any aminay fa zao sy zao sy zao an » ; fa rehefa baolina dia eo daholo : « ary aiza ialahy leity no tsy hita fa aty ny programa an » ; izay ilay zavatra. ALEFA FANAHY MASINA ! Asandrato ny ambom-po hoe : « izahay dia Anao, izahay dia an’i Jesosy, izahay dia ho tia ny zavatra tianao manomboka izao : ALEFA FANAHY MASINA ! ». Rehefa avy niteny hoe : ALEFA BAREA ! ianao, sitraky ny Tompo raha mbola miteny ianao hoe : ALEFA FANAHY MASINA ! Tsy mampitovy hoy aho, sanatria an’izany, izany hoe Barea sy Fanahy Masina izany, tsy tezitra amin’izany ny Fanahy Masina, tsy choqué amin’izany ny Fanahy Masina. Ny maha-choqué Azy, dia ianao tia be ny Barea, manandratra ny ambom-po maha-malagasy, fa tsy raharahianao izany ambom-po maha-kristiana izany. RESAKA TOMBO-KASE ry havana o. Ary izany no programan’io Fanahy Masina izay nanisiana tombo-kase ahy sy ianao io ry havana o ; ny programan’ny Fanahy Masina dia ny hoe ahazoako, izaho Pasitera, izaho mpiandry, izaho diakona, izaho mpandray ny fanasan’ny Tompo, mety seho ivelany izany ; fa ny Fanahy Masina no miasa avy any anatiny, tena hananako fifandraisana manokana amin’Andriamanitra Ray sy amin’i Jesoa zanany : asany izany e. Ahatsiarovako tena hoe Azy aho e, fier aho hoe izaho ry reto dia an’i Jesosy an ! Izany ny asan’ny Fanahy Masina, izany ny tombo-kase ny Fanahy Masina. Ary ianao asiana tombo-kase io, ohatran’ny tombo-kase rehetra, tonga dia hita. Raha maka ohatra koa izany dia hoe misy olona izany, fantatra izy na manambady ny tsy manambady rehefa manao peratra. Dia hita koa moa izy rehefa lalaoviny iny peratra iny dia tsoahiny ; ohatrany mitsoaka amin’ilay fanekena anie izy e, n’inon’inona antony e. Tsoahinao ilay peratra satria hoe mafana ny andro, tsy mahatanty ; sendra mody alina ianao dia hoe nisy mpanendaka ; fa mampieritreritra ihany ilay olona tsy manao peratra mandavan-taona ireny ry havana an. Izay ilay izy. Ohatrany hoe mitsoaka an’ilay fanekena izy izany, tsy manana an’ilay fierté izy ry havana. Fa ny Fanahy Masina te hampahatsiaro anao hoe propriété privée an’Andriamanitra ianao ary tiany ianao ho fier amin’izany, tahaka ny maha-fier anao amin’ny maha-malagasy anao tamin’izay 10 andro lasa izay. Fa izao no problema : tena mbola lavitry ny afo ny kitay.

Fa misy ihany ato hanontany tena ry havana, na hanontany hoe : eny ary e, ka ahoana ary no ahazoana an’izany tombo-kase ny Fanahy Masina izany ? Ahoana no ahazoako izany tombo-kase ny Fanahy Masina izany fa mazava ilay hafatra e. Ary tena vizan’ny hoe miaina tsisy Fanahy Masina, miaina tahaka ny olona tsy manana tombo-kase ny Fanahy Masina : ahoana no ahazoako izany tombo-kase izany ?

Ry havana, tsy misy vavaka akory atao hoe ahazoana izany tombo-kase ny Fanahy Masina izany ; fa misy fepetra anankiroa eo amin’ny and.13, izay ampahatsiahivin’ny Tompo antsika. Andeha anie averintsika jerena ilay and.13 e , averintsika vakiana ilay tapany voalohany : « Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana ». Ny olona izay nasian’Andriamanitra tombokase ny Fanahy Masina, dia olona nandre ny tenin’ny fahamarinana. Izay ny condition voalohany : olona nandre ny tenin’ny fahamarinana. Izany hoe olona mamaky Baiboly, dia rehefa manokatra Baiboly izy, manomboka any amin’ny Genesisy 1 ka hatrany amin’ny Apokalypsy 22, dia milaza izy hoe marina tsisy kianina, tsisy toherina io tenin’ny fahamarinana io. Izany ry havana o, izany ny olona ho asian’Andriamanitra tombokase. Tsy hanisy tombo-kase olona tsy mamaky Baiboly Andriamanitra, ary tsy hanisy tombokase olona mpanakiana Baiboly Andriamanitra ry havana o. Fa rehefa mamaly ianao, mamaky Baiboly ianao satria raisinao hoe tenin’ny fahamarinana io Baiboly io ; dia hoe marina, « vérité absolue ». Milaza ny marina momba antsika olombelona, dia hoe : olona maty ara-panahy, matin’ny fahadisoana sy ny fahotana ; ny tenin’ny fahamarinana milaza ny marina amin’ny olombelona, milaza ny marina amin’ny fitiavan’Andriamanitra, hoe Andriamanitra tsy mahafoy anao any amin’ny helo, milaza ny marina momba ny programany ho aminao, dia hoe : Jesosy irery no anarana ahazoana famonjena, ary Jesosy irery no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Sao dia diso hecitra ianao hoe : an an an, fantatro ihany aloa fa tsy parfait izaho, fa analako kely ilay ohatran’izao an, dia asiasiako morale kely, dia heverinao fa izany no hamonjenao tena : Tsia ry havana o. Fa ilay tenin’ny fahamarinana dia hoe marina tanteraka, milaza ny marina momba anao, milaza ny fitiavan’Andriamanitra anao ary milaza ny programam-pamonjena ho anao, raha mandre ny Baiboly ianao tahaka ny tenin’ny fahamarinana ry havana. Raha mandre ny Baiboly ianao ho tenin’ny fahamarinana dia efa voahaja ny fepetra voalohany anisian’Andriamanitra tombokase anao.

Andao anie averintsika vakiana ny and.13 ahitana ilay fepetra faharoa farany : « Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino». Ilay voalohany hoe : rehefa nandre ny tenin’ny fahamarinana. Ilay faharoa indray dia hoe : rehefa nino. Ireo ry havana, io no olona izay asian’Andriamanitra tombokase. Tsy ampy ilay hoe : raisiko ho marina ny zavatra vakiako ato anaty Baiboly, fa hoe inoako marina io, ary ilay Jesoa ambarany  ho marina, tsy fantatro ato an-tsaiko ato fotsiny e, tsy fahalalana ara-tsaina fotsiny no entin’ity Baiboly ity ho ahy fa hoe finoana miteraka fanovana ao amin’ny fiainako. Ce n’est pas la peine ianao manao Sefala, manao Setela, manao Fitela sy ny karazany, mamaky boky sy ny karazany, ce n’est pas la peine, raha ohatra ka hoe izay zavatra vakianao sy ianaranao tsy mitondra transformation ao amin’ny fiainanao ry havana o, lany andro fotsiny ianao. Fa izay ilay finoana takian’ny Soratra Masina, izay ilay fenitra ambaran’ny Soratra Masina, ary ny Apostoly Jakoba taty aoriana dia efa nilaza mazava hoe : ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. Raha ilay finoana mendrika fahalalana ao an-tsaina ry havana no ao aminao, finoana maty izany e. Fa izay izany no ampahatsiahivin’ny Tompo antsika amin’izao maraina izao hoe :

  • Raiso ho tenin’ny fahamarinana ity Baiboly ity
  • Ary minoa ianao ka meteza ovain’ny teny izay vakianao, dia hanisy tombokase anao Andriamanitra ry havana o amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ao amin’ny Fanahy Masina.

Maro amintsika ato, maro amintsika ato ry havana no efa nasian’Andriamanitra tombokase : deraina Izy, ankalazaina Andriamanitra noho ny fahasoavany amin’ireo olona ireo.

Misy olona ato ry havana tian’Andriamanitra asiana tombokase amin’ny Fanahy Masina amin’izao maraina izao, dia andao isika hiara-hivavaka. Ianao misaora an’Andriamanitra raha efa nasian’Andriamanitra tombokase ; ianao mbola tsy nasian’Andriamanitra tombokase, ho anao izao vavaka izao, ary dia hoe araho moramora eo am-pitoerana eo. Rehefa miteny Pasitera, hivavaka aho izany an, hivavaka isika, dia rehefa avy mivavaka Pasitera, vavaka fanoloran-tena izy ity, vavaka fanoloran-tena ho an’Andriamanitra izy ity. Tsy misy ny vavaka hoe fangatahana tombokase, tsy mi-existe izany ; fa vavaka, vavaka fanoloran-tena dia avy eo Andriamanitra manisy tombokase. Hanao vavaka isika ry havana, aza manao pli vava ianao, fa izay resy lahatra, manaraka, mamerina ny vavaka rehefa mihato Pasitera. Hiara-hivavaka isika ry havana : « Ray Malala ô, Rainay noho ny amin’i Jesoa Kristy, miaiky aho ankehitriny fa mpanota ; ary tsy misy azoko atao hamonjena ahy amin’ny fahotako ; mifona aminao aho noho ny fahotako ; afaho amin’ny rasy fanaoko aho Tompo o, ampio aho hiova Ray Malala ô ; Misaotra noho ny fitiavana nasehonao ahy, raha maty teo amin’ny hazo fijaliana Jesosy Kristy. Ankehitriny dia raisiko ho Tompoko sy Mpamonjiko Izy, mahatoky aho, fa avelany ny heloko ; Azy aho, Azy mandrakizay aho. Amin’ny anaran’i Jesoa, amena ».

Maro amintsika ry havana ankehitriny no nasian’Andriamanitra izany tombokase izany tamin’io minitra izay nivavahantsika io, ka hananantsika rehetra izany tombokase izany hoe : ankehitriny dia voasoratra marina ao amin’ny bokim-piankohonan’Andriamanitra ny anarantsika hananantsika toky marina, voasoratra amin’ny bokin’ny fiainana any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny anarantsika ry havana o. Azo antoka izany. Propriété privée-ny isika ary tia antsika Izy araka ny tenin’i Zakaria teo, amin’ny fitiavana faran’izay saro-piaro, ary miaro antsika Izy e, tahaka ny anakandriamaso, ary dia miaro antsika Izy ry havana, miaro antsika Izy amin’ny devoly izay andrianan’izo tontolo izao mbola andalovantsika. Ary dia izao ry havana o : rahatrizay hiala ety isika dia azo antoka fa hisitraka ny mandrakizay miaraka Aminy.

Misaotra ny Tompo raha afaka niteny ianao hoe : ALEFA BAREA ! ka nisy saina malagasy tety ; tsy omen’ny Tompo tsiny ianao. Fa ankehitriny e, mianara miteny hoe : ALEFA FANAHY MASINA O !  HAMASINO  AHO , TANTERAHO AHO, ANAO TANTERAKA AHO.

Amena       

 

ALAHADY 07 JOL 2019

Apokalypsy 22 and 3b-4 : « Ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny ».

« Ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy » : ao amin’ny Jerosalema vaovao izany ; Apokalypsy 22 miresaka ny Jerosalema vaovao. « ho eo aminy » ao amin’izany Jerosalema vaovao izany ; « ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny ».

Misaotra ny Tompo ry havana ny amin’ny hanambarany amintsika ny zavatra hitranga any am-parany. Ary izay moa, araka ny efa nolazaina antsika ombieny ombieny, ny bokin’ny Apokalypsy dia fanambarana na « révélation ». Fanambarana, karazana ala-sarona ahitantsika ny zavatra hitranga any am-parany any. Ary zavatra tsy ho takatry ny saintsika ry havana o, raha tsy ny tenin’Andriamanitra no manambara amintsika izany. Any am-parany any, ny programan’Andriamanitra ho antsika dia mba ho ao amin’io Jerosalema vaovao ambaran’ny toko 21 sy toko 22 io. Ary ny zavatra lehibe indrindra ao amin’ny Jerosalema vaovao, tsy ny hatsarany ry havana o, tsy ny hatsaran-tarehiny, ny volamena sy ny perla sy ny vatosoa isan-karazany ; fa ilay seza fiandrianana, ilay seza fiandrianana ahitana an’Andriamanitra sy Jesoa zanany. Ary ny mandrakizay antsika dia eo anatrehan’izany seza fiandrianana izany. Fa izao ry havana, izao : tsy misy olona hiatrika an’io seza fiandrianana any amin’ny Jerosalema vaovao io rahatrizay, raha tsy efa manana fiainana eo anatrehan’ny seza fiandrianana dieny ety an-tany.

Ry havana o, manontany anao ny Tompo : EO ANATREHAN’NY SEZA FIANDRIANAN’ANDRIAMANITRA VE NY FIAINANAO ?

Raha ohatra ry havana ka afaka mamaly hoe « eny » ianao, anio dia hiova ny fonao, hiova ny fanompoanao, hiova ny fiainanao. Ho feno fifaliana, ho feno fanantenana izany fisehoana rahatrizay eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ao amin’ny Jerosalema vaovao izany. Ary izay no texte voalohany omena antsika amin’izao hoe : « Manatrika ny mino ny Tompo » : manatrika Izy ary mangataka antsika hanatrika Azy. Izy manatrika, fa izaho tsy manatrika ry havana o. Izaho sy ianao io, ary hanatrika Azy amin’izay isika satria hanapa-kevitra ny maro amintsika hoe : « manomboka anio dia ho tsaroako, dieny izaho ety an-tany, fa hoe eo anatrehan’ny seza fiandrianana ny fiainako ».

Ny Fahamarinana 1 ry havana ho an’ny olona izay hoe manana fiainana eo anatrehan’ny seza fiandrianana, dia hoe :  MANOMPO NY TOMPO IZY. Izay manko no ilazana eo amin’ny and.3d hoe : « ary ny mpanompony dia hanompo Azy » : manana fiainam-panompoana.

Raha lazaina amin’ny teny hafa izany hoe fiainana eo anatrehan’ny seza fiandrianana izany dia azo lazaina tsotra izao, hoe : fiainana anjakan’ny Tompo ry havana o, fiainana anjakan’ny Tompo. Ary ny Tompo izay manjaka ao amin’ny fiainanao io, no mitarika anao ho amin’ny fanompoana Azy e. Tsy misy olona hoe anjakan’ny Tompo ka mialangalana, mipetrapetra-potsiny hoe « izany diakona, izany sampana, izany mpiandry izany, an’ny hafa izany Pasitera an ». Tsy ny asa no idirana any an-danitra ry havana o, fa izay toe-tsaina mahatonga anao hoe hialangalana izay, tsy hidiranao any Jerosalema vaovao izay ry havana o. Ny Fanahin’ny Tompo izay mitarika antsika, dia hoe : mitarika antsika ho amin’ny fanompoana Azy ry havana malala o. Ary hoy ny mpitoriteny hoe, ny privilège-tsika lehibe indrindra dia ny hanompo eo anatrehan’ny seza fiandrianana. Tsy hanompo any amin’ny Fiangonana misy antsika, fa hanompo eo anatrehan’ny seza fiandrianana. Ary raiso ho privilège dieny izao, raiso ho privilège io zara fanompoana nomena anao io ry havana o.

Matetika rehefa mijery mpanompon’Andriamanitra dia izao : ohatrany hoe voninahitra ho an’ilay mpanompon’Andriamanitra ny manaiky an’ilay antson’Andriamanitra, fa tsy hoe voninahitra omen’Andriamanitra azy no niantsoany ho amin’ny fanompoana. Mila miova isika ry havana o, mila miova isika. Fa rehefa raisiko ho voninahitra omeko an’Andriamanitra ilay fanompoana, dia mampifila aho, ary izaho no mametraka condition amin’Andriamanitra hoe : «  manaiky aho Andriamanitra o, fa izao, izao, izao no fahitako an’io ». Tsy fanompoan’ny olona hanompo eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry izany ry havana o. Ary mahafaly ahy ny milaza ry havana fa rehefa miteny ny Soratra Masina hoe « ny mpanompony dia hanompo Azy », io ilay hoe hanompo io dia hoe « doulos » e ; « doulos », hoe andevo : manompo tahaka ny andevo. Hay ve any Jerosalema vaovao mbola misy resaka andevo e, mbola misy resaka « doulos » e ; fa tsy ety an-tany ihany ry havana o. Izany io. Raha ohatra ianao resy lahatra, ary inoako fa maro amintsika no resy lahatra, satria ny atao hoe finoana dia hoe izay rehetra vakiako ato amin’ny tenin’Andriamanitra ato dia raisiko ho zavatra marina. Raha resy lahatra ianao fo isan’izay voaantso eo anatrehan’izay seza fiandrianana izay, ovay ny fanompoanao e : manompoa tahaka ny « doulos », manompoa tahaka ny andevo ry havana o. Ary raiso ho privilège ny manompo an’Andriamanitra tahaka ny andevo.

Misy hevi-diso mantsy hoe rehefa any Jerosalema vaovao, na rehefa maty dia avy eo tonga any Jerosalema vaovao, dia hoe mitsahatra, mitsahatra, miditra amin’ny fitsaharana mandrakizay. Eny e, tsy diso izany ; fa sady mitsahatra no manompo eo anatrehan’ny seza fiandrianana. Ny Apokalypsy 7 :15 dia milaza hoe : manompo andro aman’alina,manompo 24/24. Izany ry havana o. Aoka izany hanova ny fanompoanao izany e. Aza ny ambinambin’ny fotoananao no atokanao ho an’Andriamanitra e, Aza ny ambinambin’ny volanao, rehefa vita ny sitraponao, no atokanao ho an’Andriamanitra ry havana o. Eo ianareo diakona, eo ianareo mpiandry, eo ianareo mpiandraikitra sampana sy ny hafa rehetra e : ovay ny fanompoanareo ry havana o. Rehefa etsy amin’ny ravinala etsy aho miresaka dia mandre olona aho miteny hoe : « Pasitera io kosa aloa dia tiany hoe ho aty am-piangonana foana isan’andro e ». Asa moa izay fahamarinan’izany ; fa tsy tiako hankaty am-piangonana isan’andro ianareo, fa tian’ny Tompo isika mianakavy hanompo 24/24 ry havana o. Na ato na any an-kafa, ny diakona dia kilavaka ny ankamaroany. Soa fa tena misy hoe mpanompon’Andriamanitra tena velona ny diakona, na ato ka any an-kafa. Fa manompo izy rehefa en forme, manompo izy rehefa tsy misy programa any amin’ny fianakaviany any, manompo izy tsindraindray. Izay ilay zavatra. Tsy fomban’ilay mpanompon’Andriamanitra hiseho eo anatrehan’ny seza fiandrianana izany. Averiko indray : tsy hoe nankaty isan’andro akory ianao dia hoe ilay asanao no hidiranao any ; fa ilay toe-tsaina sy ilay toe-po sy toe-panahy ao ambadik’izay no ahazoko antoka, fa tsy hidiranao any ry havana o. Ary misaotra ny Tompo isika mampitandrina antsika mazava be tahak’izao.

Andeha ary e, ho isan’ireo « doulos » izay hanompo eo anatrehan’ny seza fiandrianana isika, ka hanova ny fomba fanompoantsika, hanompo tsisy fepetra, hanompo amin’ny fankatoavana tanteraka ny Tompontsika, tsy hanompo Tompo hafa, fa hanompo tahaka ny « doulos ».

Izay ny fahamarinana 1 : NY OLONA IZAY MINO SY MIVELONA EO ANATREHAN’NY SEZA FIANDRIANANA , VOALOHANY INDRINDRA, DIA MANOMPO TAHAKA NY DOULOS.

Faharoa, hoy ny Soratra Masina hoe : izy manompo io : « ary ny mpanompony dia hanompo Azy », and 4 : « ka hahita ny tavany ». HAHITA NY TAVANY.

Raha ny privilège lehibe indrindra ry havana any an-danitra any, dia hoe ny hanompo, hanompo an’Andriamanitra, hanompo ny Zanak’ondry. Dia ny fitahiana lehibe indrindra dia ny hifanatri-tava amin’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.

Ary ny mpanompon’Andriamanitra tao amin’ny Salamo efa naneho an’izany faniriana izany. Rehefa mieritreritra ny lanitra izy dia hoy ny mpanao Salamo hoe : « Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao ». Faniriana izany fifanatrehana amin’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry izany. Any am-parany any ny masoko dia hahita ny mpamonjiko hoy Joba, ary ny masoko no hahita fa tsy olon-kafa hoy izy, ary efa matim-paniriana aho hahita Azy. Ny Tompo ry havana o, ny Tompo hamelona ao aminao izany faniriana hahita ny mason’ny Mpamonjinao izany e. Ary dia handinika Azy, hifanatri-tava Aminy 24/24. Mazava be izany. Fa firy amintsika ry havana, firy amintsika no manamarina an’izany, manamarina an’izany hoe fifanatrehana tava Aminy dieny ery an-tany araka ny tenin’i Jesoa hoe : « Sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an’Andriamanitra ». Raha tsy mahita Azy ety ianao, tsy ho tafiditra any ianao ry havana, raha tsy mahita Azy ety ianao, tsy ho tafiditra any. Izany hoe ilay olona miomana amin’izany hoe fifanatrehana tava amin’i Jesoa any an-danitra izany, ny lahasany ety an-tany dia ny manadio ny fony, manadio ny fony, manadio ny fony. Manadio ny fo amin’inona moa ry havana ? Tsotra be anie izany raha raisina ny fandehan’ilay texte e : manadio ny fo ny amin’ny faniriana hafa, manadio ny fo ny amin’ny faniriana hafa, manadio ny fo ny amin’ny faniriana vola sy harena : izany daholo isika mianakavy e ; manadio ny fo ny amin’ny faniriana vola sy harena sy laza sy voninahitra eto amin’ity tany ity. Mba mianara mivavaka an’izany ry havana o : « diovy ny foko Tompo o, diovy amin’ny rànao ny foko, fa ny saiko sy ny foko dia vola, endrika sy seho ivelany, fitadiavana laza amin’ny mpiara-monina »: ahita laza ianao amin’ny mpiara-monina aminao, fa tsy hahita an’i Jesoa ianao ry havana o.

Inona moa no dikan’ity ilay hoe : izay madio am-po no hahita an’Andriamanitra ? Ao amin’ny Jaona 15 dia hoe : hisehoan’i Jesoa izy, hisehoan’i Jesoa amin’ny fomba manokana izy ry havana o, hanana intimité manokana amin’i Jesoa izy ry havana o, dia fantany hoe tena misy fifandraisana velona, misy fifandraisana akaiky, misy fifandraisana lalina amin’i Jesoa ; fa tsy hoe anarana tonontononina fotsiny sy petapetahana any anaty sms izany Jesoa izany ry havana o. Manadio ny fo ny amin’izay faniriana hafa mety hamono an’izany hoe faniriana an’i Jesoa izany, izany hoe faniriana ny lanitra izany. Mazava moa izany hoe andao ary mba hanapa-kevitra isika hoe hivavaka hifona , hangataka fanadiovana e.

Fa ny ahafantarana koa ry havana, ary mandray ny zavatra iainana eto amin’ny firenena, ny ahafantarana hoe tena midio isan’andro ity olona ity, dia sady mitandro ny fahadiovan’ny fonyan, mitandro ny fahadiovan’ny tenany, ary mitandro ny fahadiovan’ny manodidina azy, n6 tontolo iainany ry havana o. Izany koa io e. Fa tsy kabary ety ambony pilopitra fotsiny ny hoe : « Izay madio am-po no hahita an’Andriamanitra ». Ary désolé miteny amintsika malagasy, rehefa mivoaka ny arabe eo, loto izany, ahavoretrana izany ; désolé miteny an’izany ety amin’ny pilopitra e. Mijery an’izany hoe hahaloton’ny avenue io tamin’ny 27Juin : fa dia ahoana e ? Mahita any amin’ny internet any hoe nodiovina ohatran’ny inona talohan’ny 26 Juin ity tanànà ity satria ho avy iza ? Ho avy Kagamé. Angamba ho diovina atao mamiratra azo lelafina mihitsy ny trottoir rehefa ho avy ny pape. Dia ahoana, ny ampitson’ny fandalovan’ny pape, ny ampitson’ny fandalovan’i Kagamé, hiverina amin’ny fahalotoana isika e. Izany, izany isika malagasy ry havana o. Ary ny olona maloto ohatran’izany tsy hanantena hiditra any ry havana o, satria any madio, madio -po. Ary ilay fahadiovana am-po, ilay fahadiovana anaty, tarafina eny ivelany, miseho amin’ny fihetsika eny ivelany. Andeha ry havana tsy ataontsika teniteny fotsiny iznany hoe fitandrovana ny fahadiovana izany, fa tena hoe iainantsika ary ampisehoantsika amin’ny zavatra concret. Efa natombotsika tamin’ny farany teo, anio, rehefa hiala eto amin’ity tranon’Andriamanitra ity isika,  atao hoe nadio be ohatrany tsy nisy olona nipetraka tato an, fa ho raofintsika daholo izay potipoti-na bonbon sy izay fakofako,na nataoko na nataon’ny hafa ry havana o, tahaka ny olona te hahita an’ilay Zanak’ondry mipetraka eo anilan-drainy any an-danitra ry havana o.

Izay ny fahamarinana 2 : OLONA MIAINA EO ANATREHAN’NY SEZA FIANDRIANANA KA HOE TE HAHITA NY TAVAN’I JESOA, MAHITA NY TAVAN’I JESOA, ARY MITANDRO FAHADIOVANA : FAHADIOVAN’NY FO, FAHADIOVANA IVELANY.

Ny fahamarinana 3 farany ry havana dia eo amin’ny tapany farany amin’ny and.4 hoe : « ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny ». ARY NY ANARANY DIA HO EO AMIN’NY HANDRINY.

Raha lazaina amin’ny teny faran’izay tsotra sy mahitsy an, izany hoe, ny anarany eo in’ny handriny, dia tena hoe fahatsiarovan-tena fa hoe an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry io olona misy ny anarany io eo amin’ny handriny. Rehefa any an-dakilasy isika, tamin’ny mbola tany an-dakilasy, dia rehefa tonga ny rentrée , asiana ny anarantsika ny cahier sy ny boky isan-karazany ahafantarana hoe : ahy io cahier sy boky io. Ny fomba, tamin’ny andron’ny Baiboly, dia hoe petahina vy mamay ny omby ahafantarana hoe an’i …. Iny. Petahina vy mamay misy ny anaran’ilay tompony ny andevo ;  mariky ny appartenance-ny sy ny possession absolue io ilay hoe anarana eo amin’ny handry io.

Ilay fanontaniana ry havana dia izao : iza no manoratra ilay anarana eo amin’ilay handry ? Andriamanitra ry havana o, no manoratra an’izany anarana izany eo amin’ny handriko sy ny handrinao. Eto moa dia mampitandrina ihany, mahavariana be, lasa lamaody mihitsy, ny devoly no mampianaka an’ilay fanao, ity resaka tatouage ity, dia gaga ianao amin’ireny mpilalao foot, ny star mpilalao cinéma, tatoué ambony ambany. Dia rehefa mahita an’izany ianao dia mieritreritra hoe aiza ary ny toerana hanoratan’Andriamanitra ny anarany eo amin’ity olona ity na eo amin’ny handrin’ity olona ity, tellement tatoué ilay olona ? Izany akory tsy midika hoe azo atao aty an’anona aty ny tatouage an, izay ilay zavatra. Fa Andriamanitra no manoratra an’io ry havana o. Ary izany hoe Andriamanitra manoratra izany dia hoe mandinika anao Izy e, mandinika anao Izy. Mandinika anao Izy ary tsy menatra anao Izy. Mandinika anao Izy dia hoe reharehany ny fisianao sy ny fanompoanao e. Izany, satri fantany tsara : ka manatrika anao anie Izy dia mandinika anao e ; fantany ny momba anao rehetra e. Fantany ny fijoronao, ny tsangananao, izay hitany rehetra rehetra ; fa fantany koa satria mandinika anao Izy, fantany ny any anaty fonao lalina any, fantany ny eritreritrao rehetra, na mbola tsy miloaka aza. Dia hoy ny Tompo e : « ny amin’ity, dia soratako eo amin’ny handriny ny anarako, soratako eo amin’ny handriny ny anarako ».

Fa izao ry havana : rehefa misoratra eo amin’ny handrina izany ilay anarana, dia hoe hitan’ny rehetra fa.misoratra eo ilay anarana. Hita eo amin’ny fiainantsika fa hoe misoratra eo amin’ny handrintsika ny anarantsika ry havana o. Inona no hitan’ny olona eo amin’ny fiainanao ? Inona no hitan’ny olona eo amin’ny fiainanao ry havana o ? Izay ilay fanontaniana ; ary mila manana valiny mazava ianao satri1 hoe dieny izao ange Andriamanitra dia efa te hanoratra ny anarany eo amin’ny handrinao e.

Miresaka ny Eksodosy tamin’ny louange teo ry havana : hitan’ny olona ve amin’ny fombanao fa ny Alahady ianao dia any amin’ny trano lay fihaonana ? Tsy hoe miangona ao Isotry Fitiavana, na miangona etsy Ambatonilita, fa hoe any amin’ny trano lay fihaonana. Ka rehefa miresaka anao ny namanao : « iny indray tsy namana rehefa Alahady, iny indray dia any amin’ny trano lay fihaonana ; aza manantena azy Alahady maraina izany ». Izany ve, izany ve ny fahitan’ny olona anao ry havana ? Aty tena hoe any amin’ny tranolay fihaonanan ianao rehefa Alahady maraina, fa tsy hoe mandeha any am-piangonana na any amin’ny l’église fotsiny, dia ny vatabe-nao fotsiny no eo, fa ny sainao izao efa rariva any amin’ny Barea, hoe hanao ahoana io Barea io. Izay ilay izy. Ary rehefa fantatrao hoe ity Fiangonana ity, trano lay fihaonana ry havana o, faly ianao hankaty, faly ianao hankaty amin’ny herinandro, satria tsy hanatanteraka asan’ny sampana na fivorian’ny sampana sy fivoriana fandinihan-draharaha fotsiny ianao ; fa ao amin’ilay trano lay fihaonana aloa ianao e. Azonao ve izany ry havana o ? Trano lay fihaonana, trano lay fihaonana ity. Ary tsy vitan’ny hoe rehefa mankaty ianao dia ao amin’ny trano lay fihaonana ; fa ny fiainanao manontolo, efa nolazaina hoe eo anatrehan’ny seza fiandrianana, ka n’inon’inona ataonao, dia ataonao amin’ny fo hoy Paoly ao amin’ny Kolosiana 3, ataonao amin’ny fo toy ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’ny olona ry havana o. Izany ny olona mivelona eo anatrehan’ny seza fiandrianana. Ary amin’izay, ny tany manontolo, izay tany rehetra hodiavina, izay sehatra rehetra andehanana, dia eo anatrehan’ny seza fiandrianana izy, ary trano lay fihaonana amin’ilay Andriamanitra sy ilay Zanak’ondry mipetraka any an-danitra, ary miandry azy any an-danitra any. Nisongadina tamin’ny louange teo hoe any ivelan’ny toby : eo ilay campement-ny Isiraely, ilay trano lay fihaonana aty ivelany. Aty ivelany satria tsy maintsy miala ao amin’ilay tontolon’izao tontolo izao feno loto sy tsi-fahamarinana Mosesy mba hahazoany mihaona amin’Andriamanitra ao amin’ny trano lay fihaonana ry havana o. Tahaka ny olona manana ny anaran’Andriamanitra misoratra eo amin’ny handriny ve ka miavaka ianao amin’ny fihetsikao ? Sa manao ohatran’ireo katekomena efa natao folo hafatra isan-taona, hoe amin’ny katekomena sy ny batisa re e, mba hezaho tsy hisy bal fa fomban’izao tontolo izao io e, na hiodin-kavia ianao na hiodin-kavanana e. Izay ilay izy ry havana, fa eee, eee. Endratrendratra fotsiny amin’ny voalohany fa mandeha ny hira faharoa, fahatelo dia hoe tsy ohatran’ny any amin’ny trano lay fihaonana ilay fety fa any amin’ny tontolon’ny jentilisa ry havana o. Désolé aho miteny aminao, atahorako ny tsy hidiranao any an-danitra noho izany toe-po sy toe-panahy tsy miala ao amin’ny camp izany ry havana o, tsy miala ao amin’ny toby izany. Fa mba hoe raisina ho mpandray, atao batisa sy ny karazany, nefa ny fo, fanahy, ny tena mbola ao amin’izao tontolo izao.

Faranana izao teny izao ry havana. Ry havana o, ry havana o, manatrika antsika ny Tompo ety an-tany, manatrika antsika Izy, ary araka ilay teny fampanantenana volamena nomeny hoe : Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Izy no miteny aminao hoe ovay ny fanompoanao, Izy no miteny aminao hoe manompoa ary miveloma tahaka ny eo amin’ny fanatrehany, mahita ny tavany ianao. Diovy ny tenanao, diovy ny Fanahinao ary mianara mivelona tahaka ny olona hoe manana ny anaran’Andriamanitra sy Jesoa Kristy voasoratra eo amin’ny handriny. Tsy vitako izany anefa, tsy vitanao izany ry havana ; fa Izy mbola mamindra fo, ary mazava ny tenin’ny Hebreo hoe : sahia e, sahia manatona ilay seza fiandrianam-pahasoavana ry havana o, anatin’ny fahalemenao, anatin’ny tsy fahatanterahanao, tsy fahombiazanao, fa hahazo famindram-po sy famonjena tandrify ianao, tandrify izay fahoriana, tandrify izay fahakiviana, tandrify izany tsy fahatanterahanao izany ry havana o. Dia Izy hamonjy anao, hampandeha anao mendrika an’izany olona hoe manatrika Azy ary ho any amin’ny Jerosalema vaovao. Nanontaniana ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray izay, hoe raha ho fantatrao fa ho faty ianao rariva, inona ny zavatra ovainao ao amin’ny fiainanao ? Dia hoy illay mpanompon’Andriamanitra : tohizako izay zavatra efa no-programmé-ko ho atao ary tohizako izay fanaoko isan’andro. Izay ny azy ry havana satria efa vonona izy, efa en règle amin’Andriamanitra izy. Mbola miteny aminao ny Tompo anio : raha ho faty rariva ianao, tiako ampafahantarina anao dia izao sy izao sy izao no tiako ovaina ao amin’ny fiainanao.

Ny fahasoavan’ny Tompo ho aminareo ry havana o. Amena

ALAHADY 30 JON 2019

« Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra. Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy ». Romana 8 :8-9a

Manampy antsika ilay dikan-teny iombonana norenesintsika teo. Eo amin’ilay and.8 dia mamaky ny dikanteny iombonana hoe : Ary izay ao amin’ny nofo dia « tsy mety ho sitrak’Andriamanitra ». Ny dikanteny Segond, ilay hoe « tsy mety ho sitrak’Andriamanitra » dia ataony hoe : « ne peuvent plaire à Dieu ».

Ry havana o, misaotra ny Tompo isika ny amin’ny hafatra omeny antsika Fiangonana amin’izao maraina izao. Ilay hafatra dia faran’izay tsotra, dia hoe : KATSAHO AMIN’IZAY RE E NY HO SITRAK’ANDRIAMANITRA, KATSAHO AMIN’IZAY RE E, NY MBA HO SITRAK’ANDRIAMANITRA IANAO. Andao isika Fiangonana hiara hanapa-kevitra mba hi-plaire à Dieu.

Lazao ary ilay voisin anao dia amin’izay mba mitoriteny ianao, ary mba lazao amin’ny fandresen-dahatra moa fa aza menamenatra miteny aminy e, hoe : MBA TADIAVO AMIN’IZAY RE E NY HO SITRAK’ANDRIAMANITRA. Ary fantatro fa maro ny mahay teny frantsay, dia hoe : MBA TADIAVO AMIN’IZAY E NY HI-PLAIRE A DIEU.

Raha misy havanao sendra tsy tafangona, dia hoe inona kay ny toriteny teo, dia hoe : TADIAVO AMIN’IZAY NY HO SITRAK’ANDRIAMANITRA. Izay ry havana o, izay.

Dia manoro antsika ny Soratra Masina, tsotra kely ilay toriteny : izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra. Iza no tsy mety ho sitrak’Andriamanitra ? Izay ao amin’ny nofo. Ahoana indray hoy ny and.9 ? Fa izay ao amin’ny Fanahy no sitrak’Andriamanitra. Iza no sitrak’Andriamanitra ? Izay ao amin’ny Fanahy. Izay ilay izy ry havana o. Dia ny fahamarinana fahatelo, hoe : Koa mibebaha ary dia handeha ao amin’ny Fanahy ianao. Ahoana ilay fahamarinana fahatelo ? Koa mibebaha ary dia handeha ao amin’ny Fanahy ianao. Izay ilay toriteny. TADIAVO AMIN’IZAY RE E NY HO SITRAK’ANDRIAMANITRA.

Fahamarinana 1 : AO NY OLONA, EO AMIN’NY AND.5 HOE « ARAKA NY NOFO » ; EO AMIN’NY AND.8 HOE  «  AO AMIN’NY NOFO »

Mitovy ihany ny zavatra lazain’ireo ry havana, sokajin’olona iray ihany ireo. Fa izany hoe misy faha-samihafana kely. Ilay hoe olona « araka ny nofo », dia araka ny tenin’i Paoly eo amin’ny and.5, dia hoe tsy manao afa-tsy mihevitra izay zavatry ny nofo, ny fahafinaretan’ny nofo, ny zavatra eto amin’izao tontolo izao ; izany no mibahana ao an-tsainy. Izany no hironan’ny sainy, hoy ny DIEM, dikanteny iombonana. Izany no préoccupation-ny, hoy ilay dikanteny teny frantsay izay. Misy olona ve eto, any an-kafa ny sainy, any an-kafa ny préoccupation-ny, fa ny vatabe-ny fotsiny no eto ? Sao dia ianao izany araka ny nofo izany ry havana o ? Izay ilay izy, izay ilay préoccupation anao : momba ny nofo ety an-tany. Dia eo amin’ny and.8 dia miresaka indray Paoly hoe : olona ao amin’ny nofo.

Rehefa jerena ilay fandaharan’ny Apostoly Paoly an’ilay fampianarana, dia hoe : azo lazaina fa na hoe mitovy aza ny hoe « araka ny nofo » sy « ao amin’ny nofo », ilay « ao amin’ny nofo » azo lazaina fa mafimafy kokoa. Ilay « ao amin’ny nofo » dia tena hoe ilay olona tena roboka amin’izany nofo izany, roboka ka tena hoe anjakan’ny nofo tanteraka ny fiainany, tapahan’ny nofo tanteraka ny fiainany, ny lalan’ny nofo no mandidy azy. Ilay hoe mandeha araka ny nofo, tonga saina ihany ilay olona : « marina ihany anie ny tenin’i Pasteur Ammi hoe tokony hiala amin’ity fandihizana ity, fa tena tsy vitako e, manao ihany aho indraindray na dia tsy mandeha boite aza , manao ihany aho indraindray », ohatra izany. « Tena nitroatra aho, tena nahasosotra ahy ny nahita an’ilay mpiara-miasa amiko iray, tena nitroatra aho, tena nanao fihetsika tsy mety mihitsy aho » etc… « Izaho manao ny service-ny diakona tena te hiala amin’izany aho fa mbola tsy aritro mihitsy ilay misehoseho, ilay hampitombo laza, ilay hampitombo voninahitra ao am-piangonana ». Izay ilay olona mandeha araka ny nofo. Fantany fa tsy mety ilay izy, fa indraindray izy mbola latsaka ao ihany. Fa ilay olona « ao amin’ny nofo » dia tena hoe roboka ao mihitsy, tena hoe roboka ao ry havana o. Manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, manao zavatra tsy sitrak’Andriamanitra. Ity ilay hoe mandeha « araka ny nofo » ity mantsy an, io ilay ataon-dry zareo tanora hoe « manao fiainana », « manao la vie » : « fa maninona ianareo 2 ireto no mbola tsy mivady ? Eny e, mbola tsy tena tapa-kevitra Pasitera an, izaho koa mbola te hanao la vie aloa e ». Izay ilay zavatra. Faly aho fa miteny aminareo ilay « manao la vie » izay. Fa hoy ilay Pasitera anankiray izay : ianao mandeha araka ny nofo io, ianao ao amin’ny nofo io, fantaro fa hoe : tsy « manao la vie » ianao, fa « manao la mort » ianao ry tanora malala o ; « manao la mort » ianao e. Ary tsy misy tanora misaina ato ka manaiky an’izany hoe rehefa jeren’ny mpiara-mivavaka aminy, n’inon’inona fanamarinan-tenany, ka tenenina hoe ireny ilay mpanao la mort. Nefa dia araka ny tenin’i Pasteur Mampionona teo, fy ery anie ilay la mort e, fy ery ilay izy. Dia hiverenana ilay izy. « Manao la mort » ianao satria mandrafy an’Andriamanitra, izay hoe fototry ny fiainana. « Manao la mort » ianao satria rava ny fihavananao amin’Andriamanitra, raisinao ho fahavalo Andriamanitra, mandrafy Azy ianao, araka ilay tsinajery nianarantsika tao amin’i Jakoba tamin’ny farany teo ry havana o.

Izay no hafatra voalohany ho antsika ry havana o : asain’ny Tompo mandinin-tena isika hoe sao dia isika izany hoe mbola ao amin’ny nofo izany, ka ny nofo, ny vola aman-karena, ny fitadiavana laza sy voninahitra, ny fitadiavana sitraka amin’ny olombelona, ny fitadiavana an’izay hoe hampamirapiratra ny tenantsika, sao dia izany no mbola mandidy sy manapaka ny fiainantsika ? Ny olona ao amin’ny nofo arak’izany dia tsy sitrak’Andriamanitra. Ary ny olona ao amin’ny nofo arak’izany dia tsy hitoetra ao amin’ny fiainana, efa nolazaina teo, tsy hitoetra ao amin’ny fiadanana, tsy hahita fahasambarana. Ary aza afangaro ny atao hoe fahasambarana sy fiadanana amin’ny fahafinaretana ry havana o.

Fahamarinana 2 : IANAREO AO AMIN’NY FANAHY

Hoy ny and.9 miresaka antsika izy, dia hoe : ianareo ao amin’ny Fanahy. Efa tery ambony tery koa Paoly no niteny hoe « araka ny Fanahy ». Dia eto indray izy miteny hoe : « ao amin’ny Fanahy ». Iza moa ilay olona « ao amin’ny Fanahy » ry havana ? Ilay olona nandray an’i Jesoa ho Tompony sy Mpamonjiny, dia hoe velomin’ny Fanahy Masina ilay Fanahiny. Ny olona rehetra manam-panahy daholo, fa amin’ilay fotoana hiovanao fo no miasa ao amin’ny Fanahinao, mamelona, manaitra ilay Fanahinao izay natoritory, mamelona ny Fanahinao izay tao anaty torimasom-pahafatesana ry havana, ka tsy nanananao fifandraisana tamin’Andriamanitra. Izany ny olona hoe « araka ny Fanahy », ary «  ao amin’ny Fanahy ».

Eo moa tsy dia tena mitovy ny fitenin’ny mpitoriteny, na samy manana ny Tompo ary izy. Ny sasany milaza hoe ianao tamin’ilay nandray an’i Jesoa iny dia hoe nahazo ny fahasoavan’Andriamanitra manokana, nandray manokana ny fahasoavan’Andriamanitra, dia iny dia hoe ampy hahatonga anao ho masina sy ara-panahy. Misy miteny an’izany. Misy indray miteny hoe an an an, io, asa ataon’ny Fanahy Masina miandalana ilay hoe fanovana, ilay fanamasinana sy ilay fampitoviana endrika antsika amin’i Jesoa. Samy marina izany ry havana ary tsy any ilay problema. Fa ilay problema dia hoe : ny olona «  ao amin’ny Fanahy », na ahoana na ahoana, dia tsy maintsy misy zavatra tsy ara-panahy ariany sy esoriny ao amin’ny fiainany.

Raha miato kely ary aho izao, dia mamela anareo kely segondra vitsivitsy : diniho kely ary hoe ry havana, diniho vetivety hoe, raha mandre an’izany toriteny izany ianao hatreto, inona no zavatra heverinao fa hoe tokony ho esorina, tokony ariana ao amin’ny fiainanao ? Andao isika handinin-tena vetivety.

Misaotra ny Tompo ny amin’izay segondra vitsivitsy izay. Inoako tanteraka ry havana fa misy olona vitsivitsy maromaro ovain’ny Tompo noho ny fankatoavany an’izay teny izay ry havana o. Ary ho marina ara-bakiteny aminy ilay filazana, indraindray karazana pli vava fotsiny, hoe tsy tahaka izay nidirany tato no ivoahany avy ato an-tranon’Andriamanitra anio maraina.

Fa ny olona « ao amin’ny Fanahy » izany, dia araka ilay ara-nofo teo ihany, mandeha araka ny Fanahy izy, « ao amin’ny Fanahy » izy, misaina ny zavatry ny Fanahy izy, mirona any amin’ny zavatry ny Fanahy izy, mi-se préoccuper ny amin’ny zavatry ny Fanahy izy. Izay ry havana ilay « ao amin’ny Fanahy » izany : misaina, mirona, manome lanja. Ahoana moa izany hoe misaina ny zavatry ny Fanahy izany ? Misaina izay hoe an’i Kristy izy, misaina ny momba an’i Kristy mandrakariva izy, mieritreritra an’izany hoe nahatongavan’i Jesoa ho olona izany, misaina hoe maty Jesoa fa tsy hoe maty fotsiny Jesoa ; misaina izy ambara-pahananany faharesen-dahatra hoe maty ho ahy teo amin’ny hazo fijaliana teo Jesoa. Izany ny olona ao amin’ny Fanahy izany ry havana o ; fa tsy katekisma fotsiny izany hoe Andriamanitra tonga nofo, Jesoa teraka dia maty teo amin’ny hazo fijaliana, ary nitsangana tamin’ny maty. Fa tena hoe misaina, misaina, misaina ny an’i Jesoa. Misaina ny zavatra tian’ny Fanahy. Ny zavatra tian’ny Fanahy ry havana dia ny vavaka, ny vavaka. Raha tsy fantatrao hoe zavatra tian’ny Fanahy izany, hahantra ohatran’io ihany ny fiainam-bavakao ry havana o, hahantra ohatran’io ihany ny fiainam-bavakao. Misaina ny zavatry ny Fanahy izy ka tsy miteny fotsiny manao pli vava hoe misaotra anao izahay Jesoa ny amin’ity Baiboly vakianay amin’ny teninay ity ; fa tena hisakafoanana isan’andro, hiveloman’ny Fanahy isan’andro isan’andro io Baiboly io ; izany ny olona misaina ny Fanahy ry havana o. Ny olona misaina ny Fanahy dia hoe : fantany fa olon-kandalo izy eto amin’ity tany ity, ary ny tena izy dia ny lanitra ry havana o, ny tena izy dia ny lanitra.  Ka ny olona misaina ny Fanahy, ny olona « ao amin’ny Fanahy », ny olona mirona any amin’ny zava-panahy : mahita ny volany izy dia ampiasainy io volany io hanampiana amin’ny fitoriana ny filazantsara, hilazana eran-tany hoe : attention, ianao ao amin’ny Fanahy io anie ka tsy sitrak’Andriamanitra ary tsy hidirana any an-danitra ; izany no handaniko ny volako sy ny harenako ry havana o. Izany ny olona ao amin’ny Fanahy izany. Ary izany no andrasan’ny Tompo amintsika anio : hisaina ny Fanahy, hisaina ny zava-panahy, samy ho hita mandeha ao amin’ny Fanahy ka tarihiny, tapahiny, araka ilay louange teo, controlé-ny ; izany, izany ry havana o. Ary rehefa misaina ny zavatry ny Fanahy ry havana, ka ao ny Fanahy ao, dia hita eny ivelany izany. Hita eny ivelany ilay toetra ao anaty. Ilay fanahiko efa novelomin’ny Fanahy Masina, izaho ilay nohavaozin’ny Fanahy, hita ety ivelany izany. Rehefa misaina aho hoe tsy ataoko tsianjery fotsiny ny Galatiana 5 momba ny vokatry ny Fanahy, fa mba hoe misaina an’izany fitiavan’Andriamanitra izany aho, misaina an’izany fifaliana izany aho, misaina an’izany fiadanana izany ; hamoa voa ao aminao ny Fanahy Masina ry havana o, ary dia mba hiaina ianao an’izany hoe : « ao amin’ny Fanahy » izany, rehefa ela ny ela. Fa tsy hoe ao amin’ny Romana 8 ao izany hoe resaka « araka ny Fanahy » sy « araka ny nofo » izany, « ao amin’ny nofo » sy « ao amin’ny Fanahy » izany. Izany no andrasan’Andriamanitra amintsika ry havana o. Ary misy olona ry havana o, misy olona, manamaivana ny teny tahak’izao ; dia inona ny zava-doza mitranga ao amin’ny fiainany ? Ny zava-doza mitranga ao amin’ny fiainany : mandray an’i Jesosy izy, sincère izy amin’ny voalohany, ok ; fa ianao vao teraka iny, satria ianao nandray an’i Jesoa an, nandray ny Fanahy Masina, sady misy zavatra ara-panahy ao aminao, satria nateraka indray ianao, fa misy zavatra tsy ara-panahy koa ao aminao ; na misy zavatra ara-panahy ao aminao, fa misy zavatra ara-nofo ao aminao. Ary matetika ireny olona ireny no tena hoe saro-pantarina indrindra : atao hoe efa niova fo, ohatrany mbola tsy niova fo ; atao hoe jentilisa, toa ohatrany hoe efa nandray an’i Jesoa ihany. Kanefa ry havana o, ianao manao an’izany, mety tsy fantatry ny Pasitera, mety tsy fantatry ny mpiara-miangona aminao, hoe sady tsy ara-panahy ianao no ara-panahy, fa ny Tompo mahafantatra. Ary ny Tompo mahafantatra fa izany fombanao izany ry havana o, dia fomban’ny fahavalon’Andriamanitra izany ; ary araka ny teny teo : fahafatesana, fahafatesana no iafaran’izany. Ary izany no zava-doza, zavatra manin-doza ny Fiangonana ry havana, tsy ny FJKM ihany, fa ny Fiangonana rehetra, n’inon’inona anarany : ireo olona sady hoe ara-panahy no tsy ara-panahy ireo, satria izy nanao zava-maivana an’izany hoe misaina ny zavatry ny Fanahy izany, dia fahavalon’Andriamanitra izy. Mamaky Baiboly izy, misy fotoana izy mamaky Baiboly, fa fahavalon’Andriamanitra mamaky Baiboly. Mirotsaka katekomena izy amin’ny fandresen-dahatra, raisina mpandray izy, tsy ataony zava-dehibe ho tombon-tsoan’ny Mpandray ny fanasan’ny Tompo izany hoe mamaky Baiboly sy fanatrehana ny fanasan’ny Tompo izany, araka ny fanekena atao eto anatrehan’ny hazo fijaliana eto ry havana o. Mpandray ny fanasan’ny Tompo izy, fa Mpandray ny fanasan’ny Tompo fahavalon’Andriamanitra. Dia manaraka ny lalam-piainana izy, Diakona izy eo amin’ny faha-25 taonany, faha-30 taona, diakona mitafy akanjo-na Diakona ry havana o, fa Diakona fahavalon’Andriamanitra. Mety Diakona izy, fa tsy Diakon’Andriamanitra ; mety Mpiandry izy, fa tsy Mpiandrin’Andriamanitra ry havana o, satria Mpiandry fahavalon’Andriamanitra, tsy misaina ny zavatra ara-panahy, fa misaina ny zavatry ny tany sy ny zavatry ny nofo.

Misaotra ny Tompo isika e, misaotra ny Tompo isika satria teneniny mafy, ary tenim-pitiavana, satria tiany isika, tiany isika hiova amin’izay ry havana o, mba hoe ho lehilahy sy vehivavy sitrak’Andriamanitra, tena hoe mi-plaire an’Andriamanitra. Fa ny olona sitrak’Andriamanitra ihany no handova ny lovany any an-danitra ry havana o, ny sitrak’Andriamanitra ihany.

Ka inona ary no andrasan’Andriamanitra amintsika rehefa teneniny isika hoe ny olona ao amin’ny nofo dia tsy sitrak’Andriamanitra ; ny olona ao amin’ny Fanahy no sitrak’Andriamanitra ? Inona no andrasan’ny Tompo amiko amin’izao maraina izao ? Mibebaha ry havana o, mibebaha, mibebaha ianao.

Fahamarinana 3 : MIBEBAHA

Inona moa no atao hoe fibebahana ry havana ? Ny fibebahana dia zavatra faran’izay tsotra : fiovan-tsaina izay mahafoaka ny sitrapo sy ny faniriana rehetra. Fibebahana no ilainao fa tsy fomba fombam-pivavahana bebe kokoa ry havana o. Fibebahana, fiovan-tsaina, fiovam-po.

Nahafinaritra ahy ny teny-na mpitoriteny anankiray izay, manohitra antsika izay ao amin’ny nofo ary ny hiafarany araka ny notenenina teo an dia tafasaraka amin’Andriamanitra izay foto-piainana, ary mitahiry fahalovana dia tsy maintsy hiafara any amin’ny fahafatesana. Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay : kristiana maro hoy izy dia azo oharina amin’ny voankazo tsara tarehy. Dia iny voankazo tsara tarehy iny hoy izy, raha apetraka eo ambony latabatra iny, afaka 3 andro iny, tsy hetsehinao eo, afaka 3 andro, 4 andro, afaka herinandro iny an, lo iny. Iny voankazo iny indray, raha ohatra apetraka ao anaty frigidaire, dia ela ela kokoa iny vao lo ; fa tsy maintsy ho lo foana iny e, tsy maintsy ho lo foana iny. Dia ohatran’izay hoy izy ilay kristiana. Ilay kristiana hoe any anaty frigidaire, ohatrany hoe ilay frigidaire izany ilay Fiangonana : te hitombo amin’ny fombam-piangonana izy : izao ny fomba e, izao ny foto-dalàna e, izao no fanao rehefa misy fankalazana e. Kristiana any anaty frigidaire ianao ry havana o, fahalovana sy fahafatesana no iafaranao. Tsy fombam-pivavahana bebe kokoa no ilain’ny Tompo aminao, fa fibebahana ry havana o : fiovan-tsaina mahafoaka fiovana sitrapo sy fiovana faniriana.

Ry Fiangonana o, miteny aminao ny Tompo e : aoka izay ny fomba ivelany, aoka izay ny fomba ivelany, aoka izay ny fomba ivelany. Miovà fo ianao, tapaho ny hevitra amin’izao maraina izao hoe : « Jesoa an, inty aho manatona anao, tapaka ny hevitro, hiova aho ». Izay fotsiny no andrasana aminao, izay no andrasana aminao. « Fa izaho te ho sitrakao, mazava ny teninao, izaho te ho sitrakao, izaho te hiaina ao anaty fiadanana, izaho te hanana fiainana be dia be ; tiako ho santarina ety an-tany izany fiainana be dia be izay ho sitrahiko amin’ny fahafenoana izany any an-danitra, ary natolotrao ho an’ny olona sitrakao. Te ho sitrakao aho e, tapahiko ny hevitra, hiova aho ».

Dia inona ry havana ny zavatra mitranga rehefa manapa-kevitra ohatran’izany ianao ? Araka ilay hirantsika teo : manatrika antsika eto Jesoa, hitany ny asan’ny teniny ao am-ponao. Hamboly alahelo marina Izy, hamboly alahelon’ny faharatsiana, alahelo noho ny fahotana nataonao. Tsy nisy olona hoe nandray an’i Jesoa ka tsy nitomany sy nalahelo momba ny fahotany ry havana o, tsy mi-existe izany. Olona nanaraka fombam-pivavahana, raha tsy nalahelo noho ny fahotany izany. Fa izany no tian’ny Tompo atao : te hiasa ao aminao Izy hampiaiky heloka anao, hanome an’izany hoe alahelo noho ny fahotana izany, alahelo mody fibebahana, alahelo mody fiovana, hoy ny Apostoly Paoly. Tsy hoe alahelo, misy olona malahelo be noho ny fahavoazana ety an-tany, misy olona malahelo be noho ny vokatry ny fahadalany ka simba ny tokantrano, voaroaka amin’ny asany ; tsy izay loatra ilay alahelo resahina eo ; fa amin’izay ianao, raha hoe, misy alahelo vokatry ny fahadalana, misy alahelo vokatry ny zava-doza nahazo anao ka nisy mpanompon’Andriamanitra manoro anao hoe kapoka avy amin’Andriamanitra io, ary ny zanaka tiana no anarina sy faizina : io trano may io, mari-pitiavana avy amin’Andriamanitra ho anao izany, fa miovà ianao, miovà ianao. Izany no andrasan’ny Tompo ry havana o. Miovà ianao, ary dia ny Tompo ho avy handrotsaka ny Fanahy Masina ho ao aminao. Tsy ho Fanahy handalo fotsiny, fa Fanahy hitoetra, Fanahy honina ao aminao. Tsy Fanahy hoe hiserana fotsiny fa Fanahy te ho tompon-tranon’ny fonao e. Dia hiasa ao aminao, hitarika anao, hampitoetra anao ao amin’ny Fanahy Masina.

Ry havana o, ry havana o, mbola andron’ny fahasoavana izao ary dia manome fotoana ny Tompo hibebahana. Izany no mbola antony ahavelomako sy ahavelomanao amin’izao maraina izao, mba hahazoanao mibebaka ka hivelona tahaka ny olona sitrak’Andriamanitra, ho voninahiny irery ary ho fahasambarantsika sy fiadanantsika.

Amena