Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

Alahady 15 Sept 2019

Amosa 5 :18 : « Lozan'izay maniry ny andron'i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron'i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana ».

Ry havana malala o, toriteny natao ho an’ny olona izay maniry ny andron’i Jehovah ity toriteny ity. Toriteny natao ho an’ny olona izay maniry ny andron’i Jehovah. Ho antsika kristiana moa izany, izay maniry, ary araka ny litojia fandraisana hoe maniry ary mitalaho ny fiverenan’i Jesoa. Izany ve ianao : mitalaho marina ny fiverenan’i Jesoa ? Mitalaho marina ny fiverenan’i Jesoa ve ianao e ? Ary izao no fampitandreman’i Amosa amin’ny Isiraely eto, dia hoe : ianareo, hoy izy, ianareo maniry ny andron’i Jehovah, fa sao dia diso hevitra ianareo an : io andron’i Jehovah io ho anareo dia andron’ny maizina fa tsy fahazavana ; andro famaizana fa tsy andro fifaliana, noho ny toetranareo.

Izany fiverenan’i Jesoa izany ry havana o, ho antsika Isotry Fitiavana, sy ny hafa : sao dia andron’ny maizina, fa tsy andro fahazavana ? Eto isika handinin-tena ry havana o, ary hotarihin’ny Fanahy Masina mba hanova izay tokony ovaina, mba tena hoe ho andro fifaliana izany fihaonana amin’ny Tompo izany, fa tsy andro fahatezerana na faharavana ho anao. Toriteny natao ho an’ny olona miandry marina ny andron’i Jehovah.

Inona ary no hafatra ho antsika anio maraina ? Ilay hafatra ho antsika anio maraina dia ilay hafatra nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Amosa ho an’ny Isiraely, dia izao : LEO ANDRIAMANITRA.

Soa fa i Amosa no niteny an’izany ry havana. Fa raha izaho angamba no niteny an’izany, dia hoe : io indray Pasitera, manta vava loatra io Pasitera io. LEO ANDRIAMANITRA.

Fahamarinana 1 : LEO NY HYPOCRISIE RELIGIEUSE ANDRIAMANITRA

Voalohany indrindra, leon’ny inona Izy ? Leon’ny andro firavorovoan’ny Isiraely. Andeha anie jerentsika ny Amosa 5 :21 : « Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo ». Leo ny andro firavoravoanareo Aho, leo ny andro firavoravoanareo Aho.

Misy fety vitsivitsy maromaro tao amin’ny fiainam-pinoan’ny jiosy ry havana, fa ny lehibe indrindra, kilasiana hoe andro firavoravoana. Ary miisa 3 ireo andro firavoravoana ireo, fety lehibe indrindra ao anatin’ny calendrier litorjika jiosy ny andro firavoravoana miisa 3. Ary ireo 3 ireo, ny fankalazan’ny Isiraely ireo 3 ireo, dia hoe : leo ny andro firavoravoanareo Aho. Andeha anie jerentsika izany Andriamanitra leo izany e ; raha dinihina, malefaka izany teny izany an. Raha ny marina, tsy misoratra ato izany hoe leo izany, fa mba hahamora fotsiny ilay hoe : leo. Eo amin’ny and.21 dia hoe : « Halako, eny, laviko » : halako, laviko. Ny tapany faharoa amin’ny 21 : « ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina ». And.22 : « Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany;
Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory ».
And.23 : « Atsaharo ny finaonaonan'ny hiranareo, fa maharenina Ahy ». Leo ny andro firavoravoan’i Isiraely Jehovah, leo, tena leo.

Misy 3 ireo andro firavoravoana ireo, tsiahivina kely ilazana ilay maha-zava-dehibe an’ilay toetran’Andriamanitra sy ilay fihetsem-po hoe leo. Misy 3 ireo andro firavoravoan’ny Isiraely ireo ao amin’ny calendrier litorjika jiosy. Voalohany indrindra, Paska – Pentekosta – ary fahatelo, fetin’ny tabernakely. Ireo no fetin’ny jiosy. Ny Paska, azo atao ny manazava adiny 1 na adiny 2 ny atao hoe Paska ; fa ny hanazavana azy izao maraina izao, dia hoe : fahatsiarovana ny nanafahan’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely tany Egypta : izay ilay Paska. Ny Pentekosta, dia hoe, ho an’ny Zanak’Isiraely, dia hoe : fahatsiarovana ny nanomezana ny làlàna. Tsy misy olon’afaka ka tsy andevozin’ny làlàn’Andriamanitra ry havana. Mampieritreritra izany : Tsy misy olon’afaka ka tsy andevozin’ny làlàn’Andriamanitra. Izay no nanomezan’Andriamanitra ny làlàna, izay ny amin’ny Pentekosta. Ho antsika kristiana : fahatsiarovana ny nanomezana ny Fanahy Masina. Ny fetin’ny tabernakely indray, io no fety lehibe fahatelo farany, andro firavoravoana. Dia hoe fahatsiarovana fa olon-kandalo isika ety an-tany ety. Dia mandritra ny herinandro na valo andro, ny Isiraely ry havana isa-taona, amin’io andron’ny tabernakely io, dia matory any an-tokontany, na amin’izao 2019 izao ary ; matory any an-tokontany izy, dia tente no hatoriany, dia tsy maintsy miseho ny lanitra, ahatsiarovana fa olon-kandalo isika, dia herinandro maninjitra, valo andro izy mahatsiaro hoe io lanitra io no destination finale ary anankinana ny fiainana. Mahafinaritra ilay callendrier litorjika. Ary ireo andro firavoravoana 3 ireo, izay ankalazain’ny Isiraely, raha ny marina, ny fomba ankalazan’ny Isiraely azy no ilazan’Andriamanitra hoe : leo, tena leo Aho e.

Fa maninona Izy no leo ny andro firavoravoana ny havana ? Tsotra ny valinteny : leo ny andro firavoravoanareo Aho satria leo ny fihatsarambelatsihinareo Aho, leo ny hypocrisie religieuse nareo Aho, leo Aho. Fotoana makotroka, isika anie ohatran’izany koa e : ireo fety ireo mbola tazomintsika : Paska, Krismasy e. Feno hiboka ny trano Fiangonana hatraiza hatraiza e. Ary henoko ireo diakona namangy anareo : maninona Pasitera raha atao miditra indroa koa ny Paska sy ny Krismasy koa. Makotroka ny fety, mandeha ny procession, mandeha ny orchestre, mandeha ny dihy tao anatin’ny litorjia, sy ny tahak’izany. Fa leo an’izany fihetsiketsehina izany Aho hoy Andriamanitra satria fihetsiketsehina izany, hypocrisie izany, fihatsarambelatsihy izany.

Fa ahoana moa ilay fihatsarambelatsihy no maha-tezitra an’Andriamanitra ? Jereo ny Amosa 5 : 14 : « Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy ». Avadiky ny Isiraely io, fa isika malagasy tsy manao an’izany ; ny an’ny Isiraely indray : ny ratsy no tadiavina fa tsy ny tsara, nefa manao fiderana makotroka ry havana o. Leo an’izany Aho hoy Andriamanitra e, leo Aho hoy Andriamanitra e. Eo amin’ny and. 15 : « Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny ». Aoreno eo am-pitsarana ny rariny. Enga anie ka tsy handrenesana ato ry havana hoe mpivavaka samy ato ihany, ka hoe nanana raharaha tany amin’ny tribonaly ka hoe : lalina Pasitera, izahay tokony handresy fa notsindrian’ilay anona vola ohatran’izao ilay anona, ilay mpitsara tao. Izay ilay hoe mankaleo an’Andriamanitra ry havana, leo Izy. Jereo tsara, tsy hivalapatra isika, fa eo amin’ny and.12, tapany faharoa : « Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ». Mandray kolikoly. Mipoapoaka ilay fankalazana andro firavoravoana : olona mpanao kolikoly, mandray kolikoly no midera an’Andriamanitra : leo ny andro firavoravoanareo Aho e. Ary ny zava-doza dia izao : eo amin’ny and.10 : « Halany eo am-bavahady izay mananatra ». Izay mba mananatra azy, dia halany, izay mba miteny ny marina, dia hananganany ady, nefa rehefa avy eo hanao fiderana rehefa Krismasy sy Paska sy Pentekosta. Leo, tena leo an’izany andro firavoravoanareo izany Aho, leo an’izany hypocrisie religieuse-nareo izany Aho. Miady, mihazakazaka hiakatra ety amin’ny pilopitra ety rehefa manaty rakitra, nefa ny ao am-po, araka ilay louange teo, miteny hoe : foka ialahy ; Izany : tena leo Aho, leo Aho hoy Andriamanitra e. Tsy leo anareo Aho, soa fa tsy leo antsika Izy, fa leo ny andro firavoravoanareo Aho, leo ny hypocrisie religieuse-nareo Aho, atsaharo izany, atsaharo izany. Jereo tsara anie ilay and. 25 e : « Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va hianareo, ry taranak’ i Isiraely? ». 40 taona izy tany an-efitra, tsy nanao fanatitra ho an’i Jehovah ; fa ilay andro firavoravoana fenoina fanatitra alatsa-drà sy fanatitra isa-karazany. Fa fomba ivelany fotsiny izany anaronana ilay faharatsian-toetra. Fa inona ny zavatra nitranga tany an-efitra ? Tany an-efitra ny Zanak’Isiraely ry havana o, notenenin’Andriamanitra hoe à gauche dia à gauche ; notenenin’Andriamanitra hoe à droite dia à droite. Izany hoe firenena feno fankatoavana : tsy nanao fanatitra ho Ahy ianareo an, fa natoky Ahy tanteraka ianareo ary nankatoa Ahy tanteraka. Izany ny olona ankasitrahan’Andriamanitra hanao fiderana, hanao fanompoam-pivavahana, hanao andro firavoravoana : anati-na fo feno fankatoavana ry havana o. Fa na hihira ohatran’ny inona eo aza ianao, hanao zava-maneno ohatran’inona eo aza ianao, hanao chorale ohatran’inona eo ianao, tenenin’i Jehovah hoe : leo an’izany hiranareo izany Aho : aoka, atsaharo ny finaonaonan’ny hiranareo. Enga anie ka rehefa mijery any an-danitra Andriamanitra ka mihira isika Isotry Fitiavana, mihaino ny chorale ato Isotry Fitiavana, tsy hiteny Izy hoe : atsaharo ny finaonaonan’ny hiranareo fa mankaleo Ahy.

Izay ny fahamarinana 1 : diniho ihany e, diniho : ianao izay hoe miandrandra ny andron’i Jehovah ; izany manko io ; fa raha tsy miandrandra ny andron’i Jehovah ianao an, tsy maninona raha tsy mihaino toriteny ianao. Fa sao dia hoe leo ny andron’ny firavoravoanao Jehovah ? Sao dia leo ny hypocrisie religieuse-nao Jehovah ? Tsy miteny Izy hoe aiza ny Fiangonanao, fa sao dia hypocrite ianao ?

Hoy isika hoe leo Andriamanitra. Ny fahamarinana 1, hoe : leo ny andro firavoravoana Izy, leo ny hypocrisie religieuse.

Amosa 5 :26 : « Tsia, fa ny nitondra ny tabernakelin’ ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan’ ny sampinareo ihany no nataonareo ». RESAKA SAMPY

Ilay voalohany : leo ny hypocrisie religieuse ; faharoa : leo ny sampinareo Aho hoy Jehovah

Fahamarinana 2 : LEO NY SAMPINAREO JEHOVAH

Leo ny sampinareo Aho hoy Jehovah. Listé-n’i Amosa moa eo amin’ny and.26 ilay hoe sampy, dia manana endrika mpanjaka ilay izy, manana endrika kintana ilay izy. Any an-kafa moa tena tononina ny anaran’ilay sampy. Fa ireto Zanak’Isiraely ireto izany an, mbaran’ny hoe efa vahoaka nofidian’Andriamanitra, vita fanekena tamin’Andriamanitra, isa ilaozany mbola manaraka sampy. Ilaozany mbola manangana sampy ho azy. Izany no hitenenan’i Jehovah hoe : nitondra ny tabernakelin’ ny mpanjakanareo : ianareo no nanorina mpanjaka ho mpanjakanareo ; Izaho anefa no Mpanjakanareo. Nanorina mpanjaka, mpanajakanareo ianareo. Nanorina tabernakely ho an’ny sampinareo ianareo ; Izany ianareo ireto : leo ny sampinareo Aho e ! Leo ny sampinareo Aho. Anhy an-kafa moa, any amin’ny Deoteronomia any, dia hoe lazaina koa ny Zanak’ Isiraely, any amin’ny Deoteronomia 4 any ; tononiko fotsiny ilay izy fa tsy mamaky isika fa mandeha be ny fotoana, hoe : mivavaka amin’ny lanitra ireto Isiraely ireto, mivavaka amin’ny masoandro, mivavaka amin’ny volana, mivavaka amin’ny kintana ; ohatrantsika malagasy ihany e, izay ilay izy. Nanaraka andriamani-kafa, izany. Fa nitombo ny antsika malagasy : isika mivavaka amin’ny razana ; izay ilay izy. Leo an’izany Andriamanitra, leo an’izany Andriamanitra ry havana.

Namangy aho indray mandeha ry havana, dia ilay madama izay sy ny zanany no teo : tena nahafinaritra, nahafinaritra ilay dinika teo amin’ilay famangiana : « io zanako lahy io izao ohatran’izao sy ohatran’izao ». Tsy neneniko ilay anona fa sao fantatrareo hoe i anona izany ; izay ilay izy. Nahafinaritra be ny resak’ilay madama : « izaho manko izao Pasitera an, izaho manko izao… Dia efa mifampiresaka ihany isika Pasitera fa izaho indray rehefa maraina, ny zavatra ataoko volalohany dia mijery ny horoscope-ko ». Tena rava ilay charme an ! Rava tanteraka !

Leo ny sampinareo Aho hoy Andriamanitra. Fa andao anie jerentsika e, ny sampy amin’izao andro farany izao, ao amin’ny 2 Timoty 3 :1-2a ; 4 : « Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola… mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra ». Ny andriamanitra na ny sampy, dia ny zavatra iraketan’ny fonao ry havana o. Ny sampy amin’izao andro farany izao dia ny tenanao : any am-parany any ny olona ho tia tena, any am-parany any ny olona ho tia vola, any am-parany any ny olona ho tia ny fahafinaretany mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra. Tena leo an’izany Aho hoy Andriamanitra e ! Ary atsaharo aloa ny andro firavoravoana raha mbola hoe izany ny sampinao. Atsaharo e, fa leo Aho. Ilay fitiavan-tena, ilay fitiavam-bola miteraka hoe fahatokian-tena, mirehareha, hoe arrogance, satria be vola. Izany : leo an’izany aho hoy Andriamanitra. Ilay hoe olona mihanina fotsiny, ilay mihanina fotsiny dia hoe : olona manana auto-satisfaction : « izaho izao, izao izaho mba efa diakona, izaho izao mba efa mpiandry, izaho izao mba efa Pasitera… ». Leo an’izany toe-tsaina izany Aho, leo an’izany sampinareo izany Aho hoy Jehovah Andriamanitra. Ary sao dia anio ny toriteny fara-fanasana : miverena amiko, miverena amiko, miverena amiko e ! Leo ny sampinareo Aho. Ilaozy izany sampinareo izany.

Miverina any amin’ny Amosa isika ho an’ny fahamarinana fahatelo farany.

Amosa 5 :27 : « Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr’ i Damaskosy hianareo». HO ENTIKO HO BABO ANY ANKOATR’I DAMASKOSY HIANAREO.

Izao no lazaiko anareo hoy Jehovah : leon’ny inona mo aizy volaohany indrindra ? Leo ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana, leo an’ilay hypocrisie religieuse. Faharoa, leon’ny inona Izy? Leo ny sampinareo Aho hoy Izy.

Fahamarinana 3 : REHEFA HIZIRIZIRY IANAREO DIA HO ENTIKO HO BABO

Mampieritreritra ilay teny : « ho entiko ho babo any ankoatr’ i Damaskosy hianareo ». Izay ry havana Andriamanitra rehefa manafay. Nisy fotoana izany nofaizin’Andriamanitra ireto Isiraely ireto dia nentiny ho babo tao Damaskosy aloa. Fa mbola tsy nihaino ihany e, nanamafy hatoka, dia hoe : « ho entiko ho babo any ankoatr’ i Damaskosy hianareo », izany hoe any Babylona izany. Izay ilay izy. Isiraely eto, Syrie misy an’i Damaskosy eto an, dia aty lavitra aty izany. Any atsinanan’i Syrie lavitra any no hitondrako anareo ho babo. Ary izay ny fomban’Andriamanitra e : anariny indray mandeha ianao, anariny indroa ianao e ! Dia faiziny ianao, ary mihamafy mihamafy hatrany ilay famaizana ry havana o. Aza miandry famaizana, aza miandry famaizana e, vao hiala amin’ny sampy. Aza miandy famaizana vao hiala amin’ny hypocrisie religieuse e. Aza miandy famaizana e, vao hiala amin’ny kolikoly ry havana o. Na dia ilay kolikoly madinika mahazatra anao any amin’ny mairie sy ery amin’ny visite technique ery. Sao dia tsy hidirana any an-danitra izany ? Sao dia tsy hidirana any an-danitra izany ? Ary ny zava-doza ry havana, rehefa miteny Andriamanitra hoe : « ho entiko ho babo any ankoatr’ i Damaskosy hianareo », dia izao : ekeko anie hoy Andriamanitra e, fa ny devoly no niasa tao aminao nahatonga anao hanompo ireo sampy notanisaina ireo e. Fa izao : nisafidy hanompo sampy ianao dia alefako ho baba any amin’ny tany jentilisa ianao dia any ianao miara-manompo sampy amin’ny sampin’ny jentilisa, rehefa tsy mety anarina ianao. Izany no tenin’i Amosa ry havana.

Tia antsika ry havana Andriamanitra, ary ny zanaka tiana no anarina sy faizina. Samy manana izay eritreritsika isika momba ny andro firavoravoana, fa izao : araka ilay teny tamin’ny louange teo, hoe : fa izao no lazaiko aminareo hoy Jesoa : aoka tsy hisy hiziriziry amin’ny heviny e !  Aoka tsy hisy hiziriziry amin’ny heviny e ! Aoka mba haheno ny tenin’i Jesoa isika e. Ny teny atao any amin’ny pilopitra ohatran’izao ry havana, tsy tenin’ny olona anankiray, tsy tenin’ilay Pasitera na ilay mpitondra fivavahana mitarika eo, fa teny nampitondraina avy any an-danitra ry havana. Ary ny Tompo no mbola miteny hoe, jereo ange ny Amosa 5:4 : « Tadiavo Aho, dia ho velona hianareo ». Iza no hitenenany hoe : « Tadiavo Aho, dia ho velona hianareo » ? Ny olona maty ara-panahy. Maty ara-panahy satria leon’ny fihatsarambelatsihinao ara-pivavahana Andriamanitra, leo an’io tsy fankatoavanao sarotsaromana amin’ny fanatitra sy ny asa isan-karazany io. Fa izao e : « Tadiavo Aho,dia miverina Amiko, dia ho velona hianareo. Ary Izaho dia matoky sy marina, fa raha miaiky ny fahotanao ianao, dia hamela ny fahadisoanao Aho, ary hanadio anao amin’ny tsi-fahamarinanao rehetra ».

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

Alahady 01 SEP 2019

Efe 4.12 : "Ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy"