Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 20 OKT 2019

1 Korintiana 12 :4-11 : « Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ ny olona rehetra. Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa. Fa ny anankiray nomen’ ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray finoana, amin’ izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin’ izany Fanahy iray izany ihany, ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin’ ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. Ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony ».

Ny zavatra tokony ho marihina amin’ity perikopa ity ry havana dia ny fiverimberenan’ny teny hoe : « zarazaraina » sy ny teny hoe : « iray » : zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, zarazaraina ho samy hafa ny asa. Ary koa ny hoe : Fanahy iray ihany, Tompo iray ihany, Andriamanitra iray ihany. Izany hoe ny fisian’ny fanompoana sy ny asa samy hafa ao amin’ny Fiangonana dia tsy tokony hampiady na hampifandrafy, na hiteraka fifaninanana, na sanatria fialonana sy fifanimbana. Fa Andriamanitra iray ihany no ipoiran’izany asa sy fanompoana samy hafa izany, mba hampandrosoana ny fiangonana. Andriamanitra iray ihany no ipoiran’ny fanomezam-pahasoavana rehetra mba hampandrosoana ny Fiangonana. Fa inona tokoa no nitranga tao Korinto ka mety nahatonga ny fampianarana nataon’i Paoly tahaka an’izao ? Azo raisina sary an-tsaina fa tena nisy tokoa ny fifandirana teo amin’ny fizarana ny asa tao am-piangonana, izay mety nisian’ny fahatsiarovan-tena ho latsaka ambany noho ny sasany, na fahatsiarovan-tena ho ambony kokoa noho ny hafa. Ary izany fifandirana izany aza dia tafakatra hatrany amin’ny fifampitsarana ho manana, sa tsy manana ny Tompo, araka izay hita eo amin’ny and.1-3 izay tsy tafiditra ao amin’ny perikopantsika, kanefa mialoha izany perikopa izany. Ry havana, tsy tao Korinto ihany, fa mbola olana apetraky ny olona mandrak’ankehitriny izany hoe manana ny Tompo ianao sa tsy manana ny Tompo ? I Ranona manana, i Ranona tsy manana ; ny sampana atsy bebe kokoa ny Tompo ao aminy, ny sampana atsy tsy misy Tompo mihitsy. Ary ny sasany aza dia manao hoe : ny Fiangonana atsy misy Tompo, ny sasany tsy misy Tompo. Dia indraindray, rehefa tratran’izay hoe ny atsy misy Tompo izay, dia lasa miala ao amin’ilay Fiangonana heverina fa tsisy Tompo, mihazakazaka mirohitra mankany amin’ilay Fiangonana heverina ho misy Tompo. Mazava ny tenin’i Paoly eo amin’ny and.1-3,   « tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ ny Fanahy Masina ».

Eo amin’ny fotom-pinoantsika protestanta dia ampy anehoana an’i Jesoa ho Tompo ny fanoloran-tena amin’ny batisa sy ny fanamafisana an’izany amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Fa tsy misy mampalahelo ry havana, tahaka ny mahita olona izay tsy mety mahita ny Tompo mihitsy eo amin’ny dingam-panahy lalovany. Atao batisa izy, tsy afa-po fa lasa indray mitady karazana batisa hafa mba hidiran’ny Tompo ao aminy ; atao ny fandraisana, mbola tsy afa-po ; miditra mpiandry, mbola tsy mety afa-po ; miditra Pasitera mihitsy aza, tsy mety afa-po ihany. Ry hava-malala, finoana no andehanantsika fa tsy fahitana, na fahatsapana. Ary fanomezana maimaim-poana no andraisan’Andriamanitra anao, fa tsy vokatry ny asanao velively akory. Koa rehefa nampiditra indray mandeha an’i Jesoa ao am-ponao ianao, dia mitoetra ao am-ponao foana Izy : miara-misakafo aminao, monina ao aminao. Koa alaviro ny fifampitsaratsarana, fa tsy mahasoa antsika izany, ary tsy mampandroso ny Fiangonana. Iray ny Andriamanintsika, ary miorina ao Aminy isika sy ny ataontsika rehetra.

Fa ny fampianarana lehibe atolotr’i Paoly ato amin’ity perikopa noraisintsika ity dia izao : voalohany indrindra, rehefa manaiky an’i Jesoa ho Tompo isika, ka tafiditra ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, ao amin’ny Fiangonana, dia tolorany fanomezana. Ary izany fanomezana omena ho antsika izany dia tsy inona akory fa ny fanompoana. Rehefa mandray fanomezana isika, ny zavatra ataontsika voalohany dia ny mankasitraka ilay nanome. Ary hoy ny tsianjerin’ny ankizy madinika hoe : « raha misy manome zavatra ho anao, kingà miteny hoe misaotra tompoko ô ». Raha mahalala fomba isika dia tsy mitsikera ilay fanomezana, hoe ratsy sa tsara, fa ny fon’ilay nanome no zava-dehibe, ny fitiavana fonosin’ilay fanomezana no zava-dehibe. Dia tahaka an’izany koa ry havana ny fanompoana omen’Andriamanitra antsika : mirakitra ny fitiavan’Andriamanitra izany, mirakitra ny fahatokiany anao izany, ary manatsara hatrany ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. Matoa io natolotra anao, dia entinao hampandrosoana ny Fiangonana, hahatonga ny mpiara-mivavaka aminao tsy handao ny fanompoana an’i Kristy, hahatonga ny rahalahinao sy ny rahavavinao ao amin’ny Tompo hahita hatrany ny voninahitr’Andriamanitra. Tsy hitanao mahasambatra ve ry havana izany hoe afaka mitsofoka ao amin’ny tsiambaratelon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana ka mampihaona ny olona amin’i Kristy ? Amin’ny maha-fitiavana Azy dia tsy manao zara-vilana Izy. Fa nomeny daholo rehefa mety ho mpino : zarazaraina, zarazaraina : samy manana anjara. Tena mampandainga an’Andriamanitra ianao raha manao anakampo hoe : « izaho tsy mba nahazo » ; fa na ianao manao be marenina, dia tsy mety mihaino ny Fanahy Masina mibitsika aminao, hoe inty ny zara-fanompoanao ; na ianao isan’irony kamo be irony, dia aleonao mipetrapetraka, ary izay tena mampalahelo indrindra aza, dia mety ho tonga hatrany amin’ny fakana ny toeran’Andriamanitra amin’ny fitsikerana tsy mijanona ny fanompoan’ny hafa.

Ry havana, mbola tsy tara anio, manapaha hevitra : inona ny fanompoana atolotry ny Tompo ho anao mba hampandrosoanao ny hafa, mba hampandrosoanao ny Fiangonana ?

Tsy mety koa anefa ny hoe mampivangongo ny fanomezam-pahasoavana ho anao samirery, dia heverina fa hoe ao aminao irery izany ny Fanahy Masina no miasa ; asa, raha tsy hoe angamba, ao amin’ny Fiangonana misy anao, tsy misy afa-tsy ianao sy olona anankiray. Olona 2 izany ianareo no membre ao, dia voatery ataonao daholo ny zavatra rehetra. Fa raha tsy izay no mitranga, dia zarazaraina samihafa ny fanomezam-pahasoavana.

Mitanisa fanomezam-pahasoavana vitsivitsy i Paoly ato amin’ity perikopa izay noraisintsika ity. Voalohany hitantsika eto, dia hoe : « teny fahendrena ». Teny manambara ny rariny izany, sy ny tokony ho izy. Tena zava-dehiba amin’ny Fiangonana ny fisian’ny Kristiana manana an’izany teny fahendrena izany mba hiarovana ny Fiangonana tsy ho tafalatsaka amin’ny fankahalana be fahatany, na faindaniana tsy ampy fandanjalanjana.

Ao koa ny hoe : « teny fahalalana ». izany indray dia teny fampianarana ahatakarana ny famonjen’Andriamanitra, ny planin’Andriamanitra, ny asan’Andriamanitra. Izany dia tena ilaina amin’ny fampiorenana tsara ny foto-pinoan’ny Fiangonana, ary ny mpampianatra ao amin’ny Fiangonana no tena manana an’izany teny fahalalana izany. Ao koa ny finoana. Eto dia tsy ilay finoana mahavonjy akory no tiana ho lazaina, satria ny mpino rehetra dia manana an’izany finoana izany ; fa ilay finoana mahafindra tendrombohitra, araka izay hita ao amin’ny Matio 17 :20. Eo anatrehan’ny zava-tsarotra mety lalovan’ny Fiangonana dia ilaina tokoa ny fisian’ny olona manana finoana manokana toy izany, mba tsy hampiraviravy tanana ny Fiangonana, ka tsy hihemotra, fa handroso hatrany.

Ao koa ny hoe : « fanasitranana ». Mahafinaritra ry havana, fa noho ny fahatsiarovan’ny Fiangonana fa manana an’izany fanomezam-pahasoavana izany izy, dia tsy vitsy ny Fiangonana manana dispensaire ao aminy. Fa izao koa : io litorjia ataontsika isan’Alahady io anie e, raha vita milamina tsara, dia tena manasitrana olona maro tokoa.

Manaraka izany, ao ny hoe : « fahagagana ». Mety misy ifandraisana amin’ny fanasitranana ihany izy io, raha toy ny hoe : nalemy nanjary nitsangana, jamba nanjary nahiratra, moana lasa miteny. Fa inona no tena fahagagana lehibe indrindra izay hitantsika ato amin’ny Fiangonana ? Dia ny ahazoanao mitia ny fahavalonao, ny ahazoanao mampifankatia ny olona mpifahavalo ; izany no tena fahagagana lehibe indrindra.

Manaraka, « fanavahana ny fanahy ». Io dia tena zava-dehibe izay ahafantarana ny fanahy mampiteny na manetsika ny olona iray, na avy amin’Andriamanitra, na tsy avy amin’Andriamanitra.

Ao koa ny « fiteny tsy fantara ». Arakan y filazan’ny mpandinika, ny atao hoe fiteny tsy fantatra, dia tenin’ny anjely, tenin’ny lanitra. Mila mpandika teny izy io, mba hahasoa ny hafa. Tsy dia fahita loatra aty amin’ny Fiangonana FJKM izany, fa ry zareo pentekotista, no tena manana an’io fanomezam-pahasoavana io, na manome lanja azy io. Efa nisy fotoana aho ry havana mba nivavaka tamin’ireny Fiangonana zandriny ireny, ary tao amin’io Jesosy Mamonjy io mihitsy no nandehanako. Fa rehefa tonga eo amin’ilay hoe vavaka amin’ny teny tsy fantatra ry zareo, dia tena tsy misy fantatra tokoa moa izay lazainy. Izahay moa tamin’ny fahazazana nipetraka tany Isotry, akaikin’ny tsena, fa dia nampahatsiaro ahy ny tsena tany Isotry mihitsy ilay fanompoam-pivavahana, fa dia mitabataba be, samy miteny izay tiany ho lazaina ny tsirairay avy. Tsy mahazatra ahy moa ilay izy dia tsy tena nampandroso ahy loatra, fa mety amin-dry zareo izay zatra izany fomba izany, dia nampandroso azy.

Raha mamarana an’izany fitanisana izany i Paoly, dia hoy izy eo amin’ny and.11 : « Ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony ». Fa satria moa amin’ity volana Oktobra ity no andinihantsika manokana ny lohateny hoe : « Maniria haminany », dia horesahintsika ato amin’ny tapany faharoa ny fanomezam-pahasoavana maminany. Raha nanaraka tsara ny perikopantsika nandritra ity volana ity isika, sy ny mofon’aina izay vakiana isan’andro, dia antenaina fa manana fahalalana ihany momba ny faminaniana, izay afaka hiaro antsika amin’ny fampianaran-diso, na hitondra famporisihina antsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny mahazatra ny maro, rehefa miresaka faminaniana, dia izao : fanokafana ny fanalahidin’ny ho avy izany, mba haahtonga anao hiomana ho amin’izany ho avy izany. Eo amin’ny fiainana andavan’andro moa, ny siansa sy ny fitaovana izay efa lavorary marobe dia afaka mahafantatra ny ho avy. Ohatra : ny toetr’andro. Rehefa handeha hivoaka isika dia mihaino tsara hoe inona ny toetr’andro rapitso na rariva ? Fantatry ny siansa sy ny fitaovana marobe izany, dia milaza izy hoe : ho avy ny orana rariva. Dia iny isika fa efa manao raglan na mitondra elo. Na hoy izy hoe : tsara ny andro, dia iny isika mba miomana hoe handeha hivoaka hitsangatsangana. Dia tahak’izany koa amin’ny vaovao sasany : rehefa misy milaza hoe hisy éclipse amin’izao, dia iny isika fa mioman-komana amin’ny solomaso izay anaovana amin’izany. Ary na ny Baiboly aza dia ahitana an’izany endrika faminaniana izany, izay hanambarana mialoha izay hitranga. Dia eo no hanavahana ny mpaminany marina, sy ny mpaminany sandoka. Ny mpaminany marina dia milaza ny marina ary hitranga marina izay nolazainy ; fa ny mpaminany sandoka dia milaza zavatra lainga ary tsy hitranga mihitsy izay nolazainy.

« Maniria ny haminany », hoy ny lohahevitra banjinintsika amin’ity volana ity. Ary dia misy tokoa ampahan’olona maniry fatratra ny haminany ; fa misy koa ampahan’olona matahotra ny haminany. Fa ny fanontaniana anie dia izao tokoa e : « haminany inona ? ». Raha miverina eto amin’ny perikopantsika isika, dia tsy ilay mahazatra loatra ity fanomezam-pahasoavana voalaza eto ity, tsy fanambarana mialoha izay ho avy any aoriana akory, fa fanambarana sy fitoriana ny herin’ny asan’Andriamanitra, fitoriana ny fitiavan’Andriamanitra, fitoriana ny fahasoavan’Andriamanitra. Koa inona no hampisalasala antsika amin’izany ? Fanambarana ny asan’Andriamanitra, ny fitiavan’Andriamanitra, ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy, izay namonjena antsika hiala tamin’ny fahotana, hananantsika fiainana vaovao, hiainantsika amin’ny rivo-baovaon’ny famelan-keloka sy ny fifankatiavana tsy mihatsaravelatsihy, hiainantsika amin’ny fahasoavan’ny Tompo, izay vaovao isa-maraina. Faminaniana iainana dieny izao, faminaniana iainana dieny ankehitriny. Ary izany no adidin’izay manana fanomezam-pahasoavana manokana amin’ny faminaniana, dia ny mampatsiahy tsy mety sasatra fa efa eo amintsika ny Mesia, fa tsy mbola andrasana intsony ; efa miara-miaina amintsika Izy, eo afovoantsika Izy isaky ny mivavaka isika, fa tsy hoe mivavabava-poana akory. Misantatra ny fiainan’ny lanitra isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo satria manatrika antsika eo daholo ny olo-masina any an-danitra sy ireo havantsika efa nodimandry ao amin’ny Tompo. Faminaniana iainana, faminaniana iainana.

Fa ny mpaminany sandoka dia miady lava, mankahala lava, tsy manam-pitiavana, tsy mahatsiaro ny fahasoavan’Andriamanitra. Mbola manana fotoana hibebahana ianao raha sanatria tafalatsaka ao amin’izany hoe mpaminany sandoka izany.

Efa novakiantsika ny tao amin’ny Matio 7 :21-23, izay enjana dia enjana tokoa ny tenin’ny Tompo, mikasika an’izany hoe, tsy manaraka ny sitrapony izany. Andeha anie hiverenana vakiana e : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka ». Maniria haminany marina satria marina ny Tompontsika.

Fa eto am-pamaranana ry havana dia hitodika manokana aho amin’ireto mpitendry zava-manenon’ny Fiangonana ireto isika, satria moa androany dia alahadin-dry zareo. Ao amin’ny Baiboly ao, ny mozika dia mamelona ny aingam-panahin’ny mpaminany. Andeha anie ho vakiana ny 1 Samoela 10 :5 : « Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean’ Andriamanitra hianao, izay misy miaramilan’ ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna hianao, dia hifanena amin’ ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao amin’ ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo ». Ao koa ny tantaran’i Davida sy ny valihany : tsy nampiasa an’izany ho fitadiavam-bola loatra akory i Davida, fa nataony ho fahafinaretany sy fialam-boliny ny zava-maneno. Namoronany Salamo marobe koa, izay nanehoany ny fihetsem-pony ny Salamo sy ny fitendrena ny valiha. Fa misy tantara mahavariana mikasiaka an’i Davida sy io valihany io, dia ny nampiasany izany ho entina manasitrana aretina. Ao amin’ny 1 Samoela 16 :14-23 : « Fa ny Fanahin’ i Jehovah efa niala tamin’ i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah nampahatahotra azy. Ary hoy ny mpanompon’ i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin’ Andriamanitra mampahatahotra anao. Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin’ Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin’ ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany hianao. Ary hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ amiko. Dia namaly ny anankiray amin’ ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin’ ny zanak’ i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy. Ary Saoly dia naniraka tany amin’ i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry. Ary Jese naka mofo tokony ho zakan’ ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak’ osy, ka nampitondrainy an’ i Davida zanany ho an’ i Saoly ireo. Ary Davida tonga tany amin’ i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany. Ary Saoly naniraka tany amin’ i Jese nanao hoe: Masìna hianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy. Ary raha nisy fanahy avy tany amin’ Andriamanitra tonga tao amin’ i Saoly, dia noraisin’ i Davida ny lokanga ka notendren’ ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy ».

Ry mpitendry zava-maneno malala, 45 taona nitendrena : ianareo no mpaminany mitarika ny olona amin’ny fiderana tsara an’Andriamanitra ; mitarika ny olona hanambara ny asan’Andriamanitra ; mitarika ny olona hanambara ny fitiavan’Andriamanitra ; mitarika ny olona hanambara ny fahasoavan’Andriamanitra. Aza mandrarak’ilo mby an-doha fa tanteraho amin’ny fifaliana ny asanareo, tanteraho amin’ny fanetren-tena ny zara fanompoanareo. Ny fitendrenareo ny lokanga no hanasitrana ny aretin’ny maro ; koa aza malaina, fa mazotoa hatrany.   

Ry Fiangonana malala, efa nomena anao ny fanomezam-pahasoavana mifanaraka amin’ny maha-izy anao, dia ataovy amin’ny fifaliana ny zara fanompoanao. Amena

 

                   

ALAHADY 06 OKT 2019

Misy ry havana fomba fiteny, tsy fantatro raha efa mba henonareo aty an-drenivohitra, fa misy an’izao fomba fiteny izao, hoe : « papangolahy anaty katsaka izay mivoaka babany avokoa ». Tsisy reniny an, tsy misy reniny fa babany avokoa izany. Dikan’izany, ny papango tsisy vaviny angamba, hoy isika. Inona moa no dikan’izany ? Hoe : samy miseho azy ho zavatra, samy miseho azy ho mahery, samy miseho azy ho mahay, ary amin’ny fitenin-jatovo, dia hoe : samy miseho azy ho milay. Samy miseho milay avokoa izany rehefa mivoaka avy ao amin’izany katsaka izany ny papango. Ary ankoatran’izay, mbola misy koa ilay fomba fiteny anankiray izay heveriko fa mbola haintsika ihany, manao hoe : « milaza antsanga tsy aman’orana ». Inona moa ny antsanga ? Ny antsanga izany, rehefa avy mafy be ny orana, dia misy ohatrany fasika kely madinidinika ho antiny avy any ambony any, ka miangona eo amin’ny toerana ambany. Ka tsy ho possible mihitsy, ary impossible ny fisian’ny antsanga raha tsy misy ny orambe mivatravatra, fa tsy zanak’orana. Nefa ny sasany, sady tsy misy orana madinika, tsy misy orana mivatravatra, nefa milaza fa mahita antsanga. Zaavtra tsy izy izany. Izany no mahatonga ny hoe : « milaza antsanga tsy aman’orana ». Koa ao anatin’izany, amin’ity volana ity, isika dia miresaka mahakasika ny amin’ny hoe : « Maniria ny haminany ». Maro ny milaza azy ho mpaminany ary misy aza tena misora-tena mihitsy hoe : izaho dia mpaminany, nefa tsy niteny taminy hoe : « ah, mpaminany iny an » ; fa izy ihany no manambara ny tenany hoe : « izaho dia mpaminany », misora-tena ho mpaminany. Koa inona ary no tena hamantarana ny mpaminany tena marina ? Ahoana na inona no hamantarana ny mpaminany tena marina ? Noho izany ry havana, andeha ny voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 14 :1-6 no hamaliantsika izay fanontaniana izay sady andraisantsika ny hafatra avy amin’Andriamanitra amin’ity Alahady voalohany izay hibanjinantsika indray ny lohahevitra vaovao manao hoe : « Maniria ny haminany ».  Ka omentsika ny lohateny hoe : NY MPAMINANY TENA IZY ity 1 Korintiana 14 :1-6 ity.

Eo amin’ny and.1, izao no voalaza eo amin’ny anaran’i Jesoa : « Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany ».

Ny zavatra voalohany ho jerentsika arak’izany ao anatin’izao tenin’Andriamanitra izao, izay nambara teo, dia izao, hoe : NY MPAMINANY TENA IZY VOALOHANY INDRINDRA DIA MANAMBARA MAZAVA NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Raha vao miresaka ry havako malala ny amin’ny hoe mpaminany izany isika, dia maro no fomba filaza ary manan-kambara holazaina ain’izan ny olona tsirairay, indridnra fa ny Fiangonana, tsy ambakany amin’izany. Fa ny Fiangonana mihitsy no nataon’Andriamanitra fitaovana nipoiran’izany voambolana hoe « mpaminany » izany. Ary be dia be ny mpaminany voasoratra ao anatin’ny Soratra Masina, izay samy manana ny maha-izy azy, na lahy, na vavy, hita ao avokoa. Fa ahoana kosa no hamantarana, no hilazana, no hitenenana fa misy ny mpaminany, fa misy ny mpaminany tena izy ? Ka hoy isika teo hoe ny hamantarana, ny ahafantarana ny mpaminany tena izy dia izao, hoe : manambara mazava ny tenin’Andriamanitra. Raha ambara hoe « manambara mazava ny tenin’Andriamanitra » ry havana, i Paoly Apostoly dia anisan’izay tsy misorona mihitsy ary tsy mikidikidy, tsy manao somonga, tsy manao sangisangy ny amin’izany tenin’Andriamanitra izany. Fa na mahafaly anao, na tsy mahafaly anao, na mahafinaritra na tsy mahafinaritra, na mety aminao na tsy mety aminao, tsy maintsy ambarany, lazainy ny amin’ny tenin’Andriamanitra. Ary izay no tena izy. Tsy sofosafoina, tsy amboamboarina, tsy hatsaratsaraina, tsy atao itadiavana tombontsoa sy voninahitra ny amin’izany tenin’Andriamanitra izany ; fa izay tena izy no ambara sy lazaina. Ary ny mpaminany dia olona manana ny fahasahiana manambara izany tenin’Andriamanitra izany. Satria aza adino fa na dia mandalo fiainan-tsarotra, toe-javatra manahirana ny firenen’ny zanak’Isiraely, fa ny mpaminany mandrakariva dia eo ihany miteny, mananatra, manitsy ny amin’izay fitondran-tena tokony atao. Ary raha vao miresaka isika ny amin’ny mpaminany izany, aza adino ry havako malala, fa ireto zavatra 3 ireto no anjara toerana lehibe izay tazomin’izany mpaminany izany teo amin’ny zanak’Isiraely :

  • Voalohany, ny mpaminany dia natao hampahery ny olona; izay izany no anjara toeran’ny mpaminany : hampahery ny olona manoloana ny adin-tsaina, ny zavatra manahirana samihafa ; dia mijoro ny mpaminany mampahery ny olona, mampahery ny firenena, manome toky azy. Izany no asan’ny mpaminany. Tsy mora izany : ho an’ny firenena latsaka an-kady, ho an’ny olona efa resy dia miseho ny mpaminany mijoro ho mampahery azy.
  • Ny zavatra faharoa, rehefa tratran’ny olana manko dia matetika adino Andriamanitra indraindray ; ary indraindray dia manao mihitsy hoe « aiza loatra ianao Andriamanitra ? », « Mangina ianao Andriamanitra manoloana ny olana izay mahazo anay ». Ao anatin’izany, ny anjaran’ny mpaminany faharoa, aza adino fa mampitodika ny olona amin’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe mampahery ihany, fa mampitodika ny olona amin’Andriamanitra. Izay izany, asan’ny mpaminany izany izay. Satria mety ho variana ny olona, sondriana ny olona, amin’ny zavatra maro samihafa ; fa anjaran’ny mpaminany kosa mijery, ary rehefa mahita izy, anjarany ny mampitodika ny olona, mampitodika ny firenena, mampitodika ny mpitondra amin’ Andriamanitra.
  • Ary ny zavatra fahatelo, anjara toerana lehibe tazomin’ny mpaminany ry havako, dia izao : ny mpaminany dia hahatonga ny olona hiaiky ny fahotany sy hibebaka amin’ny ratsy izay nataony. Anjaran’ny mpaminany izany izay : mahatonga ny olona hiaiky ny fahotany, hibebaka amin’ny ratsy ataony ka hioba indray mandeha, hiova amin’ny fahatsarana, ka hiala ao anatin’izany fahotana izany.

Ireo izany ny anjara toeran’ny mpamimany. Ka ny mpaminany araka izany, tsy natao ho olona handeha hanasoaso fotsiny, na hanindrahindra hoe « mahafinaritra ianao, tsara ianao, tohizo fa zao… » ; tsy izay ihany. Fa anjaran’ny mpaminany ny tsy maintsy miteny manoloana ny zava-misy sy ny zava-mitranga eo amin’ny firenena, eo amin’ny tokantrano, eo amin’ny fiaraha-monina, ao anatin’ny fianakaviana, eo amin’ny ankohonana. Tsy maintsy manambara an’izany ny mpaminany.

Noho izany ry havako malala, raha niteny an’izao teny izao i Paoly Apostoly dia tena manambara tokoa, ataony mazava tsara, lazainy mazava tsara, tsy am-piambahambana, tsy amboamboarina tahaka ny sasany hoe izay mety aminy ihany ny toko sy andininy, izay ihany  no toriana. Fa ny mpaminany tsy mba tahaka an’izany, tahaka ny fomba fitenintsika hoe : « ombalahy be tandroka ny mpaminany, ka tsy mifidy tany malemy anorenam-pangady ». Na inona na inona zavatra mitranga izany, n’inon’inona zavatra miseho, ny mpamimany vonona mandrakariva ary eto isika manambara fa tsy mora ry havako malala ny asan’izany mpaminany izany. Ary maro ary ny mpaminany izay iharan’ny fanenjehana, iharan’ny famonoana, iharan’ny fanilikilihana, fanevatevana. Fa izany rehetra izany kosa, dia raisin’ny mpaminany ho voninahitra, ary raisiny ho rehareha eo anatrehan’Andriamanitra, na dia enjehina sy ratraina aza sy vonoina, sy atao izay hahafoana azy. Fa tsy maintsy mijoro ny mpaminany manambara ny amin’ny fahamasinana. Ary izay no mahatonga ny voalaza any amin’ny Salamo 40 :8 : « Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko ». Fa raha tsy io, dia tsy izy izany izay. Izay izany, izay ny mpaminany : n’inon’inona izany zavatra mivelatra eo anoloany, fandaharam-potoana samihafa, zavatra isan-karazany miseho, fa ny an’ny mpaminany kosa, ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, izany no sitrany, izany no lalainy, izany no tiany, izany no ilofosany, izany no imatimatesany eo amin’ny fiainana : ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Fa tsy misy ankoatra an’izay. Satria izany no asain’Andriamanitra ataony, izany no ampanaovin’Andriamanitra azy. Kanefa tsarovy fa tsy ho tanteraka izany fitondrana hafatra mazava izany, izany manambara mazava ny tenin’Andriamanitra izany raha tsy ao ny Fanahy Masina izay mampianatra azy, izay mampahery azy, izay mamporisika azy, ary manome toky azy mandrakariva.

Ry havako malala eto amin’ny Tompo, raha ambara hoe :manambara mazava ny tenin’Andriamanitra, dia tsy asa mora izany. Satria maninona ? Maro ny olona, rehefa teneninao izy hoe miteny marina ny tenin’Andriamanitra, ambara aminy ny tena marina amin’ny tenin’Andriamanitra, tsy misy hodiny izany fa voasana madiodio, dia maro no ty mahazaka an’izany. Maro no tsy mahazaka ; ary anisan’ny mahatonga ny olona mitsaoka, miala ao am-piangonana, manao veloma ny varavaran’ny Fiangonana mihitsy hoe : « izaho tsy mba handeha ao mihitsy mandra-pahafatiko ». Dia inona ? Amin’izay fanitsiana azy, fitenenana azy, fanoroana azy ny lalana marina tokony andehanany, ka hamonjena azy, dia manao veloma izy. Izao no teny ataony hoe : « izaho dia tsy mba hiditra amin’io Fiangonana io fa i Pasitera dia izaho ihany no teninteneniny, ny diakona dia izaho ihany no teninteneniny, ny mpiandry dia izaho ihany no teninteneniny ; tsy mba hiditra aho izaho mandra-pahafatiko ». Ary misy marina tokoa ilay izy, ary tsy miditra ao am-piangonana marina izy mandra-pahafatiny ; fa rehefa maty izy, ampidirina: eo, mi-geste eto aloha mihitsy izy ; eo izy mi-geste aloha eo. Satria tanteraka ny teniny hoe : « izaho tsy mba hiditra ao mandra-pahafatiko » ; fa reehfa maty izy, dia io izy. Ary indraindray ry havana dia mampanontany tena ihany ny amin’ny hoe : « Pasitera ô, mba torio ity tenin’Andriamanitra ity fa ity no mba fanirianay » ; ilay olonaé efa tsy ary hita tao am-piangonana, « nahatanteraka ny fihazakazahako aho ». Inona moa ny fihazakazahana vitany teo ? Nihazakazaka taiza ? Fa tsy tokony ho toriana mihitsy izany teny izany. Mampieritreritra : nandeha nihazakazaka tany izy, fa reehfa tapitra ny fihazakazahany, io izy, tonga eo aloha eo. Noho izany ry havana, aza atao ho zavatra mampihemotra anao, aza atao ho teny mamparary anao ny teny ataon’ny mpaminany, ny teny ataon’ny mpanompon’Andriamanitra, ary ho hitantsikaamin’ny fampiaharana rehefa avy eo ; fa raiso ain’ny fifaliana, raiso amin’ny fitiavana izay teny rehetra omen’Andriamanitra miainga avy amin’izany mpaminany izany. Fa natao hahatsara anao izany, natao hahasoa anao izany, ary ny tanjona dia ny ahatongavanao eo an-kavanan’Andriamanitra miaraka amin’i Jesoa Kristy.

Izay ny zavatra voalohany : manambara mazava : aza amboamboarina izany, aza tefitefena izany, aza atsaratsaraina izany, aza atao itadiavana tombontsoa akory izany tenin’Andriamanitra izany. Fa tena lazaina, ambara ny marina ; fa i Jesoa no efa niteny hoe : Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’Andriamanitra hoy Jesoa Kristy afa-tsy amin’ny alalany. Koa raha mbola ivelan’i Jesoa izany no toriantsika, ampianarintsika, dia tsy mpaminany izany izay. Ary maro ry havako malala ny miseho ho azy ho mpaminany araka ny nambarantsika teo, mahita an’izao antsanga tsy aman’orana izao : lazaina fa efa ho avy ny fara andro, mampihorohoro ny olona, mampihorohoro izao tontolo izao, mampihorohoro ny olona tsirairay, ny tokantrano, dia matahotra. Ary tsy vitan’izay ihany, fa maro koa ny milaza ho mpaminany, mahita hoe amin’izao dia izao no zavatra hitranga, mahita ny zavatra mety hitranga samy hafa ; ary ny sasany milaza mihitsy, manambara hoe amin’ny daty ohatran’izao dia izao no mahazo. Tsy izy izany izay. Fa ny aminao, ny amintsika, efa voafaritr’Andriamanitra ny fandaharany aminao rehetra. Fa tsy maintsy ho tonga ny farany, fa Jesoa no efa nilaza ao amin’ny Matio 24, hitenenany mazava fa hisy ny mpaminany sandoka. Hisy ny mpaminany sandoka izay miseho etsy sy eroa, mody mahay mampianatra, milaza zavatra samy hafa, nefa Jesoa Kristy aza tsy ao anatiny akory.

Ry havako malala, zava-dehibe arak’izany ny hanambarantsika Fiangonana, hanambarantsika Sampana, isika tsirairay avy, mazava ny tenin’Andriamanitra ampitaina any amin’ny olona.

Ny faharoa dia izao : raha miteny isika hoe ny mpaminany tena izy, eo amin’ny and.4 : « Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana ». Ireny manao bli-bla ireny, tsy mamango ireny, tsy izy ireny. Satria mody eo, mientanentana eo, mitsipatsipaka eo, tsy misy mahazo akory ny zavatra teneniny, fa izy ihany no manao izay tiany atao eo. Fa ny tena izy, araka ny filazan’i Paoly ; raha izaho hoy Paoly dia mahay lavitra noho ianareo amin’izany teny tsy fantatra izany. Fa tsy uzy izany izay. Aleo izany ianao miteny mazava, mampandroso,hain’ny olona, azon’ny olona ny tianao ambara. Izay izany no izy. NY MPAMINANY TENA IZY DIA MAMPANDROSO NY FIANGONANA NO ASANY. 

Mampandroso ny Fiangonana, mampiaina ny Fiangonana ny tenin’Andriamanitra. Raha ambara hoe mandroso izany, manana hevitra maro samihafa. Fa ny anankiray horesahintsika amin’izay dia izao : raha ambara izany hoe mandroso ny Fiangonana, dia mihitatra ny Filazantsara. Tsy misy afa-tsy izay. Tahaka ny tamin’ny andron’i Jesoa, tsy nijanona tao Jerosalema ihany, fa nandeha namakivaky ny toerana samihafa, ary nahatonga azy niditra sy namakivaky ary Samaria aza tsy maintsy nandalovany na dia ambara aza fa tsy mahazo mifampiraharaha akory, tsy mahazo mifanerasera ny jiosy sy ny samaritana. Fa tsy maintsy novakian’i Jesoa izany, tsy maintsy noravany izany, tsy maintsy nopotehiny izany hampandrosoana ny filazantsara, hampandrosoana ny Fiangonana. Maro arak’izany ny endrika izay itenenana ny amin’izany antson’ny Fiangonana izany. Koa satria rehefa tena izy ilay mpaminany dia tsy mieritreritra ny tombontsoa ho an’ny tenany izy, fa tombony ho an’ny firenena, tombony ho an’ny Fiangonana, tombony ho an’ny ankohonana, tombony ho an’ny tokantrano. Izany no iezahany mafy, izany no ataony ho zava-dehibe, izany no vaindohan-draharaha eo amin’ny asan’ny mpaminany, dia ny hampandroso ny Fiangonan’Andriamanitra. Fa tsy handeha hitady izao vola aman-karena samihafa, harena samihafa. Fa ny tena mpaminany marina dia tsy mba manao an’izany. Fa ny mifofotra, ny miezaka , ny milona ao anatin’ny tenin’Andriamanitra, izany no ataony.

Satria izany ny fotoanantsika ry havana lavalava ihany, andeha hanao fampiharana amin’izany. Raha anio isika mitondra am-bavaka an’i Pasteur Solofo sy ny vadiny, izaho manokana dia resy lahatra tokoa fa raha tsy nambarany mazava ny tenin’Andriamanitra, dia tsy ohatran’izao ny fiainan’ny Fiangonana. Ary raha mbola tao ihany ny fitiavan-tena, tsy ohatran’izao ny fiainan’ny Fiangonana.

Hilaza zavatra aminareo aho ry havako malala :  fa sambatra ny Fiangonana manana Mpitandrina izay tena miaina, milofo, ary manao ny ainy tsy ho zavatra amin’izany fitondrana ny tenin’Andriamanitra mazava izany amin’ny olona, sambatra. Ary ny mpaminany ankehitriny, tsy andeha hijery an’Isaia isika, Jerelia, tsy izany intsony. Fa ny mpaminany, ny Mpitandrina anankiray anisan’izany. Ny Mpitandrina izay manao ny ainy tsy ho zavatra, milofo, miezaka, milona amin’ny tenin’Andriamanitra. Ny Mpitandrina anie, aza adino e, anisan’izany izao Pasteur Solofo eto aminareo, ny Mpitandrina dia tahaka ny compteur izany izahay ireto. Mahay an’izany isika, compteur. Raha ampoule anankiray izany no mampiodina ny compteur, manao ahoana ny fiodinany ? Malefaka kely, mora kely. Fa arakaraka ny fisian’ny vesatra na ny charge ho entin’ny compteur izany, miodina mafy izy, tena miodina mafy. Izany hoe arakaraka ny hitomboan’ny Fiangonana, vao maika miha-mavesatra hatrany ny asan’ny Mpitandrina. Satria isika be dia be ireo, ianareo be dia be ireo dia mankany amin’i Pasitera avokoa : « Pasitera ô, mba ento am-bavaka moa ; Pasitera ô, izao ny olana, Pasitera ô, misy an’izao ». Dia indraindray aza ny Mpitandrina, na dia am-pisakafoanana aza, ary inoako marimarina fa Pasitera Solofo dia tsy anisan’ilay mpamono telefaonina lava ka sarotra antsoina ; satria izahay mirahalahy izany izao, rehefa miantso azy aho, na andro na alina, dia mamaly izy. Indraindray ataoko amin’ny fotoana tsy ampoipoiziny, dia mamaly izy. Ny dikan’izany, tena ao tsara izy izany, mandeha tsara ny fifandraisana, fa tsy mba tahaka ny hafa. Ka na dia eo am-pisakafoanana aza indraindray ny Mpitandrina, milatsaka ny telefaonina : « Pasitera ô, misy problème izao izao, ny tanana anankiray mampiditra sakafo, ny anankiray sady : «  manao ahoana tsara ? ». Satria any amin’azy avokoa, any amin’ny Mpitandrina no mifatratra ny zavatra rehetra. Ary izay no mahatonga antsika Fiangonana mahatsiaro mba manome, na dia indray mandeha ao anatin’ny taona aza, tsy vitan’ny hoe ny fanomezana hita maso azo tsapain-tanana ihany, fa ny zava-dehibe, ny mba hitrotroana am-bavaka, satria ny Mpitandrina mandrakariva dia mamoaka ihany, mizara ihany, manome ihany ; fa amin’ny indray mitoraka tahaka an’izao, mba mitondra am-bavaka izany isika, fampaherezana ho an’ny Mpitandrina. Dia arak’izany, miodina mafy izany izao ny compteur satria mandeha ny asan’Andriamanitra. Raha ianareo izany manao vitesse hoe 5km/heure ; fa ny an’ny Mpitandrina mandeha 50km/heure ny fieritreretany ny asan’Andriamanitra, hoe : ahoana ny amin’izao, inona no atao ? Ireto ny tetik’asa, ireto ny programa, ahoana ny fitoriana filazantsara ? Inona ny antsika ? Manentana ny Fiangonana ny amin’izany.

Ary tsy izay ihany ry havako malala, fa izaho manokana dia resy lahatra tokoa satria tena mampandroso ny Fiangonana, ary raha mba misy ato anatin’ny Fjkm, manana vision, manana fijery tahaka ny mpanompon’Andriamanitra eto amintsika, zava-dehibe izany. Tsy mampaninona ahy miteny an’ity zavatra ity izay nitranga teto Antananarivo, ary mahaontsa, mahonena ny toe-tsain’izany Fiangonana izany. Indray mandeha, notendren’ny Foibe Fjkm ny tenano hanao stage tamin’ny Fiangonana teto Antananarivo izany. Rehefa noentina ny taratasy fanendrena : « ity no manendry ahy tompoko ho stagiaire ato aminareo mandritra ny 3 volana ». Dia nijery tsara ahy ilay biraom-piangonana nandray ilay taratasy. Tombanany mihitsy aho ; tombanany tsara, mijery ambony, mijery ambany, ohatrany hoe hafahafa aho izany, tsy mitovy ny fahitany matetika ao anatin’ny Fiangonana. Dia ny farany nanontany azy aho : « azafady tompoko, misy inona moa eo amiko eo ? ». « An an an, tsy izany Pasitera, fa tena ohatrany hafahafa » hoy izy. « Hafahafa manao ahoana » hoy aho, « ambarao ny marina fa aza afenimpenina. Tandremo sao dia mandainga ianao » nambarako azy tamin’izany fotoana izany, « tahaka an’i Ananiasy ka ho faty eto androany ». « Izao hoy izy : ity Fiangonanay ity, Fiangonanay, fa tsy Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ; ity Fiangonanay ity, indrindra fa ao amin’ny alitaranay ao Pasitera, tsy iakaran’ny olona ngita volo tahaka anao io ». Izany, zavatra niainana teto izany, teto Antananarivo. Hoy aho : « misaotra anao fa i Jesoa, na dia malama volo aza dia ny filazantsara, nomeny ho an’ny olona rehetra ». Dia nandeha ny asa, ary nisaorana Andriamanitra, nandeha ny fifandonan-kevitra teo aminay, rehefa niala teo amin’ilay Fiangonana izahay, dia isaorana Andriamanitra fa nanome izy, fa dia heverina fa tsy vola be tamin’izany fotoana izany, tamin’ny 2007 izany, dia mba ngezangeza ihany ; dia hoy aho hoe : « tena misaotra anao Pasitera fa voaray ny hafatra ary izaho mihitsy manomboka izao, hijoro hanafoana izany fanavakavahana izany ». Voaray ny hafatra hoy izy. Ny tiako ambara ry havako malala, vitsy, misaotra anao Pasitera, vitsy ny Fiangonana eto aminareo an-tanan-dehibe, ka fotoana tahaka an’izao, na andavan’andro, handeha hitady Pasitera avy any amin’ny sisiny, avy any anaty mokonazy any, avy any anaty akata any, vitsy. Tena misaotra anao Pasitera satria noravanao izany izao, tamin’ny alalan’ny fandraisana an’i Jesoa Kristy ; ary rava noho ny amin’i Jesoa Kristy ny amin’ny hevitry ny fisarahana, rava ry havana. Zava-dehibe izany : mahereza ianao Pasitera. Fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izao asa mahagaga ataon’Andriamanitra, ary indrindra koa, nahatongavan’ity namako ity eto amintsika. Mitsangana ianao Rakotoarison Paul. Rava ry havana, rava ny hevitry ny fisarahana eo amin’ny Fiangonana fa hoe ny fivavahana dia an’ny ampovoan-tany ihany, ny fivavahana dia an’ny Merina, an’ny Ova. Fa izao dia iraisantsika ny famonjena, antsika ny famonjena. Tsy misy tahaka an’izao. Ambarako aminareo izany. Fa tena zava-dehibe, ary maha-ontsa izany ho an’ny olona izay mbola miaina, mampisaraka na mamakivaky ny Fiangonana. Satria mandroso ny Fiangonana, hitantsika tsara ; fa hatrany amin’ny sisiny any, hiezaka isika, isika hoy aho, isika Fjkm, amin’ny alalantsika Isotry Fitiavana mandeha manorina Fiangonana any amin’ny sisiny any. Eritrereto hoe raha nidin’ Pasitera Solofo ny robinet amin’izany, ianareo koa tsy afaka nihetsika e ! Ianareo tsy afaka nanao n’inon’inona. Raha nidiny ny robinet hoe isika tsy mahazo mivoaka eto Isotry Fitiavana, isika eto ihany, eto foana isika, tsy afaka mandeha izany. Fa matoa izany afaka nanangana Fiangonana maro samihafa any amin’ny sisiny, nanaiky izy izy satria resy lahatra ny amin’ny famonjena ihany koa ny olona izay latsaka an-kady, mila fanafahana. Noho izany ry havana malala, tena zava-dehibe ami’ny fiainan’ny Fiangonana ny mampandroso ny fandraisantsika ny tenin’Andriamanitra. Ary zava-dehibe, rehefa tena raisinao ny tenin’Andriamanitra, dia izay tenin’Andriamanitra ambara sy lazaina izay no manosika antsika amin’ny asan’Andriamanitra, amin’ny asa samihafa. Izany no mahatonga ny Soratra Masina miteny, rehefa atao batisa isika : fa zanak’Andriamanitra avokoa izany ao amin’i Kristy Jesoa : tsy misy intsony na jiosy na grika, na andevo, na tsy andevo, na lahy, na vavy. Fa maninona ? Iray ihany isika rehetra. Avy amin’i Pasitera Solofo arak’izany dia tafatambatra isika, mitambatra ny Fiangonana ry havana malala. Ary raha ambara hoe mandroso, ny 10 taona lasan’ity Fiangonana ity, heveriko marimarina fa tsy tahaka ny ahitantsika azy ankehitriny. Ny 10 taona lasa, tsy mitovy amin’ny ahitantsika azy ankehitriny. Satria tsy mieritreritra ny amin’ny tombony ny mpanompon’Andriamanitra fa mieritreritra ny tombontsoan’ny Fiangonana, ary efa mijery ny amin’ny ho avin’ny Fiangonana any lavitra ela indrindra, rehefa mijery izany. Ka raha ho avy ny fotoana, tsy maintsy ho retraite i Pasitera Solofo, fa nahatanteraka ny fihazakazahany araka ny nambara teo izy, ary zava-dehibe no nataony. Ary ho tadidy izany ; mba anisan’izany i Pasitera Solofo mivady izay nandalo tamin’ity toerana ity. Ary izay ambarany, dia raisina am-pitiavana .

Fa izao no zava-misy : raha ambara hoe mitondra ny tenin’Andriamanitra isika ry havako malala, indraindray adinontsika ny voalaza eo amin’ny and. 12 : « Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra ». Ny mpanompon’Andriamanitra araka izany, dia mieritreritra mandrakariva, misaina hatrany hatrany ny amin’ny hampandroso ny Fiangonana. Satria rehefa mandroso ny Fiangonana, dia izay no tadiavin’i Jesoa, izay no ilain’i Jesoa amintsika ; ary rehefa Jesoa no ekentsika ho patron amin’izay atao rehetra, amin’izay fotoana izay ry havako malala, dia mametraha ianao alitara amin’izay, satria mpaminany isika, mpaminany ny Fiangonana, mpaminany ny olona tsirairay rehefa milaza mazava ny tenin’Andriamanitra, rehefa mandroso ny Fiangonana, any amin’ny toerana iasanao, asio alitara ao. Inona moa no dikan’ny alitara ? Fitondrana ny tenin’Andriamanitra, fanambarana ny tenin’Andriamanitra. N’aiza n’aiza toerana misy anao, ataovy fantatry ny olona fa ianao dia mitondra mazava ny tenin’Andriamanitra ary manambara mazava ny tenin’Andriamanitra, mampandroso ny Fiangonana. Fa aza manao tahaka an’ity tantara kely anankiray ity ry havako malala. Nisy patron anankiray, tena mafana izy amin’ny fivavahana, tena mazoto tsara izy mivavaka, rehefa aty am-piangonana, tena hitanao fa tena anjely ; tsy hoe anjely latsaka an-tany, fa anjely. Ny anjely latsaka an-tany mantsy devoly. Fa ity rangahy ity, tena mpivavaka mahafinaritra izy, fa rehefa tonga any am-piasana, tena kizitim-belona. Ka izy manana mpanampy izany, secrétaire-ny miara-miasa aminy, Zety ny anarany. Ary fanaon’ity patron ity, rehefa miasa, mahavantana azy, zatra izy manao stylo eo amin’ny sofiny. Indray mandeha, nisy asa maika be tsy maintsy nataony. Nokitakitainy i Zety  hoe : « o ry Zety an, aiza moa ny stylo-ko teo nanaovanao azy ? ». « Azafady patron, ny stylo-nao, io amin’ny sofinao ». «  Aiza tsara Zety ? ». « Io amin’ny sofinao patron ». « Izany no ataonareo ka, ny stylo dia any amin’ny sofiko any no mipetraka », nefa izy no nanao an’izany. Izy ihany no manao ny ataony, i Zety no mitondra faisana. Tsy mety izay. Fa rehefa miainga avy aminao ny fahadisoana, ekeo izay ry havana. Ary izay no maha-samy hafa ny mpanompon’Andriamanitra, ny mpaminany marina, miaiky ihany koa izy fa tsy tanteraka ary izay no mahatonga azy milona am-bavaka sy mivavaka amin’Andriamanitra mangataka hery mba tsy handeha amin’izao fotsiny ny asa tanterahina. Tsy maintsy milona am-bavaka. Ary matoa izahay ohatran’izao, na dia eo aza ny fanohananareo Fiangonana, ny anay izany ohatrany asiana gaine foana izany ny kibonay. Fa maninona ? Tsy mety mba miakatra be tahaka ny an’ny sasany fa eo amin’ny antonontoniny eo foana. Satria ankoatra izay ahitanareo anay ohatran’io izany, ao anatin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, mivavaka mandrakariva, manao ny aina tsy ho zavatra. Izay no nambara indray mandeha hoe : ireny mpanompon’Andriamanitra ireny, marina ny tenin’Andriamanitra hoe hatavezina izay tena mahatoky an’i Jehovah. Fa ho an’izay efa botrefona loatra, vondraka loatra, raha tena mpaminany izy, mampanontany tena hoe sao dia mba laniny ny ronono tokony ho any amin’ny zanak’ondry.

Noho izany ry havana malala, zava-dehibe hoy aho teo ny amin’ny asan’ny mpaminany izay tsy matory andro aman’alina, mitrotro am-bavaka antsika. Koa raha ho fintiniko ny hafatra, dia izao, hoe : voalohany, satria lavalava izy teo, hoe : ny mpaminany tena izy dia manambara mazava ny tenin’Andriamanitra. Ka na ny Mpitandrina, na izaho, na ianao, isika rehetra : ambarao mazava ny tenin’Andriamanitra amin’ny olona ; ary ny tenin’Andriamanitra, tsy iza akory fa Jesoa Kristy. Izy ilay tenin’Andriamanitra tonga nofo ; izy no ambarao amin’ny olona. Ary raha tsy manambara isika dia ho very ireny namantsika ireny. Ary tsy izay ihany, fa ny mpaminany tena izy dia mampandroso ny Fiangonana : izay no iezahany, izay no ilofosany. Ny jamba tsy fantatro, fa ho an’izay manana maso mahahiratra, dia mahita tsara ny ezaka ataon’ny Fiangonana ankehitriny eto amin’ity fitandremana Isotry Fitiavana ity, izay ambara fa holovain-jafy, holovain-janaka ny asa fampandrosoana ny Fiangonana napetraka teto. Ary zava-dehibe koa ry havana nambara tamintsika teo, fa rava ankehitriny, foana noho ny amin’ny mpanompon’Andriamanitra izay misaina ny amin’ny filazantsara, tsy mametraka intsont fanavakavahana hoy ity avy any amin’ny sisiny, ity avy amin’izao, fa isika, na dia maro aza, hoy ny Soratra Masina, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika. Koa ny mpanompon’Andriamanitra aza miezaka manao tahaka an’izany, vao mainka fa isika, isika izay hamafazana ny tenin’Andriamanitra : ataovy ho zava-dehibe ny amin’ny fiombonana, ny amin’ny fanambarana, ny amin’ny fitondrana, ny amin’ny fampandrosoana ny Fiangonana. Andeha isika hiaraka handroso hiaraka hitondra ny Fiangonana ho an’i Jesoa Tompontsika, satria Izy no lohan’ny Fiangonana.

Ny Tompo anie ry havana hitahy antsika amin’izany hafatra izany ka hahatonga antsika koa ho tena mpaminany tena izy ho an’ny Fiangonana ka hanambara mazava ny tenin’Andriamanitra ary hahatonga ny Fiangonana ho tena mpaminany tena izy , ka hahatonga antsika hampandroso ny Fiangonana. Ho Azy irery ny voninahitra, fa ho amintsika kosa ny fahasoavana. Amena

ALAHADY 29 SEPT 2019

Matio 26, tantara fanta-daza, tantaran’ilay vehivavy anankiray izay manosotra ny lohan’i Jesoa amin’ny menaka manitra. Azo adika tsotra izao izany hoe ranomanitra. Dia azo lazaina hoe ny resaka ato amin’ity toriteny ity dia RESAKA RANOMANITRA.

RESAKA RANOMANITRA

Ary rehefa miteny isika hoe : resaka ranomanitra, fantatra fa ny maro amintsika dia tia manao ranomanitra. Dia ny firariana ho antsika ry havana, rehefa mihosotra ranomanitra isika manomboka izao dia ahatsiaro an’ity toriteny izay miresaka ranomanitra ity.

Matio 26 :6-7 :« Ary nony tany Betania Jesoa, tao an-tranon'i Simona boka, dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy ».

Ilay tantara, tao amin’ny trano-na lehilahy antsoina hoe Simona boka. Izay ry havana ny fahamarinana 1 ho antsika zanak’Andriamanitra :

Fahamarinana 1 : MANOMBOKA IZAO, REHEFA MIHOSOTRA RANOMANITRA IANAO, TSAROVY NY LAVAKA NIHADIANA ANAO

Mampieritreritra ry havana ny fiantsoana an’ity lehilahy hoe Simona, Simona boka. Mandray vahiny izy ; ny dikan’izany : efa tsy boka intsony izy. Izany boka izany, voarara aminy ny hoe hifanerasera amin’ny olona, na eny an-dalam-be izany ; maika koa handray olona ao an-tranony. Fa izy, mandray an’i Jesoa sy namana hafa, dia lazaina hoe : Simona boka ry havana ô. Sitrana izy, nefa ny ahatsiarovana azy : ny habokany, dia hoe : Simona boka.

Tena zava-doza ry havana, tena sarotra ialàna ny laza ratsy. Fa izao no zava-dehibe : ny efa nahafahanao tamin’izany laza ratsy izany, tamin’izany fahabokana izany. Ny zava-dehibe dia ny efa hoe nanafahana anao tamin’izany ati-lavaka nihadiana anao izany. Efa afaka tamin’ny ati-lavaka nisy anao ve ianao ry havana ô ? Tsarovy izany, isaky ny mihosotra ranomanitra ianao e ! Tsarovy ny ati-lavaka nihadiana anao – Tsarovy ny ati-lavaka nihadiana anao.

Simona, ny ati-lavaka nihadiana azy, dia ny habokana. Fa misy ohatra hafa ry havana izay ahitana an’izany hoe ati-lavaka nihadiana azy izany. Ao amin’ny Testamenta Taloha, Rahaba dia janga. Fa raikitra ilay laza ratsy hoe Rahaba janga, izany no voarakitra ao amin’ny Baiboly, izany ny ati-lavaka nihadiana an’i Rahaba, izany fijangajangana izany. Ny zava-dehibe, na eo aza ilay anarana ratsy, dia efa afaka avy amin’izany ati-lavaka nihadiana azy izany izy. Ary ianao, ianao ry havana : efa afaka amin’izany ati-lavaka nihadiana anao izany ve ianao ?

Matio : mpamory hetra, mpianatr’i Jesoa. Matio : nanoratra an’ity filazantsara araka an’i Matio ity ; raikitra mandrakizay ny anarana hoe Matio mpamory hetra. Loza, loza ilay laza ratsy ry havana. Fa izany ny ati-lavaka nihadiana an’i Matio : fitiavam-bola. Ary io tsy misy hoe fitiavam-bola tafahoatra, rehefa tia vola dia tia vola e, izay. Ary maro no mbola any anaty ati-lavaky ny fitiavam-bola matoa tonga amintsika izao teny izao ry havana ô. Kristiana, diakona, araka ny louange teo, mpiandry, Pasitera, any anaty lavaky ny fitiavam-bola. Izany ve ianao ry havana ô ?

Maria, Maria Magdalena, ilay vehivavy, izany no ahatsiarovana azy, Maria Magdalena dia nandrohahin’i Jesoa demonia fito. Izany ny ati-lavaka nihadiana azy e. Fa ny zava-dehibe, dia afaka amin’izany demonia fito izany izy, afaka amin’izany fanandevozan’ny fanahy ratsy izany izy ; tsy manao ohatran’ny ray aman-dreny be ato amin’ity fitandremana ity hoe : « Pasitera ô, izaho tsy mino ny asan’ny devoly sy ny asan’ny fanahy maloto izany ». Afaka izy ry havana ô. Mbola eo ilay laza ratsy, fa fahininy izany, lasany izany, passé-ny izany.

Ry hava-malala ô, manomboka anio ianao, rehefa manosotra ranomanitra, n’inon’inona qualité an’ilay ranomanitra, tsy any ny problema, fa hoe : tsaroanao ve ny ati-lavaka nihadiana anao ka manetry tena ianao ? Ny olona manetry tena ihany ry havana ô, satria mahatsiaro ny ati-lavaka nihadiana azy ; izay ihany no olona manetry tena, ary izay ihany no olona afaka manompo ny Tompo amin’ny fahamasinana. Izany ve ianao ? Izany ve ianao ? Tsarovy re ny ati-lavaka nihadiana anao, na eo aza ny laza ratsinao ; possible hoe ratsy laza ianao ; fa mitenena hoe : « Misaotra Tompo ô, izaho mihitsy izany, fa efa afaka amin’izany aho. Ary ny fahatsiarovako an’izany, ny fahafantaran’ny hafa an’izany ati-lavaka izany, manetry tena aho mandrakizay ».

Mifalia ianao, misaora ny Tompo e ny amin’izany hoe ati-lavaka nihadiany anao izany. Ary fantatrao tsara koa, fa na ny mpiara-mivavaka aminao, na ny mpiara-manompo aminao, mbola misy ao anatin’izany ati-lavaka izany : aza manenjika azy, aza mifosa azy, manetre tena dia ento eo amin’ny Tompo izy. Mivavaha hoe : « Tompo ô, tahaka ny nihadianao ahy tamin’ny ati-lavaka izay nisy ahy, entiko aminao io rahalahy io, entiko aminao io anabaviko io : afaho izy, afaho izy ». Izany no fanompoana ny Tompo amin’ny fahamasinana ry havana ô.

Manomboka izao ary, isika izay mihosotra ranomanitra, ny hafa koa, dia mahatsiaro ny lavaka izay nihadiana antsika.

Matio 26 :8-10 : « Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe:
Inona no anton'izao fandaniam-poana izao? Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo. Ary fantatr'i Jesoa izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko ».

Asa soa no nataony tamiko.

Fahamarinana 2 : MANOMBOKA ANIO, REHEFA MIHOSOTRA RANOMANITRA IANAO DIA MANONTANIA TENA HOE : IZAHO MIHOSOTRA RANOMANITRA ITY VE MBA MANAO ASA SOA HO AN’I JESOA ?

Izaho mihosotra ranomanitra amin’ny tenako ity ve mba manao asa soa amin’i Jesoa ? Ny olona izay manao asa soa ho an’i Jesoa ry havana ô, no afaka manompo Azy amin’ny fahamasinana, fa tsy manompo Azy tahaka an’i Jodasy. Ary maro no manompo tahaka an’i Jodasy : manompo, miezaka, mandany vola aman-karena, fa manompo tahaka an’i Jodasy, satria tsy mba mahalala manao asa soa ho an’i Jesoa ; manao asa soa ho an’i Jesoa.

Nahoana no kilasian’i Jesoa hoe asa soa ho Azy ity ilay hoe fanosorana ranomanitra amin’ny lohany ity ? Eny e, voalaza fa hoe sarobidy indrindra ilay ranomanitra. Fa tsy izany loatra ry havana ô no mahatonga an’ i Jesoa hiteny hoe nanao asa soa tamiko izy. Ny ilazan’i Jesoa hoe nanao asa soa taminy ity vehivavy ity, dia satria lazainy mazava fa vehivavy mahafantatra fa ho faty Jesoa ry havana ô. Fomban’ny jiosy, araka ny ampatsiahivina ombieny ombieny ny hoe manosotra menaka manitra ny olona, ny mpino maty. Zava-dehibe teo amin’ny jiosy ny asa fiantrana, fiantrana ny mahantra ; fa mbola ambonin’izany ny fanosorana menaka manitra ny olona maty. Ary izay no ankalazain’i Jesoa hoe manao asa soa izy, satria fantatr’ity vehivavy ity fa ho faty Jesoa. Ry havana ô, ry havana ô, misaotra ny Tompo isika e, ny amin’ny fitiavany antsika e, ny amin’ny fahari-pony amintsika e, la ampatsiahivany antsika amin’izao maraina izao e, fa amin’ny maha-Jesoa Azy, dia Jesoa maty teo amin’ny hazo fijaliana ary nitsangana tamin’ny maty. Rehefa tsy mino ianao hoe Jesoa nitsangana tamin’ny maty, dia ohatran’ny silamo mahafantatra an’i Jesoa ianao : ny silamo tsy mino ny fahafatesany sy ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ; tsy misy mampiavaka anao amin’ny silamo ry havana ô. Tsy misy mampiavaka anao amin’ny hindouiste ry havana : ny hindouiste koa dia mahafantatra an’i Jesoa fa tsy mino hoe maty ary nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Maro ny olona ohatran’izany ry havana ô, tsy mino izy fa maty ary nitsangana tamin’ny maty i Jesoa ; ka n’inon’inona ataony, tsy manompo amin’ny fahamasinana izy eo imason’Andriamanitra ; n’inon’inona ataony, tsy manao asa soa ho an’i Jesoa izy ry havana ô. Maty antoka ianao, maty antoka ianao. Malazalaza kely angamba ianao ao am-piangonana ; fa maty antoka ianao, ary maty antoka mandrakizay ianao ry havana ô. Ary izany anie no nahazo an’ireto mpianatra ireto e, izany no nahazo an’ireto mpianatra ireto. Izy niteny hoe fandaniam-poana dia tena hoe fandaniam-poana mihitsy izany ho an’ny olona tsy mahafantatra fa tokony ho faty Jesoa ry havana ô ; fandaniam-poana. In-telo Jesoa no milaza ny amin’ny tsy maintsy ahafatesany : in-telo. Fa na dia nampilaza in-telo aza Izy, tsy nety takatry ny sain’ny mpianatra hoe Izy tsy maintsy ho faty, ho vonoina ho faty izany. Tsy zakan’ny lohany izany. Ary i Petera, izay nanao fanekem-pinoana fatratra teo ambany fitarihin’ny Fanahy Masina, niteny tamin’i Jesoa hoe : Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra. « Sambatra ianao Petera fa ny Fanahy no niteny anao izany » ; minitra vitsivitsy avy eo, rehefa notenenin’i Jesoa hoe : « tsy maintsy ho faty Aho ». « Sanatria izany ». Idiran’ny devoly i Petera, tsy manaiky izany fahafatesana izany. Ary tantarain’ny Testamenta Vaovao ry havana ô, eny an-dalana, mampianatra Jesoa hoe tsy maintsy ho vonoina ny Zanak’olona, tena hoe malahelo izy, attristé izy, nefa tsy sahy manontany hoe « fa maninona moa no tsy maintsy ho vonoina ianao e ? ». Zavatra tsy haintsika mpino ny mino an’izany hoe Jesoa vonoina izany ; hany ka rehefa mahafoy ho an’i Jesoa ianao, dia fandaniam-poana izany. Fa izay ilay hoe miteniteny foana ireto mpianatra ireto talohan’ny nahitany ny fahafatesan’i Jesoa, ary talohan’ny nandraisany ny Fanahy Masina sy ny fahafenoan’ny Fanahy Masina.

Ry mpino malala ô, ry mpino malala ô, sao dia ianao no tsy mahafantata an’i Jesoa ho maty io ? Sao dia ianao no tsy mahafantatra an’i Jesoa ho maty io ? Satria tsy mifaka amin’ny Soratra Masina ny finoanao, dia ilay finoana manao ho centre-ny filazantsara ny fahafatesan’i Jesoa sy ny fitsanganany amin’ny maty ary ny Fanahy Masina no mitarika anao ho amin’ny marina rehetra amin’izany, mba hanaovanao asa soa  ho an’i Jesoa maty ho anao ; ary hoe, na mpino namanao aza, ny mpivavaka namanao aza, rehefa mahita ny chèque ataonao aty am-piangonana, dia hoe : fandaniam-poana izany.

Fa inona ry havana no nitranga ? Inona no nitranga nony hoe maty Jesoa, nitsangana tamin’ny maty Jesoa dia naniraka ny Faanhy Masina avy any an-danitra ? Tena niova, transformés ireto mpianatra izay nisalasala, tsy nahatakatra izany hoe maha-zava-dehibe sy fototry ny filazantsara ny fahafatesan’i Jesoa sy ny fitsanganany tamin’ny maty izany.

Topazantsika maso vetivety ry havana ny hoe niafaran’ireo mpianatr’i Jesoa ireo, izay tsy nahatakatra ny maha-zava-dehibe ny tokony ahafatesany, izay nandà ohatran’i Petera aza. Andao anie jerentsika ao amin’ny Matio 10 :2-4 : « Ary izao no anaran’ ny Apostoly roa ambin’ ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny; Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak’ i Alfeo, sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy ». Ireo ny lisitr’izy 12 lahy, ao ihany koa i Jodasy Iskariota, ilay namadika ary maty nanato-tena.

  • Petera, voalohany am-pilazana, ilay niteny tamin’i Jesoa hoe : « sanatria ». Ny nahafatesan’i Petera ry havana: nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana ary nangataka i Petera : « hombohy eo amin’ny hazo fijaliana aho ary ataovy ambany ny lohako, ny tongotro any ambony fa tsy mendrika aho ». Izany i Petera. Izany ny olona mahafantatra ny hazo fijaliana.
  • Andrea, dia maty nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana ihany koa. Ary dia rehefa hoe nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana izy, 2 andro alohan’ny nanombohona azy teo amin’ny hazo fijaliana, nitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy maty ary nitsangana tamin’ny maty ; ary tamin’ny minitra nanombohona azy teo amin’ny hazo fijaliana, dia hoy izy hoe : « efa niomanako izao, ary io hazo fijaliana izay hanomboanareo ahy io, hoy izy, efa nohamasinin’i Jesoa ho ahy io, hoy izy, hitomboako amin’ny fanahafana Azy ». Izany Petera, izany Andrea.
  • Jakoba zanak’i Zebedio, notapahina, novonoina tamin’ny sabatra, notapahina tao Jerosalema ry havana
  • Jaona, zanak’i Zebedio, izy indray no maty tao anatin’ny fahanterana. Fa izy natao sesi-tany tany Patmo ary dia tany izy no nanoratra ny bokin’ny Apokalypsy ; ny niafarany : tao anatin’izany fahanterany izany, naroboka tao anaty rano mangotraka miboiboika. Izany no nahafatesan’i Jaona maritiora ry havana ô.
  • Filipo, rehefa avy nitoriteny tany Asie mineure, notoraham-bato, avy eo nohomboana tamin’ny hazo fijaliana ry havana ô.
  • Bartolomeo, izy indray dia hoe nokapohina, nokapohina, nokapohina, nohongotana tsikelikely ny hodiny rehetra amin’ny tenany : écorché vif ; ary rehefa hoe nohongotana ohatran’izany ny hodiny ry havana ô, dia nohomboana izy ; ary rehefa nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana izy, notapahina ny lohany
  • Etc… Ho avoaka amin’ny gazety angamba ny nahafatesan’ireo mpianatr’i Jesoa ireo ry havana ô, une fois izy nahafantatra ny maha-zava-dehibe ny nahafaty an’i Jesoa, sy ny nitsanganany tamin’ny maty ry havana ô.

Ary dia ianao koa, ianao, raha mahafantatra fa hoe ilay Tompo tompoinao dia maty teo amin’ny hazo fijaliana, izay zavatra ataonao ho azy dia asa soa.

Andeha anie sokafantsika ny fihirana FFPM 109 :1, ary sainintsika tsara :

Nahafoy ny aiko Aho

Hanavotako anao.

Ka nalatsako ny rako,

Nisoloako anao.

He! ny aiko no nomeko

Ry mpanota very e!

Aiza izay afoinao re

Mba ho Ahy Tomponao?

Izany io Jesoa io ry havana ô, mba tsy hoe hira mampihetsi-po fotsiny, sy tononkira mampihetsi-po fotsiny, fa mitaky fanoloran-tena, fanapahan-kevitra sy fanoloran-tena : « Aiza izay afoinao re mba ho Ahy Tomponao ? ». Misy andininy 4 ireo, ary ny andininy 3 dia miafara amin’ny hoe : « Aiza izay afoinao re mba ho Ahy Tomponao ? ». Andeha anie jerentsika ny andininy faha-4 e :

Indro Tompo! Fa omeko

Ho Anao ny tenako,

Ka tsy misy izay tsy foiko

‘zay rehetra tianao;

Izay : omeko ny tenako ; tsy misy izay tsy foiko izay rehetra tianao. Marina aminao ve izany ? Marina aminao ve izany ry havana ô ? Izany ny olona manao asa soa e, izany ny olona manompo amin’ny fahamasinana e ! Olona miteny amin’ny fony : « omeko Anao ny tenako, ary izay rehetra tianao, hitanao eo amiko, inty, inty, omeko anao ». Tsarovy izany isaky ny mihosotra ranomanitra ianao manomboka izao ry havana ô : izaho ity ve mba manao asa soa ho an’ilay Jesoa maty ho ahy, ka ity tenako ity, ity tenako ity atolotro Azy mba ho hanitra ankasitrahana, ho hanitra manim-pofona, na tsy manana ranomanitra aza aho ahosotra amin’ny tenany ?

Izay ny fahamarinana 2 : MBA MANAO ASA SOA HO AN’I JESOA VE IANAO ?

Matio 26 :13 : « Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy ».

Holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.

Izao no azo ilazana ilay fahamarinana 3 ry havana :

Fahamarinana 3 : IANAO IZAY MAHATSIARO MANDRAKARIVA NY ANATY LAVAKA IZAY NIHADIANA ANAO, KA MANAO ASA SOA AMIN’I JESOA MATY NISOLO HELOKA ANAO, ARY ANONTANIAN’ I JESOA HOE AIZA IZAY AFOINAO HO AHY : VALIO IZY HOE « AFOIKO NY SAMPIKO »

Afoiko ny sampiko – Afoiko ny sampiko.

Afoizo e, ny sampinao ry havana ô, afoizo ny sampinao.

Andeha anie jerentsika ny Ezekiela ; tena hoe tenenin’ny Tompo mafy ny Zanak’ Isiraely eto ; fa ny teny ho an’ny Zanak’Isiraely, ho antsika kristiana malagasy amin’izao faha-29 Septambra 2019 izao. Ezekiela 20 :30 ; 31b : « Koa ataovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon’ ny razanareo va hianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va ? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’ Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho». Manontany anao ny Tompo : « inona no afoinao ho Ahy ? » ; teneno Izy hoe : « Manomboka anio Tompo ô, afoiko noho Ianao ny sampiko ».

Ny sampy, ny sampy ry havana ô, mandoto. Mandoto tena. Ianao manompo sampy io, mandoto tena. N’inon’inona sampy ry havana ô, na vato izany, na rano izany, na masoandro izany, na volana izany, na olona izany, na biby izany, mandoto tena ianao. Rehefa tsy afoinao ny sampinao, dia mandoto tena ianao, dia lohahevitra eny amin’ny fafana fotsiny izany hoe : « Manompoa an’i Jehovah amin’ny fahamasinana ». Na tsy nianatra Baiboly ary dia mahafantatra hoe anisan’ny hevitry ny fahamasinana dia mifanohitra amin’ny fahalotoana. Ity ilay firenena masina ho an’i Jehovah, mbola mandoto tena amin’ny sampy. Mandoto tena hoy Ezekiela, mandoto tena amin’ny fanaon-drazana mandoto tena amin’ny fanaon-drazana.

Ontsa ny fonao ry havana ô, vaky ny fonao, ankoatra an’izay fahasorenana noho ny embouteillage ; nandeha namangy manjo tery Ambatobe tery izahay omaly. Amin’ny 12h30 izahay tonga eo amin’ny rond point-ny Lycée Français eo, handeha hiakatra ho any Analamahitsy, dia eo anoloana eo, feno fasana aloa e : teny nihitsoka ry havana ô. Atao hoe tamin’ny 12h30 izay tamin’ny 13h30 izahay tery amin’ny fiviliana ho any Analamahitsy ery ! Satria naninona ? Nisy famadihana tao. Dia nisy fasana voalohany nolalovanay, nisy famadihana tao ; nisy fasana faharoa nolalovanay, isy famadihana koa tetsy ; dia ny famadihana farany, tery. Normal moa izany ka : nandalo mpanandro izy, ary probablement mitovy ny mpanandro nandehanany, dia niteny izy hoe amin’io 28 io. Teo daholo izy mianakavy, ary araka ny resaka dia hoe : « ao, ao ry zareo Ambatomainty ». Mampalahelo ilay olona mihaingo, mandany vola aman-karena amin’ny famadihana. Ary hanaovana présence hoe amin’io famadihana io, sao dia ny fianakavian’i ra-anona, na ny zanak’i ra-anona no tsy tonga.

Sampy, sampy ry havana ny fanompoana razana an. Mandoto tena ianao e ! Ary ato mbola misy manompo sampy mamadika ry havana ô. Misy ato amin’ity fitandremana ity, ary tenenin’ny Tompo mafy ianao : « Raha fantatrao fa hoe maty ho anao Aho, aza mandoto tena amin’izany ». Afoizo io fanompoan-tsampy io e, afoizo io fankanesana any amin’ny mpisikidy io e, afoizo ny fivavahana amin’ny razana sy ny fangatahana fitahiana, fangatahana fiarovana amin’ny razana ; hitondra anao any amin’ny helo izany. Tsarovy izany rehefa manosotra ranomanitra ianao. Ary izaho tsy hifandahatra aminao, fa mahafinaritra ny tenin’ny mpitoriteny, tsy hoe tenin’i Pasteur Solofo, fa tenin’ny mpitoriteny anankiray hoe : « rehefa mamadika ianao, dia mamadika an’i Jesoa ry havana ô ». Rehefa mamadika ianao dia mamadika an’i Jesoa : olona ohatran’izao ihany ve dia hamadika an’i Jesoa ? Avelao ny fitondran-tena adala sy ny fomba fanao nentin-drazana : mandoto ary hitondra anao any amin’ny helo. Ka asakasakao, asakasakao raha mbola hiziriziry amin’izany ianao. Fa isaky ny mamadika ianao, dia mamadika an’i Jesoa.

Iza yilay tenin’ny Tompo amintsika amin’izao maraina izao : tsy kilalao, tsy vazivazy, tsy fanambatambazana, fa na dia tenim-pitiavana az, dia teny faran’izay hentitra : AFOIZO NY SAMPINAO RY HAVANA O ! AFOIZO NY SAMPINAO.

Ary araka ny tenin’i Paoly any amin’ny 2 Timoty 2 :2, satria aty am-parany isika izao, dia nanafatra an’i Timoty izy hoe : any am-parany any hoy izy, dia hisy andro mahory, satria ny olona ho tia tena, ho tia vola. Ny sampy ry havana no zavatra tiana an ! Ny sampy no iraketan’ny fonao. Isika rehetra plus ou moins mpanompo sampy daholo, satria tia tena : « ny ahy, ny fahafinaretako, ny tombon-tsoako » ; hatraty am-piangonana izany ; « ny image-ko sy ny karazany, ny lazako, ny voninahitro ». Mandoto anao, mandoto antsika ny fitiavan-tena ; ary tsy hahasoa io sampin’ny vola izay tompointsika, sy imatimatesantsika io ry havana ô. Afoizo izany e ! Afoizo izany anio hoy ny Tompo.

Izao, izao anie no nolazainy tamin’i Ezekiela : izany, izany no ataonareo ; Izaho anie rehefa hanontanianareo, izaho rehefa hanontanianareo dia tsy hety hanontanianareo an ! Hanontanianareo hoe : mivavaka : ahoana ny sitraponao ry Tompo ny amin’izao, ahoana ny hevitrao ny amin’ity fizahan-toetra ity ; hanontanianareo Aho fa izaho tsy mety hamaly anareo an ! Hanontanio ny sampinareo. Tsy niteny an’izany aloa Jehovah e ! Fa izany : tsy hety hanontanianao Jehovah.

Ianao izao : mpandray ny fanasan’ny Tompo, Mpiandry, sy ny tahak’izany : nomena teny fikasana tsara be, fa hoe ianao nandray ilay fanjakana tsy azo hampirohoroina ; izany hoe n’inon’inona manodidina anao, n’inon’inona fahoriana, n’inon’inona fizahan-toetra, n’inon’inona sedra, tsy mihorohoro ianao ; ary matoa ianao mihorohoro, dia misy solution hoe : iny occasion hihorohoroanao iny, iny fotoana hihorohoroanao iny, dia antsoy ilay Mpanjaka izay namome anao ilay fanjakana hoe tsy mety mihorohoro io, ary tsy azo hampirohoroina. Izaho tsy hety hanontanianareo, Izaho tsy hety hanontanianareo.

Tia antsika ry havana ny Tompo, tia antsika Izy ; ary ny zanaka tiana no anarina sy faizina. Aza miandry faizina e, aza miandry faizina e, vao hanala ny sampinao ry havana ô.

Izay no hafatra ho antsika teto tamin’izao maraina izao: RESAKA RANOMANITRA. Tsarovy ry havana ô, isaky ny mihosotra ranomanitra ianao, tsarovy ny ati-lavaka izy nihadiana anao, iray izay. Isaky ny mihosotra ranomanitra ianao, manontania tena hoe : ary izaho ity ve mba efa manao asa soa ho an’ilay Jesoa maty teo amin’ny hazo fijaliana ary nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana ahy ? Ary fahatelo farany, izaho mihosotra ranomanitra ity ve, sao dia maloto sy maimbo ny fiainako sy ny fanompoako eo anatrehan’i Jesoa satria mbola miampy fanompoan-tsampy ?

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

Alahady 22 Sept 2019

Jaona 15:7-8: "Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo".

Efa voalaza tsara ry havana hatramin’ny aninkeo maraina, fa Jesoa voaloboka, ary isika nataony sampana. Dia raha tsaroanareo tao amin’ny perikopa tao dia hoe : raha misy sampana tsy mamoa dia esorina izy, atsipy any an-tokontany izy, malazo izy, dia angonina izy, dia atsipy any anaty afo izy.
Nampieritreritra ahy, voambolana nampiasaina mpitoriteny momba ity Jaona 15 ity manazava an’izany, dia hoy izy hoe : tena catastrophe ny fiainana, tena catastrophe ; mazava ihany angamba izany teny frantsay izany , tena idiran-doza ny fiainana. Ilay toriteny amin’izao maraina izao ry havana, ilay fanontaniana apetraky ny Tompo amintsika amin’izao maraina izao dia hoe : SAO DIA CATASTROPHE NY FIAINANAO ? SAO DIA IDIRAN-DOZA IANAO ?
Mety hilalao téléphone ny voisin na voisine-nao rehefa mandeha kelikely eo, dia alohan’ny hilalaovany téléphone sy hivezivezen’ny sainy any an-kafa dia anontanio izy, mba ho tadidiny izay, hoe : SAO DIA CATASTROPHE NY FIAINANAO ? Andao ary, teneno ny voisin-nao hoe : SAO DIA CATASTROPHE NY FIAINANAO ?
Mety hoe ohatran’izao ny position sociale-nao sy ao am-piangonana, ary raha ny fijeinao ny fiainanao, tena mety ny fiainanao ; sanatria e, eo imason’Andriamanitra, araka ilay 5mn teo, izay mahafantatra ny ao am-ponao ao : SAO DIA CATASTROPHE NY FIAINANAO ?
Ary catastrophe ny fiainanao ry havana, rehefa jerena ity perikopa ity ; catastrophe ny fiainanao satria tsy mivavaka ianao. Izay io : catastrophe ny fiainanao satria tsy mivavaka ianao.
Zaraina 3 ny and.7 : « Raha miray Amiko ianareo » : izay ny fahamarinana 1 ; « ka mitoetra ao anatinareo ny teniko » : izay ny fahamarinana 2 ; « dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany » : fahamarinana 3. Catastrophe ny fiainanao satria tsy mivavaka ianao, tsy mivavaka ianao :
1. Mba hitoetra ao aminao Kristy
2. Mba hitoetra ao aminao ny tenin’i Kristy
3. Satria tsy tia vavaka tsotra izao ianao
Diniho ihany ry havana o, SAO DIA CATASTROPHE NY FIAINANAO ? SAO DIA IDIRAN-DOZA ARA-PANAHY IANAO ?
Fahamarinana 1 : CATASTROPHE NY FIAINANAO SATRIA TSY MIVAVAKA IANAO MBA HIRAY AMIN’I JESOA
Izay moa no filazan’ilay and.7 azy amin’ny teny malagasy. Fa ery amin’ny and.4 hoe : « tomoera Amiko » ; raha ny teny grika sy teny frantsay, ilay and.7 dia mbola hoe : « raha mitoetra Amiko ianareo », « si vous demeurez en moi ». Tsy mivavaka ianao mba hitoetra aminao Kristy ry havana o. Satria nahoana ? Tsy mino ianao hoe Izy voaloboka, tsy mino ianao hoe Izy tena voaloboka. Hainao ao an-tsainao izany satria ianao mpianatra Sekoly Alahady, fa tsy mino ianao hoe tena voaloboka Izy. Iray izay. Ary tsy mino ianao hoe ny mpanamboatra io voaloboka io, araka ny and.1 dia hoe : Andriamanitra Rainao no mpamboatra. Sady tsy mino ianao, no tsy maka fotoana ianao hisainana an’izany hoe Jesoa tena voaloboka ary ny mpamboatra dia Andriamanitra Ray.
Ahoana moa izany ny karazana vavaka andrasan’ny Tompo amintsika, concrètement ry havana ? Karazana vavaka ohatran’izao, manao hoe : « Andriamanitra mpamboatra ô, akambano amin’i Jesoa voaloboka aho, akambano amin’i Jesoa aho, greffé-o amin’i Jesoa aho ». Tsy izaho no handeha hi-colle amin’i Jesoa ry havana ; asan’ilay mpamboatra izany. « Greffé-o miaraka amin’i Jesoa aho e. Amboleo miaraka amin’i Jesoa aho Ray malala ô ». Izany no fiandohan’ny fiainana kristiana : « greffé-o, amboleo miaraka Aminy aho. ». Raha maka sary tsotra ry havana : io izany ilay voaloboka, Jesoa ; io izany ilay foto-boaloboka : ny olona nivavaka ohatran’ny nataontsika teo hoe « greffé-o aho », aty an’anona aty izy ry havana, dia hoe ren’ny Rainy ilay teniny, dia alainy iny sampana iny dia greffé-ny. Izany no fiandohan’ny fiainana kristiana : greffé-ny eo, amboleny miaraka Aminy eo. Ary rehefa izay no mitranga, dia tena hoe misy firaisan’aina amin’i Jesoa. Jesoa tena fiainana, ampiraisina Aminy eo ianao, dia tena manana firaisan’aina. Azonao ve izany ry Fiangonana malala ô ? Izany no fiandohan’ny fiainana kristiana, izany no atao hoe finoana : tena firaisan’aina amin’i Jesoa ; tsy hoe firaisana fomba fivavahana, ary tsy hoe firaisana teny sy ny karazany, fa firaisana amin’i Jesoa. Satria miteny ianao, mivavaka araka ny sitrapony ianao, dia no-greffé-ny ianao, nakambany ianao, ary dia ampidininy ao aminao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany hoe fiainan’i Jesoa izany ry havana o, ampidininy ao aminao. Ampidininy ao aminao ny fibebahana, ampidininy ao aminao ny finoana, ampidininy ao aminao ny fitiavana, ampidininy ao aminao ny fahamasinana satria ianao mivavaka hoe : « Ray mpanamboatra ô, greffé-o miaraka amin’i Jesoa aho ». Ary rehefa izay ry havana, dia ilay Fanahy manakambana iny, ilay Fanahy iny, manenika ny tenanao, manenika ny Fanahinao, ary dia tena hoe manana Fanahy, manana toe-panahy sitrak’Andriamanitra ianao. SAO DIA CATASTROPHE NY FIAINANAO SATRIA TSY MIVAVAKA IANAO HOE : « RAY Ô, GREFFÉ-O AMIN’I JESOA AHO ? ».
Fa tsy ampy izay vavaka izay satria ny tenin’Andriamanitra ry havana, eo amin’y and.4, hoe : « Tomoera Amiko ». Eo amin’ny and.4 izy hoe : « tomoera Amiko », eo amin’ny and.7 hoe : « raha miray Amiko » ; azo adika hoy aho hoe : « si vous demeurez en moi » : « raha mitoetra Amiko ianareo ». Ampiana ilay vavaka teo. Ilay hoe : « Greffé-ô aho Jesoa, greffé-o aho Ray malala ô, amboleo miaraka amin’i Jesoa aho Ray malala ô », ampio hoe : « Ary ampitoero ao amin’i Jesoa aho ». Aza greffé-na fotsiny, dia hoe miala ; ampitoero aho e, « Fais-moi demeurer en Jésus ». Tsisy asanao izany. Sao dia mieritreritra hoe izaho hanao Sefala, hanao Setela, izay faran’izay tsara, izaho hanao Fitela,non ! Fanapahan-kevitra, fahavononana, ary dia arahina vavaka. Izany ilay izy ry havana, izany ilay izy. Ary raha ny marina, eo izany ilay voaloboka, dia greffé-n’Andriamanitra mpamboatra ianao, greffé ianao izany, dia araka ilay teny teo, hoe : Izy no mihazona anao. Ilay 576 FFPM mantsy manao hoe : Hazony tokoa raha tsy maha-hazona Anao. Fa Izy no mihazona ka mampitoetra anao Aminy. Fahagagana ry havana izany, fahagagana izany. Misaotra an’Andriamanitra ny amin’ny ahazoantsika mifampizara an’izany ; ary mazava be izany teny izany, tsotra be izany teny izany. Mivavaha e, mivavaha e, mivavaha e, manomboka izao, fa Izy izay ni-greffé anao, rehefa greffé ianao ry havana ô, dia tohizany ilay asa tsara : mampitoetra anao amin’i Jesoa Izy na iza na iza ianao. Mampitoetra anao amin’i Jesoa Izy.
Fa izao kosa anefa, mazava be izay : manapa-kevitra aho, manatona aho, mivavaka aho ; izay voalaza teo koa tamin’ny louange, hoe : tsy maintsy mivavaka amin’ny finoana. Ny finoana eto, ilay vavaka atao amin’ny finoana eto, ilay finoana eto dia hoe : fo minia hitoetra ao amin’i Jesoa. Izay kosa aloa e : raha tsy minia hitoetra ao amin’i Jesoa ianao, Andriamanitra tsy hanakambana anao izany. Fo minia hitoetra ao amin’i Kristy. Ny finoana dia hoe : fo te hifikitra. Satria manana safidy isika ry havana ô : fa rehefa tsy minia hitoetra ianao, rehefa tsy mifikitra ianao, ho catastrophe ny fiainanao ry havana, ho catastrophe ny fiainanao, hidiran-doza ianao. Hidiran-doza ohatran’iza ? Ohatran’i Jodasy ianao, izay mba isan’ny mpianatry ny Tompo ihany, mpikambana tamin’ny antokon’izy 12 lahy, kanefa tsy nanana firaisan’aina tamin’i Jesoa. Ary dia tsy namoa finoana izy, tsy namoa fibebahana izy, tsy namoa fitiavana izy, tsy namoa fahadiovana izy, dia nesorin’ilay mpamboatra. Ary rehefa Andriamanitra mpamboatra, rehefa Andriamanitra no manala, dia fahafatesana sy fahaverezana, fahaverezana mandrakizay no anjaran’izany olona izany ry havana ô.
Ary ny amin’izao fahamarinana 1 izao, ny zavatra tsindrina farany araka ilay texte io dia izao : rehefa mivavaka aho hoe greffé-o, rehefa mivavaka aho hoe ampitoero amin’i Kristy Ray malala ô, dia mivavaka aho, ary ity tsy zakan’ny olona, mivavaka aho hoe : Ray malala ô, raha izany ary, amboary aho ; misy naoty kely hoe : diovy aho. «Amboary aho, diovy aho ». Izany ny vavaka ampianarina antsika ry havana ô. Mety tsy mahay teny malagasy ianao, mety tsy mahay ilay vavaka ady rima ireny ianao, fa fantatrao izao ny antom-bavaka andrasan’ny Tompo aminao isan’andro isan’andro, ary hanokanana fotoana, fa tsy atao zara fa vita ry havana ô. Hanamarina fiovana ianao e. Dia tsy ho catastrophe ohatran’io intsony ny fiainanao eo imason’Andriamanitra.
Teneno ny Rainao hoe : « Mpamboatra malala ô, amboary aho. Izaho miteny Anao hoe amboary aho, fantatro fa antsy no fitaovana fanamboaranao ny voaloboka sy ny sampany ; fantatro fa antsy ; fa amboary aho e ! Amboary aho. Ary ianao mahafantatra loatra izay tokony anamboarana ahy, amboary aho, amboary aho fa manaiky aho na marary aza izany. Amboary aho ary valio vavaka aho ».
Ianao mandinika ny fiainanao, kristiana marina, disciple. Izany ny fanazavana ny fiainanao hoe ozonin’ny fahoriana lava ry havana ô. Fahoriana miampy fahoriana, fakam-panahy miampy fizahan-toetra, izany ny fiainanao. Zavatra mangirifiry, zavatra mafaitra ; ary rehefa miasa ilay Rainao mpamboatra anao, dia mandratsana ; indraindray ny zavatra tianao indrindra no esoriny aminao mba ho fantany hoy Izy no tianao amin’ny fitiavana voalohany, fa tsy iny zavatra nesoriny taminao iny.
Mivavaha ry havana ô, mivavaha, fa izany no fivavaky ny olona mahafantatra fa masina ny Tompony, ary te hanompo Azy amin’ny fahamasinana. Meteza amboarina. Indraindray rehefa mitontona ilay fanamboarana, tsy takatrao hoe mankaiza sy mankaiza izany fiainako izany! Fa fantaro fotsiny e : Andriamanitra Rainao io, Andriamanitra tsy manao kitoatoa, ary iny antsy iny, eo an-tanan’ny Ray izay tena tia anao.
Izay ny fahamarinana 1 : tsy mivavaka ianao hoe : « Ray ô, ampitoero amiko Jesoa ».

Fahamarinana 2 : CATASTROPHE NY FIAINANAO SATRIA TSY MIVAVAKA IANAO MBA HITOETRA AO ANATINAO NY TENIN’I JESOA
Ny vavaka faharoa ry havana ianao : tsy mivavaka ianao mba hitoetra ao anatinao ny tenin’i Jesoa. Mbola miteny aminareo ihany, miteny manokana e, aminareo izay tsy manokatra Baiboly afa-tsy indray mandeha isan-kerinandro ny alahady, et encore, aty am-piangonana ary tsy tonga mitondra Baiboly akory : ovay izany e, ovay izany e. Izany ny marika hita maso sy azo tsapain-tanana fa catastrophe ny fiainanao, catastrophe ny fiainanao eo imason’Andriamanitra ry havana ô. Izay ilay fahamarinana izany, hoe : tsy mivavaka ianao mba hitoetra ao anatinao ny tenin’i Jesoa.
Ahoana ny fandehan-javatra ry havana eo amin’ny tontolo ara-panahy? Andriamanitra mpamboatra, iray izay ; haintsika izany : Izy no tompon’ny teny, Izy no manome ny teny antsika sampana ; ary Izy ihany no hampitoetra ny teniny aty anatiko, ao amin’ny foko, ao amin’ny fanahiko. Ary izany no antom-bavaka ry havana ô : misaora an’ilay mpamboatra ny amin’ny teny omeny anao, ary angataho Izy hoe : « Ray malala, ampitoero ato anatiko izany teny izany ». Fa Izy mpamboatra, mandefa ny Fanahiny mitarika ahy hamaky teny, mamboly ao amiko izany hoe hetaheta sy fifaliana, fahafinaretana mamaky teny izany. Ary dia mitombo ilay teny, mampitombo an’ilay fahafinaretana sy ilay hetaheta ilay teny ; satria iny teny iny araka ny lazain’ny Soratra Masina, hoe : ity tenin’Andriamanitra ity dia Fanahy sy fiainana ; Fanahy sy fiainana. Dia ilay teny Fanahy sy fiainana, mampitombo antsika amin’ny famakiana, amin’ny fihainoana, amin’ny fandinihina Soratra Masina. Efa tena zava-dehibe izany ry havana. Fa mihoatra noho ireo ny Fanahy Masina ry havana : mitarika antsika ho amin’ny fankatoavana ny teny. Ny Fanahy Masina dia mitarika antsika ho amin’ny fankatoavana ny teny. Jereo kely anie ny fihirana FFPM 201, ny andininy faha-3, misy an-dalana volamena ao : io Fanahy Masina angatahintsika mandrakariva : « Fanahy Masina ô! Tariho izahay Hanaiky ‘zao ». Izany ry havana ô. Io tenin’Andriamanitra io, tsy hoe vakiana, henoina, fakafakaina, ianarana, dinihina ; non. Ankatoavina io, ankatoavina io ry havana ô. Ary dia hoe mianara mivavaka ny Fanahy : « Tariho aho hoe, ho amin’ny fankatoavana ». Ary rehefa mivavaka ohatran’izany isika ry havana, hoe : « ampitoero ato anatiko ny teny, tariho amin’ny fankatoavana aho », hanamarina ianao fa mamy io tenin’Andriamanitra io araka ny tenin’ny mpanao Salamo : Mamy toy ny tantely ; araka ny tenin’ny mpaminany, tena mamy e, io teny io. Ary dia hanjary teny ivelomana, hanjary teny iainana. Ary rehefa izany, dia hameno ny fonao. Mampalahelo ry havana mahita olona manana cahier feno tenin’Andriamanitra nefa tsy iainana. Fa ilay teny ankatoavina : mameno ny fonao ; ilay teny ankatoavina : mamolavola ny fanahinao, mameno ny fonao sy ny fanahinao, fa tsy mameno ny sainao fotsiny e ! Izay ilay izy. Aleo mankatoa amin’ny zavatra kely, toy izay feno fahalalana tsy ankatoavina ; hitondra anao any amin’ny catastrophe izany, io fahalalana be tsy iainana, tsy ivelomana io ry havana ô. Fa reehfa hoe miasa ao aminao ny Fanahy, mitarika ho amin’ny fanekena, ho amin’ny fankatoavana, inona ny zavatra mitranga ? Ny zavatra mitranga : hanana fifandraisana velona amin’i Jesoa velona ianao. Ary dia hanana antoka ianao ny amin’ny famonjenao. Isaky ny mifoha ianao ny maraina, handeha hatory ianao ny hariva, n’inon’inona fiainanao : ho faly ianao satria hoe : « fantatro fantatro fa voavonjy marina aho e. Sedraina ohatran’izao aho androany, fa tena fantatro e, j’ai l’assurance dy salut ». Firy amintsika no manana an’izany assurance du salut izany ? Firy, firy, firy ? Nefa araka ilay lohahevitra amin’ity hoe : fanompoana ohatran’izao, ohatran’izao mameno fiainana nefa olona tsy manana assurance du salut, no mandeha manompo ohatran’izany ry havana ô. Ary rehefa tarihin’ny Tompo ho amin’ny fankatoavana ianao, satria mitoetra aoa anatinao ilay teny, mifamatotra izany ry havana, dia ho fantatrao, dia ho fantatrao Jesoa : ho fantatrao intimement, hanana intimité, hanana fahalalana lalina ary tena faran’izay akaiky amin’i Jesoa ianao.
Fantatrao moa fa ity hoe : « Izaho no voaloboka » na « Izaho no tena voaloboka », ilay « Izaho » milaza an’Andriamanitra izy io, hoe « Je suis », ilay Andriamanitra nanambara ny tenany tamin’i Mosesy tary amin’ny Eksodosy 3:14 : « Izaho ilay izy », « Je suis ». Rehefa miteny Jesoa eto hoe : « Je suis », dia hoe « Andriamanitra Aho ». Fa fantatrao moa fa ato amin’ity filazantsara araka ny Jaona ity misy « Je suis » im-pito ? Tsy te hanalava fotoana aho, fa tononiko fotisny ilay izy ry havana ô, ary ity no faha-7, ity voaloboka ity :
1. Izaho no mofon’aina (Jaona 6)
2. Izaho no fahazavan’izao tontolo izao (Jaona 8)
3. Izaho no vavahadin’ondry (Jaona 10)
4. Izaho no Mpiandry tsara (Jaona 10)
5. Izaho no fananganana ny maty sy fiainana (Jaona 11)
6. Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana (Jaona 14)
7. Izaho no tena voaloboka (Jaona 15)
Ka rehefa mitoetra ao anatinao ny tenin’Andriamanitra, dia fantatrao amin’ny antsimpirihany Jesoa, hoe : Ilay mofon’aina manome fahafaham-po ny hetahetanao rehetra, Ilay fahazavana ho anao mba tsy toy ny hiraparapa ao anatin’ny aizina ianao ao amin’ny fiainanao, Ilay vavahadin’ondry idirana hankanesana any an-danitra ry havana ô, Ilay Mpiandry tsara miahay anao mba tsy hanan-java-mahory ianao ary miaro anao amin’ny bibidia toy ny any an’efitra, Ilay fananganana ny maty sy fiainana : ianao catastophe, rava ny fiainanao, rava ny tokantranonao, simba ny asanao : hanangana anao amin’ny maty Izy e, hanarina izay mety faharavana rehetra, raha mitoetra ao anatinao ny teniny. Izany ilay izy ry havana ô. Ary lalana sy fahamarinana ary fiainana : tsy ao anatin’ny fahadisoana ianao, tsy ao anatin’ny lainga ny fiainanao ary tena voaloboka, araka ilay voalaza teo hoe mampita aminao ny fiainany mihitsy, ny maha-izy Azy.
Ry Fiangonana ô, ry Fiangonana ô, mivavaha, mivavaha, mivavaha mba hitoetra ao anatinao ny tenin’Andriamanitra arak’izay. Dia arak’ilay hira tsara be nataontsika tamin’ny louange teo, dia tena hoe ho hazon’aina, hazon’ny fiainanao rehetra Jesoa Kristy ry havana.
Ny fahamarinana 1 hitantsika teo dia hoe tsy mivavaka ianao mba hiray amin’i Jesoa ; ny fahamarinana 2 dia hoe tsy mivavaka ianao mba hitoetra ao anatinao ny tenin’i Jesoa.

Fahamarinana 3 : CATASTROPHE NY FIAINANAO SATRIA TSY MIVAVAKA IANAO SATRIA TSY TIA VAVAKA
Tsy mivavaka ianao satria tsy tia vavaka ianao. Isika rehetra mitovy : ny zavatra tiana dia atao daholo ; matoa tsy atao, tsy tiana izay. Tsy mivavaka ianao satria tsy tia vavaka ianao , dia catastrophe eo imason’Andriamanitra ny fiainanao.
Tsy tia mivavaka ianao, normal ange izany e ; normal izany satria sy mahazo valim-bavaka ianao ; dia normal be ianao tsy mivavaka. Izay ilay izy ry havana. Ary amin’izay lafiny izay tsy azo omena tsiny ianao. Fa rehefa hoe mivavaka ianao mba hiray amin’i Jesoa,rehefa hoe mivavaka ianao mba hitoetra ao anatinao ny tenin’i Jesoa, dia hoy Jesoa hoe : « angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany » - « angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany ». Fampanantenana volamena izany ; fa tsy mino an’izany ianao. Raha tsy izany ianao efa nivavaka. Tsy mino ianao e, raha tsy izany ianao efa nivavaka e ! Ary ny zava-doza, tsy mahazo an’izay angatahinao ianao, fa mitoetra ao amin’ilay catastrophe ianao, idiran-doza ianao. Efa fantatrareo fa ao amin’ny Tompo tsy misy elanelam-panahy an : na ianao ao Aminy, na ianao any amin’ny catastrophe sy any amin’ny fahaverezana mandrakizay. Izay ilay izy. Ary rehefa miteny ny Tompo ry havana ô, « angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany », tsy olona Izy ka handainga hoy ny Soratra Masina, ary tsy mpanao politika akory Izy ka hanao fampanantenana paokaty, tsy hainy tazonina. Fa izay ambarany, izay ampanantenainy dia efainy ry havana ô ; fa ianao mihitsy, ianao mihitsy no tsy mino an’izany teny fampanantenana hoe : « angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany ». Ary normal raha tsy mino ianao, satria araka ny teny teo : tsy mitoetra ao aminao ny Tompo, tsy mitoetra ao anatinao ny teniny, tsy mivavaka ianao. Ary ny tena zava-doza anie, ny mampalahelo dia izao e : désespéré ianao, deséspérée ianao amin’ny fiainanao. Kivy ianao, ketraka ianao, leo ny fiainanao ianao, mila hamohy fo ianao. Tia anao ny Tompo e, tia anao ny Tompo, ary mbola te hampieritreritra anao Izy hoe : miovà, miovà, mivavaha. Mampahery ry havana, rehefa misy hoe mpanompon’Andriamanitra mandalo ao aminao, mifanena aminao, mi-téléphone aminao, hoe : « Pasitera ô, tsaroan’i Pasitera moa ilay vadiko ilay tany amin’ny hopitaly, dia nandalo Pasitera nanatitra vavaka ; dia ny ampitson’iny nandalo ny dokotera dia gaga loatra izy tamin’ilay fihatsarana. Izy nandray azy, hita eny amin’ny endriny na tsy nivaky aza izy, hoe ohatrany ratsiratsy ihany ity an ». Izay, mampahery ny mandre an’izany. « Misaotra Pasitera an, tamin’ilay zanako tonga tao amin’ny birao-nao hivavaka alohan’ny examen, fa afa-panadinana avec mention izy ». Izany io Andriamanitra io ry havana ô : mihaino vavaka Izy, mihaino vavaka Izy.
Ry havana ô, ry havana ô, ny Rainao izay mpanamboatra, araka izay efa nolazaintsika hatrany am-boalohany, Jaona 15, ny Rainao hamboly, hamboly e, hamboly, raha sitrakao, ao am-ponao, ny fitiavam-bavaka. Hamboly ao am-ponao ny fitiavam-bavaka Izy. Ary hampitombo ny fanahinao amin’ny fanahafana ny Fanahin’i Jesoa Kristy. Ary rehefa miakatra tahak’izany ny vavaka ataonao, dia toy ny vavaka ataon’i Kristy amin’Andriamanitra Rainy sy Rainao, dia ho valiana vavaka ianao. Ho valiana vavaka ianao n’inon’inona angatahinao. Ary rehefa izany, tonga amin’ny fanatanterahana ny and.8 hoe : mamoa be ianao, mamoa be ianao. Ny sasany mihetsiketsika e, ny sasany mikofokofoka eo, fa ohatran’ilay aviavin’i Betania, mandravona be fotsiny, fa tsy misy voa. Azo atao angamba ny manangana sampana hoe aviavin’i Betania, izay no sampana maro an’isa indrindra fa sûr aho, ary tsy ato ihany fa any an-kafa koa. Izay, fa tian’ny Tompo ovaina izany ry havana, tian’ny Tompo ovaina izany. Rehefa izany mantsy dia hoe mamoa isika, mamoa be isika, mamoa finoana isika, mamoa voa mendrika ny fibebahana isika, mamoa fahamasinana isika dia miha-mendrika ny atao hoe mpianatra, disciple isika ry havana. Ary faly aho milaza aminareo Fiangonana : izany no ianaranay, application an’izany no ianarana ao amin’ny Ecole des Disciples Isotry Fitiavana. Ary amin’izany ry havana ô, rehefa miha-mendrika ny mpianatr’i Kristy ianao, dia hoe miaraka amin’i Jesoa ianao, miara mikendry Aminy ny fankalazana an’Andriamanitra Raintsika ; fa rehefa tsy izany, averiko aminao e : catastrophe ny fiainanao.
Faranana ny teny ry havana : nanomboka ny asa nanirahan’ny Rainy Azy tety an-tany Jesoa Kristy dia niteny Izy hoe : « Avia, manaraha Ahy ». Ilay fanarahana moa hoe, avia, meteza ho mpianatro. Tany am-piandohana Izy nanao hoe : « Avia, manaraha Ahy » ; aty am-pamaranana, satria ny Jaona 15 ao amin’ilay alina anaovany veloma ny mpianany ; aty am-pamaranana ny fiainany, dia miteny Izy hoe : « Tomoera Amiko ». Ary didy izany ry havana ô. Didy izany. Tsy tiantsika nny didiana amin’izao fotoana izao, fa didy ny hoe : « Tomoera Amiko ianao ». Ary aza manahy, ny Rainao, Ray tena tia anao ao amin’i Jesoa Kristy no mpanamboatra : atolory Azy ny rehetra momba anao, atolory Azy ny momba anao rehetra e. Hoyny toriteny teny frantsay izay, hoe : « Abandonne-toi à lui, abandonne-toi à lui ». Ento eo Aminy ny tsy fahatanterahanao rehetra, ento eo Aminy ny tsy fahamarinanao rehetra, ento eo Aminy izay mahaloto anao rehetra, ento eo Aminy ilay totale incapacité anao ho amin’izany fahamasinana izany, ento eo Aminy io koliloly be, io kolikoly kely mamatotra anao io ; ento eo Aminy, ento eo Aminy izany ry havana ô, dia hanao zavatra mahagaga ao amin’ny fiainanao ianao ary hijoro vavolombelona ianao hoe : ry havana, tamin’ny Alahady 22 Septembre 2019 no nifindra niala avy any amin’ny catastrophe ny fiainako ho any amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.