Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 17 NOV 2019

Marka 13 :24-27 : « Fa amin’ izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin’ ny lanitra. Ary amin’ izay ny Zanak’ olona dia ho hita avy eo amin’ ny rahona amin’ ny hery lehibe sy ny voninahitra. Ary amin’ izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faran’ ny tany ka hatramin’ ny faran’ ny lanitra ».

Mbola resaka mihazona ny sain’ny olona izao ny Barea, nahavita dingana tsara indray izy omaly. Misy zavatra 2 ampitahaintsika ireto : ny fihavian’ny Barea tamin’izy avy nanao CAN, ary ny iray, ny fihavian’i Jesoa Kristy.

Ny fihavian’ny Barea dia fantatra fa hoe hiantsona eny Ivato izy, dia ho eny amin’ny lalam-baovao, dia hizotra amina toerana hihaonany amin’ny vahoaka, eny an-dalana rehetra eny. Mazava tsara izany, hatramin’ny ora sy ny toerana izay nahatongavany, rehefa avy nanao CAN izy. Nalaza eran-tany, sady nalaza teto Madagasikara, fa indrindra, nalaza teto Antananarivo. Vahoaka maro be, tsy mbola nisy fihetanam-bahoaka toa ireny raha ny teto Antananarivo manokana.

Fa ny zavatra faharoa, dia hoe ny fahatongavan’i Jesoa Kristy. Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy dia lazain’ny Baiboly fa tsy maintsy ho tonga Izy, tsy maintsy ho tonga. Ary raha ny zavatra 6 nambaran’ny Baiboly niainan’i Jesoa Kristy tety an-tany, dia efa tanteraka avokoa ny 5. Fa ny fiverenany kosa : ho avy amin-kery sy ny voninahitra, hitsara ny velona sy ny maty. Izay no andrasana. Ka raha ny Baiboly, dia mazava izany fa tsy maintsy hiverina Jesoa Kristy, tsy maintsy ho avy Jesoa Kristy. Fantatry ny kristiana maneran-tany izany. Fantatry ny kristiana eto Madagasikara izany. Fantatry ny kristiana eto Antananarivo izany. Fa indrindra, fantatsika eto Isotry Fitiavana izany. Maro amintsika malagasy indray izao no miandrandra ny CAN 2021, hoe ho any indray ny Barea. Maro. Fa vitsy amin’ny malagasy no hiandrandra an’izany hoe fotoana lehibe hihavian’i Jesoa Kristy izany. Vitsy no hiandrandra an’izany. Fa ho antsika eto : efa miomana ho amin’izany ve ianao ? Raha ny mpitia Barea, hatramin’ny fitafy sy ny fitaovana, ny fotoana, ny zavatra rehetra, niomana izy ho amin’izany. Fa raha Jesoa ho ho avy, mba manao ahoana ianao ?

Hafatra manokana ho an’ny Sampati. Ny isarihiko ny sainareo dia izao : eny amin’ny rahona isika no hilasy. Vonona ianao sa ahoana ? Ny lohahevitra, hoe : Ho avy amin’ny heriny ny Tompo. Andeha ho tarafintsika amin’ny filazantsara nosoratan’i Marka izany lohahevitra izany. Miangavy anareo aho hanokatra ny Baiboly ao amin’ny Marka 13 :24-27, efa novakian’ny havantsika teo.

  1. Ny zavatra voalohany, fa tsy maintsy ho avy Jesoa, ho avy indray Izy, ka ho avy amin’ny heriny sy ny voninahiny. Andeha anie jerentsika ny ao amin’ny 26 e : « Ary amin’ izay ny Zanak’ olona dia ho hita avy eo amin’ ny rahona amin’ ny hery lehibe sy ny voninahitra ». REHEFA HO AVY AMIN’I HERINY JESOA KRISTY, HO FEHEZINY NY HERIN’NY ZAVA-BOARINY

Hitantsika izany eo amin’ny and.24 : - ny masoandro hohamaizininy. Inona moa ny asan’ny masoandro ? Sady manome hazavana no manome hafanana. - Ny volana tsy haneho fahazavana. Mazava be aloa fa rehefa maizina ny masoandro dia maizina ho azy ny volana, satria mifampita taratra ny hazavan’ny masoandro sy ny volana. – Ary manaraka koa, dia haninona ny kintana ? Hiraraka ny kintana. – Ary farany, ny lanitra hanao ahoana ? hozongozonina ny herin’ny lanitra. Ho feheziny aloa ny herin’ny zava-boariny. Hananan’i Jesoa fahefana ny zavatra rehetra ; anisan’izany ny zava-boariny. Izy no mampahazava na mampahamaizina ny masoandro, Izy no mihazona ny zavatra rehetra, ireny kintana hitantsika ireny, Izy no manana hery mifehy an’ireo zavatra tazan’ny masontsika noharian’Andriamanitra rehetra ireo. Ho feheziny ny herin’ny zava-boariny.

Ry Fiangonana, mihaino ahy ianao izao. Androany, mety misy maizina eo amin’ny androm-piainanao, mety mandalo eo aminao ny haizina, toy ny masoandro mikatona ny hazavana, dia ao anatin’ny maizina ianao ; tsy fantatrao hoe hanao ahoana ity fiainanao androany ity. Ny ho avy : toa tsy manana fanantenana intsony, toa tsy misy tara-pahazavana intsony mitsilo an’ilay fanantenana, very ilay fanantenana, miraviravy tanana hoy ny bokin’i Isaia teo. Misy lohalika malemy ; Ary amin’izao fotoana izao, mety maro amintsika no toy ny hirarahan’ny kintana eo an-tampin-dohany, amin’ireo endrika olana samihafa ; toa miraraka eo an-tampin-dohanao ny olana samihafa, toy ilay kintana. Ary amintsika mihaino izao, mety ho toy ilay lanitra hozongozonina , toy ny misy manozongozona mafy ny finoanao, tsy hitoetra, tsy hatoky, tsy hiankina amin’ilay Mpahary.

Ho fehezin’ny Tompo ny herin’ny zava-boariny. Raha tojo izany ianao izay mihaino ankehitriny, antsoy Jesoa. Afaka ny ho tonga eo amin’ny fiainanao Izy. Ts’ilay fotoana anankiray ilay hihaviany amin’ny fiafaran’izao tontolo izao ihany, fa azony atao koa ny ho avy dieny ankehitriny eo amin’ny fiainanao. Antsoy Jesoa. Manana ny heriny sy ny voninahiny Izy hifehy an’ireo zavatra rehetra eo amin’ny fiainanao lalovanao ankehitriny ireo. Ary miantoraha Aminy, miantoraha Aminy.

Ny hafatra voalohany teo dia hoe : ho avy amin’ny heriny sy ny voninahiny Jesoa Kristy.

  1. Fa ny zavatra faharoa dia hoe : HO HITA ENY AMIN’NY RAHONA NY ZANAK’OLONA

Nampiasaina ihany ilay teny hoe Zanak’olona, nampiasain’ny mpanoratra Soratra Masina, mba hilazana fa Izy io Jesoa Kristy io, fa tsy anjely io. Tsy zavatra hafa io, fa Jesoa Kristy. Ary hiseho Izy mba ho hitan’ny olona. Ary hiseho amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra Izy. Ary hoy ny DIEM hoe : ho voadidin-drahona Izy. Hiseho ny Zanak’olona, ho voadidin-drahona.

Andeha isika hampitaha kely zavatra anankiroa, hoe fa inona moa no herin’ny rahona isehoan’ny Zanak’olona, ary inona kosa no herin’i Kristy, ilay hiseho eo amin’ny rahona ? Ny rahona dia fantatsika fa mitony. Mitony io rahona io, mahasoa io rahona io, mampangatsiatsiaka io rahona io, ary avo sy manerinerina io rahona io. Izay ny rahona izay. Misy teny-na mpitoriteny anankiray izay : rehefa tojo olana ny olona matetika dia ny ilazana azy dia hoe mitanondrika. Mitanondrika izy, ketraka izy, kivy izy. Ary rehefa miondrika eo izy, dia ny tazan’ny masony dia faritra ; raha lehibe indrindra ilay faritra tazan’ny masony rehefa miondrika izy, 2 mètres carré. Izay no tazany eo rehefa miondrika izy. Inona ny hevitr’izany hoy ilay mpitoriteny ? Io 2 mètres carré io, ilay tany hilevenany, io sisa no banjininy, io no hitany, miondrika eo izy. Fa rehefa hatràka izy, omena fanantenana vaovao, asaina mibanjina ny lanitra, mahita ny rahona, dia faritra mihezinezina tsy hita fiafarany, izay no tazany, rehefa miandrandra izy. Endrik’ilay hoe mbola misy fiainana ao, ary fiainana lehibe, fiainana tsara sady maharitra mandrakizay. Fa ny herin’i Kristy indray, raha ny herin’i Kristy dia tsy mifotofoto izany, noho ny fahatezeran’ny olona sy noho ny fahaverezan-tsaina, ary noho ny fankahalany sy ny fikororoam-panjakana ataony sy ny ady be misy fandatsahan-drà sy ny fotofoto Izy. Fa miasa mandrakariva kosa hampandroso ny fanaovan-tsoa sy ny fifankatiavana, hampitombo ny fahalalana sy ny fahamarinana. Izay ho herin’i Kristy, ilay miseho eo amin’ny rahona. Izay koa ny herin’ny rahona nazavaina tamintsika teo.

Ry havana, voalaza teo fa ny masoandro hohamaizinina, ny volana tsy haneho fahazavana. Ahoana izany ? Eo amin’izay tsy ahafahan’ny zava-boary manao ny asany intsony no miseho ny hery sy ny voninahitr’Andriamanitra. Ataoko ohatran’izao no filaza azy : eo amin’izay tsy ahafahan’ny zava-boary manao ny asany intsony no miseho ny hery sy ny voninahitry ny Mpahary. Ny rahona tsy mamoaka ny hazavana, fa ilay fahazavana no hita ao amin’ny rahona. Ny hafatra ho anao ary dia hoe : aoka ho an’ny Mpahary ny voninahitra sy ny hery, fa tsy ho an’ny zava-boary.

Ny zavatra voalohany hitantsika teo, dia ny hoe : raha ho avy ny Tompo, dia ho avy amin’ny heriny sy ny voninahiny Izy, ho feheziny ny zava-boariny. Ary ny faharoa, dia hoe : ho hita eny amin’ny rahona ny Zanak’olona : Aoka ho Azy ny hery sy ny voninahitra.

  1. Ny zavatra fahatelo eto am-pamaranana izao hafatra izao, dia hoe : FIHAONAM-BEN’NY OLOM-BOAFIDY ENY AMIN’NY RAHONA AMIN’IO FOTOANA IO

Sarihako kely ny sain’ny Sampati, ary te hitodika amin’ny Sampati manokana ity hafatra farany ity. Hoe : eny amin’ny rahona isika no hilasy. Avy namonjy fihaonam-be tany Nosy be ny Sampati, lavitra izany. Fa matoa vita izany, dia voaomana tsara izany amin’ny lafiny rehetra. Mahafinaritra izany hoe any Nosy be izany no hamonjy fihaonam-be. Ary inona koa no zavatra mahafinaritra rehefa tonga amin’ireny fihaonam-be ireny ? Mifanatri-tava amin’ireo namana sy mpanompon’Andriamanitra ela tsy nifankahita tava, hoe ireny, ireny ny zanak’Andriamanitra toa ahy tafahoana indray ; izay no maha fihaonam-be azy. Ary izay no maha-zava-dehibe ny fihaonam-be, mitondra fampaherezana manokana ho an’ny tsirairay ny fihaonam-be. Fa eto tena misy fihaonam-be tena manokana, ary fihaonam-be izay lafatra indrindra. Izay no horesahintsika eto, hoe fihaonam-ben’ny olom-boafidy eny amin’ny rahona, amin’ilay fotoana hiverenan’i Jesoa Kristy. Andeha anie vakiantsika ny and.27 amin’io Marka io : « Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra ». Dia andeha ho ampiantsika ny fanazavana any amin’ny 1 Tesaloniana 4 : 15-17 : « Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika ». Raha mbola fotoana ahavelomantsika izany fotoana izany ka efa manana finoana isika, dia hoe : ho hakarina eny amin’ny habakabaka, eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka. Ny olom-boafidy lazain’ny Soratra Masina eto, dia ny olona nanaiky an’i Jesoa ho Tompo, ary ho hita eny amin’ny firenena rehetra ireo olona ireo. Izay ny olom-boafidy. Misy mpandinika Soratra Masina miteny fa raha miray feo ka manaiky an’i Jesoa, ilay Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka ny olombelona rehetra, doa ho toy ny trompetra, ilay voalaza teo izany, ho toy ny trompetra tsofina izay fotoana izay, ka amin’iny fotoana iny no hihavian’i Jesoa Kristy eny amin’ny rahon’ny lanitra. Raha ny olombelona rehetra no miray feo, miray fo hanaiky an’i Jesoa ho Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka, dia ho toy ny trompetra maneno izay, ka amin’iny fotoana iny no hihavian’ilay Zanak’Andriamanitra. Kanefa dia ho sarotra ny hino an’izany hoe : « ny olombelona rehetra no hanaiky an’i Jesoa Kristy ilay Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka ». Fa ianao aloa izao no eto anatrehan’ny tenin’Andriamanitra : manasa anao hamonjy an’izany fihaonam-be eny amin’ny rahon’ny lanitra izany : ny maty ao amin’ny Tompo hitsangana, ary ny velona ka mino Azy amin’io fotoana io dia hiara-hiakatra eny amin’ny rahona ; eny ilay fihaonam-be. Ka raha mino ianao sy ilay havanao efa lasa nodimandry, dia hihaona eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo.

Vonona ny hilasy eny amin’ny rahona ve ianao ry Sampati ?  Izany no hafatry ny Tompo. Vonona ve ianao handeha hilasy, eny amin’ny rahona no toerana ? Ny fiomananao voalohany dia izao : tsy maintsy an’i Jesoa ho Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka ho Tomponao ianao. Izay no fiomananao voalohany, manaraka ny zavatra rehetra ao aorian’izay. Tsy maintsy manaiky an’izay ianao. Fa mandra-pahatongan’ilay fotoana, raha hoe haniraka ny anjeliny Izy hanangona ny olom-boafidiny rehetra, raha efa nanaiky an’i Jesoa Kristy Tompon’ny tompo ho Tomponao manokana ianao, meteza ho anjely irak’Andriamanitra hanangona ny olom-boafidiny rehetra amin’ny alalan’ny fitoriana filazantsara araka ilay hiran’ny Sampati tany am-piandohana teo. Efa maneho fahavononana ianao hoe hitory an’izany filazantsara izany, ka hoe ny ainao no fetra amin’izany fanompoana efa nekenao teo anatrehan’Andriamanitra izany.

Ry havana, manasa anao ary ny Soratra Masina hanatrika an’io fihaonam-ben’ny olom-boafidy io. Miomàna ianao ary mivonona amin’io fihaonam-ben’ny olom-boafidy io. Raha mahatsiaro reraka ianao, na mangozohozo malemy ny lohalikao, manana teny ampaherezina anao ny Tompo handehananao hamonjy an’izany fihaonam-be izany. Sady koa, Sampati ianao, dia izao, hoe : tsy resaka teknika fotsiny no fiainana ao amin’ny Sampati, fa tena hoe fifampaherezana, mifampitantana ho any amin’izany fihaonam-be izany.

Hamaranantsika azy dia hifampaherezantsika, isika rehetra no hifampahery amin’ilay Isaia 35 :3-4. Raha misy Fiangonana malaina izy hamonjy an’izany fihaonam-be eny amin’ny rahona izany, omeo an’io teny io izy, omeo an’ity teny ity izy : « Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy. Lazao amin'izay reraka am-po:Mahereza, aza matahotra, indro,Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny,Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo ». Izany no fampaherezana teneno amin’ny Sampati namanao. Izany koa no fampaherezana ahafahantsika Fiangonana mifampahery indray, fa iomanantsika izany hoe fihaonam-be eny amin’ny rahona izany, hitsena an’ilay fihavian’i Jesoa Kristy. Ho Azy ihany koa ny voninahitra. Amena.

ALAHADY 10 NOV 2019

Jaona 14:1-7:"Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.  Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako. Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? Hoy Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy".

Lohahevitry ny volana : HO AVY AMIN’NY HERINY NY TOMPO.

Itony lohahevitra itony moa ry havana amin’ny ankapobeany, dia olona manam-pahaizana manokana momba ny Soratra Masina, na teolojiana no namolavola azy. Noho izany dia mety diso ihany indraindray ny fandraisan’ny olona azy, hoe : Ho avy amin’ny heriny ny Tompo. Dia rehefa hoe ho avy amin’ny heriny ny Tompo, dia ny ao anatin’ny fisainan’ny olona matetika dia hoe : izany ho avy izany dia mbola tsy tonga. Fa amin’ny Soratra Masina irery ihany no hananantsika an’izany hoe : efa tonga, sady mbola andrasana. Izay no ampatsiahivina rehefa mitory an’ity lohahevitra ity. Ny akaiky indrindra azy izany dia ilay fiarahabana ara-pombam-piangonana izay nataon’ny ray aman-dreny Mpitandrina teon ary tokony atao. Hoe : miarahaba anao Pasteur tonga soa aman-tsara eto amin’ny Fiangonanay. Fa raha ny marina, efa nifampiarahaba tatsy izahay. Izay izany ilay izy an ! Dia tsy hoe tsy mety akory ilay nataony, fa tena mety ilay nataony ary tokony atao. Fa ilay fiarahabana tatsy amin’ny trano fisainana dia fiarahabana amin’ny maha-samy olombelona ; fa ilay fiarahabana nataony teto am-piangonana kosa, iny no antsoina hoe fiarahabana amin’ny fombam-piangonana. Dia rehefa miteny izany isika hoe ho avy amin’ny heriny ny Tompo, dia tsy hoe tsy ao Izy akory ; fa efa miaraka amintsika eto Jesoa Kristy ; Izay no mahatonga hoe afaka mandroaka devoly isika dia mivoaka ny devoly, mitondra am-bavaka isika dia mahazo valim-bavaka. Fa ilay fihavian’ny Tompo amin’ny heriny dia ilay fihaviany ho hitan’ny olona rehetra, ho hitan’izao tontolo izao, ary ho hita na eto Madagasikara, na any Inde, na any Chine, na any Etats-Unis, na any Afrika, amin’ny segondra izay ipoitran’ny Tompo, dia miara-mahita izao tontolo izao. Izay izany ilay hoe : ho avy amin’ny heriny ny Tompo.

  1. REHEFA HO AVY AMIN’NY HERINY NY TOMPO, DIA HO AVY IZY HIZARA SEZA HO AN’NY MPOMBA AZY

Hitantsika izany ry havana eo amin’ny and.1-3. Izao indrindra no voalazan’ny Soratra Masina hoe : « Aza malahelo ny fonareo… Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho… dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa ». Tsy amin’ny resaka politika ihany izany no misy fizaràna seza ; fa amin’ny fanarahana an’Andriamanitra ihany koa dia misy fizaràna seza rehefa tonga amin’ny fiandrianany, rehefa tonga amin’ny heriny Jesoa Kristy Tompo. Tsy hoe tonga Izy dia matiantoka ny mpomba Azy, tsy hoe tonga Izy dia mitovy amin’ny olona rehetra ny mpomba Azy. Fa ny olona izay mino an’i Jesoa Kristy Tompo, dia hahazo ny seza sahaza azy, amin’ny vanim-potoana izay hiverenany. Ny olona izay mino an’i Jesoa Kristy Tompo, dia hisy seza tsara tsara lavitra omen’ny Tompo azy. Ny Tompo tsy nanome toky an, izany mantsy ilay foto-pisainana diso ho an’ny olona izay tsy nandala loatra ny Soratra Masina, hoe : reehfa maty re dia mankany amin’ny paradisa foana e : na nangalatra ianao, na nanolana ianao, na namono olona ianao, rehefa tsy mibebaka ianao dia mankany amin’ny paradisa foana rehefa maty. Ary izany anie ny fisainan’ny malagasy hoe rehefa maty ratompokolahy na ratompokovavy dia : « tahio izahay ratompokolahy ô, tahio izahay ratompokovavy ô », satria izy heverina fa mankany amin’ny paradisa foana. Fa ahitsin’ny tenin’Andriamanitra eto ry havana ô : fa rehefa hiverina amin’ny heriny ny Tompo, dia izay mpomba, mpino Azy ihany, izay no mahazo seza, izay no mahazo fiainana mandrakizay. Fa tsy ny olona rehetra akory. Ary dia manamafy an’izany ny 2 Petera 3 teo : rehefa tonga hoy izy ny fotoanan’ny Tompo, izay tsy fantatra io, dia manantena lanitra vaovao isika ; izay ilay voalaza any amin’ny and.13 izay namaranana ny perikopa teo. Lanitra vaovao ipetrahan’izay mino an’i Jesoa Kristy Tompo. Dia itony raha jerena maimaika, ohatrany hafahafa be an : indray andro toy ny arivo taona. Fa tena marina ara-bakiteny izany amin’ny Tompo. Ary na ho an’ny olona tia manao fizika ary an, dia tena marina izany. Raha ohatra ianao izany vao manombonomboka mianatra, hatrany amin’ny Terminale no midina, dia ny fizika niaingan’i Newton no tena malaza, hoe rehefa 1 segondra dia 1 segondra ; fa rehefa miakatra ambonimbony ianao amin’ny fianarana, dia any ianao no mianatra hoe hay samy manana ny 1 segondra-ny. Ny 1 segondran’ny olona tsotra, mety 5 segondra na 10 segondra raha mandeha mafy be. Izay izany raha fintinina vetivety fotsiny ny physique quantique. Dia na amin’ny mpanao science ary izany dia marina izany, hoe ny indray andro amin’ny sasany, arivo taona amin’ny sasany. Ary na dia amin’ny lafiny science aza dia marina izany hoe ho potika ny tany, ho potika izao tontolo izao. Efa miha-mandeha mora, miha-mandeha mora ny tany : ny masoandro, ho an’ny mpanao kajy izany, fa tsy ny tenin’Andriamanitra, afaka 6 tapitrisa taona, afaka 6 lavitrisa taona dia tsy hisy intsony ; na amin’ny kajy matematika ary izany marina. Fa indrindra indrindra ry havana ho an’ny olona mino, manantena ny fiverenan’ny Tompo, dia io fotsiny hoe : izay momba Azy dia ho zarainy seza. Izay momba Azy dia handova fiainana mandrakizay.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, voalaza ao amin’ilay mofon’aina teo, fa nisy tany amin’ny Fjkm anankiray indray, ny maha-samihafa azy, izy no menatra. Ny tao anatin’ilay tantara teo izao, tsy menatra ilay hoe nametraka tenin’Andriamanitra izy tao amin’ny toeram-piasany, dia notenenin’ilay mpivarotra teo akaikiny dia tsy notsoahiny ny azy ; fa ny an’ilay mpiangona Fjkm izay :nasiany tenin’Andriamanitra tsara be izay tao, « minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonaano ». Dia nitenennan’ilay anankiray mihitsy : fa izy ity ve Fiangonana e ? Maninona tsy tsoahina teo io tenin’Andriamanitra io fa mahamenatra olona ? Izaho niteny taminy hoe aza tsoahina ; hoy ny tenin’Andriamanitra hoe izay menatra Ahy eo anatrehan’ny olona dia ho menatra azy koa ny anjelin’Andriamanitra rehefa miverina aminy. Fa ny namany hafa niteny hoe tsoahy fa ianareo ve Fiangonana e ! dia notsoahina tao ilay tenin’Andriamanitra. Fa inona no nitranga hoy ianareo ? Volana vitsivitsy tsy ela akory taorian’izay, nisy zavatra tsisy dikany kely, tsisy dikany ary tena tsisy hidiran’ilay fivarotana, tonga ny vahoaka be dia be naheno tsaho hoe misy an’izao hono e, misy an’izao, tonga ny vahoaka handoro an’ilay trano fivarotana. Voatery niantso gendarme, voatery niantso police niaro azy teo. « Fa inona no nahatonga an’iny ? ». Ianao hoy aho efa tenenina hoe aza halana ilay tenin’Andriamanitra ; izao nodoran’ny olona ny toeram-piasanao ; mandehana ianao mibebaka. Dia nibebaka izy dia naverina ngeza be indray ilay tenin’Andriamanitra ? Dia nisy olona nieritreritra hirotaka handoro azy intsony.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo : HIVERINA AMIN’NY HERINY NY TOMPO. AZONAO ANTOKA VE FA HANANA SEZA IANAO AMIN’IZANY VANIM-POTOANA IZANY?

Ary raha miresaka fampielezan-kevitra isika izao : izay mpanohana ny candidat anankiray, manantena hahazo toerana. Dia ohatran’izany koa ny Tompo, araka ny Salamo teo : izay mihoby an’i Jehovah, izay no manana toerana tsara. Izay mihoby an’i Jehovah, izay no manana fiainana mandrakizay.

Fa tsy vitan’ny hoe manomana seza ho an’ny mpomba Azy ihany ny Tompo rehefa miverina amin’ny heriny.

  1. REHEFA HIVERINA AMIN’NY HERINY NY TOMPO DIA HAMPISEHO NY MARINA REHETRA  

Hoy ny and.4-6: « Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako. Hoy Tomasy taminy:Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? Hoy Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako ».

Misy marina be dia be tsy fantatry ny olona an. Fa rehefa tonga amin’ny heriny ilay Jesoa Kristy Tompo, dia ho fantatra hatramin’ny antsipirihany io ry havana ô. Izany hoe ny mizara seza sy ny mahafantatra ny marina, tsy voatery ho miaraka izany eto ambonin’ny tany an :rehefa tonga ny olona iray, mahazo toerana izy dia zarainy ny seza : atao directeur i anona, i anona atao minisitra, i anona atao anona… dia indrindray tsy fantatra intsony ilay marina. « Nankaiza ioay vola teo ? ». « Aza miresaka an’izany intsony fa efa antsika izao ny fahefana ». « Ary nankaiza ny vola… ? ». « Aza miteny an’izany intsony fa ianao izao efa voatendry directeur ». « Ary ilay anona ? ». « Tsy miresaka an’izany ianao fa antsika izao ny fahefana ».

Fa ny an’ny Tompo tsy vita eo amin’ny fizaràna seza, fa famoahana ny marina amin’ny antsipirihany rehefa tafaverina amin’ny heriny sy ny fahefany ny Tompo. Ary amin’izay fotoana izay ry havana, Jesoa Kristy Tompo hitsara ny tsirairay araka ny nataony. Ary izay no hitantsika ao amin’ny Salamo 98 :9 : « Hitsara izao rehetra izao amin'ny fahamarinana Izy ». Na eto Masagasikara na any Arabie Saoudite, na any Chine ; na iza dia ho tsaraina amin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Fa tsy hoe : ny an-dry zareo retsy araka ny coran no hitsaràna azy, iretsy kosa araka ny veda, boky hindou no hitsarana azy. Tsy izany io, fa ho tsaraina ny tsirairay araka ny nataony. MARINA SA TSY MARINA NY NATAONAO ?

Ary na dia ny teknolojia vaovao amin’izao fotoana ary ry havana dia efa ahafahana manao an’izany. Taloha ny olona rehefa mandeha, dia afaka mandainga : « aiza ianao izao ? ». « Mbola tany Alanakely aho ». Hay izy olona tany Isotry Fitiavana. Fa amin’izao fotoana, rehefa miaraka amin’ny téléphone-nao sy ny finday ianao, jerena fotsiny dia hita hoe ary an’anona izy dia avy eo nifindra ary an’anona dia avy eo nankary an’anona, dia tetsy an’anona, dia tetsy, dia tery ny nalehany. Hita ny tsirairay avy amin’izay toerana nalehany amin’ny teknolojia 2019. Taloha ianao raha mijerijery zavatra amin’ny télé, na mihaino zavatra amin’ny radio an, tsy misy mahalala mihitsy hoe inona ny zavatra nojerenao tao amin’ny télé tao, inona no nataonao tao amin’ny ordinateur tao ; fa izao, kitihina indray mandeha dia hita daholo : tamin’izao izy an, ity no nojereny tao amin’ny Facebook, tamin’izao izy an, izao no noteneniny, tamin’izao izy an, ity no navoakany tao. Mivoaka hatramin’ny antsipirihany io ry havana ô, na amin’ny teknolijia fotsiny aza. Vao maika moa eo anatrehan’i Jesoa Kristy Tompo : ho hita amin’izay ny marina eo anatrehan’ny Tompo. Ary rehefa mipoitra izay marina izay, tsy azonao ialana intsony. Izao ianao mbola « afaka ». Miaraka kely amin’ny vadin’olona. « Ary maninona aty ianareo ? ». « An an an, izahay anie tsy naninona niaraka tany e ». Fa ho avoakan’ny Tompo io, ary ho tratra io. « Fa iza marina no mangalatra ilay zavatra teto e ? ». « An an an, tena tsy fantatro an ». Fa ho avoakan’ny Tompo io, hatramin’ny antsipirihany.

Ry havako malala ao amin’ny Tompo, Andriamanitra tsy marina Andriamanitra raha misy manao fahotana kanefa tsy mibebaka ka tsy mandray ny valin-keloka-ny. Andriamanitra tsy marina Andriamanitra raha izany. Fa ny Andriamanitsika dia Andriamanitra marina, mamaly ny olona rehetra araka ny fahamarinany. Andriamanitra tsy azo vazovaziana. Manome fotoana ny olona hibebahana Izy ; fa mbola hizara ny valin’asany ihany koa ho an’ny tsirairay avy.

Alahadin’ny fitantanana ny fananana amin’ity anio ity ry havana. Betsaka, manomboka any amin’ny fananan’ny sampana. Variana mihitsy aho tany amin’ny Fiangonana anankiray : nisy fotoana hono tompoko tamin’ny faha-10 taonan’ny tanora kristiana dia nanolotra clavier tsara tarehy ho fiderana ny Tompo ato am-piangonana. « Dia nankaiza ilay izy izao ? ». « Efa tsy hita ny nalehany ». Clavier ngeza be ve dia tsy ho hita ny nalehany : misy olona tsy marina tany. « Hatraiza ny faritry ny Fiangonana ? ». « Inty tompoko ny habeany, hatreto ny tanimbolintsika, hatreto ny tanimbarintsika ». « Ary toa nisy namboly tery amin’ny sisiny tery ? ». Misy olona tsy marina tany.

AMIN’NY LAFIM-PIAINANAO REHETRA RY HAVANA MALALA AO AMIN’NY TOMPO O, MARINA IANAO SA TSY MARINA EO ANATREHAN’NY TOMPO ? Fa rehefa hiverina amin’ny heriny ny Tompo, hitsara ny tsirairay amin’ny fahamarinana. Ary dia isika rehetra izao ry havana, tena ho marina eo anatrehan’ny Tompo. Ho avy indray ny match-ny Barea, mahafinaritra. Fa nanahirana kely tamin’ny farany teo : tonga ny Barea, Sabotsy hariva zareo ilay niverina iny, alina be vao tafaverina ; nitoriteny tao amin’ny Fiangonana iray aho ny ampitson’iny : nihena 500 ny mpiangona tompoko. Tena izany an : nihena 500 ny mpiangona vokatry ny fahatongavan’ny Barea. Fa isika afaka mijery baolina, afaka mitsena an’ireny ; fa mba ho marina eo anatrehan’Andriamanitra ianao dia mandeha mivavaka ianao ny ampitson’iny. Izay ny fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra. Handeha ny asa sy fampaherezana rehefa avy eo, hanampy antsika amin’ny fahitana ny marina koa ny fametrahan-tanana sy ny fampaherezana.

Ry havako malala ao amin’ny Tompo, amin’ity anio ity ary : hiverina amin’ny heriny, ho avy amin’ny heriny ny Tomponao ary dia hizara seza ho an’izay mpomba Azy tokoa Izy, ary hampiseho ny fahamarinana amin’ny fiainan’ny olona tsirairay avy. Ho Azy irery ihany ny voninahitra. Amena.

ALAHADY 03 NOV 2019

Hebreo 10 :35-36 ; 39 : « Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andriamanitra. Fa isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy ».

Ry havana ô, rehefa miteny ny Soratra Masina amintsika Fiangonana vory eto amin’izao maraina izao, dia manambara izy fa misokajy anankiroa isika Fiangonana. Ny sokajy anankiray, dia ireo izay hoe : mihemotra ho any amin’ny fahaverezana. Misy olona ato izany izao, kristiana izy, vita batisa izy, mpandray mihitsy izy angamba, fa lazaina hoe : amin’izao fotoana izao, mihemotra ho amin’ny fahaverezana. Ary ny sokajy anankiray indray, dia hoe : olona mino ho amin’ny famonjena ny Fanahy.

Ity epistily ho an’ny Hebreo ity dia ho an’ny Fiangonana hebreo satria hoe jiosy fiaviana ilay kristiana, izany no anaovana azy ho Hebreo. Ny hanamarihina an’izany, dia hoe kristiana, Fiangonana ry havana no iresahin’ny Apostoly eto, fa tsy jentilisa tsy mino an’Andriamanitra. Dia ato amintsika Fiangonana dia lazaina hoe misy sokajy anankiroa : eo izay hoe an-dalana ho any amin’ny fahaverezana ; amin’ny teny frantsay ilay fahaverezana : « ruine », « ruine spirituelle », « mort spirituelle ». Tsy misy olombelona izany, raha amin’ny fahavelomany eto an-tany, dia ho tratran’izany « ruine » izany. Fa misy amin’ny ara-panahy, olona mihemotra mankany amin’izany « ruine » izany ankehitriny. Dia misy olona kosa, ao anatin’ny finoana marina, ao anatin’ny finoana velona, ka miroso ho amin’ny famonjena tanteraka ry havana ô. Iza amin’ireo ianao ? Ilay fanontaniana izany dia izao, raha tsorina, dia hoe : MANAO AHOANA NY TOETRANAO ?

Rehefa avy eo, rehefa tafavory any an-trano ianareo, tafaresaka amin’ny namana, ka anontaniana ianareo hoe : ianao angaha niangona tao Isotry Fitiavana taninkeo maraina, dia inona kay ny toriteny tao ? Dia lazao tsotra hoe : MANAO AHOANA NY TOETRANAO ? Izany ny resaka tao hoe : MANAO AHOANA NY TOETRANAO ?
Ny dikan’izany hoe : MANAO AHOANA NY TOETRANAO ? izany, dia hoe : TOETRA-NA MINO HO VOAVONJY VE, SA TOETRA-NA OLONA IZAY HOE MANANA TITRE KRISTIANA NEFA HO VERY ANY AMIN’NY FAHAVEREZANA ? MANAO AHOANA NY TOETRANAO ?

Misy fahamarinana 3 ry havana averin’ny Tompo amintsika ahazoantsika mandinin-tena marina hoe : manao ahoana ny toetrantsika e ? Ary raha toetra tsara, dia mahafaly an’Andriamanitra ; raha toetra ratsy dia tena hoe mahatezitra Azy, ary vao maika mahatonga Azy hiteny hoe : an an an, ianao dia alefako any amin’ny « ruine éternelle ». Andeha anie ho anareo izay manana Baiboly, vakiantsika ny Hebreo 10 :19-21, mijery ny contexte isika : « Koa amin’ izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ ny fitoerana masina isika noho ny ran’ i Jesosy, amin’ izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin’ ny efitra lamba, dia ny nofony, sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’ Andriamanitra ». Sarotsarotra hoy aho ilay Hebreo, fa izao ny fahamarinana 1 :
Fahamarinana 1 : MANANA TOETRA TIAN’ANDRIAMANITRA IANAO, RAHA FANTATRAO JESOA FA MPISORONABE
Tao amin’ny fivavahana jiosy ry havana, tao ain’ny firafitry ny tempoly, plan-ny tempoly, dia misy toerana anankiray izay antsoina hoe: « ny masina indrindra », « le saint des saints » ; ary ao amin’io toerana masina indrindra io no hoe fitoeran’i Jehovah Andriamanitra. Ary tao amin’ny fivavahana jiosy, tsy misy afa-tsy ny mpisoronabe irery no afaka miditra ao amin’io masina indrindra misy an’Andriamanitra io. Ary ny mpisoronabe mahazo alalana hiditra ao, indray mandeha isa-taona.
Fa ny ampianarin’ny Soratra Masina antsika ry havana, dia Jesosy Krisy no tena mpisoronabe, ary ny rà nalatsany teo amin’ny hazo fijaliana io nofony nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana io, io no nahatonga an’ilay efitra lamba, ilay rideau ngeza be manakana an’ilay fidirana ao amin’ny fitoerana masina indrindra ho triatra. Manambara io rideau ngeza be triatra io, fa hoe : isika izay mino an’i Jesoa ho mpisoronabe, dia manana accès amin’Andriamanitra. Taloha tsisy nanana accès amin’Andriamanitra izany. Afaka manatona an’Andriamanitra noho i Jesoa Kristy mpisoronabe ry havana. Ary manatona an’Andriamanitra, tsy hoe mitoetra eo amin’ny fanatrehany fotsiny, zava-dehibe anie izany e, izany anie no maha-matimaty ny finoantsika e, tsy mitoetra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra isika ry havana ; fa afaka manatona an’Andriamanitra, mitoetra eo amin’ny fanatrehany, ary eo isika no manarina, tsy miantso Azy hoe : Jehovah fotsiny isika, fa miantsoa Azy hoe : Jehovah Ray malala.
Nahafinaritra ry havana ny teny-na mpitoriteny izay, ho an’ny olona izay mino an’i Jesosy Kristy ho mpisoronabe, dia manatona an’Andriamanitra, mahatsiaro tena ho zanaka, ary manana « intimité filiale ». Rehefa tena mety ry havana ny fifandraisan’ny zanaka amin’ny rainy, na ny fifandraisan’ny ray amin’ny zanaka, dia ao izay intimité izay, ao izay fifankatiavana lalina izay, ao izay complicité izay, ao izay maha-mpinamana izay, sy ny tahak’izany, tena hoe akaiky e. Ao ilay intimité e. Ary ohatran’izany, fa maro ry havana ny olona mahay tsianjery ny « Rainay izay any an-danitra » hatramin’ny farany, fa tsy manana an’izay « intimité filiale » izay.
Ny hafatry ny Tompo voalohany ho anao ry havana izay te hanana toetra ankasitrahany, dia hoe : Fantaro fa mpisoronabe Jesosy, ary te hiditra an-tsehatra eo amin’ny fiainanao Izy. Sokafy midanadana ho azy ny fonao amin’izao maraina izao, avelao Izy hanjaka tanteraka ao am-ponao, avelao Izy handray an-tanana ny manontolonao ; ary rehefa raisiny an-tanana ny manontolonao, ampidirinao ao am-ponao Izy, ny fiainan’i Jesoa mihitsy no raisinao ry havana ô. Ary eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra ianao, ary mahatsiaro hoe tiana ianao, malalan’Andriamanitra ianao, be voninahitra ianao. Feno fifaliana ianao ary tena hoe courage ianao hiatrika ny fiainanao : ny fiainam-pinoana sy ny fiainana tsotra amin’ny maha-olombelona.
Manontany tena isika hoe : ankasitrahan’Andriamanitra ve ny toetrako ? Ankasitrahany ny toetrako raha ohatra aho ka mahafantatra an’i Jesoa ho mpisoronabe.
Hoy ny and.35 : « Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe ». Ilay olona voalohany teo izany, ilay hoy isika, miala tsiny amin’ilay teny frantsay, hoe manana « intimité filiale » amin’i Jehovah Andriamanitra, dia tenenina indray hoe : aza manary ny fahasahianao, olona sahy.

Fahamarinana 2 : MANANA TOETRA ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA IANAO, RAHA MANANA TOETRA SAHY, TSY MANARY FAHASAHIANA
Manana toetra sahy noho izay « intimité filiale » izay, ary koa noho ny Fanahy Masina izay nampitaovan’Andriamanitra azy ry havana ô. Manana fahasahiana, manana fahasahiana.
Misy ohatr’izany fahasahiana izany ao amin’ny Testamenta Vaovao, jerentsika ny Asan’ny Apostoly 4 : olona feno ny Fanahy Masina, Apostoly, rahonan’ny Sinedriona, rahonan’ny mpitondra ara-pivavahana, izany Sinedriona izany e, tsy hitory momba an’i Jesoa, tsy hampianatra momba an’i Jesoa ; Asan’ny Apostoly 4 :18-19 : « Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin’ ny anaran’ i Jesosy intsony. Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason’ Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra ». Izay ilay fahasahiana ry havana ô. Izay ilay fahsahiana : misy olona hoe mandrahona anao, misy olona mitady hampanao anao ny tsy rariny, mifanohitra amin’ny tenin’Andriamanitra : tsaraonareo e, raha marina eo anatrehan’Andriamanitra, raha manaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. Tsy mety izany, tsy mety izany. Izay ilay fahasahiana ry havana ô, nananan’ ireto Apostoly ireto. Ary izay ilay fahasahiana andrasan’ny Raintsika izay noresahina teo amintsika zanaka ry havana.
Asa moa ianareo katekomena « misaina ny lanitra » ireo izao, raha hanana an’izany fahasahiana izany. Asa, isika malagay tsy ilaozan’izay fianakaviana miteny hoe : « aza adino fa amin’ny… mandeha mamadika an’i dadabe sy nenibe an » : hanana fahasahiana ve ianareo ? Fa ny olona manana toetra tena ankasitrahan’Andriamanitra tsy mamadika sy mikasika faty maina izany. Hanana fahasahiana miteny an’izany ve ianao ? Hanana fahasahiana ve ianareo, rehefa hirahina hitondra ny tômôbile Dada, ny tômôbile Neny any amin’ny visite technique, dia hoe inty leity ilay valopy kely fa tsy maintsy mametraka kely rehefa any an ! Hanana fahasahiana ve ianareo katekomena ireo hiteny hoe : « Dada, Neny, izaho tsy te hanana toetra hampalahelo an’Andriamanitra ». Hanana an’izany fahasahiana izany ve ianareo e ? Izany ilay finoana iainana ry havana ô. Izany ilay finoana iainana ry zandry malala ô. Izany ilay finoan’ny olona mandova ny lanitra ka tsy manao compromis amin’ny fomban’izao tontolo izao.
Ny zanak’Andriamanitra : manana fahasahiana, ary dia tenenina hoe : « aza manary an’izany fahasahiana izany ianao» ; ilay fahasahiana vokatry ny Fanahy Masina, vokatry ny fitiavana ny Ray, sy fantatrao fa miandany aminao ny Rainao : aza ariana iny e ! Aza ariana iny e ! Izay ilay lazain’ny and.35 : aza manary ny fahasahiana. Ahoana moa izany olona manary ny fahasahiana izany ? Tsy ampoizina ilay izy hoe manary fahasahiana. Ilay fahasahiana io izany, ato am-poko hoe feno fahasahiana ato am-poko ato. Izay ilay izy. Ahoana no anariako an’io fahasahiana io ? Andeha aho haka ohatra hoe : mitàna zavatra aho dia feno zavatra anankiray ny tanako. Dia raikitra amin’ny fitazomana an’iny zavatra anankiray iny ny tanako. Iny izany ilay fahasahiana mameno ny tanako. Izaho izany normalement, rehefa fenon’ny fahasahiana aho, dia tsy afaka manao na inona na inona ny tanako. Fa inona ny zavatra mitranga ? Kitihan’ny devoly aho, dia manana faharetana ny devoly, dia fomba 3 ry havana no hikitihany an’ilay tanako, ahazoan’ilay tanako misokatra ; ary rehefa misokatra io tanako io, mihazona an’ilay fahasahiana, dia manary an’ilay fahasahiana aho.
Ahoana no ataon’ny devoly ry havana ?
- Voalohany dia voalohany indrindra : rehefa hoe manota aho, manota ianao, dia tena hoe manamari-tena ianao, miziriziry ianao, tsy laitra anarina ianao e. Izany hoe ao amin’ny fiainanao rehefa tontaliana, misy ota tsy ekenao, misy ota tsy voavela. Iny ianao ry havana ô, manome irika ny devoly amin’ilay tananao mihazona an’ilay fahasahiana ao amin’ny fonao, dia manala an’ilay fahasahiana ianao.
- Fomba ampiasain’ny devoly koa ry havana, zavatra tsara : misy olona tsy manam-potoana ho an’Andriamanitra noho ny zavatra tsara : asa, fianarana, adidy. « Tena tsy tafangona aho Pasitera fa izaho tsy maintsy mamita iraka ohatran’izao ». Zavatra tsara ilay izy, raha jerena, fa ilay izy avy amin’ny devoly, satria fantatry ny devoly tsara fa reehfa asisika ao am-ponao iny, dia misokatra ny fonao, misokatra ilay tananao, dia votsitra ilay fahasahiana ry havana.
- Ary ny fomba farany ampiasain’ny devoly ry havana dia hoe : eo anatrehan’ny fahoriana, fizahan-toetra, fahavalo manenjika, ary indraindray ny ankohonanao no fahavalonao voalohany, dia hoe mamboly fanahiana ny devoly ry havana. Mamboly fanahiana izy, mamboly tahotra izy, mamboly doute izy ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ny amin’ny fahefan’Andriamanitra, ny amin’ny herin’Andriamanitra hi-maitriser zavatra ; dia manary an’ilay fahasahiana ianao.
Ry Fiangonana malala ô, ianao izay hoe manana « intimité filiale », tena hoe zanak’Andriamanitra, aza manary an’izany fahasahiana izany, hoy ny Soratra Masina. Aza manary an’izany fahasahiana izany fa misy valisoa lehibe izany fahasahiana izany. Ny valisoa ety an-tany, dia fiadanana ao am-ponao, « la paix du cœur » ; ary valisoa lehibe, mbola ety an-tany ihany, fieritreretana tsy misy fiapangana, « conscience tranquille ». Valisoa lehibe izany. Ary ny amin’ny any an-danitra, azonao antoka tanteraka fa manana fiainana mandrakizay ianao, izay sitrahinao ao amin’ilay trano amboarin’i Jesosy ho anao amin’izao 03 Novembre 2019 izao, ary hakany anao rahatrizay vonona.
Miteny aminao ny Tompo hoe : aza manary ny fahasahiana, izay misy valisoa lehibe.
Ny toetra fahatelo farany dia eo amin’ny and. 36 : « Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andriamanitra ».
Ny toetra mahafinaritra an’Andriamanitra, ny toetra fahatelo, dia olona mpamita ny sitrapon’Andriamanitra

Fahamarinana 3 : NY TOETRA MAHAFINARITRA AN’ANDRIAMANITRA DIA NY OLONA MPAMITA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
Olona mpamita ny sitrapon’Andriamanitra. Ahoana moa izany olona manao ka mamita ny sitrapon’Andriamanitra izany ? Olona, mifoha maraina izy izao, dia satria ataony laharam-pahamehana Andriamanitra, ny zavatra ataony voalohany indrindra, dia ny mihaona amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vakiteny sy ny vavaka ry havana. Izany, izany ny olona hoe manome importance an’Andriamanitra. Dia ao amin’ilay vakiteny ao ianao, dia mamaky Baiboly eo ianao, dia tsy hoe aiza ny Mana isan’andro androany e, aiza ny Ilay voa tsara nafafy androany e, fa mangataka amin’ny Tompo ianao hoe : « omeo tari-dalana aho amin’ity journée-ko amin’ity 03 Novembre ity, Ray malala ô, ary ianao no efa mi-programmé ny journée-ko androany 03 Novembre ; isan’ora isan’ora, isa-minitra, efa voasoratrao ao amin’ny bokinao any an-danitra, ka omeo tari-dalana aho ahaizako mamaky an’izany tahaka ny zanaka ». Izay ilay izy ry havana. Dia mandeha ianao, mandeha mivoaka ny trano, dia eny am-pandehanana eny, eny ambony taxibe sy ny karazany eny ianao, mieritreritra ny journée-nao, manao fikasana ianao, tonga any am-piasana ianao, anya m-pianarana ianao, miantsena ianao, dia misy zavatra ataonao ; ny olona manao ny sitrapon’Andriamanitra ry havana ô, dia faran’izay tsotra : ny zavatra rehetra eritreretinao sy saininao, ny zavatra rehetra kasainao, ny zavatra rehetra tanterahinao ve dia araka ny sitrapon’Andriamanitra ? Araka ny sitrapon’Andriamanitra ve ? Ary izay no lasin-tsaina tokony hananantsika, izany fahazarana tsara volena. Ny Tompo tsy miteny aminao hoe masina ve ianao, mendrika ve ianao, sy ny karazany ? Fa hoe refesinao, ary mifaka amin’ny tenin’Andriamanitra ve, ahafantaranao ny sitrapon’Andriamanitra izay rehetra ataonao isan’andro, isan’ora, isa-minitra ? Izany ny toetra ankasitrahan’Andriamanitra, izany ny toetran’ny olona mino, ka hoe manantena ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay ry havana ô. Voleo izay, concrètement, voleo izay. Fa raha indray mandeha isaky ny Alahady ihany ianao no mitady ny sitrapon’Andriamanitra, hoe amin’ilay litorjia hoe hihaino ny sitrapon'Andriamanitra isika, atahorako izany ry havana, tsy toetran’ny olona hiditra any an-danitra izany.
Ary dia ianao io anie omena teny fampanantenana e, hoe rehefa vitanao hoy izy ny sitrapon’Andriamanitra, dia hoe hahazo ianao izay lazain’ny teny fikasana. Hahazo ianao, hahazo vaim-bavaka ianao. Ary izay no probleman’ny olona ry havana : mivavaka izy, fa tsy mahazo valim-bavaka, dia antony iray, tsy mamaky tenin’Andriamanitra aloa izy ; toy ny miteny ny Soratra Masina hoe: ianao anie raha hivavaka e, nefa tsy namaky tenin’Andriamanitra, mety tsy ankasitrahan’Andriamanitra ilay vavakao ry havana, satria tsy miorina amin’ny teniny, tsy miorina amin’ny sitrapony. Fa hoe : vitao ny sitrapon’Andriamanitra, dia andraso ny valim-bavaka. Andraso ny valim-bavaka, satri io teny omeny anao isan’andro io, ianareo indray ve no ampianarina an’izany, lazain’ny mpandinika hoe misy 365 promesses, misy teny fikasana 365 izany hoe 1 isan’andro raketin’ity Baiboly ity. Fa ianao tsy hahazo valim-bavaka amin’izany promesse izany ry havana ô, raha tsy hoe vitanao aloa ny sitrapon’Andriamanitra.
Vitao ny sitrapon’Andriamanitra, andraso ny valim-bavaka, ary hoy ny and.36 hoe andraso amin’ny faharetana. Andraso amin’ny faharetana izany valim-bavaka izany. Andraso amin’ny faharetana, izay no maha-sarotra kely azy ; andrasana amin’ny faharetana ilay izy ; tsy maintsy ho avy ilay izy, fa andrasana amin’ny faharetana satria Andriamanitra tsy miteny hoe hamaly anao Aho afaka 1minitra, hamaly anao Aho afaka adiny 1, hamaly anao Aho afaka 1 volana, hamaly anao Aho afaka herintaona. Efa am-polo taona maro Abrahama no niandry valim-bavaka ka nanan-janaka ; am-polo taona maro, 120 taona i Noa vaonahazo valim-bavaka, vao avy ny orana ; ary 120 taony izy niandry an’izay valim-bavaka izay nanamboarany ilay sambo fiara. Izay no itenenana hoe : mianara manana faharetana ry havana ô. Izay izany ilay toetra fahatelo, hoe : vitao ny sitrapon’Andriamanitra, mivavaha, dia miandrasa valim-bavaka mikasa izay teny fampanantenana omen’Andriamanitra anao manokana teo amin’izay fihaonanao taminy, ary andraso amin’ny faharetana izany fa tsy maintsy ho avy izany valim-bavaka izany.

Faranana ry havana izao teny izao, faranana izao teny izao : zavatra volamena izany mahafantatra hoe proposén’Andriamanitra anao ilay « intimité filiale » ; zavatra volamena izany hoe omena valisoa lehibe izany ianao ety an-tany, dia fiadanana ao am-po, eritreritra milamina, satria tsy manary fahasahiana ianao, manana faahsahiana ianao. Zava-dehibe izany hoe hahazo valim-bavaka izany ianao e, na ho ela na ho haingana e, satria mamita ny sitrapon’Andriamanitra. Fa izao : ianao, araka izay notenenina tany am-boalohany, nandray an’i Jesoa Kristy ho Mpisoronabe, ka nampandroso Azy tao amin’ny fonao, zaavtra iray no angatahina anao eto am-pamaranana : mahavara mivavaka, mahavara mivavaka. Andeha anie jerentsika ny Salamo 37 :5 ; 7a : « Ankino amin’ i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. Miantombena tsara miandry an’ i Jehovah hianao ka manantenà Azy ». Isika mianatra tenin’Andriamanitra, fa tsy ampy vavaka ry havana ô. Miteny aminao ny Tompo androany ary e : Ankino Aminy ny làlanao, ankino Aminy ny làlanao ; ankino Aminy ny làlanao rehetra, ny fikasanao rehetra, ankino Aminy. Izay no zavatra hanafarana antsika ; apetraho Aminy, recommandé-o Azy ; izay ilay teny frantsay. Ankino Aminy. Fa izao : ny fanakinana làlana amin’i Jehovah ry havana, Jehovah Ray, indray mandeha ihany no ataonao. Raha miteny ianao hoe : Jesoa a, ankiniko aminao io fanambadiako io fa ohatrany misy zavatra manahirana, efa nankininao izay ilay izy, une fois pour toute e. Fa raha rahampitso ianao mbola mivavaka hoe ankinoko io an, tsy tena mbola nanankina ianao izay, tsy mbola tena nanankina ianao izay. Fa ny olona tena manankina, eo amin’ilay and.7 hoe: « Miantombena tsara miandry ». Izay. Azonareo ve ilay izy ry havana ? Ankinina voalohany, ary ankinina indray mandeha ; ohatra aho izao androany 03 Novembre misy sujet mamesatra ahy : ankiniko Aminy androany 03 Novembre. Dia rahampitso 04 Novembre aho miantombona, miandry, dia manantena ; Talata aho miandry, Alarobia aho miandry ; araka ny teny teo : manana faharetana aho miandry.
Ry havana ô, ho tahin’ny Tompo izao teny izao hitondra vokatra eo aminareo izay mihaino Azy an-kitsim-po sy amin’ny finoana, hitondra fanovàna, ka hoe hanana toetra tena hahafaly an’Andriamanitra ianareo, ho fahasambaranareo sy ho voninahitr’Andriamanitra Raintsika. Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.

ALAHADY 27 OKT 2019

"Henoy izao teny izao, izay lazain’ i Jehovah ny aminareo, ry Zanak’ Isiraely, dia ny amin’ io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta io: Hianareo ihany no fantatro tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, koa noho izany dia hovaliako hianareo noho ny helokareo rehetra". Amosa 3:1-2