Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 09 FEB 2020

« Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany izay mahay mampandroso ». Asan’ny Apostoly 20 :32a

Raha amin’ny DIEM izy, dia izao no vakiny ry havana : « Ary ankehitriny dia ankiniko amin’Andriamanitra sy amin’ny teny mirakitra fahasoavana ianareo. Andriamanitra no mampahery anareo ».

Dia izany tenin’ny Apostoly Paoly ho an’ny loholona avy amin’ny Fiangonana tany Efesosy izany koa no entintsika mifampahery ry hava-malala. Izany teny izany dia ao anatin’ny anatra, resaka nifanaovan’ny Apostoly Paoly tamin’ireo loholona avy any Efesosy rehefa nampiantsoany izy ireo. Tsy hifankahita intsony amin’ireo loholona ireo mantsy i Paoly Apostoly satria handeha ho any Jerosalema izy. Koa dia mananatra, mampahery, manoro lalana an’ireto loholona ireto izy. Raha fintinina izany anatra nataon’ny Apostoly Paoly ho an’ny loholona tao amin’ny Fiangonana tao Efesosy izany, manomboka eo amin’ny and.17-38, dia raha tsorina dia tahak’izao : mitantara ny lasany aloa ny Apostoly Paoly tamin’ny asa nataony tany Asia, izany hoe tany amin’ny misy an’i Turquie iny. Avy eo izy, dia tantarainy indray ny ankehitrininy sy ny ho aviny, izany hoe ny fitoriany ny filazantsara, ny nanenjehan’ny jiosy azy sy ny ho avy rehetra, dia mitantara izy. Dia avy eo izy, dia mananatra an’ireto loholona avy any Efesosy ireto, mampitandrina azy, miambena ianareo fa tsy maintsy ho avy ny fahavalo, ny Fiangonana avy any ivelany ho ao aminareo. Ary tsy izany ihany, fa mety hisy ihany koa avy ao anatin’ny Fiangonana hanao fampianaran-diso mety hampisaraka ny Fiangonana, koa miambena ianareo. Rehefa avy niteny an’izany izy, ho fampaherezana an’ireto loholona ireto, dia niteny an’io izy : « Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany izay mahay mampandroso ». Rehefa avy niteny an’izany moa izy dia faranany amin’ny fanomezana ohatra ny amin’ny fifankatiavana sy ny fanohanana eo anivon’ny Fiangonana izany.

« Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany izay mahay mampandroso ». Izay azontsika hananganana lohahevitra hoe : NY FANANKINANA NY FIANGONANA AMIN’NY TENIN’NY FAHASOAVANA.

Maninona no ankinin’i Paoly Apostoly ny Fiangonana ao Efesosy amin’izany hoe tenin’ny fahasoavana izany ? Satria io no mahatoky, io no azo antoka, ary raha nitory an’io Paoly dia tamin’ny ranomaso izy no nitory an’io ry hava-malala, nitalaho izy nitory an’io tamin’ny Fiangonana tany Efesosy ry havana malala. Ary rehefa nahare hoe iry, iry no misolo ahy, ny azy dia hoe : apetrako amin’Andriamanitra sy amin’ny tenin’ny fahasoavana ianareo. Fa inona izany tenin’ny fahasoavana izany ? Ny tenin’ny fahasoavana eo amin’ny and. 24 ry havana dia antsoin’i Paoly Apostoly hoe ny filazantsaran’ny fahasoavana. Ary ny fitoriana an’izany filazantsaran’ny fahasoavana izany no fanompoana ambaran’i Paoly fa fanompoana noraisina avy amin’i Jesoa Kristy. Ary rehefa mitory an’izany izy, voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 14 :3, fa rehefa mitory an’izany amin’ny finoana sy amin’ny fahatokiana izy, dia misy famantarana hampanarahin’Andriamanitra azy mandrakariva, misy zavatra mahagaga hatrany hampahafantarin’Andriamanitra azy mandrakariva ho an’ny olona. Ka rehefa mihaino an’izany ny olona dia gaga, talanjona tahaka ny voateny tao amin’ny novakiantsika tao amin’i Matio 7 teo : rehefa nihaino ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Ka rehefa vitan’i Jesoa Kristy izany teny teny izany, dia talanjona ny mpianatra noho ny fampiarany satria manana fahefana Izy fa tsy tahaka ny mpabora-dalàna teo amin’ny jiosy izany. Ry havana malala ao amin’ny Tompo, izany no nametrahan’i Paoly Apostoly ny Fiangonana sy nananarany ny Fiangonana rehefa hifandao aminy izy, izany tenin’ny fahasoavana izay mampandroso izany. Ao amin’ny DIEM izy dia hoe tenin’ny fahasoavana izay mampahery. Izany ry hava-malala : mampandroso ry hava-malala, mampahery ny tenin’ny fahasoavana satria raha nanoloana ireo fahavaloben’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany ny jiosy, ny jiosy tsy nanaiky an’i Jesoa Kristy, tsy nanaiky an’i Jesoa ho Mesia, ary manenjika. Ary tsaroantsika fa i Paoly Apostoly koa dia mpampianatra tany amin’ny jiosy taloha, kanefa noho ny asan’Andriamanitra mahagaga, lasa izy indray no mitory ny amin’i Jesoa Kristy. Izany ilay zavatra mahagaga tsy takatry ny saina, izay ilay asan’Andriamanitra izay ampoizinao izany ry hava-malala. Dia izay zavatra izay, izay tenin’ny fahasoavana izay ry hava-malala no notenenin’i Paoly fa ho ametrahany ny Fiangonana ao Efesosy. Satria ny tenin’ny fahasoavana io ihany ry havana no ahafahany mifanatrika amin’ireo olona amin’ireo fampianaran-diso : na fampianaran-diso avy ao anatin’ny Fiangonana, na avy any ivelany ka entina ao amin’ny Fiangonana ka mampisaratsaraka ny Fiangonana, satria ny tenin’ny fahasoavana dia manome hery. Izany no mahatonga an’i Jesoa Kristy niteny tao amin’i Matio, fa raha io tenin’ny fahasoavana io no ankatoavina, ry havana malala, dia tsy hisy hahahozongozona Fiangonana izany ry havana malala. Fa mijoro izy na inona na inona rivo-doza mankeo, na inona na inona loza miseho eo, hain’Andriamanitra ny miaro ny Fiangonana, rehefa ny tenin’ny fahasoavana no ifikirana, satria ny tenin’ny fahasoavana dia vatolampy iorenan’ny Fiangonana. Tao amin’io Fiangonana io ry havana malala, na inona na inona zavatra manahirana ao, dia mampahery ny tenin’ny fahasoavana. Izany tenin’ny fahasoavana izany no handresena ireo tranga samihafa amin’ny fitoriana ny tenin’ny fahasoavana izany. Izany no mahatonga an’i Paoly hiteny hoe izaho anie tsy nitsiriritra e, ny volafotsy, ny volamena, ny akanjo ; tsy izany satria ny vola ry havana malala mampisy olana ao amin’ny Fiangonana. Mba tsy hisian’izany olana izany dia hoy Paoly : izaho miasa aloa miasa, miasa, nanana fa omezam-pahasoavana, dia niasa izy, hamelomako ny mpanara-dia ahy, izany hoe ireo mpanampy azy nitory ny filazantsara, ary nasehony, nambarany fa tahak’izany koa ianareo loholona dia tokony hiasa entina manangom-bola hanohanana ny mahantra satria ny mahantra dia ao aminareo mandrakariva hoy ny Tompo. Ny mahantra resahina izany, mety ho mahantra ara-ekônômika, satria ny fiaraha-monintsika dia fantatsika fa fiaraha-monina tena mitanila mihitsy, fa tsy voatery ho mahantra ara-ekônomika fotsiny fa mety mahantra ara-pinoana, mety olona kely finoana. Izany koa dia iasana mafy ahazoana vola entina hitoriana ny tenin’ny fahasoavana amin’ireny olona ireny. Manome ohatra hita maso mihitsy Paoly Apostoly ry havana malala.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, izany toe-javatra izany, tsy toe-javatra niseho tamin’ny andron’i Paoly Apostoly tany Efesosy, fa na teto Madagasikara ary tamin’ny taona 1832, tamin’ny andron-dranavalomanjaka izany, ny amin’i Ranavalona 1 izany, noroahin’ny mpanjaka Ranavalona 1 ny misionera. Misaotra an’Andriamanitra fa efa vita printy ny Baiboly tamin’izany, efa naparitaka tamin’izany. Nangataka, nitalaho tamin’ny mpanjaka ny misionera mba hijanona kelikely, fa nolvain’ny mpanjaka mihitsy izany, voatery tsy maintsy nandeha. Ary inoana ry havana malala fa tsy maintsy niteny an’ity teny koa ireo misionera, hoe : « Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany » satria izany no azo antoka mba hiatrehan’ireto malagasy ireto ny fanenjehana. Ary fantatsika, n’inon’inona niseho teo an, nijoro foana ny Fiangonana, n’inon’inona fampijaliana teo, nijoro foana ny Fiangonana ; ka rehefa tamin’ny 1861, rehefa niamboha ny mpanjaka, nalalaka ny fivavahana, gaga daholo ny rehetra fa betsaka ny olona mahalala Soratra Masina no sahy mitory ny filazantsara. Teo ny Fanahy Masina ry havana, nampianatra an’ireo olona ireo, teo ny Fanahy Masina nampahery an’ireo olona ireo.

Ry havana malala, ankehitriny koa isika dia mbola misy fahavalo mandondona ao amin’ny varavaran’i gasikara, avy any amin’ny firenena tandrefana any, izay voktary ny fisainana ny amin’ilay hoe fahafahana tsy misy fetra, ka te ho tonga tahaka an’Andriamanitra, ka afaka manao an’izay tiany, ka na dia hiray amin’ny lehilahy sy amin’ny vehivavy samy vehivavy sy ny tahak’izany, ekena izany, satria izay ny fahafahana tsy misy fetra. Mandondona ao amin’ny varavaran’i gasikara izany ry havana malala ary mananotanona eto izany loza izany ry hava-malala. Inona no hiatrehanao an’izany ? Tsss, hoy ny mpandinika izay : io tonia tsy azonao an’anona io fa tsy maintsy handeha io an. Fa izaho mamaly mazava ny tenin’ny Apostoly Paoly tamin’ny Fiangonana tao Efesosy ry havana : « Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany ». Ny fankatoavanao ny tein’ny fahasoavana, io tenin’i Jesoa Kristy irery io, io irery no mampatahotra an’ireo olona ireo amin’ny fampielezana an’izany. Fa raha tsy mijoro ny Fiangonana ry havana malala, raha vao tsy mijoro ny Fiangonana, mifikitra amin’izany tenin’ny Tompo izany, amin’io tenin’ny fahasoavana, ho vato fehizoro izany ry havana malala, ho ringana eto ny malagasy.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, rehefa mba mandalo eto moa amin’ny maha-tonia ny FFKM dia tsy maintsy miresaka kely FFKM. Ry havana malala, ny Fiangonana tany Efesosy anie ka tsy Fiangonana katolika e, tsy Fiangonana protestanta e, tsy Fiangonana anglikana e, fa Fiangonana mbola niray e. Fa ny filazantsara izay nentin’ny misionera taty, tokana, fa nampisaratsaraka antsika io zavatra io. Ary tonga saina ihany ny malagasy, be dia be anie ny malagasy mpitondra fivavahana e, na ny tsy mpitondra fivavahana, raha tsy hiteny isika afa-ts’i Rainisoalambo izany e. Rainisoalambo anie dia efa nampiray ny fivavahana e. Izy tsy mba nandà na katolika ianao na Lms ianao na inona e ; efa fitadiavana ho amin’ny firaisana izany. Ary ara-tantara, be dia be, raha niady ny tany amin’ny ady voalohany, tany amin’ny ady lehibe faharoa ny malagasy, dia nambara fa niara-nivavaka ny protestanta sy ny katolika, nefa namaivay tamin’izany ny fanenjehana teo amin’ny katolika sy ny protestant : mahagaga izany Andriamanitra izany ry havana malala. Fa ny FFKM ry havana malala dia taty amin’ny taona 1980 vao teraka rehefa nitsoka tsikelikely tahaka an’izany ny rivotry ny eokiminisma. Raha nisy mahatadidy, anontanio ny ray aman-dreny, fa raha nist tondra-drano teto Antananarivo dia vokatr’izany dia natsangana ny antsoina hoe sampan’asa sosialy momba ny eokiminika, ho fanampiana ny olona tamin’izany fotoana izany. Efa lalana nankany amin’ny fahaterahan’ny FFKM izany zavatra izany ry havana. Ary ankehitriny isika dia mankalaza ny faha-40 taonan’ny FFKM. Ry havana malala, hoy ny teny eo hoe : apetrako eo amin’Andriamanitra sy eo ambanin’ny tenin’ny fahasoavany ianareo. Isika, indrindra isika protestanta, io hoe tenin’ny fahasoavana io, isika tsy mba misafidy ny tenin’ny fahasoavana, tahaka ny hoe Daniela na Apokalypsy. Tsy izany ny antsika. Ny antsika ny Baiboly iray manontolo no anankinana ny finoana. Ka raha miteny Jesoa Kristy, raha nivavaka Jesoa Kristy ao amin’ny Joany 17 :21, manao hoe : mivavaka aho mb ho iray izy rehetra, mba hinoan’izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy, dia tenin’ny fahasoavana izany, antsoina iainantsika. Ary izany no fototra ao anatin’ny foto-dalanan’ny FFKM, izany tenin’Andriamanitra izany. Ary azavaina hoe firaisana iainana sy aseho ary irosoana. Ny firaisana ao anatin’ny FFKM ry havana dia firaisana iainana, tahaka ny niainan’i Jesoa Kristy sy ny mpianany tao anatin’ny fifankatiavana, tao anatin’ny fanajana. Ary io firaisana io dia firaisana aseho, atao hita maso, mba hahatonga an’izao tontolo izao hoe ireo Fiangonana niady fahiny ara-tantara, jereo miara-mivavaka izy izao. Sao heverinareo mandeha mora tonga ho azy izany an ! Tsia, tsy tonga ho azy izany, raha tsy eo ny asan’Andriamanitra. Firaisana iainana sy aseho ary irosoana anaovana dingana. Misy dingana irosoana amin’izany ry havana arka izay fitondran’Andriamanitra. Ary io moa ny olona manome tsiny foana hoe : ela fihetsika mihitsy ianareo FFKM. Asan’Andriamanitra anie ry havana malala ny fampiraisana ny Fiangonana e ; ary amin’izao fotoana izao rehefa nanangana an’io tamin’ny taona 1980 ireo ray aman-drenin’ny Fiangonana dia izao no noteneniny hoe : ny zavatra kendrena dia ny haha-iray ny Fiangonana hita maso ; fa isika eo an-dalana mankany amin’izany. Fiangonana 4 mahaleo tena no ao ry havana malala, mahaleo tena ara-teolojia, ara-bola, ara-drafitra, rehetra rehetra. Fa tsy Fiangonana akry mibaiko Fiangonana ny FFKM. Fa samy manaiky fa Andriamanitra Ray Zanaka ary Fanahy Masina no iarahana manompo. Noho izany, dia mba misy zavatra tsy maintsy aseho, hijoroana vavolombelona amin’izany firaisana, ary iantsoana antsika tsirairay ho amin’izany. Misaotra an’i Pasteur nilaza fa amin’ny boky miara-mizotra koa dia misy perikopa any amin’ny faran’ny fihiranan’ny FFKM miara-mizotra. Manana perikopa koa izy amin’ny herinandro fiaraha-mivavaka.

Ry havana malala hiatrika ny zavatra manahirana ve isika e ? Ao amin’ny firaisana ihany no ahazoana izany. Ary aoka isika tsy hifandondona izao vao hoe andao, an an an ; fa dieny izao isika dia efa tahaka ny nampiembenan’i Paoly Apostoly ny Fiangonana tany Efesosy, tokony efa hiambina isika fa efa mandondona eo ireo fahavalo izay tsy mankasitraka io tenin’ny fahasoavana io, izay manenjika an’io tenin’ny fahasoavana io. Ka tsy misy afa-tsy ny fiainanao ny tenin’ny fahasoavana ankehitriny no iarovanao ny taranakao fara aman-dimby ; fa raha tsy dieny izao ianao dia miaina an’io, ary mba ho hitan’izao tontolo izao, hitany maso fa miaina an’izany ny kristiana malagasy eto Isotry Fitiavana.

Eto am-pamaranana ary ry havana, dia izao no hafatra ho an’ny diakona sy ny loholona sy ny kristiana eto Isotry Fitiavana. Hoy Paoly Apostoly : « Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany izay mahay mampandroso ». Mamelona, mampandroso, misy hery io tenin’Andriamanitra io rehefa iainana. Ka iaino koa ny tenin’i Jesoa Kristy hoe : mba ho iray anie izy rehetra. Dia ho hitanareo fa hahita zavatra mahagaga vokatry ny fifikirana amin’Andriamanitra ianareo.

Dia ho an’izany Andriamanitra irery izany anie ny dera, ny laza ary ny voninahitra, izay Azy hatramin’ny ela, hatramin’izay sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena

 

ALAHADY 02 FEB 2020

« Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona ». Jaona 1 :4

Izy, Jesoa izany no nisiam-piainana, ary ny fiainana no fanazavana ny olona. Ry havana ô, mazava be ny hafatry ny Tompo ho ahy sy ho anao amin’izao maraina izao : METEZA HO FANAZAVANA NY NAMANAO. Ary tsy ho possible anefa izany raha tsy efa nazavain’i Kristy tena mazava, na mazava marina ianao. METEZA HO FANAZAVANA NY NAMANAO. Izany ny mission-nao. Fa raha tsy tanterakao izany mission-nao izany ry havana ô, ka tsy fanazavana ianao, malahelo aho miteny aminao hoe : tsy manao afa-tsy manamaizina ny fiainan’ny namanao ianao. Sady vaovao mahafaly, no baiko ho anao izany ilay hoe : METEZA HO FANAZAVANA NY NAMANAO. Ary hahatanteraka an’izany, METEZA ALOA IANAO HO HAZAVAIN’I KRISTY IZAY MAZAVA, NA TENA FAHAZAVANA.

Ny Fahamarinana 1 ry havana dia izao : NY FAHAZAVANA DIA MITONDRA FIAINANA.

Rehefa jerena ry havana ny namoronan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, dia ny mazava no zavatra nataony voalohany. Satria raha tsy nisy ny mazava, raha tsy nisy ny masoandro, tsy nisy fiainana possible tety ambonin’ny tany ry havana ô. Ary tahak’izany koa ny fiainan’ny olombelona ry havana : raha mbola tsy nipoitra Kristy masoandro, hoy Malakia, masoandron’ny fahamarinana, raha mbola tsy nipoitra Kristy, dia nitoetra tao amin’ny aloky ny fahafatesana ny olombelona ry havana ô. Nitoetra tao amin’ny aloky ny fahafatesana. Mafy be ry havana ny teny ampiasain’i Ezekiela mpaminany. Jerentsika ange ao amin’ny Ezekiela 37 e,  Ezekiela 37 :11-12 : « Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely ». Izany ilay vahoakan’Andriamanitra ; io teny io dia natao tamin’ny taranak’Isiraely, atao amintsika Fiangonana ry havana ô, amintsika olon’Andriamanitra, fa sao dia hoe mamita-tena ianao hoe : tsy izaho izany. Hoe, rehefa lavitra an’Andriamanitra isika, tsy manana an’i Jesoa isika, dia toy ny any anaty fasana ny fiainana ry havana ô, toy ny any anaty fasana. Mazava be izany sary ampiasain’i Ezekiela izany. Ary ny fiainanao ry havana, ianao mba manana an’izao sy manana an’ izao ihany, fa araka ny tenin’i Ezekiela hoe : maina, makina e, tsy misy maminy ilay fiainana, fa maina. Mba olona ohatran’izao sy ohatran’izao ihany, tsongoin’olom-bolo ianao eo amin’ny fiaraha-monina sy aty am-piangonana, fa hoe ohatrany tsy manana fanantenana izany ianao satria maninona ? Satria any anaty fasana ny fiainanao raha manalavitra an’Andriamanitra ianao ry havana ô. Ary izay no aizina, aizin’ny fahafatesana tian’ilay fahazavana horoahina ao amintsika ry havana ô. Ny zavatra tena atahorantsika olombelona, ary tsy tiantsika akory na dia ny mieritreritra azy aza, dia ny fahafatesan’ny tena ry havana. Zavatra mampatahotra, zavatra mampivarahontsana. Fa hoy ilay mpitoriteny anankiray hoe : hitanao ilay fahafatesan’ny tena mampatahotra anao io, ohatran’ny iceberg. Ny iceberg dia hitantsika ilay tendrombohitra glace be iny. Ohatran’izany ilay fahafatesan’ny tena : hitantsika ilay fahafatesan’ny tena. Fa ao anatiny ao, hoy izy, misy zava-doza izay tsy hitan’ny masontsika, dia ny fahafatesana ara-panahy ry havana ô. Ary izany ilay Jesoa fahazavana, izany ilay Jesoa masoandro, te handroaka an’izany aizin’ny fahafatesana izany ao aminao, raha mandray Azy fahazavana ianao. Raha ato amin’ny filazantsara an’i Jaona ry havana, andeha enga jerentsika ny Jaona 8 :12, ahoana no ataon’ilay olona nandray fahazavana ka manjary fanazavana ? Jaona 8 :12: « Ary Jesoa niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina ». Iza no manana ny fahazavan’aina ry havana ? Iza no tsy handeha amin’ny maizina ? Izay maninona ? Izay manaraka an’i Jesoa. Io ilay voambolana tsy tiantsika io, fa aleontsika ry havana mivavaka , aleontsika mpiangona tsotra, mpino. Jesoa ry havana miteny hoe : Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy ; manaraka Azy tahaka ny disciple, manaraka Azy tsisy fepetra ry havana ô, manaraka Azy ohatran’ny doulos, izany ny olona hoe tsy handeha amin’ny maizina fa handeha amin’ny fahazavan’aina, azavain’i Jesoa Kristy fahazavana ry havana ô. Ary dia fahazavana, fanazavana ho an’ny namany ary atombony ao amin’ny ankohonany izany.

Averiko indray : tsy manana choix ianao, fa rehefa tsy fanazavana ho an’ny namanao, ho an’ny ankohonanao ianao, dia fanamaizinana, ary tsy manao afa-tsy asan’ny olona mipetraka any anaty fasana, mitondra fahafatesana fa tsy fiainana.

Izay ny fahamarinana 1 : NY FAHAZAVANA DIA MITONDRA FIAINANA AMIN’NY OLONA IZAY MIAINA, IZAY MIVELONA ANY ANATY FASANA.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao : NY FAHAZAVANA DIA MITONDRA FAHIRATAN’NY FANAHY SY FAHAZAVAN-TSAINA

Manala fahajambana izany. Voamarika ry havana, ary ny dokotera no tena miteny an’izany, fa hoe ny tsy fisian’ny fahazavana, ny tsy fisian’ny fahazavana maharitra dia miteraka fahajambana. Rehefa mamaky gazety ireny ry havana dia hoe miszy gadra tiana torturé-na any amin’ny firenena sasany, dia ampidirina any anaty cachot any izy, tsisy masoandro. Dia rehefa mijanona maharitra, mijanona amam-bolana ao anaty cachot tsisy masoandro ao izy, tssiy hazavana mihitsy, dia voamarika hoe lasa jamba ry havana, lasa jamba. Ary dia izay mihitsy no mahazo antsika ry havana, mahazo antsika olombelona, satria isika araka ilay teny teo, tsy manaraka an’i Jesoa. Diakona isika, Pasitera isika, Mpiandry, fa tsy manaraka an’i Jesoa dia zatra mitoetra ao anatin’ilay aizina ara-panahy ry havana. Ary satria mijanona ao anatin’ny aizina ara-panahy isika, dia jamba ara-panahy. Jereo anie ny Romana 1 e, hilazana an’izany fahajambana ara-panahy izany, jerentsika ny and.20-21, Romana 1 :20-21 : « Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’ Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo; fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto ». Donto ny fo ry havana, maizina ny saina satria hoe ny zavatra nataon’Andriamanitra dia manambara amintsika izany heriny izany ; ary isika manatombo raha oharina amin’izao tontolo izao satria raha mitory ny halebiazan’Andriamanitra sy ny maha-Andriamanitra Azy izao tontolo izao, ny habakabaka hita io, isika mbola manana ny Baiboly mbola manambara an’izany maha-Andriamanitra an’Andriamanitra izany. Fa lavintsika izany ry havana ô, dia lasa donto ny fontsika, lasa maizina ny saintsika, lasa jamba ara-panahy, nefa mi-costard be mankaty am-piangonana rehefa Alahady. Ry havana ô, ry havana ô, te hanova an’izany ny Tompo, fa araka ilay teny nazavainy tamin’ny Fariseo raha nanasitrana an’ilay lehilahy teraka jamba Izy, tonga Aho, hoy Izy, mba hahiratra ny tsy mahiratra. Jereo anie ny 1 Jaona 5 :20 : « Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’ Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina». Ry havana ô, raha tsy mangataka an’io fahazavan-tsaina io ianao, tsy hahafantatra an’ilay marina, tsy hahafantatra an’ilay Andriamanitra telo izay iray, tsy hahafantatra an’Andriamanitra hoe te hamitrana fihavanana aminao anio 02 Février 2020. Tonga eto ianao satria te hamitrana fihavanana aminao Andriamanitra ry havana ô. Fa nosimbainao tamin’ny fihetsikao toy ny fahavalo izany fifandraisanao amin’ny Rainao izany. Ka rehefa jamba ianao ry havana ô, tsy fantatrao izany Andriamanitra Ray sy zanaka ary Fanahy Masina izany ; rehefa jamba ianao ry havana ô, tsy mahita afa-tsy ny vola ianao ao amin’ny fiainanao, tsy misy afa-tsy ny fitiavam-bola no mibaiko ny fiainanao ary izany no mahatonga an’ity Madagasikara ity bokan’kolikoly : kristiana jamba ara-panahy mifikitra amin’ny vola, manompo vola, ary vonona hanao kolikoly hampitombo ny harenany ry havana ô. Izany ny tena fahajambana ara-panahy izany. Na ny asany, ny andraikiny, izany no mahamay azy : izany ny fomban’ny olona jamba ara-panahy. Ary jamba ara-panahy izy satria tsy mahita an’ilay Andriamanitra Ray, zanaka sy Fanahy Masina izay nanomana ho azy ny lanitra ho destination. Nahafinaritra ny tenin’ilay mpitoriteny anankiray izay, ary haintsika Isotry Fitiavana ilay tapany voalohany : ny lanitra ange, hoy izy e, ka destination e. Fa ny lanitra koa, hoy izy, dia motivation. Ataovy motivation anao ry havana manomboka izao, ho mariky ny fahiratanao ara-panahy, sy ho mariky ny fahazavan’ny sainao, ho mariky ny intelligence ; ilay fahazavan-tsaina mantsy intelligence ; ho marika hoe kristiana manana intelligence ara-panahy ianao : tiako atao destination ny lanitra, ary izany manomboka anio no ataoko motivation ao amin’ny fiainako. Ary raha manao an’izany ianao, dia ho fanazavana ianao ho an’ny namanao, ary atombokao ao amin’ny ankohonanao izany ry havana ô.

Ny fahamarinana 3 farany dia izao : NY FAHAZAVANA DIA MANAISOTRA NY PENTINA ARY MANADIO NY FANAHINTSIKA

Ry zareo manam-pahaizana siantifika ry havana dia milaza hoe ny masoandro hono dia mamono bactéries. Ry zareo ihany koa no milaza fa hoe ny masoandro dia mamono an’ireny hoe germes ohatran’ny amin’ny hoditry ny olombelona ireny. Ary izany koa no hanahazana ny lambantsika, ny drap, ny bodofotsy isan’andro isan’andro, hamonoana an’izany germes izany. Izay ny asan’ny masoandro. Ary ohatran’izay tsy misy hafa ry havana ny asan’ i Jesoa masoandron’ny fahamarinana, Jesoa mazava, hoe : te hanaisotra Izy izay pentina, ary te hanadio antsika, hanadio ny fanahintsika amin’ny fahotantsika ry havana ô. Izany ny votoatin’ny filazantsara : Jesoa manaisotra ny pentina ary Jesoa manadio ny fanahintsika amin’izay mahaloto azy.

Miverina isika ry havana ao amin’ny 1 Jaona 1 :7 : « Fa raha mandeha eo amin’ ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’ i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra ». Te hanafaka anao amin’ny ota mahazatra anao Jesoa ry havana ô, fa manamaizina ny fiainanao io.

Jerentsika indray ry havana ny Asan’ny Apostoly 26 :18, fijoroan’ny Apostoly Paoly vavolombelona ny amin’ny niantsoan’i Jesoa sy ny nanovan’i Jesoa azy ; Asan’ny Apostoly 26 :18 : « hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’ izay nohamasinina noho ny finoana Ahy ».  Hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra. Ry havana ô, efa fantatrao, fantatrao mihitsy fa Jesoa tonga, ny ràn’i Jesoa dia hanadiovana ny fahotanao, hanadiovana ny fanahinao. Fa fantatrao moa fa io otanao tsy ekenao fa tehirizinao io, hanokafanao varavarana ho an’i Satana eo amin’ny fiainanao ? Ary rehefa manokatra varavarana ho an’i Satana ianao ao amin’ny fiainanao ry havana ô, dia hoe andevozina ianao, eo ambany vahohony ianao. Ary Satana ry havana ô, efa hoe mpamono olona hatrany am-boalohany. Tsy hanana fiainana ianao fa ohatran’izao ihany ianao, fa tonga amin ‘ny fitenin’ny mpitoriteny hoe : toy ny faty mandehandeha ianao. Ary tsy misy olona hoe toy y faty mandehandeha ry havana ô, ka hoe afaka ho fanazavana ho an’ny ankohonany. Tsisy faty mandehandeha afaka ho fanazavana ho an’ny ankohonany ry havana ô. Fa dia izao : manatona ny Tompo amin’izao fotoana izao. Teneno hoe : « izaho mihitsy iany resahin’ilay toriteny androany maraina izany. Io Jesoa an, atolotro anao ny otako rehetra, ianao izay masoandro fanazavana manadio ny pentina sy manafaka ny fahotana. Tena afaho amin’izay aho e. Afaho amin’izay aho. Fa sady mijaly aho no mampijaly ny ankohonako ». Ary rehefa mibebaka ohatran’izany ianao, aza androany 02 Février ihany no hoe mibebaka, mifona amin’Andriamanitra ; aoka ny fiainanao, aoka ny fiainanao ry havana ô, ho fiainam-pibebahana dia hampitombo anao amin’ny fanahafana Azy Jesoa Kristy. Izany ny hafatra ho anao. Tiany ianao, tiany ianao, ary zavatra tokana no kasainy ho anao : tiany ianao ho Kristy kely, ho zandry keliny manahaka Azy ry havana ô.

Izay no hafatra ho antsika androany : METEZA IANAO HO HAZAVAIN’I KRISTY MBA HO FANAZAVANA NY NAMANAO ry havana ô :

  • Ny fahazavana mitondra fiainana ho anao izay miaina ao am-pasana
  • Ny fahazavana dia mitondra ao aminao fahiratan’ny Fanahy sy fahazavan-tsaina
  • Ny fahazavana dia manadio anao amin’ny pentina sy ny fahotanao rehetra.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo ry havana. Amena

         

ALAHADY 26 JAN 2020

« Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra ». Kolosiana 1 :28

Mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra. Ry havana ô, ry havana ô, tia anao ny Tompo, ary izany no hafany ho anao, izany ny programany ho anao androany : ny ho tanteraka ianao ao amin’i Jesoa, ny ho tanteraka ianao ao amin’i Jesoa.

Raha fintinina ilay hafatra ry havana, faran’izay tsotra, dia hoe : METEZA HO TANTERAKA – EKEO NY HO PARFAIT- EKEO NY HO MATOTRA. Izany ny programan’ny Rainao ho anao : METEZA HO TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY.

Ny Fahamarinana 1 ry havana, ho an’ny olona izay hoe mety ho tanteraka ao amin’i Kristy, dia ny hoe : METEZA ANARINA

Hanarin’ny inona ry havana ? Hanarin’ny toriteny.

Hanarin’ny inona ry havana ? Hanarin’ny fampianarana isan-karazany atao ao am-piangonana. « Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra ». Raha te hiroso amin’ny fahatanterahana ianao ry havana ô, meteza, meteza, meteza anarina.

Ilay fahatanterahana ry havana mahazo roa : ilay fahatanterahana ety an-tany aloa, mazava be izany, iza no tsy mitady an’izany perfection izany ? Iza no tsy mitady an’izany fahamatorana izany e ? Fa ilay fahamatorana resahina eto, ilay fahamatorana ao amin’i Kristy, dia fahamatorana indrindra indrindra koa, fahamatorana, fahatanterahana, perfection spirituelle. Izany ry havana ô. Ary rehefa miteny ny Apostoly Paoly hoe : « Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka » : atolotra an’iza moa ? Atolotra an’iza moa isika raha hoe atolotra ho tanteraka ? Atolotra an’Andriamanitra. Atolotra an’Andriamanitra. Rahoviana ? Atolotra an’Andriamanitra amin’ny fotoanan’ny fitsarana. Ry Fiangonana ô, an-dalana hiatrika fitsarana isika e. Ary izany no maha-zava-dehibe ilay fetezako sy ilay fetezanao ho tanteraka, mba hahazoana miatrika amin’ny fiadanana izany fitsarana miandry antsika izany, hidirana any an-danitra ry havana ô. Ny Tompo no miteny aminao hoe : meteza, meteza, meteza ho tanteraka : meteza anarina.

Maro ry havana no mankaty am-piangonana, faly izy mankaty am-piangonana, tsy azony ny ainy raha hoe Alahady maraina la tsy hiangona izany, tena tsy azony mihitsy e. Fa tonga aty indray izy an, tsy mifantoka amin’ilay fanompoam-pivavahana. Ary ny diakona mitantara hoe mbola maro, mifona aminareo tanora aho, fa izay moa, dinidiniky ny mpianakavy ity : maro ny tanora ato amin’ny Fiangonana, mbola ilaozana manao FB, milalao téléphone, mifanao message mandritra ny toriteny. Ry tanora malala ô, tsy hahasoa anao izany e. Tsy morale izany, fa tsy hampandroso anao ho amin’ny fahatanterahana izany. Henoy ny toriteny, henoy ny toriteny manomboka izao. Ary henoy ny votoatin’ny toriteny. Rehefa miteny Paoly hoe : « Izy no torianay », dia manazava Paoly hoe : Kristy no torianay, Kristy no votoatin’ny toriteny. Ary raha mihaino tsara ny toriteny ianao, dia tena hoe hitombo amin’ny fahalalana an’i Kristy. Fa iza moa Kristy ry havana ô ? Iza moa Kristy ? Kristy dia Andriamanitra tonga nofo, lehilahy iray tao an-danitra tao, Andriamanitra tao an-danitra tao, tonga nofo Izy satria naninona ? Nanana ry rehetra rehetra Izy tao an-danitra tao, mahafinaritra izany lanitra izany, fa hoy Izy hoe zavatra iray loha no banga ato amin’ity lanitra ity, dia izaho sy ianao. Izany i Kristy ry havana ô. Tsy mety Aminy io lanitra io, raha tsy misy ahy sy misy anao. Izany no torian’ny Fiangonana isak’Alahady, asak’Alahady ; kanefa ilaozanao manao Facebook ato amin’ny téléphone. Fitiavana anie izany ry havana ô. Fitiavana ny hoe, inona izay izaho, inona izay ianao ; fa izany no niakarany teo amin’ny hazofijaliana, ilazana hoe : « tiako hiaraka amiko any an-danitra ianao, fa izao no problemanao : ny fahotanao, ny fahotanao no sakana ho anao, ary tsy manana solution ianao ; izany no nahatongavako ety an-tany ». Ary izany no votoatin’ny filazantsara : Kristy, Andriamanitra tonga nofo, lehilahy iray tena hoe adalam-pitiavana ahy sy anao dia miantso anao ho amin’ny fibebahana, hahazoany mamela heloka anao sy manamarina anao, natsangana tamin’ny maty. Izany no votoatin’ny toriteny kristiana, na mahay mitoriteny, na tsy mahay mitoriteny ilay mpandahatra ry havana ô ; izany no ilaintsika isak’Alahady. Ary mila mitandrina isika ry havana, fa indraindray, indrindra amin’izao 2020 izao, vaosodokan’ny fampianaran-diso, vaosodokan’ny fampianarana hafahafa sy ny mpampianatra sandoka, hoy Paoly Apostoly ato amin’ity Kolosiana ity : tsy mitory an’i Kristy izany, fa mitory Kristy hafa ry havana ô. Variana aho, taona vitsivitsy lasa izay, tao amin’ny palais des sports tao ; feno hiboka ny palais des sports : afrikana avy ao Afrika tao, tena mihaino azy ianao amin’ny youtube, Kristy hafa ry havana no toriany, nefa dia mahafeno hiboka palais des sports. Taona vitsivitsy talohan’izay, madama izay, rehefa dinihinao ny toriteniny, mahafinaritra ihany ilay toriteny, fa izany madama izany, 90% ny toriteniny, tsy mitory an’i Kristy, fa mitory ny tenany, mitory ny tenany, nefa mahafeno palais des sports, mahavarotra boky aman’aliny ry havana ô. Miteny anao ny Tompo androany : METEZA HO TANTERAKA, ary voalohany dia voalohany indrindra : METEZA ANARINA : meteza conseillé-na, meteza avertisé-na, meteza atoro e. Fa tsy misy olona tsy anarina sy tsy ampianarina ry havana ô, ka hahatratra an’izany fahatanterahana, hahatratra an’izany fahamatorana, hahatratra an’izany hoe perfection izany. Ataovy zava-dehibe manomboka izao ny tenin’Andriamanitra. Tsara ny mamaky biographie-ny olona mpanompon’Andriamanitra, tsara ny mamaky heviteny, fa vakio, vakio na dia hoe 5mn isan’andro monja aza ny Baiboly ry havana ô, raha te hitombo amin’ny fahatanterahana ianao. Jereo anie ny zavatra nitranga e, tany Beria, Asan’ny Apostoly 17 : 11 : « Ary ny toe-panahin’ ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia ». Hoy io and.11 io hoe ny toe-panahin’ireo kristiana tao Beria dia tsara noho ny tao Tesalonika. Ry havana ô, dia mitsara ve ny Soratra Masina rehefa miteny hoe ny toe-panahin’i ra-anona tsara noho ny toe-panahin’i ra-anona ? Ny faniriana ry havana ô, dia enga anie ka hoe mba hisy hiteny indray andro any ; ny toe-panahin’ireo kristiana ao Isotry Fitiavana ireo sy ny zanaka am-pielezana dia tsara noho ny toe-panahin’ny any an-kafa ry havana ô. Izany no hitantsika ato anaty Soratra Masina. Fa tsy tongatonga fotsiny amin’izao izany. Fa hoe dinihina isan’andro isan’andro, dia sady mitombo amin’ny fahatanterahana ianao, mitombo amin’ny fahamatorana ianao, no mi-assuré izany hoe destination anao any an-danitra izany. Henontsika isan’andro isan’andro hoe feno ny Fiangonana isak’Alahady isak’Alahady, nefa izao no situation-ny firenena. Tsy mahagaga raha izao no situation-ny firenena satria kristiana tsy matotra ry havana ô no mameno ny Fiangonana, kristiana tsy tanteraka ; kristiana tsy manao ho zava-dehibe izany hoe perfection izany no mameno ny Fiangonana, na mitantana ny firenena. METEZA HO TANTERAKA : METEZA ANARINA SY AMPIANARINA.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao, ho anao izay hoe mety ho tanteraka, dia hoe : FANTARO NY FAHATEZERANA AIDIN’ANDRIAMANITRA AO AMIN’NY FIAINANAO

Ezekiela 20, jerentsika anie ry havana, mampieritreritra ity Ezekiela 20 :33 ity, satria hoe Andriamanitra maneho ny tana-maheriny ; asehony tokoa ilay tana-maheriny eo amin’ny and.33 : « Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo ».  Fahatezerana aidina. Ianao izay te hiroso amin’ny fahatanterahana, androany aloa, fantaro : sao dia misy fahatezerana aidin’Andriamanitra ao amin’ny fiainanao ry havana ô ?   Io fiainanao tsy manjary, ohatran’izao sy ohatran’izao io, manontania tena : sao dia ity tokoa ary ilay lazain’ny Ezekiela hoe fahatezerana aidina.

Inona ny zavatra hitenenan’Andriamanitra mafy ny Isiraely eto ? Hoe nareo hoy Izy, dia mijangajanga, mijangajanga tahaka ny razanareo ianareo, manompo sampy ianareo, mivavaka amin’ny hazo ianareo, mivavaka amin’ny vato ianareo, manao sacrifice d’enfant ianareo, mampandalo ny zanakareo amin’ny afo ianareo ; ary jereo tsara ry havana eo amin’ny and. 32, ny eritreritr’ireto zanak’Isiraely ireto : « Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin’ ny tany samy hafa ». Ny eritreritr’ilay zanak’Andriamanitra dia hoe, ny objectif-nay dia ho tahaka ny jentilisa : io. « Fa Izaho adalam-pitiavana aminareo » hoy Andriamanitra, «  tsy ho tanteraka. Inty Aho eto, ka raha velona koa Aho, tsy ho tanteraka izany eritreritra adala be izany hoe ho tahaka ny jentilisa». Ary izany, izany isika Fiangonana, efa hatramin’izay manadino ny privilège, ny fizintsika amin’ny maha-zanak’Andriamanitra. Iza ianao ? Zanak’Andriamanitra. Iza ianao ? Olom-boafidy. Adinontsika izany. Fa ny mahamay antsika, dia ny hoe haka tahaka an’izao tontolo izao, Ezekiela 20. Izaho sy ianao io ry havana ô. Ary tsy azontsika ny haintsika raha tsy maka tahaka ny fanaon’ny jentilisa. Heverintsika fa hoe izany no tena intelligence sy perfection sy fahamatorana : maka tahaka ny fomban’ny jentilisa amin’ny fiakanjo, amin’ny fanaovana volo, amin’ny hira henoina sy ny karazany. Hoy Andriamanitra hoe : « Raha velona koa Aho, dia aidiko aminao ny fahatezerako ». Isika ary efa mahita an’izany. Eo ilay olona tena hoe mifankatia, mifankatia be. Dia rehefa manao ny tsy mety ny anankiray dia tena hoe mirehitra ny fahatezerana, fahatezeran’ny olona tia mahita an’ilay hoe adalana ataon’ilay olona tiana. Adalam-pitiavana amin’Isiraely Andriamanitra eto ry havana, ary izany no hitenenany hoe : « aidiko aminareo ny fahatezerako, fa tsy ho foana akory e, izany hoe nifidianako anareo ho firenena ho Ahy ary Izaho ho Andriamanitrareo. Raha velona Aho, tsy ho foana izany, izany fifidianana izany. Maintenant, aidiko aminareo ny fahatezerako, ary ny tana-mahery no ampidina aminareo ny fahatezerako ».

Ahoana moa izany hoy Ezekiela izany Andriamanitra mampidina ny fahatezerany amin’ny zanany, amin’ny Fiangonany izany ? Hoy ny and.34 : « Ary amin'ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin'ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin'ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo ». Inona no nataon’Andriamanitra raha nampidina ny fahatezerany tamin’ny zanak’Isiraely Izy ? Naheliny tany Babylona ny zanak’Isiraely. Dia hoy Izy hoe : « naheliko any ianareo, fa ho averiko ; fa naheliko any aloa ». Anisan’ny boky malaza nosoratan’i Lotera ry havana, ilay mpanitsy fivavahana, hoe : « la captivité babylonienne de l’église». Inona no lazainy amin’izany ? Ezekiela 20. Mivavaka isika, fa any Babylona. Ny zanak’Isiraely raha hoe natao sesitany tany Babylona, nampielezana tany Babylona, dia lavitry ny taniny, lavitry ny tempoliny, izay tena hoe maha-zanak’Andriamanitra azy. Tena hoe tsinontsinona mihitsy izy. Fa ry havana ô, hoy izy hoe ianao izay mety ho tanteraka, fantaro ny fahatezeran’Andriamanitra aidin’Andriamanitra aminao : sao dia ianao, sao dia ianao izany any Babylona izany ? Araka ilay notenenina teo, mba miditra am-piangonana ihany nefa ilaozana mamadibadika téléphone ato am-piangonana ; any Babylona ianao ry havana ô. Diakona ianao, mpiandry ianao, service ianao fa ilaozanao manao week-end ary an’anona ary : any Babylona ianao ry havana ô, any Babylona ianao. Tsy mety anarina ianao, tsy mety hianatra tenin’Andriamanitra ianao, manao vavaka raitra be ianao : malahelo aho miteny aminao, any Babylona ianao e, any Babylona ianao ry havana ô. Izany : manana anarana ho mpivavaka, mpiandraikitry ny Fiangonana, nefa any Babylona araka ny tenenin’i Ezekiela amintsika Fiangonana. Meteza ho tanteraka, meteza anarina e. Fantaro io hoe fahatezerana aidin’Andriamanitra aminao io, fa fahatezeran’Andriamanitra adalam-pitiavana anao io ry havana ô. Ary tsy hamelany ianao raha tsy miverina ao Aminy ka mahafantatra hoe Izy no hany Mpamonjy te hampiditra anao any an-danitra ry havana ô. Sao dia any Babylona ianao ? Izay no tenenin’Andriamanitra voalohany raha hoe mampidina ny fahatezerany amin’ny olona. Ilay toetra ratsy nolazaina teo izany an : ianao izany responsable-sampana, miandry anao ny sampana, fa manana programme personnel ianao, dia adabokao ny sampana : any Babylona ianao. Ilay maha-any Babylona io izany endrika voalohany amin’ilay fahatezerana aidin’Andriamanitra.

Inona ilay endrika faharoa amin’ilay fahatezeran’Andriamanitra ? And.35 : «Dia ho entiko ho any an'efitry ny firenena ianareo. ». Ho entina any an’efitra. Nalefa tany Babylona, nafahana tany Babylona, tokony entina miverina any Kanana, dia maninona ary no tenenina hoe : rehefa afaka any Babylona ianareo, and.35 dia hoe : «  ho entiko any an’efitry ny firenena ». Ilay firenena moa izany dia jentilisa. Mahavariana tokoa ry havana, rehefa nokarohina kely, hoe avy any Babylona ve ny olona dia averin’Andriamanitra any Kanana, satria any Kanana io efitry ny firenena io, ao Kanana io ry havana ô. Kanana mantsy, nony nalaina tao ny zanak’Isiraely nalefa tany Babylona, dia navelan’Andriamanitra hisy jentilisa nipetraka ao ; tonga ny zanak’Isiraely avy any Babylona, miara-monina amin’ny jentilisa. Dia toy ny any an’efitra izy ry havana ô. Toy ny any an’efitra izy satria maninona ? Hanjakanjakan’ny jentilisa, hanaparan’ireto jentilisa lasa nonina tao, rehefa tafaverina tao ny zanak’Isiraely. Mahita ny firenentsika eto ry havana, isika anie malagasy e, tompon-tany e, tompon-tanindrazana e, hitanareo ny karana, hitanareo ny vahiny isa-karazany manjakazaka eto amin’ity firenena ity, manao ny tsy rariny, tsy maty mamota etc…tsy refesi-mandidy : ohatran’izay tsy misy hafa ity hoe ao amin’ny efitry ny firenena : tafaverina any Kanana nefa mbola ao amin’ny efitry ny firenena. Ianao ry havana ô, diniho ihany sao dia hoe ianao izany ao amin’ny efitry ny firenena izany, ao amin’ny ankohonanao, ao amin’ny ankohonanao. Izay foana moa ny antsika Isotry Fitiavana. Mba manana an’izay ilaina, mba manana an’izay ilaina amin’ny rehetrarehetra, amin’ny lafiny matériel nefa toy ny any amin’ny efitry ny jentilisa ianao, any amin’ny efitry ny firenena ianao satria, asa, ny vadinao, ny zanakao, ny ray aman-dreninao manitsakitsaka anao izay mba te hoe hivavaka ianao. Misy fahatezerana aidin’Andriamanitra eo, fa ianao : mahereza sy matanjaha fa Andriamanitra tia anao no mampandalo anao amin’izany, lalanao mankany amin’ny fahatanterahana izany ry havana ô.

Izay izany ny zavatra hitantsika teto : meteza ho tanteraka. Meteza Anarina. Fantaro ny fahatezerana aidin’ny tana-maherin’Andriamanitra amin’ny fiainanao.

Farany ry havana, ao amin’ny Matio 8 :3 : « Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova hianao. Dia nadio tamin’ ny habokany niaraka tamin’ izay izy ». Fahamarinana 3 : NY OLONA METY HO TANTERAKA DIA OLONA METY HIDIO

Mety hidio. Mety hidio izy : tsy izy no manadio tena, fa Jesoa no manadio azy. Fa matoa izy diovin’i Jesoa, satria niaiky izy fa maloto, izay ilay izy. Ary izay no hamintinana azy amin’ilay hoe : METEZA HIDIO – METEZA HIDIO.

Anisan’ny tena hoe areti-mandoza ry havana, na aretina grave indrindra, mba tsy ilazana hoe io no grave indrindra ao amin’ny Baiboly, ny habokana. Ary dia efa voalaza teo ny momba ny habokana ry havana. Fa izao, fa izao : ao amin’ny Baiboly koa ilay habokana ry havana dia sarin’ny fahotana tsotra izao, teny entina ilazana ny fahotana. Ary raha any amin’ny Testamenta taloha izy, ilay habokana koa ary dia azo ilazana hoe ny hatezeran’Andriamanitra amin’ny olona izay hoe tsy manoa Azy, mandà ny teniny. Tonga amintsika ry havana ity perikopa ity, tonga amintsika ity perikopa ity, dia miteny aminao Andriamanitra hoe : tonga Aho ampahafantatra anao fa io boka resahina ao amin’ny Matio 8 io, ianao io amin’izao maraina izao. Mety tsy boka ny hoditrao ivelany ry havana ô, fa ilay fahabokana mahazo anao, satria sarin’ilay fahotana ilay fahabokana, dia hoe : fahabokan’ny fanahinao, fahabokan’ny fonao, fahabokan’ny sainao. Ary mamitaka hono ity aretina antsoina hoe habokana ity, satria izy rehefa manomboka dia zavatra mibontsina kely, rehefa manomboka izy dia tâche kely mibontsina eo amin’ny hoditrao, dia mitombo moramora tsy ampoizinao ilay izy ry havana ô. Izay ilay habokana. Ary ohatran’izany tsy misy hafa ry havana ny fahotana. Ary alaivo sary an-tsaina anie ity habokana ity e : teo amin’ny zanak’Isiraely an, ny olona boka dia tsy maintsy nitoka-monina, tsy mahazo miditra am-piangonana, tsy mahazo mitoetra ao an-tanàna, fa any ivelan’ny tanàna izy. Tena hoe mitoka-monina. Izany hoe tsy manana fifandraisana amin’Andriamanitra ao amin’ny tempoly ary tsy manana fifandraisana amin’ny mpiara-mivavaka. Tsy manana fifandraisana ihany koa amin’ny ankohonany na ny fianakaviany. Angamba mety hiteny amintsika raha hiteny aho hoe, hiteny amintsika kokoa raha mieritreritra isika hoe asa moa, ity lehilahy ity, izay momba ny ankohonany : fa hoe rehefa boka ianao tsy mahazo mitoetra ao an-tranonao anie ianao e ; rehefa boka ianao, tsy mahazo mamihina ny vadinao anie ianao e. Boka ianao : tsy mahazo mamihina ny zanakao anie ianao e etc… Izany rehefa azon’ny habokana ianao. Fa hoy isika hoe isika indray ry havana, isika indray habokana ara-panahy, habokana ara-tsaina, habokan’ny fo no mahazo antsika ; ary miresaka ny ankohonana ihany, miresaka ny fianakaviana, Alahadin’ny taranaka moa androany, sy ny ankohonana, sy ny zanaka am-pielezana, hitanao io fifandraisana tsy mety miravona, hitanao ianareo hoe hakamban’ny Fiangonana androany nefa sanatria an’izany misy ato tsy mifampiditra an-trano, misy ato tsy mifamela eo anivon’ny fianakaviana izay vory eto : izay ilay habokana ry havana ô, manimba an’ilay fifankatiavana, manimba an’ilay fiombonam-po, habokana mety nanomboka tamin’ny tâche kely na tamin’ny fibontsonana kely teo amin’ny fifandraisana, dia nitombo, nitombo, nitombo, namono an’ilay fifandraisana. Ry havana ô, ry havana ô, hoy isika hoe : METEZA HO TANTERAKA – METEZA HIDIO. Aza miteny mihitsy hoe : « Ka i anona mihitsy Pasitera no nanimba ny fihavananay tato amin’ity fianakaviana ity e » : ianao no tian’Andriamanitra, ianao ry havana ô, no tian’Andriamanitra hidio, ary raha olona mpihaino toriteny ianao, raha olona mety anarina ianao, raha olona mety ampianarina ianao, dia fantatrao mihitsy fa ianao ilay boka tian’ny Tompo hokasihina amin’izao maraina izao, ka hitenenany hoe : « Mety Aho, madiova, madiova ianao ».

Rehefa mikasika ny olona Jesoa amin’iny tana-maheriny iny ry havana, rehefa mikasika ny olona Izy, dia manisy ao ny Fanahy Masina, hanavao ny Fanahy, hanavao ny saina, hanavao ny fo, mba hananantsika fifandraisana vaovao, fifandraisana salama amin’Andriamanitra ; ary fifandraisana vaovao, fifandraisana salama amin’ny mpiara-belona amintsika ry havana ô. Meteza e, meteza hokasihin’Andriamanitra amin’izao maraina izao. Manatona Azy miaraka amin’izao habokanao izao, manatona Azy, aza miteny mihitsy hoe : « ka tsy fantatr’i Pasitera e, izaho matahotra fa izao anie ny zavatra vitako e ». Hoy ny Tompo hoe : « Te hikasika anao amin’io tana-maheriko io Aho, ary mety Aho hanadio anao ». Ary tsy hoe mety Izy hanadio anao fotsiny, fa ny tena zava-dehibe ho an’ny olona matotra sy te hitombo amin’ny fahamatorana, dia hoe tiany ianao hitoetra amin’izany fahadiovana izany. Tsy hoe manadio fotsiny Izy, raha hoe manadio Izy amin’izao Alahady izao ; fa te hampitoetra anao amin’izany fahadiovana izany. Ary mmiverina amin’ny tenin’ny Apostoly ao amin’ny Kolosiana, hoe : mitomboa amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra, fihainoana toriteny e, meteza hampianarina tenin’Andriamanitra ry havana ô. Satria io tenin’Andriamanitra io, teny madio ; ary io teny madio io no hampiditra eritreritra madio, hampiditra fisainana madio, hampiditra fitondran-tena madio ao aminao izay te hitombo amin’ny fahatanterahana ry havana ô. Inona ny zavatra mitranga ? Malaina ianao mamaky teny, malaina ianao hanokatra Baiboly, dia inona no mitranga ? Fa mahafaly anao io télé io, io internet lava io, io youtube io, sy ny karazany ; loto isan-karazany, zaoridira isan-karazany eto amin’izao tontolo izao, gohanao, gohanao ry havana ô. Aiza ianao no tsy hanova fitondran-tena ? Aiza ianao no tsy ho boka ara-panahy ? Fa miteny aminao ny Tompo hoe : avelao Aho hikasika ny fonao, hanadio ny fonao amin’izao maraina izao e, fa izany no antony nahatongavako, nidinako avy any an-danitra.

Faranana izao teny izao ry havana, faranana izao teny izao : Kristy no torian’ny Apostoly Paoly, ary Kristy tena tia anao e ! Tena tia anao. Tsy niantso anao avy any an-danitra Izy ; nidina tety Izy handray anao, handray ny tananao. Ho raisinao ve iny tanany iny amin’izao maraina izao? Mahafinaritra ahy ny mamerina ilay hoe : ho Azy, tsy mi-intéressé Azy izany lanitra tsy misy anao any izany. Tsy mi-interessé an’i Jesoa ny hitoetra any amin’ny lanitra tsy misy anao izany, nidinany tety ry havana ô. Ary dia miteny aminao Izy hoe : METEZA HO TANTERAKA – METEZA ANARINA – FANTARO NY FAHATEZERANA AIDINY EO AMIN’NY FIAINANAO FA TSY FOINY IANAO – ARY METEZA HIDIO.

Ho aminareo ny fahasovan’ny Tompo. Amena

ALAHADY 12 JAN 2020

Ao amin’ny Lioka 13, ilay perikopa somary fohy io no hakantsika ny hafatra androany ry havana ô.

Fahamarinana 1 : TONGAVA MIANATRA NY SORATRA MASINA ARY AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIVAVAKA ATY AM-PIANGONANA

Ary rehefa izany no ataonao, dia ahita ny tana-maherin’Andriamanitra ianao. Vakiantsika ao amin’ny Lioka 13 :10-11 : « Ary nampianatra tao amin’ ny synagoga anankiray Jesosy tamin’ ny Sabata. Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory ». Hoy isika hoe : TONGAVA MIANATRA NY SORATRA MASINA ARY AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIVAVAKA ATY AM-PIANGONANA.

Ity vehivavy nanjoko, tsy nahatraka nandritra ny 18 taona, io no omen’ny Tompo ho ohatra ho antsika Fiangonana ry havana ô. Efa voalaza tamin’ny louange teo, fa amafisina : nanjoko izy, tsy nahatraka izy nandritra ny 18 taona noho ny fanahy mahafarofy tao aminy. Mahavariana ry havana, fa Lioka dokotera, tokony mba hoe terme scientifique izany no ampiasain’i Lioka : tsia ry havana ô. Fa misy resaka fanahy eo, fanahy ratsy eo, fanahy mahafarofy eo, tao amin’ity vehivavy ity, nihazona an’ity vehivavy ity ka nahatonga azy hanjoko ary nandrara azy tsy hitraka ry havana ô, 18 taona. Izany 18 taona izany ry havana, tena hoe fotoana fohy kely izany, fohy kely izany raha hoe fotoana iainanao anaty fahasambarana sy fifaliana. Tena fotoana hoe poy toy izay dia efa lasa izany 18 taona izany, raha dinihinao hoe 18 taona no itaizantsika ny zanatsika ; poy toy izay dia lasa izany 18 taona izany. Poy toy izay dia lasa izany 18 taona izany raha manana namana mahatoky ianao miara-mivavaka aminao, manome anao torohevitra eny am-pandehanana eny, rehefa hiatrika sedra sy fizahan-toetra isan-karazany : vetivety kely izany ry havana ô. Fa tena fotoana faran’izay lava izany 18 taona izany ry havana ô, ho an’ny olona izay anaty aretina, ho an’ny olona ohatran’ity vehivavy ity, izay hoe marary lamosina mandritra ny 18 taona ; ho an’ny olona izay tahaka an’ity vehivavy ity, manjoko ka tsy manao afa-tsy izay hoe mijery, mahita ny tany, tsy mba afaka mitraka mijery an’izany lanitra mangamanga, na mahita ny masoandro izany. Tena hoe fotoana faran’izay lava. Izany ny fiainan’ity vehivavy ity nandritra ny 18 taona ry havana ô : ny fikarakarana tokantrano manahirana, ny fandehanana manahirana, ny fatoriana manahirana, satria tena nanaintaina ny lamosiny. Fa inona ny modely apetrak’ity vehivavy ity ho antsika izay mba te hahita an’izany hoe tana-maherin’Andriamanitra izany ? Lasa izy mankany amin’ny synagoga hianatra tenin’Andriamanitra ry havana ô. Araka ilay notenenina teo, hoe : eo amin’ny and.10 hoe : Jesoa dia nampianatra tao amin’ny synagoga anankiray tamin’ny andro sabata. Tena hoe asa nataon’i Jesoa matetika ary tsy tapaka io hoe mampianatra Soratra Masina. MBA HETY AMPIANARINA SORATRA MASINA AMIN’IZAY VE IANAO E ? Ianao anie no maty antoka rehefa tsy hianatra Soratra Masina ry havana ô, ianao no maty antoka e. Jesoa mampianatra, ary miandry anao Izy, miandry anao Izy ho ampianarina ry havana ô. Ary ity vehivavy ity, Tsy nanao hoe : an an an, ka izaho fantatrao tsara ny lamosiko ; izy moa 18 taona tao an-tanàna kely tao, fantatry ny iray tanàna io lamosiny io, ary inoana fa manao ohatrantsika ny iray tanàna ry havana ; tsy fantatra moa izay anarany, fa tenenina hoe : i anona, vehivavy kilemaina iny, ilay vehivavy manjoko iny ; izany ny fiainan’ity vehivavy ity. Fa tonga tao an-tranon’Andriamanitra izy hianatra tenin’Andriamanitra, ary hivavaka ry havana ô. Jesoa mampianatra, Jesoa mampianatra ao amin’ny tranon’Andriamanitra ry havana ô, ary dia hoe miandry antsika ho amin’izany Izy. AZA AFOY NY FIARAHA-MIVAVAKA ATY AM-PIANGONANA E ! Aoka izay ny fahazaran-dratsy hoe izho Pasitera tsy tafangona an, fa hamaky Baiboly aho, hamaky boky tsara aho, hamaky boky ara-pinoana aho ato an-trano ; tsia ry havana ô. Andriamanitra no miteny hoe : isika zanany, ny Alahady maraina, ny toerana tiany ahitana antsika dia toerana tokana e : aty amin’ny tranony aty am-piangonana ry havana ô. Ity vehivavy ity, nahafinaritra ilay fanamarihana mpitoriteny anankiray izay : izy miondrika io, hoy izy, dia ohatrany hoe tsy eo intsony ilay hasina maha-olombelona, ilay izy miondrika tsy mahatraka io, fa ohatrany biby tsy mahatraka, dia sanatria manana fiainam-biby ity vehivavy ity noho ny aretiny ry havana ô. Ry havana ô, ianao, ianao izay tsy mankaty an-tranon’Andriamanitra Alahady maraina, fa atakalonao zavatra hafa, sanatria, sao dia mba ianao koa no manana fiainana tsy afaka mitraka ary fiainam-biby ry havana ô ? Fa ny teny fikasana, ny vaovao mahafaly omen’ny Soratra Masina antsika androany, dia hoe : hianatra no alehan’ity vehivavy ity taty am-piangonana, tao amin’ny synagoga, handre an’i Jesoa, dia nahazo fitahiana tsy nampoiziny izy, mihoatra lavitra noho izay tenin’Andriamanitra nandrasany. Misaotra an’Andriamanitra ry havana ô, ny amin’izay olona vitsy hanapa-kevitra hoe : « hay, mazava ny hafatrao Tompo ô, izaho te hahita ny tana-maherinao, hanapa-kevitra amin’izay aho hianatra tenin’Andriamanitra, ary isaorako an’Andriamanitra fa misy fampianarana Soratra Masina ato amin’ity Fiangonana ity » ry havana ô. « Ary avelako amin’izay ny atsanga tsy aman’olana hanafenako ny hakamoako sy ny fahalainako ara-panahy, hoe : izaho indray dia tsy afaka amin’izany Pasitera ».   Ianao no maty antoka, diso anjara ianao amin’ilay fitahiana omanin’i Jesoa ho an’izay olona te hihaona Aminy ao amin’ny synagoga, ao am-piangonana hihaino ny fampianarany.

Izay ny fahamarinana 1 : TONGAVA MIANATRA SORATRA MASINA ARY AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIVAVAKA ATY AM-PIANGONANA

Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao : ho anao izay te hahita izany tana-maherin’Andriamanitra izany. Izy anie manao e, fa ianao mety jamba ara-panahy dia tsy mahita e, dia matimaty ohatran’io ny finoanao ry havana ô.

Fahamarinana 2 : JESOA MANAFAKA ANAO AMIN’NY ROFINAO ARA-PANAHY SY NY ROFINAO ARA-BATANA

Lioka 13 :12 : « Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin’ ny rofinao hianao ».

Hoy isika hoe : Jesoa manafaka. Voasoratra noir sur blanc ao amin’ny Baibolintsika izany ry havana ô. Manafaka Izy amin’ny rofintsika rehetra, ny hita maso sy ny tsy hita maso. Izy no nahita fa hoe fanahy mahafarofy anie no mamatotra an’ity vehivavy ity e. Fa raha izaho sy ianao e, dia mitsetra an’io vehivavy io hoe : oay, ity vehivavy ity moa izany dia 18 taona izay tsy nahatraka mihitsy e. Fa Izy no mahita ny zavatra tsy hita ry havana ô. Izy no mahita ny zavatra tsy hita. Rehefa jerena anie Jesoa e, mahita ny zavatra tsy hita Izy, satria Andriamanitra tonga nofo ; mahita ny zaavtra tsy hita Izy, satria hafa ny fomba fijeriny. Manana ohatra amin’izany anie isika ry havana e, manana ohatra amin’izany isika : nahita an’i Kefasy Izy dia hoe fantany ny programam-piainany ho azy, fantany mialoha izay programam-piainany ho azy. Nahit aan’i Jodasy Iskariota Izy, fantany mialoha fa hoe io ilay hamadika Azy. Izany ity Jesoa ity : mahita ny tsy hita maso, mahita ny mbola tsy misy ry havana. Izany io Jesoa io. Mahita an’i Natanaela Izy, Natanaela tsy mahita Azy, nahita an’i Natanaela Izy, dia hoe : Ity ilay tena Isiraelita, ity ilay Isiraelita marina. Izany io Jesoa io ry havana ô. Ary ianao no maty antoka, rehefa tonga ao amin’ny synagoga Izy, tonga ato am-piangonana Izy, ka tsy mahita anao ato. Ianao no maty antoka, ary tsy hahita an’izany tana-maherin’ny Tompo izany ianao izay efa eo nasehony amin’ny Eksodosy, nasehony ao amin’ny Romana, raha namorona an’izao tontolo izao Andriamanitra. Tsy hitanao izany ry havana ô, tsy hitanao izany. Fa Izy anie e, rehefa miteny isika hoe : manafaka amin’ny rofy rehetra : ny rofy ara-panahy, ny rofy ara-batana ry havana ô, dia hoe, nahafinaritra ny tenin’ny mpitoriteny anankiray izay : vao mijery ny tarehinao fotsiny Izy, vao mijery ny tarehinao fotsiny Jesoa, dia efa mahafantatra ny tantaram-piainanao ry havana ô. Vao mijery ny tarehinao fotsiny Izy, dia efa mahita, mahafantatra ny tantaram-piainanao, mahafantatra ny rofinao rehetra, mahafantatra ny ratram-po lalina rehetra any am-ponao any ; hitan’i Jesoa izany ry havana ô. Mahafantatra ny aretinao rehetra Izy, mahafantatra ny hamafin’ny fakam-panahy mahazo anao Izy, ary mahafantatra Izy, vao mijery ny tarehinao fotsiny, hoe : inona ny ady, inona ny tafio-drivotra, inona ny alon-drano mitopatopa ao amin’ny fiainanao. Mijery ny tarehinao fotsiny Izy ; fa izay no vaovao mahafaly ; Izy tsy mijery fotsiny ry havana ô, Izy tsy mahafantatra fotsiny, fa mitady anao Izy e, hanafaka, hanafaka anao amin’izany rofinao izany, hanafaka anao amin’ny fanahy rehetra mahafarofy anao. Ianao no mieritreritra hoe : izaho toy izao, izaho toy izao, izaho tsy mba toy izany, ohatran’io vehivavy io. Ry havana ô, ianao indrindra miteny an’izany, sanatria an’izany manana an’izany fanahy mahafarofy izany. Fa Izy, Izy ry havana ô, te hanafaka anao, te hanafaka anao amin’ny rofinao rehetra ; te hanafaka anao amin’izay asan-devoly rehetra ao amin’ny fiainanao. Izany no ivon’ity tantara ity ry havana ô : fanehoana fa tena misy izany asan’ny devoly izany ary ny tana-maheriny dia hoe handresena an’izany asan-devoly izany. Nahatezitra ny fariseo ity fahagagana nataon’i Jesoa ity ry havana ô, nahatezitra fatratra ny fariseo, izay hoe légaliste : tsy azo atao ny manasitrana amin’ny andro sabata ry havana. Fa rehefa mandinika ny Baiboly ianao ry havana, rehefa mandinika ny Testamenta Vaovao ianao, misy fahagagana 7, tsy 6, fa 7 ; misy fahagagana 7 nataon’i Jesoa tamin’ny andro sabata ; ary ireo fahagagana 7 ireo dia hoe maneho ny herin’i Jesoa mandresy izany asan’ny devoly ao amin’ny olombelona izany. Ry havana ô, ry havana ô, mino an’izany ve ianao ? Mino an’izany ve ianao, fa hoe Jesoa afaka manafaka anao amin’ny rofinao rehetra, dia ilay rofy vokatry ny fanahy mahafarofy e ? Ary tsy hino an’izany ianao ry havana ô, tsy hino an’izany ianao, raha tsy mianatra tenin’Andriamanitra aloa. Fa sambatra ianao raha mino an’izany, sambatra ianao raha mino an’izany. Fa hanafaka anao amin’ny rofinao rehetra Izy, rofy vokatry ny fanahy, ary hanafaka koa Izy amin’ny rofinao ara-batana. Fa izao : ity 18 taona ; ilay lehilahy tao amin’ny piscine tao Betesda 38 taona, hafa 40 taona. An’Azy, an’Azy ny fotoana ry havana ô. An’Azy ny andro sy ny volana, fa hoe : hanafaka Izy, hanafaka Izy amin’ny rofintsika rehetra. Izay no vaovao mahafaly.

Fahamarinana 3 : NY FAMETRA-TANANA SADY MANASITRANA NO MANOME NY FANAHY MASINA HANANGANA

Ny fametra-tanàna manasitra, iray izay, sady manome ny Fanahy Masina hanangana olona ry havana ô. Lioka 13 :13 : « Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra ».

Zavatra tsy dia mahazatra antsika ry havana io fametra-tanàna io. Ekentsika   ary raisintsika ny fametra-tanàna amin’ny fotoana anaovana batisa, amin’ny fotoana andraisana antsika ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, amin’ny fotoana anokanana antsika ho diakona, anokanana antsika ho mpiandry sy ny tahak’izany. Fa ankoatr’izay, tena zavatra manahirana antsika io fametra-tanàna io ry havana ô. Zavatra hafahafa amintsika io fametra-tanàna io. Fa rehefa mijery ianao eto an, in-2 miantoana ny zavatra nataon’i Jesoa tamin’ity vehivavy ity. Eo amin’ny and.12, nahita an’ilay vehivavy Jesoa, ary mariho kely fa hoe ilay vehivavy tsy nangataka na inona na inona, izy te ho any amin’ny synagoga fotsiny, izy te ho any amin’ny synagoga fotsiny hihaino an’i Jesoa, fa Jesoa nahita azy dia niantso azy, ary mariho koa manaraka izany : tsy misy filazana na kely ary momba ny finoan’ity vehivavy ity ; fa hoe nankany amin’ny synagoga izy hianatra ary hihaino an’i Jesoa. Dia hoe, and. 12 nahita azy Jesoa dia hoe : « afaka amin’ny rofinao ianao ». Afaka amin’ny rofy. Afaka amin’ny fangejana sy ilay fatoran’ilay fanahy ratsy, afaka amin’ny fatoran’ilay fanahy mahafarofy ry havana ô ilay vehivavy. Ary izany ny asan’i Jesoa ry havana ô isaky ny manatona Azy ohatran’izany isika : hitany io fanahy ratsy ao amintsika io dia afahany amin’izany isika e. Ary izany no maha-zava-dehibe ny mianatra ny tenin’Andriamanitra sy ny hoe mankaty am-piangonana. Bon, maintenant, misy fanahy tena hoe matanjaka sy mahery noho ny fanahy hafa dia mila hoe iasana manokana, mila hoe alefa any amin’ny toby mihitsy aza. Fa izay nataon’i Jesoa tamin’ity vehivavy ity dia marina amin’izay mpino rehetra mitady Azy ao amin’ny Baiboly, mianatra Azy, mianatra ny teniny ao amin’ny Baiboly ary mitady Azy marina aty am-piangonana. Izany hoe in-2 miantoana ilay izy : afaka amin’ny rofinao ianao ; fa mbola tsy nitraka ilay vehivavy, mbola tsy afaka aretina ilay vehivavy, fa afaka amin’ilay rofy, amin’ilay asan’ilay fanahy izy. Fa inona no mampitraka an’ilay vehivavy ry havana eto ? Mazava be ilay tenin’Andriamanitra : « Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy ». Tadidio ry Fiangonana malala ô, manomboka izao : io hoe fametra-tanana atao aty am-piangonana, fa tsy atao any an’elakelan-trano io, na atao any an-tokantranonao, atao-na mpanompon’Andriamanitra irahin’ny Fiangonana, io fametra-tanana io ry havana ô, dia zavatra nataon’i Jesoa, ary hitantsika eo, manasitrana Izy ; ary rehefa miteny hoe mampitraka, dia hoe : ny Fanahy Masina no manome hery anao hitrakana araka izany teny izany. Fa rehefa tsy ao ny fametra-tanana, rehefa tsy ao ny herin’ny Fanahy Masina ry havana ô, dia izany no ahitana olona mitanondrika lava e, resy lava e, manjombonjombona lava e, satria tsy manovo hery izy, tsy mandray hery izy amin’io fametra-tanana io.

Malahelo aho miteny aminareo ry havana : fotoana maharitraritra izay no niarahantsika teto, manomboka mifankahalala isika, ary izaho dia mahafantatra mihitsy hoe, eo ihany moa ilay zanaka an-pielezana, fa misy olona tena mitsaoka an’ity Alahady faharoa ity satria mitsaoka an’ilay fametra-tanana izy. Hevi-diso izany ry havana ô. Hevitra avy amin’ny fanahy mamitaka ao aminao tsy ankanesanao ao amin’io fametra-tanana io. Hevitra avy amin’ny devoly izany.

Misy karazany roa ry havana ny olona tian’i Jesoa hoe hampitrakana amin’izao maraina izao, dia ilay olona samy tonga aty amin’ny tranon’Andriamanitra izany ; tsy ilay olona atsy amin’ny arabe atsy izany, fa ilay olona samy tonga aty. Mizara roa mantsy isika eto, araka ilay filazantsika mandava-taona hoe: misy olona ato, tonga ato izy nefa mbola tsy mino. Tsy izay ilay problema, tsy any mihitsy ilay problema ry havana ô. Fa fantaronao mbola tsy mino io e, fa ianao mbola tsy mino io, mbola andevozin’ilay fanahy mahafarofy, andevozin’ny fanahy isa-karazany ianao, izany no mahatonga anao tsy mino ohatran’io, nefa mankaty am-piangonana ry havana ô. Fa izao, fa izao : ianao, hitan’ny Tompo ianao amin’izao maraina izao ; hitan’ny Tompo ianao. Satria ianao tsy mino, tsy mitady Azy manokana ianao, hitany koa izany fonao tsy mitady azy izany, hitany izany fonao tsy misento amin’izany lanitra izany ; fa hitany ianao amin’izao maraina izao ry havana ô, ary te hiteny aminao Izy, tahaka ny nitenenany tamin’ilay vehivavy ato amin’ity tantara ity, hoe : « afaka ilay rofinao, afaka ilay asan’ilay fanahy mahafarofy anao. Ary Izaho hampitraka anao, hampisaina anao ny lanitra izay misy ahy ankehitriny ary iandrasako anao ». Fa raha tsy Izy ry havana ô, no miasa aminao izay tsy mino, dia ho marina ilay tenin’ny Mpitoriteny 7 :13 hoe : « fa iza moa no mahahitsy izay nataon’Andriamanitra ho meloka? ». Ianao tsy mitraka mijery ny lanitra io, Andriamanitra anie no nanao an’io e ! Fa Andriamanitra, amin’izao maraina izao te hikasika ny fonao ary mandinika anao Izy, hanaiky ve ianao ? Hanaiky hampitrakany ve ianao ? Izay ny karazan’olona voalohany ato amin’ny Fiangonana amin’izao maraina izao ry havana.

Ary ny karazan’olona faharoa dia hoe : zanak’Andriamanitra. Tena zanaka, tena nanolo-tena tokoa ho an’Andriamanitra, nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy tamin’ny fony, nefa mbola manana an’izany fanahy mahafarofy izany ry havana ô, mbola voafatotry ny ohatran’izao na ohatran’izao ka mitanondrika hoy ny mpanao Salamo, mijoretra indrindra hoy  ny mpanao Salamo, ary misaona mandrakariva. Inona no mampitanondrika an’ilay zanak’Andriamanitra, tena zanak’Andriamanitra nefa ? Tenenina izy hoe : « mitrakà ianao e », « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; « banjino ny lanitra e », « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; izany no ambetin-dresany ry havana : « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako ». Ary maro ny zanak’Andriamanitra manana an’izany hoe : « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » iray taonina ao amin’ny fiainany ao ry havana ô. Tenenina ianao zanak’Andriamanitra : « ajanony amin’izay re io fisotroana sy fimamoana io »,  « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; tenenina ianao zank’Andriamanitra hoe : « aoka izay re ny mijery an’io pornographie io e »,  « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; « aoka izay re io kizitina lava ao amin’ny ankohonanao io e », « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; « aoka izay re io fandalana fomba adala azo avy amin’ny nentin-drazana »,  « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako ».

Mijery anao ny Tompo anio ry havana ô, mijery anao Izy ary te hanafaka anao amin’izany, tahaka ny nanafahany an’ity vehivavy tao amin’ny synagoga ity ry havana malala ô. Miandry anao Izy hanatona Azy, dia avelao Izy hanao fahagagana. Inona no atao hoe fahagagana ? Hoy ity ankizy vavikely tao amin’ny Sekoly Alahady ity : « ny atao hoe fahagagana : zavatra tsy vitako fa hain’i Jesoa ». Te hanao fahagagana ao ain’ny fiainako sy ao amin’ny fiainanao Jesoa amin’izao maraina izao.

Izao ny fahamarinana telo hitantsika :

  • Fahamarinana 1 : Tongava mianatra Soratra Masina ary aza mahafoy ny fiaraha-mivavaka aty am-piangonana
  • Fahamarinana 2 : Jesoa manafaka anao amin’ny rofinao ara-panahy sy ara-batana
  • Fahamarinana 3 : Ny fametra-tanana manasitrana sady manome ny Fanahy Masina hanangana

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo ry havana. Amena