Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 08 MAR 2020

« Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'nyFanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra ». Apokalypsy 2 :4 ;7

« Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao ». Izay no hafatra ho antsika Fiangonana ry havana ô, amin’izao maraina izao : MIVERENA AMIN’NY FITIAVANAO VOALOHANY.

Mety mizara roa ihany ny fandraisan’ny Fiangonana an’izany :

  • Ilay efa tia an’i Jesoa tamin’izany fitiavana voalohany izany, tamin’izany premier amour izany, dia tena faly : misaotra Jesoa ny amin’ny fanairana, fa izaho tokoa ilay efa tia Anao tamin’ny fitiavana voalohany, Misaotra ny amin’ny fanairana.
  • Dia ilay karazan’olona faharoa indray, tsy mbola mahafantatra an’ilay fitiavana voalohany izy, dia hoy izy hoe : an, miverena amin’ny fitiavanao voalohany. Dia mety hiteny izy izao anakampo ao hoe : « Dia ahoana izany Pasitera ity vadiko ity ? »

Izay ilay izy concrètement ka, concrètement. Fa ilay hafatra ry havana ô : MIVERENA AMIN’NY FITIAVANAO VOALOHANY, dia ilay fitiavana an’i Jesoa. Ary raha mbola tsy fantatrao izany fitiavana voalohany izany : angataho Aminy e, izany hoe fitiavana voalohany izany. Fa tsy mi-existe izany fitiavana an’i Jesoa izany raha tsy hoe fitiavana Azy amin’izany hoe firehetana, firedaredan’izany hoe fitiavana voalohany izany.  Sady modely tsara no ohatra ratsy ny Fiangonana tao Efesosy, satria tenenin’i Jesoa izy eto amin’ny bokin’ny Apokalypsy eto hoe : « manan-teny aminao Aho, satria niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao ». Izany hoe, ny Tompo dia vavolombelona fa nanana an’izany fitiavana voalohany izany ny Fiangonana tao Efesosy. Saingy 40 taona taty aoriana, dia nialany izany.

Andeha anie jerentsika vetivety ary hoe toa inona izany hoe fitiavana voalohany nitiavan’ny Fiangonana tao Efesosy an’i Jesoa izany ry havana ô. Sokafantsika ny baibolintsika ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly 19, dia hahamora azy, misy section somary lava, eny e, tsy dia lava mankaiza izy eo an, hoe ampatsiahivana antsika izany hoe fitiavana voalohany izany. Andao iarahantsika mamaky miadana, amin’izay takantsika ilay hoe fitiavana voalohany, Asan’ny Apostoly 19 :8-20 : « Ary Paoly niditra tao amin’ ny synagoga ka niteny tamin’ ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ ny olona maro, dia niala tamin’ ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan-andro tao amin’ ny trano fampianaran’ i Tyrano. Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin’ ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa. Ary ny tànan’ i Paoly no nanaovan’ Andriamanitra fahagagana lehibe maro, ka dia ny mosara sy ny fiaron’ akanjo teny aminy no nentina hatao amin’ ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy. Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran’ i Jesosy Tompo koa teo ambonin’ ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin’ i Jesosy Izay torin’ i Paoly aho. Ary nisy fito mirahalahy, zanak’ i Skeva, Jiosy, lohan’ ny mpisorona, izay nanao izany. Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa hianareo? Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin’ ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin’ izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra. Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran’ i Jesosy Tompo. Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany. Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany. Fatratra toy izany no fandroson’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny heriny ». Ahoana no nisehoan’ny fitiavana voalohany ho an’i Jesoa ry havana ô, tao Efesosy ? Niseho ilay fitiavana voalohany rehefa hoe naheno ny tenin’Andriamanitra na ny jiosy na ny grika ; naheno ny tenin’Andriamanitra, tena hoe nianatra ny tenin’Andriamanitra. Misy antokon’olona eto antsoina hoe mpianatra izay nanaraka ny fampianaran’ny Apostoly 2 taona ngarangidina isan’andro isan’andro, tao amina sekoly antsoina hoe sekolin’i Tyrano, karazana lycée, Tyrano no tompony. Dia nianatra isan’andro, ary mianatra dia misaina, mianatra dia misaina dia mankatoa. Be dia be no mianatra fa tsy misaina. Ary be dia be no mianatra sy misaina fa tsy mankatoa. Tsy hiaina an’izany fitiavana voalohany izany ianao ry havana ô. Dia ireo koa izany nahita ny fahagagana nataon’ny Apostoly Paoly nahita ny afitsok’ireo olona nanana fanahy maloto an, izay niantsambotra, ka nasiaka tamin’ireo lehilahy anankiroa hoe mpamoaka demonia, nefa tsy fantatra akory hoe iza ireo, tsy avy amin’i Jesoa akory izy ireo. Ny devoly moa teo dia niteny hoe : « an an an, fantatray Jesoa, fantatray Paoly, ary atahoranay ireo ; fa nareo tsy fantatray, tsy atahoranay nareo ». Dia niantsambotra ilay demoniaka dia namono ka nahery tamin’izy roalahy milaza azy ho mpamoaka devoly. Nahita an’izany fahagagana izany ny olona ry havana, tao anaty-na contexte fianarana tenin’Andriamanitra, tao anaty-na contexte fandroahana ny asan’ny demonia an, dia hoe raiki-tahotra ny olona ka nankalaza ny anaran’ny Tompo ary nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy. Izay no niandohan’ilay fifohazam-panahy. Ary dia vokatr’ilay fifohazam-panahy, dia hoy ny and. 18 : « Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany ». Maro izay nino ny tenin’Andriamanitra izany, tonga ka niaiky teo ampahibemaso teo, sy nilaza ny asany. Sokajin’olona 2 ireo ry havana : ilay jentilisa vao nandray an’i Jesoa, dia milaza ko aizy hoe : izaho tao taloha, milaza ampahibemaso ; tsy menatra izy, hoe : hay ve iny ohatran’izao ! Lasako izany e, fahiniko izany e. Fa amin’ilay sokajin’olona hoe niaiky sy nilaza ampahibemaso ny asany, misy an’ilay mpianatra mba efa nanam-pinoana ihany koa ry havana ô, dia milaza ampahibemaso, miaiky ampahibemaso. Tsy matahotra izy hoe : izaho anie mba ohatran’izao ny position-ko ao am-piangonana e, izaho anie efa mpianatra e, tena ho afa-baraka raha fantatra. Niaiky izy ry havana ô, teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina sy fiasan’ilay Fanahy Masina tamin’ny teny. Dia niaiky izy ary nilaza zavatra ratsy fanaony. Ary dia hoe, eo amin’ny and.19 : « Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany ». Marik’ilay fitiavana voalohany, marik’ilay fampanjakana an’i Jesoa ao amin’ny fiainany ry havana, ireto mpanao ody ireto dia nandoro ilay boky fanaovana ody ; ny mpandinika sasany moa dia milaza hoe amina millions de dollars mihitsy no tontalin’ireo boky ireo. Ny olona tia an’i Jesoa amin’ny fitiavana voalohany dia manaiky manao sacrifice ho Azy ry havana ô. Manaiky manao secrifice ho Azy. Izany ny olona tia amin’ny fitiavana voalohany. Tsy manome ho an’i Jesoa izy, fa manao sacrifice ho an’i Jesoa. Izany ny toetran’ity Fiangonana ity. Hitan’i Jesoa ry havana, 40 taona talohan’ity Apokalypsy ity, Apokalypsy nosoratana vers 95 après Jésus Christ ; izany hoe 40 taona talohan’izay izany izao zavatra izao no nitranga. Dia 40 taona lasa, niha-nangatsika, niala tamin’izany ireto Efesiana ireto. Miteny aminao ny Tompo e, miteny aminao ny Tompo. Miverena Aminy. Izay ny lohahevitra FJKM. Miteny anao manokana Izy androany : MIVERENA AMIN’NY FITIAVANAO VOALOHANY. Angamba tsy mila azavaina ry havana, amin’ny Fiangonana, izany hoe fitiavana voalohany izany. Tsy mila azavaina izany hoe premier amour izany. Tena mamy izany premier amour izany e, tena mamy. Mamy ny fiarahana, mandeha haingana loatra ilay fotoana, ilay fotoana iarahana, tsy mifankafoy : izany ilay premier amour ry havana ô. Izay resaka eo : mamy daholo. Suspendu amin’ny lèvres ilay olon-tiana ianao : « inona indray no holazainy amiko eo izao ? » : mamy, mamy. Dia rehefa hisaraka dia hoe : rahoviana indray izao vao mifankahita ? Rahoviana ? An an an, ela loatra izany ; an an an, za tsy manaiky. Izany ilay premier amour ry havana. Satry foana hampiaraka, satry foana hampiaraka. Ny sasany ary aty am-piangonana no mampiaraka. Izay : hainareo tsara io. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra nampianatra anay tao amin’ny Ecole des Disciples : ry Fiangonana ô, raha te hiverina amin’ny fitiavana voalohany , raha te hiverina amin’ny premier amour-nao ianao, mianara mampiaraka amin’i Jesoa.

Izay ny Fahamarinana 1 teo : MIANARA MAMPIARAKA AMIN’I JESOA. Fa Jesoa aza feranao hoe amin’ny Alahady maraina ihany ka hatramin’ny 12. Du Lundi au Dimanche, raha tianao hiova ny finoanao, hiova ny fiainanao, ary mba hiaina an’izany hoe fitiavana voalohany izany ianao : MIANARA MAMPIARAKA AMIN’I JESOA, dia hiravona ny fifandraisanao Aminy, dia ho hitanao ny hamamin’izany hoe fitiavana voalohany izany. Izay ny Fahamarinana 1 hoe : Ry Fiangonana ô, MIANARA MAMPIARAKA AMIN’I JESOA. Mazava be izany. Na tsy hanokatra dictionnaire sy heviteny ianao, rehefa hoe : Jesosy ô, ampianaro aho hampiaraka aminao, ho hitanao izany hamamin’ny fitiavana voalohany izany ry havana ô.

Izay izany ilay fitiavana voalohany. Mazava be izay. Fa ny problema izany dia izao : miteny Jesoa amin’ny alalan’ny Apostoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy hoe : Teneno Efesosy an, « fa manana teny aminao aho an, fa ianao dia niala tamin’ny fitiavanao voalohany ». Ilay fanontaniana ho jerentsika izany dia izao hoe: Fa ahoana no mahatonga ny olona izay efa nanana an’ilay fitiavana voalohany izany ; fa ahoana no mahatonga ny olona hiala amin’ny fitiavana voalohany ? Raha ity fitiavana voalohany ity, raha ilay expression ao amin’ny Apokalypsy no ahitana azy ; fa efa tena hoe fampianaran’i Jesoa izy ity ry havana. Jerentsika anie ny Marka 12. Raha nanontanian’ny mpanora-dalàna anankiray Jesoa hoe fa inona moa no didy voalohany amin’ireo didy rehetra ireo, izay miisa 623 ? Inona no didy voalohany e ? Marka 12 :29-31 : « Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; koa tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra. Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ». Ireo izany no didy lehibe indrindra. Ka rehefa miteny ry havana Jesoa hoe : « tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra », rehefa miteny an’izany Izy dia hoe : « Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao e amin’ny fitiavana voalohany ». Ary dia hoe : « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ». Inona no manimba an’ilay fitiavana voalohany ? Inona no mampiala amin’ilay fitiavana voalohany ? Ny tenanao, ny tenako, ilay « izaho », ilay « moi », ilay « je » ry havana ô. Miteny ny Soratra Masina hoe : « Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao », « Tiava ny namanao », farany « Tiava ny tenanao ». Tsy tianao Jehovah Andriamanitra, tsy tianao ny namanao, tianao ny tenanao.

Hoy isika tamin’ilay fahamarinana 1 hoe : aoka ianao ho mpino, ho Fiangonana mampiaraka amin’i Jesoa. Ny Fahamarinana manaraka dia izao hoe : AZA AMPIRAFESINA AMIN’ILAY « IZAHO », AMIN’ILAY « MOI »-NAO JESOA. AZA AMPIRAFESINA AMIN’ILAY FIZAHOZAHOANAO JESOA ry havana ô. Fa io fizahozahoana io, io fizahozahoanao io manimba ny fitiavanao voalohany e ! AZA AMPIRAFESINA AMIN’ILAY FIZAHOZAHOANAO JESOA ry havana.

Rehefa tena mifankatia, ohatran’ilay ohatra nalaintsika amin’ny maha-olombelona teo ry havana ny olona anankiroa, rehefa tena hoe mifankatia ohatran’izany, tena hoe henonao mihitsy ary manamarina ianao an, tsy misy intsony ny hoe « izaho » sy « ianao » ; fa ilay mpifankatia amin’izany hoe fitiavana voalohany izany, aza raha voatonony moa ilay hoe « isika », « isika », « isika », fa tsy mahatsiaro hoe « izaho » sy « ianao ». Fa tena hoe tena iray, mahatsiaro hoe tena fanahy iray ; ary izay mihitsy koa ry havana no mitranga rehefa tena hoe manana fitiavana voalohany ho an’i Jesoa ianao. Tena mahatsiaro ianao hoe fo iray Aminy, fanahy iray Aminy. Ary marina ara-bakiteny aminao ilay tsianjerintsika hoe : « Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko » rehefa manana an’ilay fitiavana voalohany ianao ry havana ô. Fa izao : rehefa tsy Jesoa intsony no ivon’ny fiainanao, fa ny centre-ny fiainanao : ianao, ny centre-ny fiainako : izaho ; manimba e, manimba ilay fitiavana voalohany izany ry havana ô. Manimba ilay fitiavana voalohany, ary dia hoe : simba, simba tanteraka, na mihasimba dia avy eo simba tanteraka ilay fiombonam-po, ilay fiombonam-panahy amin’i Jesoa satria ianao no centre du monde, ianao no centre-ny fiainanao. Ary tsy fifaliana ho anao intsony ilay fihaonana amin’i Jesoa, ilay fotoam-bavaka, ilay fihainoana teny, ilay culte de famille. Tsisy fifaliana aminao izany e. Tsy raisonao ho privilège intsony izany hoe ianao sy ny ankohonanao hiara-mivavaka satria simba ilay fiombonana amin’i Jesoa ry havana ô. Ary ny olona mizahozaho, tsy mihaino n’iza n’iza izy. Ary izany no mbola hitenenan’ny Fanahy amin’ny Fiangonana androany ao amin’ny Apokalypsy 2 :7 hoe : « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'nyFanahy amin'ny fiangonana ». Aza manampin-tsofina ianao ry havana ô. Mba henoy izay lazain’ny Fanahy aminao hoe : io fizahozahoanao io, manimba ny fitiavanao voalohany an’i Jesoa ry havana ô. Ary rehefa tsy Jesoa intsony no centre-ny fiainanao, normal be : ny fotoananao dia ho anao sy ho an’izay mahafinaritra anao. Tsy manam-potoana intsony ianao ho an’i Jesoa ry havana ô. Normal be izany. Aiza moa no tsy hangatsiaka ilay fitiavana ? Rehefa tsy tafahoana Aminy intsony ianao, rehefa tsy mifankazatra Aminy, rehefa tsy mifanerasera, simba ilay fiombonana e, mahakamo anao ilay fotoam-bavaka e. Koa tsy mihaona Aminy intsony ianao, tsy manam-potoana intsony ianao. Misy fitenenan-dry zareo vazaha izay, hoe : « Quand on ne se parle pas (amin’ny fotoana maharitra izany), on finit par ne plus rien avoir à se dire ». Rehefa kamo mihaona amin’i Jesosy ianao, pli vava fotsiny ilay vavaka. Indraindray tsy mahasokatra vava akory ary ianao ry havana ô. Izay ilay vokatr’ilay fizahozahoana ry havana ô. Ianao no ataoanao hoe centre du monde. Ary mba hitomboanao amin’ilay fizahozahoana, satria ny vola no maha-olona, ny vola no maha-lehilahy, ny centre-ny fiainanao koa dia mikisaka any amin’ny vola ry havana ô. Dia inona ny zavatra mitranga ? Vola, vola, vola ; dia ny fiainanao : harena miampy harena fa tsy fahasoavana miampy fahasoavana. Ny fiainanao : tômôbile miampy tômôbile, scooter miampy scooter ; fa tsy fahasoavana miampy fahasoavana. Satria Jesoa no loharanon’ny fahasoavana ry havana ô. Ary rehefa ataonao an-kilabao Izy ; azonao izao tontolo izao, nefa sanatria an’izany, very ny fanahinao. Maty antoka ianao. Ary rehefa mba tenenin’ny Fanahy tahak’izao ianao hoe : miverena amin’ny fitiavanao voalohany e, miverena amin’i Jesoa : ny Fanahy no miteny anao an’izany androany dia mbola hoy ianao, tahaka ilay mpanankarena tao amin’ny Lioka 12 hoe : « an an an, izaho Pasitera an, izaho ry Fanahy an, tena hoe manana fananana be, tsitako izay mampahory ahy, aleo aho hikarakara fananana aloa, hankafy ny fananako ». Na hoe « izaho mbola tsy manana fananana be fa andraso aloa Pasitera fa amin’ny maha-tanora anay mivady dia mbola vao mihary izahay izao an ». Ry havana ô, ry havana ô, miteny aminao ny Tompo hoe : MANIMBA NY FITIAVANAO VOALOHANY, MAMPIALA ANAO AMIN’IZANY FITIAVANAO VOALOHANY IZANY IO FIZAHOZAHOANAO IO, IO FITIAVANAO VOLA IO, IO VOLA ATAONAO CENTRE-NY FIAINANAO IO. Izay ny fahamarinana 2.

Ny Fahamarinana 3 dia hoe : HO ANAO IZAY NANAPA-KEVITRA ANDROANY AMIN’NY FOMBA TSOTRA SY MAZAVA FA HOE HATRAMIN’NY FARA-FOFON’AINAO DIA HAMPIARAKA AMIN’I JESOA AMIN’IZAY IANAO ISAN’ANDRO, HO ANAO IZAY NANAPA-KEVITRA HOE ENY ARY E, TSY HAMPIRAFY ANAO AMIN’ILAY FIZAHOZAHOAKO INTSONY AHO JESOA AN : Ny Fahamarinana 3 dia hoe : AZA AMPIRAFESINA AMIN’IZAO TONTOLO IZAO JESOA.

Jerentsika ny Jakoba 4 :4 : « Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao, dia fahavalon’ Andriamanitra izy ». Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao, ny finamanana amin’izao tontolo izao? Hitantsika manko ilay hoe : « Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao », « Tiava ny namanao », « Tiava ny tenanao ». Fa simba ilay fitiavana dia lasa fitiavan-tena. Ilay fitiava-namana lasa fitiavana an’izao tontolo izao, dia manimba an’ilay fitiavana voalohany. Fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao. Tadidio kely io. Haintsika ny Matio 4 :4, izao indray haintsika ny Jakoba 4 :4 : fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao. Fandrafiana an’ Andriamanitra, dia mazava ho azy fa manimba, mampiala amin’ilay fitiavana voalohany. Hitanareo angamba ity soratra antaon’i Pasteur Ammi, filohan’ny Fjkm ity ; asa, publication Vontosy Filazantsara izy ity raha tsy diso aho. Dia manoratra Président Ammi hoe : « Miha-mangatsiaka ny fitiavan’ny olona an’i Jesoa rehefa revo amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao izy. Reraka mamonjy tranon-dalonana ny Sabotsy alina ohatra, dia tsy mahafoha hivavaka ny Alahady. Variana mijery télé dia tsy manam-potoana hivavahana sy hamakiana Baiboly intsony ». Efa fantatsika anie izany ry havana e, fa manao teny averina amintika Fiangonana ny Fanahy amin’izao maraina izao. Fandrafiana an’Andriamanitra e, izany hoe fisakaizana amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao, izany ho fisakaizana amin’ny télé sy ny tahak’izany ry havana ô. Ary dia manimba ilay fiombonana, manimba ilay hoe communion amin’i Jesoa ry havana ô. Ary ilay karazan’olona ohatran’izao, raha tafangona ary izy ny  Alahady, satria teren’ny ray aman-dreny, na ohatran’izany, tonga eto izy, miady amin’ny torimaso. Tsy aleo natory tany an-trano ! Tonga eto izy, kamo be izy mihaino toriteny lava be ohatran’izao dia ilaozany milalao téléphone, soa ihany fa eo ny téléphone. Ry havana ô, ry havana ô, aza mampirafy an’i Jesoa amin’izao tontolo izao.

Mitodika aminareo STK manokana : tao amin’ny Vontosy Filazantsara tao amin’ny internet tao ihany no nahitana hoe, soratry ny Filohan’ny STK Foibe, vao tamin’ny herinandro teo izany, Président-ny STK Foibe izany no nanoratra : ny STK Fjkm hoy izy, dia mandray naoty rehefa hoe mihaino toriteny. Mahafinaritra ange ny maheno an’izany e. Mahafinaritra izany fitaizana Fjkm izany ry havana. Izay ry STK izany an ! Fantatro fa misy mandray naoty moa aminareo ireo, fantatro mihitsy fa misy mandray naoty dia rehefa Alatsinainy, tonga any amiko izy dia hoe : tsy azoko tsara ity notenenin’i Pasitera ity, fa ahoana ? Ary ny STK Fjkm hoy izy, dia hoe olona miaina, mitandrina sy miaina tenin’Andriamanitra anankiray isan’andro. Izany ny sakaizan’i Jesoa izany ry havana ô. Izany ny olona mampiaraka amin’i Jesoa izany ry havana ô. Ary izany ny olona miady amin’izany hoe fampirafesana an’i Jesoa amin’izao tontolo izao. Izany ve ianao, na tsy STK ary ry havana ? Izany ve ianao e ?

Dodona Jesoa ry havana ô, ny amin’ny hiverenanao amin’ny fitiavanao azy amin’ny fitiavana voalohany amin’izao maraina izao. Fa be loatr any olona mitonon-tena ho mpianany ohatran’ireo mpianatra tany Efesosy 40 taona lasa izay, mitonon-tena ho mpianany, nefa tsy nahafantatra an’izany fitiavana voalohany izany. Ary maro loatra ny olona misalotra ny anarana kristiana izay hoe tsy manana fiombonana amin’i Jesoa fa manao zavatra goavana ho an’i Jesoa. Jesoa ry havana tsy miandry anao hanao zavatra goavana ho Azy, fa miandry anao Izy hanao zavatra miaraka aminy. Zavatra kely, zavatra lehibe, fa miaraka Aminy. Sao dia ianao ilay deraina fa mahavita zavatra be ho an’i Jesoa, ho an’ny Fiangonana, fa fantatra hoe tsy manao zavatra miaraka amin’i Jesoa satria tsy manana an’ilay fitiavana voalohany ? Miverena e, miverena ry havana ô, amin’ny fitiavana voalohany an’i Jesoa.

Ary eto am-pamaranana, dia miverina aho amin’ity hoe fisakaizana amin’izao tontolo izao ity. Mampandinin-tena anao ny Tompo ny amin’ny asanao, satria isika mbola eto amin’izao tontolo izao ; ary eto amin’izao tontolo izao no anaovantsika ny asa aman-draharaha, ny antom-pivelomantsika ry havana ô. Mampanontany anao ny Tompo, ny Fanahy no miteny amintsika Fiangonana hoe : amin’ny fanantanterahanao ny asanao ry havana ô, ny asanao eto amin’izao tontolo izao : sao dia ahitana fomban’izao tontolo izao amin’ny fanatanterahanao ny asanao ? Ahitana hosoka, ahitana kolikoly, sy ny tahak’izany. Manimba ny fitiavanao voalohany ho an’i Jesoa izany. Manimba, n’inon’inona fanamarinan-tenanao ry havana ô. Ary miresaka asa ihany isika izao, ny Fanahy no miteny amintsika Fiangonana : manao ahoana ny asanao ? Sanatria an’izany, ary henoy tsara : ny asanao sao dia mahatonga anao hampandefitra an’i Jesoa ry havana ô ? Ny asanao sao dia mahatonga anao hampandefitra an’i Jesoa ? Raha lazaina amin’ny teny hafa izany dia izao : eo ny asanao, fa andao atao hoe arahaba soa, arahaba tsara, mahazo promotion ianao, sao dia ianao ilay hiteny amin’i pasitera hoe : « ento am-bavaka aho pasitera an, fa nahazo promotion be anya m-piasana, fa izaho kosa tsy ho hitanao aty am-piangonana intsony aloa noho izany andraikitro izany ». Manimba ny fitiavanao voalohany izany. Manimba ny fitiavanao voalohany izany ry havana ô. Capable ve izany ianao hiteny hoe : « Jesosy an, misaotra anao ny amin’io promotion io, fa raisiko ho fakam-panahy io, fa efa nampianarinao hihanina amin’izao karamako izao aho hamelomako ny vadiko, hamelomako ny zanako. Jamais izahay hanan-karena, fa ampy hivelomanay io. Fa arovy aho amin’ny fakam-panahy ho lasa izao sy izao sy izao, nefa hanambany anao. Hanimba ny fitiavako voalohany anao izany ».   Ny Fanahy no miteny an’izany amintsika Fiangonana ry havana ô. Ary hanterina : ianao izay mbola mifikitra ary manaja ny fomban-drazana, ny fomban-drazana malagasy mifandraika amin’ny fahafatesana, mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy : n’inon’inona sincérité anao, n’inon’inona fanamarinanao, n’inon’inona fiarovanao ny soatoavina malagasy, manimba ny fitiavanao voalohany an’i Jesoa izany ry havana ô. Nefa Izy efa hoe dodona miandry anao hiverina amin’izany fitiavana voalohany izany.

Izao no teny farany, izao no tenyin’i Jesoa tamin’ny Fiangonana tao Efesosy : « Mibebaha ianao, mibebaha ianao ». Tsarovy ny nisy anao talohan’izay nahalavoanao.  Ary miteny antsika an’izany ny Tompo anio : « Mibebaha ianao e ». Mety ao anaty fahalavoana ianao, tsy izany no problema : « Mibebaha ianao ». Ny teny omena antsika ry havana, ao amin’ny Ohabolana 24 :16, teny omena antsika, Ohabolana 24 :16a : « Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany ». Potraka im-pito, na lavo im-pito ny marina, nefa tafarina ihany. Ianao izay te hiverina amin’ny fitiavana voalohany an’i Jesoa ry havana, hitan’i Jesoa io faha-potrahanao io, hitan’i Jesoa io fahalavoanao io ; ary talohanao, efa hitany ny fahalavoan’i Davida, fa tafarina Davida ry havana ô. Talohanao, hitany ny faha-potrahan’i Petera, fa tafarina Petera ry havana ô. Miteny aminao Izy, miteny aminao Izy hoe : « Potraka im-pito ianao, fa marina ianao, te hiverina amin’ny fitiavanao voalohany Ahy ianao, Izaho no hanarina anao ». Mibebaha ry havana ô, mibebaha fa ny Tompo vonona handray anao. Ary ho anao no hibebahanao mba tsy ho alainy ny fanaovan-jironao, hoy Izy ao amin’ity Apokalysy 2 ity. Mba tsy ho alainy ny fanaovan-jironao, ianao no fanazavana, ianao no fanasin’ny tany. Raha alainy ny fanaovan-jironao, inona no antom-pisianao ? Ny fizahozahoanao sy ny volanao ? Tsy manana antom-pisiana intsony ianao, tsy manana utilié ho an’ny Fiangonana, tsy manana utilité ho an’izao tontolo izao ianao ry havana ô, rehefa alain’i Jesoa ny fanaovan-jironao. Fa miandry anao Izy e hibebaka, miandry anao Izy hibebaka dia hiaina an’izany fitiavana voalohany izany ianao, hiaina an’izany fitiavana voalohany izany ianao ry havana ô. Ary rehefa miaina an’izany fitiavana voalohany izany, ary izay miaina an’izany fitiavana voalohany izany ihany,  izay miaina an’izany fitiavana voalohany izany ihany, ireo ihany ry havana ô, rahatrizay no hihinana ny avy ao amin’ilay hazon’aina izay eo amin’ny centre-ny Paradisan’Andriamanitra ; izay tia Azy amin’ny fitiavana voalohany ihany no avelany hihinana ny avy ao amin’ilay hazon’aina izay eo amin’ny centre-ny Paradisan’Andriamanitra. Ry havana ô, andao hifanome rendez-vous eo amin’ny hazon’aina izay eo afovoan’ny Paradisan’Andriamanitra rahatrizay.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

ALAHADY 01 MAR 2020

"Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe: Ary ianao, ry
Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsy hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao". Matio 11:20; 23-24

Ho moramora kokoa ry Kapernaomy  ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao. Manao teny faran’izay hentitra Jesoa ry havana ô, amin’i Kapernaomy. Satria naninona ? Satria tsy niraharaha an’i Jesoa Kapernaomy, satria tsy niraharaha ny teny fampianarana Kapernaomy, satria tsy niraharaha ny fahagagana nataon’i Jesoa Kapernaomy. Dia lazaiko aminao ry Kapernaomy fa ho moramora kokoa no hitsarana an’i Sodoma amin'ny andro fitsarana noho izay hitsarana anao.

Raha fintinina ry havana ity toriteny ity, dia azo fintinina amin’ny fomba tsotra tahak’izao, hoe : AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA E ! AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA. AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA.

Rehefa manomboka ilay perikopa eo amin’ny and.20 dia hoe : "Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna » Jesoa. Tsy mahazatra antsika Fiangonana ry havana izany Jesoa miteny mafy izany. An an an, ny antsika ilay Jean 3 :16 ihany : « Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao » ; fa tsy zakantsika izany hoe Jesoa miteny mafy izany. Amin’ny teny frantsay izy, hoe : « reprocher », amin’ny teny frantsay, hoe : « dénoncer », amin’ny teny frantsay izy, hoe : mi-« invectiver ». Tsy azontsika an-tsaina mihitsy, tsy eken’ny saintsika izany hoe Jesoa mi-invectivé olona, na iza na iza. Tsy eken’ny saintsika izany. Nefa ny perikopa voalohany amin’ny andro voalohany andinihantsika ny lohahevitra hoe : « Miverena amin’ny Tompo », dia teny mafy ry havana ô. Ary tsy vitan’ny hoe teny mafy ; raha mba izay ihany moa ; fa teny mafy manambara hoe : Loza, lozanao ry Korazina, lozanao ry Betsaida. Satria naninona ry havana ? Satria mba efa nisahirana Jesoa tao Kapernaomy nampianatra, nanao fahagagana, nefa tsy nahoan’i Kapernaomy inona izany. Tsy nahoan’i Betsaida inona izany. Tsy nahoan’i Korazina inona izany. Lozanareo. Miantso ny loza aminareo ianareo, miantso ny loza aminareo ianareo. Ary izao teny hentitra izao ry havana, izay nataon’i Jesoa tamin’i Kapernaomy, ataony amintsika noho ny fitiavana antsika : tsy tiany isika hoe hisy loza hahatratra e. Izany. Ary ota manokana no dénoncé-n’i Jesoa amintsika mianakavy, ota manokana no hi-invectivé-n’i Jesoa antsika mianakavy anio, dia ilay hoe : tsy firaharahana. Aoka izay e, ity tsy firaharahana ity. Izay fotsiny ilay hafatra ry havana : AOKA IZAY E, ITY TSY FIRAHARAHANA ITY E !

Ny Fahamarinana 1 ry havana dia izao : KAPERNAOMY DIA TANANA  VONTO-PILAZANTSARA NEFA TSY NORAHARAHIANY NY FILAZANTSARA

Izay ny fahamarinana 1 : Kapernaomy vonto-pilazantsara nefa tsy noraharahian’i Kapernaomy izany. Enga anie ry havana ka rehefa mijery antsika Isotry Fitiavana, satria tena marina mihitsy, tao anatin’izay 15 taona niarahantsika izay, izay Pasitera rehetra nandalo teto, dia namonto filazantsara, namonto fampianarana an’ity fitandremana ity. Sanatria ve dia hiteny ny Tompo hoe : eny e, ô ry Isotry Fitiavana ô, tsy noraharahianao izany nefa.

Kapernaomy ity ry havana, tanàn-dehibe, seranana izy ity, port. Matetika ny port tanàn-dehibe foana. Moa, géographiquement, misy lalana lehibe tonga ao sy miainga ao. Dia izay no nirosoany ho tanàna lehibe malaky izany. Ary ity Kapernaomy ity, tena hoe tanàna nataon’i Jesoa ho foiben’ny asany. Jesoa teraka tany Betlehema ; Jesoa tanora sy lehibe tao Nazareta. Fa nanomboka niasa Jesoa, ilay 3 taona niasany, ny herintaona tamin’ireo 3 taona niasany, dia nolaniany, nipetrahany tao Kapernaomy. Ary tsy nisy karazana fampianarana na karazana fahagagana nataon’i Jesoa tao amin’ny fiainany ry havana, ka tsy nataony tato Kapernaomy. Ho singanina manokana izay tena hoe malaza sy miteny amintsika :

  • Tato Kapernaomy Izy izao, satria amoron-dranomasina moa ilay Kapernaomy, tao Izy no nampitsahatra ilay tafio-drivotra, raha nahilangilan’ny alon-drano ilay sambokely. Izay izany ilay karazana fahagagana nataon’i Jesoa.
  • Raha nanatona an’i Petera ilay mpandray sekely na hoe mpitaky sekely andoavana hetran-dehilahy dia hoy Jesoa tamin’i Petera hoe : ndana ianao hoy izy manjono, dia jereo tsara izay trondro voalohany azonao ao an, dia sokafy ny vavany, dia nahita sekely tao Petera. Izay ilay fahagagana nataon’i Jesoa ry havana tao Kapernaomy ihany izany.
  • Dia tao Kapernaomy ihany koa ry havana, tao Izy no nanangana ny zanaka vavin’i Jairo. Fantatsika daholo izany. Ary tena mampitolagaga izany.
  • Tao Kapernaomy Izy no nanasitrana ny ankizilahy, ilay hoe mpanompolahin’ilay kapiteny, izay tonga namonjy Azy : marary any an-tranoko hoy izy ny ankizilahiko dia hoe ho avy any Aho hanasitrana azy. Non, non, non hoy ilay kapiteny : teneno fotsiny hoy izy dia ho sitrana ny ankizilahiko. Ary dia tena hoe niteny Jesoa dia sitrana ny ankizilahin’ilay kapiteny ary teo Jesoa no niteny an’ilay teny mahagaga hoe : « Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahak’izany Aho ». Izany ilay fahagagana nataon’i Jesoa tao Kapernaomy ry havana.
  • Ary ny farany, izay singanina, ary tsy maintsy singanina ry havana, dia tao Kapernaomy Izy no nanasitrana an’ilay lehilahy mararin’ny paralysisa, ilay nentin »ny namany teo Aminy teo, dia teneniny ilay lehilahy io hoe : « Anaka, voavela ny helokao ».

Ry havana ô, izany ny fahagagana, izany ny fampianarana nataon’i Jesoa tao Kapernaomy nefa ohatrany hoe nohosohosehan’i Kapernaomy tamin’ny tany izany, tsy noraharahiany, nakifikifiny izany fampianarana sy fahagagana izany ry havana ô. Ary izany no nahatezitra an’i Jesoa, hoe, tahaka ny nitenenany tamin’i Betsaida sy Korazina hoe : loza, loza ; dia miteny amin’i Kapernaomy Izy hoe : an an an, ho hitanao, fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anao noho ny hitsarana an’i Sodoma satria naninona ? Ianao nahita an’izany fahagagana izany, ianao nahita an’izany fampianarana izany. Ary ny tena hoe zavatra tokony soritana eto, indrindra amin’izao volana handinihantsika ny lohahevitra hoe : « Miverena amin’ny Tomponao » izany, rehefa miteny hoe : tezitra ny Tompo, tezitra ny Tompo satria tsy niteraka finoana Azy ho Kristy zanak’Andriamanitra ilay fahagagana nataony tao Kapernaomy ry havana. Tsy niteraka finoana an’i Jesoa hoe Kristy sy zanak’Andriamanitra. Ary tsy niteraka fibebahana. Ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, ny votoatin’ny filazantsara dia zavatra tokana, dia efa nofintinin’i Marka ao amin’ny Marka 1 :15 hoe : « Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara ». Izay no votoatin’ny filazantsara ry havana ô. Ary ny olona mitory fahagagana, tsy mitory antso ho amin’ny fibebahana, dia mitory Kristy hafa, mitory filazantsara hafa, mitory filazantsara sandoka ry havana ô. Ary jereo tsara izay Fiangonana alehanareo, raha Fiangonana manandratra ny fahalebiazan’Andriamanitra, raha Fiangonana mankalaza ny Heriny, manasitrana, manao fahagagana sy ny tahak’izany, kanefa tsy mitory ny fibebahana, dia Fiangonana iasan’ny fanahy mamitaka izany Fiangonana izany.

Ary misaotra an’Andriamanitra isika ry havana ô, ny amin’ny ahazoantsika mifampilaza tahak’izao, hoe : e, aoka izay ny tsy firaharahiana e ! Izay fahagagana rehetra ampy mba hinoantsika, ary hoy Jaona hoe mbola misy fahagagana hafa nataon’i Jesoa, fa raha hoe soratana anaty boky ary ny fahagagana rehetra nataony, ity tany ity, la terre entière tsy omby an’izany fahagagana izany. Fa ampy ireto hinoantsika Fa Izy no Kristy ry havana ô. Ampy izany hinoantsika ary hamaliantsika izany antso hoe miverena ianao, mibebaha amin’izay ianao, miovà fiainana ianao, ary atsaharo ny adalanao, atsaharo ny fiodinanao, fa Izaho vonona tsy hampanjombona intsony ny tavako aminao. Hentitra izany ry havana ô. Fa zaza mpiodina, zaza maditra e, zaza mafy loha e, izany no anarina amin’izao maraina izao.

Izay ny fahamarinana 1, hoe : KAPERNAOMY VONTO-PAHAGAGANA, KAPERNAOMY VONTO-PILAZANTSARA NEFA TSY NIRAHARAHA. Miteny amintsika ny Tompo amin’izao maraina izao, hoe : AOKA IZAY E, AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA E, SAO HAHATRATRA ANAO NY LOZA E.

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao ; fa nahoana Kapernaomy no tsy niraharaha izany fianarana, izany fahagagana izany ? Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao, hoe : TSY NIRAHARAHA FAMPIANARANA SY FAHAGAGANA KAPERNAOMY SATRIA NIAVONAVONA

Ary io avonavona io, avonavom-po, avonavom-panahy, no miteraka ilay tsy firaharahiana. Tsy niraharaha Kapernaomy satria niavonavona.

Manazava an’izany Jesoa ry havana, ary tena teniny izany eo amin’ny and.23, Matio 11 :23 : « Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsy hita ianao ». Mandinika an’i Kapernaomy miavonavona Jesoa ry havana ô, dia miteny Izy hoe : da ianao io mieritreritra ny hisandratra any an-danitra ? Ho hitanao, fa hahetry hatrany ampara-vodilavaka ianao e. Izay. Ary toetrantsika io toetran’i Kapernaomy io ry havana ô. Maninona no hoe toetrantsika io toetran’i Kapernaomy io ? Efa voalaza teo : ity Kapernaomy ity dia hoe tanànà malaza, ity Kapernaomy ity dia hoe tanànà nalaza tamin’ny varotra sy amin’ny harenany. Ity Kapernaomy ity, noho izany, dia hoe sangan’ny firenena. Iza no tsy mieritreritra amintsika ireo fa sangan’ity firenena ity ? Iza no tsy mieritreritra amintsika ireto fa hoe malaza, manan-karena sy ny tahak’izany ? Ary iza no mieritreritra amintsika ireto hoe tsy te hisandratra ho any an-danitra ao an-tsaintsika sy eo am-pontsika ao ry havana ô ? Izany no hitenenana mafy antsika, ary izany no mampiavonavona antsika, izany no mampiodina antsika e. Ianao miavonavona io, manantena hisandratra any an-danitra angamba ianao io hoy Jesoa. Ary rehefa miteny Jesoa ry havana eto amin’ny and.23 hoe : « Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsy hita ianao »,  io and.23 io an, citation an’i Isaia 14 :14-15 ary teny milaza an’izany satana izay tratran’izany pêché d’orgueil, ilay hoe avonavona sy fiheveran-tena ho zavatra eo anatrehan’Andriamanitra, te hisandratra hitovy lenta amin’Andriamanitra ry havana ô. Izany ity Kapernaomy ity. Isika rehetra e, tenenan’ny Tompo hoe : Aoka izay io avonavom-po io e ! Fa io avonavom-ponao io mahatonga anao tsy hiraharaha ahy. Izany ilay izy. Ary hahatratra aano ny loza, hahatratra anao ny loza ety an-tany, ary ho mafy noho Sodoma no hitsarana anao amin’ny andro fitsarana. Tia antsika ry havana ny Tompo, izany no hitenenany antsika mafy tahak’izany. Aza mitoky amin’ny lazanao, aza mitoky amin’ny harenanao, aza mitoky amin’ny position sociale-nao, fa tahaka ny tany Kapernaomy, ianao mieritreritra hoe ilay fahambonianao io, dia hoe hisondrotra lava ianao : tsia ry havana ô. Halentiky ny Tompo any amin’ny fara-fietrena ambany indrindra ianao. Hoy ny Isaia 14 :14-15 hoe : « Hiakatra ho any ambonin’ ny havoan’ ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra (hoy satana); Kanjo hampidinina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka hianao ». Tianao ve izany hoe ho any ampara-vodilavaka izany ? Tsy misy tia an’izany hoe ho any ampara-vodilavaka izany ry havana ô. Izany no hitenenan’ny Tompo antsika hoe : mbola tolon-tsain’i satana io ianao miavonavona tsy miraharaha an’i Jesoa io, ary mieritreritra hoe amin’ny herin’ny sandrinao sy amin’ny herin’ny sainao sy ny fahaizanao dia hisandratra ho any an-danitra ianao. Hampietrena any ambany indrindra, any ampara-vodilavaka ianao e. Teni-pitiavana izany ry havana ô. Tenin’ilay Raintsika araka ilay hira 358 teo hoe : zanaka tsy foiny ianao. Ary ny zanaka tiana no anarina sy faizina. Ary tato amin’ity Kapernaomy be avonavona ity ry havana ô, tato amin’ity Kapernaomy ity no nampianarany ny mpianatra izany hoe fanetren-tena izany. Ao anaty-na contexte olona malaza sy mirehareha, Jesosy nampianatra fanetren-tena tamin’ny mpianany. Miteny aminao ny Tompo hoe : manana an’izay antony marina na diso ianao hireharehanao, hiheveranao tena ho zavatra, ary hoe base-ny fiainanao hisandratanao any an-danitra. Diso kajy ianao hoy ny Tompo e. Diso kajy ianao satria izany fomba fisainana izany mahatonga anao tsy hiraharaha ny Tompo noho ny avonavona. Velon’aina ianao androany noho ny antony tokana : tsy tian’ny Tompo ho very ianao ry havana ô. Ary velon’aina ianao androany mba hahazoanao mandinin-tena hoe amin’inona sy amin’inona ary aho no mbola hoe miavonavona ? Ary amin’inona sy amin’inona aho no mbola tsy miraharaha ny Tompo ry havana ô.

Faranana, faranana izao teny izao ry havana. Fa maninona moa izany ny Tompo e, no milaza hoe : « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao » ? Io fitsarana io dia ilay fitsarana farany ambaran’ny Apokalypsy 20 ry havana. Zavatra tena hisy. Ary amin’io, dia ho mafimafy kokoa no hitsarana antsika Isotry Fitiavana noho ny hitsarana an’i Sodoma ry havana. Izany io, izany io. Inona ny antony ? Inona ny antony ? Lazain’i Jesoa ry havana ô, lazain’i Jesoa, fa raha tao Sodoma no mba niasany tahaka ny niasany tany Kapernaomy, Jesosy no miteny hoe : mibebaka Sodoma. Izany ange io e. Izany io ry havana ô. Tenin’i Jesoa izany ? Samy mpanota na isika na Sodoma ; samy mpanota. Tsy misy marina na iray aza, hoy ny Apostoly Paoly, Romana 3. Fa ny maha-samy hafa antsika sy Sodoma : isika vonto-pahagagana, isika vonto-pampianarana. Sodoma tsy mba nisy mitory filazantsara tany Sodoma ry havana ô. Raha tsy izany izy mba efa nibebaka ihany koa, hoy Jesoa Kristy. Vonona ve ianao, vonona ve ianao hiala amin’izany hoe tsy firaharahiana izany ? Izany ry havana ô ny votoatin’ity toriteny ity hoe : AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA E ! AOKA IZAY. Tapaho ny hevitra e : aza miezaka hoe : ah, tokony esoriko izany : tapaho ny hevitra : Aoka izay ny tsy firaharahiana ry havana ô.

Eto amin’ity perikopa ity, dia hoe efa tafalatsaka lalina, lalina dia lalina tamin’ny hamafim-po Kapernaomy. Dia hoy Jesoa amin’i Kapernaomy hoe : an an an, ianao, ianao dia ho mafimafy no hitsarana anao noho i Sodoma izany e. Inona tokoa ny zavatra nitranga ? Ny archéologue izao sisa ry havana no miezaka mamantatra hoe teto na teto izany tanànà nanana ny lazany antsoina hoe Kapernaomy izany. Korotam-bato sisa no hita eo. Ary tena marina ny tenin’i Jesoa. Niaran-doza Kapernaomy ry havana ô. Fa izao : raha mijery ny hamafim-pon’i Kapernaomy Jesoa dia tsy nampoiziny hiova intsony Kapernaomy. Fa mijery ny hamafim-poko Izy, mijery ny hamafim-ponao Izy, dia mbola manao teny hentitra ohatran’izao : « Mibebaha ka miverena Amiko ianao fa Izaho tsy te hampanjombona ny tavako aminao intsony e ». Mibebaha, atsaharo io tsy firaharahiana io, atsaharo io tsy firaharahiana io ry havana ô. Milaza zava-dratsy sy toetra ratsy tokony hialana izany Sodoma izany ry havana ô. Nefa rehefa mijery an’i Kapernaomy Jesoa ry havana, dia ohatrany hoe lany haiky Izy ary izany no mahatonga Azy hiteny hoe : na dia Sodoma aza, izay tonga fanoharana amin’ny faharatsiana, raha izy no nanaovako an’ireo fahagagana ireo, nibebaka ireo, nibebaka tokoa ary tsy ringana ry havana ô. Kapernaomy mafy fo lavitra noho i Sodoma. Raha mijery ahy, raha mijery anao ny Tompo, dia hiteny ve izy hoe : io Pasitera io, ireo mpivavaka ao Isotry Fitiavana ireo, mbaraky ny efa nanariko sy nampianariko, dia mbola mafy fo lavitra noho Sodoma. Sanatria, sanatria ry havana ô. Mbola andro-pahasoavana izao. Andro-pahasoavana izao. Zavatra tokana no andrasan’ny Tompo aminao e : miverena Aminy. Ary ny mariky ny fiverenana Aminy, zavatra faran’izay tsotra : atsaharo ny tsy firaharahiana Azy. Atsaharo ny tsy firaharahiana ny Teniny. Atsaharo ny tsy firaharahiana Fiangonana. Atsaharo ny tsy firaharahiana Soratra Masina.  Atsaharo ny tsy firaharahiana vavaka sy fiainam-bavaka. Fa rehefa tratran’izany tsy firaharahiana ara-panahy izany ianao, tsy misy zavatra raharahianao koa eo amin’ny fiaraha-monina, na ny vadinao, na ny zanakao, na ny mpiara-belona aminao. Dodona ny Tompo ry havana ô, ary miandry antsika mpiodina Izy amin’izao maraina izao, hoe : miverena aty amiko ianareo. Ary ny fahasoavan’Andriamanitra ry havana ô, izay nitaona anao teto androany maraina, ny fahasoavan’Andriamanitra hiasa ao aminao ka ny Fanahy Masina hampiaiky heloka anao amin’izay rehetra hoe fiodinana sy tsy firaharahiana mbola ao aminao, tsy firaharahiana kely, tsy firaharahiana be. Hain’ny Tompo ny manafaka anao amin’izany ry havana ô. Ary dia ho faly loatra Izy mahita anao manatona Azy ary dia ianao, hanandrana amin’izay, hanandrana eo noho eo izany hoe fifalian’ny famonjena, fifalian’ny lanitra izany.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

 

ALAHADY 23 FEB 2020

« Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra ». Kolosiana 3 :16

Ny hafatra androany ry havana ho antsika Fiangonana dia izao : MANOMBOKA ANIO, TANDREMO NY MOZIKA SY NY HIRA HENOINAO SY HIRAINAO.

Ny Fahamarinana 1 araka ity texte ity, dia ny hoe : AOKA NY TENIN’I KRISTY HITOETRA BETSAKA AO AMINAREO AMIN’NY FAHENDRENA REHETRA.

Ny olona ry havana asaina mitandrina ny hira sy mozika hirainy, tsy avy hatrany dia hitenenana an’izany izy e. Fa tenenina izy aloa hoe : « Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra ». Tsy ho vitanao izany mitandrina ny hira sy ny mozika izany, fa hoe : « io indray ny fahateren-tsainao Pasitera ». Ry havana ô : « Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra ».

Raha jerena ilay contexte akaiky indrindra amin’ity tenin’i Paoly hoe : « Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo », dia eo amin’ny and.1 amin’ny toko fahatelo, hoe : « Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo ». Ity texte ity ry havana, ity toriteny ity, dia miantefa amintsika izay matin’ny fahadisoany taloha, izany hoe maty ara-panahy, fa nandre ny tenin’Andriamanitra, dia natsangan’Andriamanitra niaraka tamin’i Kristy avy amin’izany fahafatesana ara-panahy izany. Izay izany ity toriteny ity ry havana ô : olona efa nateraka indray, olona efa natsangana ara-panahy. Izany ity toriteny ity ry havana ô. Ary rehefa jerentsika ilay Kolosiana io, Kolosiana 3 :1-2, dia hoe : « Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany » ; izany ny olona hilazana hoe : « E, tandremo ary e, manomboka izao ny mozika henoinao sy ny hira henoinao », olona natsangana tamin’ny maty ary dia ilazana hoe satria ianao natsangana tamin’ny maty, dia miditra amin’ny tontolo vaovao, ary io tontolo vaovao io dia hoe tontolon’ny lanitra io ry havana ô. Ny tongotrao no mbola ety an-tany, fa ny sainao sy ny fanahinao efa miditra any amin’izany tontolon’ny lanitra izany : Saino ny zavatra any ambony, any amin'izay itoeran'i Kristy. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny ety an-tany. Ary aoka izany teny izany ry havana ô, hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, aoko izany hitoetra betsaka ao aminareo. Resaka tontolo idirana io, ary tontolo ilaozana. Tsisy resaka morale io ry havana ô, ary izay no tenenin’i Paoly eo amin’ny and.5, Kolosiana 3 :5, hoe : « Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany ». Tsy manondro manokana ny hoe fijangajangana, ny fahalotoana ny Soratra Masina ry havana, ny fanirian-dratsy, ny fieremana, fa hoy izy hoe : tontolo anankiray izany, ary mifanaraka ireo, mifamatotra ireo ; fa efa hoe ilaozy, aza sainina intsony izany. Toriteny atao ho anao izay efa nitsangana tamin’ny maty niaraka tamin’i Kristy izany ry havana ô. Ary vaovao mahafaly izany, vaovao mahafaly izany.

Dia ahoana moa izany hoe : « Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra » ? Na ny tanora, na ny zokiny mahay an’ity hoe mihaino zavatra na mihaino hira en boucle ity. Ao, maraina, atoandro, hariva, dia miverina ao, dia miverina ao. Avereno ao an-tsainao maraina, atoandro, hariva izany tenin’i Kristy , izany tenin’ny Soratra Masina manao hoe : « Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, saino ny any ambony, any amin'izay itoeran'i Kristy, fa Kristy mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny ety an-tany ». Rehefa ataonao maraina sy hariva, miova ny fisainanao e, miova ny fijerinao ry havana ô. Ary rehefa hoe avelanao mandeha en boucles ao an-tsainao izany tenin’Andriamanitra izany hoe : « Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, , dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany » ; ilay sampy atakalonao an’Andriamanitra ; manasitrana anao izany, manafaka anao izany. Izany no hafatra volamena ho antsika e. Ary angataho ry havana ny Fanahy Masina, angataho ny Fanahy Masina ampahatsiaro anao an’izany teny izany. Ao amin’ny Efesiana 5 :18b : « aoka hofenoina ny
Fanahy Masina ianareo » hoy ny Apostoly Paoly. Ny Efesiana sy ny Kolosiana mitovitovy, Paoly ihany no nanoratra an’ireo, mitovitovy. Ato amin’ny Kolosiana i Paoly tsy mba miteny hoe : « Aoka hofenoina ny Fanahy Masina ianareo », fa eo amin’ilay toerana hitenenany any amin’ny Efesiana hoe : « Aoka hofenoina ny Fanahy Masina ianareo », miteny Paoly hoe : « Aoka hitoetra betsaka ao aminareo ny tenin’i Kristy ». Ny mampitoetra ny tenin’i Kristy ao amintsika = feno ny Fanahy Masina. Feno ny Fanahy Masina ianao : mampitoetra betsaka ny tenin’i Kristy ao aminao amin’ny fahendrena rehetra ry havana ô.

Angataho ry havana ô, angataho ny Fanahy Masina manomboka izao. Izay no tsy fantatsika mianakavy. Angataho ny Fanahy Masina hampatsiahy antsika izany tenin’i Kristy ; maro no efa nianarantsika tsianjery teto ; satria moa io izany no hampiteny antsika e : « ampio aho Jesoa an, ampio aho Fanahy Masina hisaina ny zavatra any ambony an, ampio aho hifaly rehefa miditra an’izany tontolon’ny lanitra izany e ; ny tongotro mbola ety an-tany e, fa ny saiko sy ny fanahiko misaina ny any an-danitra ary mangetaheta ilay fihaonana amin’ilay Tompoko izany » ry havana ô. Izany, angataho ny Fanahy Masina hampatsiaro anao ireny teny hoe : « Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao. Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra ». Aza henoina indray mandeha isa-taona fotsiny izany e. Fa aoka ny Fanahy Masina hampisaina anao an’izany dia tena hoe haniry ny lanitra ianao, haniry an’i Jesoa izay ao an-danitra ianao, izay efa miandry anao. Izany ny hoe : aoka ny teny hitoetra betsaka ao aminareo ry havana ô, amin’ny fahendrena ; izany hoe, amin’ny hareny, « dans toute sa richesse », hoy ny Soratra Masina. Aoka ny Fanahy Masina hampatsiaro anao teny mamy ohatran’ireny tenin’i Isaia ireny, hoe : « Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao e, sady tiako ianao e». Ianao mahatsiaro ahilikilika io, ny Fanahy Masina te hampatsiaro anao an’izany, dia hitoetra betsaka ao aminao ny tenin’i Kristy, ary dia hampahery anao izany ry havana ô, hampahery anao izany. Angataho ny Fanahy Masina. Jereo anie ny Isaia 43 ihany e, tao mantsy ilay teo ; eo amin’ny and.25. Anisan’ny teny volamena ao amin’i Isaia ity teny hoe Isaia 43 :25 ity : « Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao ». Angataho ny Fanahy Masina hampatsiaro anao ny tenin’i Kristy izay efa napetrany ao aminao ; ary rehafa nanao ny tsy mety ianao ka manana ahiahy ny amin’ny mety tsy hahazoanao famelan-keloka, ny Fanahy Masina hampatsiahy anao hoe : « Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao », tsy noho ianao, fa noho ny tenako hoy Jesoa ry havana ô. Noho ny tenako no hamonoako ny fahadisoanao, fa tsy noho ianao. Ary ny Fanahy Masina mbola mampatsiahy hoe : « ary tsy hotsarovako ny fahotanao ». « Hay, misaotra Fanahy Masina mampatsiahy an’izany, fa tsy ho tsarovanao ny fahotako, fa menatra aho, menatra aho. Izaho mihitsy no mamela ny vadiko fa tsy manadino ny fahotany ; tsy hanadino mandrakizay ny nataon’ny zanako tamiko, na ny nataon’ny ray aman-dreniko tamiko ».

Ry havana ô, misaotra ny Tompo ny amin’izany teny izany, hoe : « Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra ». Dia hiditra amin’izay ianao, na dia mbola ety an-tany aza, amin’izany hoe tontolon’ny lanitra, izay destination finale-nao Ary aoka izany tontolon’ny lanitra izay destination finale izany, aoka izany ho motivation ho anao hampitoetra be dia be ny tenin’i Kristy ao aminao. Hoy Davida hoe : « Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako ». Manahy ny amin’ny ampitso ianao ry havana ô, tsy fantatrao na mandeha mankaiza na mandeha mankaiza ity fiainanao ity : « Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho ». Angataho ny Fanahy Masina. Fa izao : rehefa hitan’ny Fanahy Masina ianao fa te hitoetra be, hampitoetra be ny tenin’i Kristy ao aminao, ka hampatsiahiviny teny, ny zavatra angatahinao farany amin’ny Fanahy Masina dia hoe : « Fanahy Masina ô, manome toky anao aho fa n’inon’inona teny omenao ahy, anio, rapitso, isan’andro isan’andro, mihaniana eo anatrehanao aho fa ho ankatoaviko izany ». Dia ho feno ny Fanahy Masina ianao ary ny tenin’i Kristy hitoetra be ao aminao amin’ny fahendrena rehetra ry havana ô.

Izay no fahamarinana 1 amin’ny olona izay ilazana hoe : « ianao, henonao izany an, donc concrètement ahoana : Tandremo manomboka anio ny hira hirainao sy ny mozika izay henoinao.

Miverina any amin’ny Kolosiana 3 isika ry havana. Hoy ny Soratra Masina hoe : « Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy ».

« Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra » : izay ilay tapany voalohany ; « dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy ». DIA mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy ; DIA, DIA mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao : FANTARO NY HERIN’NY MOZIKA – FANTARO NY HERIN’NY HIRA

Na mozika inona izany, na mozika inona, na hira inona, na hira inona : mirakitra hery iny hira sy mozika iny. Ary dia ilay fahamarinana 2 dia manao hoe : fantaro izany hoe herin’ny mozika izany.

Io ry havana, mbola débat be, ny amin’ity hoe hira sy mozika. Fa ny ho jerentsika dia hoe : ny hira sy ny mozika sahaza ny olona izay efa nitsangana, niara-natsangana tamin’i Kristy. Izay no mi-intéressé antsika eto izany. Teny atao amin’ny olona izay efa niara-natsangana tamin’i Kristy ; tsy ho an’ny olona jentilisa ao amin’izao tontolo izao, tsy mahalala an’Andriamanitra akory izao teny izao ry havana ô.

Ny mpandinika ry havana, any ivelan’ny Baiboly izany, dia manamafy an’izany hoe herin’ny hira sy herin’ny mozika izany. Ary nampieritreritra ahy ry havana, teny-na mpandinika iray tany Etats-Unis tany, dia hoe : tena sarotra ny mianatra mozika, tena sarotra ny mianatra hira ary tena sarotra ny mianatra mahafantatra sy mampiasa ny herin’ny mozika sy ny herin’ny hira. Tena sarotra hoy izy. Dia ny ohatra nalain’ity mpandinika ity tamin’ny enquête nataony, dia hoy izy hoe : any amin’ny Pentagone, ataontsika hoe any amin’ny Ministère-ny défense any Etats-Unis izany, any Pentagone, 13 taona izy no manofana pilote de chasse amin’ireny avion de combat ireny, 13 taona. Fa ao amin’ny Pentagone ry havana, 15 taona izy manofana chef de chœur sy chef d’orchestreho ampiasaina amin’izy miaramila. Ilazana izany hoe mahasaro-pady sy ny fahalebiazan’izany hoe herin’ny hira sy herin’ny mozika ; fa tena misy ry havana ô. Sarotra ny manazava azy, fa mazava be fa rehefa mihaino azy isika dia misy hery ao, ohatrany hoe mandrovitra antsika, manandratra antsika. Manandratra antsika ho aiza, na mitondra antsika ho aiza ? Fa misy hery ao ry havana ô.

Dia manafatra ny Soratra Masina hoe : ianareo efa niara-natsangana tamin’i Kristy, dia hoe : « mifampianara ». Mifampianatra isika izany ; « mifananara  amin’ny Salamo sy ny fihirana ». Fa inona no mahatonga azy hiteny an’izany ry havana ? Raha jerena amin’izao androntsika izao izany an, dia hoe amin’ny Salamo sy ny fihirana, dia hoe io Salamo io, ary misaotra an’Andriamanitra ry havana ny amin’ny vina sy ny tolo-tsaina nomeny ny FJKM lasa manisy hira ireny Salamo ireny ankehitriny ; fa tena hoe fampiarana concrètement ny amin’ny hoe : « mifampianara ary mifananara amin’ny Salamo sy ny fihirana ». Concrètement, ny azo antoka indrindra amin’izao fotoana izao, ho antsika FJKM ry havana, dia ny fihirana FFPM. Ny fihirana hafa, mbola misy hira mampisalasala. Fa rehefa miteny ny Soratra Masina hoe : « mifampianara sy mifananara amin’ny Salamo sy ny fihirana », dia ilay fihirana FFPM io ry havana ô. Azo antoka na ny feony, azo antoka na ny toniny. Ary azo antoka fa hira sy tononkira avy amin’ny Fanahy Masina ireo ry havana ô. Fa rehefa hoe azo antoka moa izany ilay feon-kira e, rehefa hoe azo antoka ilay tononkira e, avy amin’ny Fanahy Masina, dia satria aloa hoe azo antoka ilay mpamoron-kira. Olona nanana fiainam-pibebahana ary olona tena hoe fenoin’ny Fanahy mandrakariva ny fiainany. Hitanareo moa izao, jerentsika anie ilay 518, ilay 518 izay somary tiantsika. Hitanareo izany, ianao izany hifampianatra hoe nifankahita niara-nanao gouter any an-trano na nanao anniversaire, dia somary ajanona amin’izay ilay Ambondrona izany ; tsisy maharatsy an’Ambondrona fa ajanona fotsiny izy, zay an : « andao isika hira-hihira ny 518 e ». Izay ilay izy, rehefa eo amin’ny anniversaire eo na eo amin’ny fivoriam-pianakaviana eo : « F’ialahy koa lesy miseho milay, izahay koa anie mba mivavaka e, fa aleo mb hihaino kely an’i Bodo aloa letia an ». Izay ilay izy. Ilay namorona an’ity ry havana, jereko ilay biographie-ny, any izay hoe Charles Gabriel izay, teny anglisy ilay izy, olona niaina tamin’ny 1856-1932, dia hoe tena nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana izy amin’ny famoronan-kira, ary ity 518 ity, izy no namorona azy. Ary ity 518, anisan’ilay 7.000 à 8.000 hira noforonin’i Charles Gabriel ry havana ô. Izany tena hoe olona nanokana ny fiainany ho an’ny fihirana izany. Izay ilay izy. Ary io rehefa hoe ampitoerinao betsaka ao an-tsainao sy ao am-ponao, hoe :

« Rehefa vita ny asako ety,

Ka ny fanahiko raisina ery,

Miara-mitoetra aminao,

Tomponay,

No hasambarako mandrakizay »

Tsy ho hirahira fotsiny izany e. Fa fantatrao, miomana ianao :

« Rehefa vita ny asako ety,

Ka ny fanahiko raisina ery,

Miara-mitoetra aminao,

Tomponay,

No hasambarako mandrakizay.

Rehefa ataoko veloma ny ety

Ka azoko ‘lay Paradisa ery,

Sady mahita ny tavan’ny Ray

No hasambarako mandrakizay»

Ataovy en boucles ange izany e : tsy hatahotra ny fahafatesana intsony ianao e, tsy hatahotra hiala an’ity tany ity intsony ianao e. Ary ianao indray no hiteny hoe : « izaho mihitsy ilay mpihaino an’izao sy izao sy izao taloha, fa avia ianao hampihenoiko hira satria hoy ny Soratra Masina hoe : ny olona niara-natsangana tamin’i Kristy dia mifampianatra sy mifananatra amin’ny Salamo sy ny fihirana.

Olon’Andriamanitra, vonton’ny Fanahy no manoratra an’ireo hira azo antoka ato amin’ny fihirantsika ireo ry havana ô. Ary raha ny votoatiny, ary raha ny votoati-kira, dia faran’izay tsotra ny zavatra hita ao, hoe hira manandratra ny voninahitr’Andriamanitra. Tsy ny fahalebiazany ihany tamin’ny nanorenany izao tontolo izao, ny lanitra sy ny tany, tsia ry havana, tsy izany ihany, fa miseho indrindra izany voninahitr’Andriamanitra izany teo amin’ny hazo fijaliana. Raha te hahafantatra ny voninahitr’Andriamanitra ianao, diniho ny voninahitry ny hazo fijaliana sy ny fandresena teo ry havana ô. Izany ireo hira ao amin’ny fihirana FFPM ireo. Ary asaina hoe : mifampianatra sy mifananatra amin’ny Salamo isika ry havana, satria ireo hira ireo sady manandratra an’Andriamanitra ireo, no manandratra an’ireo olona mihira azy any amin’izany tontolon’ny lanitra izay ipetrahan’i Jesoa sy misy an’Andriamanitra izany ry havana ô. Izany ireo hira FFPM ireo. Ary izany no asain’Andriamanitra hoe ampitoerintsika be dia be manombok’izao ao amin’ny journée antsika e. Tsisy miteny anao hoe : aza mihaino an’Ambondrona ; fa raha hoe mifampianatra isika ka mifananatra hoe : andao hifampianatra sy hifampihaino Salamo sy fihirana, tsisy hira hafa intsony ao amin’ny fiainanao ry havana ô. Tsisy hira hafa ankoatra an’ireo intsony izay hita ao amin’ny fiainanao. Fa dia hira manandratra ny voninahitr’Andriamanitra, hira manandrata anao ho any amin’Andriamanitra, hira mitaona anao ho mpandresy ; tsy ho mpandresy ianao amin’ny fizahan-toetra e, tsy marina izany, fa ho mpandresin’ny fahotana aloa ry havana ô. Izany no itaoman’ny Soratra Masina antsika. Antso ho amin’ny fibebahana ity Baiboly iray manontolo ity ry havana ô.  Antso ho amin’ny fibebahana. Ary izany no fankalazantsika ny voninahitr’Andriamanitra. Ary rehefa mihira fihirana FFPM ianao ry havana, midera an’Andriamanitra, midera ny fahasoavany, tonga amin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny tapany fahatelo, izay mety tsy ho tratrantsika, hoe : « mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra ». Izany hoe midera an’Andriamanitra ianao noho ny fahasoavany ary manana antony hirana ianao, dia hoe fahasoavan’Andriamanitra. Ianao izay natsangana tamin’ny maty iny, mahatsiaro ny ati-lavaka izay nampiakarana anao, mahatsiaro ny ota izay namelana anao ry havana ô, midera an’Andriamanitra ianao, ary garanti-seko aminao fa tsy te handihandihy izany ianao. Tsy te handihandihy izany ianao. Fa ianao mandihy io, dia tonga amin’ny tenin’ilay mpandinika anankiray izay, hoe : tsy sûr fa ny Fanahy no mampihetsika anao ary tsy sûr fa ny Fanahy no nanome io hira izay mampihetsika io. Fa ny Fanahy ry havana ô, manandratra ny fanahy any an-danitra, fa tsy mampihetsika an’ilay olona eo ry havana ô. Ary rehefa mampihetsika an’ilay olona ianao, mampihetsika ny tenany ianao, mampihetsika ny filàny ianao. Ary izay no maha-zava-dehibe an’ilay hoe : mifampianara amin’ny Salamo, mifampianara amin’ny fihirana, mampiditra anao, manandratra anao any amin’izany tontolon’ny lanitra izany io e. Fa rehefa tsy hanao an’izany ianao, dia mbola mitoetra, ary mampalahelo be ianao, mitoetra amin’ny tontolo ety an-tany sy ety amin’izao tontolo izao izany. Antenaiko ry havana fa amin’ity 2020 ity isika hanana conférence lehibe amin’izay momba ny hira sy ny mozika ao amin’ny Baiboly, ary sahaza ny Fiangonana. Ary hitanareo, hoe miresaka an’ilay hery isika, miresaka an’ilay herin’ilay hira, miresaka an’ilay herin’ilay mozika, tadidintsika i Saoly ; Saoly nandefasan’Andriamanitra fanahy ratsy dia nantsoiny i Davida hitendry harpe ; izay no nandroaka an’ilay fanahy ry havana. Tsy ilay harpe, tsy hoe andeha aho haka harpe izany, haka lokanga aho, rehefa misy demoniaka, tsia. Fa i Davida ry havana hoe mpitendry harpe eo anatrehan’i Saoly io, efa voatokana ho mpanjaka izy. Efa natokan’i Samoela ho mpanjaka izy. Dia efa hoe nahazo hosotra manokana tamin’ny Fanahy Masina Davida. Ary izay Fanahy Masina izay no niasa tao amin’i Davida sy ilay hira sy ilay harpe. Ary lazaiko anareo fa tsy hiran’izao tontolo izao no nataon’i Davida ry havana ô. Izany ilay herin’ilay mozika izany. Izany ilay herin’ilay mozika.

Izay izany ny fahamarinana 2, hoe : fantaro ny herin’ny mozika. Fantaro ny herin’ny mozika.

Ny fahamarinana 3 farany ry havana dia izao : raha tenenina aho, sy tenenina ianao, hoe fantaro ny herin’ny mozika, ny fahamarinana 3 farany, dia izao : NY DEVOLY DIA MAHAFANTATRA NY HERIN’NY MOZIKA SY NY HIRA.

Ny devoly, ry havana ô, dia mahafantatra ny herin’ny mozika sy ny hira. Ary io no hamitahany Kristiana maro, io hira sy mozika io. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray izay : ny devoly, hoy izy, ny anaran’ny devoly, ny asan’ny devoly, dia anti-Kristy, « anti » : contre izany. Anti-Kristy izy hoy izy. Fa izao, niova ny fisehon’ny devoly, na niova ny fisehony matetika amin’ny maha-anti-Kristy azy ry havana. Tsy dia hoe systématiquement izy mitarika ny olona hanao tromba, tsy dia hoe systématiquement izy mitarika ny olona hiompy kalanoro, fa miditra aty am-piangonana izy. Ary miditra aty am-piangonana izy amin’ny alalan’ny hira sy ny mozika ry havana ô. Satria fantany tsara fa tsy misy Fiangonana, fantany tsara fa tsy misy fanompoam-pivavahana tsy mampiasa hira sy mozika, ary fantany tsara ny herin’ny mozika sy ny hira ry havana ô. Izy mahafantatra ; isika angamba no mety tsy mahafantatra ry havana ô. Ary dia amin’ny alalan’ny hira sy ny mozika izy no iseho ho Kristy ao am-piangonana, nefa devoly. Amin’ny hira sy ny mozika izy no mamitaka antsika izay efa hoe niara-natsangana tamin’ny maty tamin’i Kristy ry havana ô.

Raha voamarikareo an, miteny ny Soratra Masina hoe : « mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ». Iny manko no tena voasana tao amin’ilay fahamarinana 2. Fa ao amin’ilay fahamarinana 3 an, hiresaka ny hoe tonon-kiram-panahy isika. Ilay tonon-kira, kilasiana hoe évangélique, ilay tonon-kira lazaina hoe hira fitoriana ny filazantsara. Ry havana ô, ry havana ô, misy tonon-kira kilasiana hoe tonon-kiram-panahy, nefa ambara amintsika Fiangonana e, kilasiana hoe tonon-kiram-panahy nefa mahafaly ny devoly. Tonon-kira kilasiana hoe évangélique. Ary tsy ny fana-kilasiana zavatra hoe évangélique ry havana ô, no hoe maha-tonon-kira araka ny Fanahy Masina an’io tonon-kira io, na io hira io ry havana ô. Misy tonon-kira kilasiana hoe tonon-kiram-panahy, nefa mahafaly ny devoly.

Nisy marary ry havana niaana tany amin’ireny toby ireny indray mandeha. Mariho kely fa tsy tononiko hoe toby taiza. Fa nisy marary niasana tany amina toby ry havana, dia fa mibebaka ilay olona, efa mibebaka ilay marary, dia hoe alohan’ny hametrahana tanana taminy, dia misy ao amin’ilay toby, olona mandihy etsy an’anona etsy. Dia hoy ilay demoniaka nahita an’ilay hira sy ilay olona mandihy : « an an an zahay aza mbola hametra-tanana izany aloa ka, aleo zahay hiara-hihira ery ». Ilay devoly izany faly mahita an’ilay hira dia te hitsinjaka niaraka tamin’ilay olona tao amin’ny tobim-pifohazana tao. Réalité izany ry havana ô. Tena réalité izany. Ary mampitandrina antsika ny Fanahy Masina amin’izao andro farany izao, fa maro ny zavatra ho sandohan’ny devoly ry havana ô. Ary olom-boafidy maro no ho voafitaka ry havana ô. Satria ilay feon-kira mandihy dia hoy ilay demoniaka hoe : « aleo koa izahay aloa e, aleo koa izahay mba handihy ihany ». Izay ilay hoe mila mitandrina isika ny amin’itony hoe tonon-kira kilasiana hoe tonon-kiram-panahy itony. Misy hiram-pifohazana ry havana, any no tonga dia resahina manko, misy hiram-pifohazana ry havana izay ampiasain’ny fifohazana, izaho tsy miteny hoe fifohazana aiza, fa misy hira izay ampiasain’ny fifohazana nefa tena hoe hira avy amin’izao tontolo izao, gadon-kira avy amin’izao tontolo izao, ary io gadon-kira io matetika, gadon-kira ahitana tonon-kira milaza fahalotoana, fahavetavetana, ary fitondran-tena tsy mety. Ary ilay gadon-kira, ilay hira lazaina hoe tonon-kiram-panahy, kilasiana ho tonon-kiram-panahy, mampihetsika filàna, na izay mihira, na izay mandihy aminy. Dia hoy ilay ray aman-dreny Pasitera izay, mpampianatra fifohazana eto Madagasikara: tsy fantatry ny olona hoy izy fa hoe misy hira fanaovana hadalana any amin’ny faritra ohatran’izao sy faritra ohatran’izao eto Madagasikara, misy hira fanaovana hadalana any amin’ny faritra ohatran’izao sy ohatran’izao eto Madagasikara, dia hoe ampiasaina ho hira fifohazana. Izaho tsy miteny hoe fifohazana aiza hoa an, izay ilay izy. Ary nareo angamba mahalala no izaho, mahalala an’ity hoe kawitry ity, mahalala an’i Jerry Marcos, ianareo mahalala noho izaho. Izaho moa mandinika dia mitantara ; misy gadon-kira ampiasain’ny fifohazana ry havana ô,  misy gadon-kira ampiasain’ny fifohazana, dia ilay gadon-kira kawitry tsotra izao. Ianao e dia hino fa hoe hisy devoly hiala amin’izany ? Izay ilay mahafaly ny devoly izay ry havana ô. Ary izay no itenenan’i Paoly hoe : tandremo e, tandremo, tandremo e, io tonon-kiram-panahy io ; tandremo io tonon-kiram-panahy io. Fa rehefa tsy tonon-kira avy any amin’ny Fanahy Masina marina io, dia tsy hitaona anao avy any an-danitra fa tonon-kiram-panahy, dia hoe fanahin’ny anti-Kristy no miasa ao amin’izany hira izany. Ary izany fanahy izany, arakaraky ny hihainoanao an’io en boucles no hitaona anao ho any amin’ny helo ry havana ô.

Faranana izao teny izao mba tsy ho lava loatra. Hoy ny Tompo amintsika, raha fehezina, dia hoe : TANDREMO E, IANAO IZAY HOE EFA NAMPIDIRINA AO AMIN’NY TONTOLON’NY LANITRA E, TANDREMO MANOMBOKA ANIO NY ZAVATRA HIRAINAO SY HO HENOINAO ; ARY HO TANTERAKAO IZANY FITANDREMANA IZANY, ARY HAHASOA ANAO IZANY FITANDREMANA IZANY RAHA OHATRA KA HOE, VOALOHANY INDRINDRA, AMPITOERINAO BE DIA BE AO AMINAO NY TENIN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY FAHENDRENA, ARY MIARAKA AMIN’IZAY DIA HITOETRA AMIN’NY FAHAFENOAN’NY FANAHY MASINA MANDRAKARIVA IANAO.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo ry havana. Amena

ALAHADY 16 FEB 2020

1 Petera 1, ny perikopa no ho hazavaintsika ry havana, miainga amin’ny and.22 isika.

1 Petera 1 :22 : « Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo ».

Ilay tapany voalohany, hoe : « Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo ». MITADY OLONA MADIO FANAHY ANDRIAMANITRA ry havana ô. Ary mangetaheta olona madio fanahy ity firenentsika ity, izao tontolo izao misy antsika, mitady olona madio fanahy, mitady âme pure. Izay ilay hafatra ry havana ô, ho antsika amin’izao maraina izao. Maro aminareo no hita eny amin’ny tamban-jotra eny, manao réseaux sociaux, raha lazaina amin’ny teny takatrareo ilay izy, dia hoe : MANANA PROFIL- NA ÂME PURE VE IANAO ?

Dia re eny ihany moa hoe : « Rakoto na Rabe a changé sa photo de profil ». Ovay anio e, METEZA HO ÂME PURE IANAO. METEZA HO FANAHY MADIO IANAO.

Ny fahamarinana 1 ry havana, ho an’ny olona te hanana fanahy madio, na hoe te hanadio ny fanahiny, na olona te hanana antoka hoe izaho izany madio fanahy izany, ny fahamarinana 1 raisina avy eo amin’ny and.22 hoe : « Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ». Ny fahamarinana dia ny tenin’ny fahamarinana, ny tenin’ny fahamarinana dia ny tenin’Andriamanitra, izany hoe, ny Fahamarinana 1 dia hoe : NY OLONA MIDIO NA MANADIO NY FANAHINY, DIA OLONA MPANKATOA NY TENIN’ANDRIAMANITRA. Olona mpankatoa ny tenin’Andriamanitra ry havana ô. Hoy isika hoe mangetaheta olona madio fanahy, âme pure ny manodidika antsika. Ary isika rehetra ireto ry havana ô, te hiaina anatin’ny fahadiovana amin’ny lafiny rehetra.

Tany amin’ny Etat de Pennsylvanie, Etat anankiray amin’ireo Etat 50 any Etats-Unis ry havana, dia namoaka lalànà ny fanjakana tao amin’io hoe Etat de Pennsylvanie io, hoe : izay rehetra miteny ratsy an’Andriamanitra, miteny ratsy an’i Jesoa Mpamonjy, miteny ratsy ny Fanahy Masina, dia hoheloina, azo ampandoavina lamandy hatramin’ny 100US Dollars, ary mety azo gadraina hatramin’ny 3 volana. Asa moa raha mbola manan-kery izany lalànà izany. Fa mazava ilay fikendrena ry havana, fa mazava ho azy koa fa tsy ny lalànà ivelany no hanakana ilay fahalotoana avy any am-po hiseho amin’ny fitenenan-dratsy an’Andriamanitra. Ahoana no fanadiovana ny fanahy ? Ahoana ny fanadiovana ny fo ? Tsotra be, ary efa voalaza teo, hoe : amin’ny fitandremana ry havana ô, amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra. Diovy ny fonao ry havana ô. Diovy ny fonao, ka isaky ny mamaky teny ianao, aza midera an’Andriamanitra fotsiny ny amin’ny zava-mahagaga hitanao io, fa ankatoavy ; raha tsy izany, mitoetra amin’izany fahalotoan’ny fanahinao izany ianao. Ary tsy hahita an’Andriamanitra ianao, ary tsy hahasoa ka iza na iza ianao.

Tao Etats-Unis tao ihany ry havana, indray maka, nisy mpianatra izay hono, ny Président des Etats-Unis mihitsy , noho ny fahafantarany ny fianakaviany, no nanome bourse d’étude an’ilay tovolahy io, tao amina Université tao Washington DC. Dia nampamirapiratra tamin’io tovolahy io izy hoe carrière professionnelle tsy manam-paharoa any amin’ny Département d’Etat izany, ao amin’ny Ministère des affaires étrangères. Fa alohan’ny anomezana azy an’izany asa izany, dia hoe omena bourse izy, ary assurén’ny Président des Etats-Unis ny protection an’io tovolahy boursier io. Ary any am-pianarana, hanamarihina fa hoe protégén’ilay Président des Etats-Unis io tovolohay io : escorté-na motard. Mpianatra ve ry havana dia escorté-na motard ? Fa izao no indro kely : fantatr’ilay Président tsara ilay fianakaviana, sy ny nitaizana an’io tovolahy io tao amin’ny Sekoly Alahady sy ny Katekomena. Fa izao no nolazain’ilay Président : ianao hoy izy, mipetraka ato amin’ny Maison blanche ianao mandritra ny étude-nao, be dia be ny vahiny tsy mivavaka ato, be dia be ny hafa fivavahana ato : tsy mahazo ianao mandeha mankany am-piangonana ny Alahady, na ny amin’ny andaban’androm-piainanao mandritra ny fianaranao. Teo vao gina, teo vao kepoka ilay tovolahy ; satria ny zavatra nampianarina azy ry havana ô, dia hoe izany Alahady maraina izany, tsisy discussion, tsisy hésitation : aty an-tranon’Andriamanitra, amin’ny androm-piainanao rehetra. Kepoka izy, kepoka izy nahazo an’izay condition izay. Raha ianao ry havana no teo amin’ny toeran’io tovolahy io, dia ahoana ny ataonao ? Hankatoa an’i Jesoa ve ianao, izay efa manana ny programany hanorina Fiangonana, ary ny Fiangonana ny Alahady maraina no mamory ny mpiangona, sa hanakatoa ny filoham-pirenena ianao e ? Ary na hiteny ary : « eny e, mazava ilay tenin’Andriamanitra Pasitera an, fa ny fiainana koa anie tsy vitan’izany e, jereo ilay boursen’ilay zanako, impiry hahita bourse ohatran’izany, impiry hiasa any amin’ny ministère, département sy ny karazany ? Dia ahoana, dia ahoana ? ». Inona no mba finoana rahatrizay raim-pianakaviana ianao, inona no karaana finoana hampitainao amin’ny zanakao sy ny taranakao raha manambany ny tenin’Andriamanitra, tsy mankatoa ? Ary inona ny vokatra antenainao ho entina ry havana ô, rahatrizay olona ambony ianao ao amin’ny fitondrana ? Inona ny vokatra antenainao ho entina nefa ianao tsy mankatoa ny tenin’Andriamanitra ? Ary eo anatrehan’ny fakam-panahy mahazo anao eo amin’ny andraikitrao, na eo amin’ny orinasanao na eo amin’ny firenenao ry havana ô, tsy sûr ianao ho hita fidèle sy mahatoky eo anatrehan’ny fakam-panahy amin’ny zava-dratsy rehetra, satria tsy mitandrina, tsy mitandrina, tsy mitandrina ny tenin’Andriamanitra. Fa manafatra antsika hoe : te hijery anao Izy, te hijery anao Izy ry havana ô, ary te hahita âme pure. Tena te hahita fanahy midio isan’andro isan’andro, isan’ora amin’ny alalan’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra.

Andao anie jerentsika ilay Salamo 19 teo e : ianao rehefa tsy hankatoa ny tenin’Andriamanitra ry havana ô, tsy hahita ny hamamin’io tenin’Andriamanitra io. Salamo 19 :8 : « Mahitsy ny fandidian’ i Jehovah, mahafaly ny fo » ; and.10 : « Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ ny tohotra ». Ry Fiangonana ô, ry Fiangonana ô, raha hihaino toriteny fotsiny ianao fa tsy hankatoa, jamais ianao,  jamais ianao hahita fifaliana izany amin’ny famakiana tenin’Andriamanitra. Raha tsy mankatoa ianao, jamais ianao hahita hoe tena sarobidy noho ny volamena, sarobidy noho ny tena volamena betsaka io tenin’Andriamanitra tazominao eo amin’ny tananao io, jamais ; jamais ianao hanamarina an’izany ary jamais ianao hanamarina hoe mamy toy ny tantely ny tenin’Andriamanitra ry havana ô, raha tsy mankatoa ny teny ianao. Isika rehetra dia itady fifaliana avokoa, isika rehetra dia samy tia volamena avokoa, isika rehetra dia samy mitady zavatra mamy, ary sakanana indray ary isika indraindray hoe aoka izy, aoka izay. Fa izay ilay tenin’Andriamanitra rehefa ankatoavina ry havana ô. Ary arakaraky ny ankatoavantsika ny tenin’Andriamanitra no anomezan’Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina ry havana ô. Ny Fanahy Masina dia izao : io tsy miasa io fa midongy io rehefa hoe mitoetra ao amina mpino izay tsy mpankatoa ny tenin’Andriamanitra. Ary izany no mahatonga ny kristiana ohatran’izao sy ohatran’izao : tsy manana ny Fanahy Masina, ary tsy manana ny Fanahy Masina satria hitan’ny Fanahy Masina hoe :ity indray, mpihaino tsy mpankatoa ny tenin’Andriamanitra.

Ny olona ry havana, rehefa mihaino toriteny mazava be ohatran’izao dia miteny izy hoe : « ty izany anie Pasitera fa mba te hankatoa ihany e, fa ilay tenin’Andriamanitra mihitsy anie no sarotra ary fomba maro no andraisana azy e ! ». Tena marina amin’ny tapany izany ry havana ô. Ary marina kely izany raha ny marina. Mitodika aminareo tanora aho, mitodika aminareo ankizy aho : rehefa miteny aminareo dadanareo : « mandehana ialahy manary fako », mazava izany sa tsy mazava ? – Mazava. – Ok. - Mankatoa ianareo sa tsy mankatoa ? – Mankatoa. – Izay. Ohatran’izany io tenin’Andriamanitra io, ary amin’ny maha-Pasitera ahy premièrement, amin’ny maha-bibliste ahy, ataoko hoe 2% no tsy mazava ohatran’izany amin’ny tenin’Andriamanitra ry havana ô. Fa izao : diovy ny fanahintsika Fiangonana ry havana ô, ary ankatoavy ny teny ary aza mangataka andro, ohatran’ilay dada miresaka amin’ilay zanany teo : rehefa mankatoa ny ankizy, tsy mangatak’andro hoe : « eny, reko dada izany hoe hanary fako ho, fa izaho mbola izao, izaho mbola izao, izaho mbola sahirana miaraka amin’ny namako». Miteny ilay dada : obéissance instantanée. Izany ny laklen’ny fahasambarana, izany ny laklen’ny fitahiana ary izany ny laklen’ny fahadiovana.

Izay ilay fahamarinana 1, hoe : mitady profil-na âme pure, fanahy madio Andriamanitra. Meteza hanadio ny fanahinao ry havana. Mitomboa amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra.

Miverina any amin’ny 1 Petera 1 isika ry havana, dia mbola eo amin’ny and.22 ihany : « Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo ». Dia misy naoty kely angamba eo amin’ny Baibolintsika eo, misy hoe 1, dia hoe : « amin’ny fo madio ». Ny fahamarinana 1 izany teo, dia hoe : ilay fanahy madio satria mpankatoa ny tenin’Andriamanitra.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao : NY MADIO FANAHY DIA AFAKA MITIA AMIN’NY FO MADIO – NY AME PURE DIA AFAKA MITIA AMIN’NY FO MADIO. Ary hoy koa Petera hoe : afaka mitia fatratra. Ilay « fatratra », hoe : « avec ardeur ».  NY FANAHY MADIO DIA AFAKA MITIA AMIN’NY FO MADIO ARY FATRATRA ry havana ô.

Misy an’ilay mpitory filazantsara amerikana malaza be, hoe : DL Moody, fantatsika Isotry Fitiavana ny momba an’io Moody io ; dia nitantara izy tao amin’ilay Fiangonana nisy azy hoe nisy fianakaviana nandeha nifindra monina tany ambanivohitr’i Chicago, ary dia izy nifindra monina io, dia natao veloma hoe nifindra Fiangonana. Kanjo inona ny zavatra nitranga hoy Moody ? Ny zavatra nitranga : ilay tovolahy kely izay mpianatra Sekoly Alahady tao amin’ilay Fiangonana tao Chicago, bien sûr nandeha nifindra monina niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, fa izao : raha ny ray maan-dreniny nitady Fiangonana teo akaikin’ny tranony teo, ilay tovolahy kely, tena tsy nety mihitsy raha tsy niverina nanohy Sekoly Alahady tany Chicago. Dia nahitana an’izany ilay namany tary ambanivohitra tary dia nanontany hoe : « fa maninona leity an, inona no tena ankanesan’ialahy any Chicago ? Fiangonana firy no tetezin’ialahy ary misy Sekoly Alahady mahafinaritra koa ao, fa maninona no tsy mankao ? ». Dia hoy ilay tovolahy kely hoe : « an an an, tsy foiko ilay tany Chicago fa hoe tsy mbola nahita Sekoly Alahady nifankatia tahak’izany aho, ary izany no mamelombelona ny finoako amin’ny maha-mpianatra Sekoly Alahady ahy ». Mamaky an’izany tantara tantarain’i DL Moody izany ianao : manao ahoana ny Sekoly Alahadintsika ry havana ô ? Manao ahoana ny chorale ato amintsika ? Manao ahoana ny Sampana ato amintsika ? Feno âmes pures tena mifankatia amin’ny fo madio ve ? Feno fanahy nodiovin’ny tenin’Andriamanitra isan’andro ve noho ny hoe fankatoavana ny tenin’Andriamanitra izany? Sa ilay contraire-n’izany no hita ao : fifampiandaniana, rivalité, clans sy ny karazany, fifaminganana ? Miteny aminao ny Tompo amin’izao maraina izao hoe : Diovy re, diovy, diovy ny fanahinao ary dia afaka hitia ianao, afaka hitia ny rahalahinao aty am-piangonana ianao amin’ny fo madio, ary hitia fatratra e. Tsy mora izany, tsy mora ry havana ilay mifankatia, tsy mora ilay mitia. Ary raha ilay toetrantsika mpanota ry havana, ilay fo feno fahotana, na ilay fo feno fahalotoana io, rehefa mifandray isika, normal be mihitsy ho an’ilay fo maloto io no hoe : olona fantatrao izao fa tsy tianao, fa tsy mampaninona annao ery amin’ny ravinala ery miresadresaka, mifananihany, mifampizara blagy ; kanefa ianao rehefa mieritreritra an’io olona io, olona sous-estimé-nao, mety olona hankahalainao aza fa eo ianao miresadresaka, mihatsaravelatsihy, tsy tia amin’ny fo madio ry havana ô. Amin’ny resaka fianakaviana, matetika tsy misy fitiavana amin’ny fo madio izany e. Tantara be izany hoe tsy mi-pointe any amin’ny fivoriam-pianakaviana izany ianao, nefa tonga any ianao, adilahy sy fifampialonana sy fifampiderana zavatra no hita any. Tsy fomban’ny âme pure izany ry havana ô. Tsy fomban’ny olona manadio ny fanahiny amin’ny tenin’Andriamanitra mandrakariva izany e. Nefa izany, izany no mahasoa ahy, satria io foko io natao hitia ary io foko io natao hotiavina, fa hitia  amin’ny fo madio, ary hitia fatratra ry havana ô. Fa izany no test anafaran’i Petera, rehefa hoe manana âme pure ianao, dia tia ny rahalahinao amin’ny fo madio, ary tia azy fatratra. Fa izao, ary indrindra ho antsika Isotry Fitiavana ry havana : ny rahalahintsika voalohany, ampatsiahivina fa ny rahalahintsika voalohany dia ny vady sy ny zanatsika ry havana ô. Ary na dia hitia ny vady aza, hitia ny zanaka, hitaiza ny zanaka, amin’ny fomba madio, indraindray tantara be ry havana. Ary sarotra ny mitaiza azy amin’ny fo madio : ny résultat : kamo isika hitaiza azy, satria tsy haintsika ny mitaiza azy. Ary rehefa hoe tonga saina fa tafahoatra kosa ilay ataon’ilay zaza, fa tonga avy any am-pianarana any, exclusion, tonga avy any am-pianarana any, naoty ratsy, tonga avy any ny mpampianatra Sekoly Alahady miteny hoe somary turbulent ity zaza ity : eo isika vao taitra, eo isika vao taitra ry havana dia te hihetsika. Rehefa te hihetsika isika anefa, manaonao foana, tsy mahay mitia, tsy mahay mitaiza amin’ny fo tia amin’ny fo madio ry havana ô. Dia mibetroka ilay zaza, mibedy an’ilay zaza isika. Izao no mba zaraina amintsika ray aman-dreny, izao no zaraina amintsika raibe sy bebe ry havana ô : fantaro tsara mihitsy fa tsy mora ny mitaiza zaza, tsy mora ny mitaiza zafikely ry havana ô, tsy mora. Satria maninona ? Satria io zaza io, zafikely io, dia mpanota io zaza io, mpanota io zafikely io.Ary maninona izy io no mpanota ? Mpanota io satria ny otany dia ota nolovainy taminao dadany na nolovainy taminao dadabe-ny sy bebe-ny. Aza adino izany, ary aza sorena intsony rehefa mahita ny fahotan’ny zanakao, sy ny zafikelinao ry havana ô. Ary tena fahadisoan-kevitra lehibe, nefa fahadisoan-kevitra mpahazo ry havana, ny amin’ny hoe mahita manao zavatra tsy mety ilay zaza, dia tenenina izy hoe : « tena tezitra aminao Jesosy, tena bedin’i Jesosy ianao anio an » : tsy izany no fomba fitaizana zaza ry havana. Ny fomba fitaizana zaza : tahaka izay efa notenenina teny am-piandohan’izao toriteny izao, taomy izy ho mpankatoa ny tenin’Andriamanitra. Ary aoka ianao ho modely amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra, dia hankatoa ho azy io, tsy ilaina tenenina, tsy ilaina bedesina. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra izay rehefa atsipy na atsipitsipy ohatran’izany ny tenin’Andriamanitra hoe : « e, tezitra aminao izao Jesosy an » ; io hoy izy tahaka an’ireny voiture électrique radiocommandée ireny isika dia mandeha pile. Dia eny an-tanantsika ilay pile, dia io ilay tômôbile fa tsy mandeha. Dia ahoana ny ataontsika ? Izay ilay nolazaina teo hoe mahakely saina antsika ry havana : alaintsika ilay pile dia atsipitsipy amin’ilay tômôbile ; dia raha tena hoe lehibe moa ilay tômôbile dia mandroso kely ilay tômôbile, fa tsy mandeha anie ilay tômôbile e. Aza atsipitsipy ilay pile fa ataovy ao anatin’ilay zaza ilay pile ry havana ô. Ataovy ao anatin’ilay zaza ilay tenin’Andriamanitra mba hifaka amin’ilay tenin’Andriamanitra, ary ho mpankatoa ny tenin’Andriamanitra ilay zaza. Dia ho ambinina izy, ary ho lava andro izy ety ambonin’ny tany. Ary tsy ho tongatonganao amin’izao izany, fa araka ilay toriteny efa rentsika, hoe : rehefa misy zavatra tiana, rehefa misy olona tiana, dia anokanana fotoana e. Ry havana ô, ry havana ô, izay te hanana âme pure, izay tena te hanadio fanahy : ampitomboy, voleho raha mbola tsisy ; ampitomboy ny fotoana atokanao ho an’ny zanakao hanokatra Baiboly, ary mba hoe hiara-hivavaka aminy. Atomboy izany na dia hoe minitra vitsy ary ry havana ô. Ary dia ianao ho faly. Tsy faly ianao aminilay vokatr’ilay fitaizana ilay zaza, fa faly enao hoe : « waouh, tena âme pure za, tena fanahy madio za, afaka itia ny zanako sy ny zafikeliko, na dia hatreto ary tompon’ny ditra izy, afaka nitia azy fatratra aho ary afaka nitia azy amin’ny fo madio ».

Ny Fahamarinana 3 farany ato amin’ity 1 Petera 1 dia eo amin’ny and.23-25 : « Fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay velona sady maharitra. Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ ny filazantsara izay notorina taminareo ».

Ny  Fahamarinana 3 farany ry havana dia izao : NY OLONA MADIO FANAHY DIA MAHARITRA MANDRAKIZAY

Ohatran’ny olona rehetra, handalo fahafatesan’ny vatana izy, fa iny fahafatesan’ny vatana iny tetezamita ho any amin’ny mandrakizay izay sitrahina amin’ny fahafenoana. Fa ny madio fanahy, ary ny madio fanahy ihany no haharitra mandrakizay. Hoy ilay and.23 momba ahy sy ianao izay te hadio fanahy, mampatsiahy kely izy ny hoe situation-tsika. Hoy izy hoe : « Fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra ». Isika rehetra ireto dia efa teraka tamin’ny voa an’olombelona ary io ilay lazaina hoe tamin’ny voa mety ho lò, satria semence an’olombelona ry havana ô. Dia mazava be hoe misy voa tao, izay no niteraka antsika amin’ny maha-olombelona. Fa ny zavatra lazain’i Petera eto dia hoe : ianareo ireo ange e, raha te hoe hanana fanahy madio, tsarovy aloa ny privilège-nareo fa ianareo ireo efa nateraka indray tamin’ny voa tsy mety ho  lò, fa tsy tamin’ny voa mety ho lò.

Inona ilay voa tsy mety ho lò io ? Dia hoe : ny tenin’Andriamanitra. Io ilay hoe : LOGOS. Eto amin’ny and.23 izany dia hoe tsy nateraka tamin’ny mety ho lò isika fa nateraka tamin’ny tsy mety ho lò, dia ny LOGOS-n’Andriamanitra. Ny LOGOS ry havana ô, dia ity Baiboly ity. Io no atao hoe LOGOS. Ary io logos io ry havana no nanambara taminao tamin’ny fotoan’andro hoe olona matin’ny fahadisoanao ianao, sy matin’ny fahotanao ianao. Ka rehefa nanaiky marina an’izany ianao, dia nafindran’Andriamanitra avy amin’izany fahafatesana ara-panahy izany, avy amin’ny fanjakan’ny devoly nisy anao izany, ho amin’ny fiainana be dia be, ary ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Izay izany no misy antsika : olona efa nateraky ny logos-n’Andriamanitra. Ho hitantsika eo hoe maninona moa no avahana ilay logos ry havana. Fa izao no problementsika ry havana : mba efa nateraka ohatran’izany, ary tsarovy ao an-tsaina hoa ilay sary hoe isika rehetra samy nateraka tamin’ny voa an’olombelona, samy mety ho lò, fa ny privilège-tsika amin’ny maha-kristiana, dia nateraky ny logos ilay voa tsy mety ho lò. Samy nateraka indray isika. Fa ny problemantsika, dia nitady voninahitra, nitady voninahitra. Nanadino an’izany privilège izany. Ary nitady voninahitra isika amin’ny vonin’ny ahitra. Andao anie jerena, mampieritreritra ity and.24 ity : « Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ ny ahitra ». Ka rehefa miteny isika ry havana hoe : an an an, mba efa nateraka indray, efa nandalo an’izany fahateraham-baovao izany ianao fa variana ianao, na tsy ampy formation ianao, dia ilaozanao mitady voninahitra. Io ilay voninahitra mihelina daholo ry havana ô, ilay voninahitra tsy maharitra. Tsisy zavatra maharitra e ety ambonin’ny tany. Tsisy zavatra maharitra e ety ambonin’ny tany. Manomboka amin’ny zavatr madinika ohatran’ny hoe : akanjo tiantsika, hoe misy blue jean tena tianao ; misy kiraro na poketra tena tianao ; tsy maharitra iny e. Atsy ho atsy iny dia tsy maintsy ho soloina e. Raha mijery antsika rehetra ireto, jereo e, rehefa tsika mitovitovy taona, 30 taona, 40 taona lasa, nanao ahoana ny hatsaran-tarehintsika, nanao ahoana ny herintsika ; fa mandalo izany ry havana etc… Tsy misy zavatra maharitra ety ambonin’ny tany. Raha mijery ny fitondrana isika, omaly ianao an, eo an-tampon’ny fitondrana, anio ianao an, mety any am-pigadrana na any an-dalam-pigadrana. Tsisy zavatra maharitra eto e. Mandinika ny fiainan’ny ry Heroda sy ny tahak’izany ianao, dia hoy ny mpandinika : mba nokarohina ihany hoy izy ny taranak’i Heroda tao Roma tao na tany Italie tany, sy ny harenany : tsy nahita an. Tsisy zavatra maharitra e. Nefa izany isika izay efa nateraka indray, mitadey an’izany voninahitra izany izay lazaina hoe « vonin’ny ahitra ». Izany no mahafatifaty antsika mianakavy. Ka aiza moa isika no hanana fanahy madio e ? Aiza moa isika no hanana âme pure ry havana ô? Ary tsy misy olona tsy manana âme pure ka manantena hiditra any an-danitra raha ny marina. Madio am-po, sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an’Andriamanitra ry havana ô. Dia io vonin’ny ahitra io no imatimatesantsika ry havana ô.

Rehefa jerenao ilay hoe vonin’ny ahitra io ry havana, dia hoy ilay mpandinika anankiray izay : ilay teny grika amin’ilay hoe ahitra io, dia raha adika ara-bakiteny, dia ahitra fihinan’ny biby fiompy. Ianao mifikitra amin’ilay voninahitra io izany, amin’ny niveau-na biby anie ianao izany ry havana ô, nefa ianao mba nateraka indray : amin’ny niveau-na biby ianao e, amin’ny niveau-na biby isika e, mifikitra amin’io voninahitra io. Satria araka ilay teny teo, hoe kely saina satria tsy maha-hendry antsika ny tenin’Andriamanitra satria tsy mpankatoa an’izany tenin’Andriamanitra izany isika, dia mitoetra amin’izany fahadalana, dia mirehareha amin’izay tsy tokony hireharehana. Fihinan’ny biby ny voninahitsika ary mitovy niveau amin’ny tontolon’ny biby ny fiainantsika ry havana ô, satria tsy mpankatoa ny tenin’Andriamanitra isika nefa mba olona nateraky ny logos ihany.

Ny fanazavana farany amin’izao fahamarinana farany izao, dia hoe : eo amin’ny and.25 : « Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay ». Raha ilay LOGOS ilay tery amin’ny and.23 tery hoe niterahana antsika ; eto indray ry havana malala, eto amin’ny and.25  eto hoe : « Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay » : ilay RHEMA io. Samy adika amin’ny teny malagasy an : tenin’Andriamanitra. Ny anankiray LOGOS manazava amintsika hoe very ianao, mila Mpamonjy. Ilay RHEMA indray dia mbola hoe tenin’Andriamanitra ihany ; fa io ilay tenin’Andriamanitra isakafoananao isan’andro isan’andro raha ankatoavinao. Faly aho mampatsiahy ry havana,  fa haintsika tsianjery ilay hoe, hoy Jesoa hoe : « tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona ; fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra », ny rhema rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra ry havana ô. Ka rehefa tsy manokatra Logos ianao, tsy hahazo Rhema ianao. Ilay rhema, averina eto ilay famaritana azy tsotra sady fohy, hoe : ny rhema dia rehefa manokatra Baiboly aho, manokatra Mana isan’andro, manokatra Voa tsara nafafy, sy ny karazany, dia hoe omen’Andriamanitra teny manokana izaho Solofo par rapport amin’ny fahafantarany ny fiainako, par rapport amin’ny zavatra andalovako amin’ilay journée androany sy ilay journée rapitso. Omeny teny tandrify aho, teny fampanantenana, teny fampaherezana, teny fampitandremana ry havana ô. Ary ny olona misakafo rhema isan’andro ohatran’izany, mankatoa ilay rhema isan’andro ohatran’izany, izany no haharitra mandrakizay.

Izay izany ilay séquence-ny fiainantsika : mba nateraka inray tamin’ilay logos, nefa dia variana tany amin’ilay ahitra sy ilay voninahitra. Fa miteny aminao ny Tompo androany e, manome antsika Fiangonana rhema ; ho antsika tsirairay izany teny izany : fantaro fa io manome anao ilay fiainana mandrakizay. Izany ilay rhema io. Raha miteny aminareo aho izao hoe « corona », tonga dia fantatrareo na tsy dokotera aza hoe « corona » : zava-doza, mitondra fahafatesana, manana hery hitondra fahafatesana ; ary isan’andro izao dia matahotra hoe rahoviana no tonga aty Madagasikara izany sanatria an’izany. Fa tsy « corona » no resahina, fa RHEMA, RHEMA. Tadidio io ry havana ô ary angataho isan’andro amin’ny Tomponao io rhema io, dia ankatoavy, dia haharitra mandrakizay ianao. Tia anao ny Tompo ry havana ô, tia anao ny Tompo. Ary izany no anomezany anao izao hafatra tsotra sy mazava izao, hoe : Mandinika ahy Izy, mandinika anao Izy, dia te hahita âme pure.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.