Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 03 MEY 2020

Ao amin’ny Kolosiana 1 manomboka eo amin’ny and.9, perikopantsika androany no hakana ny hafatra ry havana. Milaza ny maha-zava-dehibe ny vavaka ity perikopa ity.

Ny fanombohan’ilay perikopa dia hoe : « Ary noho izany izahay ( Paoly) koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo » eto Kolosia. Mivavaka ho an’ny Kolosiana ny Apostoly Paoly ry havana. Eo amin’ny and.9 no milaza an’izany. Nefa rehefa jerena any amin’ny and.5 amin’ity Toko 1 ity, dia efa lazain’i Paoly tsara hoe ireto kolosiana ireto : « efa renay ny finoanareo an’Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, manana finoana manana fitiavana » ; mbola entin’i Paoly am-bavaka ihany izy ry havana. Izany no maha hoe zava-dehibe ny mivavaka. Zava-dehibe ny mivavaka, koa mba mianara mivavaka amin’izay ry havana ô. Mianara, mianara mivavaka amin’izay.

Araka ilay fiteny efa rentsika dia hoe :ny vavaka manova zavatra. Ny vavaka manova zavatra. Koa mianara mivavaka amin’izay e. Ny vavaka manova zavatra. Raha ny marina ry havana, ianao io : valim-bavaka. Izaho Pasitera Solofo, azoko antoka fa valim-bavaka. Valim-bavaka isika mianakavy. Valim-bavaka aho eo ambany fahasoavan’Andriamanitra.
Ny vavaka manova zavatra. Raha ny marina dia hoe tsy ny vavaka no manana hery ho an’ny tenany. Fa ilay vavaka asandratro no mikasika ny fon’Andriamanitra. Dia Andriamanitra indray no mikasika indray ny fon’ilay olona entiko am-bavaka. Izay ilay vavaka manova zavatra ry havana ô : mikasika ny fon’Andriamanitra ilay vavaka, dia Andriamanitra no mampiasa ny heriny hanova an’io olona entina am-bavaka io. MIANARA MIVAVAKA AMIN’IZAY E. MIANARA MIVAVAKA AMIN’IZAY E. Ary raha omena titre ity toriteny ity aorian’izay fitarihina fohy izay, dia hoe : AOKA IZAY NY MIVAVABAVAKA E ! AOKA IZAY NY MIVAVABAVAKA E !

Mahafinaritra ilay perikopa, manan-karena ilay perikopa. Saingy ilay problema ry havana rehefa ohatran’izao ilay tenin’Andriamanitra, raha tsy mitady sehatra mazava hampiarana azy, eny e, eo amin’ny fiainantsika kristiana ; fa raha tsy mitady sehatra kely kokoa hampiarana azy an, tsy ho takatsika ny hamamin’ilay teny. Dia izao : araka ny mahazatra antsika ato Isotry Fitiavana, tsy maka sarotra isika, tsy mitady lavitra isika : andao ange hoe hampiarina ao amin’ny tokantrano sy ny ankohonana izao teny izao. Fa miteny izany Paoly eto, ampiariko eo amin’ny ankohonako, eo amin’ny tokantranoko izany.

« Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo ». Eo isika ray aman-dreny voleo izany fahazarana hoe tsy mitsahatra ny mivavaka sy mangataka ho an’ireo zanatsika ireo. Izany no maha-ray aman-dreny antsika ao amin’i Kristy. Rehefa miteny Paoly hoe : « tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka », tsy hoe ny androny manontolo dia nivavaka teo izy, non ; fa hoe : amin’ny fotoana ivavahan’i Paoly rehetra, ary nivavaka matetika izy tao anatin’ny journée, dia tsy mitsahatra ny mivavaka tsy manadino ary mivavaka ho an’ireto Kolosiana ireto e. Izay ilay fomba tsara tsara omen’i Paoly antsika eto ry havana : mivavaka sy mangataka ho an’ny ankohonantsika.
Dia inona ny zavatra angatahin’i Paoly voalohany ? Ny zavatra angatahiny voalohany dia hoe : « mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo ». Mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra ianareo. Izay no atao hoe mivavaka mikasika ny fon’Andriamanitra, ilay hoe : « mba hofenoina » : forme passive ; io ilay « passif divin », satria Andriamanitra no mameno amin’ny fahalalana tsara ny sitrapony. Izay izany ilay antom-bavaka voalohany ho an’ny ankohonana. Ahoana moa izany hoe « hofenoina izany » ? Mahatsiaro an’ireny infirmier ireny ry havana rehefa hanindrona anao izy. Dia eo imasonao izay, avoakany ilay seringue, trohan’ilay seringue ilay fanafody an ; fa inona ny zavatra ataony ? Somary potseriny kely ilay seringue an, mba hiala ilay rivotra ao anaty seringue. Dia avy eo dia manana endrila feno tsara ilay seringue alohan’ny hanindronana anao ry havana ô. Feno tsara, satria notsoahina ilay rivotra. Raha tsy tsoahina iny rivotra iny hoy ny dokotera, mamono an’ilay olona tsindronina. Ohatran’izany ny kristiana maro, tsy feno tsara izy : manana fahalalana sombitsombiny izy, manana fahalalana tapany izy, dia ohatran’io seringue io : misisika ao amin’ilay rivotra io ny fampianaran-diso, ny fampianarana avy amin’ny devoly. Izay ny zavatra nitranga tato Kolosia tato hoy Paoly : feno mpampianatra sandoka, feno mpampianatra fampianaran-diso. Dia mivavaka aho hoy Paoly ho anareo izay efa manana finoana sy feno fitiavana ny rahalahinareo « mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo ».

Dia tohizany hoe : « amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy ». Nahafinaritra ny ohatra nalain’ny mpitoriteny anankiray izay. Ny fahalalana amin’izao hoy izy tsy ampy. Tsy ampy ny fahalalana. Ary ny fahalanana hoy izy mampieboebo e, mampirehareha. Fa ilay fahalalana eto hoy iry mpitoriteny ity, hoe : azo oharina amin’ny soavaly. Dia izao : ny fahendrena no mitaingina azy. Raha soavaly tsy misy fahendrena, dia mihazakazaka miridiridy mankany an’anona, mety hitondra any an-kady iny. Fa ny fahalalana hoy izy dia oharina amin’ny soavaly, ary ny fahendrena no mitaingina azy. Ilay fahendrena mitady ny sitrapon’Andriamanitra, mitady ilay bonne direction. Dia hoe : « amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy ». Ilay fahazavan-tsaina indray hoe : « manome clair vision des choses ».
Fa na ilay fahendrena, na ilay fahazavan-tsaina hoy Paoly dia hoe fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina. Ka Ilay Andriamanitra ry havana, izay ilay antom-bavaka voalohany, izay mameno anao amin’ny fahalalana tsara ny sitrapony no manome anao koa ny Fanahy Masina hanananao fahendrena, hanananao fahazavan-tsaina amin’ny andavanandrom-piainanao. AOKA IZAY NY MIVAVABAVAKA E. AOKA IZAY NY MIVAVABAVAKA. Mba mianara mivavaka, aza mitsahatra. Ary ento am-bavaka voalohany ny vadinao, ny zanakao, ny ray aman-dreninao, ny iray tampo aminao.
Hoy ny and.10, antom-bavaka manaraka : « mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra ». Mandeha mendrika ny Tompo ry havana ô. Raha mandinin-tena ianao izao, dia mendrika ve ianao ? Mendrika ny Tompo ve ianao ? Ilay « mandeha » eto dia fampiarana ilay « fahalalana » teo. Izay ilay fandehanana. Tsy hoe mipetraka aho, mianatra aho dia mipetraka. Fa mianatra aho, fenoina fahalalana aho ary ampiariko ao amin’ny fiainako. Ary izany no itenenan’i Paoly hoe : mivavaka aho hoy izy, mba handehananareo mendrika ny Tompo e, mba handeha mendrika ny Tompo. Tsy mba fierté-nao ray aman-dreny ve mitantara amin’ny namanao, mitantara amin’ny fianakavianao : « ny zanako indray aloa dia mandeha mendrika ny Tompo e ». Afaka mizara an’izany ve ianao ? Sa zavatra hafa no maha-fier anao amin’ny vadinao na ny zanakao ?
Isika dia oharin’i Jesoa amin’ny ondry. Samy manana sary-na ondry isika ao an-tsaintsika. Fa izao : manana sarin’ny fandehan’ny ondry isika ry havana. Fa raha mahita ondry izao isika ka mandeha mitsambikimbikina ohatran’ny soavaly izy, dia gaga isika hoe : « oay, sampona ihany ity ondry ity fa mitsambikimbikina ». Na hoe mahita ondry isika fa mandady ohatrany bibilava, dia hoe : « fa ahoana ary ity ? ». Dia hoy ilay mpitoriteny anankiray hoe : rehefa mijery biby ohatran’izany isika, dia hoe ohatrany mahita clown. Ny clown no hafahafa ny fandehany. Ary misy kristiana koa hoy izy ohatrany clown ny fandehany. Ohatrany ahoana izany hoe kristiana clown izany ? Rehefa tsy mandeha mendrika ny Tompo izy an, fa mandeha araka ny fanaon’izao tontolo izao. Diniho kely ange ry havana e, diniho : atao hoe kristiana 8 na 9 amin’ny 10, hatramin’ny kristiana manao azy ho mifoha aza, mbola hoe te hanaraka, te hanahaka ny fanaon’izao tontolo izao. Te hanaporofo izy hoe « izaho efa nibebaka, izaho efa converti, fa izaho koa maharaka ny fomban’izao tontolo izao ». Sao dia ianao izany ? Clown ianao, clown ianao. Ary hampieritreritra anao izany teny izany manomboka anio : SAO DIA CLOWN IANAO ? FA RAHA CLOWN IANAO, TSY POSSIBLE HOE HANDEHA MENDRIKA NY TOMPO IZANY. Clown ianao raha mamaky Baiboly ihany ; fa raha ny fisainana, raha ny fiakanjo, raha ny hira hiraina hiran’izao tontolo izao. Clown ianao raha hoe maka gadon-kiran’izao tontolo izao dia petahinao fotsiny hoe « évangélique » ; mampihomehy izany hiranao izany ary tsy mandeha mendrika ny Tompo ianao ry havana ô. Andao isika hifampivavaka mba tsy hisy ho clown. Araka ny teny teo : ny vavaka manova zavatra ry havana ô.

Dia hoy Paoly : « hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra ». Izany no tokony ho tanjontsika ry havana : manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra. Diniho amin’ny saina tsy miangatra ange e, alohan’ny andrenesanao an’izao toriteny izao : inona no mba tanjonao teo amin’ny fiainanao ? Inona ny tanjona voalohany raha atao hoe namaritra tanjona vitsivitsy maromaro ianao eo amin’ny fiainanao ? Miteny anao ny Tompo amin’izao maraina izao hoe : manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra. Manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra raha tsy te ho clown araka ny nolazaina teo ianao. Amin’ny zava-dehibe, amin’ny zavatra madinika :aza avy hatrany dia hoe izay hevitrao, izay fanirianao no tanterahina e. Amin’io zavatra kasainao io, mba manana ny heviny anie ny Tompo e. Efa nanontanianao ve Izy ? Ianao izay milaza fa efa nanolo-tena ho an’ny Tompo : manana programam-piainana ho anao ange Izy e. Aza avy hatrany ny hevitrao no tianao tanterahina dia mivavaka ianao hoe : « Andriamanitra ô, tahio ny hevitro ». Tsy nanontany ny hevitry ny Tompo ianao, fa : « tahio ny hevitro ». Fivavaky ny clown izany. Fivavaky ny clown izany ry havana ô.
Ohatrany efa nozaraiko teto indray mandeha : nisy mpanompovavin’Andriamanitra izay, tamin’izy mbola tovovavy, dia nivavaka izy, mahita tovolahy mahafinaritra azy izy ao amin’ny Tompo dia hoe : « Jesoa an, omeo ahy ho vady i ra - anona iny ». Ao am-piangonana ao izany an, « mba omeo ahy ho vady i ra-anona e ». Dia hoy ilay mpanompovavin’Andriamanitra : « soa ihany fa tsy nohenoin’ny Tompo ny sitrapoko, fa in-10 aho angamba fara-fahakeliny no ho diso vady raha nohenoin’ny Tompo ny vavako tamin’izaho nangataka tamin’izao nangataka izay ho vadiko ». Taty aoriana izy vady-na mpanompon’Andriamanitra, vady-na evanjelista nahataona olona par dizaine de millions tety ambonin’ny tany. « Hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra » : ataovy tanjona izany e. Ary rehefa mitondra am-bavaka ny zanakao ianao, ianao izay manao sacrifice ohatran’io ho an’ny zanakao, dia angatao hoe : « Andriamanitra ô, mivavaka ho an’ireto zanako ireto aho mba hanao ny sitraponao izy amin’ny zavatra rehetra. Ary mivavaka ho anay mivady koa aho mba ho modely izahay mivady amin’izany fanaovana ny sitraponao izany amin’ny zavatra rehetra ».

Dia faranan’i Paoly ilay and.10 hoe : « dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra ». Mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra. Normal be izany ry havana ô. Tian’Andriamanitra izaho, tian’Andriamanitra ianao hamokatra amin’ny asa tsara rehetra. Inona no tian’Andriamanitra hovokarintsika ? Tiany isika hamokatra mpino vaovao, tiany isika hamokatra zanak’Andriamanitra vaovao, tiany isika hamokatra disciple vaovao. Ary ireo olona ireo, vokatra avy aiza ? Vokatra avy amin’ny fandinihina ny fijoroantsika vavolombelona ao amin’ny fiainantsika ry havana ô amin’ny andavanandro. Fa tsy nataontsika hoe tsangan-kevitra fotsiny izany hoe fahalalana an’Andriamanitra izany. Fa mitondra vokatra, vokatra tsara ary izany no ho dinihina, vokatra hodinihina any an-danitra ry havana ô, rahatrizay tonga any isika.

Dia manohy ny Apostoly Paoly, hoy izy eo amin’ny and.11, mivavaka izy izany : « ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ». Ry havana ô, ry havana :na izaho, na ianao, tsy natao hamakivaky ity fiainana ity amin’izao herintsika izao e. Tsy izany. Ary izany no ilazan’i Paoly hoe : mivavaka aho hoy izy, mba « ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny » ianareo. Ny Andriamanitra tompon’ny hery rehetra izay hoe hivavahana izany ry havana ô. Ilay Andriamanitra izay efa naneho izany hery izany tamin’ny alalan’i Jesoa, tamin’ireny fahagagana isa-karazany nataon’i Jesoa ireny. Izany no angatahina an’izany hery izany. Mino an’izany ve ianao e ? Raha mino an’izany ianao, tsy hivavabava-poana ohatran’ny fanaonao intsony. Ilay Andriamanitra nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty ary nampiakatra Azy fanindroa any an-danitra eo an-tanany an-kavanana. Izany no angatahina hoe mba hampahatanjaka ahy sy hampahatanjaka anao ry havana ô. Io hery io, hoy Paoly, ao amin’ny Efesiana 1 :19 amin’ny DIEM, mivavaka ihany izy, mivavaka ho an’ny Efesiana dia hoe : mba hahafantaranareo ny hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa ; hery lehibe sy mihoa-pampana izay anasoavany antsika mpino araka ny fiasany tsy hay tohaina sy mahery vaika. Izany io hery io, tian’Andriamanitra hampahatanjahina antsika ry havana ô. Tsy midika izany hoe hanao ohatran’i Jesoa, hanao fahagagana, hanangana ny maty ianao, tsia. Fa omeny anao izay hery tandrify anao amin’izay circonstance-piainana ampandalovany anao ry havana ô : ampahatanjahany amin’ny heriny rehetra araka ny herin’ny voninahiny, ampahatanjahany amin’ny hery rehetra amin’ny circonstance rehetra ; dia mahery ianao ry havana. Ary ny circonstance niainan’ny Kolosiana dia azo ampitoviana amin’ny circonstance iainantsika, ka mila ampahatanjahina isika ry havana ô. Tao Kolosia nisy jentilisa mpanompo sampy ; tahaka antsika koa misy malagasy mpanompo sampy. Ary misy amintsika kristiana, variana fotsiny ianao mijery reportage, tena hoe maro ny kristiana eto Antananarivo – eto Antananarivo aloa no resahina, tena mbola manao tan-droa. Hampahatanjahina ianao e, mba hahafahanao miala amin’izany. Hampahatanjahina ianao e, hanana fahendrena sy fahazavan-tsaina ialanao amin’izany, izany fomban’ny demonia izany, antsoina hoe « culture ». Tsia ry havana ô : fomban’ny demonia izany. Fa raha tsy hampahatanjahina amin’izany hery lehibe sy mihoa-pampana izany ianao, tsy ho afaka amin’izany. Hampahatanjahina isika mianakavy mba tsy ho raviravezin’ny slamo amin’ny vola kely, ianao mpivarotra entana io ; raviravezin’ny slamo amin’ny vola be ianao eo amin’ny fitondrana io. Mila hampatanjahina isika ry havana ô. Ary mila mifampivavaka isika mba ho hampatanjahina. AOKA IZAY NY MIVAVABAVAKA FOANA E ! AOKA IZAY NY MIVAVABAVAKA FOANA. Atoro anao ny antom-bavaka mahafinaritra ny sofin’ny Tompo ary mahakasika ny fony ka mahatonga Azy hiasa amin’izany hoe hery lehibe sy mihoa-pampana izany.

Dia tohizan’i Paoly hoe : « ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana ». Rehefa ampatanjahin’ny Fanahy Masina ianao izany, dia misy toetra 3 koa hita eo : faharetana, fandeferana, hafaliana.
Ny faharetana dia milaza fahazakana tsy fitiavana. Manana faharetana ianao : zakanao ny tsy fitiavan’izao tontolo izao anao. Raha tian’izao tontolo izao ianao dia mieritrereta ihany. Fa ilay faharetana dia milaza fahazakan’ny kristiana tsy fitiavan’izao tontolo izao. Hoy isika : ampiarina ao amin’ny tokantrano. Ianao rahalahy, ianao anabavy ao amin’ny Tompo, ao anaty tokantrano ohatrany anaty helo : mivavaka ho anao mba hanananao faharetana eo anatrehan’izany tsy fitiavan’ny vadinao izany, tsy fitiavan’ny rafozanao izany. Izany, izany ry havana ô.
Amin’ny faharetana hoy Paoly, sy ny fandeferana. Ny fandeferana indray dia hoe fiaretana an-tsitrapo amin’izay zavatra avelan’Andriamanitra hipaka ao amin’ny fiainanao. Fiaretana an-tsitrapo. Rehefa miaritra an-tsitrapo ry havana aho ry havana, dia hoy aho hoe miaritra an-tsitrapo aho satria omen’ny Tompo fahazavan-tsaina aho oe « avy amiko io. Matoa mipaka ao aminao io, dia avy amiko io ». Dia miaritra an-tsitrapo aho. Tsy manana eritreritra aho hoe, eritreritra hamaly faty, eritreritra vengeance, fa miaritra.
Ary dia hoy Paoly hoe : ho amin’ny faharetana rehetra – ampatanjahina ho amin’ny faharetana : tanjona tratrarina izany ilay izy - sy ny fandeferana amin’ny hafaliana. Efa hoe any amin’ny helo ianao, efa hoe any an-davaky ny liona ianao ao an-tokatranonao : mbola omen’ny Tompo fifaliana, fa tsy hoe lasa mi-déprime ohatran’ny kristiana maro ry havana ô. Omeny fifaliana ianao ao an-davaky ny liona. Fa izao : tsy noho ny herinao na ny fahendrenao izany fifaliana izany, fa hoe valim-bavaka. Dia tahaka an’i Paoly ianao, hoe, ery ambanimbany ery, ery amin’ny and.24 hoe : mifaly aho hoy izy, amin’ny fiaretako ho anareo. Miaritra ho an’ny Kolosiana i Paoly : faly amin’izay zavatra iaretako ho anareo. Valim-bavaka izany ry havana ô. Ary mariho tsara fa Andriamanitra no manome an’izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Misy Fiangonana ry havana mampianatra hoe rehefa feno ny Fanahy Masina ianao dia hoe manao fahagagana ohatran’izao, manan-karena, manao fanasitranana mahagaga. Ry havana, ity resahintsika eto amin’ny and.11 ity, misy fahagagana lehibe mihoatra lavitra noho izany, dia izany hoe kristiana ampatanjahin’ny Fanahy Masina izany dia manana faharetana, manana fandeferana, mitoetra anaty hafaliana. AOKA IZAY ITY HOE MIVAVABAVAKA FOANA ITY !

Faranana ry havana izao teny izao. Ireto Kolosiana ireto rehefa nentin’i Paoly am-bavaka ohatran’izao, dia afarany any amin’ny Kolosiana 3 any hoe : Koa raha niara natsangana tamin’i Kristy ianareo – izay ilay finoan’ny Kolosiana noresahintsika tany amin’ny Kolosiana 1 – dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’izay itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo an-tanana an-kavanan’Andriamanitra. Izany no teneniny azy : Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra ety an-tany.
Ry havana, saino ny zavatra any ambony. Saino ny lanitra ry havana ô. Ka rehefa misaina ny lanitra ianao an, dia tonga ao aminao ny faniriana hoe : « Tompo ô, mba soraty ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarako. Ahoana no anoratan’ny Tompo ny anaranao ao amin’ny bokin’ny fiainana ? Mibebaka ianao, mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy anao, dia voasoratra any an-danitra ny anaranao. Katsaho, saino ny zavatra any ambony. Fa izao : raha te hiditra any an-danitra ianao, tsy maintsy mana-paharetana ianao eto amin’ity tany. Ary tsy hanana faharetana ianao - tahaka ny nananan’ireo kristiana voalohany faharetana ka niaretany fanenjehana, tahaka ny misionera nanana faharetana ka nikiry hitory filazantsara eto Madagasika, tsy hanana faharetana ianao ka hoe hanana finoana ahatonga anao hanana faharetana hatramin’ny farany, satria izay maharitra hatramin’ny farany no ho vonjena – raha tsy ampatanjahina ianao ry havana amin’izany herin’ny Fanahy Masina izany. Misaotra ny Tompo manoro antsika an’izany, ary indrindra indrindra, misaotra ny Tompo manaitra antsika amin’izany hoe : AOKA IZAY ITY MIVAVABAVAKA FOANA ITY E.
Amena.

ALAHADY 26 APR 2020

Ao amin’ny 2 Korintiana 4 :18 no hakantsika ny hafatra amin’izao maraina izao ry havana : « Raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita ; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay ».

Misy fahamarinana volamena ry havana izay ampianarin’ny Apostoly Paoly antsika amin’izao andro anio izao. MIsy lesona volamena eto e. Dia fintinina amin’ny hoe : MIANARA MIJERY NY TSY HITA MASO. Manazava ny antony izy : ny hita maso manko dia vetivety, mandalo, temporaire. Fa ny tsy hitan’ny masontsika no maharitra mandrakizay. Ary izao no izy manko ry havana : raha tsy mizatra mijery ny tsy hita maso isika, fa hijery, hizatra hijery ny hita maso, dia isika koa tsy haharitra mandrakizay. Ary izany no itenenan’ny Apostoly Paoly hoe : MIANARA E, MIANARA MIJERY NY TSY HITA MASO.

Ny Fahamarinana 1 ry havana dia izao : FANTARO FA MISY NY ZAVATRA TSY HITA MASO

Rehefa mijery an’ity Epistily faharoa ho an’ny Korintiana ity isika ry havana, raha jerena any amin’ny toko 11 any an, dia ohatrany mitantara ny fiainany ny Apostoly Paoly. Ohatrany, hoy izy ilay mpitoriteny anankiray izay, hoe : mamaky an’io 2 Korintiana 11 io ianao dia ohatrany hoe « diarin’ny fiainan’ny Apostoly Paoly, diarin’ny fanompoany », hitantarany ny zavatra hita maso, dia fizahan-toetra, fahoriana hita maso, nefa nandalo. Izay aloa ilay lazaina hoe ny zavatra hita maso ange dia mandalo e. Fa niaretany izany zavatra hita maso izany satria misy zavatra tsy hitan’ny maso izay ninoany sy nantenainy, ary tony hitany, dia ilay satroboninahitra fahamarinana, ilay satroboninahitra fiainana. Ny zavatra hita maso ? Ny fizahan-toetra lazain’ny Apostoly Paoly ? Hoy izy hoe : « Indimy aho no nokapohin’ ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy. Intelo nokapohina tamin’ ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ ny lalinasaiky nahita loza tamin’ ny ony, saiky nahita loza tamin’ ny jiolahy, saiky nahita loza tamin’ ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin’ ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin’ ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin’ ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin’ ny rahalahy sandoka aho ». Manatombo aho hoy Paoly, ny amin’ny fisasarana, ny amin’ny trano-maizina, ny amin’ny kapoka. Fa izao : mitantara an’izany i Paoly, dia hoe : zavatra mandalo izany, zavatra vetivety izany. Ary izany no nahatonga azy eto amin’ity Toko 4 perikopantsika ity, hoe : nisy fotoana izy voageja manodidina nefa tsy tery. Satria mieritreritra an’ilay satroboninahitra tsy hita maso ry havana ô. Nisy fotoana izy very hevitra, nefa tsy namoy fo, satria mahita an’ilay Tompo tsy hita maso, izay naniraka azy izy.

Maro amintsika ry havana amin’izao fotoana izao, noho ny toe-javatra iainantsika, no tena hoe marina ara-bakiteny aminy izany hoe voageja manodidina izany. Miteny aminao ny Tompo : tolotra io hibanjinanao ny zavatra tsy hita maso e. Misy amintsika izao hiteny hoe : very hevitra noho izao antony izao, na noho izao antony izao, tena very hevitra, tena mahatsiaro tapi-dalàn-kaleha. Fa hamoy fo ianao, hamoy fo ianao raha tsy mianatra mibanjina ny zavatra tsy hita maso ry havana ô. Isika moa, ato Isotry Fitiavana, apiarina ao an-tokantrano sy ao amin’ny ankohonana foana ny tenin’Andriamanitra. Mahatsiaro aho ny tantaran’ity mpianatra Sekoly Alahady kely ity, ankizivavy 10taona sa 12taona. Avy nivavaka izy, rehefa avy nianatra Sekoly Alahady, amin’ny Fiangonan-dehibe ohatran’izao, dia mandeha mosy ao amin’ny trano bongo kely, 20metatra carré ilay trano, 12 izy ao amin’izany trano 20metatra carré izany. Dia ahoana no ataon-dry hoy Pasitera ? « An an an, tsy ataoky mahakivy izany Pasitera an. Raha ny marina, tsy 12 izahay no ao an-trano, fa 13 izahay no ao amin’io trano io miaraka amin’i Jesosy ». Ilay Jesoa izay tsy hita maso ry havana ô. MIANARA, MIANARA MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO E. Fa io fahorianao io, n’inon’inona vaikany : fahoriana mandalo io hoy ny Tompo. Fa izao : rehefa mijery ny fiainanao ianao, ohatran’i Paoly, dia tokony hisy fahoriana nandalo. Avy eo an, « eto amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana » hoy ny Tompo : fahoriana miampy fahoriana ilay fiainana ry havana ô.

Fa izao : rehefa mijery isika hoe : ny zavatra hita maso dia mandalo ; teo moa izany dia zavatra hita maso manana endrika fizahan-toetra e ; fa misy zavatra ihany koa ry havana, izay heverina hoe « positif » izany hita maso : mandalo ihany koa izany e, mandalo ihany koa izany. Ny zavatra rehetra hitan’ny maso, na ny ratsy, na tsy tsara, dia mandalo avokoa ry havana ô, mandalo avokoa. Samy mahafantatra olona isika ry havana, tamin’ny fahatanorany : tanora tomady, tanora bikàna,tanora salama. Mahita azy amin’izao fahanterany izao : osa, intelligent taloha, tratran’ny fanadinoana ; « izy kosa aloa efa mahazo taona ihany, sady efa hita osa e ». Mandalo izany ry havana ô, mandalo. Io hatsaran-tarehy hikohizantsika mianakavy io ; mandalo io, mandalo io.

Tamin’ny fahatanoranay ry havana, nalaza be izany hoe Brigitte Bardot izany, nalaza eran-tany izany. Tsisy lehilahy tsy adala tamin’izany. Mbola velona any i Brigitte Bardot, asa na efa 90taona latsaka kely ; mijery azy ianao an, ity ve ilay tsara tarehy kely iny ? Horera be zao, horera zao. Mandalo ny zavatra hita maso ry havana ô, mandalo.         

Io lazanao io, io laza mahafatifaty anao io, io lazanao io, mety nalaza vetivety ianao ; fa andeha atao hoe nalaza ianao hatramin’ny fara-fofon’ainao. Ry havana ô, rehefa tonga ao am-pasana ianao, azoko antoka mihitsy, fa tsy ho renao izay tehaka nahafatifaty anao sy nenjehinao nandritra ny fahavelomanao teto amin’izao tany izao e. Na ny zavatra tsara aza, dia mandalo. Tsy misy zavatra hita maso ka maharitra ry havana ô. Fa nahafinaritra ahy ny tenin’ilay mpitoriteny anankiray momba an’io, dia izao: raha te hianatra ianao hoy izy hijery ny zaavtra tsy hita maso, dia izao : ny zavatra rehetra eto an-tany dia raiso ho tandindona, raiso ho singa, raiso ho symbole-ny zavatra any an-danitra. Izany hoe tsy hijery an’ilay izy amin’izao hita maso izao, fa hoe ampahatsiaro anao ny any an-danitra. Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra io : manomboka izao ianao, manomboka izao ianao, rehefa mijery an’io habakabaka io, mifoha maraina ianao faly : « oay, manga be ilay lanitra ! » Dia angataho amin’ny Tompo hoe : « Ampio aho hiteny hoe : waouh ; fa ampio aho hijery ao ambonin’io habakabaka io, ilay lanitra izay tany be hasambarana nomaninao ho lovako. Izay, hoe : symbole ny zavatra ety an-tany. Rehefa mahita volamena ianao, rehefa mahita volamena ianao, raiso io ho tandindona, raiso io ho symbole. Symbole-ny inona ? Ilay lalana volamena sy ilay kianja volamena any amin’ilay Jerosalema vaovao ry havana ô ; hampanembona anao, hampaniry anao an’izany Jerosalema vaovao izany io volamenanao io. Ary efa toriteny teto indray mandeha, hoe : misy lapa iandrasan’Andriamanitra antsika any an-danitra any. Ary n’inon’inona hatsaran’ny tranonao, na lapa be toa inona no ipetrahanao, ataovy ao an-tsainao hoe : tranon’akoho io rehefa oharina amin’ilay lapa miandry antsika any.

Izay ny fahamarinana 1, hoe :  FANTARO E, FANTARO FA MISY NY ZAVATRA TSY HITA MASO. Ary ny zavatra hita maso rehetra, ny zavatra hita maso rehetra, dia mielina sy mandalo avokoa.

FANTARO FA MISY NY ZAVATRA TSY HITA MASO. Izay ny fahamarinana 1.

Ny Fahamarinana 2 dia hoe : MIZARA (MIZATRA) MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO

Mizatra ahoana aloa ?

  • Mizatra amin’ny saina

Mizatra amin’ny saina ry havana ô. Ampiasao io sainao io hisainana an’izany hoe ; efa noresahina teo moa izany hoe satroboninahitry ny fiainana, satroboninahitry ny fahamarinana. Tsy maso anie izany e. Tsy hita maso izany. Sao dia rehefa eto ianao, anaty vatapaty eto ianao vao mieritreritra hoe ho tolorana an’izany satrononinahitra fiainana tsy nosaininao izany. Izay ilay izy ry havana. Mizara, zaro ny sainao hisaina izany atao hoe fahamarinana izany. Tsy hita maso anie izany fahamarinana izany e. Tsy hita maso anie izany hoe fihavanana amin’Andriamanitra izany e. Tsy hita maso anie izany hoe fanamarinana antsika izany e. Fa saino izany e. Izany ny zavatra tsy hita maso : AMPIASAO IO SAINAO IO HISAINA AN’IZANY ZAVATRA MANDRAKIZAY IZANY FA TSY HITAN’NY MASO.

Hoy isika hoe MIZARA MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO. Zaro ny Saina.

  • Zaro ihany koa ry havana, zaro ihany koa ny fonao

Zaro koa ny fonao hijery ny tsy hita maso, ary hifikitra, hiraiki-pitia amin’ny zavatra tsy hita maso. Zaro ho amin’izany ny fonao ry havana ô. Hitanao ny tantaran’i Abrahama sy Lota, neveu-ny. Samy nipetraka tao Mamre izy, dia samy nitombo ny ondry, ny osiny. Dia hoe an an an, tena tsy possible intsony ity fa aleo isika mizara. Dia na dia hoe ray aman-drenin’i Lota aza, dadatoan’i Lota aza Abrahama, dia Abrahama niteny tamin’i Lota hoe : « fidio, fidio izay toerana tianao alaina ». Ary capable Abrahama manao an’izany ry havana ô, satria ny fon’i Abrahama dia efa misaina sy miraiki-pitia tamin’ilay tanàna tsy natao tanana ary tsy hita maso. Fa ny fon’i Lota dia eto amin’ny fitiavana an’izao tontolo izao. Ary logique be Lota raha nisafidy an’ilay tany lemak’i Jordana iny, sady azo tondrahana rano tsara, normal be. Satria te hampitombo ny harenany izy. Izay no hitan’ny maso. Ary ilay fony mbola eto amin’izao tontolo izao, ny fony mbola eto amin’ny harenany. Ary tsy nahoan’i Lota inona ry havana izany hoe noho ilay fisafidianany an’ilay tany lemak’i Jordana iny, dia voatery hipetraka tao Sodoma izy. Tsy problemany izany. Ny Soratra Masina anefa miteny hoe tsy nahazo aina ny fanahiny noho ny haratsian-toetran’ny olona tao Sodoma. Fa tsy ahoan’i Lota inona izany e. Izay ilay fontsika hoe mila mizatra mijery ny zavatra tsy hita maso, ary miraiki-pitia rehefa ela ny ela andinihina an’izany, amin’izany zavatra tsy hita maso izany ry havana ô. Ary jereo tsara ilay toetran’ilay olona manana fo variana amin’ny zavatra ety an-tany : nisy anjely nirahin’Andriamanitra hampandre an’i Lota hoe ho aringana Sodoma. Dia nampiantranoan’i Lota ireo anjely ireo. Dia ren’ny tao an-tanàna izany. Dia tonga tao amin’i Lota ny iray tanàna taminy, saika hoe hamono an’ilay vahinin’i Lota. Inona no nataon’i Lota ? Asa moa izay logique-n’izany : an an an, aza kasihinareo ireo, hoy izy, fa ireo no zanako vavy, hanarano fo amin’izay tianareo anaovana azy. Taty aoriana moa ry havana, dia tsy naninona fa narovan’ireo anjely ihany ny zanak’i Lota ; fa taty aoriana i Lota e, nandry niaraka tamin’ireo zanany vavy ireo. Tandremo ilay fo, zaro ilay fo amin’ny zavatra tsy hita maso. Ny vadin’i Lota, efa noraran’ny anjely : aza mierika, aza mitodika ; izay manko ilay hoe misy ilay maso na ilay fo tsy tokony hijery zavatra sasany. Ny vadin’i Lota ry havana, nitodika ohatran’izao, dia lasa vongan-tsira ; amin’ny teny frantsay izy hoe : « pétrifiée ». Maro ry havana ny olona mihaino eto izao, manana fo pétrifié satria tahaka an’i Lota, mbola fo mankamamy an’izao tontolo izao., tahaka ny vadin’i Lota mijery zavatra efa andraran’ny tenin’Andriamanitra. MIZARA E, MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO. Zaro ny sainao, zaro ny fonao.

Izao ange e : ny fontsika olombelona ry havana dia tsy mijery afa-tsy ny zavatra izay akaiky antsika, ny zavatra izay hitantsika maso. Ary ireo zavatra hitantsika isan’andro ireo, ireo ry havana no hoe manan-danja eo imasontsika. Izay ange no mahasarotra an’ity zavatra ity e. Ireo zavatra hitan’ny masontsika ireo, ireo ihany no manan-danja, fa izany lanitra izany, bof !

Tery am-piandohana ry havana, niteny moa isika hoe mielina avokoa ny zavatra rehetra. Dia mety misy olona izao eto mihaino an’izany dia manao hoe : « tsy hitan’i Pasitera ny compte en banque-ko fa miha-matevina, miha-matevina. Tsy hitan’i Pasitera izany ». Mampalahelo ianao ry havana ? Fa maninona ianao no mampalahelo ? Ny olona miteny an’izany hoe : « miha-matevina ny compte en banque-ko », ny andro-tokon’ny androny dia mijery ny relevé de compte-ny izay eo. Ary isan’andro dia hoe inona indray, hoatrinona indray, hoatrinona indray ? Ary izany fijerenao ny compte en banque-nao izay miha-matevina miha-matevina izany, manambara aminao aho ry havana ô, fa manajamba anao ary mampalahelo be ianao. Manajamba anao amin’ny zavatra tsy hita maso. ZARO NY MASONTSIKA E, ZARO NY SAINTSIKA E, ZARO NY FONTSIKA E, HIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO ANY AMBONY.

Ary ny ahafantaranao hoe efa manomboka mijery ny zavatra tsy hita maso ianao : misy fiantraikany hita maso izany ao amin’ny fiainanao:

  • Voalohany indrindra, hoe : asehonao izany amin’ny fahafoizana ho an’Andriamanitra. Ary rehefa jerena ny Baiboly ry havana, ny chronologie-ny Baiboly, Genesisy 14, ny fahafoizana ho an’Andriamanitra misongadina eo dia ny fahafoizan’i Abrahama ho an’i Melkizedeka, fahafoizan’i Abrahama, izay kilasin’ny Soratra Masina hoe rain’ny mpino : nahafoy fahafolon-karena ho an’i Melkizedeka, izay tandindon’i Jesoa ry havana ô. Tsisy resaka lalàna jiosy izany. Tsisy resaka fomban’ny testamenta taloha izany : mbola tsy nisy lalàna tonga tao amin’ny Genesisy 14 Fa izany ny olona hoe mianatra mijery ny zavatra tsy hita maso, dia manao tahaka an’i Abrahama : mahafoy ny fahafolon’ny harenany.
  • Ny zavatra faharoa ry havana anehoanao koa hoe efa tena mizatra mijery ny zavatra tsy hita maso ianao, dia ny fomba fitaizanao ny zanakao. Izahay ry havana tsy mba notezaina tamin’izany hoe mijery ny zavatra tsy hita maso. Tsy nampianarina an’izany ny ray aman-dreninay ary izahay tsy nampianariny an’izany. Fa isika tenenina hoe : ampianaro e, ary zaro amin’ny fijerena ny zavatra tsy hita maso ny zanatsika ry havana ô. Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay : raha oharina amin’ny boky ny fiainantsika olombelona : ilay fiainana ety an-tany, ilay 70, ilay 80, ilay 100 ho an’ny sasany : karazana « préface » ; fa ny tena votoatim-boky an, ilay aorian’ny « préface ». Isika ray aman-dreny mitaiza ny zanatsika hanome lanja an’ilay préface-ny bokin’ny fiainany ry havana ô. Ary maty antoka isika ry havana ô, fa io diplaoma io, io fahaizana io, io asa io : mandalo io e. Tsy maharitra mandrakizay io e. Ary na hivelona eto 100 taona ianao aza, na hivelona eto 100 taona aza ianao ry havana ô, izany 100 taona izany dia toy ny indray mipi-maso eo anatrehan’ny mandrakizay.

Hitantsika teo izany, fahamarinana anankiroa, hoe : FANTARO FA MISY NY ZAVATRA TSY HITA MASO. Hitantsika teo koa ny hoe : MIZARA MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO.

Ny fahamarinana farany ry havana eto am-pamaranana : HO AN’NY OLONA NILAZANA TENY AM-PIANDOHANA HOE : MIANARA MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO, ny fahamarinana 3 farany dia hoe : MIVERENA MAMAKY BAIBOLY – MIVERENA MANOKATRA BAIBOLY

Rehefa jerenao anie ry havana ny Baiboly e, rehefa jerenao ny testamenta vaovao indrindra indrindra ; ny testamenta vaovao dia miompana amin’i Jesoa Kristy. Tonga Jesoa Kristy hampiseho ho hita maso ny tsy hita maso, dia ilay Andriamanitra tsy hita maso izany. Izany no nahatongavan’i Jesoa ry havana ô. Ary matoa ianao ry havana ô, tsy mino ny fisian’ny zavatra tsy hita maso na tsy mahita ny zavatra tsy hita maso an, tsy manokatra Baiboly ianao. Izay ny tenin’ny Tompo aminao amin’izao anio izao : tonga Jesoa haneho ny fanjakany ; tena misy izany fanjakany izany. Tena misy lapa ary fitoerana nomaniny ho ahy sy ianao izay mino fa na tsy hitan’ny masoko aza izany amin’izao 26 Avril 2020 izao, dia tena misy izany. Ary omaniny ho ahy izany. Ary izany nge ry havana ô, no mission-ny Fiangonana voalohany e : mitaona ny olona ho amin’i Jesoa e, ary mitaona ny olona hamaky Baiboly e. Fa indraindray ny Fiangonana variana mampianatra izao zavatra rehetra izao, mba ho hita hoe Fiangonana maharaka ny fivoaran’izao tontolo izao, variana mampianatra zavatra be dia be ny Fiangonana afa-tsy izay zavatra atokana hoe hanampy ny olona hijery ny zavatra tsy hita maso : tsy Fiangonana ianao ry havana ô, ary rehefa tsy manampy ny olona ianao hibanjina ny tsy hita maso, tsy izao tontolo izao e, no hisolo toerana anao ka hanampy ny olona hiejry ny zavatra tsy hita maso. Kristy ry havana ô, Kristy tonga ampiseho antsika ny zavatra tsy hita maso, dia Andriamanitra sy ny fanjakany. Kristy tonga ampiseho amintsika malagasy fa misy zavatra ao ambadiky ny fasana e. Ary io odi-fahafatesana isan-karazany heverinao ho odi-fahafatesana io, no heverin’ny malagasy fa hanavotra anao ; fa Tompo Kristy hanazava mihitsy hoe misy zavatra tsy hita maso ao ambadiky ny fasana dia ny lanitra sy ny helo ry havana ô. MIVERENA E, MIVERENA MANOKATRA BAIBOLY. Araraoty izao confinement izao hamakiana Baiboly noho ny tamin’ny fiandohan’ny taona, hoe mbola milamina ny fiainam-pirenena, ny fiainana tety an-tany. MIVERENA MAMAKY BAIBOLY.

Ary faharoa : MIBEBAHA EO AM-PAMAKIANA BAIBOLY. Ekeo am-panetren-tena e, izao ota atoron’ny Tompo anao, isaky ny manokatra Baiboly ianao. Ekeo izay ota atoron’ny Tompo anao isaky ny manokatra Baiboly ianao. Izao manko ry havana : ny ota tsy hibebahanao, ary Isaia miteny an’izany, dia toy ny rahona, toy ny zavona manakona ny masonao tsy ahita ny zavatra tsy hita maso. Ny ota tsy hibebahanao dia toy ny rahona, toy ny zavona manamaizina ny masontsika ka tsy ahitantsika izany zavatra tsy hita maso izany. Dia inona ny zavatra mitranga ? Tsy mibebaka aho izany, misy rahona eo izany, dia rehefa ela ny ela, ilay natioran’ny olombelona tsy taitra intsony amin’izany. Tsy taitra intsony izy amin’izany e. Moa inona ny zavatra mitranga ? Izao tontolo izao miantso azy, mibitsika aminy isan’andro isan’andro : « za jerena e, za jerena e, za izao tontolo izao jerena e, ny programako jerena e, ny fahafinaretana omeko anao jerena e, ny fahatsaran’ny monument eto amiko eto jerena e », sy ny karazany sy ny karazany. Hoy izao tontolo izao hoe : « za jerena e, za jerena e ». Dia izao tontolo izao koa no mbola miteny aminao hoe : « ianao jerena e, ny tenanao jerena e ». Izany ange no mahatonga anao hanao selfie marain-tsy hariva io e : ianao, ny tenanao no jerenao, ny tenanao no mi-intéressé anao eto amin’izao tontolo izao. Fa takon’ny rahona ilay zavatra tsy hitan’ny maso ry havana ô. Mibebaha, mibebaha mandrakariva.

Mibebaha eo am-pamakiana Baiboly an. Ary farany : ANGATAHO NY FAHIRATAN-TSAINAN’NY FANAHY MASINA HIASA AO AM-PONAO, HIASA AO AN-TSAINAO ry havana ô.

Ny mandrakizay efa napetrak’Andriamanitra ao am-ponao raha namorona anao Izy e. Ary ilay olona ao anatintsika ao, dia tena hoe maniry fatratra an’izany mandrakizay izany, dia ilay mandrakizay tsy hitan’ny maso ry havana. Maniry fatratra izy e. Ary izany ange no tsy mampety ny fiainanao e, satria tsy mazava ohatran’izany ao an-tsainao hoe ny olona ao anatinao maniry an’izay mandrakizay izany. Fa tsy hitan’ny maso ilay izy dia very hevitra ianao. Isika olombelona raha hoe oharina amin’ny trondro dia izao : izany trondro izany dia hoe tokony hivelona any anaty rano. Nefa satria hoe tsy miezaka mibanjina ny zavatra tsy hita maso isika, dia izay ilay rano, dia ohatrany trondro mipetraka ety an-tanety, amin’ny rano marivo ry havana ô, dia maina ny fiainantsika, pôkaty ny fiainantsika, maty fanahy mbola velona isika. Miteny aminao ny Tompo amin’izao maraina izao hoe : MIANARA AMIN’IZAY E, MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO. MIVERENA AO AMIN’NY TOMPONAO.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.

ALAHADY 19 APR 2020

Ny filazantsara ry havana, ao amin’ny Lioka 24 ; izay no hakantsika hafatra amin’izao maraina izao. Raha omena lohateny izao toriteny izao dia azo tenenina tahaka izao, hoe : RAISO SERIEUX AMIN’IZAY NY FANAHY MASINA. RAISO, ATAOVY SERIEUX AMIN’IZAY NY FANAHY MASINA AMIN’ITY 2020 ITY.

Ny Fahamarinana 1 ry havana, amin’izao toriteny izao, dia hoe : NY OLONA IZAY MANDRAY SERIEUX NY FANAHY MASINA DIA SOKAFAN’ANDRIAMANITRA NY SAINY HAHALALA NY SORATRA MASINA. Sokafan’Andriamanitra ny sainy hahalala ny Soratra Masina.
Eo amin’ny and. 44-47 dia hoy ny tenin’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesoa : « Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. Dia nanokatra ny sain’ ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo; ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema ».

Ny olona izay mandray au sérieux ny Fanahy Masina ry havana, dia sokafany ny sainy hahalala ny Soratra Masina. Izany no ataon’i Jesoa eto ry havana ô.
Misy mpandinika nanisa ry havana hoe ao amin’ny làlàn’i Mosesy, izany hoe ao amin’ny Pentatioka izany, ao amin’ny mpaminany sy ao amin’ny Salamo, dia lazain-dry zareo hoe : misy à peu près faminanian-dehibe 70 mikasika an’i Jesoa ry havana. Ary ireo no lazain’i Jesoa hoe : « Izay rehetra nanoratana Ahy dia tsy maintsy ho tanteraka » ; ary na izaho, na ianao ry havana, dia mila an’i Jesoa, mila ny Fanahy Masina mba hahalantsika izany Soratra Masina izany. Fa raha tsy izany, dia tahaka an’ireto mpianatra ireto isika ; ny mpianatra no resahina eto, any amin’ny Lioka 9 :44-45, miresaka amin’ny hoe tsy maintsy hanolorana ny zanak’olona Jesoa, dia hoe : « tsy azon’ny mpianatra io teny io », satria tsy azony noho ilay hoe fahafoizan’ny sainy, ny avonavom-po, ny fiheveran-tena ho zavatra eo anatrehan’i Jesoa ry havana, dia tsy azony. Tsy azoko koa izany satria fohy ny fisainako, raha tsy ny Fanahy Masina ô, no hoe mampianatra ahy hahalala ny Soratra Masina. Ary rehefa hoe ny Fanahy Masina no mampianatra hahalala ny Soratra Masina ry havana, dia izao : takatrao rehefa ela ny ela, araka ity tenin’i Jesoa ity, fa ny tanjon’ny toriteny dia anankiroa ihany : ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Izay no ambaran’i Jesoa amin’ny mpianatra eto. Ny olona izay hoe, manao sérieux ny Fanahy Masina, ka tarihin’ny Fanahy Masina hahalala ny Soratra Masina, dia mahafantatra hoe : izay ny fijerin’Andriamanitra ny olombelona rehetra, hatramin’ny jentilisa aza, lavitra be any : ny olona rehetra dia mpanota ka very. Mijereva ianao olona any amin’ireny tany manan-karena ireny, sy mandroso ; mijereva ianao aty amin’ny tany mahantra sy an-dalam-pandrosoana ; mijereva ianao fotsy, mijereva ianao mainty ; mijereva ianao lehilahy, mijereva ianao vehivavy ; mijereva tanora, mijereva antitra : olona mpanota io ary ho very. Izany no fijerin’ny Soratra Masina azy ry havana. Ary izany no hitoriana aminy ; hoy Jesoa hoe : « torio aminy ny fibebahana » ary torio aminy ny famelan-keloka vokatry ny fibebahana. Ary izay toriana ry havana ô.
Ny probleman’ny olombelona dia izao : mpanota izy, araka ny voalazany teo ; mpanota izy, nef aizy tenany tsy afaka manaisotra izany fahotana izany. Teto amin’ny tantaran’ny olombelona ry havana, fa raha ao amin’ny testamenta taloha moa no jerentsika, satria kristiana isika, dia nieritreritra izy hoe : « hay, mpanota aho, voafatotry ny ota aho, hanao fanatitra aho, hanao sorona aho, satria mazava ny tenin’ny Soratra Masina, hoe : « raha tsy misy rà alatsaka, tsy misy famelan-keloka ». Kanefa izao ry havana : ny probleman’ny fanatitra ao amin’ny testamenta taloha, io rà nalatsaka io, ràn’ny ondry, ny osy io, io, voalohany : tsy maha-haisotra ny fahotana ; ary faharoa, ary izay no tena zava-dehibe : io rà io, tsy nahafaka ny olombelona amin’ilay fatoran’ny fahotana sy ny fahazaran-dratsiny ry havana ô. Fa manao fanatitra izy, manao fanatitra, dia mbola andevozin’ny fahotana ihany, dia manoh, manohy, manohy. Ary noho izany, dia hoe, tsy maintsy naniraka an’i Jesoa Andriamanitra. Ilay tsy maintsin’Andriamanitra eto ry havana, hoe : Andriamanitra noterenin’ny fitiavany antsika olombelona very dia tsy maintsy naniraka an’i Jesoa Kristy. Jesoa Kristy indray, nahita an’ilay situation antsika olombelona hoe very noho ny fahotana, mandeha mihazakazaka mankany amin’ny helo, dia nankeo amin’ny Rainy Izy, dia hoe : « Inty Aho, hanao ny sitraponao. Manaiky Aho irahina ety an-tany ». Izay ilay tsy maintsin’Andriamanitra ry havana ô. Fa io Jesoa Kristy, izay nanaiky nirahin’Andriamanitra tety an-tany io, izany no lazain’ny perikopa, hoe : « tsy maintsy nijaly » ; ary « tsy maintsy nitsangana tamin’ny maty ». Izao manko ry havana : ny fampianaran’ny Soratra Masina, dia hoe : nijaly teto amin’ity hazo fijaliana ity Jesoa nisolo heloka antsika. Ary maty Izy, nisolo voina antsika. Fa raha tsy teo ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, dia mety ho angano fotsiny izany ry havana ô, mety théorie be fotsiny izany. Fa izany no tsy maintsy hitoriana ireo zava-dehibe anankiroa ireo hoy Jesoa, ary ireo no votoatin’ny toriteny, dia ny hoe : nijaly Jesoa ary nitsangana tamin’ny maty Jesoa ry havana ô. Ary izany hoy Izy ange e, no efa nambaran-dry Mosesy e, nambaran’ny mpaminany e, nambaran’ny Salamo e : « Tsy maintsy hijaly Izy, ary tsy maintsy hitsangana tamin’ny maty ». Ary Izy nitsangana amin’ny maty iny, no mandidy ny olona hoe : « Tsy maintsy mibebaka ianareo mba hahazoana famelana ny helokareo ».
Ny Fanahy Masina raiso sérieux ry havana ô, dia ny Fanahy Masina hanokatra ny sainao hahalalanao izany hoe planina tsy maintsy notanterahin’Andriamanitra izany e. Izao ry havana : asa moa na rahoviana na rahoviana no hisy ny olona voalohany ho matin’ny corona eto Madagasikara. Ny Tompo irery no mahafantatra an’izany. Fa ny anjarantsika dia mivavaka, ary milaza hoe : « Mahatoky Izy ». Fa izao, aza tezitra ianao e : ny fanontaniana tsy hoe : « rahoviana no hisy ny olona voalohany matin’ny corona eto Mada ? » ; fa hoe : « ilay olona voalohany sy ny manaraka, sanatriavina, amin’ny fijerin’ny olombelona ; io olona ho fatin’ny corona io ve olona maty tsy voavela heloka, tsy vita fihavanana tamin’Andriamanitra ? » ry havana ô. Raha tsy vita fihavanana amin’Andriamanitra izy, dia tena hoe zava-doza. Ilay famelan-keloka eto, ilay voambolana ampiasain’ny Fanahy Masina amin’ilay famelan-keloka dia hoe : « fandoavana trosa ». Isika masiaka rehefa mampindrana vola ka tsy mamerina ny trosa ilay olona. Fa ohatran’izany koa Andriamanitra ry havana : io helokao io, trosa tsy maintsy efainao amin’Andriamanitra io, ary raha matin’ny corona ianao, na matin’ny zavatra hafa, tsy voavela heloka, tsy nanefa ny trosan’Andriamanitra, dia hoe : lasa any amin’ny fahaverezana mandrakizay ianao, lasa any amin’ny helo ianao. Fa izao kosa ry havana ô : raha hoe mivavaka isika, fa raha hoe na iza na iza ho fatin’ny corona eto, dia ho hita hoe modimandry ao amin’ny Tompo e. Ary dia tonga amin’ny tenin’i Président Ammi tamin’ny Alahady marainan’ny Paska, tamin’ny heriny androany, hoe : « lasa nody any amin’ny Rainy izy. Izany ve dia ho ratsy ? ». Fa izao : aoka isika ry havana handray au sérieux ny Fanahy Masina, aoka isika hanaiky ampianarina hahalala marina ny Soratra Masina, ary aoka isika ry havana ô, hisaina mandrakariva izany hoe : « tsy maintsy nijaly, tsy maintsy nitsangana tamin’ny maty izany Kristy mba hahazoantsika mibebaka, sy mahazo famelana ny helotsika ».

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao : HO AN’NY OLONA IZAY MANAO SERIEUX NY FANAHY MASINA, TSY MAINTSY MITORY NY FILAZANTSARA, ARY TSY MAINTSY ATOMBONY AO JEROSALEMA IZANY
And. 48 manao hoe : « Ary ianareo no vavolombelon’izany », « manomboka eto Jerosalema » (and.47b). Teo izany, ilay tsy maintsin’Andriamanitra hoe tsy maintsy naniraka an’i Jesoa Izy hamonjena antsika. Ny Soratra Masina manambara « tsy maintsy » faharoa ato, hoe : « tsy maintsy mitory isika, ary tsy maintsy atomboka ao Jerosalema ». Dia azontsika atao tsara ny manonatany tena ry havana, hoe nahoana moa, inona no mety hevitry ny Tompo ny amin’ny hoe : « atomboy ao Jerosalema izany fitoriana ny filazantsara izany ».

- Ny antony voalohany, mazava be, dia izao aloa : satria izay no voalazan’ny mpaminany : Ao Jerosalema aloa no hitoriana izany hoe fijaliana sy fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, sy izany hoe fibebahana sy famelan-keloka izany. Ary lesona lehibe ho antsika izao ry havana, hoe : manao asan’ny Tompo ianao, misy tenin’Andriamanitra ve hanorenanao mazava io asanao io, ny fandaminanao io asa io ? Ary nahazo antso sy iraka mazava ve ianao ka miteny ianao hoe : « eny ary Tompo ô, atomboko ato Jerosalema tokoa ity satria izany no ambaran’ny Soratra Masina » ?

- Ny antony manaraka ry havana hanombohana ny fitoriana ny filazantsara ao Jerosalema, tao Jerosalema dia satria ireo mponina, ireo jiosy tao Jerosalema ireo no noheverin’i Jesoa hoe ratsy indrindra. Atomboy ao, amin’ireo olona ratsy indrindra ireo. Tadidintsika ny tenin’i Jesoa tao amin’ny Jaona 8 :44 hoe : « ianareo zaanky ny devoly rainareo ». Raha mahita olona ianao manodidina anao, tena hoe « devoly mihitsy iny, zanaky ny devoly iny » : antson’ny Tompo ho anao izany ry havana ô, hitoriana ny filazantsara en priorité aminy. Jesoa dia manohatra ny tenany amina dokotera hitsabo antsika mpanota. Ao an-tsaina, atao priorité ry havana ô, Jerosalema, satria olona noho ny faharatsiany, dia tena olona ohatrany hoe am-bavahoan’ny fahafatesana ary tena mila urgence ry havana ô.

- Atomboy ao Jerosalema, noho ny hafatry ny mpaminany, atomboy ao Jerosalema satria tena ratsy ireo olona ireo. Atomboy ao Jerosalema, satria mazava be : ao no akaiky indrindra. Aza manakatra lavitra aloa, aza manakatra any Foulpointe aloa, sy ny karazany : ao Jerosalema aloa atomboka ry havana ô. Atomboy ao amin’ny ankohonanao, atomboy amin’ireo mpanampy ao an-tranonao, atomboy any am-pianaranao, atomboy any am-piasanao, atomboy ao amin’ny sampana misy anao, ao amin’ny fikambanana misy anao ao am-piangonana ao ; misy jiosy ao, taranaky ny jiosy tao Jerosalema, mila fibebahana en urgence ry havana ô. Ary tsy maintsy manao an’izany ianao.

- Ary izao koa no mbola hafatra ry havana : mandinika ny tenin’ny Tompo hoe : maninona no atomboka ao Jerosalema ? Jerosalema, raha tsy tenenina isika hoe mandehana ianao mankao Jerosalema, dia mety hiteny isika hoe : « sshh, Jerosalema izany, efa firin-jato taona no nitoriana teny tao, nanomboka tamin’i Mosesy, nanomboka tamin’ny mpaminany, ny Salamo araka ny tenin’i Jesoa ; firin’jato taona izay dia mbola io ihany, mbola io ihany Jerosalema, sshhh, tsy aleo ve mankany an-kafa e ». Miteny ny Tompo : atomboy ao Jerosalema, atomboy ao amin’ny olona izay efa voky fampianarana, atomboy ao amin’ny olona izay hoe nanamafy fo, nanamafy hatoka tamin’ny filazantsara. Ary ity Jerosalema ity ry havana ô, tantarain’ny Soratra Masina, fa raha nanakaiky an’i Jerosalema Jesoa, dia nitomany. Nitomany an’i Jerosalema i Jesoa, hoe : « raha mba nahafantatra mantsy ianao ny momba ny fiadanana, raha mba nahafantatra ianao ny famangian’ilay Andrian’ny fiadanana anao ry Jerosalema ô ». Fa hoe :Jesoa, izay nitomany, noho ny hamafin’ny fon’i Jerosalema tamin’ny fahavelony, mbola miteny aminao hoe : « atomboy ao Jerosalema : tsy maintsy atombokao ao Jerosalema ». Raha raisinao au sérieux izany hoe fitarihin’ny Fanahy Masina izany : atomboy ao Jerosalema izany fitoriana ny filazantsara izany.

- Ary farany, ny amin’izany hoe tsy maintsy atomboka ao Jerosalema ilay fijoroana vavolombelona ry havana ô, ary eto, dia misaotra ny Tompo, ny amin’ny ahazoantsika mifampatsiahy fa hoe : ilay teny grika, ary hainareo tsara ilay izy, nadika hoe vavolombelona, dia hoe « martiora ». Meteza ho martioran’i Jesoa ry havana ô. Inona no dikan’izany ? Hita izany rehefa miteny Jesoa hoe « tsy maintsy atomboka ao Jerosalema ». Izany hoe : ao amin’ny toerana izay mety hatahoranao. Jerosalema dia toerana mety hatahoranao hitoriana. Inona ny dikan’izany ? Atomboy ao Jerosalema hoy Jesoa an, tsy maintsy manomboka ao Jerosalema ianareo an ; fa raha tsy niteny an’izany anie Jesoa ry havana, dia mety niteny ireto mpianatra ireto, nifampiteny izy 11 lahy, dia avy eo moa izy 12 ihany, na nifampiteny izy 70, nifampiteny izy 120 hoe : « an an an, raha izao contexte izao an, ohatrany tsy hahavita na inona na inona eto Jerosalema isika an ». Izany : ataovy ao an-tsaina izay contexte tamin’izay ; ary ny Jaona 20 ry havana dia milaza hoe : ny alin’ny andro voalohany nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, dia tena hoe faran’izay katahotra ireto mpianatra ireto, dia nihidy tao an-trano, tao izy no notongavan’i Jesoa ry havana ô. Izay ilay tahotry ny mpianatra, hoe : « aiza no hitorianao filazantsara eto Jerosalema e ». Izany ilay izy. Fa ao Jerosalema ianao no tsy maintsy mijoro vavolombelona hoy Kristy ry havana ô. Mihidy an-trano izy noho ny tahotra, ary hors de question ny hoe handeha hivoaboaka ny trano, ohatrantsika hoe ao anatin’izao fihibohana izao, dia hoe tsy tokony hivoaka ny trano. Ary dia mety mieritreritra izy hoe : « vue ilay situation, andao isika hoe handeha handositra hialokaloka any Damaskosy ». Izay ange no nahatonga an’i Paoly e, Saoly e, hoe handeha hanenjika kristiana any Damaskosy e, ilay kristiana natahotra, dia nisy niteny hoe : an an an, andao isika mba hanao ohatran’ny rehetra e, andao isika ho any Damaskosy e. Dia rehefa hoe milamindamina ny ety an-tanana, milamindamina ny eto Jerosalema, rehefa adinodinon-dry zareo ity resaka hoe nanombohana an’i Jesoa tamin’ny hazo fijaliana ity, dia hiverina moramora isika, hitory moramora sy miandalana an’i Jesoa. Fa izao ry havana no tenin’i Jesoa : « Tsy maintsy ao Jerosalema ianareo no manomboka mijoro vavolombelona ». Dia inona tokoa no nataon-dry Petera ? Satria nanaiky anarin’ny Fanahy Masina izy, nandray au sérieux ny Fanahy Masina izy, nandray au sérieux ny tenin’Andriamanitra izy : nanomboka nitoriteny Petera tamin’ny andron’ny Pentekosta ry havana. Ary izy nanomboka nitoriteny, dia hoe nitoriteny tamin’ny fahasahiana izy. Asa. 2 :36 : « Koa aoka ho fantatry ny taranak’isiraely rehetra marimarinafa iny Jesoa nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy ». Tenin’ny olona feno ny Fanahy Masina, mitory teny amin’ny fahasahiana ry havana ô. « Nareo ireo anie no nanombo an’i Jesoa tamin’ny hazo fijaliana e ». Fa Petera ry havana, nitory an’izany tamin’ny fahasahiana, tarihin’ny Faanhy Masina ; tsisy sahy nitora-bato, tsisy sahy nisambotra ; nampatsiahivina ilay contexte. Fa inona ny zavatra nitranga ? Voatsindrona tam-po ny olona izay nihaino toriteny teo ary nivarahontsana dia niteny hoe : « Inona no tokony ataonay ? Inona no tokony ataonay ? ». Dia niteny Petera hoe : « Mibebaha ianareo ». Izany ny mission-nao ry havana ô. Any amin’ny toerana heverinao hoe : « an an an, aleo aloa ary an’anona ka, fa any mbola ohatran’izao sy ohatran’izao ». Fa Petera feno ny Fanahy Masina, nitory tamin’ny fahasahiana, dia niteny ny Asan’ny Apostoly 2 hoe : olona 3.000 no niova fo tamin’io andro io. Ary ny Asan’ny Apostoly ihany no mbola mitantara hoe : andro iray na roa taorian’ny Pentekosta, dia mbola olona 5.000 indray no nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ry havana ô.
Raiso au sérieux amin’izay anie ny Fanahy Masina e, dia hijoro vavolombelona, martioran’i Jesoa ianao, ho mpampiditra fanahy any an-danitra. Fa izany no mission-ko, izany no mission-nao. Izany no antom-pisiako, izany no antom-pisianao.

Ny Fahamarinana farany ry havana, dia izao : NY OLONA MANDRAY AU SERIEUX NY FANAHY MASINA DIA MANAO VAINDOHAN-DRAHARAHA NY HANDRAY AN’IZANY FANAHY MASINA IZANY
Manao vaindohan-draharaha ny handraisana an’izany Fanahy Masina izany. Hoy ny and. 49 amin’ity Lioka 24 ity: « Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo ; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo ». « Mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo ». Tsy maintsy nandefa an’i Jesoa Kristy Andriamanitra ry havana ô. Tsy maintsy nijaly Jesoa Kristy. Tsy maintsy nitsangana Jesoa Kristy. Ary fanampin’izany, fa tsy feno izany fikasam-pamonjena izany : tsy maintsy nanafy antsika amin’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Tsy maintsy nanafy ; fa ny drama amin’ny fiainantsika kristiana ry havana ô, dia ataontsika zava-maivana izany hoe fitafiana ny Fanahy Masina izany. Ataontsika zava-maivana izany e. Ary izany no hitenenan’ny Tompo amintsika hoe : « Ataovy sérieux amin’izay re ny Fanahy Masina e, manomboka amin’izao 2020 izao e ».

Ry havana, ny olona manana impact ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia ny olona mitafy ny herin’Andriamanitra. Ary ireo ihany no manana impact. Ary efa notsiahivina teo fa nitoriteny Petera tamin’ny andron’ny Pentekosta ; dia satria teo ambany fitarihin’ny Fanahy Masina sy ny fahafenoan’ny Fanahy Masina izy, dia voatsindrona tam-pony ny olona izay nihaino toriteny teo ry havana ô. Ary ny toriteny ry havana dia mizara 2 : ny toriteny sy ny toriteny omen’ny Fanahy Masina, izay ilay faharoa ; ka manindrona ny fon’ny olona hitaona azy amin’ny fibebahana ahazoany famelan-keloka ry havana ô.

Ry havana, mitodika aminao ny Tompo amin’izao andro anio izao : raha te hanana impact ianao e, raha te hanana impact ianao, dia manetre tena, ekeo ilay tsy maintsin’ny Soratra Masina, ilay tsy maintsin’ny Tompo hoe : tsy maintsy tafiana ny hery avy any amin’ny avo ianao. Tsy ao anatinao io hery io ; avy any amin’ny avo, avy any amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa zanany ry havana ô. Ka inona no tokony ataontsika ? Inona no tokony ataonao ? Hoy Jesoa aminao hoe : mangataha, mangataha. Ny Lioka 11 :13 dia milaza hoe : « Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka ve ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy ? ». Tsy mandainga izany teny izany. Raha mangataka ianao dia omen’ny Rainao any an-danitra izany Fanahy Masina izany ; raha mangataka ianao, hoy Jesoa e. Ary tsy misy lalana hafa ry havana ô ahazoana ny Fanahy Masina, ahazoana hery, raha tsy hoe miandry aloa dia mangataka. Ary tsy misy lalana manivaka, tsy misy raccourci ahazoana izany herin’ny Fanahy Masina izany, raha tsy hoe mipetraka aloa ianao dia mangataka. Mipetraha aloa ianao ry havana ô. Ary izao ange e : noho ity hoe confinement sy fihibohana ity, toy ny teren’ny Tompo hipetraka ange ianao e. Nanomboka tamin’ny Alatsinainy teo, Alatsinain’ny Paska teo, misy 50 andro ry havana ô, hipetrahanao, hitoeranao ato an-tanàna, hangatahinao an’izany Fanahy Masina izany, handinihinao izany hoe tsy maintsy tafiana ny hery avy any an-danitra ianao. Tsy mandainga io Soratra Masina io ry havana ô. Fa araraoty izao confinement izao ; tena avy amin’ny Tompo izao confinement izao ; 50 andro hihibohanao ao an-trano, raha izay no voam-bolana ampiasaina, hitokananao amin’ny Tompo, hisaoranao Azy noho ny teniny, hangatahinao ny Fanahy Masina hoe hanokatra ny sainao hahalalanao ny teniny, hifonanao ny amin’izay tsy nandraisanao sérieux ny Fanahy Masina hatramin’izay, hideranao Azy noho ny zavatra nataon’i Jesoa, ary efa prévu hatry ny fahagola fa tsy maintsy hijaly Izy ary tsy maintsy hitsangana amin’ny maty Izy. Mandritra ny 50 andro, hangatao Izy ry havana ô ; ary manome toky anao Aho fa rehefa ela ny ela, dia ho tafiana ny Fanahy Masina ianao : afaka 50 andro, amin’ny andron’ny Pentekosta maximum. Fa izao : rehefa mandre ianao hoe « araraoty izao confinement izao fa opportunité historique ao amin’ny fiainanao, tsy manam-paharoa », dia ny devoly efa manakivy anao, manatsatso anao : lava loatra e, izany 50 andro izany e. Ary io hamafin’ny fonao izay noresahina tahaka ny an’ny mpianatra tamin’ny andron’ny Paska, tamin’ny heriny androany io, dia idiran’ny devoly, ka anaty confinement ianao, tsy mitombo amin’ny famakiana Soratra Masina, tsy mitombo amin’ny fandinihan-tena hoe hanao sérieux tokoa ny Fanahy Masina ; fa ny andro-tokon’ny andronao, laninao amin’ny télé, sy io tamban-jotra tena hamakiana hoe, izaho tsy miteny akory hoe hamakiana fatin-javatra ; fa mety hamakiana zavatra kitoatoa e, resaka tsy hihinanan-kanina. Izany ve no hameno ny confinement anao ry havana ô ? Raiso au sérieux ry havana ô, ny Fanahy Masina. Raiso au sérieux ny Fanahy Masina. Ary dia hoe : avy any amin’ny avo io. Andriamanitra sy Jesoa no miara-maniraka an’io Fanahy Masina io, mba tsy hahatsiaro ho kamboty isika, mba hahtsiaro ny fanatrahantsika hoe momoba antsika mandrakariva Izy, mba hanana impact isika ao amin’ny fiainantsika, hanana impact ianao raim-pianakaviana ao amin’ny ankohonanao ; ary tsy hidaroka vady sy zanaka intsony ianao rehefa tsy manoa anao izy. Tsy manana impact anie ianao dia midaroka e. Hanana impact ianao amin’ny asa fanompoanao, ao amin’ny Fiangonana ao, sy ao amin’ny sampana ao, satria ho mpitory fibebahana sy mpanambara vaovao mahafalin’ny famelan-keloka ianao, ataon’Andriamanitra fanaka voafidy hitory, hahatonga fifohazam-panahy. Hanana impact ianao mpitondra fanjakana manomboka any amin’ny filoham-pirenena ka hatrany amin’ny sefom-pokontany any, hanana impact eto amin’ity firenena ity, hitaona ny malagasy ho any an-danitra e. Izany ange ny mission-nareo mpitondra ireo e. Ary hanana fahasahiana ianareo satria raisinareo au sérieux amin’izay ny Fanahy Masina, hanana fahasahiana ianareo hitenenana hoe : « an an an, aoka izay ny fampitoviana ny Christianisme amin’ny bouddhisme, amin’ny slamo. Fa ity tany ity dia efa natolotr’i Ranavalona an’i Kristy, Ranavalona 2, tamin’ny 1869 » ry havana ô. Izany , izany, izany io Fanahy Masina raisina au sérieux io. Ary rehefa mijery ny ho avintsika isika, ny ho aviko manokana, ny ho avin’ny ankohonako, ny ho avin’ity firenena ity : mijery ny afitsoky ny ho avy : betsaka ny baraingo mamelona fanahiana ry havana ô, ary mamboly tahotra ao amintsika. Fa raha feno ny Fanahy Masina ianao, raha mitafy ny Fanahy Masina ianao, dia izao ny zavatra ao an-tsainao : tsy fantatrao izay ho afitsoky ny ho avy ; par contre ry havana ô, Ilay nitsangana tamin’ny maty nandresy ny fasana sy ny fahafatesana miazona an’izany ho avinao izany eo am-pelatanany.

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra ary ho aminao ny fahasoavany. Amena.

ALAHADY 12 APR 2020

« Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesoa, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy…Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesoa, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsy finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy ». Marka 16 :9 ;14

Ity filazantsaran’i Marka, izay perikopa ity ry havana no hakantsika hafatra. Henonareo angamba fa manomboka eo amin’ny and.9 ka hatramin’ny faha 20 farany amin’ity filazantsara an’i Marka ity, dia maro ny mpandinika no miteny hoe tany am-boalohany, teo amin’ny and.8 no nifarana ny filazantsaran’i Marka. Dia miady hevitra eo ry zareo manam-pahaizana, ry zareo mpandalina Soratra Masina : «  izao, izao, izao ». Ho antsika ry havana ô, izay mino ny asan’ny Fanahy Masina dia miteny isika hoe : « possible teo amin’ny and.8 no nifarana ity filazantsaran’i Marka ity, fa ny Fanahy Masina taty aoriana no niteny sy nampitenenana hoe ampio kely ireo and.9 hatramin’ny faha 20 ireo ».

Ny fahamarinana 1 ry havana, dia mikasika an’i Maria Magdalena. MARIA MAGDALENA eto, amin’izao andron’ny Paska izao ry havana, dia apetraka eo ambany masontsika ho MODELIN’NY FITIAVANA VOALOHANY. MARIA MAGDALENA : MODELIN’NY FITIAVANA VOALOHANY.

Marihina kely ry havana : eo Maria Magdalena, eo ilay vehivavy nanosotra menaka manitra ny tongotr’i Jesoa ; hafa iny. Indraindray mantsy ampitoviana ireo. Fa eto izany, Maria Magdalena apetraky ny Tompo amintsika Fiangonana, ho modely, ho modelin’ny fitiavana voalohany ry havana ô.

Ahoana no anambaran’i Marka azy ? Lazain’i Marka hoe « Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito ». In-3 Marka no miresaka an’i Maria Magdalena ; fa eto izy no milaza hoe : « Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito ». Izany izany no tiany ahafantarana an’ity Magdalena ity ry havana. Raha ny fiaviana, na ny firazanana, dia hoe, izany tanànà kely, niavian’i Maria, izany hoe Magdala izany, dia tanànà kely any atsimo andrefan’ny farihin’i Genesareta, ary an-tsisitsisiny ary, efa manakaiky ny tany jentilisa. Izany hoe : raha ara-pirazanana izany, olona ambany ity Maria Magdalena ity. Fa dia hoe, eto izy, dia ambara hoe : namoahan’i Jesoa demonia fito. Izany koa no hevitry ny Paska ry havana ô. Ny Apostoly Jaona dia nampianatra hoe izao reehtra izao, izao tontolo izao misy antsika izao, dia eo ambany fahefan’ny devoly avokoa. Ary tonga ny zanak’Andriamanitra, niseho ny zanak’Andriamanitra handrava izany asan’ny devoly izany. Tanteraka teo amin’ny hazo fijaliana tamin’ny herinandro masina, tamin’ny Zoma masina, sy tamin’ny Alahady marainan’ny Paska izany. Izay ny réalité ampatsiahivin’i Marka ry havana ô. Ary Marka, raha tsaroantsika ry havana, dia tena hoe manisy tsindrim-peo mihitsy amin’izany hoe fisian’ny demonia izany. Matio, raha manoratra ny filazantsara, ny fahagagana voalohany tantarain’i Matio, dia fanasitranana olona boka. Ilay boka dia sarin’ny aretim-pahotana. Fa Marka, ny tantara voaloahany ao amin’ny Marka 1, ao amin’ny synagoga no mitranga ilay fahagagana, dia hoe fandroahana fanahy ratsy amina lehilahy anankiray. Any amin’ny fiandohana, Marka 1, ato amin’ny famaranana, Marka 16, miresaka demonia ry havana i Marka, ilazana izany fa ny bokin’i Marka, ny filazantsaran’i Marka dia mampitandrina antsika hoe : « e, tandremo fa eo amin’ny tontolo misy anareo dia hoe eo ny demonia, fa matokia, mahereza, mifalia fa ny zanak’Andriamanitra dia efa niseho handresy ny devoly ». Ary eo amin’ny hazo fijaliana ry havana, dia tanteraka ilay faminaniana nataon’i Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 3 :15 hoe : torotoron’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana ny lohan’ilay menarana. Fa any amin’ny Apokalypsy 20 any moa, izay vao hoe atsipy any amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara ny devoly ry havana ô. Izay izany aloa ny zava-dehibe tian’i Marka ho tsindriana amin’izao Alahadin’ny Paska izao, hoe : resy ny devoly. Ary dia izao ry havana, izao : lazaina izy hoe namoahan’i Jesoa demonia fito. Tena fanafahana miezinezina izany ry havana ô. Ho antsika izay mahafantatra izany hoe afitsoka sy fampahorian’ny demonia izany, na hoe demony iray fotsiny ary no mampahory olona, efa raharaha be ry havana, raharaha be izany. Fa eto, lazaina hoe demonia fito. Tena hoe fanaperana fampahoriana sy fampijaliana. Izany no nahazo an’ity Maria Magdalena ity. Ary izany ny fanafahana miezinezina notanterahin’i Jesoa ry havana ô : namoaka demonia fito avy ao amin’i Maria Magdalena Izy.

Ary dia izao, izao : Maria namoahan’i Jesoa demonia fito, dia nanokana tanteraka ny fiainany ho an’i Jesoa ry havana ô. Nanokana tanteraka. Ary inona no nanery an’i Maria hanokana tanteraka ny fiainany ho an’i Jesoa ? Izay fanafahana izay. Ny fahatsiarovana an’izany hoe ati-lavaka fandringanana izay nisintonan’i Jesoa azy ; ny fahatsiarovana an’izany no niteraka an’ilay fitiavana voalohany tao amin’i Maria Magdalena ry havana ô, nahatonga azy hoe hanolo tena ho an’i Jesoa. Ary dia nahafinaritra ny tenin’ilay mpitoriteny anankiray izay, hoe : nanjary « disciple permanente », tena hoe mpianatra matihanina ; fa tsy ohatr’ahy, ohatr’anao, mpianatra an-tselika an’i Jesoa izy. Tena hoe nigioka ny tenin’i Jesoa, niandrandra an’izany, tena nigioka an’izany teny izany e. Nanaraka ny dian’i Jesoa rehetra tety an-tany, nizara ny fahoriana niaretan’i Jesoa izy, nanohana Azy tamin’ny volany sy ny fananany, natolony hanohanana ny asan’i Jesoa izany. Ary izay, izay ilay fitiavana voalohany asehon’i Maria Magdalena. Ary modely ho antsika izany ry havana. Ary noho izany fitiavana izany, noho izany fitiavan’i Maria, Maria Magdalena an’i Jesoa izany ry havana, izany no nahatonga azy :

  • Raha hoe hohomboana teo amin’ny hazo fijaliana Izy, tsy lavitry ny hazo fijaliana izy.
  • Nony maty Jesoa, ka nampidinina ny tenan’i Jesoa, nampidinina ny vatan’i Jesoa, mbola teo izy.
  • Rehefa nalevina Jesoa, mbola nanaraka teny am-pasana izy nijery izay nametrahana Azy.
  • Ary ny amin’ny marainan’ny Paska, ohatran’ny androany, izy no voalohany tonga teny am-pasana ry havana ô. Izy no voalohany. Tsy niraharaha an’izay tahotra ; mbola atmosphère-ny fanenjehana ange tamin’izany ; fa izy no voalohany tonga teny am-pasana. Nisy vehivavy hafa koa, nisy mpianatra hafa koa. Fa tonga teny am-pasana, izy mbola nijanona teo rehefa nandeha nody ireo vehivavy sy ireo mpianatra hafa ireo.

Ary izy nijanojanona teo ry havana, noho izany fitiavana voalohany izany, teo izy no nisehoan’i Jesoa.

Tsy niseho tamin’i Maria virjiny i Jesoa ry havana ô, tsy niseho tamin’izy telo lahy faran’izay akaiky Azy Izy tamin’ny fahavelomany, tsy niseho tamin’i Jakoba sy Petera ary i Jaona izy aloa, tsy niseho Izy tamin’ireo vehivavy mpanaraka Azy sy mpanampy azy : Jeanne, Marie renin’i Jakoba sy Josesy sy Salomé, Suzanne, renin’ny zanak’i Zebedio. Olona akaiky Azy daholo izany ; tsy nisehoany voalohany izany ry havana ô. Fa Maria Magdalena irery, satria Maria Magdalena no fantany fa tia Azy amin’ny fitiavana voalohany ry havana ô. Ary dia noho izany fitiavana voalohany izany, tsy nobaikona, tsy nodidina, tsy nirahina, tsy nana-tahotra i Maria, nandeha nilaza tamin’ny mpianatra fa hoe nitsangana Jesoa, nilaza tamin’ny mpianatra ny vaovao lehibe indrindra tety ambonin’ny tany hatramin’izay naha-tany ny tany, dia nitsangana tamin’ny maty i Jesoa ry havana ô.

Ry havana, ry havana, manao ahoana ny finoanao sy ny fitiavanao an’i Jesoa ? Nomen’i Jesoa voninahitra ny finoan’i Maria satria Maria nanome voninahitra Azy. Ary raha ianao no mandinin-tena eo anatrehan’i Jesoa : mba omen’ny Tompo voninahitra ve ianao e ? Izany no fampieritreretana amin’izao Paska izao : omen’ny Tompo voninahitra ve ianao, rehefa mandinika ny fiainanao ianao ? Finoana sy fitiavana an’i Jesoa vokatr’izay mba hoe ati-lavaka fandringanana nisintonan’i Jesoa anao ve izany finoanao sy izany fitiavanao izany ? Fa raha tsy izany manko ry havana ô, dia karazana finoana intellectuel, finoana ao an-tsaina, fa tsy finoana iainanao ao amin’ny fonao izany e. Eo isika, eo ianao ry havana ô, mihaino ny hafatry ny Mesia isika, dia manontany Izy hoe : sao dia hoe mbola eo ambany fahefan’ilay ratsy ianao ? Fa eo indrindra koa isika rehetra, isika rehetra dia samy voafatotry ny fahotana ry havana ô, isika rehetra dia samy voafatotry ny fahazaran-dratsy, ary te hanafaka anao amin’ny fatoranao ny Mesia. Izany no nanehoany hery teo amin’ny hazo fijaliana raha niomana handresy ny fasana sy ny fahafatesana Izy. Ilay fahagagana nataony teo amin’ny fiainan’i Maria Magdalena ry havana ô, dia hoe fahagagana tiany atao ao amin’ny fiainanao amin’izao marainan’ny Paska izao. Maria Magdalena ry havana, io vehivavy io, dia hoe « miracle de la grâce », fahagagam-pahasoavana. Ary tian’i Jesosy ho fahagagam-pahasoavana koa ianao manomboka anio ry havana ô, dia ilay fahagagana mamindra anao avy ao amin’ny fanjakan’i satana ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Mino an’izany ve ianao ry havana ô ? Mino an’izany ve ianao ?

Ny fahamarinana 2 ry havana, dia mikasika ny mpianatra. MAMPITANDRINA ANTSIKA NY TOMPO NY AMIN’NY TSY FINOAN’NY MPIANATRA.

Hoy ilay teny eo amin’ny and.14 hoe : Jesoa nanome tsiny azy noho ny tsy finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy. Eny e, mety manana circonstance atténuante kely ilay mpianatra, satria Marka ihany no manoratra hoe : ireo mbola nisaona, ireo mbola nitomany. Normal izay zavatra izay. Fa maninona ry havana, nisaona izy, nitomany izy ? Satria lasa ilay zoky mpitarika e, dia hanao ahoana ny asa, hanao ahoana ny fiainana tsotra izao ? Fa izao ry havana : manome tsiny an’ireto mpianatra ireto Jesoa satria Maria Magdalena efa nilaza tamin’izy ireo fa hoe nitsangana tamin’ny maty i Jesoa ; taorian’izay, nisy lehilahy anankiroa hoe handeha hankany an-tsaha nisehoan’i Jesoa, dia mbola niteny tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy sy ireo rehetra, vehivavy sy ny hafa niaraka taminy teo, hoe : nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Fa tsy nety nino ireto mpianatra ireto, tsy nety nino. Nefa ange e, raha ny ato amin’ny filazantsaran’i Marka dia mazava be ny tenin’i Jesoa, efa nampilaza Izy tamin’ny fotoan’androny, fa hoe ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly, ho lavin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ho vonoina, ary rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray. Mazava be izany teny izany. Fa dia mbola hoe tsy nino e, ireto mpianatra ireto. Ary rehefa mijery an’ilay circonstance nahafatesan’i Jesoa koa ry havana, nahita ilay phénomène naturel izy hoe : maizina ny lanitra, nanomboka tamin’ny roa ambin’ny folo, nahita ny vatolampy tresaka izy, nahita ilay fasana nisokatra izy, dia hoe hafahafa mampitahotra daholo izany zavatra izany, very hevitra izy ; ary raha ny teny am-pasana no jerena, ny mpanapaka romana dia nanendry miaramila anankiray hiambina ny fasana, hiambina ny fatin’i Jesoa, sao dia hoe hisy hangalatra io nony alina, dia hiteny hoe : io fa hitanareo, nitsangana tamin’ny maty, fa foana ny fasana. Fa izao ry havana ô, izao, izao : tena tenenin’i Jesoa mafy ireto mpianatra ireto. Satria raha ny ao amin’ny testamenta taloha no jerena, mila vavolombelona anankiroa hanamarinana teny, hanamarinana situation. Eto : vavolombelona anankitelo. Ary dia hoe tsy nino an’i Jesoa ireto mpianatra ireto ry havana ô. Izay ny amin’ireto mpianatra ireto, ny amin’ny hoe tsy finoana, ny amin’ny hoe hamafin’ny fony.

Ary rehefa mihaino an’izany toriteny izany isika ry havana, afaka mandinin-tena hoe : « ary izaho ity moa ahoana e ? Izaho ity moa ahoana ny hamafin’ny foko e ? Ny finoako e, ny tsy finoako e ? Sao ianao ry havana mieritreritra fa tsara fo, tsara fanahy noho ireto mpianatra ireto ? Izao manko ny lesona rehefa dinihina tsara ny zavatra voalaza teo ry havana. Ny lesona eto dia izao : ny fasana foana dia tsy ala-olana amin’ny tsy finoana sy ny fo mafy. Ny fasana foana dia tsy ala-olana amin’ny tsy finoana sy ny fo mafy. Inona izany ry havana no mahatonga ny finoana an’i Jesoa nitsangana tamin’ny maty ? Inona no mahatonga an’ilay finoana izany e ? Hitantsika eto ilay izy : Jesoa niseho tamin’ireo mpianatra ireo. Tsy ilay vavolombelona akory, no nahatonga azy hino ; fa Jesoa niseho tamin’ireo mpianatra ireo. Ary fantany tsara ny momba an’ireto mpianatra ireto. Fa rehefa manome tsiny azy Izy ry havana ô, tsy midika hoe fandavana azy izany, fa au contraire, hoe : fampiorenana azy ireoho amin’ny tena finoana tsy hihozongozona. Izany no nisehoan’i Jesoa tamin’ireo mpianatra ireo ry havana ô. Ary izay marina amin’ireto mpianatra ireto, Marka 16 ireto ry havana, dia marina tanteraka koa tamin’ny tantaran’i Paoly Apostoly, tamin’i Saoly. Saoly ange niainga tany Jerosalema e, any an-dalana ho any Damaskosy, nitondra taratasy nanome azy alalana hi-arrêté, hisambotra, hamono kristiana e ; eny an-dalana izy no nisehoan’i Jesoa ry havana ô. Izy miainga any Jerosalema ho any Damaskosy, efa nandre an’izany hoe fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty izany, fa tsy niteny taminy izany, tsy niteraka finoana taminy izany. Fa inona ny zavatra nitranga ? Inona ny zavatra nitranga ? Nisehoan’i Jesoa i Paoly (Saoly) teny an-dalana ho any Damaskosy. Izay no nampiova fo an’i Saoly.

Aoka tsy ho diso hevitra isika, ka hanao hoe : « fantatro anie fa nitsangana tamin’ny maty Jesoa e, ary vao perikopa tamin’ny Alahady ny hoe : 1 Korintiana 15, manambara mazava fa Jesoa nitsangana tamin’ny maty dia niseho tamin’i Kefasy an, niseho tamin’izy roa ambin’ny folo lahy, niseho tamin’ny rahalahy tsy omby diman-jato, niseho tamin’i Jakoba, niseho tamin’ny Apostoly rehetra, niseho tamin’i Paoly ihany koa ; haiko tsianjery izany ». Non, non, non. Raha tsy afaka manohy ianao hoe : « niseho tamiko koe Jesoa », dia mbola ao anatin’ny tsy finoana sy ny hamafisan’ny fo ianao ry havana ô, raha tsy afaka manohy ny liste-ny vavolombelona nisehoan’i Jesoa ry havana ô.

Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty, dia velona mandrakizay. Ary efa nanome toky antsika fa homba antsika mandrakizay, homba antsika mandrakariva. Ary izao : amin’izao maraina izao Izy, mamangy anao, tahaka ny namagiany sy nisehoany tamin’ny mpianany fahiny.

Ry havana ô, angataho Izy hiseho aminao, ary tsy hiseho fotsiny, fa angataho Izy hiditra ao amin’ny fiainanao, ary angataho Izy handray an-tanana ny fiainanao. Ary faly Izy, raha omenao permission amin’izany. Fa tsy handray an-tanana tsy misy permission Izy ry havana ô. Ary rehefa omenao permission tahak’izany Izy ry havana, inona no ataony ? Inona ny avy hatrany dia ataony ? Hitany io fo vatonao io. Hitany io fo vatonao io. Dia tonga dia esoriny io fo vatonao io, izao dia izao raha mety ianao, ary soloiny fo nofo ry havana ô, soloiny fo vaovao izany. Possible izany izao dia izao. Fa omeo persmission Izy. Ary angataho Izy hoe : « omeo fo nofo aho ho solon’ny fo vato ». Mino izany ve ianao ry havana ô ? Mino izany ve ianao ? Alaivo sary an-tsaina ange e, alaivo sary an-tsaina : tamin’ny fotoana nanombohana an’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana, vao tapitra ny ainy, dia nihorohoro ny tany ; vao tapitra ny ainy, dia nitresaka ny vatolampy. Dia hoy ny mpitoriteny anankiray izay : « ny vatolampy aza nalahelo dia toy ny nitresaka ny fon’ny vatolampy ». Fa ianao ry havana ô, mandre isan’Alahady hoe : « maty Jesoa » ; tsy miontsona. Tsy miontsona ianao e. Mangatsiaka ny fonao, indifférent ianao e. Izany, izany ny maro amintsika ry havana ô. Ry havana, te hanaisotra ny fo vatonao Jesoa amin’izao fotoana izao. Fa angataho Izy, ary tano amin’ny teniny Izy hoe Ianao ny efa niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany Ezekiela, hoe : « Esoriko aminareo ilay fo vato, ka omeko fo nofo ianareo ». Tano amin’ny teniny Izy ry havana ô.

Fa ho antsika mpino ry havana, dia izao koa no mbola hafatra ho antsika : mazava ny teny notoriana teo, henonao ny teny teo. Fa izao : henon’i satana koa ilay teny teo ry havana. Fa maninona no miresaka an’i satana ? Satria araka ny nolazaina tany am-boalohany, misy resaka demonia mazava ato amin’ny perikopantsika. Misy resaka demonia mazava ao. Tena réalité hoy Marka izany hoe asan-demony izany. Inona no tiana hiaviana ry havana ? Inona no tiana hiaviana ? Rehefa hoe mamaky isika hoe : « Jesoa nanome tsiny ny mpianatra noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony » : raha ny marina ry havana, io tsy finoana io, mahazo antsika, na ny hamafin’ny fo io, dia satria satana no mamboly ao am-pontsika izany tsy finoana izany. Satana no mamboly ao am-pontsika izany tsy finoana izany. Eo ianao mihaino toriteny mazava be, fa tsy mino ianao e. Satana koa ry havana dia tsy mino ; izy izay nampiditra tsy finoana tao am-pon’i Adama sy Eva no mbola te hampiditra tsy finoana ao am-ponao amin’izao maraina izao, isaky ny te hihaona amin’Andriamanitra ianao. Misy fitenin’ny mpitoriteny ry havana, manao hoe : « Ny tsy finoana no zanaka vavimatoa an’i satana ary ny tsy finoana no renin’ny fahotana rehetra » ; « L’incrédulité est la fille ainée de satan ; et l’incrédulité est la mère de tous les péchés ».

Ry havana ô, asan-devoly io tsy finoana mahazo anao io. Dia jereo tokoa ange e : novolen’ny devoly, satana, menarana ela ; iray ihany izany hoy ny Apokalypsy 12 :9 ; novolen’ny devoly tao am-pon’i Eva ny tsy finoana dia niteraka curiosité, niteraka convoitise, fitririritana, niteraka ota ry havana ô. Misy izao olona ry havana, tonga eto amin’izao fandaharana izao, satria maninona ? Satria Paska kosa ny andro e ! Tsy maintsy miangona e ! Fa tonga eto izy, tonga eto amin’izao fandaharana izao izy, dia mihaodihaody eo aminy i satana ry havana. Dia sakanan’i satana amin’ny alalan’ny fanahy maloto ireo olona ireo tsy hahafantatra ny fahamarinana sy ny herin’Andriamanitra. Izany ry havana i satana e. Ary izany ry havana no ataon’i satana isan’Alahady, isaky ny mivory isika zanak’Andrimaanitra. Tonga ao amin’ny Fiangonanao ianao, mahita ny hazo fijaliana : mangatsiaka ny fonao. Rehefa mihira ny hira Ffpm 107 ihany ianao hoe : kotsan-dranomasom-pitiavana ; fa eo imolotra izany. Fa tonga ao am-piangonana ianao, mijery an’io hazo fijaliana io : mangatsiaka ny fonao. Mihaino ny tenin’Andriamanitra ianao, tsy miontsina ianao, tsy mino ny promesse ambaran’ny Soratra Masina ianao, ary tsy mino ihany koa ianao izay teny fampitandremana ambaran’ny Soratra Masina. Izany izaho, izany ianao ry havana ô. Tsy mino ianao hoe : tandremo fa io Jesoa izay natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty io ange ry havana dia mandidy antsika hibebaka e. Fa ho avy ny andro izay efa nanendren’Andriamanitra an’io Jesoa io, hoe : hitsara antsika. Tsy mino an’izany ianao ry havana ô, noho ny asan’i satana sy ny asan’ny demony. Isan’Alahady, ao am-piangonana, ao aminao, ohatrany glace ny fonao ry havana ô. Satria ao anatin’ny fonao ao, ohatrany misy lafika, misy fond izay manana endrika tsy finoana. Ary tonga ao am-piangonana ao ianao, fa rehefa mivoaka ao ianao, dia noana ny fanahinao, noana tahaka an’izay nidiranao teo no ivoahanao avy ao amin’ny Fiangonanao isan’Alahady.

Ry havana, inoana fa nampietry ny mpianatra ilay tsiny azony tamin’i Jesoa ry havana. Fa hoe : tokony mba hampietry anao koa izany teny izany amin’izao maraina izao. Manetre tena koa ianao e ! Ary ekeo hoe : io tsy finoana ato amiko io ; tsy maninona raha izay fotsiny ary no tadidinao amin’izao toriteny izao ; io tsy finoana ato amiko io dia asan-demony, asan’ny fanahy maloto irak’i satana. Ekeo izany, dia angataho ny Fanahy  Masina handroaka an’izany. Fa Jesoa efa niteny hoe : Ny Fanahin’Andriamanitra no androahiny demonia (Matio 12 :28). Ny Fanahin’Andriamanitra no androahiny demonia. Ry havana, hanaisotra ny fo vatonao Jesoa raha mangataka Aminy an’izany ianao ; ary ny Fanahy Masina handroaka ny fanahin’ny tsy finoana izay novolen’i Satana ao aminao. Izany ny fahamarinana vao hitantsika teo. Ny fanontaniana dia hoe : mino an’izany ve ianao ? Mino an’izany ve ianao ?                

Ny Fahamarinana 3 farany ry havana eto am-pamaranana dia izao : manontany tena ianao izao hoe : inona ary no mbola tokony ataoko ho fanampin’izany ? Inona ary no mbola tokony ataoko ho fanampin’izany ? Ny valiny : MITOMBOA AMIN’NY FIAINAM-BAVAKA.

Raha tianao hitombo ny finoanao, tsy maintsy finoana miankina sy miorina ary velomin’ny fiainam-bavaka izany. Inona ny dikan’izany hoe : « mitomboa amin’ny fiainam-bavaka »? ATAOVY FIAINAM-BAVAKA NY FIAINANAO. ATAOVY VIE DE PRIERE NY FIAINANAO. Ny fiainanao ange izao, dia izao e : fiainana mpivarotra angamba ny fiainanao, fiainana tanora ny fiainanao, fiainana dokotera ny fiainanao, fiainana injeniera ny fiainanao etc…ATAOVY FIAINAM-BAVAKA E, ATAOVY VIE DE PRIERE NY FIAINANAO RY HAVANA O.

Ahatratrarana an’izany :

  • Atomboy amin’ny vavak’ilay raim-pianakaviana izay nanan-janaka lahy azon’ny fanahy maloto, dia nihinjitsinjitra, valaka dia valaka, nandoa vory ; ny vavak’io raim-pianakaviana io dia hoe : « mino aho, vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako ». Izany anombohana an’izany vie de prière izany ry havana ô.                                                                
  • Manarak’izay, mivavaha ianao mba hampahitan’Andriamanitra ny heriny. Dia ho hitanao fa ampanaovin’Andriamanitra exercice pratique ianao, izaranao amin’izany finoana izany, izaranao amin’izany vavaka izany. Ho sedraina ianao, ary amin’izay fotoana izay ry havana, tsarovy ny fitenin’ny mpitoriteny manao hoe : « l’extrémité de l’homme est une opportunité pour Dieu ». Izany hoe : rehefa tapi-dalan-kaleha ny olona, rehefa any an’efitra ny olona, reehfa any anaty tafio-drivotra ny olona, rehefa any aanty rano misamboaravoara ny olona : opportunité, tolotra ho an’Andriamanitra izany ry havana anehoan’Andriamanitra manokana aminao ny heriny sy ny fitiavany anao. Mangataha amin’Andriamanitra, mivavaha mba hampahitan’Andriamanitra ny heriny ianao.
  • Farany, ataovy ho fivavaky ny mpianatra, ataovy ho fivavaky ny disciple ny fivavakao e. Ataovy ho fivavaky ny mpianatra. Teo an-tokotanin’ny fasana teo izany, efa nijoro teo Jesoa fa tsy fantatr’i Maria. Fa noheveriny fa ilay jardinier teo an-tokotanim-pasana Izy. Dia nahita an’i Maria Jesoa ry havana, dia niteny Jesoa hoe : « Ry Maria ». Nahare ny feony i Maria, dia tia Azy amin’ny fitiavana voalohany ; nahare ny feony i Maria, niantso azy tamin’ny anarany, dia avy hatrany dia fantany hoe izay ilay Tompony, nanolorany ny manontolony. Mamaly izy hoe : « Rabony », « Mpampianatra ô ». Inona no nataon’i Maria teo an-tokotanim-pasana ry havana ô ? Nangataka izy ny mbola ampianarina tahaka ny mpianatra, tahaka ny disciple. Nangataka izy ny mba hampianarina ny lalan’ny fiainana, nangataka izy ny mba hampianarina ny lalan’ny fahamarinana, nangataka izy ny mba hampianarina ny lalana mankany amin’ny Ray any an-danitra, ary mba ho hazoniny, tsy hivilivily ho amin’izany. Rehefa izany ny fiainantsika ry havana ô, rehefa ataontsika vie de prière, fivavaky ny mpianatra ; tena hivavaka isika ka tsy hitsahatra (1 Tesaloniana 5 :17). Rehefa ny lanitra, ary ny lanitra irery manko no atao ho tanjona eo amin’ny fiainanao, dia efa fiainan-danitra sahady ry havana ô no santarinao ety an-tany. Inona no mitranga ao an-danitra ao ? Ao an-danitra ao ange Jesoa e, inona no ataony andro aman’alina ? Mivavaka Izy, ary tsy mitsahatra ny mifona ho antsika Izy. Dia mba mivavaka toy izany koa ianao, rehefa mahatsiaro an’i Jesoa. Ary rehefa hoe ny fankalazana an’Andriamanitra no hany manery anao amin’ny zavatra rehetra ataonao, raha ny fankalazan an’Andrimanitra no hany manery anao amin’ny zavatra ataonao, raha Jesoa irery marina no asandratrao, fa tsy hira fotsiny izany, na fihetsiketsehina fotsiny izany hoe fanandratana an’i Jesoa izany ry havana, ho henoiny vavaka ianao ; satria ny vavaka asandratrao dia vavaka handona ny fon’i Jesoa, ary haka fotoana Izy hamaliana vavaka anao ry havana ô. Ary ianao, ianao hahita tsirony amin’ny vavaka, ho tena hoe vie de prière ny fiainanao, ho tena olon’ny vavaka ianao, ary natioranao, fiainanao, respiration anao izany vavaka izany.

Ry havana ô, mihoatra noho izay tamin’ny lasa izay, atongilano ny sofinao, ataovy izay ahenoana an’i Jesoa miantso ny anaranao isan’andro isan’andro. Miantso ny anaranao Izy e ! Tsy miova Izy, miantso anao amin’ny anaranao Izy. Fa izao : raha maheno Azy ianao, raha mandre Azy ny sofinao, dia ohatrany tahaka ny tamin’i Maria Magdalena teny am-pasana : ny ranomasonao hody fifaliana, ary ny fanatrehany anao no tana-masoandron’ny fonao, hanazava ny fonao sy ny fiainanao.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra, ary ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.