Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ZOMA 25 DES 2020

"Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany". Matio 2:2

"Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra. Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora". Matio 2:10-11

IANAO VE MBA OLON-KENDRY E?

ALAHADY 13 DES 2020

Matio 11.  Teny fanta-daza, teny faran’izay mamy, teny volamena ry havana, omen’ny Tompo antsika amin’izao Alahady itondrana am-bavaka ny Sekoly Alahady, ny tanora izao. Andeha iarahantsika mamaky izany amin’ny anaran’i Jesoa, Matio 11 :28-30 : « Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako ».

Isika rehetra ry havana, dia manana olona akaikin’ny fontsika, na hoe tena akaikin’ny fontsika. Dia mba hahamora an’ilay fanazavana ary dia teneno kely ilay voisin-nao hoe « mba saino sy eritrereto kely hoe iza avy ny olona akaikin’ny fonao ». Andao ary : lazao ny voisin-nao hoe : « iza avy marina moa, misy firy moa ny olona hoe akaikin’ny fonao, tena akaikin’ny fonao ? ». Enga anie eto ka tsy misy mpivady niteny tamin’ny vadiny hoe : « ie, ny dadany, mamanay ». Isika rehetra manana olona akaikin’ny fontsika. Ilay hafatra ry havana ô, sady manao bilan an’ity taona 2020 izay ifarana ity isika ; ilay hafatra amin’izao Décembre 2020 izao, dia hoe : AKAIKIN’NY FONAO VE JESOA ?

Tsy manontany Izy hoe : « Pasitera ve ianao ? Mpiandry ve ianao ? Diakona ve ianao ? » : AKAIKIN’NY FONAO VE JESOA ? Ary mandondona eo am-baravaran’ny fonao Izy androany satria hoe te ho akaikin’ny fonao Izy. Izay ilay hafatra anio ry havana ô, izay ilay hafatra. Mino aho fa ianareo tanora mahazo an’izany, ianareo ao amin’ny Facebook mahazo an’izany hoe demande d’ami izany. Manao demande d’ami amintsika Jesoa anio ry havana. Izay, izay ilay izy. Akaikin’ny fonao ve Izy ?

Matoanteny anankitelo no omen’ny Tompo antsika handinihantsika tena, ahafantarantsika, ho an’ny tenantsika hoe : akaikin’ny fontsika ve Izy ? Voalohany dia hoy Izy hoe : MANKANESA. Faharoa dia hoe : ENTO. Fahatelo dia hoe : MIANARA. Fenointsika kely :

  • Mankanesa aty Amiko
  • Ento ny ziogako
  • Mianara Amiko

Azo faranana eo ilay toriteny. Faran’izay tsotra, faran’izay mazava. Andao ary jerentsika ireo ry havana.

Ilay matoanteny voalohany, ilay Fahamarinana 1 dia hoe : MANKANESA ATY AMIKO.

Ity Jesoa miteny hoe « mankanesa aty Amiko » ity ry havana, dia Jesoa, Andriamanitra, zanak’Andriamanitra, tena hoe akaikin’ny fon’Andriamanitra. Akaikin’ny fon’Andriamanitra Izy ary akaikin’ny fony koa Andriamanitra. Io no miteny aminao hoe : « mankanesa aty Amiko e, fa te ho akaikin’ny fonao Izao ». « Izaho anie efa nanatona, efa nidina avy any an-danitra e, fa ianao : mankanesa aty Amiko amin’izay e ; fa Izaho Jesoa te ho akaikin’ny fonao : mankanesa aty Amiko ianao amin’izao maraina izao ». « Fantatro anie ny momba anao e, fantatro tsara anie izany fon’ny zanak’olombelona izany e : fantatro tsara ». Izany fon’ny zanak’olombelona izany : mila zavatra ianteherana, mila olona ho tiavina, mila olona hifikirana. Izany io fonao io. Dia miteny aminao Jesoa hoe : « mankanesa e, mankanesa aty Amiko fa Izaho te ho akaikin’ny fonao ».

Dia ho aiza moa izany aho raha te hanatona an’i Jesoa ? Andeha hiova Fiangonana ve aho ? Andeha hiova firenena ve aho ? Non, non, non. Rehefa niteny Jesoa ry havana, hoe : « mankanesa aty Amiko », ny valiny dia hoe : fanatonana ara-panahy izany. Fanatonana ara-panahy izany. Ary raha te hanatona Azy ianao, na manjavozavo ao an-tsainao aza izany hoe fanatonana Azy izany, dia efa mialoha anao ilay teny fampanantenana hoe : « magatah dia omena, mitadiava dia hahita, dondony dia hovahana ». Tsy mandainga izany ry havana ô, tsy mandainga izany e. Fa rehefa tsy hahita Azy ianao, ary matoa ianao tsy mahita Azy : satria tsy mitady Azy, satria ianao tsy mitady Azy e. Ary marina aminao ilay teny nataony tamin’ny mpianany fahizay, hoe : « ianareo tsy mety manatona Ahy ahazoanareo fiainana ». Mangataha, mitadiava, dia hahita ianareo. Ary ny teny fampanantenana mamy mbola omeny antsika dia hoe : « ary izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy ».

Izay ilay fahamarinana 1 : MANKANESA ATY AMIKO IANAREO. Fanatonana ara-panahy izany.

Fa iza, iza no asain’i Jesoa manatona Azy ? Mazava be fa hoe isika Fiangonana no asainy manatona Azy. Fa rehefa jerena ilay teny, dia hoe misy sokajin’olona ry havana, sokajin’olona manokana iresahany eto, raha izay no ilazana azy : « Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana ». Diso ihany izany filaza hoe sokajin’olona manokana izany an, rehefa miteny isika hoe miasa fatratra sy mavesatra entana an. Satria raha mandinika ny fiainantsika olombelona ry havana ô : isika mianakavy ireo, raha mahira-tsaina : isika rehetra no hoe miasa fatratra sy mavesatra entana.

Ny entana voalohany : ny fahotana. Mamesatra anie io fahotana tsy ekena io e. Mamesatra anie e, mamesatra io fahotana tsy ibebahana hahazoana famelana io e. Izay io ao an-tsain’i Jesoa eo io ry havana. Ary isika rehetra, samy mpanota ry havana.

Fa tamin’ny andron’i Jesoa ry havana, dia mahita sokajin’olona manokana Izy, dia ireo mpivavaka jiosy : miasa fatratra sy mavesatra entana. Fa maninona no miasa fatratra sy mavesatra entana ? Ilay didy 10 izay nomen’i Jehovah an’i Mosesy ho tandreman’ny vahoakany, mariky ny fifanekeny : novain’ny Fariseo sy ny manora-dalàna ho 600 mahery. Tena mavesatra izany e ; tena mavesatra izany e. Itarina ohatran’izany ilay didy ; ary arakaraky ny iezahan’ny mpivavaka jiosy mitandrina an’izany, vao maika maha-reraka azy, tsy hananany fifaliana, tsy hananany fiadanana ; fa vao maika aza kivy amin’ny tenany izy hoe « tena tsy vita, tsy ho vita io e, tsy vita io e ». Mankanesa aty Amiko ianareo, hoy Jesoa, ianareo izay miasa fatratra ohatran’izany, mitandrina an’ireo didy ireo ary mavesatra entana. Mavesatra entana ny olona noho ny fahotany, mavesatra entana ny jiosy noho ilay didy tsy voahaja ka mamesatra. Mi-culpabiliser, manameloka azy ; fa indrindra indrindra koa : mijery ny andavanan’androm-piainan’ny olona Jesoa ry havana, tamin’izany fotoana izany, dia hitany ireo olona mavesatra entana ireo, tahaka ny hoe andavan’androm-piainantsika malagasy amin’izao Décembre 2020 izao, dia ahitana olona miasa fatratra sy mavesatra entana fadiranovana. Iza le karazana olona hitan’i Jesoa eto ka mahatonga Azy hiloa-bava hoe : « mankanesa aty Amiko ianareo miasa fatratra sy mavesatra entana » ?

- Hitany ireo hoe tambanivohitra mpamboly trotraky ny hain’andro. Mety tsy fantatsika izany ry havana ô.

- Ireo hoe mpamboly vary teny Galilia teny, izany vizaka mampiasa omby tontolo andro. Izany no hitan’i Jesoa eto.

- Ireo hoe mpanarato mikely aina mandritra ny alina manontolo, miasa fatratra mavesatra entana.

- Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay, hoe : « ireo mpivarotra tototry ny vovoka sy ny fako eny an-tsena ivarotany » : izany ny olona eo ambany mason’i Jesoa miasa fatratra, mavesatra entana.

- Miasa fatratra sy mavesatra entana ireo mpamory hetra matin’ny vavam-bahoaka. Tenenin’i Jesoa : « Mankanesa aty e, mankanesa aty, manaknesa hoy aho aty, fa Izaho hanome fitsaharana ».

Mavesatra ara-batana, mavesatra ara-panahy, mavesatra ara-tsaina. Ary dia hoe, ilay Jesoa manana fo onena ry havana, miteny hoe : « Mankanesa aty Amiko ianareo » ; fa Izy irery , Izy dia Izy irery - tsy ny dokotera, tsy ny psychiatre, tsy ny psychanalyste, tsy ny psychologue - no mahay manamaivana izany vesatra izany. Ary tsy ankanavaka, tsy misy fepetra ; fa isika mianakavy dia antsoiny : MANKANESA ATY AMIKO IANAREO REHETRA IZAY MIASA FATRATRA. Fa ilay teny fampanantenana dia hoe : IZAHO HANOME ANAREO FITSAHARANA.

Efa ampoizimpoizintsika izany hoe « fitsaharana » izany ; ny azo andikana azy dia hoe « famelombelomana ». Trotraka ianao, vizana ianao, lazon’ny hakiviana ianao, maina, makina ny fiainanao : mila fitsaharana ianao, mila famelombelomana avy amin’i Jesoa. Ary avy amin’i Jesoa irery, avy amin’i Jesoa irery ry havana ô. Ny foko, ny fontsika mianakavy : mitady an’izany fitsaharana izany. Fa ny problema ry havana dia izao : diso fitady izany fitsaharana izany isika dia maika fadiranovana : matimaty ny finoana, mihemotra amin’ny fanompoana sy ny karazany ; izay : vao maika fadiranovana.

Sao dia diso hevitra isika fa ny zava-tsoa eto an-tany eto, ny zavatra mahafinaritra eto an-tany eto, na dia ny tsara indrindra aza ry havana ô, dia tsy afaka manome afa-tsy sombim-piadanana. Ary raha hanome fifaliana, na fifaliana mavitrika ohatran’inona ary an : fifaliana tsy maharitra izany. Soa ilay fiadanana omena ; fa ny ampitson’ilay fiadanana, ny ampitson’ilay fifaliana, ny ampitson’ilay fahafinaretana, dia miverina amin’ilay fahamainana ny fiainanao e, miverina amin’ilay toetrany pôkaty ny fiainanao.

Fa izay ilay Fahamarinana 1, ilay tenin’i Jesoa amintsika mianakavy tsy ankanavaka amin’izao maraina izao, hoe : MANKANESA E, ATY AMIKO E, IANAREO REHETRA IZAY MIASA FATRATRA E, SY MAVESATRA ENTANA ; FA IZAHO HANOME ANAREO FITSAHARANA.

Izay ilay Fahamarinana 1, ilay matoanteny voalohany hoe : MANKANESA ATY AMIKO.

Ny Fahamarinana 2 dia izao ; toriteny izao ho an’ny olona te hoe hanao an’i Jesoa akaikin’ny fony ; izay ilay izy ry havana. Ny Fahamarinana 2  dia hoe : ENTO NY ZIOGAKO.

Fantatsika ny atao hoe « zioga » ry havana. Ilay « zioga », dia ilay hazo fanao eo am-bozon’ny omby rehefa hoe ampiasaina izy na asaina mitarika sarety izy. Dia ialy zioga apetraka eo am-bozon’ny omby iny ; izay no zava-dehibe ; dia hoe fanakambanana omby anankiroa. Fa maninona moa no akambana ny omby anankiroa ? hoe : mba hiray hina izy. Ary fa maninona no mila miray hina izy ? Mba hanamaivana ilay vesatry ny sarety izany. Izay. Izay izany ilay zioga.

Dia io « zioga » io izany lasa nanana heviny ara-panahy, nentina nilazana ilay didy maro izay notanisaintsika teo nataon’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ; tena hoe zioga napetraka teo amin’ny mpivavaka jiosy ireny ; hitan’ny mpino jiosy ; hitan’i Jesoa ihany koa hoe tsy mampionona akory ilay fieritreretana, tsy manome fitsaharana. Izay ilay izy. Ary izay no mahatonga an’i Jesoa hiteny hoe : miovà zioga e, ianareo jiosy. Matio moa, ny jiosy no tena resahiny ; fa ny jentilisa koa ilazany : « ento ny ziogako, miovà zioga. Fa Izaho ange Andrian’ny fiadanana e ; Izaho no afaka mamoaka, Izaho no afaka mamoha ilay fiadanana katsahin’ny fonao sy ny fanahinao fatratra. Fa tsy possible izany raha tsy miova zioga ianao ». Ary ny hijoroako vavolombelona aminareo, hoy Jesoa, efa notenenina tany am-piandohana hoe : Jesoa tena akaikin’ny fon’ny Rainy ary ny Rainy tena akaikin’ny fon’i Jesoa. Nahavitan’i Jesoa zava-mahagaga, ary mahagaga indrindra dia ny nanekeny niakatra teo amin’ny lakroa satria niray zioga, niray zioga tamin’ny Rainy Izy ry havana malala ô. Niray zioga tamin’ny Rainy Izy. Ary tsy hoe : niakatra teo fotsiny Izy ; fa amin’ny ankapobeany an, zakany tamin’ny fifaliana, zakany tamin’ny fahamiramiranana ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra e. Ary tahaka ny niombonan’i Jesoa zioga amin’ny Rainy, ka itenenana amintsika hoe : « ento ny ziogako » - henoy tsara ry havana- no iarahany mitondra an’izany, amin’izay manaiky hitondra an’izany zioga izany ry havana ô. Izay. Ary jamais ianao akaikin’ny fon’i Jesosy, ary jamais Jesosy akaikin’ny fonao raha tsy mankatoa ianao ka mitondra izany zioga izany.

Izy te ho namanao, manao demande d’ami io, dia hoe : « ento ny ziogako » fa ho mpinamana hafakely isika, hafa indrindra isika. Hafa indrindra ny finamanantsika, hafa indrindra ny fisakaizantsika : hiray zioga isika ary Izaho no hanampy anao hitondra an’izany.

MANKANESA ATY AMIKO. Faharoa : ENTO NY ZIOGAKO. Fahatelo : MIANARA AMIKO. Averina an : teny ho an’ny olona izay te hanao an’i Jesoa akaikin’ny fony izao an. Tsy ho an’ny hafa. Izay ilay izy ry havana.

Fahamarinana 3 : MIANARA AMIKO

Inona moa no tian’i Jesoa lazaina ry havana, rehefa hoe « Mianara Amiko » ? Miteny Izy hoe : « mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho ». Io, mila ianarantsika mianakavy e, io fahalemem-panahy io. Ny fahalemem-panahy voalohany ; avy eo : tsy miavona am-po. Ny olona malemy fanahy ihany no tsy miavona am-po. Ary tena mahavariana mihitsy ity tenin’i Jesoa ity ry havana. Miteny Izy hoe : « mianara Amiko fa malemy fanahy Aho ». Ianaro ny fahalemem-panahiko. Tsy miteny Izy hoe : « ianaro ny fahaizako Soratra Masina », « ianaro ny fahaizako mivavaka » ; non, non, non : IANARO NY FAHALEMEM-PANAHIKO.

Andao isika izay manambady, hifanaiky hoe ataontsika cadeau de noël ho an’ny vadintsika : « chérie an, manomboka anio aho an, dia halemy fanahy aminao ». Izay manana vady eo akaiky : teneno an’izany izy raha sahy.

Isika ray aman-dreny, andao hanapa-kevitra, rehefa hiteny ny zanatsika, alohan’ny hanaovana parole positive, mba hianatra tsy mibetroka e, hianatra tsy hibedy e. Fa ny zaza : zaza adala ; ny fon’ny zaza : fo adala. Fa andeha isika hianatra hananatra amin’ny fahalemem-panahy ry havana ô. Mianara Amiko hoy Jesoa. « Mianara Amiko. Fa izany no fomban’ny olona izay akaikin’ny foko ary akaikiy azy Aho ».

Tsy miavona am-po Aho, hoy Jesoa, hoe : jerena ilay toetrany ka : jerena ilay toetra. Miverina kely amin’ilay resaka tokantrano teo aho, iray minitra fotsiny. Rehefa malemy fanahy ohatran’izay isika an, rehefa miresaka amin’ny vadintsika isika na amin’ny zanatsika, dia capable manazava, capable mamerina ny fahalemem-panahy. Fa rehefa manao dinika mariage ianao, ohatra hoe manao dinika préparation-na mariage, dia anontaniana ilay lehilahy na anontaniana ilay vehivavy : « inona no tena tsinin’io lehilahy io voalohany » ? Satria araka ny Efesiana, tsy misy lehilahy sy manan-tsiny, tsy misy vehivavy sy mana-tsiny ; « Oui Pasitera an, oui oui oui ; izy tena impatient, izy tena malaky tezitra, izy tena mora miavona, mototea be ». Ry havana ô, izay ilay lehilahy, vehivavy feno avonavona : avonavom-po. Ary normal ianao miavonavona satria tsy mahay manetry tena ianao amin’ny fahalemem-panahy ry havana ô.

Fa Jesosy eto an, hoe tsy miavona am-po. Hitantsika tsara izy hoe niara-nilalao Izy tamin’ny ankizy madinika. Izay ilay hoe tsy miavona am-po. Hitantsika Izy hoe niara-nihinana tamin’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Halany ny fahotana, tena halany ny fahotana ; fa tsy manilika Izy an’ilay mpanota. Izany, izany Jesoa ilay mila ianarantsika ry havana ô.

Izay izany ilay Fahamarinana 3 hoe : MIANARA AMIKO FA MALEMY FANAHY AHO. SADY TSY MIAVONA AM-PO. Dia mbola anteriny ilay teny fampanantenana hoe : « Dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo ».

Ny zavatra ampianarin’i Jesoa antsika, ampatsiahivina antsika ry havana androany : ny fitsaharana tena ilaintsika dia fitsaharan’ny fanahy. Ilaina ny fitsaharan’ny vatana, izany no tsy iasana Alahady ; mitsahatra ilay vatana. Fa indraindray ianao tsy miasa Alahady ; tonga ny Alahady alina, tonga ny Alatsinainy maraina : - « comment ça va ? » ; - « comme un Lundi » Satria tsy manana fitsaharana ilay fanahinao. Fa izay ilay olona akaikin’i Jesoa : mahita fitsaharana mandrakariva ny fanahinareo hoy Izy. Ary io fitsaharana io, tsy vokatry ny fahaizana, tsy vokatry ny fahalalana, tsy vokatry ny ezaka ataonao, fa fanomezana omen’i Jesoa anao. Ary ny fomba fanomen’i Jesoa ry havana : fanomezana maimaim-poana. Izany io. Fa mankanesa aty Amiko e, ento ny ziogako e, dia mianara Amiko ry havana ô. Mianara Amiko hoy Izy. Tsy vidiana, tsy iezahana. Ary ny fisehony rehefa anaty fitsaharana ny fanahinao : fantatry ny olona ianao fa anaty problème, dia anontaniana hoe : « ça va ve ianao e ? » ; dia mamaly ianao hoe : « mbola tsy nilamina ny problemako, fa ça va, ça va ». Izay ilay fanahy mitsahatra. Anontaniana ianao : « ça va ve ? » ; « tena mbola tsy milamina ny tokantranonay, ny vadiko itanao iny, mbola ohatran’izao ; fa ça va, ça va ». Izay ilay olona anaty fitsaharana, dia ny fitsaharan’ny fanahy ry havana ô.

Manantitra farany Jesoa eo amin’ny and.30 : « mora ny ziogako ». Tery izany Izy niteny hoe : « ento ny ziogako » ;  dia eto, mbola manafatra ihany Izy : « mora ary maivana ny entako ». Fa maninona ry havana no hoe ampaherezina isika hoe : « mora ny ziogako » ? Tiana hazava tsara, sao mbola ty mazava, eto am-pamaranana, ilay « zioga », tsy hoe ilay zioga hazo iny ; ilay « zioga », tsy ilay ziogan’ny testamenta taloha. Ny atao hoe « zioga » araka ny lazain’i Jesoa, dia hoe « ziogan’ny fanoavana, ziogan’ny fanekena, ziogan’ny obésissance ». Jamais Izy ho eo akaikinao, ary jamais ianao ho akaiky Azy raha mbola tsy mitombo amin’izany fankatoavana izany. Jamais, jamais, jamais.

Fa maninona Izy no mbola mampahery, mananatra, mamporisika hoe : « mora ny ziogako ary maivana ny entako ? Hoe maivana ry havana, satria Izy, noho ny fitiavany anao : tsy mampitondra anao zavatra tsy ho zakanao e. Tsy hampitondra anao zavatra tsy ho zakanao Izy. Izany no ilazany : mora e, mora ny ziogako e, ary maivana ny entako e. Ary araka ny efa notenenina teo : fa maninona no mora ? fa maninona no maivana ? Mora sy maivana satria Izaho ange efa hoe manohana e, sady miara-mitondra e ; manohana e, sady miara-mitondra e. « Mora ny ziogako ary maivana ny entako ». Mampahey antsika Izy satria ny devoly efa mikitikitika tsara ny saintsika sy ny eritreritsika hoe : « tsy vitanao izany, tsy marina izany. Mavesatra be io. Ce n’est même pas la peine d’essayer ». Fa hoy Jesoa hoe : « mora ny ziogako, ary maivana ny entako ». Ary mbola miteny aminareo Aho, hoy Izy, eto am-pamaranana : any am-boalohany ihany no toa sarotra ireo ziogako ; fa rehefa tafaray amin’i Jesoa ianao, dia satry foana hitondra azy. Any am-boalohany, dia toa sarotra, impossible ilay zioga ; fa rehefa tafaray eo ambany zioga miaraka amin’i Jesoa ianao, dia satry foana hitondra azy.

Ry havana ô, ry havana ô, miteny aminao ny Tompo hoe : mankanesa any Aminy amin’izao maraina izao ; ento ny ziogany e ; mianara Aminy e. C’est ce que nous avons de mieux à faire.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

ALAHADY 06 DES 2020

Apokalypsy 2 :4-5 : « Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany hianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao ».

Dia nofintinin’ny Mpitandrina ry havana, lohatenin’izany Apokalypsy 2 :4-5 manao hoe : MIVERENA AMIN’NY FITIAVANAO VOALOHANY. Dia ireto ry havana no tadidintsika ao anatin’izany hoe « miverena amin’ny fitiavana voalohany » izany :

  • Miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra
  • Miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra
  • Miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny finoana an’Andriamanitra.

Dia andeha ary jerentsika ilay Matio 1 teo, and.1-17. Dia rehefa mamaky an’io ianao ry havana, indrindra vao manomboka mamaky Baiboly : tsy azonao izay lazainy. Ny masaka ao an-tsaina fotsiny dia izao : izao niteraka an’izao, izao niteraka an’izao, izao niteraka an’izao. Dia hoe : inona ary ny hevi-panahy lazain’izany ? Ny hevi-panahy lazain’izany ry havana, voalohany dia izao hoe: MIVERENA AMIN’NY FITIAVANA VOALOHANY AMIN’NY ALALAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Hitanareo tsara ilay and.1, mba miara-mamaky anie isika amin’ny anaran’ny Tompo manao hoe : « Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama ». Ilay teny hoe « filazana » io amin’ny teny grika, dia milaza hoe : Baiboly. Ary inona ny Baiboly ? Ny Baiboly dia ny tenin’Andriamanitra. Ary rehea miteny isika ny hoe « zanak’i Davida zanak’i Abrahama », ny zava-dehibe ao anatin’io, dia zanaky ny teny fikasana. Inona ny teny fikasana ? Ny teny fikasana dia ny tenin’Andriamanitra. Ary ny dikan’izany ry havana dia izao : ny fiverenantsika ao amin’i Kristy dia fiverenantsika amin’ny tenin’Andriamanitra. Ary mampiavaka antsika FJKM dia ny antsoina hoe : « ny Soratra Masina irery ihany  ary ny Soratra Masina manontolo ». Izay no mahatonga antsika, rehefa mamaky Soratra Masina : sady misy ny Testamenta Taloha na ny fanekena taloha, misy ny Filazantsara, ary misy ny Epistily. Manomboka any amin’ny Genesisy hatrany amin’ny Apokalypsy : vakiana avokoa izany eo ambany fitarihin’ny Fanahy Masina.

MIVERENA AMIN’NY FITIAVANA VOALOHANY AMIN’NY ALALAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Fa inona tokoa ry havana ny vokatry ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ? Ny hevitr’io ry havana dia izao : rehefa mihaino ny tenin’Andriamanitra ianao, tahaka antsika mihaino ny tenin’Andriamanitra anatin’izao toriteny izao, dia ny voalohany indrindra dia izao : manome filaminana ho anao ; ary ny dikan’ny hoe filaminana dia misy fahariana vaovao arindran’Andriamanitra indray. Ny hevitr’izany ry havana dia izao : misy fikorontanana ny fiainantsika ; rehefa tsy manana ny tenin’Andriamanitra, rehefa tsy manana an’i Jesoa ianao dia izao no tsarovy : misy fikorontanana ny fiainantsika. Fa amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra irery ihany : izany no mandrindra, izany no mampilamina. Ary jereo fa rehefa mamaky isika ny Genesisy 1, dia milaza fa tamin’ny voalohany dia tsy nisy endrika, fa foana. Ny dikan’ny hoe « foana » dia nikorontana ambony ambany tsy misy filaminana. Ny tenin’Andriamanitra izay inoanao, ny tenin’Andriamanitra izay ambaran’ny Tompo aminao, izay ilay fiverenana aminy voalohany izay, izay no manome filaminana ary fahariana. Ary ny fahariana dia fahatsapanao hoe hay tena misy fahefana tokoa ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainako ; ilay fahefan’Andriamanitra izay nahary ny zavatra rehetra, ilay fahefan'Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy ; izany ny fahefana omen’Andriamanitra anao, ahatonga ny zavatra rehetra ao anatinao hoe tanjaka ; mampahatanjaka anao ny tenin’Andriamanitra rehefa mandre ny tenin’Andriamanitra ianao. Ary ilay tenin’Andriamanitra izay inoanao : manjary fiainam-baovao indray ho anao, mahatonga anao indray hanana fiainam-baovao ; misaotra ny Tompo aho fa omen’ny Tompo fiainam-baovao.

Raha mamaky isika ry havana, na mihaino ny vaovao eran-tany, na mijery ny gazety eran-tany, dia raha mijery maika ianao, dia zavatra manjombona avoka ny zavatra misy. Ary rehefa mijery isika ny vaovao any ivelany, dia miverina indray ny valan’aretina Covid19.

Fa rehefa miverina amin’ny tenin’Andriamanitra isika, dia ny tsaroanao dia izao : misy filaminana ao anatinao, ary misy fahefana ao anatinao, misy tanjaka ao anatinao, ary tanjaka indray, manome fiainana vaovao, ilay fiainana mandrakizay omen’ny Tompo anao. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray mijoro vavolombelona : izaho, hoy izy, rehefa mifoha maraina, dia ny mahamaika ahy, dia mijery télé na mijery interneto hoe inona ny vaovao farany maneran-tany. Satria noheveriny fa izay olona mahara-baovao : izany no manam-pahefana, izany no matanjaka. Fa ny mahagaga ahyn hoy izy, arakaraky ny hiazakazahako mifoha maraina mihaino vaovao maneran-tany, dia izay no mahamaika ahy voalohany ; dia izao : matahotra aho ; ary ny tahotra ao anatiko dia izao : matahotra ny ho faty aho, matahotra an’izao tontolo izao. Fa rehefa nandray an’i Jesoa aho, miverina amin’ilay fitiavana voalohany amin’ny alalaln’ny tenin’Andriamanitra : isaky ny mifoha maraina aho, dia mamaky ny Soratra Masina, mihaona amin’ny Tompo aho, dia mahagaga ahy fa feno tanjaka aho, sy fiainam-baovao ary filaminana ny fiainako.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra. Ny tenin’Andriamanitra manome filaminana ho anao. Raha tonga eto ianao izao, mahatsapa feno fikorontanana, mahatsapa tsidry inhany koa, satria eto amin’izao tontolo izao misy tsindry isan-karazany : rehefa ao anatinao ny tenin’Andriamanitra, dia mahatsapa ianao hoe : « Tompo ô, misaotra anao, omenao filaminana ny fiainako, ary fahariana vaovao indray ».

Fa tsy izany ihany ry havana, fa ny tenin’Andriamanitra eto dia izao : manome fahafenoana eo amin’ny fiainantsika. Manome fahafenoana. Raha mijery an’ireo tetiarana ireo ianao an, dia misy 14, 14, 14. Inona no hevitr’izay ? Misy dikany ry havana ny isa ao amin’ny Soratra Masina. Isa 7 dia milaza hoe : fahafenoana ; ary ny isa 14 dia 7 ampitomboina 2, mira 14. Izany hoe tena milaza fahasoavana hanampy fahasoavana. Ka amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra sy ny fitondran’Andriamanitra ny fiainantsika ; izany no lazaina eo, manomboka hatrany amin’ny antsoina hoe Abrahama, dia hatramin’i Jesoa Kristy ; misy fitondran’Andriamanitra ny fiainanao, dia izao no tsaroanao : tena misy fahafenoana omen’Andriamanitra anao. Ary ny fahafenoana ry havana dia izao : milaza fahatsarana ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Misy amin’ireo an, tsaroantsika tsara, mamaky an’ireo tetiarana ireo isika : misy mpanompon’Andriamanitra tsy nanana zanaka. Anisan’izany anie raha mijery isika, na Jakoba ary e, na Abrahama aza e. Ary tena tsy nino ry zareo hoe mahavita an’izany Andriamanitra, manome taranaka indray noho ny teny fikasana. Fa ny mahagaga dia izao : fenoin’Andriamanitra ny fahabangana eo amin’ny fiainanao. Ary ny fahabangana tsaroana dia izao ; rehefa feno dia hoe : « Tsara ianao Andriamanitra ô, feno fahatsarana ny fitondranao ny fiainako ».

Mazana ry havana isika eo amin’ny fiainana, zatra manao fampitahana. Ny fampitahana voalohany izao izay efa iandrasan’ny olona maneran-tany, fa tsy aty Madagasikara ihany, fa hiteny izao ny filoham-pirenena maneran-tany. Ankoatra ny firarian-tsoa, ankoatra ny fiarahabana, dia inona no andrasan’ny mpiasa rehetra maneran-tany rehefa miteny ny filoham-pirenena ? Ny fisondrotan’ny karama. Dia raha vao tsy misy an’izay ny kabary, dia misento ny olona ary mahatsapa hoe banga izany zavatra lazain’ny filoham-pirenena izany.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo : na omena anao aza izao tontolo izao, na omena anao aza izao zavatra rehetra izao, rehefa tsy ao anatinao ny tenin’Andriamanitra, Jesoa Kristy ilay teny tonga nofo, dia mahatsapa fahabangana ianao. Fa rehefa ao aminao Jesoa, na mofo 5 sy hazandrano 2 aza : fantatr’Andriamanitra anie ny mahasoa anao e. Ary Izy anie no manomana ny ho avinao sy manome zavatra tsara eo amin’ny fiainanao e. Ary ny dikan’ny hoe fahafenoana dia izao : ataon’Andriamanitra mari-toerana ianao eo amin’ny fiainanao. Ataon’Andriamanitra mari-toerana. Fa ny zavatra mitranga eran-tany dia izao : mitsingilahila ary hozongozonon’izao tontolo izao ny fiainantsika, ny momba antsika manontolo. Fa rehefa ao anatinao Jesoa Kristy ilay vato fehizoron’ny fiainanao, dia ataon’i Jesoa mari-toerana ianao. 

Ary tsy izany ihany ry havana, fa ny tenin’Andriamanitra, rehefa mandre tenin’Andriamanitra ianao, ny valin-teny fahatelo omen’ny Tompo antsika dia izao : fahamarinan’Andriamanitra no ambarany aminao.   Fahamarinan’Andriamanitra no ambarany aminao. Hitantsika ry havana fa ireo mpanompon’Andriamanitra tetiarana lazaina ireo, dia hitantsika hoe i anona anie ka tena nanana toetra tsara e ; ary tsy nisy tahaka azy na teo aloha na tao aoriana nony nandeha mahitsy nanao izay marina teo anatrehan’Andriamanitra izy. Fa misy karazan’olona amin’ireo tetiarana ireo an, izay hitantsika hoe mampalahelo ny toetrany, fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fahamarinan’Andriamanitra, dia asehon’Andriamanitra ny marina eo amin’ny fiainanao noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Ka ny fahamarinan’Andriamanitra izay ambaran’Andriamanitra ry havana, dia izao : izany no miteraka fahombiazana ao amin’ny fiainanao. Rehefa miresaka amin’ny olona ianao, dia hoy ny olona : ny marina miovaova, ny marina any aminareo tsy marina aty aminay. Ny marina any Afrika tsy marina any Eoropa, ary ny marina amin’ny finoanao, tsy marina amin’ny finoako. Fa rehefa Andriamanitra no manambara ny marina, dia manaiky ianao, tahaka an’ity kapiteny rômana, rehefa nijery an’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana, hoe : « marina tokoa fa zanak’Andriamanitra io lehilahy io ». Izy Andriamanitra mihitsy manambara ny fahamarinana ao amin’ny fiainanao. Mety misy zavatra manjavozavo eo amin’ny fiainanao ankehitriny, tsy fantatrao mihisy ny antony, hoe : inona Jesoa ny anton’izao an ? Fa maninona no tahaka izao ? Nahoana, nahoana, nahoana, nahoana, nahoana ? In-5 manao « nahoana » ianao, mbola tsy voavaly ihany. Ny valiny dia izao : Jesoa Kristy irery ihany no manambara ny fahamarinana eo amin’ny fiainanao, araka ny tenin’i Jesoa hoe : « Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ».

Ny anjaranao ankehitriny : miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra. Izany tenin’Andriamanitra izany manome anao tokoa izany hoe filaminana, manome anao fahafenoana ary manome anao fahamarinana araka an’Andriamanitra ry havana ô.

MIVERENA AMIN’NY FITIAVANA VOALOHANY AMIN’NY ALALAN’NY FANAHIN’ANDRIAMANITRA

Rehefa manambara an’ireo tetiarana ireo ny Tompo an, dia mahita ny fiainan’ireo, dia izao notarihin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahiny izy. Ary ilay mofon’aina androany, sady perikopa androany, 5minitra ho an’ny Sekoly Alahady teo, dia milaza hoe : ny Fanahin’Andriamanitra mahatonga hilaza hoe : « Jesoa no Tompo sy Mpamonjy ahy ». Ary izay fanahin’Andriamanitra izay, nanangana an’i Kristy tamin’ny maty, izany no mitahiry anao.

Fa ahoana tokoa moa ry havana, amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra ? Ny ahafantarana ry havana fa ao anatintsika ny Fanahin’Andriamanitra, ary tsy misaraka mihitsy ny tenin’Andriamanitra sy ny Fanahin’Andriamanitra ; rehefa mamaky isika ny foto-dalana sy fitsipika Fjkm, misy aminareo manana an’izany, misy aminareo tsy manana an’izany ; fa rehefa tonga izao fety izao, mba mividiana ihany ilay foto-dalana sy fitsipika Fjkm ; fa ny an’ny olona mantsy rehefa hividy an’iny izy : ilay olana izay no jereny amin’iny. Rehefa misy problème na olana mitranga, izay izy vao mamaky an’iny. Fa manomboka izao, mba vakio anie ilay zavatra tsara be be dia be ao anatiny e. Fa ny ao anatin’izay dia hoe : inona no antom-pisian’ny FJKM ? Inona ny fombany ? Ny valiny dia izao : anankiray amin’ny fotoa-pinoantsika : tenin’Andriamanitra eo ambany fitarihin’ny Fanahy Masina sy fanazavan’ny Fanahy Masina. Ka ny Fanahy Masina ry havana, eo amin’ny fiainantsika dia tsy misaraka amin’ny tenin’Andriamanitra. Rehefa ao anatinao ny Fanahy Masina, dia ny tsaroanao voalohany dia izao : manafaka antsika ny Fanahy Masina. Ary ny fahafahana anananao dia izao : manana fifandraisana amin’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina ianao. Ilay Fanahy nanangana an’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, izany Fanahy izany no omen’Andriamanitra anao. Miverina indray ianao amin’ny fitiavana voalohany. Ary ny atao hoe fitiavana voalohany dia izao : ilay voalohany dia milaza hoe : ny voalohany indrindra, ny ambony indrindra, ny sarobidy indrindra dia ny fiarahanao amin’Andriamanitra. Na inona na inona heverinao atakalo an’izany an, amin’ny voalohany mety mahafinaritra anao, fa ny fiafarany dia mitomany ianao. Ary malahelo, ary diso fanantenana ianao. Fa ny voalohany indrindra dia izao : ny fifandraisanao amin’ny Tompo. Ianao ange mifandray amin’i Jesoa e ; fa raha mamaky ny matoanteny isika ao amin’ny Soratra Masina, dia Andriamanitra mihitsy no manatona anao ; Izy mihitsy no miantso anao. Matio anie ka olona nipetrapetraka eo am-pamorian-ketra e, fa tsy nieritreritra mihitsy hoe hanaraka an’i Jesoa ; fa rehefa hitan’i Jesoa izy, dia hoy Jesoa : « Andao hanaraka ahy » ; dia nandeha izy, ary fantany izany. Ny dikan’izany dia izao : rehefa notorotoroina tamin’ny fahotana isika, dia tsy manana hery na tanjaka na finiavana hanao ny tsara intsony ; fa noho ny asan’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy, dia Izy no miasa, Izy no mihazona, Izy no mitaona anao ; dia hoy Jeremia hoe : « Taominao ahy ka voatoana, nosamborinao aho ka resinao ».  Dia izany ny fitiavan’Andriamanitra anao.

Fa tsy izany ihany ry havana, fa rehefa ao anatinao izay Fanahy Masina izay, dia voalohany : mahatsapa fitiavana ianao ; io ilay antsoina hoe Agape. Agape : ny ambony indrindra. Ary tsy misaraka amin’ny fitiavana, safidy ; rehefa atao misafidy manko ianao ry havana dia eo akaiky eo koa ny fitiavana. Ary rehefa izay, dia manana fifaliana ianao, ary manana fiadanana ianao. Fifaliana izay tsy tahaka ny an’izao tontolo izao ny fifalianao ; fiadanana izay tsy tahaka ny an’izao tontolo izao ny fiadanana, fa tena fiadanana avy amin’Andriamanitra. Hoy ny Soratra Masina, perikopa rentsika tamin’ity taona ity manao hoe : tsy araka ny haben’ny fananan’ny olona ny fifaliany ; tsy arakaraky ny haben’ny ananan’ny olona na vola aman-karena, na voninahitra ny fiadanany ; fa ny olona tena manana fiadanana tena izy ary tena marina, dia ny olona feno ny Fanahin’ny Tompo. Dia voalazan’ny Soratra Masina hoe : Fa ny Tompo izany Fanahy izany. Fa izay itoeran’ny Fanahin’i Kristy no itoeran’ny fahafahany. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray mijoro vavolombelona : « raha ny vola ve : tena nananako ny vola ; ny voninahitra ve : tena nananako ny voninahitra ; fahefana ve : tena nananako ny fahefana. Fa tsy nananako fiadanana sy famonjena izany. Fa ny ananako fiadanana manomboka izao dia ny fiverenana ao amin’i Jesoa Kristy, ny fiverenana amin’ny fitiavana voalohany. Izany no ananako fiadanana ».

Ry havako, raha mbola hitanao mihitsy : midera an’i Jesoa ianao izao an, mankaty am-piangonana ianao izao an, manao asa fanompoana ianao izao an ; fa tsaroanao fa mbola misy banga eo amin’ny fiainako izany. Na dia mihira mafy aza aho,  na dia tena mamaky Soratra Masina aza aho, na dia tena mihaino toriteny aza aho, mbola misy banga ao anatiko. Inona ny anton’izany ? Ny valiny tokana dia izao : miverena amin’ny fitiavana voalohany. Mibebaha. Ary ny dikan’ny hoe miverena dia izao : ovay mihitsy ny sainao, ovay ny fonao, manenina ny amin’ny fahotana ary miverina amin’i Jesoa Kristy. Ny fanahin’Andriamanitra irery ihany no manova anao. Tsy efan’ny saina sy ny nofo aman-drà izany ; fa tena asan’ny Fanahy Masina izay manova ny fiainanao. Ary izany Fanahy Masina izany ry havana mahatonga anao hoe : manana tanjona indray eo amin’ny fiainanao Andriamanitra. Manana tanjona eo amin’ny fiainanao Andriamanitra.

Ireo tetiarana ireo an, dia voalaza hoe 14 ; 14 ; 14. Milaza fahafenoana hoy aho izay 14 izay ; fa izy ireo tsirairay avy, raha mamaky isika : 14*3=42. Fa rehefa jerenao ny tantaran’ireo olona tisrairay avy ireo, dia izao : manana tanjona eo amin’ny fiainana Andriamanitra. Manana tanjona eo amin’ny fiainana Andriamanitra. Ary izany koa ianao : misy tanjon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Ary ny tanjon’Andriamanitra lehibe lavitra noho izay tanjonao na ny vinanao. Ireo mpanompon’Andriamanitra izay voatonona ireo, na misy banga ihany koa aza, ary misy tena tsy nieritreritra mihitsy ; ao amin’ny tantaran’ny zanak’Isiraely manko ry havana, tsy mba tononina loatra ny vehivavy. Fa ao amin’i Jesoa Kristy, dia naverina mihitsy hoe ireto misy vehivavy 5, voatanisa teo ireo, na Rahaba, na Tamara, na Batseba, lazainy avokoa. Fa inona no dikan’izay ? Tena tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra, fa matoa ianao tahaka izao : misy tanjona lehibe apetrak’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.

Ry havana, tapitra sahady ity ny taona 2020. Dia manontany tena ianao, dia mety ny tomban’ezaka ataonao dia izao : «  Jesoa an, tena tsy nety ity taona ity ; tsy nahomby izahay. Arkaa ny voalaza hoe ny ¾-ny olona miasa eran-tany dia nahatsapa fatiantoka aty nahatsapa ihany koa fa sahirana ny fandraharahany. Fa ao amin’Andriamanitra dia izao : tena misy tanjon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Ho avy indray ny taona 2021 ; izao no tsarovy : manana tanjona eo amin’ny fiainanao Andriamanitra. 06 Desambra anio : mbola misy 25 andro aorian’izao. Ny anjaranao dia izao : « Jesoa  an, inona kay ny tanjonao eo amin’ny fiainako ? Inona no tanjonao eo amin’ny fiainako ? ». Ary ny tanjon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao, dia ny hevitr’izany dia izao : Andriamanitra manatrika anao mandrakariva.

Izany no hevin’izany Fanahy Masina izany ; tsy manana hoe tanjona ihany Izy, fa tena manatrika anao Andriamanitra. Ary rehefa manatrika anao Andriamanitra, dia miaraka aminao Andriamanitra : « Hombanareo mandrakariva Aho ambara pahataperan’izao tontolo izao ». Hiatrika ny taona ho avy ianao e, dia hoy Jesoa mantsy ny mpianany : « Aza manahy an, fa ny voninkaza aza, na ny ahitra, izay atao any an-tsaha rahampitso : tafian’Andriamanitra ; tsy mainka va ianareo ry kely finoana ». Ary ny hafatry ny voromanidina izay tsy mamafy na mijinja ; izany akory tsy milaza hoe tsy tompon’andraikitra ianao, na tsy manana andraikitra ianao ; dia hoy ny Tompo milaza hoe : reny aza hain’Andriamanitra ; mainka fa ianao ry kely finoana. Ry havana malala ao amin’ny Tompo : ny Fanahin’Andriamanitra ao anatinao milaza hoe : manatrika anao Andriamanitra. Manatrika anao Andriamanitra. Tsy irery ianao. Mety misy fotoana ianao izao mipetraka irery ; misy fotoana ianao izao miady irery eo amin’ny fiainana ; ny piara-miasa aminao, ny ray aman-dreny, ny mpiray tampo mety tsy mahita anao akory, ny adim-panahy atrehinao ; izao no tsarovy anio : manatrika anao Andriamanitra. Eo akaikinao ny Tompo. Fa ny valin’izany dia izao : miverena indray amin’ny fitiavana voalohany, miverena ao amin’i Jesoa Kristy ; fa izany no fitiavan’Andriamanitra anao.

Ny farany : MIVERENA AMIN’NY FITIAVANA VOALOHANY AMIN’NY ALALAN’NY FINOANA AN’ANDRIAMANITRA

Rehefa mijery isika ry havana ny tantaran’i Abrahama, dia izao no iantsoana azy : ankoatra ny hoe Abrahama, Abrama no anarany tamin’ny voalohany ; avy eo nantsoina hoe Abrahama, rain’ny mino ary rain’ny firenena maro.

Zava-dehibe teo amin’ny fiainan’i Davida sy Abrahama dia ny fananany finoana. Ary ny mpianatry ny Tompo rehefa nihaona tamin’i Jesoa, dia izao no filazany manao hoe : « Tompo ô, ampitomboy ny finoanay ». Dia hoe Jesoa milaza : « Na dia manana finoana tahaka ny voan-tsinampy aza ianareo, dia hilaza amin’io tendrombohitra io hoe : mianjerà any an-dranomasina; dia ho tonga aminareo izany ». Izay mangataka amin’ny Tompo tsy maintsy mandeha amin’ny finoana.

Ka inona ny dikan’ny hoe finoana ry havana eto ? Ny hevitry ny teny hoe finoana eto dia izao : matoky an’Andriamanitra ianao, matoky an’Andriamanitra ianao. Ireo tetiarana ireo ry havana, averina indray : ilay 14, 14, 14, dia mahagaga fa misy fitondran’Andriamanitra tsy takatry ny saina mihitsy. Voalaza aho anie Naomy e. Izany Naomy izany olona faran’izay nanan-karena ; vetivety eo tena nitotongana ny fiainany. Ary tena nandady mihitsy. Arakan y filazantsika dia hoe olona farany nahantra. Kinanjo tao amin’izany olona izany no nipoiran’ny taranak’i Davida, ary indrindra indrindra nipoiran’ny taranak’i Jesoa Kristy. Inona ny hevitr’izany ry havana ? Ny hevitr’izany dia izao : matokia ny fitondran’Andriamanitra anao. Tsy mora ny mamakivaky ny asa ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Fa ny mahagaga dia izao : miasa eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, miasa eo amin’ny fiainanao Jesoa Kristy, miasa eo amin’ny fiainanao ny Fanahy Masina. Na tsy hitan’ny masonao aza. Na tsy tsapan’ny tananao aza, na tsy takatry ny sainao aza, dia izao no tsarovy : miasa eo amin’ny fiainako Andriamanitra. Matoky Azy aho. Fa izany no fitiavan’Andriamanitra ahy eo amin’ny fiainako.

Ary tsy vitan’ny hoe matoky ry havana, fa izao : manaiky koa ianao. Dia misy hiran’ny Sekoly Alahady manao hoe : « Manao eny aho, eny aho Tompo ô ». Rehefa miteny Jesoa milaza hoe : «  an an an, tsy mety izany » ; dia eo ianao miteny hoe : « eny Jesoa an, manaiky aho ». Mila manana valin-teny entitra isika ao amin’i Jesoa ry havana. Ary izay ilay fanekena an’i Jesoa, ilay Tompo sy Mpamonjy. Ao amin’ny Tompo, dia eny, eny ; Amena hoy Paoly Apostoly milaza an’izany hoe : tsy misaraka ny teny fikasana na ny finoana ; fa ny finoana dia avy amin’ny toriteny ary ny toriteny dia avy amin’ny tenin’i Kristy.

Ary tsy izany ihany ry havana. Fa ny dikan’ny hoe finoana, dia manana fanapahan-kevitra ianao. Manana fanapahan-kevitra ianao. Ary fanapahan-kevitra mazava, tsy miankina amin’ny zavatra hafa fa ny iankinan’izany dia : Jesoa Kristy no iorenan’ny fanapahan-kevitro. « Inona no lazain’ny Soratra Masina ? » « Inona no lazain’i Jesoa ? » : manana fanapahan-kevitra aho ao anatin’izany. Rehefa tsy manana fanapahan-kevitra mantsy ianao an, dia hoy Jesoa hoe : ny devoly anie manjaka eo amin’ny fiainanao e. Aoka ny valin-teninareo ho eny dia eny ; tsia dia tsia ; ny mihoatra noho izay, avy amin’ilay ratsy.

Tsy maninona ry havana, fa ny fahatelo, sady hanao tantara kely aho rehefa avy eo, dia izao : mahafantatra ny zava-dehibe ianao. Sady manana fanapahan-kevitra ianao an, no mahafantatra ny zava-dehibe ao amin’ny fiainana. Dia hoy ny olona rehefa manao ny dinika ho an’ny zanatsika rehefa hiasa izy ; rehefa hiditra hiasa ianareo ry tanora, dia hoy ny olona tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny toeram-piasana, anisan’ny fanontaniana apetrany izay: « alaharo hoe izay zava-dehibe sy maika amin’ito : inona no zava-dehibe ary inona no zavatra maika ? ». Raha vao tsy hainao ny mandahatra an’izay, dia hoy ilay tompon’ny orinasa : « mety hanahirana ny fiaraha-miasa aminao an ; mety hanahirana an ». Fa ny olona manana an’i Jesoa sy ny Fanahy Masina dia izao : rehefa manaiky isika fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy, dia mazava amintsika ny hoe : ity no zava-dehibe, ary ity no zavatra maika eo amin’ny fiainantsika.

Averiko izy ity an, efa renareo teto fa averiko. 5minitra ; tsy ataoko 5minitra fa latsak’izay. Anniveraire an’i Ronald Reagan, tantara tena marina ; mbola tanora izy tamin’izay. Dia hoy ny dadatoany : « inona ny kiraro tianao : kiraro carré carré ny lohany, sa kiraro somary maranitra ? ». Lehilahy izany, Ronald Reagan, 18 taona izy. Anniversaire-ny izany, ohatra  hoe Alahady androany. « Dadatoa an, aleo aloa izaho hieritreritra ». Efa miantomotra ny andro : « inona ihany ny kiraro tianao ? » satria ny dadatoany mpanao kiraro : « ilay carré carré, bout carré, sa… ? » « Aoka aloa hieritreritra dadatoa an ». Tonga ny Alahady maraina, iny ny dadatoany mitondra kiraro : faly ery Ronald Reagan fa hahazo kiraro, cadeau vaovao omen’ny dadatoany. Navoaka ny kiraro : ny ankavia carré carré ny lohany, ary ny ankavanana, maranitra ny lohany. Dia sady nihomehy izy no nisento. Dia hoy ny dadatoany : « anaka, rehefa tsy manapa-kevitra ianao, dia ny olona no manapa-kevitra amin’ny fiainanao ». Rehefa tsy manapa-kevitra ianao, izao tontolo izao no manapa-kevitra ary mitomany sy misento sy matiantoka ianao. Ary ilaozanao ny fanararaotra eo amin’ny fiainanao.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo : ny fanapahan-kevitra tsara indrindra anio dia ao amin’i Jesoa Kristy ianao ; ilay Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao. Ary rehefa ao amin’i Jesoa Kristy ianao, dia manana antoka ianao ary ny antoka tsara indrindra eo amin’ny fiainanao dia ianao mibebaka. Ka antoka sady ho amin’ny lasa izany, ny ankehitriny, ny amin’ny ho avy. Ny antoka mantsy ry havana, rehefa manao taratasy amin’ireo toeram-piantohana ireny isika ; dia fiantohana ny ho avinao ihany, manomboka izao ka hatramin’ny faran’ny volana ohatran’izao no iantohanay ianao. Fa tsy mieritreritra izay lasanao any loatra ny fiantohana. Fa rehefa ao amin’i Jesoa ianao, ka manaiky mibebaka, dia iantohan’i Jesoa ny lasanao sy ny ankehitriny ary ny ho avinao. Izay anie no nahatonga an’i Martin Luther, rehefa nitoriteny tahak’izao izy e, dia hoy ny devoly taminy : « ianao izao mitoriteny io : izao no toetranao taloha, izao no toetranao taloha, izao no toetranao taloha, izao no toetranao taloha ». Dia hoy Martin Luther, izay nanangana ny Fiangonana, tsaroantsika ao anatin’ny Ffkm, mialaza hoe : « izany rehetra izany efa nodiiovin’i Kristy tamin’ny ràny izany ».

Ry havana, tia anao anie Jesoa e, ka mamela ny helokao e. Tena tia anao Jesoa ka mamela ny helokao. Ny anjaranao dia mibebaka, tsy miverina amin’izany fahotana izany intsony. Ankehitriny : fotoam-pankasitrahana. Ankehitriny : fotoam-pamonjena. Ary ny ho avinao : manana antoka azo antoka ianao raha manaiky fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy ; ary na ho avy anio aza ny Tompo, rehefa miverina amin’ny fitiavana voalohany ianao, dia manana antoka amin’ny fiainanao. Koa aza manahy e, aza matahotra, fa an’i Jesoa ianao.        

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ny fehiny dia izao :   

  • Miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra
  • Miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra
  • Miverena amin’ny fitiavana voalohany amin’ny alalan’ny finoana an’Andriamanitra.

Ry havana, ny dikan’ny teny hoe Jobily an, ny fikan’izany dia « taom-panafahana ». Jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina izay niara-niasa tamintsika ; fa ny tena hevi-dehibe ao anatin’izay, dia « afaka » isika. Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo hoy Jesoa, dia ho afaka tokoa ianareo. Ny fifaliana ho anay Mpitandrina dia ny Fiangonana na zanak’Andriamanitra manaiky hoe : « manomboka izao aho Pasitera, dia Jesoa no Tompo sy Mpamonjy ahy. Hiverina amin’ny fitiavana voalohany aho ». Ary ny fifaliana ho anay Mpitandrina dia izao : manaiky tokoa ho iraky ny Tompo ianao hilaza ny vaovao mahafaly amin’ny olombelona rehetra, ary hijoro vavolombelona tsy ho menatra ny antson’ny Tompo eo amin’ny fiainanao.

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra, ho antsika kosa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy. Amena                     

ALAHADY 29 NOV 2020

Ao amin’ny Romana 8. Azo fintinina tahaka izao ry havana ny hafatra ho antsika, ho fampandinihan-tena : MANAO AHOANA NY FINOANAO : FINOANA MIANDRANDRA VONINAHITRA VE ? FINOANA MIANDRANDRA VONINAHITRA VE ? Izay ilay izy : FINOANA MIANDRANDRA VONINAHITRA.

Sambatra ianao raha manana an’izany finoana miandrandra voninahitra izany, araka ny amaritan’ny Apostoly Paoly azy ato amin’ny Romana 8.

Ny Fahamarinana 1 dia izao ry havana : FANTATRAO VE FA MISY VONINAHITRA MAVESATRA OMANIN’NY TOMPO HO ANAO ?

Ilay texte ry havana somary sarotsarotra ; miala tsiny aho raha mampamerina anareo, amin’izay mipetraka ilay izy ; fa sao dia hoe vita ny « amena » dia efa notsoahin’ny devoly tao. Ny fahamarinana 1 dia hoe : FANTATRAO VE FA MISY VONINAHITRA MAVESATRA OMANIN’NY TOMPO HO ANAO ? Teneno an’izany anie ilay voisin-nao e : FANTATRAO VE FA MISY VONINAHITRA MAVESATRA OMANIN’NY TOMPO HO ANAO ? Izay ry havana ô, izay.

Na eto an-tany aza ry havana, dia misy sehatra manokana isehoan’ny voninahitra. Tsy ilay voninahitra, resahina any an-danitra ; fa misy sehatra isehoan’izany voninahitra izany. Andeha atao hoe misy fitokanana ery an’anona ery : ny olona ambony, ny olona manam-pahefana no asaina amin’izany ; dia vory eo ny manam-boninahitra rehetra etc… Mi-organiser lanonana ny sasany ao amin’ny Carlton, dia iny soirée iny, iny sakafo iny dia tena hoe toeram-boninahitra. Fa izany voninahitra izany ry havana malala ao amin’ny Tompo, izany voninahitra ety an-tany izany, dia tena hoe matroka, tena hoe tsinontsinona raha oharina amin’ilay voninahitra mavesatra omanin’ny Tompo ho ahy sy ho anao. Tena matroka, tena tsinontsinona. Ary ny mampalahelo indrindra ry havana, indrindra ireo mitonon-tena ho mpino, hoe : « izaho tary an’anona, izaho voaasa tary, izaho nanatrika an’izao », sahala amin’ny hoe hireharehana, hifampiderana voninahitra, hifampiderana harena, hifampiderana firazanana. Tsinontsinona izany ry havana ô. Ary ny olona mahafantatra fa misy voninahitra mavesatra omanin’ny Tompo ho azy, dia manao an’izany voninahitra ety an-tany izany ho tsinontsinona ry havana ô. Fa ny olona mahafantatra ry havana fa hoe misy voninahitra mavesatra, dia jerentsika anie ny and.18 e : « Fa ataoko fa ny fahoriana amin’ izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ ny voninahitra izay haseho amintsika ». Fahoriana ry havana ô, Fahoriana no handovana sy hiomanana ho amin’izany voninahitra izany. Fahoriana sy fijaliana no hiomanana ho amin’izany voninahitra mavesatra izany. Misy voninahitra mavesatra ao, ary fahoriana no hiomanana ho amin’izany.

Nisy artiste-peintre vazaha antsoina hoe Matisse, angamba tsy dia miteny amintsika ilay anarana ; fa mitovy lenta amin’izany hoe Picasso izany, izany hoe Matisse izany. Dia nisy fotoana izy tratran’ny cancer-ny colons. Dia tena nijaly fadiranovana, dia nitondry vy izay izy tato amin’ny lamosiny tato. Ary tsy afaka nijoro mihoatra ny adiny iray ; nefa izy nijoro tontolo andro. Dia hoy ny peintre namany : « fa ahoana lehity an, ahoana no aharetan’ialahy mijoro ohatran’izany ? ». Dia hoy izy : « ny fahoriana lesy mandalo an », ny fahoriana hoy izy mandalo, fa ilay voninahitra mavesatra dia maharitra. Izany ry havana ny olona mahafantatra fa misy voninahitra, ary voninahitra tsy maintsy ialohavana fahoriana. Fa ny antsika ry havana, ilay fahoriana ety an-tany ; ary eto amin’izao tontolo izao no ahitantsika fahoriana hoy Jesoa ; izany fahoriana izany, dia hiomanana, hiomanana ho amin’ilay voninahitra mavesatra.

Fa inona moa izany voninahitra mavesatra mahatonga ny voninahitra rehetra ety an-tany izany ? Jereo ange ny and.19 e : « Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’ Andriamanitra ». Izaho, ianao : samy zanak’Andriamanitra isika. Fa izao ry havana : mbola tsy tanteraka ny maha-zanak’Andriamanitra antsika ; izany hoe mbola tsy miseho tanteraka ny maha-zanak’Andriamanitra antsika ry havana. Fa rahatrizay tonga any an-danitra isika, izay vao hiseho izany voninahitry ny zanak’Andriamanitra izany. Tahaka ny hoe misy fivoriana ary an’anona ary, misy fivoriana ao amin’ny Carlton : misy fivoriana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, ao an-tranon’ny Raintsika ry havana ô, ary fivoriana ahitana an’izany voninahitra mavesatra izany, dia ny voninahitry ny tena zanak’Andriamanitra ry havana ô.

Izay ny  Fahamarinana 1. Mampahatsiahy antsika ny Tompo, manontany antsika ny Tompo hoe : FANTATRAO VE FA MISY VONINAHITRA MAVESATRA MIANDRY ANAO, HISEHO AMIN’NY FIVORIAN’NY TENA ZANAK’ANDRIAMANITRA AO AN-TRANON’NY RAINY, ARY HIOMANANA HO AMIN’IZANY DIA AMPANDALOVINY FAHORIANA IANAO? FANTATRAO VE FA MISY VONINAHITRA MAVESATRA MIANDRY ANAO.

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao ; lasa ihany ilay saina, dia izay no mahatonga ilay fahamarinana ry havana, hoe : FA NAHOANA E, NAHOANA NO MISY FAHORIANA, NAHOANA NO MISY FIJALIANA ?

Haintsika tsara ilay tenin’i Jesoa hoe : eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana. Fa tsy maninona, azo atao tsara, tsy mi-blasphémer akory raha manontany hoe fa nahoana no misy fahoriana e ? Ary isaky ny misy fijaliana, misy fahoriana mitontona, azontsika atao tsara ny Tompo hoe : nahoana Tompo ô ; izay ilay Fahamarinana 2 ; nahoana, pourquoi la souffrance ? Pourquoi la souffrance ?

Andeha ange iarahantsika mamaky ny and.20-21 ry havana ô : « fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ ireo zanak’ Andriamanitra ». Hoy isika hoe : nahoana ny fahoriana ? Nahoana ny fahoriana ? Satria izao zavatra rehetra hitantsika izao, izao zavatra ary rehetra izao, ao anatin’izany ny natiora, ny biby, ny zava-manan’aina, ny olombelona, dia hoe : nampanekena ho zava-poana. Nampanekena ho zava-poana. Dia eo ambanin’ny fahandevozana, eo ambany lalàn’ny fahandevozana. Eo ambany lalàn’ny fahalovana. Izay ilay anton’ilay fijaliana sy fahoriana : satria izao zavatra rehetra izao nampaneken’Andriamanitra ho zava-poana.

Ahoana moa izany ? Rehefa miteny ny Apostoly Paoly eo amin’ny and.22 hoe : « Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny ». Mitaraina ny natiora. Lamaody be ange izao ity écologie ity e ; fa écologie tsy manonona ny anaran’Andriamanitra na tsy manome toerana an’Andriamanitra : écologie tsy ho tonga lavitra izany ry havana ô. Inona no dikan’izany ? Satria noho ny nataon’i Adama sy Eva ry havana, Genesisy 3 :17, dia hoe : voaozona ny tany, nampanekena ho zava-poana. Izay ny dikan’ny hoe zava-poana. Voaozona io tany misy antsika io ry havana ô. Ary izany, rehefa mijery ny soratry ny mpandinika ianao, izany no mahatonga ny biby, na samy biby aza, mifamono ; satria vokatr’ilay ozona. Ary rehefa mamaky voalohany ianao dia taitra ; fa avy eo rehefa dinihinao dia hoe : na ny zava-maniry aza, ohatra hoe ny tsilo, dia mamono zava-maniry hafa. Izay ilay hoe nampaneken’Andriamanitra ho zava-poana, eo ambany lalàn’ny fahandevozana, sy ny fahalovana. Izay ilay izy. Izay no mahatonga ilay fahoriana ry havana. Ary na isika olombelona aza, na ny mino aza, araka ilay voalaza teo, na efa natsangana ho zanaka aza, dia mbola tsy miseho tanteraka ny maha-zanaka, ary tsy miseho, ka mbola hoe manana comportement feno herisetra, misy comportement feno habibiana ao amin’ny ankohonana ao, ao amin’ny tokantrano ao. Nahoana ? Satria nampaneken’Andriamanitra ho zava-poana izao zavatra ary rehetra izao, ka mbola eo ambany lalàn’ny fahandevozana. Na izaho na ianareo, samy mbola andevozin’ny fahazaran-dratsy tahaka izao sy tahaka izao, eo ambany fahalovana : teraka, mitombo, miha-lehibe, miha-malazo, miha-antitra dia amty. Izay ilay lalàn’ny fahalovana ry havana ô. Izay ilay lalàn’ny fahalovana : miha-antitra ianao, miha-reraka ianao, miha-simba ny tarehinao ; fenoinao cosmétique iray taonina :an an an, eo ambany fahalovana ianao e. Eo ambany fahalovana ianao ry havana ô.

Fa izao, araka ny tenin’i Paoly tery ambony tery : izany fahoriana izany eo am-pelatanan’Andriamanitra ; izany fahoriana rehetra izany : eo am-pelatanan’Andriamanitra. Ary ny fanontaniana, tsy hoe : fa maninona Andriamanitra ô ? Nahoana loatra Andriamanitra ô ? Tsy izay ilay fanontaniana. Ilay eritreritra marina, dia hoe : izany fahoriana izany dia tokony hampitodika ahy any amin’ilay voninahitra mavesatra tsy manam-paharoa.

Aza lany andro intsony ary manontanitany foana, mirifadrifatra foana, tezitezi-poana amin’Andriamanitra hoe : nahoana, tsy mila an’izany Andriamanitra izany. Non ! Io fahoriana io hoy Paoly, dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra mavesatra izay efa omanin’ny Tompo ho ahy rahatrizay.

Izay ny Fahamarinana 2 hoe : NAHOANA NY FAHORIANA ? NAHOANA NY FIJALIANA ? TSIA, TSY HOE NAHOANA NY FAHORIANA, NAHOANA NY FIJALIANA ? FA NORMAL BE IZANY ETO AMIN’ITY TANY IZAY NAMPANEKENA HO ZAVA-POANA ITY, ARY TOKONY AMPAHATSIARO AHY NY VONINAHITRA MAVESATRA IZANY. Teny ho anao anaty fahoriana manokana izany ry havana ô. Ary ho anao izay anaty fahafinaretana sy filibana : mieritrereta, mieritrereta fa sao dia ianao indray kosa efa an-dalana mivantana ho any amin’ny elo e.

Rehefa niteny isika hoe : Fantatrao ve fa misy voninahitra mavesatra omanin’ny Tompo ho anao ? Iray izay. Faharoa, hoe : ny fahoriana tokony hampitodika anao, ampahatsiaro anao an’izany hoe voninahita mavesatra izany. Ny Fahamarinana 3 ry havana ô, dia izao : NY FANAHY MASINA NO NOMEN’ANDRIAMANITRA ANTSIKA HANANANTSIKA FAHARETANA

Ny Fanahy Masina nomen’Andriamanitra antsika hananantsika faharetana. Teneno kely an’izay ange ny voisin-nao.

Somary averiko, misy tsy miteny amin’ny voisin-ny : Ny Fanahy Masina nomen’Andriamanitra antsika hananantsika faharetana.

Hitanareo ny problemantsika kristiana, ny problemantsika krsitiana dia izao : fantatsika ihany  hoe hay ve, eny e, na izaho aza, andao atao hoe na izaho aza voaasa any amin’ny toeram-boninahitra anankiray ety, reflexe izany hoe : tsinontsinona io, matroka io, mampahatsiaro an’ilay voninahitra mavesatra ary. Ok : tsara be izany. Hay, azoko, tsy tokony atao intsony izao hoe : nahoana ? Pourquoi la souffrance ? etc… fa hoe tokony hampahatsiaro ahy an’ilay voninahitra mandrakizay mavesatra iny. OK. Fa izao ry havana ô : ny ankamaroan’ny kristiana, mampalahelo satria tsy fantany ity Fahamarinana fahatelo izay milaza hoe : nomena antsika ny Fanahy Masina mba hananantsika faharetana anatin’izany fahoriana izany. Izay ny drame-tsika kristiana.

Nomen’Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina mba hananantsika faharetana, hananantsika patience, hananantsika persévérance. 2 Korintiana 1 :22 : « Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika ». Tamin’ny fotoana ninoanao dia nasian’Andriamanitra tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina ianao. Tamin’ny fotoana nandraisanao an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjinao, dia nasian’Andriamanitra tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina ianao, ho santatra ato am-poko.

Andeha ange, miverina ato amin’i Paoly isika, ato amin’ny and.23 ; 25 e : « ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, eny, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan-anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ ny faharetana ». Izay ilay notenenintsika hoe, ny fahamarinana 3 dia hoe : nomen’Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina ; nataony ato am-poko ry havana ô, mba hananako faharetana. Raha misy zavatra resahina matetika eto amin’ity pilopitra ity ry havana, dia ny fahoriana eto an-tany, hoe feno gedrigedry, feno fangirifiriana, feno ranomaso. Fa ny olona mahatsiaro fa nomena ny Fanahy Masina izy ho santatra ato am-pony ry havana ô, eo anatrehan’izany fahoriana, eo anatrehan’izany gedrigedry, eo anatrehan’izany ranomaso izany : tsy mitolefika, tsy mamoy fo, tsy mihemotra. Izany no maha-sarobidy ny Fanahy Masina ry havana ô.

Rehefa miteny Paoly hoe : Andriamanitra rehefa nahita antsika nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy, dia nanisy tombo-kase antsika tamin’ny Fanahy Masina ho santatra ao am-pontsika ; izany ange no atao hoe famonjena e. Ilay famonjena tsy hoe Jesoa nandatsaka ny ràny teo amin’ny hazo fijaliana fotsiny, tsy hoe ilay rà manasa ahy fotsiny no atao hoe famonjena. Fa io Fanahy Masina nanisiany tombo-kase ahy io, ka manavao ahy, mahatonga ahy ho olom-baovao, manapotika an’ilay Adama ela tao amiko tao.

Ary io Fanahy Masina io, lazaina hoe voaloham-bokatra na hoe santatra. Ny fahafantarako fa hoe santatra ny Fanahy Masina, dia hoe manome ahy antoka, manome ahy confiance fa tena misy tokoa, fa tsy hoe ato amin’ny Baiboly fotsiny ; fa tena misy tokoa izao voninahitra mavesatra omanin’ny Tompo ho ahy izao. Fa raha tsy misaina ny Fanahy Masina ianao, misaina ny Fanahy Masina hoe santatra nomen’ny Tompo anao : santatry ny inona ? Santatr’izany voninahitry ny zanak’Andriamanitra izany e : hitolefika ianao, e, hitolefika ianao e, na be herin-tsaina sy be herim-po tahaka ny inona ry havana ô. Ary ny olona izay mahafantatra hoe nomena azy ny Fanahy Masina ho voaloham-bokatra, nomena azy ny Fanahy Masina ho santatra, dia tsy mitsahatry ny mivavaka. Izay ilay fahamarinana 3, mivavaka hoe : « Fanahy Masina ô, amindrao fo aho ; ataovy mahatamana anao ny foko. Dia ianao hanome ahy patience. Satria maninona no hanome ahy patience ? Ampibanjina ahy isan’andro isan’andro ilay voninahitra mavesatra ». Ka na inona na inona fahoriana – rehefa mamaky gazety isika, misy zavatra tena maharikoriko ange hitantsika amin’izao fotoana izao e – fa n’inon’inona fahoriana, dia tsinontsinona izany eo anatrehan’ilay voninahitra mavesatra izay omanin’ny Tompo ho antsika. Mivavaha isan’andro hoe : « Fanahy Masina ô, amindrao fo aho, ary dia ataovy mahatamana anao ny foko e », dia hanana faharetana ianao.

Anisan’ny empereur tena hoe cruel sy lian-drà izany empereur Néron izany. Fantatsika izany anarana izany ry havana. Izany no tena hoe nanenjika fatratra ary nanao persécution tena faran’izay nasiaka tamin’ny kristiana. Fa nisy zavatra anankiray ni-fasciner an’i Néron ry havana ô, nisy zavatra anankiray ni-fasciner an’i Néron, dia : rehefa mijery ny tarehin’ireo kristiana nohelohina ho faty, persécuter-ny, nohelohiny ho faty ary nampidiriny tamin’ny coliséum tao Roma, ilay coliséum io mantsy hoe famonoana kristiana, dia rehefa mijery ny tarehin’ilay kristiana sasany izy, na saika izy rehetra, hiatrika ny fahafatesana, inona no ni-fasciner an’i Néron ry havana ? Hitany ireo kristiana ireo mivavaka ; dia rehefa avy mivavaka ireo kristiana izay hiatrika famonoana ireo, dia mitraka ary mijery, mijery lavitra. Hitan’i Néron hoe mijery lavitra. Dia hoy Néron amin’ilay mpanampy azy eo akaiky eo: « ary ohatrany misy zavatra jereny any lavitra any an, ary miramiran’endrika izany izy izao ». « Eny tompoko, eny tompoko ry Mpanjaka ô, mijery lavitra izy ary mijery ny voninahitry ny fitsanganan’ny maty izay andalovan’ny tena zanak’Andriamanitra izy ». Ny firariana ho antsika ry havana ô, enga anie rehefa mijery antsika izao tontolo izao, na miejry antsika aza ny kristiana, dia hahita an’izany tarehintsika miramirana, efa mitaratra sahady ilay voninahitra mavesatra, hahita ny masontsika toy ny mijery lavitra, satria mibanjina sahady izany fivoriam-ben’ny zanak’Andriamanitra ao an-tranon’ny Rainy izany, amin’ny fotoana hanendren’ny Raintsika an’izany.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena