ALAHADY 09 AOG 2020

image_pdfPDF

Ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo, Hebreo 11, mbola iarahantsika mamaky sy mihaino ny Hebreo 11:39-40 : « Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana, fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika ».

Mampandinin-tena antsika kristiana ny Tompo anio ry havana, kristiana no resahina eto : RY KRISTIANA Ô, MANAO AHOANA NY LAZANAO : TSARA LAZA VE IANAO ? TSARA LAZA VE IANAO ? Ary raha tsara laza ianao, dia araka ity and.39 ity ihany : TSARA LAZA VE IANAO NOHO NY FINOANAO ? Ry kristiana malala ô, TSARA LAZA VE IANAO NOHO NY FINOANAO ?

Tsara laza eo anatrehan’Andriamanitra, tsara laza eo anatrehan’ny mpiara-belona, mpiara-mivavaka aminao. Tsara laza eo anatrehan’izay tia anao, tsara laza eo anatrehan’izay manenjika anao ; ary ho tsaroan’ny taranakao ve ianao : dadanay, neninay, dadabenay, dadabe an’i dadabenay, etc… ny razanay : izahay dia taranaka olona tsara laza noho ny finoana. Izay ry havana ô, no hafatra omen’ny Tompo antsika amin’izao maraina izao.

Iza moa no olona tsara laza noho ny finoana ry havana ?

NY OLONA TSARA LAZA NOHO NY FINOANA DIA OLONA NINO AN’I JESOA KRISTY TOMPO HO ILAY MESIA TONGA ARAKA NY TENY FAMPANANTENANA NOMEN’ANDRIAMANITRA HATRY NY FAHAGOLA. Izany ny olona tsara laza noho ny finoany ry havana ô : Finoana miompana amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ho Mesia, Ilay Mpamonjy be fahasoavana. Ary noho izany fahasoavany izany dia tonga Izy hanafaka antsika amin’ny fahotantsika. Ary mba handehanantsika mendrika an’izany Mpamonjy izany, dia fenoin’ny Fanahy Masina isika mba haharitra amin’ny diantsika ety an-tany ; fa rehefa mifarana ny dia ety an-tany ; io Mesia io koa no tonga tety an-tany, nilaza hoe : « tonga Aho hanokatra indray ho anareo ny varavaran’ny lanitra ». Izany ny olona tsara laza noho ny finoany ry havana ô.

Fa izao : eto amin’ity Hebreo 11 ity dia ilay kristiana, eny e, ilay mpino ao amin’ny testamenta taloha ireto lazaina hoe tsara laza noho ny finoana ireto. Tsara laza noho ny finoana.

Ahoana moa ary izany ? Tena maha-te hidera ny finoany ry havana ô, satria ireo na dia tsy nahita an’i Kristy aza, satria ireo na dia tsy nahita ny fanatanterahana ny teny fampanantenana hoe hisy Mesia ho avy any, dia efa nino, nivelona ary nanompo tahaka ny nahita ny Mesia ry havana ô. Izay ireto olona tsara laza ireto noho ny finoana. Ary dia manome ohatra moa izany ny epistily ho an’ny Hebreo manomboka any amin’i Abela, Enoka,Abrahama ; tsy hijery an’izy rehetra isika, fa Abela ange e, ny ilazana hoe nahafantatra ilay Mesia tonga handatsaka ny ràny izy e, dia hoe Abela nanao fanatitra : ny voaloha-terak’i Abela no nataony fanatitra. Asa izay fomba nampahafantaran’ny Fanahy azy izany, fa mampiseho izy fa hoe mahafantatra ny Mesia izy. Enoka ry havana, ilay lehilahy lazaina hoe nandeha niaraka tamin’Andriamanitra, nahafantatra koa izy hoe izany Jesoa izany, na izany Mesia izany, hoe Imanoela : Andriamanitra miaraka amin’ny olona, eo anivon’ny olona : Enoka nandeha niaraka tamin’Andriamanitra. Izany ny olona tsara laza noho ny finoana : tsy nahita an’i Jesoa nefa nino Azy, nanompo Azy. I Abrahama, i Abrahama koa anie tsy nahita an’i Jesoa ; fa i Abrahama nitenenan’Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 22 hoe : « amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena maro ambonin'ny tany, satria nitandrina ny teniko ianao ». Ary rehefa mamaky ny Matio 1 :1 miresaka ny firazanan’i Jesoa dia hoe : « Jesoa zanak’i Davida, zanak’i Abrahama ». Io ilay Mesia io.

Izay aloa izany ry havana ô ilay olona tsara laza noho ny finoana tsy nahita nefa nino. Tsara laza izy. Fa izao ry havana, izao : ahoana ny amiko ? Ahoana ny aminao ? Satria isika toy ny niara-nahita ilay fanatanterahan’Andriamanitra ilay teny fikasana momba ny fahatongavana Mesia, na tsy velona aza isika 2.000 taona lasa izay : fantatsika fa tonga tety an-tany namangy an’ity tany ity Jesoa Kristy ry havana ô.

Mba eritrereto hoe retsy an, nandeha tamin’ny finoana. Ny atao hoe finoana, araka ilay hira nohiraintsika teo, finoana miorina amin’ny teny. Tsy nandeha tamin’ny émotion, tsy nandeha tamin’ny fahitana, fa nifikitra tamin’ilay teny fampanantenana. Ary ianao, manao ahoana ny fifikiranao amin’io tenin’ilay Mesia io ry havana ô, Izay maty ary nitsangana tamin’ny maty hisolo heloka anao ary hanamarina anao ? Omenao lanja ve izany teniny izany ry havana ô ? Fa raha tsy manome lanja ny teniny ianao, fa vakianao ara-keviny ohatrany famakianao gazety fotsiny, par curiosité io Baiboly io : tsy ho tsara laza ianao noho ny finoanao.

Ary miantsoro mianôtra, ry havana, ireto olona tsara laza noho ny finoany an’i Jesoa ao amin’ny testamenta taloha ireo. Ireo ankehitriny na dia tsy nahita an’i Jesoa ary, fa noho ny finoany : miandry ahy, miandry anao ao Paradisa ao izy. Izay ilay izy ry havana. Manao ahoana : tsara laza noho ny finoanao ve ianao ry havana ô ?

Ny Fahamarinana manaraka ry havana dia izao : NY OLONA TSARA LAZA AMIN’NY FINOANA DIA OLONA TSY MANOMPO SAMPY

Ny perikopan’ny 2 Tantara 24 ry havana, misy ny tantaran’i Zakaria, tena mampatsiaro ny zavatra iainantsika malagasy e. Hita eo amin’ny and.18 tamin’izany fotoana, ny mpanapaka ny Joda, izany hoe ny manam-pahefana rehetra tao amin’i Joda, dia hoe nandao an’i Jehovah, dia naninona ? Lasa nanompo Aseraha sy sampy. Fa Zakaria notsindrian’ny fanahin’i Jehovah dia tena hoe niteny tamin-dry zareo eo amin’ny and.20 hoe : « nahoana ianareo no mandika ny didin’i Jehovah ka tsy mahita fanambinana ? Satria efa nahafoy an’i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy ». Ry havana ô, anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fahaleovantenantsika isika, iaraha-mahalala ny situation misy : tsy misy fanambinana. Fa maninona no tsy misy fanambinana ? Amin’ny maha-mpitandrina ry havana no itenenana hoe : satria 60 taona nanompoana sampy isika malagasy. Ary n’iza n’iza hanjaka, hanapaka mandritra ny 60 taona manaraka eo, raha tsy manapa-kevitra izy hoe « aoka izay ny sampy sy ny Aseraha », hikoroso fahana ity firenena ity ry havana ô.        

Variana aho tamin’ireny ady hevitra mangotraka ary mbola mitohy ireny momban’ny fanorenana Colysée ao Anatirova. Samy efa rentsika daholo ny arguments rehetra ao. Fa mamaky an’ity perikopa ity, dia mahatsiaro hoe misy olona, ary tsy vitsy ry havana ô, amin’io Rova io ange e, misy fomba tsy maintsy tandremana e. Ary misy rangaha anankiray izay, nahavariana ahy, anisan’ny mpandala fomba malagasy izay no-interview-véna tamin’ireny fotoan’andro ireny : misy fomba tsy maintsy arahina ao hoy izy. Ary manontany an’ilay comité scientifique aho hoy izy sy manontany ny teknisianina hoe mba nijery andro ve ianareo ; andro inona, volana inona no nametrahana ilay première pierre an’ilay Colysée. Mino aho ry havana fa mbola maro ny kristiana mbola ohatran’izany, hoe : mbola misy fomba tokony hajaina eto amin’ity tany sy firenena ity. Ary izay hoy Zakaria, izay no tsy ahitantsika fanambinana ry havana ô. Ary izay no tsy hidirantsika any an-danitra : rehefa niaina fiainana ozona isika teto amin’ity tany ity.

Ao anatin’ireo tantaran’ny Maritiora resahin’i Pasitera Rabary ry havana dia misy an’izay antsoina hoe Rafaravavy Maria. Rafaravavy Maria dia efa nokasain’i Drainiaro noho ny mokon-dohany ara-panahy sy ara-pinoana, hoe : ity dia vonoina. Dia izy nogadraina iny, dia hoe : nogadraina izy ny alina ; ny ampitso maraina, ny ampitso vao maraina be dia hovonoina. Dia izao no vavaka nataony ny alina hoe hamonoana azy iny, hoe : « Andriamanitra ô, tahaka ny kristiana tonga teo amoron’i Jordana ny mpanomponao ankehitriny (izy Rafaravavy Maria izany), ny mpampita sisa no andrasako ». Izany ilay olona tsara laza amin’ny finoana. Dia notohizany ilay vavaka hoe : « Raha tokony ho faty aho, noho ny finoako aho, dia vonona aho. Fantatro fa ho an’ny voninahitrao irery izany. Aoka ny sitrakao Tompo no atao ». Miandry ny mpampita ny onin’ny Jordana aho hoy Rafaravavy Maria. Nivavaka izy ry havana ; kanjo moa ny alin’iny : may Ambohimitsimbona dia hoy Rainiaro hoe : « atsaharo daholo ny raharaham-panjakana rehetra ». Izay no « naha-avotra » tamin’ny fahafatesana an-Drafaravavy Maria. Fa izy moa izany, tsy novonoina teo fa 5 volana taty aoriana izy, namidy ho andevo ; dia avy eo izy afaka nitsaoka tany Angleterre ary tany izy no nijoro vavolombelona ny amin’ny zavatra niainany sy ninoany ary ny zavatra nolalovan’i Madagasikara, namelona ny Fiangonana matory tany Angleterre. Maninona no tsarovana Rafaravavy Maria ? Rafaravavy Maria ry havana dia hoe zanaka andriam-baventy, ny rainy dia andriam-baventy, ary ny anadahiny dia manamboninahitra. Ary Rafaravavy Maria io, izy mivady, dia tena hoe nafana fo tamin’ny fanompoan-tsampy. Izany no hitsiahivana azy eto e. Nafana fo tamin’ny fanompoan-tsampy. Ny volany, ny fotoanany, dia nolaniany tamin’izany hoe fanompoana sampy izany. Dia tantarain’i Pasitera Rabary hoe : indray andro izy mivady handeha haka sampy any amin’ilay mpanompo sampy, any amin’ilay fanaovana sampy ; handeha haka sampy any izy, dia tonga ao amin’ilay mpanompo sampy izy, dia hoe : tonga avy any izy maka kitay : ny ampahan’ilay kitay nanamboarana an’ilay sampy, ny ampahan’ilay kitay nandrahoina sakafo. Taty aoriana, nandre toriteny miompana amin’ny Isaia 44 i Rafaravavy Maria. Miresaka kitay : ny sasany nodorana ny afo, eny ny sasany andrahoiny hena : manatrika hena izy ka dia voky. « Tena izaho izany ». Izay no nikasihan’ny Tompo azy ry havana ô. Izay no nikasihan’ny Tompo an-Drafaravavy Maria, nikasihany ny eritreriny, ny nadraisany ny Tompo. Ary dia rehefa natao batisa izy, dia natao hoe Rafaravavy, dia nampiana hoe Maria, ny anaran’ny renin’ny Tompo ny anarany. Izany ilay mpanompo samy nahita ny haratsian’izany sampy izany ary mijoro vavolombelona amintsika ry havana androany e. ATSAHARO IO FA TSY AHITANA FANAMBINANA ETY AN-TANY. ATSAHARO IO FA TSY IDIRANA ANY AN-DANITRA. Ary enga anie isika le jour hoe tojo fahafatesana izany, dia hiteny tahaka an’i Rafaravavy Maria hoe : « Tompo an, tahaka ny mpanomponao maro aho, eto amoron’ny onin’ny Jordana ; ilay mpampita sisa no andrasako. Fa ao ambadik’io Jordana io, ao ny Paradisa ». TSARA LAZA NOHO NY FINOANAO VE IANAO SATRIA MANDA NY FANOMPOAN-TSAMPY ? Volana Aogositra isika izao, ho avy ny volana Septambra ho avy ilay fanompoana be any amin’ny faritany any, anazy izany ry havana ô, logique-ny izany. Fa ianao, raha Président de la République ianao, PM ianao, Minisitra ianao, Député ianao, asaina amin’izany ve ianao ? Izaho milaza aminao amin’ny anaran’ny Tompo : aza mankany ianao raha tianao assuré-na ny fiakaranao any an-danitra, n’inon’inona firehana ara-politika-nao. Hafatry ny Maritiora izany, hafatry ny Tompo izany ho antsika Fiangonana malalany amin’izao 09 Aogositra izao.            

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao : NY OLONA TSARA LAZA NOHO NY FINOANY DIA MANDA NY FIHATSARAM-BELATSIHY

Izay no tenenin’i Jesoa amin’ireto jiosy ireto ao amin’ny Lioka 41. Hoy Izy hoe : nareo hoy Izy, manaiky ny asan’ny razanareo. Ny razanareo dia namono ny mpaminany rehetra nirahina tany aminy tany. Dia inona no mody ataonareo ? Hoe : ianareo manangana fasana ho an’ilay mpaminany, ohatrany hoe fanonerana ny ratsy nataon’ny razanareo. Non non no hoy Jesoa. Milaza aminareo Aho fa ho adinina aminareo izao ataonareo izao. Fa maninona no ho adinina aminy ? Manao ny asan’ny razana izy, izany hoe ilay fanahin’ilay tao amin’ilay razana, ilay fanahy tao amin’ilay razana, ilay fanahy mampihatsara velatsihy, izay no mbola ataon’ireto taranany ireto ry havana ô. Ary izay no itenenan’i Jesoa azy mafy. Ity firenena ity hoy Jesoa, dia tena hoe manaja Ahy eo imolotra, fa ny fony dia lavitra ahy ; ary tsy maintsy hanadinana anao izany. Ny fanahy izay niasa tao amin’ny razanareo ange no miasa ao aminareo e. Ary ianareo manangana fasana andevenana mpaminany io, tena mampihomehy mahasosotra fa karazana manangana tsangambato’ny famonoana nataonareo ianareo, fahatsiarovana ny famonoana fa tsy hoe fanonerena ny ratsy nataon’ny razanareo, satria iafaran’ny fihatsaram-belatsihy ao aminareo. Tsy tsara laza amin’ny finoana ianareo fa malaza amin’ny saritsary-na finoana. Sao dia isika izany ry havana ô ? Sao dia ny mampalaza antsika, saritsary-na finoana e ? Fa ny olona ry havana ohatran’ireo Maritiora ireo, tena nifanena marina tamin’ny Mesia dia hoe tsy manaja Azy eo imolotra, fa tena hoe manana fifandraisam-pitiavana, manana fifandraisam-panekena ary manana fifandraisam-panompoana manokana Aminy. Ary ho marik’izany hoe fanolorany ny fiainany ho Azy izany, ny zavatra asongadin’i Pasitera Rabary dia hoe ho an-dry zareo ireo, dia hoe hita fa ny Alahadin-ndry zareo dia tena hoe voatokana ho an’Andriamanitra ; Alahadin-ndry zareo dia tena hoe voatokana ho an’Andriamanitra ry havana. Tantarain’i Pasitera Rabary fa manomboka amin’ny 6 maraina hatramin’ny 8 : fianarana katekisma ; amin’ny 10ora30 : fanompoam-pivavahana lehibe ; amin’ny 01ora30 : mihazakazaka miverina any am-piangonana ireo mpivavaka ireo ; tsisy toriteny intsony fa anontanian’ny Misionera zavatra roa : Inona no tadidinao momba ny toriteny aninkeo maraina ? Ary faharoa : mbola mitahiry sampy na ody na zavatra ohatran’izany ve ianao ? Aiza moa no tsy ho mazava be ny nolazain’i Pasitera Rabary hoe tamin’ny 1831 nisy fifohazam-panahy goavana be teto amin’ny faritra Antananarivo teto ? Satria izany no nitaizana ny Fiangonana. Ary tamin’izany andro izany, dia hoe : ny olona rehefa Alahady, dia hoe mampiady ombilahy ; fa ireto olona ireto izay nandray an’i Jesoa ry havana dia tena hoe nisafidy ny ho any am-piangonana hiaino toriteny. Ny toriteny moa dia miompana amin’ny Mesia mazava ho azy. Ny hira koa hoy Pasitera Rabary tao am-piangonana dia toriteny vita. Ary hoy Pasitera Rabary : « ady rima no mafana amin’ny tonon-kira sasany ankehitriny ; fa ady fo kosa no nangotraka amin’ny tononkiran’ny Maritiora ». Ny sasany variana amin’ny ady rima hoy Pasitera Rabary, fa ny tononkiran’ny Maritiora dia hoe ady fo. Ny fiainany e, ny fiainany dia tany am-piangonana anamarihina an’ilay fanoloran-tena. Sanatria ve ry havana dia ho marina ilay faminaniana ratsy hoe : rehefa tapitra ity confinement ity dia maro amintsika no ho kamo satria tratran’ilay fahazaran-dratsy tsy ho any am-piangonana intsony fa hijery culte amin’ny télévision ? Tsy tsara laza noho ny finoana ianao ry havana ô, tsy tsara laza noho ny finoana ianao e, raha babon’i Satana amin’izany. Ary tena hoe zava-dehibe teo amin’ny tantaran’ity Antananarivo ity ry havana, tantaran’i Madagasikara moa izany, 29 Mai 1831 : batisa voalohany, batisa-na olona miisa 20, tena hoe hanao fanekena, fanekem-pihavanana amin’i Jesoa, ary hanaiky ho aroboka ao anaty ràn’i Jesoa amin’ny alalan’ny batisa ry havana ô. Ary tena hoe évènement izany teo amin’ny fiainana fa tsy fombafombam-pivavahana. Ho antsika izay mitana saritsary-na finoana e, ka efa lelafina faladia vao mitondra ilay zaza atao batisa eto ry havana ô : tsy tsara laza amin’ny finoana ianao raha izany no ataonao. Mampihetsi-po ny fanekena no-exigé-na tamin’ny olona izay ho raisina ho mpandray ; rehefa mijoro vavolombelona eo izy, dia manoratra ilay Misionera ; milaza mazava hoe : « Atolotro ho an’i Jesoa ny tenako sy ny fanahiko hanompo Azy sy hanao izay rehetra tiany. Ary amin’izao anolorako ny tenako izao dia mangataka amin’Andriamanitra aho hanampiany ahy amin’ny Fanahy Masina mba hitiavako an’i Jesoa amin’ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra sy ny heriko rehetra ». Rehefa tanteraka ny teny fikasana, ka tonga ny Mesia, dia tanteraka koa ny teny fikasana hoe : ny olona rehetra izay maniry an’izany dia fenoin’Andriamanitra ny Fanahy Masina ry havana ô ; raha tsy izany ianao tsy haharitra hatramin’ny farany. Haintsika ange ilay hoe : « izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena ». Haintsika ilay tapany farany ; fa ilay fiandohan’iny iniantsika tsy fantatra : « Fa ho halan’ny olona ianareo noho ny anarako » ; « Fa ho halan’ny olona ianareo noho ny anarako, fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena ». Raha tsy feno ny Fanahy Masina ianao, raha tsy feno ny Fanahy Masina, ary fenoina mandrakariva ianao, tsy haharitra hatramin’ny farany. Ireto kristiana ireto ry havana, ny Alahadiny : any am-piangonana. Ary mampihetsi-po ny mahita hoe par groupe de 40 na 50 izy manketsy amin’ny Fiangonana Ambatonakanga etsy, mivory ao amin’ny efitrano fisainana ao Ambatonakanga ny alina manontolo, miara-mivavaka. Hifonako amin’ny Tompo : azoko isaina amin’ny rantsan-tanana roa angamba ny fiaretan-tory mivavaka ato amin’ity Isotry Fitiavana ity ry havana. Efa nifona tamin’ny Tompo aho. Ary avy eo, noho ny tsy azo atao intsony ny mivavaka, dia hoe mifandimby mandray an-tsokosoko any an-tokantrano ny mpivavaka. Angamba raha amin’izao isika izao an : « an an an, aza mivoaboaka any ianao ka, maty any ianao ka, misy ronde ange any sy ny karazany : matimaty foana any ». Matimaty foana ahoana ??? Fa lasa any amin’ny tsara lavitra ianao raha maty ho an’ny Tompo tahak’izany ary raha fantatra fa tsara laza noho  ny finoana ry havana.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : NY OLONA TSARA LAZA NOHO NY FINOANA DIA MAHAFANTATRA FA RAHA MATY AO AMIN’NY TOMPO IZY DIA MANKANY AN-DANITRA ANY AMIN’NY PARADISAN’ANDRIAMANITRA, ARY AVY EO, AMIN’NY FOTOANA IZAY ANENDREN’ANDRIAMANITRA AN’IZAY, DIA MIARA-MIAKATRA ANY AMIN’NY JEROSALEMA VAOVAO.

Ny olona tsara laza noho ny finoana dia mahafantatra fa raha vao maty izy dia mamantana ao Paradisa, ary amin’ny fotoan’andro dia miara-miakatra any amin’izany hoe Jerosalema Vaovao izany. Ireo olona rehetra iza notanisain’ny Hebreo 11, ao amin’ny testamenta taloha ireo, izay tena hoe modely-na finoana ry havana ; ireo olona rehetra ireo izao ankehitriny dia efa miandry antsika kristian’ny testamenta vaovao ao am-paradisan’Andriamanitra.

Fa rehefa miteny ny Soratra Masina hoe : « fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika » : rehefa tonga ao Paradisa isika ry havana ô, izay vao miaraka ampiakarin’Andriamanitra any amin’ny Jerosalema Vaovao. Fa tsy misy hoe ireo efa mana-tombo any amin’ny Jerosalema Vaovao. Non. Noho ny laza tsara noho ny finoany, maty izy, na maty talohan’i Jesoa aza izy : ao amin’ny Paradisan’Andriamanitra izy ankehitriny. Izay no lazain’ny mpanoratra ny epistily ho an’ny Hebreo ao amin’ny and.16 : « Ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ireo Izy ». Ilay tanàna namboariny ho an’ireo sy ho antsika ry havana ô, dia ilay Jerosalema Vaovao. Fa tsy mbola miandry any izy, fa miandry ao Paradisa izy, miandry antsika, dia miara-miakatra any. Izany ve ny finoanao e ? Izany ve ny finoanao ? Fa izany ny finoan-ndry Rafaravavy Maria, izany no finoan’ireo Maritiora rehetra ireo. Fantany tsara fa tsy fiafarana izany hoe fahafatesan’ny tena ety an-tany izany.

Nampihetsi-po ry havana ilay tantara-na lehilahy anankiray izay, Maritiora anankiray izay ; izy moa dia anisan’ireo maty nazera avy eny Ampahamarinana tamin’ny Mars 49. Dia izy io izany tamin’ireny fotoanan’ny fanenjehana ireny dia ohatran’ny Maritiora maro, dia nogadraina. Fa azo lazaina hoe goragora ihany ilay fiandrasana azy ; dia nisy rahalahiny izay, rahalahiny iray tampo aminy nahazo alalana tamin’ny mpiambina hoe hitondra rano hoe ahazoan’i Rainimiadana maka douche ao am-pigadrana ao. Dia ny andro hariva, dia mitokana izy roalahy, dia miresaka ny rahalahin’i Rainimiadana amin’i Rainimiadana : « tsy mijery ilay mpiambina fa andao isika sy ianao handeha, andao isika sy ianao hitsoaka hoy izy, fa afaka mitsoaka tsara mihitsy isika izao ». Inona no notenenin’i Rainimiadana tamin’ilay rahalahiny ry havana? Nibanjina ny rahalahiny izy dia niteny hoe : « aza samponana ny diako fa ho any an-danitra aho ». Afaka mitsoaka ange izy e, fa tsy làlàna ange izao resahina izao e ; fa io ilay tenenintsika hoe fitarihin’ny Fanahy Masina : « Aza samponana ny diako fa ho any an-danitra aho ». Mbola nisisika ihany hoy Pasteur Rabary ny zandriny sady nandatsa-dranomaso nefa tsy azo nahodina i Rainimiadana. Dia hoy Rainimiadana tamin’ilay rahalahiny ni-insiste : « mankanesa ato aorianako ianao ry Satana ». Izay ilay hoe, araka ny tenin’ny Hebreo teo, tsy nanao izay ahafahany Rainimiadana ry havana ô. Fa notanterahiny hatramin’ny farany ny diany ho any an-danitra. Ary azo antoka izany Rainimiadana izany fa anisan’ny miandry antsika ao Paradisa ao ambony ao.

Ity moa tsy fitsipika na làlàna fa tena hoe fitarihin’ny Fanahy Masina. Fa inona no nahasahian’i Rainimiadana niatrika fahafatesana tahak’izany ? Ilay teny fampanantenana nataon’ny Mesia hoe : « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo ary ho vavolombeloko ianareo », tsy hoe vavolombeloko hatrany amin’ny faran’ny tany, fa hoe ho vavolombeloko ianareo hatramin’ny faran’ny dianareo ety an-tany. Izay no fitarihin’ny Fanahy Masina azy. Izay ilay izy ry havana.   

Faranana amin’ny tantaran’i Rasalama ry havana ô. I Rasalama Maritiora, izy koa moa izany nogadraina tamin’ireny fotoanan’ny fanenjehina ireny, dia izy nogadraina io, nogadraina izy noho ny finoany. Dia indray Alahady maraina, izy maty 14 Août 1837 ; fa ny Alahady 13 Août izy no nafindra tetsy Ambatonakanga ry havana ô. Satrio io Alahady 13 Août maraina io dia niteny taminy ilay havany izay nandefasan’i Rainiaro azy mba hoe :ity ambeno ao fa gadra ity noho ny finoany ; dia niteny tamin’i Rasalama hono Ramiandravola, Ramiandravola ilay hoe havan’i Rasalama ; niteny taminy Ramiandravola hoe : ity hoy izy, zairo kely ity akanjo ity. Tena nandà Rasalama. Izay no nitarihin’ny Fanahy Masina an’i Rasalama : nandà Rasalama dia niteny izy hoe : « an an an, Alahady androany, izaho tsy mikasika asa mihitsy ». Tezitra niaraka tamin’izay Ramiandravola, lasa nankany amin’i Rainiaro izy, dia Rainiaro niteny hoe :afindrao izao dieny izao ao Ambatonakanga io, fa rahampitso io vonoina, sao lasa ohatra, sao lasa modely. Dia ny alin’ny 13 au 14 dia tao Ambatonakanga teo no notazomina ry havana i Rasalama. Dia ny maraina, novahana ny gadrany, novahana ny fatorana ; niakatra an’iny Ambatovinaky iny izy, nandeha teny akaikin’ny tranon’i Jean Laborde iny izy, dia tonga tao izy, mandalo teo amin’ny Fiangonana teo Andohalo teo, dia hoe : « Tompoô, tato no nandrenesako ny tenim-pamonjena ka isaorako anao izany ». Teny an-dalana Rasalama, tsy nitsahatra ny nihira ny hiram-pivavahana, nandalo an’iny Ampahamarinana iny izy, tonga tao Ambohipotsy izy, nony tonga tao Ambohipotsy izy, dia mbola nihira ry havana ô. Ary misaotra an’Andriamanitra aho ato amin’ity fitandremana ity, androany no nianatra an’iny Hira 540 hoe : « Hitako ny lalan-tsara ka hizoraka, azoko ny famonjena ka hotanako mafy. Ampio aho ry Fanahy Masina ». Ampio aho ry Fanahy Masina. Ho fampieritreretana anao izao e, ho tsara laza noho ny finoanao ianao satria mifamatotr’aina amin’i Jesoa. Ho tsara laza noho ny finoanao ianao satria tsy nivoana amin’ny tenin’Andriamanitra. Ho tsara laza noho ny finoanao satria ampin’ny Fanahy Masina isan’andro isan’andro. Tonga tao Ambohipotsy izy, nihira an’io Hira FFPM 540 io, dia hoe : vita ny hira, dia mbola nangataka izy ny mbola hahazo hivavaka. Efa nivavaka izy ny alina manontolo ; nangataka izy ny mbola hivavaka ry havana. Nivavaka izy, dia teo am-pivavahana izy nanolotra ny fanahiny teo an-tanan’Andriamanitra. Dia teo izy no nolefonina izany e. Ary dia hoy Pasitera Rabary : nitakoritsika ny olona nanatrika teo ary gaga ny amin’ny fahasahiany, gaga ny amin’ny fiadanam-pony ary nilatsa-bava hoe : « marina ihany angaha ity fivavahany ity no dia sahy maty toa izao izy ». Izay ilay nolazaintsika teny am-piandohana ry havana malala ô : Tsara laza eo anatrehan’ny Tompo, tsara laza eo anatrehan’izay tia anao, tsara laza noho ny finoanao eo anatrehan’izay mpanenjika anao sy mpaniratsira an’Andriamanitra. Izany ve ianao ry havana ô ?

Any Bristol any, any Angleterre, dia hoe misy takela-bato fahatsiarovana an’i Rasalama, hoe : « Mpanompo sampy tany Madagasikara niova ho kristiana ; mpandray nanan-kaja tao amin’ny Fiangonan’ny Misionera ; Maritiora kristiana voalohany tao amin’izany Nosy izany. Ny andro niainany tamin’izany dia 39 taona. Izay mamery ny ainy noho ny Amiko dia hahazo azy. Matio 10 :39 ».

Ry havana ô, misaotra ny Tompo isika e, misaotra ny Tompo isika ny amin’izany teny izay. Zavatra ampatsiahivin’ny Tompo antsika farany dia izao e : Saino mandrakariva ny hoe : sokafany ho antsika ange e, raha naniraka ny Mesia Izy ; sokafany ho antsika ny Paradisa. Ara Rasalama Maritiora sy yn hafa rehetra dia efa miandry antsika ao, ary dodona ireo, dodona ireo eo am-piandrasana antsika fa efa te ho any Jerosalema Vaovao izy.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena                                            

image_pdfPDF