"Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain’ ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena hianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon’ izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’ i Satana. Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia tsy hosimban’ ny fahafatesana faharoa". Apokalypsy 2:8-11
À propos de: Mpanoratra
Messages récents par Mpanoratra
"Sady hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany ihany ireny, toy ny amin'ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao". Isaia 49:26
Tohiny
Ilay Voa Tsara Nafafy 16 Aprily 2019
"Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy ? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isaia 53 : 7 - 8)". Asan'ny Apostoly 8:33
Tohiny
Commentaires récents par Mpanoratra
Pas de commentaires par Mpanoratra encore.
