Messages récents par Mpanoratra

ALAHADY 31 MAR 2019

Ao amin’ny 1 Petera ry havana no hanombohana izao toriteny izao : 1Petera 1 :13 ; ary toriteny, mazava ry havana, fa natao ho an’ny sarababen’ny Fiangonana, fa ampiana avy hatrany hoe toriteny natao ho an’izay manantena fa rehefa miala ety an-tany izy, dia hamantana any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Izany ity toriteny ity. Iana izay mbola tsy rototra amin’izany, ho hitanao fa tsy hiteny aminao ity toriteny ity ; kanefa taomin’ny Tompo eto ianao amin’izao maraina izao, mieritrereta ihany, mandiniha tena ihany, apetraho ho tanjona izany hoe ho tonga, tafiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra izany, na oviana na oviana no hiala eto ianao.

1 Petera 1:13 : « Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy ».

Koa amin’izany sikino ny sainareo – sikino ny sainareo. DIEM, hitantsika teo dia hoe : « aoka ho vonombonona ny fanahinareo ».  Sikino ny sainareo.

RESAKA SIKINA

Ny sikina ry havana, dia ilay lamba ahodidina amin’ny lehilahy na amin’ny vehivavy ; ka rehefa hoe misy asa sarotra manokana, na rehefa hoe afainganina ny dia eny an-dalana, dia ilay lamba ahodidina ny tena iny, ampidinina na ampiakarina, dia afatotra amin’ny valahana. Izay ilay izy. Misy izany mampiakatra azy, misy mampidina azy mba hahafahana mandrha haingana ; fa ilay sikina dia afatotra ao amin’ny valahana, satria hoe hiatrika asa mafy, hiatrika fahoriana, satria hoe mila fainganina ny dia. Izay ilay nolazaina tery am-piandohana hoe ity resaka sikina ity dia natao ho an’ny olona izay mahatsiaro an-dalana, fantany izy fa tsy velombelom-poana, fa hoe an-dalana izy ho any amin’izany fanjakan’Andriamanitra izany ; ary tsy milalao an-dalana fa herezina ny dia, fainganina ny dia ; izay ilay resaka sikina ry havana. Ary eny an-dalana eny izy, tsy maintsy ho tojo fahoriana : izay ilay hoe sikino ilay saina. Sikino ilay saina, ataovy vonona ilay saina, ataovy matanjaka ilay saina, ataovy mibanjina zavatra tokana ny sainao dia ny fahatongavana any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Izany ity hoe resaka sikina ity, natao ho an’ny olona an-dalana ho any amin’izany fanjakan’ny lanitra izany ary manao ho zava-dehibe eo amin’ny fiainany ny hahatongavana any amin’izany hoe fanjakan’ny lanitra izany. Ianao ve izany ry Fiangonana o ? Ianao ve izany manantena hoe voasoratra any an-danitra izany ny anaranao, ary rahatrizay miala eto ianao dia tsenain’ny Tompo any amin’izany lanitra izany, ary satria ianao hiditra any an-danitra, tsy hipetrapetra-potsiny ety fa mandeha, an-dalana, ary sikininao ny sainao ? Izay ilay zavatra hodinihintsika anio ry havana. Dia andao jerentsika amin’ny tantaran’i Hezekia mpanjakan’i Joda, anisan’ny mpanjaka tsara indrindra teo amin’ny firenena Joda, ny fampiarana an’izany hoe Fiangonana misikina ny saina izany, efa misikina ny saina izany. Izay ilay toriteny moa izany, hoe : saina efa misikina.

2Tantara 29, tantaran’i Hezekia, mpanjakan’i Joda, tena hoe nanana saina nisikina, nibanjina an’Andriamanitra sy fanjakany. Ka zavatra anehoany an’izany, eo amin’ny and.10 : « Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin'i Jehovah, 
Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra ».
Mpanjaka miakatra eo amin’ny fitondrana : amin’ny volana voalohany amin’ny taona voalohany niakarany teo amin’ny fitondrana, nandimby ny dadany, izany ny tarigetrany ho an’io firenena izay nametrahana azy ho mpanjaka io, hoe mavesatra ato am-poko ny mba hiala amin’i Joda ny fahatezeran’Andriamanitra mirehitra, miala amin’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra, miala, handositra ny fahatezeran’Andriamanitra. Izay ny fahamarinana 1, fampiarana an’izany hoe mpino manana saina misikina izany.

Fahamarinana 1 : ATAOVY IZAY IALAN’NY FAHATEZERAN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY FIRENENAO, AMIN’NY ANKOHONANAO, AMIN’NY FIAINANAO EO AM-PIANDRASANA NY FIDIRANA ANY AMIN’NY FANJAKAN’NY LANITRA

Nirehitra tamin’i Joda ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny afitsok’i Ahaza rain’i Hezekia, izay tena hoe tompon’ny fanompoan-tsampy. Ary izany Ahaza izany dia anisan’ny nanolotra ny zanany ho dorana tamin’ny afo ahazoany fitahiana amin’ny sampy. Izany io Ahaza io. Fa Hezekia ry havana, araka ny perikopa androany, tsy mba nanao izay nataon’i Ahaza rainy, fa araka ilay and.2 : «Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy ». Rainy moa izany, hoe razany. Nanao izay mahitsy, mba hialan’ny fahatezeran’Andriamanitra.

Fa inona ny zavatra nitranga rehefa tonga ilay fahatezeran’Andriamanitra amin’ny firenena anankiray ? And.8-9 « Ka dia nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran'i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan'ny masonareo izao, Fa he! lavon'ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany ». Ry havana, isika rehetra ireto samy manana izay fandresen-dahany, samy manana izay firehana politika misy antsika ; fa peu importe izay firehana politika, tsisy Madagasikara handroso eo, raha mbola iharan’izany fahatezeran’Andriamanitra izany. Tsy misy firenena handroso eo, raha mbola iharan’izany fahatezeran’Andriamanitra izany. Ary inona ny zavatra mitranga eto rehefa hoe iharan’ny fahatezeran’Andriamanitra Joda sy Jerosalema ? Hoe : nanolotra azy ho mpanjenjena. Mandrak’izao anie ry havana, maro ny malagasy no mpanjenjena ara-panahy e ! Tapitra voatetiny daholo ireo sekta ireo nefa hoe tsy mahita an’i Jesoa izy, iharan’ny fahatezeran’Andriamanitra izy ; natolotr’Andriamanitra izy «ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan'ny masonareo izao ». Hoy ny DIEM hoe : « ohatra hampihoron-koditra », nataon’Andriamanitra « ohatra hampahonena », nataon’Andriamanitra « ohatra ho enti-maneso ». Sao dia izany ity firenentsika ity ? Sao dia izany isika kristiana malagasy, ataon’Andriamanitra hoe mampihorin-koditra izay mandinika ny fiainantsika ny  fahitana antsika ry havana? Sao dia isika ilay hoe mampahonena rehefa mandinika antsika ? Ary sao dia isika ilay hoe ho enti-maneso rehefa hoe mandinika antsika, satria ao anatin’ny fahatezeran’Andriamanitra isika ry havana ? Rahoviana isika malagasy no hanana filoham-pirenena voafidy ara-dalana ka hiteny hoe : « o re olona o, o ry malagasy mpiray tanindrazana amiko, ary indrindra, eo ianareo kristiana tahak’ahy, izay nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, na inona na inona anaram-piangonana misy anareo, ny anaram-piangonana misy antsika, hoe, ny zavatra ho ataoko, ny fanapahan-kevitra voalohany, dia atao izay ialan’ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ity tanindrazantsika malala ity ». Rahoviana isika vao hanana an’izany ? Fa rehefa hankalazan ny faha-59 taona isika, amin’ny faha-60 taona ny fahaleovan-tena, anaty ozona sy eo ambany fahatezeran’Andriamanitra, ilay fihetsika ivelany, défilé sy ny matso atao ihany !

Ary hoy ny tenin’Andriamanitra hoe, rehefa nihatra taminy ny fahatezerana, « lavon'ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany ». Mahavaky fo anie ny mahita an’ireny tanora vavy malagasy lasa babon’ny vazaha fotsy sy vazaha mainty e ! Izany ilay fahatezeran’Andriamanitra. Tany Diégo izahay, niaraka tamin’i Pasteur Ammi tamin’ny Alakamisy sy Zoma teo, rehefa mandeha, lalina izany hoe tovovavy kely, tsara tarehy, miaraka amin’ny anti-dahy ; lasa babon’ny vahiny noho ny fahatezeran’Andriamanitra ity firenena ity, ny zanakavavintsika sy ny vadintsika ry havana. Dia hoy ny Tompo, ianaro, tahaka an’i Hezekia, hoe manànà saina misikina, ary rehefa manana saina misikina ianao, satria mibanjina an’izany fanjakan’Andriamanitra marina izany, dia hoe ataonao ho vaindohan-draharaha izany hoe ialan’ny fahatezeran’Andriamanitra aminao, amin’ny ankohonanao, amin’ny fiangonanao sy amin’ny firenenao izany.

Fahamarinana 2 : NY OLONA MANANA SAINA MISIKINA DIA TSY MANGATAK’ANDRO MANAMASINA NY TENANY

Ka rehefa hoe manao izay ialan’ny fahatezeran’Andriamanitra amina firenena izany ry havana, inona no mbola ohatra omen’i Hezekia antsika Fiangonana androany ? Eo amin’ny and.4-5 : «Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo ankalalahana atsinanana.  Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, hianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao» ; and.12 : «Dia nitsangana ny Levita ». Ny olona, izay hoe miala ny fahatezeran’Andriamanitra dia manamasina ny tenany. Ary tsy vitan’ny hoe manamasina ny tenany, fa ity no tena tsindrina : tsy mangatak’andro hanamasina ny tenany. Tsy hoe, efa henoko izay Pasitera an ; tsy mangatak’andro hanamasina ny tenany. Izay no nahatonga antsika namaky an’ilay hoe : « Dia nitsangana ny Levita » : vao nafaran’i Hezekia mpanjaka ny mpisorona sy ny levita, dia nitsangana ny levita ka nanamasina ny tenany. Iza moa ireto mpisorona sy levita ireto ry havana ? Ny mpisorona moa, dia ireo no mpanao sorona, arak’izany anarana izany tao amin’ny tempoly ; ary ny levita dia karazany hoe adjoint na assistant-ny mpisorona. Raha amin’izao fotoana hitenenantsika izao izany, ny mpisorona dia azo oharina amin’ny mpitondra fivavahana rehetra ; ny levita dia ny mpanampy azy, assistant na adjoint, dia ireo manao asa-na diakona. Izany hoe Hezekia mpanjaka te hampiala ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny firenena Joda sy Jerosalema, inona no nataony ? Miantso ny mpitondra fivavahana rehetra ao Joda sy Jerosalema izy, sy ny levita mpanampy azy, dia hitenenany hoe : manamasinà ny tenanareo ianareo. Izany ny antoky ny fipoiran’ny fifohazam-panahy eo amin’ny firenena anankiray ; ary rehefa mipoitra izany fifohazam-panahy izany, tahaka ny tamin’ny andron’i Hezekia ry havana, dia tonga ny fandrosoana amin’ny lafiny rehetra. Tsisy firenena handroso raha tsy mandalo amin’ny fifohazam-panahy, ary tsisy fifohazam-panahy ipoitra eo, raha tsy manamasina ny tenany ny mpiandraikitra voalohany ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra. Ary aza mangatak’andro amin’izany hoy ny Tompo, amin’ny alalan’ity tantaran’i Hezekia ity.

Mamarana ny volana andinihina ny lohahevitra hoe : Manamasina ny fiainanao ho an’ny Tompo, na ao amin’ny Tompo ; ampatsiahivina kely ny amin’ity hoe fanamasinana ity. Zavatra 3 fohy ry havana, tsy te hoe hanalava resaka, fa heverina hoe adidy ny mampilaza an’izany an’ny Fiangonana ; misy endriny 3 ity hoe fanamasinana ity : rehefa miteny ny Soratra Masina hoe « manamasinà ny tenanareo », ny zavatra volaohany ampatsiahivina aloa ry havana dia hoe : Andriamanitra no manamasina antsika. Izay no zavatra voalohany. Ianareo izay maka naoty, raiso kely izay. Araka ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Eksodosy 31 :13 : «Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo ». Tsisy olona hanamasina ny tenany eo, raha tsy mahatsiaro aloa izy hoe possible ny manamasina ny tenako, satria Jehovah aloa efa nanamasina ahy. Izay ny zavatra voalohany. Ny zavatra faharoa dia izao : inona moa no ataon’i Jehovah, inona moa no ataon’i Jesoa raha hoe nanamasina antsika ry havana ? Ny zavatra nataony dia faran’izay tsotra, hoe : rehefa hoe antsoiny isika, sarihiny isika avy any amin’ny tontolo niainantsika tany, teo amin’ny faha-jentilisana, teo amin’izao tontolo izao, teo amin’ny fisainan’izao tontolo izao, ny fahafinaretan’izao tontolo izao, ny fifalian’izao tontolo izao, sy ny karazany tany amin’izay nanalavirany antsika tany ; nosarihiny isika ho eo Aminy, nafahany izany, rehefa no-tontaliana, tamin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fanandevozan’i Satana. Izay ilay olona tsy manatona : eo ambany fanandevozan’ny ota, eo ambany fanandevozan’i Satana. Dia hoe izay ilay endrika faharoa ambara momban’ny fahamasinana ry havana. Asan’Andriamanitra ilay izy, voalohany indrindra, ary faharoa, rehefa mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ianao, dia hoe masina ianao, voasarika avy any ianao. Ny endrika fahatelo amin’ilay fahamasinana ry havana dia izao : tsy tapitra eo ilay fanamasinana, fa ho an’ny olona efa nosarihina ohatran’izany ka nandray Azy marina, dia miditra an-tsehatra ny Fanahy Masina manavao isan’andro ary manamasina. Inona no dikan’ilay hoe manamasina ? Inona no dikan’ilay fanamasinana ataon’ny Fanahy Masina ? Manova tsikelikely ilay fomba fisainanao. Angamba mizara roa isika : ny olona efa manana saina misikina, ary ny olona tsy mahafantatra. Fa enga anie ka ny Fanahy Masina hiasa aminao amin’izao maraina izao, dia hoe hanova tsikelikely izany fisainanao izany, mba ho fantatrao ny maha-zava-dehibe, ny maha-fampianarana volamena an’izany hoe : manànà saina misikina ry Fiangonana o. Fa asan’ny Fanahy Masina, rehefa nandray aho, hoe : manova tsikelikely izany fomba fisainako izany, manova tsikelikely ny foko, ary manova ahy tsikelikely mba hoe ho atokako marina ho an’i Jesoa ny fiainako sy izay rehetra momba ahy ; fa tsy hoe misy compartiment, misy lafim-piainako sasany tena hoe tsy idiran’i Jesoa ry havana. Izay ilay hoe fanamasinana. Hatreto izany, amin’izay lafiny anankitelo izay, asan’Andriamanitra ilay fanamasinana. Fa ny endriky farany dia hoe ahoana ny fampiarana an’izay fanamasinana izay ? Izaho no manamasina ny tenako amin’izay. Izaho no manamasina ny tenako rehefa hoe mahatsiaro tena an’izay zavatra anankitelo izay. Manamasina ny tenako aho : miezaka aho hiady amin’ny fahotana, miezaka aho hiady amin’ny fakam-panahy, izay mamesatra, izay manelingelina amin’ilay diako sy ilay hazakazako ho any an-danitra ka mety tsy haha-tody ahy any an-danitra ry havana o. Tsy resaka morale ny fitenenana hoe tohero, alaviro, reseho, aza avela hanjaka ny fahotana. Tsy resaka morale izany, fa resaka hoe entana mamesatra anao na dia misikina aza ianao, tsy ahafahanao mankany an-danitra ; fa rehefa hoe misikina marina ianao, misikina ny sainao, dia fantatrao hoe ireto mbola tokony ialako, ireto mbola tokony ialako, ireto mbola tokony ialako ary ny Fanahy Masina ry havana o, no mampiala anao tsikelikely, manondro anao tsikelikely an’izany. Fadio, araka ilay tenin’i Petera teo, ilay hoe fitondran-tena ratsy rehetra. Na izaho na ianao, samy mahalala an’izany fitondran-tena ratsy tokony ialana izany ; fa ny maha-samy hafa antsika dia izao : ny sasany mahalala ary te hiala ; ny sasany mahalala, ary manamari-tena.

Izay ilay fahamarinana faharoa izany hoe : aza mangatak’andro, manamasinà ny tenanareo ry Pasitera, ry mpitondra fivavahana, sy ry diakona namany. Aza mangatak’andro amin’izany dia hiala ao aminao sy ny ankohonanao, hiala amin’ity firenena ity izany fahatezeran’Andriamanitra izany.

Fahamarinana 3 : NY OLONA MANANA SAINA MISIKINA DIA TSY MALAINA

Inona no mbola ampianarin’i Hezekia antsika ry havana ? Ny fomban’ny olona hoe manana saina misikina dia hoe :

- Mampiala ny fahatezeran’Andriamanitra

- Mitaona ny mpitondra fivavahana sy ny diakona tsy hangatak’andro hanamasina ny tena.

Ary jerentsika ny and.11 : « Ry zanako, aza malaina hianareo; fa hianareo no nofidin’ i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy ». Izany olona manana saina misikina izany ry havana o, dia tsy malaina, tsy malaina.

Ny fahamarinana teo aloha dia hoe tsy mangatak’andro ; ny fahamarinana ankehitriny hoe : tsy malaina. Zavatra roa no itarafana an’izay hoe fahavitrihina ara-panahy, fahazotoana ara-panahy izay ho an’ny olona izay manana saina misikina. Tenenina ilay mpisorona, tenenina ilay levita hoe : nareo nge aza malaina e ! fa hianareo no nofidin’ i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana. Ry Fiangonana ô, izay manana saina misikina : aza malaina manao fanompoam-pivavahana.

Rehefa jerena, tsy dia hoe tsy fitiavana diakona akory na inona, fa rehefa mijery ny fiainan’ny diakona any an-kafa any ry havana, ny zavatra mampalahelo, dia hita io fahalainana io : rehefa tsy service ilay diakona, dia tsy miangona ao amin’ilay Fiangonana nifidy azy ho diakona izy. Tsy miangona fotsiny izy : « ny anay moa Pasitera dia miala tsiny, fa izahay, any Manjakandriana no mipetraka dia rehefa tsy service izahay dia any izahay no miangona ». Dia roa volana izy tsita mihitsy. Fa maninona tsy misoratra any Manjakandriana dia any no manao diakona fa maninona no mikiry ho aty Isotry Fitiavana rehefa lavitra aminao Isotry Fitiavana? Izay ilay fahalainana ry havana. Izany hoe ianao tsy afaka hoe hanana saina misikina ka hazoto amin’ny fanompoam-pivavahana nefa ianao kamo mamonjy fanompoam-pivavahana rehefa tsy service ianao. Fa tsy izay ny tena zava-dehibe eto, na dia hoe zava-dehibe ary izany. Ry havana o, rehefa jerena anie, eo izany izahay mpisorona, mananatra rehefa aty am-piangonana rehefa Alahady, fa eo ianareo levita, ianareo levita anie no miparitaka sy miely patrana eran’ity nosintsika ity e. Ary tenenina hoe aza ny Alahady ihany ianareo no manao fanompoam-pivavahana, fa aoka ny Alatsinaina ka hatramin’ny Asabotsy, dia manao fanompoam-pivavahana isan’andro ianao. Aoka io asanao io, ho karazana fanompoam-pivavahana. Andeha ange jerentsika e : tonga saina aho ny amin’ity hoe fanompoam-pivavahana, miresaka fanarenam-pirenena mantsy isika eto, miresaka fanasitranana firenena mantsy isika eto ; ary ity firenentsika ity, mila sitranina ry havana. Romana 13 :1 « Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra », hoe ekeo io fahefana amboninao io fa avy amin’Andriamanitra izany. Fa ny zavatra tsikaritra ry havana, eo amin’ny Romana 13:6 : « Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny ». Eo ny fahefana lehibe izay mampandoa hetra ireo, ekeo ilay hoe fampandoavan-ketra e. Izay ilay izy, fa ireo fahefana lehibe ireo, dia lazaina hoe mpanompon’Andriamanitra. Ilay autorité politique izany, ilay mpitondra fanjakana izany :mpanompon’Andriamanitra. Ary ilay teny grika amin’io hoe mpanompon’Andriamanitra io, hoe olona mpanao litorjia, « leitourgía ». Raha Président de la République aho, raha praiminisitra aho, raha mpanolotsaina aho, raha tale, tale jeneraly aho any amin’ny ministera misy ahy, any amin’ny orinasa misy ahy ; fa any amin’ny fanjakana moa izao resahina izao : mpanao litorjia ho an’Andriamanitra aho ny Alatsinainy ka hatramin’ny Asabotsy, fa tsy hoe rehefa ato am-piangonana ihany vao hoe diakonos manao leitourgía ry havana o. Izany no hanovana an’ity firenena ity, ary izany no ampandosirana, ialan’izany hoe fahatezeran’Andriamanitra hirehitra amin’ity firenentsika ity. Tsarovy hoe « liturge », avy amin’ny hoe litorjia ihany, hoe liturge-i Jesoa ianao ry havana eo amin’ny fitondrana o. Izany ny hafatr’i Kristy ho anao, ary aza malaina manao fanompoam-pivavahana Alatsinainy ka hatramin’ny Asabotsy. Isaorana an’Andriamanitra rehefa mahare sasany aminareo : ao aminay Pasitera, misy cellule, ao aminay Pasitera misy fiombonam-bavaka, isaorana Andriamanitra, avy Aminy izany. Fa aoka tsy amin’ny cellule ihany no hoe manao litorjia ho an’Andriamanitra, fa aoka ilay fanompoanao, eo amin’ny fanjakana na inona na inona, dia hoe mpanompon’Andriamanitra ianao ary mpanao litorjia fiderana an’Andriamanitra. Ary araka ny tenin’ny Apostoly Paoly ao amin’ny Kolosiana, hoe : n’inon’inona ataonao, aza atao ho an’ny filoham-pirenena io, na ho an’olon-kafa, fa ataovy toy ny ho an’Andriamanitra. Hiova ity firenena ity, hiova ity firenena ity, raha ny mpanao politika rehetra, n’inon’inona firehany, ahatsiaro tena ho mpanompon’Andriamanitra, liturge-n’Andriamanitra, Romana 13, ary tsy malaina amin’izany.

Fahaefatra farany, faharoa amin’ity : aza malaina, hoy ny and.11, amin’ny fandoroana ditin-kazo manitra. Aza malaina amin’ny fandoroana ditin-kazo manitra. Io fandoroana ditin-kazo manitra io an, dia fomba fiderana an’Andriamanitra, fankalazana an’Andriamanitra tao amin’ny tempoly, ary ny mpisorona, isan’andro, isan’andro, dia mandoro ditin-kazo manitra eo amin’ny alitara fandoroana an’izany ditin-kazo manitra izany, dia misy fofona manitra miakatra ho any amin’Andriamanitra ry havana. Ary ny mpandinika dia milaza fa fiderana sy fankalazana an’Andriamanitra io. Ary isan’andro isan’andro, dia karazana ditin-kazo manitra samihafa no doran’ilay mpisorona, satria ilay karazana ditin-kazo anankiray milaza toetran’i Kristy anankiray, ny hatsaran’ny toetran’i Kristy anankiray. Izay no ao amin’ny Testamenta Taloha. Aza malaina mandoro ditin-kazo manitra.

Fa ho antsika ry havana, mpisorona, levita, mpino tsotra, hoy ny Tompo aminao, ary toriteny atao amin’ny olona manana saina misikina, an-dalana ho any amin’ny fanjakan’ny lanitra izao, hoe : ianao koa, aoka ho mpandoro ditin-kazo manitra ianao. Inona moa no dikan’izany ? Aoka ianao ho manim-pofona, aoka ianao ho manitra, hanitra manambara an’i Kristy ianao e. Aoka ho izany ny fiainanao ry havana o, hanitra manambara an’i Kristy ianao any amin’izay rehetra anirahan’ny Tompo anao. Miresaka ilay fiainana andavan’andro ry havana, misy olona, miresaka aminao izy, midorehitra be ilay ranomanitra. Indraindray moa misy tsara be ilay izy fa indraindray hoa ahoana ary ity, tsy mba manam-bady ve iny miteny hoe ajanony malala iny ranomanitra iny ? Misy indray olona, tsy manao ranomanitra izy, tsy maninona izany, tena tsy problema mihitsy izany. Fa misy olona indray, sady tsy manao ranomanitra izy, no maimbo tsemboka, maimbo helika ; ary izy irery no tsy mahanfatra hoe maimbo helika sy maimbo tsemboka izy an. Izay ilay zavatra ; izany hoe ny olona rehetra azo lazaina hoe samy manana fofona daholo, izay ilay izy ; fa izao ry havana o : rehefa mifanerasera amin’ny olona any amin’izay anirahan’ny Tompo ianao, ranomanitra lafo vidy avy any an-dafy ve no anaovanao, sa ianao maimbo inona na maimbo inona ? Sa hoe oay, hafa indrindra i anona iny, ilay ranabavy iny, ilay rahalahy iny, fa tena hoe manitra ny hanitr’i Kristy ; ny fiainana dia manambara izany hoe fahatsaran’i Kristy izany. Ary ilay mandoro ditin-kazo mantsy mantsy dia hoe milaza fiainam-bavaka ary fiainam-piankohofana. Mandinika anao ve ny olona, na tsy mitantara aza ianao, kilasiana hoe, iny indray, dia olon’ny vavaka, lehilahin’ny vavaka, vehivavin’ny vavaka, ary lehilahy na vehivavy hoe mpiankohoka eo anatrehan’ny Tompo. Aza malaina mandoro ditin-kazo manitra ho an’ny Tompo, ary aza malaina, meteza ianao ho hanitr’i Kristy ho an’ny mpiara-belona aminao, ary atomboy ao amin’ny ankohonanao izany. Hanitr’i Kristy ho an’ny vadinao ve ianao ? Hanitr’i Kristy ho an’ny zanakao ve ianao ?

Ry havana, faranana izao teny izao : raha miverina any amin’ny 2 Tantara 29, ny zavatra ambara ao amin’ny 2 Tantara 29 :3 dia hoe : « Tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah izy ka namboatra azy ».  Tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona voalohany : ry havana o, ry havana o, noho izao toriteny izao, raha mbola tsy nanapa-kevitra ianao, dia raiso hoe « anio no andro voalohany amin’ny volana voalohany, sy amin’ny taona voalohany amin’ny androm-piainanao sisa », « aujourd’hui, c’est le premier jour du reste de ta vie ». Tapaho ny hevitra, ary aoka ianao hanana saina misikina, aoka ianao hanana saina misikina ; dia araka ny tenin’i Petera, hoe : mahonona tena amin’izany, mahononan tena ny amin’izany fa lavitra akaiky ny any an-danitra, ary afaran’i Petera hoe : sikino ny sainao, ary mahonona tena satria eny an-dalana ho any an-danitra, zavatra roa no tsy maintsy andalovanao : voalohany indrindra, zavatra hampihorohoro anao, zavatra hampi-panique anao, zavatra hampi-stress anao, mahonona tena, fa aza mora mi-panique, aza mora mikorapaka. Iray izay. Faharoa, mahonona tena, hoy Petera : aza avela ianao ho rebireben’ny rehak’izao fiainana izao, ny distraction sy ny plaisir eto amin’izao tontolo izao ; aza avela ho rebireben’izany ianao ry havana o, lavitra akaiky ny any an-tranon’ny Raintsika, fa hoy ny Tompo hoe : ianao, sikino ny sainao dia hanampy anao ny Tompo, homba anao ny Tompo, hiara-dia aminao Izy, ary Izy no hiasa ao aminao, na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka an’izany hoe saina misikina izany, hahatanteraka ny sitrapony, ho fankalazana ny voninahiny ny fiainanao.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

"Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho". Eksodosy 12:13
Tohiny

Commentaires récents par Mpanoratra

Pas de commentaires par Mpanoratra encore.