Messages récents par Mpanoratra

"Tompo o, Ianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Ianao. Jehovah o, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko. Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy".Fitomaniana 3 : 58 - 60
Tohiny

"Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan*'ny mazava avy any amin'ny Avo ho antsika. [*Na: niposahan'] Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana". Lioka 1 : 78 - 79
Tohiny

"Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany, dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesoa Kristy* ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa".[*Ampio hoe: (ho an'ny olona rehetra sy)] Romana 3 : 21 - 22
Tohiny

"Fa efa saiky niriko aza ho voaozona* ho afaka tamin'i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo, [*Grika: anatema] izay Isiraelita sady manana ny fananganan'anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana".Romana 9:3-4
Tohiny

Commentaires récents par Mpanoratra

Pas de commentaires par Mpanoratra encore.