Messages récents par FJKM Isotry Fitiavana

Fankalazana 40-15 Pasteur Solofo mivady, Asab 13 aprily 2019

ALAHADY 03 MAR 2019

« Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko. Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra ». Eksodosy 19 :4-5

« RAKITRA SOA HO AHY ». Io mihitsy izany ry havana no hafatra manokana omen’ny Tompo antsika amin’izao maraina izao : isika dia ataony rakitra soa ho Azy. Amin’ny teny hebreo, ilay rakitra soa, resaka trésor, trésor précieux : SEGOULAH. Ary io trésor précieux io dia hoe an’Andriamanitra io. Izaho izany, ilay trésor précieux, ilay rakitra sarobidy ho an’Andriamanitra, eo anatrehan’Andriamanitra, fananan’Andriamanitra. Na ilay dikan-teny Segond, na ilay dikan-teny protestanta tsy tena mahalaza an’io SEGOULAH io. Fa ny DIEM no manakaikikaiky an’ilay tian’ny Fanahy Masina ambara : ianareo dia ho harena, fananana sarobidy manokana ho an’Andriamanitra. Fananana sarobidy manokana ho an’Andriamanitra, izay no dikan’io Segoulah io. Aseho antsika io satria isika Fiangonana mianatra, mba mahay ireny teny grika Agape, Eros, Filia sy ny karazany ireny : io mba hianarantsika, hoe : ianao, Segoulah an’Andriamanitra ianao ry havana o. Tadidio izay, tadidio mandrakariva izay : Segoulah an’Andriamanitra ianao, fananana sarobidy manokana ho Azy ianao.
Andao ary jerentsika ny maha-Segoulah an’Andriamanitra anao ry havana, satria izay no endrik’ilay lohahevitra volamena omen’Andriamanitra antsika indray, hoe : Manamasìna fiainana ho an’ny Tompo na ao amin’ny Tompo. Atokany ny fiainanao ho an’ny Tompo, ary raha fintinina dia hoe : ATOKANY NY FIAINANAO HO AN’NY TOMPO DIA HO SEGOULAH IANAO. Fa raha tsy manokana ny fiainanao ho an’ny Tompo ianao, tsy ho Segoulah ianao, fa ho velovelom-poana ianao.
Hoy ny and.4 : « Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko ». Andriamanitra nampanakaiky ireto zanak’Isiraely ireto taminy.

Fahamarinana 1 : MANKANESA EO AMIN’NY TOMPO – MANAKAIKEZA NY TOMPO
Ny vahoaka no ilazana an’izany, ny Fiangonana no ilazana an’izany ; eto amin’ny 1er banc eto ianao, tsy midika izany fa akaikin’Andriamanitra : Manakaikeza an’Andriamanitra, mankanesa amin’Andriamanitra. Dia ny fanontaniana apetraka ao an-tsainao sy ao am-ponao mandritra izao toriteny izao, mandritra izao fanompoam-pivavahana izao, dia hoe : fa amin’inona moa no analavirako an’Andriamanitra no teneniny aho hoa mankanesa ianao, manakaikeza ianao Ahy e ? Mampatsiahy ny zavatra nataon’Andriamanitra eto amin’ity Eksodosy 19 :4 ity hoe « Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana ». Telo volana taorian’ny nitana ny ranomasina mena no nitranga ity Eksodosy 19 ity, dia hoy Andriamanitra : « hitanareo izay nataoko tamin'ny Egyptiana nanomboka tany amin’ny loza 10 an, hatramin’ireny hoe nanenjehan’i Farao sy ny kalesiny sy ny miaramila ireo tany an’efitra ireny an, hitanareo ky nataoko. Hitanareo ny nataoko raha nanampy anareo Aho hita tamin’ny fomba mahagaga ny ranomasina mena. Hitanareo izany ». Ary rehefa miteny Aho hoe hitanareo hoy ny Tompo, fantatrareo tsara ny fampijaliana feno habibiana nampahorian’ny Egyptiana anareo tany Egypta nandritra ny 400 taona. Ary ny amin’izany fampijaliana feno habibiana izany, raha ianareo, tsy afaka nanavo-tena tamin’izany. Raha ianareo nenjehin’i Farao tany an’efitra, raha ianareo tonga teo amin’io ranomasina mena izay sakana io, tsy afaka nanavo-tena ianareo. Hitanareo izay nataoko tamin’ny Egyptiana ; adikao hoe : hitanareo ireny, Izaho no ni-contrôle an’ireny. Fantatrao ve fa te hi-contrôle ny fiainanao Andriamanitra ? Fa tsy mi-contrôle ny fiainanao Izy satria ianao manalavitra Azy ; ny olona eo ambany masony ihany no contrôlé-ny ny fiainany.
Dia mbola manazava Andriamanitra, ary mahagaga ity fanazavana, ity sary ampiasainy ity : « Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ». Avy any Egypta izany izy, tonga eto an-tendrombohitra eto, dia hoe nafahan’Andriamanitra, novonjeny tamin’ny ranomasina mena, novonjeny tamin’ny tsy fisiana sakafo, tsy fisiana rano an, novonjeny tamin’ny amalekita ; fa tsy misy ao amin’ny Eksodosy ao ry havana, fitantarana hoe nanomboka teto ka hatreto Andriamanitra dia hoe nitondra azy tamin’ny elatry ny voromahery. Fa inona ilay sary tian’Andriamanitra ampiasaina ry havana o, raha hoe mitondra ahy, mitondra anao amin’ny elatry ny voromahery Izy ? Mahafinaritra ilay sary ry havana o. Ilay voromahery hono, rehefa handeha hampianatra ilay zanaka voromahery hanidina, dia alainy ilay zanaka voromahery ary miainga izy aloa eo ambonin’ilay tranom-boromahery kely, dia miainga ilay reniny dia manidina mikopakopaka elatra, asehony amin’ilay zanaka voromahery ilay fomba fanidinana. Aorian’izay dia alain’ilay renim-boromahery ilay zanany dia tereny hiala ao anatin’ilay tranom-boromahery. Ilay tranom-boronkely moa izany ery ambony ery, dia milatsaka ilay zanaka voromahery. Ary izy millatsaka iny, dia voatery mikopakopaka elatra koa izy, teren’ilay reniny hikopakopaka. Dia misy fotoana, mbola zaza moa izy, dia mikopakopaka, dia vizana, dia tsenain’ilay reniny. Izay ilay fomban’Andriamanitra tamin’ny Zanak’Isiraely : nisy fotoana ireo nahatsiaro reraka, nahatsiaro lavitra, nahatsiaro solafaka, fa eo, namonjy azy Andriamanitra. Ary ry zareo mpandinika ny fiainan’ny biby ireny, dia nisy étude tany momban’ireny voromahery ireny : tsy mbola nisy hono accident-na voromahery ka renim-boromahery tsy mahatratra ilay zanany.
Ry havana o, mi-contrôle ny fiainanao Andriamanitra ary te hi-contrôle ny fiainanao Izy ; fa mankanesa eo akaikiny , manatona Azy : aoka izay ny mankaty am-piangonana amin’ny fahazarana, mankanesa eo Aminy, manakaikeza Azy. Izany no antso ho anao amin’izao maraina izao. Jereo tsara ilay and.4, hoy Izy hoe : « Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko ». Ry havana o, andevo 400 taona ny zanak’Isiraely tany Egypta ary ny tanjon’Andriamanitra ho azy voalohany, tsy hoe hanafaka azy amin’izany fanandevozana izany ; ny tanjon’Andriamanitra voalohany dia hampanakaiky ny Zanak’Isiraely Azy. Efa akaiky an’Andriamanitra ve ianao ? Izany no tanjony, hoe : Mankanesa aty amiko ianao. Vaovao mahafaly izany ry havana o. Ary raha mijery ny fiainanao ianao, ianao anie no tahaka an’io zanak’Isiraely io, any an’efitra amin’izao fotoana izao. Fa izao, izao no tombontsoantsika amin’ny zanak’Isiraely tany an’efitra ry havana o : ilay tenin’i Jesoa Kristy ao amin’ny filazantsaran’i Matio, « na dia ny volon-dohanao aza, dia voaisany ». Ny dikan’izany : fantany ny momba anao ; fanisana mahagaga izany fanisana isan’ny volo eo an-tampon-dohan’ny olona anankiray izany ; fa tsy dia izany loatra no zava-dehibe, fa hoe fantany ny totalité momba anao, hatramin’ny madinika indrindra momba ny fiainanao ; fantany izany, fa ianao no tsy te hankeo Aminy mba ho raisiny an-tanana, mba ho contrôlé-ny ny fiainanao ry havana o. Fa ianao anatin’ny tsy fisiana, anatin’ny tsy fahampiana sakafo, tsy fahampiana rano ; ianao ao anatin’ny hain’andro mingaingaina – izany no nahazo an’ireto zanak’Isiraely ireto – mangatsiaka be nony alina, maamy be ny atoandro ; ny amalekita tonga koa. Ianao voadidina amalekita ry havana o, ary matetika ao amin’ny ankohonanao io amalekita manenjika anao io : te hi-contrôle ny fiainanao Andriamanitra, fa miteny aminao Izy hoe : « Mankanesa eo Amiko fa na ny volon-dohanao aza anie voaisako e, ary Izaho, omaly sy anio ary mandrakizay, te hitondra anao araka ny fanaoko, amin’ny elatry ny voromahery, te hitondra anao amin’ny elatry ny voromahery.
Izay no fahamarinana 1 ry havana, miteny aminao Izy hoe : Aoka izay ny fombafomba, aoka izay ny fiatsaraham-belatsihy, mankanesa eo Aminy mba tsy ho maty antoka ianao sy ny taranakao.

« Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra ». Eksodosy 19 :5
Fahamarinana 2 : NY FANKATOAVANA AN’ANDRIAMANITRA NO AHAFANTARANAO, NO ANEHOANAO FA TENA SEGOULAH IANAO
Ilay condition ry havana, mba ho Segoulah ianao, dia ny fanekena, ny fankatoavana. « Ahy ny tany rehetra, Ahy ny firenena rehetra, Ahy ny olona rehetra hoy Andriamanitra. Andriamanitra dia fitiavana : tia ny tany rehetra Izy, tia ny firenena rehetra Izy ; fa tsy ny firenena rehetra no Segoulah. Tia ny malagasy rehetra Izy, tia ny kristiana rehetra Izy ; fa tsy ny kristiana rehetra, tahaka ny Zanak’Isiraely eto no Segoulah. Izay mankatoa ihany, izay no ataon’Andriamanitra Segoulah-ny ry havana o : fananana sarobidy manokana ho Azy. Mitomboa amin’ny fankatoavana ry havana o. Fankatoavana an’inona ? Fankatoavana an’Andriamanitra – Fankatoavana ny teniny – Fankatoavana ny fandaminam-piangonana. Atolory Azy ny manontolonao, avelao Izy no hi-contrôlé azy. Manana programa ianao eo amin’ny fiainanao ? Avelao Izy hi-contrôle ny programam-piainanao manomboka anio. Manana ny sitraponao ianao ? Avelao Izy hi-contrôle ny sitraponao e. Izany io ry havana : avelao Izy hi-contrôle anao, ary ianao, mankatoa.
Voaresaka teo ny tantaran’i Levy. I Levy nanan-karena tsy toko tsy forohana, nilomano tao anatin’ny fahafinaretana sy ny confort isan-karazany ; fa vao nandalo Jesoa hoe : Manaraha Ahy, dia nitsangana i Levy ; nitsangana i Levy satria mety efa reny ny momba an’io Jesoa io, niantefa taminy mazava ilay baiko hoe Manaraha Ahy, dia nitsangana izy ry havana o. Nitsangana Izy satria fantany fa izany fanakaikezana an’i Jesoa izany, izany no tena fiainana, izany no tena fahasambarana. Nitsangana izy satria tsy azo vidiana vola sy harena izany hoe maha-Segoulah an’Andriamanitra izany. Jiolahy izany Levy izany tamin’ny niantsoan’i Jesoa azy ; fa nankatoa izy, dia novan’i Jesoa izy, dia nanoratra ny filazantsara araka an’i Matio izy : izany ny momba ny filazantsara araka an’i Matio, satria tena nanaiky izy. Ary izay anie ilay manamasìna e : ao anaty tontolo ohatran’ny an’i Matio ianao, famorian-ketra, izay tena tsy hay intsony ny filaza ny faharatsiany ; ilay manamasìna, miongotra amin’izany, dia hoe manokan-tena ho an’Andriamanitra. Tsy mbola hoe madio ianao, tsy mbola hoe tanteraka ianao, fa miongotra ao ianao, misaraka amin’izany dia manokan-tena ho an’Andriamanitra, manakaiky Azy. Izay ilay fanamasinana.
Tantaraina mpitoriteny anankiray, ilay President- ny Etats-Unis anankiray antsoina hoe Abraham Lincoln ry havana : nisy ady tao Etats-Unis, guerre civile, dia izy filoham-pirenena. Dia hoe miara misakafo maraina amina Pasitera vitsivitsy izy, dia hoy ilay Pasitera iray : « Président o, andao isika mba hivavaka mba hoe hiandany amintsika Andriamanitra » - Ny dikan’izany hoe miandany amintsika iizany, ohatrany hoe ho amin’ny côté antsika Andriamanitra – « Non, non, non » hoy Abrahama Lincoln, « Andao isika hivavaka mba isika no hiandany amin’Andriamanitra, mba ho isika no ho any amin’ny côté an’Andriamanitra ». Izay ry havana ilay olona manaiky ho contrôlé- n’Andriamanitra, manaiky ny fitantanany, manaiky ny programany, manaiky ny fombany, ny programam-piainany ho azy, ny programam-piangonana ho azy, manaiky tanteraka hoe izay sitraponao Andriamanitra o, dia sitrapoko.
Io fankatoavana an’Andriamanitra io ry havana ankoatry ny hoe anehoana fa Segoulah an’Andriamanitra aho, io fankatoavana io no lakle an’ny fitomboana ara-panahy. Manolo-tena ho an’Andriamanitra ianao, toa ireny nateraka indray ara-panahy ianao ry havana. Fa izao : rehefa tsy mankatoa ianao dia tsy mitombo. Ny zazakely rehetra araka ilay fiteny eto, ny zazakely rehetra na lahy na vavy, na zanak’iza, na zanak’iza, mahafatifaty kely daholo ; fa rehefa mamangy an’iny zazakely iny ianao afaka enim-bolana, afaka herintaona ka tsy nitombo ilay izy, tsy misy zazakely mahafatifaty kely intsony eo. Mivoaka ny trano avy mamangy ilay zazakely ianao dia mifampiresaka hoe ohatrany sampona ihany ilay zaza iny an, iny ve tsy efa herintaona izao, jereo fa efa maniry nify. Ie, ohatran’izany ianao ara-panahy : efa maniry nify ianao fa sampona ianao satria tsy ampy fankatoavana. Sampona ara-panahy ianao satria tsy ampy fankatoavana. Ary izany no mbola hoe nankasitrahan’Andriamanitra tao amin’i Jesoa ry havana : raha natao batisa Izy ka nilazany hoe : « Inty ny zanako malalako izay sitrako », satria ny fiainan’i Jesoa iray manontolo dia fiainam-pankatoavana. Miteny aminao ny Tompo anio, miteny aminao ny Tompo amin’izao maraina izao, mandidy anao izy, Deoteronomia 30 :19-20 : « Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy ». Asainy misafidy ianao, ary raha misafidy ianao ny ho rakitra soa, dia hoy Izy hoe : tiavo Jehovah, henoy ny teniny, tandremo ny teniny. Ary araka ny tenin’i Pasitera Rabemanahaka, averintsika foana iny : ao amin’ny fandaminam-piangonana manan-kery, ao koa Andriamanitra no manambara ny sitrapony ; dia ho velona, ho voatahy ianao sy ny taranakao, fa tsy ho maty ary voaozona ianao sy ny taranakao. Ho ao am-bavantsika mandrakariva anie ity tenin’i Jesoa ao amin’ny Lioka 22 :42 : « Raiko o, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao ». Ilay tapany faharoa : « nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao ». Ho teny ao am-bavantsika mandrakariva anie izany.

Fahamarinana 3 : NA VELONA, NA MATY ISIKA, DIA AN’ANDRIAMANITRA IHANY
Ilay Segoulah mantsy dia hoe fananana sarobidy manokana ho an’Andriamanitra. Ny Darby, ny Segond dia miteny hoe : « Vous m’appartiendrez en propre ». Hoe an’Andriamanitra isika.
Romana 14 :8 : « Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany ».

Ilay hoe : « An’ny Tompo ihany ». Ry havana o, raha manakaiky Azy ianao amin’izao fahavelomanao izao, raha manana fiainam-pankatoavana Azy ianao, na maty aza ianao, dia mbola Azy ihany. Izany hoe Segoulah izany, izany hoe fananana sarobidy manokana izany, Andriamanitra amin’izay lafiny izay dia ohatrantsika : tiana tazomina eo akaiky eo. Ny zavatra sarobidy amintsika, tiana ho eo akaikintsika eo : izay ilay fananana sarobidy. Ary dia izao : eo akaikiny isika araka ny toriteny rehetra teo ; fa eo akaikiny manokana isika rahatrizay modimandry ao Aminy, mifanatri-tava Aminy, ary mahita hoe Azy tokoa ary Azy mandrakizay isika. Fa izao no problème ry havana : tsy tsapantsika fa Segoulah isika, tsy tsapantsika fa Azy isika satria isika rehetra dia mitovy daholo : ny fahotantsika no efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra, dia lavitra isika, tsy mahafantatra hoe mi-contrôle ny fiainantsika Izy ary Azy isika. Io ota tsy nibebahana io, io ry havana o, io no tsy maha Segoulah antsika. Eo ny ota be ; fa isika rehetra ry havana o, dia samy manana ota madinidinika, manana esprit de rébellion madinidinika na lehibe, izay efa hoe mahazatra antsika, tsy mahataitra antsika, ary hoy ilay mpitoriteny iray hoe tsy raisintsika ho sérieux intsony, ary dia tsy Segoulah ianao. Tsy mahatsiaro akaiky an’Andriamanitra ianao ary dia matahotra, matahotra, matahotra ny fahafatesana ianao. Ary halan’ny devoly ry havana io olona mahatsiaro hoe Segoulah an’Andriamanitra io. Tiany ianao ho Segoulah-ny fa tsy tiany ianao ho Segoulah an’Andriamanitra ry havana o. Fa izay no antson’ny Tompo : mandinia tena anio, aoka izay ny fahazaram-pivavahana, aoka izay ny mody izao, mody izao. Anontanio ny Tompo hoe ampahafantaro ahy anio ary Tompo o, inona ireo ota efa tena mahazatra ahy ireo ary tsy mahataitra ahy intsony. Fa rehefa ho avy ny andro, rehefa akaiky ny fotoana ialako eto amin’ity fiainana ity, dia te ho any Aminao aho, tahaka ny fananana sarobidy manokana eo anatrehanao ka alainao amin’izay, hody eo amin’y fanatrehanao.

Tamin’ny Alarobia teo ry havana, nisy mpivavaka tato Isotry Fitiavana niantso anay : « Pasitera o, misy iray tampo aminay anatin’ny tsy fahasalamana, cancer izy io, ary efa elaela ihany izy io no notezain’ilay cancer ; fa nanao chimio farany izy tamin’ny herinandro teo, Asabotsy io chimio io, dia taorian’io chimio io, tena hoe vizana be izy. Dia izao izy, non seulement tsy tafidina any ambany rihana intsony ao an-trano ao, fa any ambony rihana ary tsy tafala ao am-pandriana. Dia mba afaka mamangy azy ve ianao Pasitera ? ». Dia hoy aho, Alarobia ilay resaka : izaho tena tototra be fa andao, mankany aminareo aho mamangy azy zoma maraina amin’ny 6h30. Ary aleo hoy aho maraina fa ny embouteillage mahatsiravina, lany andro any amin’ny embouteillage, marina fa maraina be izany amin’ny 6h30 izany. Dia namangy aho ry havana tamin’ny zoma maraina tamin’ny 6h30. Dia natao ny dinika hoe eto izany isika dia hivavaka ho azy, hivavaka ho an’ny fahasalamana. Izany no fanao amin’ny fotoana tahaka an’io. Fa izao hoy aho, teo ny vadiny, teo ny rafozam-baviny, teo ny zanany anaky telo ary mbola nisy havany anankiroa koa nanatrika tao amin’ilay efitrano tao. Fa izao hoy aho, cancer no mahazo azy, ary rehefa hoe miresaka cancer, tsy maintsy mananotanona ao an-tsaina ao foana ny eritreritry ny fahafatesana. Dia nanazava taminy aho ilay fombantsika Isotry Fitiavana . Izao hoy aho : ilay Salamo 31 :5 iny milaza hoe : « eo an-tananao no atolotro ny fanahiko » ; iny hoy aho vavaka fanaon’ny jiosy isan-kariva, na salama na tsy salama satria tsy fantatra raha hoe hisy hodimandry ao anatin’ny torimaso amin’ny alina eo dia hoe « atolotro ho eo an-tananao ny fanahiko » ; maika hoy aho fa olona ao anaty cancer ohatran’izao, anaty havizanana ohatran’izao. Miera aminareo aho, andao hanolotra ny fanahiny eo an-tanan’Andriamanitra isika. Fa raha tonga ny fahafatesana, ny fanahinao tsy mety maty, fa na iny lasa any an-danitra ny am-paradisa, any amin’ny Tompo, na lasa any amin’ny fahaverezana mandrakizay. In-5, in-6 na in-7 aho nanontany tsara tao anatin’ny antsasak’adiny hoe manaiky ve ianareo tompoko. Ataovy Pasitera an, ataovy Pasitera an, ataovy Pasitera an. Dia nandeha nipetraka teo akaikin’ilay rangahy marary aho ry havana, mipetraka eo amin’ny bord-ilay fandriana eo fa vizana izy ; dia izy misokatra ny masony, maheno anay miresaka eo. Dia nipetraka aho dia napetrako teo amin’ny sorony ny tanako dia hoy aho hoe hivavaka isika, dia rehefa miato izaho, rehefa miato Pasitera, averinao ilay vavaka ataoko. Eny hoy izy. Miantso aho, Jesoa o : tsy mahavoaka feo ny vavany ; avereno hoy aho hoe Jesoa o – efa nanomboka feno rehoka koa hono tao anatiny tao dia sahirana be izy miteny. Izao ary no anaovantsika azy hoy aho : rehefa miteny aho dia mihatokatoka ianao manaiky izay teneniko. Eny hoy izy. Mamerina indray aho : tsy nihatokatoka izy ry havana o. Dia hoy aho hoe rahaharaha ity. Dia izao no noteneniko : izao, rehefa miteny aho hoe Jesoa , ka miteny hoe manaiky ve ianao, dia mihatoka ianao . Dia izay no natao : Jesoa o, manaiky ianao ? Dia hoe misaotra Anao ny amin’ny fitiavanao ; dia izay moa izany ilay vavaka, manolotra ny fanahiko eo an-tananao : eny tompoko. Raha velona aho, dia velona ho Anao : manaiky ianao ? Eny tompoko ; raha maty aho dia maty ho anao : manaiky an’izany ve hoy aho ianao ? Ry havana o, maninona aho no mitantara an’izany zavatra izany ? Mitantara an’izany zavatra izany aho satria hoe vita ilay vavaka, dia nihiratra ny mason’ilay rangaha, nazava be ny tarehiny, dia possible mihitsy hoe faly be izy afaka nanolotra ny fanahiny ho an’Andriamanitra. Nefa izao koa no lazaiko aminareo : ilay vavaka teo, combat tamin’ny devoly hanongotana ny fanahin’iny rangaha iny avy amin’izany hoe vahoan’ny devoly izany. C’est un combat : an’Andriamanitra io, Segoulah an’Andriamanitra io ary tsy navela norambahin’ny devoly. Ny vaovao mahafaly : adiny 1 avy eo, niantso ahy ilay vadiny : maty izy Pasitera. Aiza izy ? Any amin’ilay Tompony : Segoulah.
Ry havana o, tia anao ny Tompo. Araka ilay hira 354 teo, manambitamby anao Izy e : mankanesa eo Aminy, mangataha ny fanahin’ny fankatoavanna ; hitombo amin’ny fankatoavana dia ho Segoulah-ny ianao, ho Segoulah mandrakizay.
Amena.

ALAHADY 24 FEB 2019

1 Korintiana 15:10 : « Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko ».

RESAKA FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA
Ny fahasoavan’Andriamanitra, azo atao tsara ny manao séminaire, fisintonana, andro iray, week-end iray, herinandro iray andinihina hoe inona marina no atao hoe fahasoavan’Andriamanitra. Raha misy voambolana manankarena amin’ny voambolana teolojika dia io ry havana o.
Fa arak’izay namaritantsika azy hatrizay dia hoe : ny fahasoavan’Andriamanitra dia ny fitiavan’Andriamanitra manosika Azy hamonjy antsika.
Fahamarinana 1 : ATAOVY PRIORITÉ DES PRIORITÉS NY FAHOTANAO DIA HAHITA NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA IANAO
Hoy ilay tapany voalohany hoe : « Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy ». Ny olona ry havana, mahafantatra an’izany fahasoavan’Andriamanitra, ary tsy mahafantatra an’ilay fahasoavan’Andriamanitra ato amin’ny Baiboly fotsiny, fa mahalala ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’ny fiainany, ka afaka miteny toa ky Apostoly Paoly hoe : « Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy », dia mahafantatra ny votoantin’ny filazantsara, mahafantatra ny antony nahatongavan’i Jesoa tety an-tany, dia ny hoe hamonjy antsika amin’ny fahotantsika. Hoy ny Apostoly Paoly ery amin’ny and.3 : « Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina » : nataoko priorité tamin’ny toriteniko, nataoko priorité des priorités tamin’ny toriteniko ny milaza aminareo hoe maty Kristy noho ny fahotako, noho ny fahotantsika. Izay ilay fahamarinana 1 : ry Fiangonana o, manomboka anio Alahady 24 Février 2019, tapaho ny hevitra ary ataovy priorité des priorités ao amin’ny fiainanao io fahotanao io. Ataovy priorité des priorités ao amin’ny fiainanao io fahotanao io. Ary na tsy hihaino toriteny intsony aza ianao, raha tsy hahatadidy zavatra hafa amin’ity toriteny ity ianao, fa voarainao mazava hoe « eny Jesoa an, ataoko priorité des priorités ny fahotako manomboka anio », sambatra indrindra ianao. Fa izany ny olona mahalala ny fahasoavan’Andriamanitra, hoe ilay Fitiavany mahatonga Azy hamonjy antsika amin’ny problème numéro 1 antsika, dia ny fahotantsika ry havana o. Ny priorité des priorités an’Andriamanitra, tsy hoe io toe-batako tezain’ny aretina io ry havana, non, tsy priorité-ny izany ; ny priorité-ny dia ny fahotako Pasitera : izany ny priorité des priorités an’Andriamanitra. ATAOVY PRIORITÉ DES PRIORITÉS ANAO MANOMBOKA IZAO NY FAHOTANAO.
Asa, fifidianana diakona ato androany, misy olona ve ato hiteny hoe ny ahy aloa ny priorité des priorités-ko ry Pasitera dia ny ho lany diakona an : mampalahelo ianao. Misy olona ve ato hieritreritra hoe ny ahy izao i anona mba tiako ho diakona, asa raha ho tafiditra : mahantra ianao , mahantra ara-panahy ianao. Ataovy priorité des priorités ny fahotanao.
Ka rehefa ataonao priorité des priorités ny fahotanao, voalohany indrindra hoy Paoly, manao ohatran’i Paoly ianao, manao zavatra tsy hainao hatramin’izay ianao, zavatra tsy haiko koa, zavatra tsy hainao hatramin’izay. Dia miteny ohatran’i Paoly ianao eo amin’ny and.9 : «Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra aho ». Ny olona manao priorité des priorités ny fahotany dia mahatsiaro tsy mendrika ry havana o, mahatsiaro tsy mendrika ; mahatsiaro ho ambany indrindra. Raha isika re izao no manao concours ato Isotry Fitiavana ato e, andeha hanao concours isika hoe iza no mahatsiaro tsy mendrika indrindra amintsika ireto ? Iza no mahatsiaro ho ambany indrindra amintsika ireto ? An an an, maro no miady ho ambony indrindra ato ry havana o ; maro no miady ho mendrika indrindra ato. Izany isika rehetra, izany isika rehetra : tsy priorité amintsika izany fahotana izany. Fa Paoly mahalala tsara ny toetrany, ny toe-panahiny, ny toe-pony ary izany no hijoroana vavolombelona hoe tsy mendrika aho e. Raha samy Apostoly, raha samy Pasitera, raha samy Mpiandry, izaho no ambany indrindra. Hoy ny and.8 hoe : izaho ilay toy ny tsy tonga volana. Ny zaza tsy tonga volana izany, marefo izany, mety sampona izany. Maro ny olona sampona ara-panahy ato, fa tsy mahafantatra hoe sampona ara-panahy ry havana o satria tsy ataony priorité des priorités ilay fahotana. Ianao no tsy mahalala hoe sampona ianao ara-panahy, fa ny olona mahalala hoe sampon ara-panahy ianao : ianao no mampalahelo indrindra ry havana o. Sady tsy tiantsika io an, ny hoe mahatsiaro tsy mendrika, mahatsiaro ho ambany ; tsy tiantsika izany, tsy tian’ny nofontsika izany, nefa ry havana, izany no asoavin’Andriamanitra araka ilay tantara kely tamin’ny 5 minitra teo. Izany no asoavin’Andriamanitra. Tsaroantsika ve ny tantaran’i Mefiboseta, zafikelin’i Saoly mpanjaka ? Saoly nankahala an’i Davida, Saoly nanao izay rehetra azony atao hifofoana ny ain’i Davida ; tsy nahafaty azy. Nony maty i Saoly, nanontany tamin’ny mpiara-miasa taminy izy hoe : sao dia mbola misy taranak’i Saoly any, ho asiko soa araka ny fanaon’Andriamanitra ? Tadiavo kely any sao dia mbola misy taranak’i Saoly any asiko soa araka ny fanaon’Andriamanitra. Dia nentina teo aminy i Mefiboseta, kilemaina, mandringa ; asa moa izay fihetsem-pon’i Mefiboseta raha nandeha nankeo amin’i Davida, jereo tsara, 2 Samoela 9:8 : « Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao? ». Fa maninona aho no hamindranao fo ohatran’izao e ? Izaho anie taranak’i Saoly, zafikeliny e ? Inona no itiavanao ahy ? Ary tsy hoe hamindranao fo aho, fa ataonao hoe mpiray latabatra aminao isan’andro isan’andro. Mefiboseta manome lesona antsika androany eo anatrehan’Andriamanitra, eo anatrehan’i Davida izay tandindon’i Jesoa : mahatsiaro ho toy ny alika maty aho hoy Mefiboseta. Tsy notononiko tety izany raha tsy tao amin’ny 2 Samoela 9. Izany toe-po izany, izany toe-panahy izany ry havana o, izany no tian’ny Tompo anananao, raha tsy izany tsy ho fantatrao ny atao hoe fahasoavan’Andriamanitra , tsy ho fantatrao izany atao hoe famonjena, tsy fantatrao ianao hoe mila vonjena amin’inona, fa hoe Jesoa Mpamonjy fotsiny. Fa ataovy priorité des priorités ny fahotanao dia ahafantatra ny fahasoavan’Andriamanitra ianao ry havana o. Ary io fahasoavan’Andriamanitra io, rehefa manana an’izay toe-po izay ianao, hiasa hanapotika an’io fahotanao io. Ianao tsy hahapotika ny fahotanao e, tsy hahalevona ny fahotanao ianao e ; fa ny fahasoavan’Andriamanitra no hiasa hanapotika an’io fahotanao io, ary hanova anao.
Paoly Apostoly mijoro vavolombelona, fa tonga tety an-tany i Kristy hamonjy ny mpanota, ary amin’izany, izaho no lohany, izaho no voalohany, izaho no champion-ny mpanota ; fa io champion-ny mpanota io ry havana, novain’i Jesoa, nasoavin’i Jesoa, dia nataony champion-ny Apostoly ; io no Apostoly lehibe indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Mba hanantena ve ianao fahasoavan’Andriamanitra, mandondona eo am-baravaran’ny fonao Andriamanitra : sokafy Izy e, avelao Izy hiasa. Te hanova anao Izy, tahaka ny nanovany an’i Paoly, tahaka ny niasany tamin’i Mefiboseta, tahaka ny niasany tamin’i Matio ; Matio, mpamory hetra : raha misy asa ratsy sy ahitana fahafaham-baraka teo amin’ny fiaraha-monina tamin’izany fotoana izany, dia izany hoe famoriana hetra izany. Fa nasoavin’i Jesoa i Matio, nantsoiny, nanetry tena, nankatoa tsy nisalasala, lasa mpianatra ary lasa mpanoratra ny filazantsara araka an’i Matio.
Tsy ho Apostoly tahaka an’i Paoly ianao, hitovy lenta aminy ; tsy hanoratra filazantsara ianao, tahaka an’i Matio ; fa irahin’ny Tompo ianao, rehefa nataonao priorité des priorités ny ota, irahin’ny Tompo ianao hanambara ny fahasoavany, ary ny fiainanao dia filazantsara vakiana. Vonona amin’izany ve ianao ry havana ?
Izay ny fahamarinana 1 : tian’ny Tompo ianao hiteny amin’izao maraina izao hoe : « Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao ahy ». Ary mba hahatanteraka an’izany, ny zavatra voalohany ataoko dia ataoko priorité des priorités ny fahotako.
Fahamarinana 2 : TSY FOANA NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA AO AMINAO
Mbola fahamarinana volamena ihany koa, ho an’izay manokatra varavarana amin’Andriamanitra sy amin’ny fahasoavany ; ny teny fikasana, promesse omeny anao dia eo amin’ny and.10 eo ihany, hoe : « Tsy foana ny fahasoavan’Andriamanitra ao aminao ». Tsy foana io e.
Ny olona manao ho priorité des priorités ny fahotany, dia satria miasa ao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra mampiaiky azy heloka, dia noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia mamaky teny, mamaky teny, te hitombo amin’ny fahalalana an’Andriamanitra, ny fahamasinany, hitomboany amin’ny fahalalany ny tsy fahatanterahiny sy ny fahalemeny sy ny fahotany ; ary iny teny iny anefa mbola hoe hananany promesse milaza hoe : io teny omeko anao io, io tenin’ny fahasoavana omeko anao io, tsy hiverina amiko io, raha tsy efa nahavita izay nanirahako azy, raha tsy efa nahavokatra, nitondra vokatra ao aminao ry havana o. Izany ny promesse-n’Andriamanitra : ny fahasoavako : tsy foana io fahasoavako io ao aminao.
Mampihetsi-po ry havana ny tantaran’i John Newton. John Newton, ny ahafantarana azy, dia nanoratra ilay hira hoe : « Amazing grace » : fahasoavana mahagaga, fahasoavana mahatalanjona. Ary tena mahatalanjona tokoa anie ny fahasoavan’Andriamanitra e. Ampatsiahiviko vetivety ry havana ny tantaram-piainan’i John Newton. Tamin’ny faha fito taonany dia maty ny mamany ; ny mamany no mba hoe nitaiza azy ara-panahy, nitaiza azy tao amin’ny Tompo. Ny dadany, olona marin ireny, olon’izao tontolo izao. Ary nony maty ny mamany dia lasa nikoroso fahana moramora John Newton ho amin’izany fiainan’izao tontolo izao izany. Mba lasa marin ihany koa izy ohatran’ny dadany ry havana o, ary izy lasa marin io, mba nanana sambo izy ary lasa izy mihitsy koa no hoe trafiquant d’esclaves. Izany izany ny fiainan’ity John Newton ity. Ary dia namindran’Andriamanitra fo izy, nahita ny fahasoavan’Andriamanitra izy ; fa nisy tempête goavam-be indray mandeha teny ambony ranomasina teny : izay no nanozongozonan’Andriamanitra an’ity John Newton ity ; eo amin’y faha 23 taonany , lazain’ny biographe, mpanoratra ny tantarany, John Newton izany, nanana fiainam-biby. Ary raha ny marina hoy izy, tsy nanana fiainam-biby izy fa nanana fiainana biby dia. Izany no namindran’Andriamanitra fo, izany no nanehoan’Andriamanitra fahasoavana ; ary izy natahotra, nihorohoro, torakovitra tao anatin’izany tempête izany , tao anatin’izany izy no nanolo-tena ho an’Andriamanitra, ary nandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy. Ary henoy ny fijoroan’i John Newton vavolombelona taorian’izay nandraisany an’Andriamanitra izay ; ary tsy hoe taorian’izay nandraisany an’Andriamanitra izay, fa taorian’izay izy dia nanolo tena dia lasa nanao Pasitera tany amin’ny anglikana ; fa ity tantara ity, 2 na 3 taona talohan’ny ahafatesan’i John Newton, ilazana hoe tsy foana tao amin’ny fiainan’i John Newton izany hoe fahasoavan’Andriamanitra nanova azy izany. Indray maraina, 2 nq 3 taona talohan’ny nahafatesan’i John Newton, révérend John Newton, satria efa lasa Pasitera izy izany, dia nisy mpiara-mivavaka taminy, niara nisakafo maraina taminy ; dia vita ilay sakafo maraina hoy izy dia nisy culte de famille teo dia nanatrika an’izany ilay mpiara-manompo aminy. Ary ny tenin’Andriamanitra izay hoe perikopa tamin’io andro io dia ity 1 Korintiana 15 :10 ity hoe : « Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy ». Nony nahavaky an’ilay 1 Korintiana 15 :10 i John Newton ry havana, dia nanomboka nanganohano ny masony, nanomboka nitomany John Newton, nanomboka nigogogogo John Newton ; dia izao no noteneniny : tsy tokony ho izao hoy izy ny toetrako, tsy tiako ho izao hoy izy ny toetrako, tena hoa halako ny ratsy ary tena maniry fatratra ny tsara aho, ary tsy izao mihitsy ny toetra iriko sy hantenaiko hananana hoy izy. Anaty ranomaso izy no niteny an’izany ary sarotra ny namantatra ny zavatra noteneniny. Fa soa ihany hoy izy, fa efa akaiky ny fahafatesana, ary rehefa tonga ny fahafatesana dia maty miaraka amin’izay koa ny fahotako sy ny tsy fahatanterahako. Fa izao hoy izy, izao no lazaiko aminareo : na dia hoe tsy tokony ho izao aza ny toetrako, na dia hoe tsy tiako ho izao aza ny toetrako, ary araka ny nolazaiko teo, tsy izao no toetra hantenaiko ho hananana, misy zavatra tokana ambarako aminareo mazava, ary tsy am-pisalasalana hoy izy : efa niova aho ary ts’ilay toetrako taloha intsony izao toetrako izao , fa taloha aho andevon’ny fahotana ary taloha aho andevon’ny devoly ; efa tsy izany intsony aho, fa izao : ny fahasoavan’Andriamanitra no maha toy izao ahy ary io fahasoavan’Andriamanitra io, tsy hamela ahy raha tsy efa tanteraka izay asany. Ry havana o, ry havana o, sambatra ianao raha ataonao priorité des priorités ny fahotanao manomboka anio, fa tsy ho foana ao aminao ny fahasoavan’Andriamanitra.
Fahamarinana 3 : MIARÀHA MIASA AMIN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA
Ilay fahasoavan’Andriamanitra izany te hiasa hamonjy, hanova, fa hoy izy eo amin’ny tapany fahatelo tamin’ity 1 Korintiana 15 : 10 ity hoe : miaraha miasa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Ry havana, ny olona izay nanao ho priorité des priorités ny fahotany, ka mahita ny fahasoavan’Andriamanitra miasa ao aminy, dia manana fahavitrihana hiara-hiasa amin’Andriamanitra hahatanteraka ny fanovana, hahatanteraka ny fitomboana amin’ny fanahafana an’i Jesoa. Ary izany no mahatonga an’i Paoly hiteny, Filipiana 3:10 : « eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ». Io herin’ny fitsanganana tamin’ny maty io ry havana, io no hery miasa amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra : io hery io manafaka anao, mandevona isan’andro isan’andro ny fahotanao, hanananao hery isan’andro isan’andro hijoroana vavolombelona ny amin’ny fahamarinana, ny amin’ny fahamasinana. Izany io hery io. Ary hery manova io.
Nahafinaritra ny teny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray. Maninona hoy izy ny kristiana sasany ampahitan’Andriamanitra fa Andriamanitra velona Izy, ampahitan’Andriamanitra ny heriny sy ny fahefany izy, ampahitan’Andriamanitra toa ny azo tsapain-tanana ny fahasoavany, nefa mihemotra miha-matimaty ilay finoany ? Satria hoy izy tsy fantany fa mila miara miasa izy, tsy fantany fa mila miara miasa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra izy. Hiara hiasa haninona ? Hiara hiasa hanova, hiara hiasa amin’ny fanovana. Misy olona hoy izy, nandre hoe Jesoa maty ary nitsangana tamin’ny maty kanefa tsy miteraka fiovana ao amin’ny fiainany izany. Alaivo sary an-tsaina, hoy ity mpanompon’Andriamanitra ity, raha hoe misy ankizy izao mba niezaka izy, nilofo tamin’ny fianarana izy, dia afaka baka izy ; tsy mitady fianarana eny ankatso izy na any an-kafa, fa manao réinscription ao amin’ny terminale. Hoy isika hoe mba adala koa ity zandry ity an. Be dia be ny kristiana ohatran’izany, tsy fantany hoe nisy fiovana teo amin’ny fiainany fa nanomboka niditra an-tsehatra teo ny fahasoavan’Andriamanitra. Alaivo sary an-tsaina hoy izy, misy tanora roa mifanambady, miala eto izy dia avy eto izy, dia mankany amin’ny espace manao fety, dia rariva izy, samy mody any amin’ny ray aman-dreniny. Hoy ianareo hoe misy fahavoazana ireto an. Be dia be ny kristiana manana fahavoazana satria tsy mahafantatra hoe efa nitsangana tamin’ny maty i Kristy, ary tsy mahafantatra ny herin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ry havana o. Maro isika ato Isotry Fitiavana no misy fahavoazana. Alaivo sary an-tsaina hoy izy, raha hoe nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia Petera lasa niverina nanarato fa tsy nitory filazantsara ; alaivo sary an-tsaina fa nitsangana tamin’ny maty i Kristy, nihaona tamin’i Paoly, kanefa i Paoly lasa nanao asa-na fanamboarana tente. Izany, izany isika mianakavy ry havana o, izany isika mianakavy.
Fa ianao, izay noho ny fahasoavan’Andriamanitra, nongontan’Andriamanitra, navotan’Andriamanitra avy ary amin’ny fanjakan’i Satana ary ho ao alin’y Fanjakany ; tsy hoe miala any fotsiny ianao, fa tsy maintsy mitodika ianao any amin’i Jesoa ; ary noho ny fitodihanao any amin’i Jesoa dia miteny ianao clairement anio hoe : ataoko priorité des priorités ao amin’ny fiainako ny fahotako.
Ry havana, ny olona tsy mandroso ohatran’izany, ny olona tsy mitombo amin’ny fahasoavana satria hoe tsy miara miasa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, tsy hoe mitoetra eo fotsiny, hoe mi-stagne spirituellement, fa mihemotra. Ary ny dikan’ny hoe mihemotra amin’ny fiainana ara-panahy, ny olona mihemotra, hoy ilay mpanompon’Andriamanitra iray, mihemotra miverina any amin’ny devoly. Ianao mieritreritra hoe mihemotra aho, aleo aloa hiverina kely, aoka aloa izany fanaovana asa-na diakona izany, aoka aloa izany fankanesana any am-piangonana izany, mihemotra ianao, entin’ny devoly mihemotra ianao, entin’ny devoly hihemotra mihoatra izay niheveranao azy ianao, ary miverina manolo tena any an-tanan’ny devoly ianao ry havana.
Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana ny amin’izany teny izany, ny amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, ny amin’ny votoantin’ny filazantsara dia Jesoa maty ary nitsangana tamin’ny maty, mba tsy hitoerantsika ao amin’ny fahotana intsony ary mba hahazoantsika fahamarinana. Ry havana o, tokana ny antom-bavaka ho antsika Fiangonana amin’izao maraina izao : aoka ny fahasoavan’Andriamanitra hahatonga anao hisaina ary hanapa-kevitra hoe ataoko priorité des priorités ny fahotako manomboka anio fa izany no nidinan’i Jesoa avy any an-danitra.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.

Commentaires récents par FJKM Isotry Fitiavana

Pas de commentaires par FJKM Isotry Fitiavana encore.