Messages récents par FJKM Isotry Fitiavana

ALAHADY 03 NOV 2019

Hebreo 10 :35-36 ; 39 : « Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andriamanitra. Fa isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy ».

Ry havana ô, rehefa miteny ny Soratra Masina amintsika Fiangonana vory eto amin’izao maraina izao, dia manambara izy fa misokajy anankiroa isika Fiangonana. Ny sokajy anankiray, dia ireo izay hoe : mihemotra ho any amin’ny fahaverezana. Misy olona ato izany izao, kristiana izy, vita batisa izy, mpandray mihitsy izy angamba, fa lazaina hoe : amin’izao fotoana izao, mihemotra ho amin’ny fahaverezana. Ary ny sokajy anankiray indray, dia hoe : olona mino ho amin’ny famonjena ny Fanahy.

Ity epistily ho an’ny Hebreo ity dia ho an’ny Fiangonana hebreo satria hoe jiosy fiaviana ilay kristiana, izany no anaovana azy ho Hebreo. Ny hanamarihina an’izany, dia hoe kristiana, Fiangonana ry havana no iresahin’ny Apostoly eto, fa tsy jentilisa tsy mino an’Andriamanitra. Dia ato amintsika Fiangonana dia lazaina hoe misy sokajy anankiroa : eo izay hoe an-dalana ho any amin’ny fahaverezana ; amin’ny teny frantsay ilay fahaverezana : « ruine », « ruine spirituelle », « mort spirituelle ». Tsy misy olombelona izany, raha amin’ny fahavelomany eto an-tany, dia ho tratran’izany « ruine » izany. Fa misy amin’ny ara-panahy, olona mihemotra mankany amin’izany « ruine » izany ankehitriny. Dia misy olona kosa, ao anatin’ny finoana marina, ao anatin’ny finoana velona, ka miroso ho amin’ny famonjena tanteraka ry havana ô. Iza amin’ireo ianao ? Ilay fanontaniana izany dia izao, raha tsorina, dia hoe : MANAO AHOANA NY TOETRANAO ?

Rehefa avy eo, rehefa tafavory any an-trano ianareo, tafaresaka amin’ny namana, ka anontaniana ianareo hoe : ianao angaha niangona tao Isotry Fitiavana taninkeo maraina, dia inona kay ny toriteny tao ? Dia lazao tsotra hoe : MANAO AHOANA NY TOETRANAO ? Izany ny resaka tao hoe : MANAO AHOANA NY TOETRANAO ?
Ny dikan’izany hoe : MANAO AHOANA NY TOETRANAO ? izany, dia hoe : TOETRA-NA MINO HO VOAVONJY VE, SA TOETRA-NA OLONA IZAY HOE MANANA TITRE KRISTIANA NEFA HO VERY ANY AMIN’NY FAHAVEREZANA ? MANAO AHOANA NY TOETRANAO ?

Misy fahamarinana 3 ry havana averin’ny Tompo amintsika ahazoantsika mandinin-tena marina hoe : manao ahoana ny toetrantsika e ? Ary raha toetra tsara, dia mahafaly an’Andriamanitra ; raha toetra ratsy dia tena hoe mahatezitra Azy, ary vao maika mahatonga Azy hiteny hoe : an an an, ianao dia alefako any amin’ny « ruine éternelle ». Andeha anie ho anareo izay manana Baiboly, vakiantsika ny Hebreo 10 :19-21, mijery ny contexte isika : « Koa amin’ izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ ny fitoerana masina isika noho ny ran’ i Jesosy, amin’ izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin’ ny efitra lamba, dia ny nofony, sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’ Andriamanitra ». Sarotsarotra hoy aho ilay Hebreo, fa izao ny fahamarinana 1 :
Fahamarinana 1 : MANANA TOETRA TIAN’ANDRIAMANITRA IANAO, RAHA FANTATRAO JESOA FA MPISORONABE
Tao amin’ny fivavahana jiosy ry havana, tao ain’ny firafitry ny tempoly, plan-ny tempoly, dia misy toerana anankiray izay antsoina hoe: « ny masina indrindra », « le saint des saints » ; ary ao amin’io toerana masina indrindra io no hoe fitoeran’i Jehovah Andriamanitra. Ary tao amin’ny fivavahana jiosy, tsy misy afa-tsy ny mpisoronabe irery no afaka miditra ao amin’io masina indrindra misy an’Andriamanitra io. Ary ny mpisoronabe mahazo alalana hiditra ao, indray mandeha isa-taona.
Fa ny ampianarin’ny Soratra Masina antsika ry havana, dia Jesosy Krisy no tena mpisoronabe, ary ny rà nalatsany teo amin’ny hazo fijaliana io nofony nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana io, io no nahatonga an’ilay efitra lamba, ilay rideau ngeza be manakana an’ilay fidirana ao amin’ny fitoerana masina indrindra ho triatra. Manambara io rideau ngeza be triatra io, fa hoe : isika izay mino an’i Jesoa ho mpisoronabe, dia manana accès amin’Andriamanitra. Taloha tsisy nanana accès amin’Andriamanitra izany. Afaka manatona an’Andriamanitra noho i Jesoa Kristy mpisoronabe ry havana. Ary manatona an’Andriamanitra, tsy hoe mitoetra eo amin’ny fanatrehany fotsiny, zava-dehibe anie izany e, izany anie no maha-matimaty ny finoantsika e, tsy mitoetra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra isika ry havana ; fa afaka manatona an’Andriamanitra, mitoetra eo amin’ny fanatrehany, ary eo isika no manarina, tsy miantso Azy hoe : Jehovah fotsiny isika, fa miantsoa Azy hoe : Jehovah Ray malala.
Nahafinaritra ry havana ny teny-na mpitoriteny izay, ho an’ny olona izay mino an’i Jesosy Kristy ho mpisoronabe, dia manatona an’Andriamanitra, mahatsiaro tena ho zanaka, ary manana « intimité filiale ». Rehefa tena mety ry havana ny fifandraisan’ny zanaka amin’ny rainy, na ny fifandraisan’ny ray amin’ny zanaka, dia ao izay intimité izay, ao izay fifankatiavana lalina izay, ao izay complicité izay, ao izay maha-mpinamana izay, sy ny tahak’izany, tena hoe akaiky e. Ao ilay intimité e. Ary ohatran’izany, fa maro ry havana ny olona mahay tsianjery ny « Rainay izay any an-danitra » hatramin’ny farany, fa tsy manana an’izay « intimité filiale » izay.
Ny hafatry ny Tompo voalohany ho anao ry havana izay te hanana toetra ankasitrahany, dia hoe : Fantaro fa mpisoronabe Jesosy, ary te hiditra an-tsehatra eo amin’ny fiainanao Izy. Sokafy midanadana ho azy ny fonao amin’izao maraina izao, avelao Izy hanjaka tanteraka ao am-ponao, avelao Izy handray an-tanana ny manontolonao ; ary rehefa raisiny an-tanana ny manontolonao, ampidirinao ao am-ponao Izy, ny fiainan’i Jesoa mihitsy no raisinao ry havana ô. Ary eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra ianao, ary mahatsiaro hoe tiana ianao, malalan’Andriamanitra ianao, be voninahitra ianao. Feno fifaliana ianao ary tena hoe courage ianao hiatrika ny fiainanao : ny fiainam-pinoana sy ny fiainana tsotra amin’ny maha-olombelona.
Manontany tena isika hoe : ankasitrahan’Andriamanitra ve ny toetrako ? Ankasitrahany ny toetrako raha ohatra aho ka mahafantatra an’i Jesoa ho mpisoronabe.
Hoy ny and.35 : « Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe ». Ilay olona voalohany teo izany, ilay hoy isika, miala tsiny amin’ilay teny frantsay, hoe manana « intimité filiale » amin’i Jehovah Andriamanitra, dia tenenina indray hoe : aza manary ny fahasahianao, olona sahy.

Fahamarinana 2 : MANANA TOETRA ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA IANAO, RAHA MANANA TOETRA SAHY, TSY MANARY FAHASAHIANA
Manana toetra sahy noho izay « intimité filiale » izay, ary koa noho ny Fanahy Masina izay nampitaovan’Andriamanitra azy ry havana ô. Manana fahasahiana, manana fahasahiana.
Misy ohatr’izany fahasahiana izany ao amin’ny Testamenta Vaovao, jerentsika ny Asan’ny Apostoly 4 : olona feno ny Fanahy Masina, Apostoly, rahonan’ny Sinedriona, rahonan’ny mpitondra ara-pivavahana, izany Sinedriona izany e, tsy hitory momba an’i Jesoa, tsy hampianatra momba an’i Jesoa ; Asan’ny Apostoly 4 :18-19 : « Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin’ ny anaran’ i Jesosy intsony. Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason’ Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra ». Izay ilay fahasahiana ry havana ô. Izay ilay fahsahiana : misy olona hoe mandrahona anao, misy olona mitady hampanao anao ny tsy rariny, mifanohitra amin’ny tenin’Andriamanitra : tsaraonareo e, raha marina eo anatrehan’Andriamanitra, raha manaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. Tsy mety izany, tsy mety izany. Izay ilay fahasahiana ry havana ô, nananan’ ireto Apostoly ireto. Ary izay ilay fahasahiana andrasan’ny Raintsika izay noresahina teo amintsika zanaka ry havana.
Asa moa ianareo katekomena « misaina ny lanitra » ireo izao, raha hanana an’izany fahasahiana izany. Asa, isika malagay tsy ilaozan’izay fianakaviana miteny hoe : « aza adino fa amin’ny… mandeha mamadika an’i dadabe sy nenibe an » : hanana fahasahiana ve ianareo ? Fa ny olona manana toetra tena ankasitrahan’Andriamanitra tsy mamadika sy mikasika faty maina izany. Hanana fahasahiana miteny an’izany ve ianao ? Hanana fahasahiana ve ianareo, rehefa hirahina hitondra ny tômôbile Dada, ny tômôbile Neny any amin’ny visite technique, dia hoe inty leity ilay valopy kely fa tsy maintsy mametraka kely rehefa any an ! Hanana fahasahiana ve ianareo katekomena ireo hiteny hoe : « Dada, Neny, izaho tsy te hanana toetra hampalahelo an’Andriamanitra ». Hanana an’izany fahasahiana izany ve ianareo e ? Izany ilay finoana iainana ry havana ô. Izany ilay finoana iainana ry zandry malala ô. Izany ilay finoan’ny olona mandova ny lanitra ka tsy manao compromis amin’ny fomban’izao tontolo izao.
Ny zanak’Andriamanitra : manana fahasahiana, ary dia tenenina hoe : « aza manary an’izany fahasahiana izany ianao» ; ilay fahasahiana vokatry ny Fanahy Masina, vokatry ny fitiavana ny Ray, sy fantatrao fa miandany aminao ny Rainao : aza ariana iny e ! Aza ariana iny e ! Izay ilay lazain’ny and.35 : aza manary ny fahasahiana. Ahoana moa izany olona manary ny fahasahiana izany ? Tsy ampoizina ilay izy hoe manary fahasahiana. Ilay fahasahiana io izany, ato am-poko hoe feno fahasahiana ato am-poko ato. Izay ilay izy. Ahoana no anariako an’io fahasahiana io ? Andeha aho haka ohatra hoe : mitàna zavatra aho dia feno zavatra anankiray ny tanako. Dia raikitra amin’ny fitazomana an’iny zavatra anankiray iny ny tanako. Iny izany ilay fahasahiana mameno ny tanako. Izaho izany normalement, rehefa fenon’ny fahasahiana aho, dia tsy afaka manao na inona na inona ny tanako. Fa inona ny zavatra mitranga ? Kitihan’ny devoly aho, dia manana faharetana ny devoly, dia fomba 3 ry havana no hikitihany an’ilay tanako, ahazoan’ilay tanako misokatra ; ary rehefa misokatra io tanako io, mihazona an’ilay fahasahiana, dia manary an’ilay fahasahiana aho.
Ahoana no ataon’ny devoly ry havana ?
- Voalohany dia voalohany indrindra : rehefa hoe manota aho, manota ianao, dia tena hoe manamari-tena ianao, miziriziry ianao, tsy laitra anarina ianao e. Izany hoe ao amin’ny fiainanao rehefa tontaliana, misy ota tsy ekenao, misy ota tsy voavela. Iny ianao ry havana ô, manome irika ny devoly amin’ilay tananao mihazona an’ilay fahasahiana ao amin’ny fonao, dia manala an’ilay fahasahiana ianao.
- Fomba ampiasain’ny devoly koa ry havana, zavatra tsara : misy olona tsy manam-potoana ho an’Andriamanitra noho ny zavatra tsara : asa, fianarana, adidy. « Tena tsy tafangona aho Pasitera fa izaho tsy maintsy mamita iraka ohatran’izao ». Zavatra tsara ilay izy, raha jerena, fa ilay izy avy amin’ny devoly, satria fantatry ny devoly tsara fa reehfa asisika ao am-ponao iny, dia misokatra ny fonao, misokatra ilay tananao, dia votsitra ilay fahasahiana ry havana.
- Ary ny fomba farany ampiasain’ny devoly ry havana dia hoe : eo anatrehan’ny fahoriana, fizahan-toetra, fahavalo manenjika, ary indraindray ny ankohonanao no fahavalonao voalohany, dia hoe mamboly fanahiana ny devoly ry havana. Mamboly fanahiana izy, mamboly tahotra izy, mamboly doute izy ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ny amin’ny fahefan’Andriamanitra, ny amin’ny herin’Andriamanitra hi-maitriser zavatra ; dia manary an’ilay fahasahiana ianao.
Ry Fiangonana malala ô, ianao izay hoe manana « intimité filiale », tena hoe zanak’Andriamanitra, aza manary an’izany fahasahiana izany, hoy ny Soratra Masina. Aza manary an’izany fahasahiana izany fa misy valisoa lehibe izany fahasahiana izany. Ny valisoa ety an-tany, dia fiadanana ao am-ponao, « la paix du cœur » ; ary valisoa lehibe, mbola ety an-tany ihany, fieritreretana tsy misy fiapangana, « conscience tranquille ». Valisoa lehibe izany. Ary ny amin’ny any an-danitra, azonao antoka tanteraka fa manana fiainana mandrakizay ianao, izay sitrahinao ao amin’ilay trano amboarin’i Jesosy ho anao amin’izao 03 Novembre 2019 izao, ary hakany anao rahatrizay vonona.
Miteny aminao ny Tompo hoe : aza manary ny fahasahiana, izay misy valisoa lehibe.
Ny toetra fahatelo farany dia eo amin’ny and. 36 : « Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andriamanitra ».
Ny toetra mahafinaritra an’Andriamanitra, ny toetra fahatelo, dia olona mpamita ny sitrapon’Andriamanitra

Fahamarinana 3 : NY TOETRA MAHAFINARITRA AN’ANDRIAMANITRA DIA NY OLONA MPAMITA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
Olona mpamita ny sitrapon’Andriamanitra. Ahoana moa izany olona manao ka mamita ny sitrapon’Andriamanitra izany ? Olona, mifoha maraina izy izao, dia satria ataony laharam-pahamehana Andriamanitra, ny zavatra ataony voalohany indrindra, dia ny mihaona amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vakiteny sy ny vavaka ry havana. Izany, izany ny olona hoe manome importance an’Andriamanitra. Dia ao amin’ilay vakiteny ao ianao, dia mamaky Baiboly eo ianao, dia tsy hoe aiza ny Mana isan’andro androany e, aiza ny Ilay voa tsara nafafy androany e, fa mangataka amin’ny Tompo ianao hoe : « omeo tari-dalana aho amin’ity journée-ko amin’ity 03 Novembre ity, Ray malala ô, ary ianao no efa mi-programmé ny journée-ko androany 03 Novembre ; isan’ora isan’ora, isa-minitra, efa voasoratrao ao amin’ny bokinao any an-danitra, ka omeo tari-dalana aho ahaizako mamaky an’izany tahaka ny zanaka ». Izay ilay izy ry havana. Dia mandeha ianao, mandeha mivoaka ny trano, dia eny am-pandehanana eny, eny ambony taxibe sy ny karazany eny ianao, mieritreritra ny journée-nao, manao fikasana ianao, tonga any am-piasana ianao, anya m-pianarana ianao, miantsena ianao, dia misy zavatra ataonao ; ny olona manao ny sitrapon’Andriamanitra ry havana ô, dia faran’izay tsotra : ny zavatra rehetra eritreretinao sy saininao, ny zavatra rehetra kasainao, ny zavatra rehetra tanterahinao ve dia araka ny sitrapon’Andriamanitra ? Araka ny sitrapon’Andriamanitra ve ? Ary izay no lasin-tsaina tokony hananantsika, izany fahazarana tsara volena. Ny Tompo tsy miteny aminao hoe masina ve ianao, mendrika ve ianao, sy ny karazany ? Fa hoe refesinao, ary mifaka amin’ny tenin’Andriamanitra ve, ahafantaranao ny sitrapon’Andriamanitra izay rehetra ataonao isan’andro, isan’ora, isa-minitra ? Izany ny toetra ankasitrahan’Andriamanitra, izany ny toetran’ny olona mino, ka hoe manantena ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay ry havana ô. Voleo izay, concrètement, voleo izay. Fa raha indray mandeha isaky ny Alahady ihany ianao no mitady ny sitrapon’Andriamanitra, hoe amin’ilay litorjia hoe hihaino ny sitrapon'Andriamanitra isika, atahorako izany ry havana, tsy toetran’ny olona hiditra any an-danitra izany.
Ary dia ianao io anie omena teny fampanantenana e, hoe rehefa vitanao hoy izy ny sitrapon’Andriamanitra, dia hoe hahazo ianao izay lazain’ny teny fikasana. Hahazo ianao, hahazo vaim-bavaka ianao. Ary izay no probleman’ny olona ry havana : mivavaka izy, fa tsy mahazo valim-bavaka, dia antony iray, tsy mamaky tenin’Andriamanitra aloa izy ; toy ny miteny ny Soratra Masina hoe: ianao anie raha hivavaka e, nefa tsy namaky tenin’Andriamanitra, mety tsy ankasitrahan’Andriamanitra ilay vavakao ry havana, satria tsy miorina amin’ny teniny, tsy miorina amin’ny sitrapony. Fa hoe : vitao ny sitrapon’Andriamanitra, dia andraso ny valim-bavaka. Andraso ny valim-bavaka, satri io teny omeny anao isan’andro io, ianareo indray ve no ampianarina an’izany, lazain’ny mpandinika hoe misy 365 promesses, misy teny fikasana 365 izany hoe 1 isan’andro raketin’ity Baiboly ity. Fa ianao tsy hahazo valim-bavaka amin’izany promesse izany ry havana ô, raha tsy hoe vitanao aloa ny sitrapon’Andriamanitra.
Vitao ny sitrapon’Andriamanitra, andraso ny valim-bavaka, ary hoy ny and.36 hoe andraso amin’ny faharetana. Andraso amin’ny faharetana izany valim-bavaka izany. Andraso amin’ny faharetana, izay no maha-sarotra kely azy ; andrasana amin’ny faharetana ilay izy ; tsy maintsy ho avy ilay izy, fa andrasana amin’ny faharetana satria Andriamanitra tsy miteny hoe hamaly anao Aho afaka 1minitra, hamaly anao Aho afaka adiny 1, hamaly anao Aho afaka 1 volana, hamaly anao Aho afaka herintaona. Efa am-polo taona maro Abrahama no niandry valim-bavaka ka nanan-janaka ; am-polo taona maro, 120 taona i Noa vaonahazo valim-bavaka, vao avy ny orana ; ary 120 taony izy niandry an’izay valim-bavaka izay nanamboarany ilay sambo fiara. Izay no itenenana hoe : mianara manana faharetana ry havana ô. Izay izany ilay toetra fahatelo, hoe : vitao ny sitrapon’Andriamanitra, mivavaha, dia miandrasa valim-bavaka mikasa izay teny fampanantenana omen’Andriamanitra anao manokana teo amin’izay fihaonanao taminy, ary andraso amin’ny faharetana izany fa tsy maintsy ho avy izany valim-bavaka izany.

Faranana ry havana izao teny izao, faranana izao teny izao : zavatra volamena izany mahafantatra hoe proposén’Andriamanitra anao ilay « intimité filiale » ; zavatra volamena izany hoe omena valisoa lehibe izany ianao ety an-tany, dia fiadanana ao am-po, eritreritra milamina, satria tsy manary fahasahiana ianao, manana faahsahiana ianao. Zava-dehibe izany hoe hahazo valim-bavaka izany ianao e, na ho ela na ho haingana e, satria mamita ny sitrapon’Andriamanitra. Fa izao : ianao, araka izay notenenina tany am-boalohany, nandray an’i Jesoa Kristy ho Mpisoronabe, ka nampandroso Azy tao amin’ny fonao, zaavtra iray no angatahina anao eto am-pamaranana : mahavara mivavaka, mahavara mivavaka. Andeha anie jerentsika ny Salamo 37 :5 ; 7a : « Ankino amin’ i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. Miantombena tsara miandry an’ i Jehovah hianao ka manantenà Azy ». Isika mianatra tenin’Andriamanitra, fa tsy ampy vavaka ry havana ô. Miteny aminao ny Tompo androany ary e : Ankino Aminy ny làlanao, ankino Aminy ny làlanao ; ankino Aminy ny làlanao rehetra, ny fikasanao rehetra, ankino Aminy. Izay no zavatra hanafarana antsika ; apetraho Aminy, recommandé-o Azy ; izay ilay teny frantsay. Ankino Aminy. Fa izao : ny fanakinana làlana amin’i Jehovah ry havana, Jehovah Ray, indray mandeha ihany no ataonao. Raha miteny ianao hoe : Jesoa a, ankiniko aminao io fanambadiako io fa ohatrany misy zavatra manahirana, efa nankininao izay ilay izy, une fois pour toute e. Fa raha rahampitso ianao mbola mivavaka hoe ankinoko io an, tsy tena mbola nanankina ianao izay, tsy mbola tena nanankina ianao izay. Fa ny olona tena manankina, eo amin’ilay and.7 hoe: « Miantombena tsara miandry ». Izay. Azonareo ve ilay izy ry havana ? Ankinina voalohany, ary ankinina indray mandeha ; ohatra aho izao androany 03 Novembre misy sujet mamesatra ahy : ankiniko Aminy androany 03 Novembre. Dia rahampitso 04 Novembre aho miantombona, miandry, dia manantena ; Talata aho miandry, Alarobia aho miandry ; araka ny teny teo : manana faharetana aho miandry.
Ry havana ô, ho tahin’ny Tompo izao teny izao hitondra vokatra eo aminareo izay mihaino Azy an-kitsim-po sy amin’ny finoana, hitondra fanovàna, ka hoe hanana toetra tena hahafaly an’Andriamanitra ianareo, ho fahasambaranareo sy ho voninahitr’Andriamanitra Raintsika. Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.

ALAHADY 27 OKT 2019

"Henoy izao teny izao, izay lazain’ i Jehovah ny aminareo, ry Zanak’ Isiraely, dia ny amin’ io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta io: Hianareo ihany no fantatro tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, koa noho izany dia hovaliako hianareo noho ny helokareo rehetra". Amosa 3:1-2

ALAHADY 20 OKT 2019

1 Korintiana 12 :4-11 : « Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ ny olona rehetra. Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa. Fa ny anankiray nomen’ ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray finoana, amin’ izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin’ izany Fanahy iray izany ihany, ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin’ ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. Ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony ».

Ny zavatra tokony ho marihina amin’ity perikopa ity ry havana dia ny fiverimberenan’ny teny hoe : « zarazaraina » sy ny teny hoe : « iray » : zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, zarazaraina ho samy hafa ny asa. Ary koa ny hoe : Fanahy iray ihany, Tompo iray ihany, Andriamanitra iray ihany. Izany hoe ny fisian’ny fanompoana sy ny asa samy hafa ao amin’ny Fiangonana dia tsy tokony hampiady na hampifandrafy, na hiteraka fifaninanana, na sanatria fialonana sy fifanimbana. Fa Andriamanitra iray ihany no ipoiran’izany asa sy fanompoana samy hafa izany, mba hampandrosoana ny fiangonana. Andriamanitra iray ihany no ipoiran’ny fanomezam-pahasoavana rehetra mba hampandrosoana ny Fiangonana. Fa inona tokoa no nitranga tao Korinto ka mety nahatonga ny fampianarana nataon’i Paoly tahaka an’izao ? Azo raisina sary an-tsaina fa tena nisy tokoa ny fifandirana teo amin’ny fizarana ny asa tao am-piangonana, izay mety nisian’ny fahatsiarovan-tena ho latsaka ambany noho ny sasany, na fahatsiarovan-tena ho ambony kokoa noho ny hafa. Ary izany fifandirana izany aza dia tafakatra hatrany amin’ny fifampitsarana ho manana, sa tsy manana ny Tompo, araka izay hita eo amin’ny and.1-3 izay tsy tafiditra ao amin’ny perikopantsika, kanefa mialoha izany perikopa izany. Ry havana, tsy tao Korinto ihany, fa mbola olana apetraky ny olona mandrak’ankehitriny izany hoe manana ny Tompo ianao sa tsy manana ny Tompo ? I Ranona manana, i Ranona tsy manana ; ny sampana atsy bebe kokoa ny Tompo ao aminy, ny sampana atsy tsy misy Tompo mihitsy. Ary ny sasany aza dia manao hoe : ny Fiangonana atsy misy Tompo, ny sasany tsy misy Tompo. Dia indraindray, rehefa tratran’izay hoe ny atsy misy Tompo izay, dia lasa miala ao amin’ilay Fiangonana heverina fa tsisy Tompo, mihazakazaka mirohitra mankany amin’ilay Fiangonana heverina ho misy Tompo. Mazava ny tenin’i Paoly eo amin’ny and.1-3,   « tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ ny Fanahy Masina ».

Eo amin’ny fotom-pinoantsika protestanta dia ampy anehoana an’i Jesoa ho Tompo ny fanoloran-tena amin’ny batisa sy ny fanamafisana an’izany amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Fa tsy misy mampalahelo ry havana, tahaka ny mahita olona izay tsy mety mahita ny Tompo mihitsy eo amin’ny dingam-panahy lalovany. Atao batisa izy, tsy afa-po fa lasa indray mitady karazana batisa hafa mba hidiran’ny Tompo ao aminy ; atao ny fandraisana, mbola tsy afa-po ; miditra mpiandry, mbola tsy mety afa-po ; miditra Pasitera mihitsy aza, tsy mety afa-po ihany. Ry hava-malala, finoana no andehanantsika fa tsy fahitana, na fahatsapana. Ary fanomezana maimaim-poana no andraisan’Andriamanitra anao, fa tsy vokatry ny asanao velively akory. Koa rehefa nampiditra indray mandeha an’i Jesoa ao am-ponao ianao, dia mitoetra ao am-ponao foana Izy : miara-misakafo aminao, monina ao aminao. Koa alaviro ny fifampitsaratsarana, fa tsy mahasoa antsika izany, ary tsy mampandroso ny Fiangonana. Iray ny Andriamanintsika, ary miorina ao Aminy isika sy ny ataontsika rehetra.

Fa ny fampianarana lehibe atolotr’i Paoly ato amin’ity perikopa noraisintsika ity dia izao : voalohany indrindra, rehefa manaiky an’i Jesoa ho Tompo isika, ka tafiditra ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, ao amin’ny Fiangonana, dia tolorany fanomezana. Ary izany fanomezana omena ho antsika izany dia tsy inona akory fa ny fanompoana. Rehefa mandray fanomezana isika, ny zavatra ataontsika voalohany dia ny mankasitraka ilay nanome. Ary hoy ny tsianjerin’ny ankizy madinika hoe : « raha misy manome zavatra ho anao, kingà miteny hoe misaotra tompoko ô ». Raha mahalala fomba isika dia tsy mitsikera ilay fanomezana, hoe ratsy sa tsara, fa ny fon’ilay nanome no zava-dehibe, ny fitiavana fonosin’ilay fanomezana no zava-dehibe. Dia tahaka an’izany koa ry havana ny fanompoana omen’Andriamanitra antsika : mirakitra ny fitiavan’Andriamanitra izany, mirakitra ny fahatokiany anao izany, ary manatsara hatrany ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. Matoa io natolotra anao, dia entinao hampandrosoana ny Fiangonana, hahatonga ny mpiara-mivavaka aminao tsy handao ny fanompoana an’i Kristy, hahatonga ny rahalahinao sy ny rahavavinao ao amin’ny Tompo hahita hatrany ny voninahitr’Andriamanitra. Tsy hitanao mahasambatra ve ry havana izany hoe afaka mitsofoka ao amin’ny tsiambaratelon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana ka mampihaona ny olona amin’i Kristy ? Amin’ny maha-fitiavana Azy dia tsy manao zara-vilana Izy. Fa nomeny daholo rehefa mety ho mpino : zarazaraina, zarazaraina : samy manana anjara. Tena mampandainga an’Andriamanitra ianao raha manao anakampo hoe : « izaho tsy mba nahazo » ; fa na ianao manao be marenina, dia tsy mety mihaino ny Fanahy Masina mibitsika aminao, hoe inty ny zara-fanompoanao ; na ianao isan’irony kamo be irony, dia aleonao mipetrapetraka, ary izay tena mampalahelo indrindra aza, dia mety ho tonga hatrany amin’ny fakana ny toeran’Andriamanitra amin’ny fitsikerana tsy mijanona ny fanompoan’ny hafa.

Ry havana, mbola tsy tara anio, manapaha hevitra : inona ny fanompoana atolotry ny Tompo ho anao mba hampandrosoanao ny hafa, mba hampandrosoanao ny Fiangonana ?

Tsy mety koa anefa ny hoe mampivangongo ny fanomezam-pahasoavana ho anao samirery, dia heverina fa hoe ao aminao irery izany ny Fanahy Masina no miasa ; asa, raha tsy hoe angamba, ao amin’ny Fiangonana misy anao, tsy misy afa-tsy ianao sy olona anankiray. Olona 2 izany ianareo no membre ao, dia voatery ataonao daholo ny zavatra rehetra. Fa raha tsy izay no mitranga, dia zarazaraina samihafa ny fanomezam-pahasoavana.

Mitanisa fanomezam-pahasoavana vitsivitsy i Paoly ato amin’ity perikopa izay noraisintsika ity. Voalohany hitantsika eto, dia hoe : « teny fahendrena ». Teny manambara ny rariny izany, sy ny tokony ho izy. Tena zava-dehiba amin’ny Fiangonana ny fisian’ny Kristiana manana an’izany teny fahendrena izany mba hiarovana ny Fiangonana tsy ho tafalatsaka amin’ny fankahalana be fahatany, na faindaniana tsy ampy fandanjalanjana.

Ao koa ny hoe : « teny fahalalana ». izany indray dia teny fampianarana ahatakarana ny famonjen’Andriamanitra, ny planin’Andriamanitra, ny asan’Andriamanitra. Izany dia tena ilaina amin’ny fampiorenana tsara ny foto-pinoan’ny Fiangonana, ary ny mpampianatra ao amin’ny Fiangonana no tena manana an’izany teny fahalalana izany. Ao koa ny finoana. Eto dia tsy ilay finoana mahavonjy akory no tiana ho lazaina, satria ny mpino rehetra dia manana an’izany finoana izany ; fa ilay finoana mahafindra tendrombohitra, araka izay hita ao amin’ny Matio 17 :20. Eo anatrehan’ny zava-tsarotra mety lalovan’ny Fiangonana dia ilaina tokoa ny fisian’ny olona manana finoana manokana toy izany, mba tsy hampiraviravy tanana ny Fiangonana, ka tsy hihemotra, fa handroso hatrany.

Ao koa ny hoe : « fanasitranana ». Mahafinaritra ry havana, fa noho ny fahatsiarovan’ny Fiangonana fa manana an’izany fanomezam-pahasoavana izany izy, dia tsy vitsy ny Fiangonana manana dispensaire ao aminy. Fa izao koa : io litorjia ataontsika isan’Alahady io anie e, raha vita milamina tsara, dia tena manasitrana olona maro tokoa.

Manaraka izany, ao ny hoe : « fahagagana ». Mety misy ifandraisana amin’ny fanasitranana ihany izy io, raha toy ny hoe : nalemy nanjary nitsangana, jamba nanjary nahiratra, moana lasa miteny. Fa inona no tena fahagagana lehibe indrindra izay hitantsika ato amin’ny Fiangonana ? Dia ny ahazoanao mitia ny fahavalonao, ny ahazoanao mampifankatia ny olona mpifahavalo ; izany no tena fahagagana lehibe indrindra.

Manaraka, « fanavahana ny fanahy ». Io dia tena zava-dehibe izay ahafantarana ny fanahy mampiteny na manetsika ny olona iray, na avy amin’Andriamanitra, na tsy avy amin’Andriamanitra.

Ao koa ny « fiteny tsy fantara ». Arakan y filazan’ny mpandinika, ny atao hoe fiteny tsy fantatra, dia tenin’ny anjely, tenin’ny lanitra. Mila mpandika teny izy io, mba hahasoa ny hafa. Tsy dia fahita loatra aty amin’ny Fiangonana FJKM izany, fa ry zareo pentekotista, no tena manana an’io fanomezam-pahasoavana io, na manome lanja azy io. Efa nisy fotoana aho ry havana mba nivavaka tamin’ireny Fiangonana zandriny ireny, ary tao amin’io Jesosy Mamonjy io mihitsy no nandehanako. Fa rehefa tonga eo amin’ilay hoe vavaka amin’ny teny tsy fantatra ry zareo, dia tena tsy misy fantatra tokoa moa izay lazainy. Izahay moa tamin’ny fahazazana nipetraka tany Isotry, akaikin’ny tsena, fa dia nampahatsiaro ahy ny tsena tany Isotry mihitsy ilay fanompoam-pivavahana, fa dia mitabataba be, samy miteny izay tiany ho lazaina ny tsirairay avy. Tsy mahazatra ahy moa ilay izy dia tsy tena nampandroso ahy loatra, fa mety amin-dry zareo izay zatra izany fomba izany, dia nampandroso azy.

Raha mamarana an’izany fitanisana izany i Paoly, dia hoy izy eo amin’ny and.11 : « Ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony ». Fa satria moa amin’ity volana Oktobra ity no andinihantsika manokana ny lohateny hoe : « Maniria haminany », dia horesahintsika ato amin’ny tapany faharoa ny fanomezam-pahasoavana maminany. Raha nanaraka tsara ny perikopantsika nandritra ity volana ity isika, sy ny mofon’aina izay vakiana isan’andro, dia antenaina fa manana fahalalana ihany momba ny faminaniana, izay afaka hiaro antsika amin’ny fampianaran-diso, na hitondra famporisihina antsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny mahazatra ny maro, rehefa miresaka faminaniana, dia izao : fanokafana ny fanalahidin’ny ho avy izany, mba haahtonga anao hiomana ho amin’izany ho avy izany. Eo amin’ny fiainana andavan’andro moa, ny siansa sy ny fitaovana izay efa lavorary marobe dia afaka mahafantatra ny ho avy. Ohatra : ny toetr’andro. Rehefa handeha hivoaka isika dia mihaino tsara hoe inona ny toetr’andro rapitso na rariva ? Fantatry ny siansa sy ny fitaovana marobe izany, dia milaza izy hoe : ho avy ny orana rariva. Dia iny isika fa efa manao raglan na mitondra elo. Na hoy izy hoe : tsara ny andro, dia iny isika mba miomana hoe handeha hivoaka hitsangatsangana. Dia tahak’izany koa amin’ny vaovao sasany : rehefa misy milaza hoe hisy éclipse amin’izao, dia iny isika fa mioman-komana amin’ny solomaso izay anaovana amin’izany. Ary na ny Baiboly aza dia ahitana an’izany endrika faminaniana izany, izay hanambarana mialoha izay hitranga. Dia eo no hanavahana ny mpaminany marina, sy ny mpaminany sandoka. Ny mpaminany marina dia milaza ny marina ary hitranga marina izay nolazainy ; fa ny mpaminany sandoka dia milaza zavatra lainga ary tsy hitranga mihitsy izay nolazainy.

« Maniria ny haminany », hoy ny lohahevitra banjinintsika amin’ity volana ity. Ary dia misy tokoa ampahan’olona maniry fatratra ny haminany ; fa misy koa ampahan’olona matahotra ny haminany. Fa ny fanontaniana anie dia izao tokoa e : « haminany inona ? ». Raha miverina eto amin’ny perikopantsika isika, dia tsy ilay mahazatra loatra ity fanomezam-pahasoavana voalaza eto ity, tsy fanambarana mialoha izay ho avy any aoriana akory, fa fanambarana sy fitoriana ny herin’ny asan’Andriamanitra, fitoriana ny fitiavan’Andriamanitra, fitoriana ny fahasoavan’Andriamanitra. Koa inona no hampisalasala antsika amin’izany ? Fanambarana ny asan’Andriamanitra, ny fitiavan’Andriamanitra, ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy, izay namonjena antsika hiala tamin’ny fahotana, hananantsika fiainana vaovao, hiainantsika amin’ny rivo-baovaon’ny famelan-keloka sy ny fifankatiavana tsy mihatsaravelatsihy, hiainantsika amin’ny fahasoavan’ny Tompo, izay vaovao isa-maraina. Faminaniana iainana dieny izao, faminaniana iainana dieny ankehitriny. Ary izany no adidin’izay manana fanomezam-pahasoavana manokana amin’ny faminaniana, dia ny mampatsiahy tsy mety sasatra fa efa eo amintsika ny Mesia, fa tsy mbola andrasana intsony ; efa miara-miaina amintsika Izy, eo afovoantsika Izy isaky ny mivavaka isika, fa tsy hoe mivavabava-poana akory. Misantatra ny fiainan’ny lanitra isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo satria manatrika antsika eo daholo ny olo-masina any an-danitra sy ireo havantsika efa nodimandry ao amin’ny Tompo. Faminaniana iainana, faminaniana iainana.

Fa ny mpaminany sandoka dia miady lava, mankahala lava, tsy manam-pitiavana, tsy mahatsiaro ny fahasoavan’Andriamanitra. Mbola manana fotoana hibebahana ianao raha sanatria tafalatsaka ao amin’izany hoe mpaminany sandoka izany.

Efa novakiantsika ny tao amin’ny Matio 7 :21-23, izay enjana dia enjana tokoa ny tenin’ny Tompo, mikasika an’izany hoe, tsy manaraka ny sitrapony izany. Andeha anie hiverenana vakiana e : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka ». Maniria haminany marina satria marina ny Tompontsika.

Fa eto am-pamaranana ry havana dia hitodika manokana aho amin’ireto mpitendry zava-manenon’ny Fiangonana ireto isika, satria moa androany dia alahadin-dry zareo. Ao amin’ny Baiboly ao, ny mozika dia mamelona ny aingam-panahin’ny mpaminany. Andeha anie ho vakiana ny 1 Samoela 10 :5 : « Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean’ Andriamanitra hianao, izay misy miaramilan’ ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna hianao, dia hifanena amin’ ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao amin’ ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo ». Ao koa ny tantaran’i Davida sy ny valihany : tsy nampiasa an’izany ho fitadiavam-bola loatra akory i Davida, fa nataony ho fahafinaretany sy fialam-boliny ny zava-maneno. Namoronany Salamo marobe koa, izay nanehoany ny fihetsem-pony ny Salamo sy ny fitendrena ny valiha. Fa misy tantara mahavariana mikasiaka an’i Davida sy io valihany io, dia ny nampiasany izany ho entina manasitrana aretina. Ao amin’ny 1 Samoela 16 :14-23 : « Fa ny Fanahin’ i Jehovah efa niala tamin’ i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah nampahatahotra azy. Ary hoy ny mpanompon’ i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin’ Andriamanitra mampahatahotra anao. Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin’ Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin’ ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany hianao. Ary hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ amiko. Dia namaly ny anankiray amin’ ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin’ ny zanak’ i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy. Ary Saoly dia naniraka tany amin’ i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry. Ary Jese naka mofo tokony ho zakan’ ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak’ osy, ka nampitondrainy an’ i Davida zanany ho an’ i Saoly ireo. Ary Davida tonga tany amin’ i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany. Ary Saoly naniraka tany amin’ i Jese nanao hoe: Masìna hianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy. Ary raha nisy fanahy avy tany amin’ Andriamanitra tonga tao amin’ i Saoly, dia noraisin’ i Davida ny lokanga ka notendren’ ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy ».

Ry mpitendry zava-maneno malala, 45 taona nitendrena : ianareo no mpaminany mitarika ny olona amin’ny fiderana tsara an’Andriamanitra ; mitarika ny olona hanambara ny asan’Andriamanitra ; mitarika ny olona hanambara ny fitiavan’Andriamanitra ; mitarika ny olona hanambara ny fahasoavan’Andriamanitra. Aza mandrarak’ilo mby an-doha fa tanteraho amin’ny fifaliana ny asanareo, tanteraho amin’ny fanetren-tena ny zara fanompoanareo. Ny fitendrenareo ny lokanga no hanasitrana ny aretin’ny maro ; koa aza malaina, fa mazotoa hatrany.   

Ry Fiangonana malala, efa nomena anao ny fanomezam-pahasoavana mifanaraka amin’ny maha-izy anao, dia ataovy amin’ny fifaliana ny zara fanompoanao. Amena

 

                   

Commentaires récents par FJKM Isotry Fitiavana

Pas de commentaires par FJKM Isotry Fitiavana encore.