Messages récents par FJKM Isotry Fitiavana

ALAHADY 15 DES 2019

Hafatra ho fampieritreretana antsika ry havana amin’izao maraina izao, dia ny hoe : TENA ZANAKY NY FIADANANA MARINA VE IANAO ? TENA ZANAKY NY FIADANANA MARINA VE IANAO E ?

Raha zanaky ny fiadanana ianao ry havana ô :
- Voalohany, naturellement, automatiquement, miaina fiadanana ianao raha tena zanaky ny fiadanana ianao.
- Ary faharoa manaraka an’izany, raha tena zanaky ny fiadanana ianao, dia ho mpizara fiadanana, mpizara fiadanana.
- Ary fahatelo, raha tena zanaky ny fiadanana marina ianao, rehefa miala eto ianao, dia hiditra any amin’ny fiadanana mandrakizay.
TENA ZANAKY NY FIADANANA MARINA VE IANAO RY HAVANA O ? TENA ZANAKY NY FIADANANA MARINA VE IANAO E ?

Hanampy antsika ry havana handinin-tena ny amin’izany, ireo texte 3 ao amin’ny perikopa.
Fahamarinana 1 : NY TENA ZANAKY NY FIADANANA DIA MIALA AMIN’NY FANOMPOAN-TSAMPY NENTIN-DRAZANA
Ny tena zanaky ny fiadanana dia efa niala, na miala amin’ny fanompoan-tsampy nentin-drazana. Izay ny fahamarinana 1. Andeha anie iarahantsika mamaky iarahantsika mamaky miadana 2 Tantara 14 :1-5, firenena Joda nomen’Andriamanitra fiadanana satria niala tamin’ny fanompoan-tsampy isan-karazany, and.1-5 : « Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitra; fa nandrava ny alitaran’ ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha. Ary nandidy ny Joda hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy. Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro teny amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany. Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’ izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana ». Raha ampiarintsika ry havana amin’izao hoe vanin’andro ianantsika malagasy izao izany hafatry ny tenin’Andriamanitra izany, dia izao : Asa, mpanjaka teo amin’ny Joda. Ny zavatra voalohany nataony raha tonga teo amin’ny fitondrana izy dia nandrodana ny alitaran’ny sampy rehetra. Izany no nataony, ary izany no nanomezan’Andriamanitra fiadanana an’i Joda. Azonareo an-tsaina moa izany ry havana, raha hoe tonga teo amin’ny fitondrana izany ingahy Rajoelina, filohan’ny repoblika, ny zavatra nataony voalohany, mamoaka didy handravàna ny doany sy ny toerana fanasinana rehetra manerana an’i Madagascar, dia hitoetra ao amin’ny fiadanana ny malagasy. Henonao moa izany ? Miy manam-pahaizana noho izaho ao ry havana, mety hiteny izy anakam-pony any hoe : « O ry Pasitera an, Baiboly angamba no nianaranao », « eny tompoko », « fa tsy nianatra momba ny science politique ianao, tsy nianatra momba ny toe-karena ianao, tsy nianatra momba ny fiaraha-monina ianao, tsy nianatra momba ny tantara ianao », « eny tompoko ô, fa ny zavatra hitako dia ny mpanjaka nanao izay tsara teo imason’i Jehovah dia nandrava ny alitaran’ny sampy rehetra tao amin’ny fireneny izay notapahiny ». Henonao ve izany fahamarinana tsotra izany e ? Ary ekenao ao am-ponao ve izany fahamarinana fototra ahazoana fiadanana izany, iainana fiadanana izany ?
Voatery somary nandinika ihany aho ry havana, ny tena hoe fombantsika malagasy sy ny fanahin’ity fanompoan-tsampy eto amintsika ity, dia tena nianatra zavatra tokoa aho aloa e, momba an’ireny hoe doany ireny, nijery reportages vitsivitsy aho, doany sy toeram-panasinana. Rehefa jerenao an, dia tsy fiheverana hanao zavatra ratsy aloa no ankanesan’ny olona any amin’ny doany - araho hatramin’ny farany ilay fanazavana an – satria ilay olona mankany amin’ny doany an, dia resy lahatra izy, na ampanantenaina hoe hahita soa, hahazo vola, hahazo harena, hahazo fanasitranana amin’ny aretina isan-karazany ; hoe misy rano eo amin’ilay doany, misotro an’io ianao, dia raha misy aretina any an-kibonao any, dia mandoa ianao dia mivoaka miaraka amin’izay ilay aretina. Maro ny olona ampandroana rano ao amin’ilay doany rehefa hoe tsinana ny volana, na rehefa hoe miary ho fenomanana ny volana, dia afaka ny aretina etc… Misy olona mankany amin’ny doany dia asaina mamono omby, dia hoe colonel lasa général, ankizy te hianatra any an-dafy dia lasa mahazo visa sy mahazo inscription any an-dafy etc… Misy olona tonga ao amin’ny doany, momba, dia te hiteraka, dia manisy kilalao eo amin’ilay doany eo, dia hoe miteraka rehefa avy eo, mitoe-jaza, dia teraka. Donc, amin’ny voalohany aloa, tsy maninona ilay izy : olona mitady izay hahasoa azy. Fa inona no maha-vetaveta azy ry havana ? Satria izany hoe fanompoan-tsampy sy fankanesana any amin’ny doany sy toera-panasinana izany, dia tena hoe fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra. Ary ilay mpitaiza ao amin’ilay doany ihany no mitantara azy ; anontanian’ilay journaliste izy manao famotorana, « ahoana moa izany rehefa misy olona tonga ato amin’ilay doany hangataka fitahiana ? ». Dia hoe miaraka amin’ilay sorona, dia manao ilay vavaka izy. Dia hoy ilay mpitaiza : « miantso an’andriamanitra aloa ». Dia raha ny fahenoanao azy dia ohatrany hoe ilay Andriamanitry ny Baiboly ilay izy, satria Andriamanitra no nipoiran’ny zavatra rehetra, Andriamanitra no nihavian’ny zavatra rehetra eto an-tany eto, io zavatra hita maso io. Fa avy eo amin’izay, dia miantso an’ireo karazana mpanjaka lahy sy mpanjaka vavy nanjaka teto Madagasikara. Izay : ny fanahin’ireo mpanjaka ireo, izay ilay hoe fampirafesana an’Andriamanitra ary fanaovana fahavetavetana. Izany hoe fahavetavetana izany ao amin’ny Baiboly, na dia hoe manonona ilay voambolana hoe fahavetavetana aza, tena hoe ialan’ny jiosy ry havana ô. Fa izany no nasain’i Asa mpanjaka nialana ry havana ô. Izany no nasain’i Asa mpanjaka nialana. Ary rehefa mandinika ianao, raha hoe jentilisa, tsy omena tsiny izy ; fa ilay kristiana mitan-droa ry havana ô, manao tan-droa, iny no tena hoe halan’Andriamanitra ry havana ô. Dia rehefa mandinika ianao, na kristiana marivo salosana, na kristiana tsy ampy fahalalana no manao azy. Satria rehefa mandinika ireny olona ireny ianao, dia hoe : ilay fifotorana amin’ireny hoe karazam-panao izay nolazaintsika teo ry havana, ilay fifotorana amin’ireny karazana fanao ireny, dia mifandraika amin’izay heveriny hoe fizina. Ilay hoe fizina, dia hoe : « iza moa izy ? » ; mifandraika amin’ilay fizina, na ilay hoe « identité culturelle ». Izay no identité culturelle, ilay fifotorana amin’ireny fomba amam-panao nentin-drazana ireny. Ary mifandraika amin’izay ihany koa, mifamatotra amin’izay ihany koa, hoe foto-pisainana, mahatonga azy hihevitra hoe ny fitanana an’ireo fomba amam-panao ireo ry havana dia tsy inona fa hoe karazana fanajana ny razana izay niandohana sy niaviana. Diso fizina ilay olona ry havana ô. Ianao anie ka zanak’Andriamanitra e. Iza ianao ? Zanak’Andriamanitra ianao. Diso fizina ilay olona ry havana ô. Iza ianao ? Zanaky ny fiadanana ianao. Ary tsy ny razana no niandohan’ny zavatra rehetra, fa Andriamanitra no niandohan’ny zavatra rehetra ry havana ô. Raha tena zanaky ny fiadanana marina ianao, raha tena zanaky ny fiadanana marina ianao, atsaharo tsisy hatak’andro ny fanompoan-tsampy. Tsy hitondra fitahiana io fa hitondra fanozonana.
Vao tsy ela ry havana izay, ary misaotra an’Andriamanitra moa ny amin’ity hoe tari-dalana hoe Vontosy filazantsara, tanterahina ao amin’ny dispensaire ity, efa iray volana sy tapany angamba izay, isan’andro. Ilay marary ao, dia hoe vontosana filazantsara. Dia nisy madama izay tao amin’ny Vontosy filazantsara tato amin’ny dispensaire tato ry havana ô, nampandroina tany amin’ireny doany ireny, ary ny tena nampalahelo dia izao : izy tsy mpanao an’izany taloha, fa izy nampandroina tany amin’ny doany satria notenenin’ny vadiny hoe : ianao ampandroina any amin’ny doany ; satria ilay vadiny koa efa nampandroina tany amin’ny doany, ary ny mamany no niteny tamin’ilay dadany hoe : ianao ampandroina any amin’ny doany. Ary iza ilay mampandro any amin’ilay doany ? Ilay rahavavin-dreniny. Izahay aloa, hoy izy Pasitera, mbola tsy nahita fitahiana hatreto an. Fa efa tsy resy lahatra intsony izahay. Fa ny nahatonga an’io madama io niakatra tao amiko, nentin’ny Vontosy filazantsara tao aminay tao ry havana, satria marary ; marary an-doha, marary, marary mafy. Dia rehefa entina any amin’ny dokotera, salama tsara, tsitan’ilay dokotera mihitsy izay hoe aretina, fa dia hoe, misaotra an’Andriamanitra izy fa niasan’ny Tompo, nanaiky niasana, nalefa any amin’ny toby. Ny tena zanaky ny fiadanana ry havana ô, dia miala amin’ny fomban-drazana mahatonga azy hanompo sampy.
Tena faly aho ry havana mampiseho anareo an’ity article kely tao amin’ny gazetin’Isotry Fitiavana. Manasa anareo amin’ny anaran’ny Tompo, raha mbola tsy nahazo ianareo, vidio io gazety io, karohy io gazety io, ary aelezo io gazety io. Misy interview an’i Mr Herisoa Andrianaina Rakotojaona. Mpikabary izy io. Naina mpikabary no iantsoana azy. Ambarako eto ry havana, fa raha eo amin’ny tontolon’ny fikabariana, raha tsy voalohany dia faharoa ny fahaizany izany hoe kolon-tsaina malagasy, literatiora malagasy, fomba malagasy. Ary raha tsy voalohany izy, dia faharoa amin’ny fahaizana Baiboly eo amin’ny tontolon’ny mpikabary. Fa raha hoe sady fahaizana kolon-tsaina malagasy sy fahaizana Baiboly, io no olona numéro 1 ry havana ô. Fa ny tena mampiavaka azy amin’ny mpikabary rehetra, dia rehefa hoe mifanohitra, rehefa hoe mifandona ny kolon-tsaina malagasy sy ny kolon-tsaina ao amin’ny Baiboly, dia ampandeferiny tsy am-pisalasalana izany hoe kolon-tsaina malagasy izany. Dia vakiako aminareo ny zavatra kely mifandraika amin’izao perikopa izao. Misy mantsy mihevitra, hoy izy, fa rehefa lalaina ny maha-malagasy, dia ampandeferina ny maha-kristiana. Tsy mba anisan’ireny i Naina mpikabary. Fa hoy izy : amin’ny fanao, hoy izy, dia izao : nohamafisina ny fanao afaka mifanindran-dalana sy mitovy. Ohatra : fanetren-tena, fandeferana, fiaikena ho diso. Dia tohizako ilay izy, sady mandingana aho, fa manasa anareo hijery an’ity, dia hoe : raisina manontolo ny ambaran’ny Soratra Masina ary ajanona ny fanao malagasy mifanipaka aminy. Izay ilay izy an : raisina manontolo ny ambaran’ny Soratra Masina ary ajanona ny fanao malagasy mifanipaka aminy. Ohatra : ajanona ny famadihana, ajanoa ny firesahana amin’ny maty. Tsy hoe ny fanaovam-beloma ny maty ihany, fa ajanona ny firesahana amin’ny maty, ajanona ny fanompoan-tsampy. Dia hoy izy : sarotra tany am-piandohana ireo, fa tena efa irosoana lalina ankehitriny. Mihena tsy an-kijanona, ary efa ho foana ohatra ny fisiana kristiana mamadi-drazana sy mamono lamba faty maina. Ho fanamarinana ireo, dia ireto misy fantina zavatra tsy ataon’i Naina intsony amin’ny kabariny : ny mikabary am-pamadihana, ny manome hasina ny razana, ny miteny amin’ny maty, sns…
Ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, raha tena zanak’Andriamanitra marina ianao, raha iaina fiadanana ianao, raha ho mpizara fiadanana ianao, ary raha te hanantena hiditra any amin’ny fiadanana mandrakizay, meteza ho tena zanaky ny fiadanana : aoka izay, aoka izay ny fanompoan-tsampy nolovaina tamin’ny nenti-paharazana.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia ao amin’ny filazantsara araka an’i Lioka, Lioka 10 :5-6.
Fahamarinana 2 : NY TENA ZANAKY NY FIADANANA DIA MPANONONA NY FIADANAN’NY TOMPO REHEFA MIDITRA AO AN-TOKANTRANO ANANKIRAY IZY - NY TENA ZANAKY NY FIADANANA DIA MPANONONA NY FIADANAN’NY TOMPO REHEFA MIDITRA AO AMIN’NY ANKOHONANA IRAY IZY
Lioka 10 :5-6 : « Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe:
Fiadanana ho amin'ity trano ity. Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany ».
Raha tena zanaky ny fiadanana izany ry havana, dia manonona ny fiadanan’ny Tompo rehefa miditra ao amin’ny ankohonana anankiray ianao. Dia ahoana hoy Jesoa ? Hoy Izy, and.6 : « raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo ». Izany hoe izaho izany irahina hanao tafika masina, hitory filazantsara sy ny karazany ; miditra ao amin’ny tokantrano anankiray aho, na iza na iza ao, tononiko ny fiadanan’ny Tompo. Fa inona indray ary ilay hoe raha misy zanaky ny fiadanana, olona tsy voatery hoe efa manana fiadanan’ny Tompo an, fa hoe zanaky ny fiadanana izy ? Jentilisa izy, tsy mino izy, fa zanaky ny fiadanana izy. Ilay zanaky ny fiadanana eto ho an’i Jesoa, dia olona tia fiadanana, olona tia fandriam-pahalemana, olona tsy tia adiady, olona tsy tia gidragidra. Misy olona, tena mahavariana mihitsy e, tsy azony mihitsy ny ainy, rehefa tonga quelque part izy, raha tsy mamorona ady, raha tsy manangan’ady. Ireny angamba ilay lazaina hoe : taranaka mpaka kitay. Tsy zanaky ny fiadanana izany, tsy zanaky ny fiadanana izany. Fa raha hoe misy zanaky ny fiadanana ao, mety ilay raim-pianakaviana io, mety ilay renim-pianakaviana io, mety ilay zanany io, tsy voatery hoe ny loham-pianakaviana ; idéalement, raha ny tokony ho izy, dia ny loham-pianakaviana ; fa raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia raisiny ao, ary hitoetra ao ny fiadanan’i Kristy. Hitoetra amin’izany ankohonana izany ny fiadanan’i Jesoa Kristy. Tahaka ny hoe zavatra mifindra mantsy io fiadanana io, ary rehefa hoe tahaka ny zavatra mifindra ilay fiadanana, dia hoe : hanova ny fifandraisana amin’izany ankohonana izany. Ny ankohonantsika rehetra ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, manana an’izay lafiny tokony hanovàna azy, manana an’izay aretina tokony hanasitranana azy, izany ny ankohonana rehetra ato Isotry Fitiavana ato, sy any an-kafa koa ry havana ô. Izany ny maha-zava-dehibe ny hoe, hisiana na dia anankiray fotsiny aza, zanaky ny fiadanana, ao amin’ny ankohonana. Fa tena rehefa hoe mitoetra ao ny fiadanana, dia hoe lafatra ary mirindra ny fifandraisan’izany ankohonana izany. Lafatra, ary mirindra izany fifandraisan’ny ankohonana izany. Ny lehilahy, tsy hanampatra fotsiny ny maha sefo, maha-loham-pianakaviana, manampatra fahefana, fa tena hoe ray, tena hoe manahaka an’i Kristy, mikarakara vady, mikarakara zanaka, manapaka vady, manapaka zanaka, ary manapaka ny fanompoana. Firy amintsika lehilahy no mahay manompo vady aman-janaka izany e ? Fa ilay petit chef, ilay dictateur, haintsika izany. Tsy fomban’ny zanaky ny fiadanana izany ry havana ô. Ary izaho variana ato, rehefa mahita ato amin’ny fiangonana ato, olona samy milamina izy mianaka, hay izy ireto sakay sy maso, satria tsy mitoetra ao ilay fiadanana. Ianao ranabavy, rehefa tena miasa sy manapaka satria mitoetra ao tsinona ilay fiadanana, efa hainao tsianjery ny hoe mpanampy ny vadinao marina ianao, Ezera. Izao tontolo izaobaza mahalala miteny hoe : « derrière un grand homme, il y a toujours une femme » : Ezera ianareo e. Efa tena Ezera ve ianareo e ? Sa mbola sahirana amin’ny zavatra hafa ianao satria tsy miaina fiadanana ? Ny toeranao tompoko ô, dia Ezera ; rehefa tsy mahay maka ny toerana loha aho, loha ao amin’i Kristy, asandrato aho ho loha ao amin’i Kristy. Asandrato ny vadinao ho mpanjaka. Ary rehefa asandratrao ho mpanjaka ny vadinao, mpanjakavavy ianao ; ny vadinao mpanjaka tsinona. Meteza ho Ezera e, tahaka ny zanaky ny fiadanana e. Ary ampiantsiaka ato Isotry Fitiavana izao ho meteza ho Ezera mpamonjy ny vadinao, ary meteza ho Estera. Meteza ho inona ? Estera. Estera indray, kintana mamiratra, kintana manazava ny sain’ny vadinao, kintana manazava ny lalan’ny vadinao. Izany ny tokantrano itoeran’ny fiadanana ary hifamenoan’ireo mpivady ry havana ô. Ary rehefa hoe zanaky ny fiadanana izy mivady ; na hoe ny zanaka koa, no zanaky ny fiadanana satria hoe izy mivady mbola jentilisa, dia ilay zanaka miharihary amin’ny rehetra fa tena hoe zandrikelin’i Jesoa. Tsy fantatra izay fari-pianarany, tsy fantatra izay quotien intellectuel-ny sy ny intelligence-ny, fa hita hoe ireto dia zandrikelin’i Jesoa. Jerentsika anie ny 1 Samoela 25 :6 e, zava-dehibe ilay manonona ny fiadanana io, 1 Samoela 25 :6, teny fiadanana notononin’i Davida, nanirahan’i Davida ny mpanompony notononina tamin’i Nabala, mpanankarena, mpanefoefo, fa rah tsy hanononana fiadana, tsy manana fiadanana: « Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin'ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin'izay anananao rehetra ». Izany ny fiadanana ry havana ô. Fiadanana miendrika fitahiana, mahazo, mahakasika lafim-piainana rehetra. Ny dikan-tenin’ny DIEM amin’io, dia hoe : « ho taom-pahombiazana anie ity taona ity, fiadanana anie ho aminao sy ho amin’ny ankohonanao, sy ho amin’izay rehetra anananao ». Fa izao hoy Jesoa an, mission anao manonona fiadanana, fa rehefa tsy mandray ilay fiadanana, satria tsy mahay mizara ilay fiadanana ao an, tsy maty antoka ianao satria miverina aminao, ary mitoetra ao aminao izany fiadanana izany.
Izay izany ilay fahamarinana anankiroa. Ny fahamarinana : « Ny tena zanaky ny fiadanana dia miala, na efa niala tamin’ny fanompoan-tsampy nentin-drazana » ; « Ny tena zanaky ny fiadanana dia mpanonona ny fiadanan’ny Tompo rehefa miditra ao amin’ny tokantrano iray ».

Ny fahamarinana 3 farany, ao amin’ny Romana 14 :19-20 : « Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana ».
Fahamarinana 3 : NY TENA ZANAKY NY FIADANANA DIA MIEZAKA MITADY IZAY HAMPANDROSOANA NY NAMANY, ARY NY NAMANY VOALOHANY DIA AO AMIN’NY ANKOHONANY
Tsy hankasitrahan’ny Tompo aho, raha eo aho mampandroso ny fiangonana, satria hoe Pasitera, nefa tsy mampandroso ny ankohonako, tsy mampandroso ny vady aman-janako. Ny tena zanaky ny fiadanana dia miezaka hampandroso ny namany, ary ny namany voalohany dia ny ankohonany. Romana 14 :19-20 : « Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra ». Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana. Io izany, efa voakasika teo, tsy dia hiverenana intsony, hoe : ny olona tia fiadanana izany, tsy tia adiady. Fa ilay hoe : « hihezaka hitady ny momba ny fifampandrosoana ». Ampiarina eo amin’ny ankohonana, fa eo amin’ny fiangonana moa izany ilay izy.
Ahoana izany hoe miezaka mitady momba ny fifampandrosoana ? Misy karazana mpivavaka anankiroa ry havana, na karazana mpino roa ao amin’ny fiangonana : ny matanjaka ara-pinoana, sy ny malemy ara-pinoana. Marina aminay Pasitera izany an : misy Pasitera matanjaka ara-pinoana, ary misy Pasitera mbola malemy ara-pinoana. Marina amin’ny mpiandry izany, marina amin’ny diakona izany, marina amin’ny mpanompon’Andriamanitra isa-karazany izany, marina amin’ny mpanao poésie izany, marina amin’ny mpitendry zava-maneno izany, marina amin’ny mpamoron-kira izany, marina any amin’ny sekoly alahady sy ny karazany izany. Misokajy roa isika mianakavy an : ao ny matanjaka ara-pinoana, ao ny malemy ara-pinoana. Dia inona ny zavatra tenenin’ny Apostoly voalohany indrindra raha hoe hihezaka hitady momba ny fifampandrosoana isika ? Ato amin’ity Romains 14 :1 ity, jerentsika anie : « Ary raiso ny malemy finoana ». Amin’ny teny frantsay, ilay « raiso » : « faites bon accueil ». Aza hiavonavonana izy ry havana ô ; be dia be loatra ny olona hoe mahatsiaro tena, hany ka hoe mandinika ianao hoe matanjaka ara-pinoana ve ity ranamana ity, mahatsiaro tena ho matanjaka ara-pinoana, dia tratran’ny hoe « orgueil spirituel » : miavona, manambany ilay malemy finoana. An an an, hoy ny Apostoly Paoly. Hoy ny Apostoly Paoly : « raiso amin’ny fitiavana izy, raiso amin’ny fahalemem-panahy izy ». Izay aloa ilay hoe miezaka mitady izay fifampandrosoana.
Dia ny zavatra atoron’ny Apostoly Paoly indray, dia izao : fantaro tsara aloa ny momba azy, jereo hoy Paoly, eo amin’ny and 3, Paoly Apostoly eo amin’ny and.3 : « Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy ». Ny zavatra mahamaika ry havana ô, tsy ny fahafantarana hoe izaho ve mihinan-kena na tsy mihinan-kena ; izaho ve tsy mihinana afa-tsy zava-maniry ihany ; tsy izany no zava-dehibe hoy Paoly. Aoka ho fantatr’ianao izay mijery ahy aoka ho azonao antoka marina hoe efa nandray ahy ve Andriamanitra, satria izaho efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra. Ny fanontaniana tena apetraky ny Tompo aminao ry havana ô, raha tena zanaky ny fiadanana ianao : efa nanolo-tena marina ho an’Andriamanitra ve ianao ? Mbola noteneniny teo : mba omeo Ahy ny fonao. Efa nomenao Azy ve ny fonao e ? Efa nomenao Azy marina ve ny fonao ? Ary ianao, rehefa mahita olona heverinao fa malemy finoana, tsarovy fa hoe efa noraisin’Andriamanitra io, ary tsarovy ny eo amin’ny and.10, ny zava-dehibe anie hoy Paoly e, tsy hoe izy mbola tsy mihinan-kena, na tsy mihinan-kisoa e, tsy any ilay problema e ; fa izy, na ianao, ny zava-dehibe dia hoe samy hiseho eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra. Samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra. And.12 : « Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra ».
Raha fintiniko ny zavatra nolazaina teo, dia hoe : misy olona malemy finoana eo anoloanao eo, ato amin’ity fiangonana ity, na any amin’ny toeran-kafa, dia raiso izy e, raiso amin’ny fahalemem-panahy izy, raiso amin’ny fitiavana izy. Aza misozy azy ianao, aza misozy azy ianao. Fa ataovy ao an-tsainao fotsiny, fantaro hoe efa nandray azy ve Andriamanitra ? Ary raha efa nandray azy Andriamanitra, na mbola tsy nandray azy Andriamanitra, isika rehetra de toute façon, samy hampamoahina. Ho avy ny andro, samy ampamoahina isika. Raiso amin’ny fahalemem-panahy, ary aza malaky mitsara. Izay no lazain’i Paoly eo amin’ny and.1 teo : « Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza , mandray azy hitsaranareo ny eritreriny ». Zavatra tena hoe takaitrantsika ry havana ô, tena fahazaran-dratsy : isika mianakavy ireto, ilay hoe fitiavana hitsara. Ary tena hoe malaky mihitsy isika an, malaky mihitsy isika mitsara olona. Dia hoy ny mpanompon’Andriamanitra anankiray :satria isika malaky loatra mitsara olona, hoy izy, dia matetika diso ilay jugement antsika momba iny olona iny. Fa nahoana no diso ny jugement antsika momba iny olona iny ? Satria hoe malaky isika hitsara, dia ampahany kely amin’ilay fiainany no hitantsika. Io ohatra, raha mijery tableau ngeza be ianao, dia ampahany kely amin’ilay tableau no jerenao, tsitanao ny totalité an’ilay tableau dia hoe : inona ary ity, aiza ary ny hakanton’ity tableau ity, aiza izay hatsarany, aiza izay hahakingan’ilay mpandoko, sy ny karazany ? Dia diso be ianao ka. Aza malaky mitsara, aza malaky mitsara. Mitaraina, mijoro vavolombelona ity mpanompon’Andriamanitra anankiray ity ry havana, hoe : izaho, hoy izy, tena marary mihitsy ny foko rehefa tsarain’olona aho noho izay heveriny hoe fahalemen’ny finoako. Tsy ilay hoe fahalemen’ny finoako no mampalahelo ahy, fa mahita ilay olona malaky mitsara, ary tsy mahafantatra izay mba hoe adim-panahy rehetra, adim-panahy maharitra, adim-panahy lalina tato am-poko, mba te hiala amin’izany hoe mifady an’izao, na mifady an’izao, nefa ny Soratra Masina efa milaza hoe azo hohanina ny zava-drehetra. Tsy fantany izany adim-panahiko izany hoy izy, fa izy dia faly mitsara fotsiny. Raiso hoy Paoly, raiso ny malemy finoana, ary aza mitsara azy. Raiso ny malemy finoana, ary dia hoe fantaro fotsiny fa ny zava-dehibe, dia hoe efa ao amin’ny Tompo izy an, velona ao amin’ny Tompo izy sa tsia ; ka na izy, na ianao, dia samy ampamoahina isika amin’izay andro izay.
Ary farany, ao amin’io perikopa io, dia hoe : aza mandrava. Hoy ilay and.20 : « Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra ». Ireo olona mahatsiaro hoe matanjaka ara-panahy manko ry havana dia mirehareha izy hoe : izaho olon’afaka, azoko atao daholo ny zavatra rehetra. Dia hoy ilay mpitoriteny anankiray izay : ilay olona miteny hoe azoko atao daholo ny zavatra rehetra, dia olona andevozin’ilay fahafahany izy. Fa ny olona tena matanjaka ara-pinoana, dia mikendry aok’izany ny tsy handrava ny asan’Andriamanitra ao amin’ilay malemy finoana.Inona moa no dikan’izany ry havana ? Raha resy lahatra ianao fa hoe azo atao ny mihinan-kena, nefa ilay olona eo anoloanao tsy mahazaka an’izany, dia hoy Paoly hoe aza mihinan-kena eo imasony e. Raha resy lahatra ianao fa azo atao ny mihinan-kisoa, kanefa ilay olona ao tsy mahazaka henankisoa, dia aza mihinana henankisoa eo imasony e, raha tsy hoe d’accord izy e. Maro ry havana ny olona anti-panahy, ary sarotra ny hiray saina aminy hoe : Pasitera an, i anona ity efa converti, ary tena fantatro mihitsy fa tena converti, fa nifady kisoa taloha ; vao nijoro vavolombelona teto amiko teto hoe izaho efa nandray an’i Jesoa marina, ka ny zavatra ni-testé-ko azy voalohany dia notereko hihinana kisoa dia nihinana. Tsia ry havana ô, tsy sûr aho fa izay no eritreritr’i Paoly. Ny tenenin’i Paoly eo : raha misy olona tsy mahazaka eo, ianao resy lahatra hoe tsy maninona misotro divay kely araka ny tenin’i Paoly ; aza misotro divay eo imasony e, any an-tranonao ianao misotro divay e. Aza mandrava ny asan’Andriamanitra ao amin’ny olona. Fa rehefa mandrava, fa tsy manorina an’io olona io ianao, ny asan’Andriamanitra no ravanao. Rehefa manamavo, mitsara an’io olona io ianao, Andriamanitra no hamavoinao, sy Andriamanitra no tsarainao ry havana ô.
Izay ilay hoe : aoka isika hiezaka hitady ny fiadanana sy momba ny fifampandrosoana. Ianao raim-pianakaviana, ianao renim-pianakaviana, eny e, eo koa ianareo zanaka, miezaha hampandroso ireo ray aman-dreninao ireo, raha ianao efa zoky ara-panahy nefa zandryara-nofo. Miezaha hampandroso ny fiadanana sy ny fifampandrosoana, fanorenana fa tsy fandravana, araka ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny ankohonanao. Dia enga anie ka noho ny fahasoavan’Andriamanitra samy ho hita fa tena zanaky ny fiadanana tokoa isika mianakavy, ho fiadanantsika, sy ho voninahitr’Andriamanitra Raintsika.
Amena.

ALAHADY 08 DES 2019

« Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany ». Lioka 11 :28

Ity teny hitantsika ity dia valin-teny nataon’i Jesoa Kristy tamin’ilay vehivavy, vehivavy nahita ny asany, ka nilaza sy nanambara fa sambatra ny renin’i Jesoa manana zanaka miavaka ao anatin’ny fiaraha-monina toy izao. Hita taratra tamin’ny valin-tenin’i Jesoa teto, fa raha niteny ity vehivavy ity hoe « sambatra ny nono izay ninonoanao », dia iny Jesoa milaza fa misy endri-pahasambarana 2 izay mifanena na hita taratra ao anatin’ny tontolon’ny fiaraha-monina. Misy ny endri-pahasambarana izay heverin’ny olona, misy ny fahasambarana izay heverin’ny olona fa mora azo, mora raisina. Fa etsy an-danin’izany, Jesoa kosa dia te haneho fa misy fahasambarana miavaka tian’i Jesoa, tokony ho raisin’izay rehetra mihaino, tokony ho rasin’izay rehetra manara-dia Azy.

Amin’ity volana Desambra ity moa, ny lohahevitra izay banjinin’ny FJKM dia hoe : Iaino ny fiadanan’ny Tompo. Izany lohahevitra izany dia mitaona sy mitarika antsika tokoa, hoe misy fiadanana avy amin’ny Tompo tokony raisina, tokony iainana. Iza tokoa moa, amintsika, no tsy maniry hanana izany fiainam-piadanana izany ? Mitaona ny teny eto hoe : Iaino ny fiadanan’ny Tompo. Fa io fiadanana io, dia mifamatotra amin’izay heverina ihany koa hoe fahasambarana. Ary raha namaky ny Soratra Masina teo isika, iza amintsika moa no tsy te mba ho sambatra ? Iza amintsika no tsy te hitana izany fiainam-pahasambarana izany ? Ankehitriny ary, ny tenin’Andriamanitra manoloana antsika eto, dia miresaka, mampahafantatra ny amin’izay lalam-pahasambarana.

Araka ny nambara teo dia misy fahasambarana 2 mifanindran-dalana na mifanena eto.

  1. NY FAHASAMBARANA ARAKA NY FOMBA FIJERIN’NY OLOMBELONA

Hoy ny and. 28 eto hoe : « Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa ». Eny tokoa. Izay tenin’i Jesoa izay an dia mifamatotra amin’ilay teny hoe : « Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao », and.27. Tenin’ilay vehivavy izany, ilay vehivavy izany eto dia izao : nanome anjara toerana manokana an’i  Maria renin’i Jesoa, ity vehivavy ity. I Maria, izay reny nitondra vohoka , i Maria izay reny nampinono, nitaiza, nanabe. Dia rehefa hitan’ilay vehivavy fa tena miavaka i Jesoa, dia hoy ilay vehivavy hoe : « Sambatra ny reninao ». I Maria, amin’ny maha-olona, dia olona manana fifandraisana akaiky tamin’i Jesoa, manana fifamantorana tamin’i Jesoa. Dia tsy mahagaga tokoa eto, fa rehefa mijery ny fiainan’i Jesoa ilay vehivavy, rehefa nahita ny asa nataon’i Jesoa ilay vehivavy, dia hoy izy hoe : tena sambatra ny reny, ny ray aman-dreny manana zanaka tahaka anao. Ilay fahasambarana lazain’ilay vehivavy, dia fahasambarana araka ny fijery ao anatin’ny tontolon’ny fiaraha-monina. Sambatra satria miavaka ny zanany ; sambatra satria nahavita zavatra mampitolagaga ny fiaraha-monina ilay Jesoa zanany ; sambatra satria manana zanaka hendry, izay mitondra fampianarana mahagaga ny olona ilay Jesoa zanany. Izany hoe azo ambara izany fa ny fahasambarana resahina eto dia araka ny teny teo, hoe : fahasambarana noho ny fahitana ny zava-misy. Fahasambarana, izay heverina hoe rehefa miavaka ny zanaka izay nateraka, dia manam-pifaliana ilay reny ; rehefa ao anatin’ny fahendrena ny zanaka izay nateraka, dia toa hita ho milamin-tsaina, miadana, sambatra ny reny. Fahasambarana hita maso izany fahasambarana izany. Araka ny teny teo, dia hoe : te hilaza ny anjara toerana misy an’i Maria ity vehivavy it, sambatra noho ny amin’i Jesoa, sambatra satria manana an’i Jesoa.

Ry havako malala, manana ny fijeriny, manana ny fiheverany ny amin’izay fomba andraisana sy iainana ny fahasambarana ny zanak’olombelona. Matetika tokoa, rehefa manana fifandraisana akaiky amina sokajin’olona miavaka ao anatin’ny fiaraha-monina ny olona anankiray, hoe misy olona manana ny maha-izy azy, havany, na zanany, na mifanerasera aminy, dia misy fifaliana ao anaty. Ary izay mitazana dia hoe : sambatra ireny satria manana olona tahak’izao sy tahak’izao. Dia izany no fomba fijery ijeren’ny mpiara-monina. Nefa koa dia izao : matetika dia ambara fa sambatra ihany koa ny olona, rehefa manana zavatra tsara anankiray, manam-bola, manan-karena, manana ny maha-izy azy. Dia hoy ny mpitazana hoe : sambatra ireny fa hafa, tena hafa ny tenany. Vokany : mihazakazaka avokoa ny olona mikatsaka izany endri-pahasambarana izany. Hoy ny Tompo eto hoe : « Eny tokoa ». Eny. Tsy mandà ny Tompo fa misy fahasambarana tokoa izany. Fahasambarana araka ny fiainan’ny olombelona ety an-tany. Ary izany no ambaran’ny Ohabolana 10 :1 : « Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy ». Rehefa hendry ny zanaka, rehefa mandeha araka ny lalana tokony hizorana ny nitaizany, ny nanabeazany ny zanany, faly ny reny, manana fahasambarana satria manana zanaka voataiza tsara. Izany no antony ampianaran’ny Sampana Sekoly Alahady ny tenin’Andriamanitra, mba hahatonga ny zanaka, mba hahatonga ny fiangonana hanovo ilay fahendrena, ilay fahalalana avy amin’Andriamanitra, mba hahatonga ny zanaka sy ny fiangonana hanana toe-panahy, fiainana miavaka, ka rehefa mijery ny mpiara-belona, mijery ny manodidina, dia hoe : sambatra ny ray aman-dreny manana zanaka tahak’izany.

Tsarovy ary, Alahadin’ny Sampana Sekoly Alahady ity andro ity, tsarovy ry Sampana Sekoly Alahady, tsarovy ry fiangonana fa tena mahafaly ny ray aman-dreny ny manana zanaka hendry, miavaka eo amin’ny fiaraha-monina. Ary izany no ambaran’i Jaona any amin’ny epistily nosoratany : « Tsy manana fifaliana lehibe noho izao Aho, diia ny ahafantarako fa mandeha amin’ny fahamarinana ny zanako ». Rehefa miaina amin’ny tenin’Andriamanitra, miaina amin’ny fahamarinana, misy fifaliana ao anatin’ireo ray aman-dreny nitaiza sy nanabe. Zava-dehibe izany. Tadidio anie, fa Jesoa tokoa anie ka voataizan’ny ray aman-dreniny tamin’ny Soratra Masina e, araka ny fomba fanao teo amin’ny fiaraha-monina jiosy. Dia izany no nampiavaka Azy. Taomina sy tarihina ary isika Sampana Sekoly Alahady sy isika rehetra, isika zanaka, mba hahatonga ireo ray aman-dreny mpitaiza, mpanabe, hanana ny fahasambarana : meteza hanana toe-panahy, toe-tsaina, tena miavaka ; maneho ny maha-tena kristiana antsika koa isika, ka hoteny ny olona hoe : sambatra ny ray aman-dreny satria miavaka isika. Sambatra ny ankohonana sy ny fianakaviana satria miavaka isika.

Izay ny fahasambarana araka ny fijjerin’ny olombelona. Mila katsahina ihany koa izany, mila tadiavina ihany koa izany. Ry havako malala, izany ny fahasambarana ilaina. Fa raha jerentsika ny tenin’Andriamanitra mitohy eto dia izao : Jesoa mampahafantatra koa anefa ny amin’ny fahasambarana tian’i Jesoa iainantsika.

  1. NY FAHASAMBARANA ARAKA AN’I JESOA KRISTY

« Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany ». Nambara teo fa hoe tsy nandà Jesoa fa misy fahasambarana izay heverin’ny olona, mahamaika ny olona. Nefa i Jesoa eto dia mampitodika ihany koa fa misy ny tena fahasambarana tokony katsahina, misy ny fahasambarana marina tokony ho tadiavina, misy ny fahasambarana marina tokony iainana. Mazava tsara eto ary ny tenin’i Jesoa tamin’ilay vehivavy : « kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany ». Loharanon’ny tena fahasambarana ny mihaino ny tenin’Andriamanitra. Tsaroana fa anisan’ny mampiavaka ny fiangonana, anisan’ny nampiavaka ny zanak’Isiraely tamin’ny fotoan’androny, raha vakiantsika ny bokin’ny Deoteronomia, ny mihaino, ny anjara toeran’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra ; miverimberina ao amin’ny Deoteronomia ny hoe « mihainoa ry Isiraely ». Ny maha-izy azy ny fiangonana, ny maha-izy azy ny vahoakan’Andriamanitra dia izao : ny fanekena hihaino an’Andriamanitra, ary indrindra, mifamatotra amin’ny fihainoana ny fitandremana, ny fankatoavana, ny fampiarana ny tenin’Andriamanitra izay nohenoina, hitondrana ny fiainana. Mazava tsara : « kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany ».

Ny tena fahasambarana izany dia izao : ny mihaino ny tenin’Andriamanitra. Ahoana tokoa moa ? Rehefa mihaino ny tenin’Andriamanitra ny olona dia izao : tafahoana amin’Andriamanitra ka mihaona amin’ilay Andrian’ny fiadanana ; dia izay fihaonana amin’Andriamanitra izay dia ahafahana mandray ilay fiainam-piadanana. Ary tsy izany ihany, fa rehefa mihaino ny tenin’Andriamanitra ny olona, dia ao amin’izany tenin’Andriamanitra izany no ahalalana ny maha-Izy azy an’Andriamanitra, sy ny fiainana atolony ho an’ny olona. Tsy ho fantatry ny olona mihitsy hoe misy fiainana manokana omen’Andriamanitra, raha tsy mihaino ny tenin’Andriamanitra ny olona. Ka rehefa mihaino, dia tonga ao anatiny, fa Andriamanitra miteny, Andriamanitra manatanteraka, dia tonga ilay fahasambarana, ilay fiadanana. Ary izany no hitantsika ao amin’ny Joba izay novakiana tamintsika teo, Joba 36 : 11-12 : « Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin'ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin'ny fahafinaretana ; Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana ». Mampieritreritra izany teny izany. Fa tena amafisin’ny tenin’Andriamanitra, amafisin’Andriamanitra amintsika eto ny hoe : ny fanekena hihaino no hanovozana, no handraisana ny tena fahasambarana, ny tena fiadanana. Ary mifamatotra amin’izay ilay lazain’i Jesoa Kristu ao amin’ny Jaona 20 :31 manao hoe : « fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo ». Ny tenin’Andriamanitra dia nosoratana, eny, napetraka mba hahatonga antsika hanam-pahalalana ny amin’i Jesoa, ka handraisantsika fiainana Aminy, raha mino izay voasoratra ; kanefa mba hahafahantsika mino, dia tsy maintsy isika mihaino izay ambaran’izany teny izany. Ny fihainoana no lalan’ny fahasambarana.

Ny tena fiadanana dia ny fananana sy mandray ny fiainana ao amin’i Jesoa Kristy. Ny tena fahasambarana dia ilay fananana fiadanam-po rehefa mandre sy mandray ilay tenin’i Jesoa milaza fa misy ny fiainana omeny ho an’ny mino Azy. Eny, ny tena fahasambarana dia ny fampiarana, ny fivelomana ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana andavan’andro.

Ry havako malala, Eny tokoa, hoy ny Tompo, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany. Ry havako malala, ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany no tena fahasambarana itarihan’i Jesoa antsika. Tsara iiay manana zanaka miavaka, ary amporisihina antsika zanaka izany, fa andraisan’ny ray aman-dreny fahasambarana. Fa miaraka amin’izany koa ilay fahendrentsika hihaino ny tenin’Andriamanitra ka hankatoa sy hivelona amin’ny tenin’Andriamanitra mandrakariva. Izao mantsy : rehefa mihaino sy mampiatra ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana andavan’androntsika isika, miavaka ny fiainantsika. Nambara teo hoe mihaona, mifanerasera amin’Andriamanitra, tsara fihavanana amin’Andriamanitra, tsara fifandraisana amin’Andriamanitra. Ary mazava tsara ny voalazan’i Joba : « Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana ». Izay ilay mandray, mihaino ny tenin’Andriamanitra. Fa izao : rehefa ampiarina ny tenin’Andriamanitra dia miova koa ny fifandraisanao amin’ny mpiara-belona aminao. Ny olona miaina ny tenin’Andriamanitra dia lasa manana fihavanana, mahay mifankatia, mahay mifanerasera amin’ny mpiara-belona aminy. Vokany : milamina sy mirindra ny fiainan’ny fiaraha-monina. Vokany : misy fiainam-pilaminana, misy fiainam-piadanana. Izany no vokatry ny fihainoana, fankatoavana ny tenin’Andriamanitra : milamina, misy fahasambarana.

Fa izany indrindra no maha-zava-dehibe ny asan’ny Sampana Sekoly Alahady : mampianatra ny tenin’Andriamanitra, ary manao izay hahatonga ny tenin’Andriamanitra ho fiainan’ny fiangonana. Tenin’Andriamanitra tsy ho fahalalana fotsiny, hoe mihaino, dia mahalala, fa tenin’Andriamanitra ampiarina, itondrana ny fiainana. Fa izany ihany no tena fahasambarana.

Ry havana malala, taomina sy tarihina isika ankehitriny hiaina ny fiadanan’ny Tompo. Te hiaina marina ny fiadanan’ny Tompo ve ianao ? Te hikatsaka marina ilay fiainam-pahasambarana  avy amin’ny Tompo va ianao ? Tarihin’i Jesoa indray isika ankehitriny : mahaiza manokana fotoana ihainoana ny tenin’Andriamanitra. Mahaiza manokana fotoana ifandraisana amin’Andriamanitra andraisana ny teniny. Mahaiza manokana fotoana ianarana ny tenin’Andriamanitra, ary indrindra, ampiarana izany tenin’Andriamanitra izany ho fitondrana ny fiainantsika. Fa raha izany no tanterahintsika, iaina ny fiainam-piadanana , ny fiainam-pahasambarana isika.

Ry havako malala, mazava ny hafatry ny Tompo ho antsika amin’izao Alahadin’ny Sampana Sekoly Alahady manerana ny sahan’ny FJKM izao : iaino ny fiadanan’ny Tompo Mila antsika iaina ilay fiainam-pahasambarana ambaran’ny Tompo. Misy ny fahasambarana araka ny fijerin’ny olombelona : zava-dehibe izany satria rehefa hendry ny zanaka, rehefa miavaka ny toetrany, mahavita zavatra miavaka, faly, manam-piadanana ny ray aman-dreny satria nitaiza sy nanabe zanaka miavaka. Ary mifameno amin’izany, raiso ny fiadanan’ny Tompo amin’ny fanekentsika hihaino, hianatra, hampiatra ny tenin’Andriamanitra.

Ho amintsika ny Tompo. Amena

 

ALAHADY 01 DES 2019

Mandinika lohahevitra vaovao indray ny FJKM ry havana amin’izao volana Desambra izao, araka ny henontsika teny amin’ny fitarihina ny fotoana teo, sy teny amin’ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora ihany koa. Fa andeha iarahantsika miredona izany e, mba hahatsiarovantsika fa izany no lohahevitra dinihintsika amin’ity volana Desambra ity, sy ieritreretantsika tsara ny hafatra izay omen’ny tenin’Andriamanitra. Inona hoe ilay lohahevitra ? IAINO NY FIADANAN’NY TOMPO.

Fa Alahady voalohany amin’ny advento koa androany ; izany hoe Alahady iray amin’ireo Alahady 4 andinihan’ny Fiangonana, fiomanan’ny Fiangonana amin’ny fankalazana ny fahaterahan’ny Mpamonjy, dia Jesoa Kristy, izay Andrian’ny fiadanana. Ka raha ny lohahevitra araka ny ilazan’ny mpaminany an’i Jesoa Kristy izany, dia fiadanana no resahintsika androany. RESAKA FIADANANA

Raha ny fiaraha-monina, eny fa na isika koa aza, tafiditra ao anatin’izany no anontaniana hoe : « manao ahoana izany fiadanana izany ? », dia izao no ataontsika, ataon’ny olona matetika : « efa miadana ry anona fa tafita ny zanany, manana an’izao sy izao izy, manan-katao izy, manana trano be izy… ». Fa tena izany tokoa ve no fiadanana ? Dia afaka mahatsiaro ilay tenin’i Jesoa ao amin’ny Lioka 19 : 42 isika hoe : « Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! ». Fa ho fantatsika izany fiadanana izany sy ny momba azy, avy amin’ny hafatra raisintsika avy ao amin’ny Isaia 57 : 15-21, ary ny Jakoba 2 : 14-20. Ireo andinin-tsoratra Masina ireo no iresahintsika mikasika ny atao hoe fiadanana, ary fahamarinana 3 no tsoahintsina ao anatin’izany.

Ny Fahamarinana 1 : MANANA FIADANANA IANAO RAHA MONINA AO AM-PONAO ANDRIAMANITRA, RAHA MONINA AO AM-PONAO JESOA KRISTY. Ny fahamarinana 2 dia hijerevantsika indray ny sakana mahatonga anao tsy hanana fiadanana na tsy iaina izany fiadanana izany. NY FIEREMANA, IZAY MAHA-TEZITRA AN’ANDRIAMANITRA, NO SAKANA TSY HANANANAO NA TSY HIAINANAO NY FIADANANA. Ary ny fahamarinana 3 farany, rehefa anananao ny fiadanana ka iainanao, MAMBOLY FIADANANA IANAO RAHA MANOME NY SOA HO AN’IZAY MILA AZY.

Fahamarinana 1 : MANANA FIADANANA IANAO RAHA MONINA AO AM-PONAO ANDRIAMANITRA, RAHA MONINA AO AM-PONAO JESOA KRISTY.

Ny Isaia 57 :15b no vakiantsika miaraka mba hahazoantsika manakatra tsara sy manazava izany fahamarinana 1 izany. : « Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena ». Ilay Andriamanitra Masina ry havana, mitoetra any amin’ny fitoerana avo sady masina, no manaiky honina ao aminao, ao amin’ny fon’ny torotoro fo. Ary rehefa monina ao Izy, dia mitondra fiadanana. Ary ny endrik’izany fiadanan entiny izany, dia famelombelomana ny fanahy. Izany fiadanana ho entiny izany koa dia mitondra fanasitranana, manasitrana, and.18a ary eo amin’ny and.19. Ary izany fiadanana ho entin’Andriamanitra ao amin’ny torotoro fo izany dia mitondra fiononana na mitondra fampiononana, and.18b. Ary farany, raha tsy hilaza afa-tsy izany isika araka ny ambaran’ny Isaia 57, ny fiadanana ho entin’ Andriamanitra monina ao amin’ny torotoro fo, dia fampihavanana Aminy, and.19b : « Fiadanana, fiadanana ho an'izay lavitra sy ho an'izay akaiky! ». Rehefa vita fihavanana amin’Andriamanitra, dia mety monina Izy ary mitondra fiadanana.

Fa inona moa izany hoe « torotoro fo » ry havana ? Ny torotoro fo, raha tena adika amin’ny fomba tsotra, dia hoe : fo mangorakoraka ; mangorakoraka noho ny fahotan’ny tenany, sy nohon’ny fampahorian’ny fahavalo. Ny fahavalo mampahory ny zanak’Andriamanitra, dia voalohany : satana, faharoa : izao tontolo izao, ary fahatelo : ny tenany ihany. Noho nybfampahorian’izany fahavalo izany, noho ny fahotan’ny tenany, dia mangorakoraka izy. Ary rehefa mangorakoraka dia mitaraina amin’Andriamanitra ka mitady fanafahana avy amin’izany Andriamanitra izany. Raha tena adikantsika amin’ny fomba tena tsotra izany rehetra izany ry havana : ny fo mangorakoraka dia ilay fo miaiky ny fahotana ka miaiky izany fahotana izany eo anatrehan’Andriamanitra. Miaiky ny amin’izany fahotana izany, dia mifona. Ary rehefa izany, dia mampiditra an’i Jesoa ao am-pony mba ho Tompony sy Mpamonjiny. Izany ny fo torotoro tian’Andriamanitra ho heno. Fa rehefa manao izany ianao, dia vonona hiditra ao aminao Izy. Efa nataonao ve izany ry havana : niaiky ny fahotanao dia nifona teo anatrehan’Andriamanitra ary nanokatra ny fonao mba hidiran’i Jesoa Kristy mba ho Tomponao sy Mpamonjinao ? Raha efa nataonao izany, avaozy amin’ity anio ity. Fa hitanybhoe torotoro ny fonao dia honina ao Izy, ka hanana fiadanana ianao. Fa raha mbola tsy nataonao, dia ataovy, fa mandondona ao am-ponao Izy ankehitriny, te hiditra, te honina, mba hanananao fiadanana. « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko ». Ary tsy hiara-hisakafo fotsiny Izy, fa hitondra fiadanana ho anao. Fa Izy ilay Andrian’ny fiadanana, ary ahatonga anao hiaina sy hanana fiadanana.

Fahamarinana 1, iarahantsika miredona : MANANA SY MIAINA FIADANANA IANAO RAHA MONINA AO AM-PONAO JESOA KRISTY. Ohatrany tsotra an ! Fa inona ary ny sakana mahatonga anao tsy hiaina na tsy hanaan an’izany fiadanana izany ? Inona no sakana ? Andeha vakiantsika ry havana ny Isaia 57 :17a : «  Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy ». Inona hoe no naha-tezitra an’Andriamanitra ? Ny fieremana.

Fahamarinana 2 : NY FIEREMANA, IZAY MAHA-TEZITRA AN’ANDRIAMANITRA, NO SAKANA TSY HANANANAO, NA TSY HIAINANAO NY FIADANANA

Izay ilay fahamarinana 2. Ny fieremana, izay betsaka no andikana azy, fa anankiray amin’ny andikan’ny teny vahiny, na ny teny frantsay azy, dia ilay hoe : « cupidité », izay andeha adikantsika amin’ny hoe « fitiavam-bola, fitiavan-karena ». Ary izany famaritana izany dia amafisin’izay voalaza ao amin’ny Jeremia 6 :13-14, izay mifanindran-dalana amin’ny Isaia 56 sy 57 vakiantsika izao. Andeha hiarahantsika mamaky, Jeremia 6 :13-14  : « Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa. Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona! ». Fatra-pila harena, fatra-pila vola, na ny mpisorona na ny mpaminany tamin’izany andro izany, ka nanjary nampahory ny zanak’Isiraely. Nanaonao foana, namitaka, nilaza hoe : fiadanana, fiadanana, nefa tsy izany. Izany no zava-mitranga manomboka any amin’ny  Isaia 56 :9 – Isaia 57 :1-14. Ary manomboka eo amin’ny and.15  dia fampiononana ho an’ny zanak’Isiraely no nampitondraina an’i Isaia mpaminany.

Ny fieremana ry havana, raha adikantsika hoe fitiavam-bola, fitiavan-karena, maha-tezitra an’Andriamanitra. Ary ny fieremana koa, raha adikantsika amn’izany fitiavam-bola izany dia avy amin’ny fo. « Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra », araka izay voasoratra any amin’ny 1 Timoty 6 :10. Fa ny ratsy rehetra koa, araka ny Matio 15 : 19, dia miainga avy amin’ny fon’ny olona : « Fa avy amin’ ny fo no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny vonoan’ olona, ny fakam-badin’ olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy », dia azo tohizana izay mety ho karazan-dratsy rehetra. Ary azo heverina aza fa tafiditra ao anatin’izany ratsy izany, ateraky ny fitiavam-bola, ny fahihirana.

Ry havana, izany no maha-tezitra an’Andriamanitra, satria tsy araky ny sitrapon’Andriamanitra izany. Ary ny zavatra atao tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy hananana fiadanana, araka izay voasoratra ao amin’ny Isaia 57 novakiana tamintsika ny and.21 hoe : « Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy ». Ny ratsy fanahy, raha ny Soratra Masina no milaza azy, dia izay rehetra tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra. Hitantsika amin’izany, fa ny fitiavan-karena, ny fieremana na fitiavam-bola dia fototry ny ratsy rehetra. Fa ny ratsy rehetra dia miainga avy amin’ny fon’ny zanak’olombelona.

Teo amin’ny fahamarinana 1, voaresaka fa raha monina ao amin’ny fo torotoro Jesoa, dia miaina sy manana fiadanana isika. Fa ny sakana eto izany dia mbola ny fontsika indray, satria io no mahatonga fieremana. Ary raha ny Jeremia 17 :9-10 no vakiantsika, dia mazava tsara ny tenin’Andriamanitra : « ny fo dia manana aretina tsy azo sitranina ». Manana aretina tsy azo sitranina ny fo, fa Izy Andriamanitra, ilay mpandinika ny fo sy ny voa ihany no afaka manasitrana azy. Ka inona ary no ho atao raha tiana ho sitranina ny fo, ka afaka ny fieremana, dia ho afaka ny sakana tsy ahafahantsika miaina ny fiadanana ? Andao atolotra an’Andriamanitra ny fontsika e mba ho sitraniny. Izany rahateo no ambaran’ny  Ohabolana 23 :26a : « Anaka, atolory Ahy ny fonao ». Atolory an’i Jesoa Kristy, atolory an’Andriamanitra ny fonao, fa Izy no afaka hanafaka, hanapotipotika, handrava ny fieremana ao anatinao, dia hanana fiadanana ianao, ary iaina amin’izany fiadanana izany.

Ny fahamarinana 1 : Miaina sy manana fiadanana ianao raha monina ao am-ponao Jesoa Kristy. Ny fahamarinana 2 : Ny fieremana, izay maha-tezitra an’Andriamanitra, no sakana tsy hanananao fiadanana. Andao ary hiaraha-manaiky fa manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjinao ianao, dia sokafanao ny fonao idirany dia monina ao Izy. Natolotrao Azy koa ny fonao ho sitraniny. Dia inona no vokatr’izany ? Andeha vakiantsika ny Jakoba 2 : 14-16 : « Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan-andro, ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin’ ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ ny tenany, inona moa no soa azo amin’ izany? ».

Fahamarinana 3 : MAMBOLY FIADANANA IANAO REHEFA MIZARA SOA HO AN’IZAY MILA IZANY

Ny Jakoba 2 ry havana manomboka eo amin’io and.14 io dia miresaka ny amin’ny hoe finoana sy asa, finoana sy asa, ary indraindray mihazohazo ny hevitry ny kristiana ny amin’izany. Fa andeha tsorintsika amin’izao, hoe : ny finoana marina dia tokony hiteraka asa ; ary indrindra raha mahatsiaro ny famonjen’i Jesoa Kristy, ny famonjena nataony taminao tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ianao, dia tokony hanao asa miaraka amin’izany. Ny Efesiana 2 :8-10 no vakiantsika hanamafy sy hanamarina izany : « Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra; tsy avy amin’ ny asa, fandrao hisy hirehareha. Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy ». Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia novonjena isika tamin’ny alalan’i Kristy, ary nohariany hanao asa tsara. Ary isan’ny asa tsara ry havana ny fizarana ny soa, ny fizarana ny fiadanana ho amin’ny hafa, indrindra rehefa miaina izany fiadanana izany ianao, manana an’izany, dia tery ianao hizara an’izany ho an’ny hafa.

Fa rehefa mizara fiadanana ianao, aza zaraina amin’ny teny fotsiny, fa zarao amin’ny asa koa e. Izany no ambaran’izao Jakoba 2  izao eo amin’ny and.16. Raha misy olona tonga ao aminao tsy manan-kohanina, tsy manan-kitafy, dia hoy ianao aminy hoe : « mandehana amin’ny fiadanana, mivokisa, sns… », inona moa ny fiadanana ho azony amin’izany ? Fa tena izany tokoa anie isika matetika e, indrindra fa izahay mpiandry. Raha mba misy olona tonga ao aminay, mba mila fanampiana : vary no tadiaviny ; fa ny mahamaika anay dia : « mibebaha, atolory ny Tompo ny fonao », dia lasa ilay olona, sorena : zavatra hafa no tadiaviny dia zavatra hafa no ambara, dia sorena ilay olona. Fa raha tena te haneho an’izany ianao dia zarao ny fiadanana amin’ny endrika hita maso.

Tantara niseho tamina tokantrano anankiray no isarihina ny saintsika amin’izany fiadanana izany. Vary 4 kapoaka no ampy an’ity tokantrano anankiray amin’ny sakafo atoandro. Ary tsy fantatra izay zavatra nitranga, fa dia vary 4 kapoaka tokoa sisa tao. Talohan’ny nandahoana sakafo anefa, nandalo tao amin’io tokantrano io, mpangataka anankiray, dia ilay faralahy no tao niaraka tamin’ny mpanampy : mpangataka ô, mpangataka ô ; dia tsy hitan’ilay faralahy ny natao, izy moa tsy dia mahazo resaka tsara : lasa nangalany 1 kapoaka ilay vary 4 kapoaka nomeny ny mpangataka. Tonga ny mpisakafo ny atoandro, gaga ilay raim-pianakaviana : fa maninona izany vary izany no toa ohatrany kely e, toa tsy ampy izy izany. Dia tsy nisy dahy niteniteny teo, dia farany nivaky ihany ilay mpanampy hoe : nisy mpangataka nandalo teo dia nomen’ilay zanakareo faralahy azy ny 1 kapoaka ; Saika hiaka-pofona ramose hoe fa ahoana no zaraina, fa izao manjary kely no hohanina. Fa notsindrian’ny Fanahy Masina izy, dia hoe : oay, misaotra ny Tompo fa na dia banga 1 kapoaka aza ny tato an-trano, nihinana ihany isika, ary mba nihinana koa ny hafa. Isika niadana, fa mba niadana koa ny hafa, vokatr’ilay 1 kapoaka. Izany ry havana ny endriky ny fizarana. Mamboly fiadanana ianao rehefa mizara ny soa amin’izay mila izany. Vary no nalainy ? omeo azy aloa ny vary. Fa azo tohizana izany amin’ny fomba hafa. Tantara anankiray niseho tamina toram-piasana anankiray indray no isarihina ny saintsika amn’izay hanohizana azy. Ramose anankiray izay, nankao amin’ny toeram-piasana iray satria miasa tao amin’io toeram-piasana io hono ny zokiny, izay mba nanana ny maha-izy azy, tompon’andraikitra ambony tao amin’io toeram-piasana io. Roa arivo no notadiaviny tamin’ilay zokiny, Ariary an, fa tsy nanome ilay zokiny. Dia ilay zokiny kristiana, dia izao no mba nataon’ilay zokiny, hoe : « tsy misy r’se an, mivavaha, fa ianareo tsy mivavaka io ihany no tsy mahazo anareo, mangataka lava, 2.000Ar, andao fa tsisy ». Dia nangasihasy ilay ramose nivoaka ; fa alohan’ny nivoahany an’ilay toeram-piasana anefa, nahita olona anankiray izy, izay tsy fantatra, fa angamba hitany teny amin’ny endrik’ilay olona io ny fiadanana. Dia nanatona izy : « hono hoa ramose, ianao mba afaka mandray ahy », dia hoy ilay ramose : « ie, afaka mandray anao aho fa inona kay no atao anao izay ? » ; « Izaho ramose tato amin’ilay zokiko tato amin’ity toeram-piasana ity, i anona no anaran’ilay zokiko, fantatrao angamba izy, nangataka 2.000Ar aho dia tsy nomeny. Fa sao dia mba manana 2.000Ar ianao ». Dia nomen’ilay ramose ilay 2.000Ar. « Inty ary ny 2.000Ar e ». Fa lasa fanaon’io zalahy io ny mangataka 2.000Ar amin’io ramose io isan-kerinandro, tapa-bolana. Dia hoy ilay ramose : ohatrany tsy mety fa angataka eto foana, fa inona no ataoko Jesoa ô. Nisy an’ireny filzantsara kely mangamanga fanomen’ny gideona iraisam-pirenena tao amin’ilay ramose tao, dia rehefa tonga ity rangahy ity, asa tamin’ny fanindiminy na fanieniny, mbola hangataka 2.000Ar ihany, dia hoy ilay ramose : « zandry an, tsy manana 2.000Ar omena anao aho androany, fa ity misy zavatra mihoatra ny 2.000Ar omeko anao : ao anatin’ity Jesoa Kristy, ilay Andrian’ny fiadanana. Somary nalahelo ihany ilay rangahy satria 2.000Ar no nantenainy, zavatra hafa no nomena azy. Fa lasa izy. Afaka herinandro na tapa-bolana, niverina izy, dia tsy niditra intsony izy an, fa eo amin’ny varavaran’ilay nanome ilay boky kely izy no nitazana : « tsy angataka intsony aho androany e, fa hitako ilay izy ». Hitany Jesoa Kristy, ilay Andrian’ny fiadanana.

Ry havana, mamboly fiadanana ianao rehefa mizara ny soa amin’izay mila izany. Mety amin’ny endrika fanomezana izany, fa azonao tohizana tsara amin’ny fizarana ilay tena fiadanana, dia ilay Andrian’ny fiadanana.

Miaina sy manana ny fiadanana ianao rehefa monina ao am-ponao Jesoa Kristy : ilay fonao torotoro, mangorakoraka noho ny fahotanao, mangorakoraka noho ny fampahorian’ny fahavalonao. Dia sokafanao honenan’i Jesoa Kristy, ilay Andrian’ny fiadanana, dia miaina ny fiadanana ianao. Ary rehefa ao anatinao Izy, dia potehiny, ravany, ilay sakana tsy hanananao izany fiadanana izany. Inona moa ilay sakana tsy hananana fiadanana ? Ny fieremana. Andao averintsika tsara ary ilay fahamarinana 2 e : Ny fieremana, izay maha-tezitra an’Andriamanitra no sakana tsy hanananao ny fiadanana. Ary rehefa afaka ny sakana, dia mamboly fiadanana ianao rehefa manao inona ? Mamboly fiadanana ianao rehefa mizara ny soa ho an’izay mila izany.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.

Commentaires récents par FJKM Isotry Fitiavana

Pas de commentaires par FJKM Isotry Fitiavana encore.